EPP Ivato Village : nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:02

Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Na­nolotra dabilio vita tanteraka amin’ny fako plastika voaho­dina ho an’ny EPP Ivato Village, omaly, ny Orinasa Andao Com­pany.
Tanjona ny hanova ny fako plastika ho fanaka an-tsekoly lovain-jafy sy hanohanana ny fanabeazana ny ankizy. “Ma­teza sy maharitra hatrany amin’ ny 10 taona ireto dabilio vita amin’ny fako plastika ireto raha oharina amin’ireo dabilio hazo”, hoy ny tale jeneralin’ny Andao Company, Ramino­saona Zina. Manabe ny ankizy hahay hikajy ny tontolo iainana sy hampianatra azy ny fanodinana fako plastika ho akora azo ampiasaina sy ho loharanon-karena ny tetikasa. Haha­vita dabilio enina eo ny fako plastika 200 kg raha mila 21 kilao amin’izany ny fanamboarana dabilio iray. Tanjona, araka izany, ny hamokarana dabilio avy amin’ny fako indroa isam-bolana, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Niara-nientana tamin’ity fanavaozana ny EPP Village Ivato ity ny Ravinala Airports, miaraka amin’ny orinasa Andao sy ny vondrona Sofitrans. Mihoatra ny 1 300kg ny fako plastika voaangona sy voaodina, nahafahana nisoroka ny famoahanana 3 510kg ana CO2 eny amin’ny rivotra. Ity farany izay nahafahana nita­hiry tavoahangy amin’ireo
1,5 litatra miisa 37 143 tsy hi­paritaka eny rehetra eny. Fa­nam­bin’ny tetikasa sy ny Ori­nasa Andao Company ny hanatsara ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fotodrafitrasa ho an’ny mpianatra sy ho fanomezana asa ho an’ny tanora.

Henintsoa H.

Catégories: National

CCI Soisa : fampiroboroboana ny toekarena maitso

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:02

Nandalo tao amin’ny Foiben’ny varotra iraisam-pirenena (CCI) any Geneve Soisa, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Fontaine Max Andonirina, ny 22 marsa teo. Nandray azy, ny talen’ny CCI, sampana Afrika, Aissatou Diallo sy ireo tale samihafa ao amin’ity foibe ity. Tanjona tamin’ny fihaonana ny tombana hijerena ny tohana azon’ny CCI hatao ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fandaharanasa mifandraika amin’ny toekarena maitso mipaka amin’ny rehetra. Toy ny fampifanarahana ny toekarem-pirenena amin’ny lalàna iraisam-pirenena, toy ny fandrarana ny fanondranana eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ny vokatra avy amin’ny fanimbana ny ala, ohatra.
Noresahina koa ny atao hoe toekarena mihodina, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora, ny fanodinana indray ny fako avy amin’ny indostria fanamboarana lamba, ohatra. Fotoana nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CCI sy Madagasikara ity natao tany Geneve ity.
Fikambanana iraisam-pirenena manohana ny orinasa tsy miankina any amin’ny firenena andalam-pandrosoana ny CCI. Tanjona ny hampiroborobo ny varotra iraisam-pirenena sady hitondra fampandrosoana ao aminy.

Njaka A.

Catégories: National

Tanàn-dehibe: mamokatra ny telo ampahefatry ny harinkarena faobe

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:02

Ilana fanavaozana goavana ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Hampiroboroboana ny toekarena sy hampihenana ny fahantrana eto Madagasikara no anton’izany.

Tsy mahatosika ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fampihenana ny fahantrana eto Madagasi­kara ny tanàn-dehibe. « Mamokatra ny telo ampahefatry ny harinkarena faobe (PIB) eto amin’ ny firenena anefa ny tanàn-dehibe ary ny 44 % n’ny PIB dia vokarin’Antananarivo Reni­vohitra avokoa », raha ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Haingana kokoa ny fitombon’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara raha oharina amin’ireo tanàna any amin’ny firenena afrikanina atsimon’i Sahara. Anisan’ny antony navoitran’ny Banky iraisam-pirenena fa: « tsy misy ny drafi-pandaminana mazava amin’ny fanitarana ny tanàna. Tsy ampy na ny famatsiam-bola na ny fandrindrana mba hamaliana ny fitombon’ny fangatahana asa mendrika, trano, fotodrafitrasa amin’ny filana fototra ao an-tanàna. Mirobo­robo ivelan’ny rafitra ara-dalàna avokoa ny 60 % n’ny asa an-tanàn-dehibe ». Mampanahy ny fironana satria maherin’ny antsasaky ny mponina ao amin’ ny firenena no mety hipetraka an-tanàn-dehibe amin’ny taona 2036, ary nitombo be ny fahantrana tao an-toerana nandritra ny folo taona. « Tsy ijanona ny fitombon’ny tanàn-dehibe satria isany mandray mponina be indrindra izy ireny”, hoy ny minisitry ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. « Raha tsy izao isika dia ma­metraka lamina hanatsarana ny tanàna fa indrindra ny fampiasam-bola mety atao dia ho sahirana afaka fotoana fohy”, hoy hatrany ny fanazavany.

Tondrozotra
Mandroso vahaolana efatra sosona ny Banky iraisam-pirenena hitondrana vahaolana amin’ny fitantanana ny tanàn-dehibe eto amintsika. Mila hamafisina ny politika sy ny paikady nasionaly ho fampandrosoana ny tanàn-dehibe izay ilana fomba fiasa mahomby sy mifanaraka amin’ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary isaky ny kaominina. Apetraka ihany koa ny politika nasionaly ho an’ny fanavaozana isan-karazany, hanatsarana ny tolotra omen’ny kaominina sy ny fanajariana ny tany. Hampi­tomboina ny fampiasam-bola sy ny famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa ary tolotra ma­haritra ho an’ny tanàn-dehibe. Hatsaraina, hoy ny Banky iraisam-pirenena ny andrimpanjakana mandrindra ny fanajariana ny tanàn-dehibe.

Henintsoa Hani

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:01

Nahazo solosaina sy kojakoja manodidina izany avy amin’ny OIT ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hanatsara ny asan’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany. Tanjona ny hanarenana ny sekoly niharam-boina nandritra ny rivodoza farany teo.

Nivadika nangatsiaka tampoka ny andro 3 andro izay. Betsaka ireo olona tsy mahazaka izany fivadihana tampoka izany ka nikohoka sy voan’ny sery, indrindra ireo zaza sy ankizy. Mila mitandrina ary miaro tena amin’ny hatsiaka ireo sokajin’olona marefo. Mandrivo-maina ary mitorajofo ny vovoka ka mitondra karazan’aretina maro.

Ao anatin’ny fandinihana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana teknika ny minisitera mpiahy ankehitriny, ampifanarahana amin’ny vanim-potoana ankehitriny sy ny fivoaran’ny teknolojia izany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireo iraky ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny frankofonia (OIF) omaly, izany asa goavana atao izany, nandritra ny fihaonana.

Nisy ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola manatsara ny famatsiana fanafody, araka ny filan’ny mponina, hanitarana ny toerana fitahirizana, indrindra ho an’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Nanao ny fifanarahana ny SALAMA sy ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny AFD. Nanotrona ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Catégories: National

karatra biometrika: tsy manaiky ny hanafoanana azy ny mpivarotra

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:01

Tsy manaiky ny naoty navoakan’ny PDS an’Antana­narivo, manafoana ny karatra biometrika, ireo mpivarotra mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodi­ni­sotry (FMA). «Tsy mety ny hanafoanana ny karatra biometrika satria lasa manala anay ao anatin’ny ara-dalàna ary mamerina anay any amin’ny gaboraraka izany”, hoy ny filohan’ny FMA, Rakotosami­manana Arthur, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambodin’Isotry, omaly. “Tsy afaka hiverina amin’ny gobararaka sy ny kolikoly indray izahay satria karapanondron’ny tsenanay sy hanamarinana fa ara-dalàna izahay io karatra biometrika io”, hoy kosa ny filoha lefitry ny FMA, Raharimalala Lanto Olga. Nilaza izy ireo fa fanamarihana ny maha mpivarotra ny karatra biometrika. Anisan’ny mampidi-bola any anatin’ny kitapombolan’ny kaominina Antananarivo ihany koa ny haba aloan’ny mpivarotra amin’ny alalan’izy io. Angatahan’ reo mpivarotra, araka izany, ny hanohizana ny fitazomana sy fizarana ireo karatra biometrika ho an’ny mpivarotra. Mandoa haba amin’ny alalan’ny karatra biometrika izay nahazo izany. Amin’ny alalan’ny ticket kosa izay mbola tsy nahazo. Nangataka ihany koa izy ireo mba tsy hampitomboina ny saran’izany. Noha­mafisin’izy ireo fa 500 Ar ny saran’ny ticket 1m50x150 ary 1000 Ar kosa ny 3m2.

Mino

Catégories: National