karatra biometrika: tsy manaiky ny hanafoanana azy ny mpivarotra

Les Nouvelles - mer, 03/27/2024 - 08:01

Tsy manaiky ny naoty navoakan’ny PDS an’Antana­narivo, manafoana ny karatra biometrika, ireo mpivarotra mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodi­ni­sotry (FMA). «Tsy mety ny hanafoanana ny karatra biometrika satria lasa manala anay ao anatin’ny ara-dalàna ary mamerina anay any amin’ny gaboraraka izany”, hoy ny filohan’ny FMA, Rakotosami­manana Arthur, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambodin’Isotry, omaly. “Tsy afaka hiverina amin’ny gobararaka sy ny kolikoly indray izahay satria karapanondron’ny tsenanay sy hanamarinana fa ara-dalàna izahay io karatra biometrika io”, hoy kosa ny filoha lefitry ny FMA, Raharimalala Lanto Olga. Nilaza izy ireo fa fanamarihana ny maha mpivarotra ny karatra biometrika. Anisan’ny mampidi-bola any anatin’ny kitapombolan’ny kaominina Antananarivo ihany koa ny haba aloan’ny mpivarotra amin’ny alalan’izy io. Angatahan’ reo mpivarotra, araka izany, ny hanohizana ny fitazomana sy fizarana ireo karatra biometrika ho an’ny mpivarotra. Mandoa haba amin’ny alalan’ny karatra biometrika izay nahazo izany. Amin’ny alalan’ny ticket kosa izay mbola tsy nahazo. Nangataka ihany koa izy ireo mba tsy hampitomboina ny saran’izany. Noha­mafisin’izy ireo fa 500 Ar ny saran’ny ticket 1m50x150 ary 1000 Ar kosa ny 3m2.

Mino

Catégories: National

Pages