S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 58 sec

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 01 04 2026 )

il y a 11 heures 35 min

Catégories: National

Trail de Maurice : Lasan’i Hajanirina ny medaly volamena

il y a 11 heures 39 min

Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinanka­ratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. Tonto­sany tao anatin’ny 3 ora sy 11 mn sy 21 s ny halavirana. Fe-potoana vaovao no vitan’i Hajanirina tamin’ity fifaninanana ity. Mbola manana ny fikasana hanatsara izany ny tovolahy amin’ny manaraka, raha ny nambarany teo am-pahatongavana.
Taraiky 16 mn taorian’i Hajanirina ilay maorisianina, i Brian François Fils, izay na­havita ny hazakazany tamin’ ny fotoana 3 ora sy 27 mn sy 16 s. Fahatelo i Liraud Flore, 3 ora 27 mn 27 s. Efa nametraka ny anarany eo amin’ny Trail any Maurice sy eto amin’ ny faritry ny ranomasimbe In­dianina sahady izany i Hajanirina taorian’ity zava-bitany ity, izay anisan’ny misongadina.

Tompondaka

Catégories: National

Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea

il y a 11 heures 39 min

Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy.

Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sa­hala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao amin’ny Ki­anjan’ny Emir Complex Antalya Torkia. Taorian’ny fandresena 5 no ho 2, azo tamin’i Kirghizis­tan, dia namarana ny dian’ny Barea tany Torkia ity vokatra ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana tany an-toerana, hita nifandanja tsara ny andaniny sy ny ankilany teo amin’ny fitazomam-baolina saingy nanantombo amin’ny fanafihana ny Nzalang, teo amin’ny fidirana voalohany. Ny telo minitra voalohany, na­hazo fanafihana tsara ny gi­neanina mpilalao saingy nidona tamin’ny tsivalamby izany. Tany amin’ny faha-45 minitra, namono baolina ho an’i Guinée Equatoriale, i Loren Zuniga, nitarika 1 no ho 0, ry zareo teo amin’ny fialan-tsasatra.
Tao anatin’ny fidirana faharoa, nisy ny fanovana paikady ho an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Neso­rina ry Arnaud sy i Warren Caddy, nampidirina i El Hadary sy Nicolas Fontaine ary i Clément Couturier. Nahitam-bokany izany, nahasahala ny isa ta­min’ny alalan’ny “Coup franc” i Rayan Raveloson, kapitenin’ny Barea, ny minitra faha-62. Tsy niova tamin’io ny isa, rava sa­hala ny lalao, na dia teo aza ny andrana nataon-dry Couturier sy El Hadary ary Nicolas Fontaine.

Tsy niova ?
Taorian’iny vokatra azon’ny Barea tamin’i Kirghizistan sy Guinée Equatoriale iny, nijanona teo amin’ny laharana faha-104 ihany ny Malagasy, araka ny fikarohana natao omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa. Hatre­to, milaza ity pejy ity fa miandry ny vokatra rehetra vao hivoaka ny filaharana vaovao. Ankoatra izay, niakatra eo amin’ny faha-105 i Guinée Equatoriale ary i Vietnam indray no eo alohan’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Marihina fa anio no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny filaharana vaovaon’ny Fifa.

Fitia Randria

 

Catégories: National

Fanohanana ny fahafaha-miarina: Nizarana tohana ny tokantrano 1 200 tao Ambatondrazaka

il y a 11 heures 40 min

Novatsian’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC, fanafody ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro. Fa­nafody 126 baoritra no natolotra, tamin’izany, nahitana karazam-panafody hitsaboana ny tazo, antibiotique, antidiabétique, vitamine… miaraka amin’ ny fitaovam-pi­tsaboana maro.
Tonga teny amin’ireo to­kantrano miisa 1 200 tena marefo ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’Ambatondrazaka, Feramanga Avaratra, Ambandrika, distrikan’Amba­tondrazaka, ny fiandohan’ny herinandro teo ireo fanampiana avy amin’ny BNGRC. Ho fanohanana ny fahafaha-miarin’ireo tokantrano izany. Vary 12 000 kg, voamaina 2 310 kg, menaka 1 200 l, lamba firakotra 1 200 ary koveta 1 200 no notsinjaraina. Hitohy any amin’ireo kaominina roa ao anatin’ny distrikan’Amba­tondrazaka sy kaominina telo ao anatin’ny distrikan’Ampa­rafaravola ny hetsika fanarenana.
Nahazo ny anjara fanampiana koa ny tokantrano 400 tena marefo ao amin’ny kaominina Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II ho fanohanana ny fahafaha-miarin’izy ireo. Ny BNGRC no nisahana ny fizarana. Vary 5 000 kg, voamaina 1 000 kg, menaka 400 l, lamba firakotra 400 ary fitaovana fanadiovana sy fidiovana ho an’ny vehivavy 400 isa no natolotra tamin’izany.
Hitohy any amin’ireo kaominina efatra, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II, sy distrikan’i Brickaville, ny hetsika.

Vonjy

Catégories: National

Zo sy fahasalamana ara-pananahana: Betsaka ireo tsy mahafantatra ny lalàna lah. 2017- 043

il y a 11 heures 40 min

Notanterahina tany Toliara, ny volana marsa lasa teo, ny hetsika faobe fampahafantarana ny lalàna laharana 2027- 043 momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana. Ny Ipas Afrique Francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice reproductive no nifarimbona tamin’ny fikarakarana.

Tsapa nandritra ny fidinana tany Toliara fa maro ny tsy mahafantatra ny fisian’ilay lalàna. Misy koa tsy mahafehy ny votoatiny. Ni­santarana ny hetsika faobe ny dinidinika niarahana tamin’ny tanora sy ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tao amin’ny Maison des jeunes tao Ankilifaly. Dr Rajaobelina Lova, filohan’ny tambajotran’ireo parlemantera no nanazava ny asa sy andraikitr’izy ireo manoloana ny fahasalamana ara-pananahana. « Midina ety ifotony izahay hamantatra ny hetahetanareo vahoaka, ahafahana manatsara ny lalàna efa misy » hoy izy. Notsipihiny fa antoka ho amin’ny fampandrosoana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ka manana zo hisafidy ny isan’ny zaza aterany sy ny fotoana tiany hiterahana ny mpivady ary miantoka io zo ara-pananahana io ny lalàna 2017- 043.
Nentanina koa ny tanora tsy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra, tsy hiditra mialoha ny faha-18 taona anaty fanambadiana satria voararan’ny lalàna malagasy izany mialoha io fetran-taona io. Potika ny hoavy ary tsy tratra ny tanjona sady lasa vesatra ho an’ny ray aman-dreny izy ireo raha izay no miseho.
Nilaza ny zava-misy eto Ma­dagasikara ny solontenan’ny Ipas Afrique Franco­pho­ne eto an-toerana, Razanaliliany Hajasoa. Hatreto, vehivavy 10 isan’andro no maty vokatry ny fahasarotam-piterahana na ny fitondrana vohoka ka zatovo ny telo amin’ireo. Miroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo ny tanora malagasy raha ampitahaina amin’ireo firenena hafa. Vokany, miakatra ny ta­han’ny vohoka aloha loatra tsy niriana. Mitombo ny fampitsaharana vohoka antsokosoko, izay mitarika amin’ny fahafatesana matetika. Voasazin’ny la­làna eto Madagasikara ny fampitsaharana vohoka, na inona na inona antony. Samy iharan’ ny sazy avokoa na ilay vehivavy na ireo olona nanatanteraka izany. Ankoatra ireo, mitombo ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.

Vonjy

Catégories: National

Hazakazaka maneho firaisankina : Hanampiana ny hopitalin’ankizy ny vola azo

mar, 03/31/2026 - 07:43

Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika ha­zakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina.
Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy ny natokana ho an’ny mpihazakazaka efa matihanina, efa manana karatra. Faharoa, natokana ho an’ny 18 taona, izay samy mirefy 15 km. Fahatelo, ny fifaninanana ho an’ny ankizy teraka ny 2009 sy ny 2010. Hihazakazaka amin’ny halaviran-dalana 4 km izy ireo. Farany, natao hanomezana sehatra ny fianakaviana kosa ny 2 km.
Hiainga eo amin’ny Parvis Analakely ny mpihazakazaka. Handalo eny Ambohidahy, Ampefiloha, Anosy ary mifarana eny Mahamasina. Marihina fa natao hanampiana sy hanavaozana ny hopitaly ho an’ny ankizy, etsy Ambohimiandra ny vola  rehetra azo amin’ny hetsika. Efa manana vola natokana hanampiana ny hopitaly ny orinasa Somadis, mpanohana ny hetsika.
Tafiditra amin’ny fandaharanasa “Live and give”, izay mifototra tanteraka amin’ny asa sosialy ny hetsika. Hoto­lorana akanjo “T-shirt” manokana ireo 1 000 voalohany tonga misoratra anarana amin’ny hetsika. Miara-misalahy amin’ny “Course solidaire La vache qui rit” ny orinasa Somadis sy ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA).

F.R

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 03/31/2026 - 07:42

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea.

Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’ny kaominina, ary mbola mitana ny laharana fahatelo amin’ny kaonferansy atsimo izy ireo. Raha mbola mahita fandresena iray izy ireo aorian’ity, tafita avy hatrany amin’ny « Playoff »  ny fifaninanana nasionaly « PFL ».

Namiratra ny solontena malagasy niatrika ny “Open d’Afrique de Dakar”, taranja Judo, izay natao ny faran’ny herinandro teo. Nandrombaka medaly volamena i Zo Hajanirina, teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 78 kg. Medaly volafotsy kosa no azon’Andrianja­fitsalama Dylan, teo amin’ny sokajy Cadets, latsaky ny 55 kg. Anisan’ny nandray anjara ihany koa i Sanda, teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 60 kg, ka nahavita ady nisongadina na tsy nahazo medaly aza.

Catégories: National

Handball : Mpanazatra 23 nahavita fiofanana

mar, 03/31/2026 - 07:42

Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana hahazoana ny «licence D», ho an’ireo mpanazatra 23 mianadahy mianaka amin’ny taranja handball. Fiofanana nampanaovin’ny manampahaizana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (IHF), notarihin’i Khaled. Ankoatra ireo Malagasy, mpikambana ao anatin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), nisy avy atsy Mayottes sy Comores ireo mpiofana. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny FMHB, fa tanjona ny mba haharaka sy hahafantatra ny lalàna rehetra ny teknisianina malagasy. Nomarihiny fa mbola hahazo ny anjarany koa ny mpitsara. Hisy mantsy ny zava-baovao ho an’ny fifaninanana iraisam-pirenena ka voakasik’izany ny IHF Trophy, sokajy Senior. Nolazainy fa mangataka ny hampiantrano izany i Madagasikara. Mandra-pahatonga izany, eo am-panomanana ny fivoriambe ny federasionina amin’izao fotoana izao. Hifanindran-dalana amin’ny fifaninanam-pirenena, sokajy zandriny izany, izay handraisan’ireo ligim-paritra valo anjara.

Tompondaka

Catégories: National

Muay Thai : Mpanazatra 12 nizarana traikefa teny Ankorondrano

mar, 03/31/2026 - 07:42

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny fiofanana teo amin’ny taranja Muay Thai, nomen’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mpitarika sy mpanazatra 12 niatrika izany.

Nanatanteraka fampiofanana teknisianina ny topmponandraikitra ao amin’ny federasionina miandraikitra ny Muay Thai. Hetsika nokarakaraina teny Ankoron­drano, nandritra ny faran’ny herinandro. Tompon’antoka tamin’izany ny Me Razanaja­tovo Gildas izay nilaza fa : «ho fampitoviana ny lentan’ny mpikatroka eny ambony ringa no anton’ny fifampizarana traikefa nandritra izay telo andro izay ». Hizara ny fahaiza-manao sy ny tsara ho fantatra any amin’ny mpikatroka sy Nak Muay izy 12 nanaraka ny fampiofanana.
Niofanana mandritra izany ny Muay Thai 1, 2, 3 ary efa nandray ampahany tamin’ny Muay Thai. Niompana indrindra tamina teboka efatra ny fampiofanana. Nisy ny “technique avancée”, ny fanomanana ara-batana ny mpikatroka, ny “pédagogie et coaching”, ary ny fampitana ny soatoavin’ny Muay Thaï. Tsy mijanona hatreo fa mbola hotohizana ny fifampizarana toy izao.
Tena ilaina

Afapo tamin’ny fampiofanana ny mpandray anjara. Nambaran’ny Coach Fidy, avy amin’ny klioban’ny Phoenix Antsirabe fa: “tombony lehibe ny fiatrehana fiofanana ary mba hahafahana manome ny fampianarana marina ho an’ny ankizy izay hoentina eny anivon’ny klioba. Misy ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Maorisy, amin’ity taona ity, ka efa fanomanana amin’izany sahady ihany ny fiofanana nomen’ny Maître Gildas.”, hoy izy.
Ankoatra ny avy eto Ana­lamanga, nandray anjara tamin’ny fampiofanana ny avy any Vakinankaratra sy Atsinanana

Mi.Raz

Catégories: National

44 Andro taorian’ny rivodoza Gezani : Nahavita ny anjara asany ny kaominina

mar, 03/31/2026 - 07:41

Mitohy ny fanarenana an’i Toamasina. Nahavita ny anjara manandrify azy ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra. Nizotra araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana izany.

Taorian’ny fandalovan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randri­anirina Michaël tany Toama­siana, nazava ny fizarana andraikitra amin’ny fanarenana ny tanàna. Efa voaray rahateo ny vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Raha tsia­hivina, nisy mihitsy ny baiko nomena ny BNGRC, hanafainganana ny asa rehetra, hanampiana ny traboina.
Notsinjaraina ny asa, nisahana manokana ny famerenana ny fahadiovan’ny tanàna ny kaominina. Niandraikitra ny fampisakafoana olona 3 000 isan’andro ihany koa. Raha ny tombana vonjimaika, efa ma­dio ny tanàna. Tsy hijanona hatreo anefa ny ezaka ataon’ny kaominina, raha ny ambetitenin’ny ben’ny Tanàna, Andri­afa­nome­zantsoa Alain. “Tsy hamela ny vahoakan’i Toama­siana hiaina anatin’ny fako sy loto izahay. Ny kaominina rahateo tsy nitsahatra nifanome tanana amin’ireo orinasa lehibe eto an-toerana. Misy ny manome kamiao sy olona, toy ny ao amin’ny Tetikasa Amba­tovy, ny Spat, ny Tsaravintana. ny Mictsl, ny SMMC, ny mpandraharaha mpanao letisia maro. Madio ny tanàna noho isika rehetra”, hoy ity tomponandraikitra voalohan’ny Reni­vohitry ny faritra Atsinanana ity.

Tratra ny tanjona
Ankoatra ny asa fanadiovana, tratra ihany koa ny fampisakafoana olona 3 000 isan’andro, nandritra ny iray volana. No­tanterahina tao amin’ny tokotany malalaky ny Lapan’­ ny tanàna izany. Misy teratany vahiny miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fanatrarana ny tanjona. Mbola mitohy hatramin’izao ny fizarana sakafo masaka saingy efa nihena ny olona tonga mihinana. Mariky ny fiantsaran’ny fanarenana sy ny fitsinjovana ny traboina izany.
Mbola mampikaikaika ny mponina ao Toamasina ny famahana ny olan’ny herinaratra. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny mangaraharaha amin’ny fomba fiasan’ny sampandraharaha miahy manokana ny traboina.

Sajo

Catégories: National

Salon du Chocolat et de la Gourmandise : Nahafa-po ny mpitsidika

lun, 03/30/2026 - 07:45

Nanentoento ny fofona Chocolat tetsy amin’ny Carl­ton Anosy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny “Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha-8. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Na­hafa-po ny maro ny fitsidihana ireo tranoheva, nanomboka ny maraina hatramin’ny hariva nifaranan’izany. Ani­san’ny nahasarika azy ireo ny fankafizana ny tontolon’ny Chocolat. Ankoatra izay, anton’izany ihany koa ny fanampian’ny fikambanana WMG ireo vehivavy, amin’ny alalan’ny fanofanana zaitra. Nahi­tana fitomboana ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, satria maherin’ny 30 isa ireo tonga nampiranty ny vokany. Toy ny orinasa mpanodina vokatra Cacao amin’ny endriny maro samihafa. Hita teny an-toerana ihany koa ny vokatry ny sekoly manofana ireo tanora liana amin’ny fianarana ny tontolon’ny fanodinana sakafo. Tan­jona ny hampiroboroboana ny talentan’ny Malagasy amin’ny sehatry ny famoronana indrindra ny fanomezan-danja ny fanodinana ny vokatra Cacao eto Madagasikara. Marihina fa hetsika iray fitadiavam-bola ataon’ny fikambanana WMG ity fampisehoana ny tontolon’ny Chocolat ity. Mba hahafahana manampy sy manofana ireo vehivavy amin’ny tontolon’ny zaitra sy ny Informatique digital. Tanjona ny hahafahana manampy ireo vehivavy hahaleo tena sy hahay izaka tena eo amin’ny lafiny asa.

Mino

Catégories: National

Takaitran’i Gezani : Mitohy ny fanampiana ataon’ny vadin’ny filoha

lun, 03/30/2026 - 07:45

Naneho firaisankina amin’ny mponin’i Toamasina, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa. Notanterahina ny herinandro teo, ny fizarana izany.

Tonga tany an-toerana ny iraky ny vadin’ny Filo­ham-panjakana, tamin’ny alalan’ny mpandrindra, ny Pr Koto Bernard sy ny lehiben’ny kabinetra ay ireo mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha. Nitondra fanampiana ho an’ny mponina izy ireo, anisan’izany ny vary 80 t, ny fanitso sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny sirop, savony, aro tanana… Teo koa ny fanohanana mi­vantana ireo mpianatra maherin’ny 1 300 sy ny fanampiana ny mpitandro filaminana, ny fiangonana, ny sekoly ary ny kaominina.
Nodiovina ny lakandrano 13km hisorohana ny tondradrano, niarahana amin’ireo mponina. Nifandinihina tamin’ireo tomponandraikitra, ta­min’izany, ny hamoahana ny rano. Notohanan’ny vadin’ny Filoham-panjakana koa ireo mpianatra mila fitsaboana, toy ny naratra.
Ankoatra izany, noraisina tany an-toerana ny fanampian’i Rosia sy ny fanomezana vola ho amin’ny fanarenana ny tanàna. Nohamafisina ny fandrindrana ny fomba fiasa eo amin’ireo tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Natrehin’ireo mponina traboina avy amin’ireo kartie ao Toamasina izany hetsika rehetra izany sady fanehoana ny firaisankina manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani.
Nambaran’ireto iraka ireto fa eo anilan’ny vahoakan’i Toa­masina ny vadin’ny Filo­ham-panjakana, Randrianirina Elisa, indrindra amin’izao fana­renana sy fanatsarana indray ny tanàna izao. Ta­fiditra ao anatin’izany ny fa­maliana ny filan’ny mponina traboina.

Tatiana A.

Catégories: National

Trano Sary : Fampirantiana hampitana ny fitiavan-tanindrazana

lun, 03/30/2026 - 07:44

«Tolom-panafahana: fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana». Io ny lohahevitry ny fampirantiana izay tontosaina etsy aminn’ny Trano Sary Ambohidahy, ho fanamarihana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Ankoatra ny fampahafantarana ny «Raharaha 47» sy ny manodidina azy, natao indrindra koa hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ ny taranaka aty aoriana. Sary sy tantara voafantina, hikoloana izay fitohizan’ny tadidy miampita izay ireo haranty.
Tsy tao amin’ny Trano Sary Ambohidahy ihany fa nisy ihany koa tany amin’ny Mozea Moramanga. Tranom­bakoka iray any an-toerana mitahiry ireo fitaovana sy zavatra mirakitra ilay fotoana mainty indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara izay tao moramanga ny ivony.
Satria isan-taona ny fahatsiarovana, andrandrain’ny maro ny hisian’ny zava-baovao amin’ireo fampirantiana. Misy ary maro ireo voka-pikarohana mendrika hampahafantarina satria manampy ny tantara nampahafantarina ha­tramin’izay izany.

Zo ny Aina

Catégories: National

Sarimihetsika : Nomem-boninahitra i Dadilahy

lun, 03/30/2026 - 07:44

Mandalo raho-mainty ny fianakaviamben’ny sarimihetsika malagasy. Tena izy tokoa fa tsy sarimihetsika mantsy ny fodiamandrin’i Mamitiana Ra­ko­toarisoa na i Dadilahy, ara­ka ny fiantsoan’ireo namana sy ireo mpankafy azy. No­dimandry ny zoma lasa teo, teo amin’ny faha-57 taonany ity mpanao teatra sy mpilalao sarimihetsika ity, taorian’ny aretina tampoka nahazo azy.
Nampandalovina ny efitrano Gisèle Rabesahala, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny fatiny, ny sabotsy teo, ho fanomezam-boninahitra azy. Tonga maro ireo mpianakavin’ny sarimihetsika malagasy, naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’i Dadilahy. Ny andron’io ihany no nanaterana azy tany an-tanindrazany, eny Ambodifa­hitra Andramasina.
Nisehatra nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny tropy Lisin’Iarivo i Mamitiana Rakotoarisoa, amin’ny maha mpanao teatra azy, nanomboka ny taona 1988 hatramin’iny nahalasanany iny. Ny taona 2018 izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, nilalao tao amin’ny « Benja kely II », «Papasôsy», «Onja mahery». Mpilalao fototra tao amin’ny «Anjoria» sy «Setra­setram-pitia», ny taona 2024.

Zo ny Aina

Catégories: National

Ady totohondry  : Nampitovy lenta ny mpanazatra

lun, 03/30/2026 - 07:44

Ho fampitoviana lenta sy ny traikefan’ny Malagasy mpanazatra eo amin’ny taranja ady totohondry, nisy ny fampiofanana natao ny 28 ary 29 marsa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Fio­­fanana nomen’ny manampahaizana iraisam-pirenena kameroney, i Cyprien Tamou. Nanana izao finiavana izao ity manampahaizana ity ho fampivoarana ny ady totohondry eto Madagasikara. Mila mi­voatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa ny mpanazatra eto Mada­gasi­kara, araka ny nambarany.  Nanamafy ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny ady totohondry, Rabarison Hery Mamy, fa tena ilaina ny fampiofanana toy izao ary tsy manavaka fa nosokafana ho an’ny mpanazatra rehetra. Araraotina ny fahatongavan’ny manampahaizana iraisam-pirenena eto an-toerana toy izao raha ny nambarany.  70 mianadahy ireo niatrika ny fampiofanana izay nomena mari-pankasitrahana omaly, taorian’ny fiofanana. An-tsoratra sy fampiharana no nanaovana ny fifampizarana. Nisy ny adina fitsapana ireo mpiofana. Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry sy ny ligin’Analamanga no nahatontosa izao fampiofanana izao.  Nanao antso ny filoha Hery Mamy ny hijeren’ny minisitera ny zava-misy iainan’izy ireo, indrindra ny mahakasika ny taratasy fahazoan-dalana.

Mi.Raz

Catégories: National

FOCUS KARNE

sam, 03/28/2026 - 16:46

Catégories: National

Lalao ara-pirahalahiana : Hitsapa ny heriny amin’i Kirghizistan i Madagasikara

sam, 03/28/2026 - 07:46

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Callista Sport Center Belek, Antalya Torkia, ny fihaonana eo amin’ny Barean’i Madaga­sikara sy i Kirghizistan. Sam­bany ho an’ny Malagasy ny hifanandrina amin’ireo ekipa nasionaly avy ao Azia. Araka ny fikarohana natao, ekipam-pirenena faha-103 ao amin’ny filaharan’ny Fifa izany Kirghizistan izany, raha toa ka aorian’izy ireo ny Barea, faha-104. Raha ny fantatra, hatreto, efa maro ireo fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiarahana sy ny lafiny taktika rehetra. “Efa ao anatin’ny heriko tsara aho, efa niatrika fanazarantena tsara, na ara-batana izany na ara-taktika”, hoy i El Hadary, lohalaharan’ny Barea, mpilaravinahitra. Marihina fa mpilalao avy eto an-toerana miisa efatra ihany no nantsoin’i Co­rentin Martins, mpanazatra ny Barea, anisan’izany ry Bono sy Radobe, mpilalaon’ny Dis­ciples FC; i Toldo sy i Toky, avy ao amin’ny Elgeco Plus. Nanolo ny toeran’i Andy Pel­mard, izay tsy afaka moa i Toky. Ampahatsiahivina fa ny 31 marsa ho avy izao, any an-toerana ihany, hiverina hifanandrina amin’i Guinée Equa­toriale i Madagasikara.

F.R

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

sam, 03/28/2026 - 07:46

Notontosaina ny afakomaly teo, tao amin’ny Kianja Gillette Stadium any Etazonia, ny fifanandrinan’ny Seleçao, Bresil sy ny Les Bleus, France. Lavon’ny ekipam-pirenena frantsay, tamin’ny isa mazava 2 no ho 1, ny brezilianina tamin’ity fihaonana ara-pirahalahiana ity. Nahatafiditra baolina iray, tamin’izany, i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharana.

Catégories: National

Rallye malagasy : «Haverina ny fiaraha-miasa amin’ny Fia», hoy Rabekoto Jeannot

sam, 03/28/2026 - 07:46

Fanohizana ireo ezaka efa natomboka tany amin’ny Tetezamita, ny an-dRabekoto Jeannot, filohan’ny Fédération sport automobile malagasy vaovao. Laharam-pahamehana ny famerenana ny rallye ho anatin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fia). Resadresaka natao taminy.

Gazety Taratra (*) : Inona ny tena maika indrindra ho an’ny rallye malagasy
Rabekoto Jeannot (-) : Haverina haingana ny fiaraha-miasa amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fia). Ny firesahana amin’ny «officiel de course», izay hiankinan’ny fanapahan-kevitra teknika rehetra. Ezahina ny hampidirana ny karting sy ny rallye virtuel ho lasa iraisam-pirenena.

(*) : Ahoana ny amin’ny lafiny vola ?
(-) : Efa natao mazava tsara ary hasiana mpanamari-bola amin’ity mba hangarahara avokoa ny vola rehetra. Raha atao ny tomban’ezaka, niabo ary nahazoako fankasitrahana ny resa-bola nandritra iny Tetezamita iny.

(*) : Efa voaloa ve ny latsakemboka iraisam-pirenena ?
(-) : Ezahina hefaina amin’ny herinandro ambony io ny tamin’ny taon-dasa sy ny amin’ity. Antony, sarotra ho an’ny Tetezamita ny niditra tao anaty kaontin’ny federasionina noho ireo antontan-taratasy samihafa.

(*) : Azo heverina ve ny hiverenan’ireo vahiny mpifaninana amin’ny Rim?
(-) : Sarotsarotra noho isika nosy mitokana ka lafo ny fitondrana ny fiara mankaty sady lava ny fotoana. Ezahina ny hahatongavan’izy ireo indray. Na izany aza, eo amin’ny Run, efa fantatra fa hisy mpanamory renioney handray anjara ka efa vaovao tsara izany.

(*) : Mbola hifaninana ve ny filohan’ny federasionina?
(-) : Ny hiteny hoe hijanona aloha sarotra satria taranja tiako ny rallye fa raha misy ny fotoana mbola mandray anjara kely eny ihany.
(*) Inona àry ny hafatra ho an’ny tontolon’ny rallye
(-) : Ho an’ny mpankafy sy ny mpanohana, mila anareo ny sport automobile. Ho antsika mpanamory, andao hiray hina ka samy hanaja ny fitsipika sy ny lalàna mba tsy hisy olana intsony, mba hampazoto ny mpanohana.

Dinika nangonin’i Torcelin

Catégories: National

INDRAY MIJERY

sam, 03/28/2026 - 07:45

Fanentanana sy fampianarana maro samihafa, arahina tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, no entin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Toamasina II. Manohana ireo vahoaka eny ifotony, ahafahan’ny tsirairay manana vatana tomady entina mihary indray sy manarina ny fahavoazana izy ireo. Izany no ezaka fanarenana taorian’ny rivodoza.

Fanentanana sy fitiliana maimaimpoana tao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka no nentina nanamarihina ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny raboka. Voafonja 931 no voaentana raha 100 kosa no vita fitiliana. Areti-mifindra ny tiberkilaozy nefa azo sitranina tsara. Enim-bolana tsy tapaka ny fihinanana fanafody.

Natomboka tamin’ny faritra Betsiboka sy Boeny ny fampiofanana ireo tanora dieny any an-tsekoly ny amin’ny fampiroboroboana ny asa tena. Tanjona ny hahafahan’ireo tanora mitsinjo sahady ny tontolon’ny asa hidirany. Eo koa ny fampirisihana azy ireo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny asa tena miteraka famoronana asa. 715 ireo nisitraka mivantana ny torohay tamin’ireo faritra roa.

Catégories: National

Pages