Hotontosaina, anio, eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro farany fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des AS”, diviziona faharoa nasionaly. Ho fantatra anio, araka izany, ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo klioba mifanintsana any Ambohidratrimo. Raha ny filaharana vonjimaika navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, tao amin’ ny pejiny, efa azo lazaina tsara toerana ny handray anjara amin’ny Poule des AS ny Clinique Zanatany Sofia. Efa manao veloma ny fifanintsanana kosa ny AS Vanilantsika Sava.
Ankoatra izay, ho toy ny famaranana kely ny fifanandrinan’ny TGBC Atsinanana sy ny OM Alaotra Mangoro. Ireo klioba roa ireo, samy manana isa dimy ka izay tafavoaka mpandresy amin’izy roa no ho tafita any amin’ny dingana faran’ity fifanintsanana nasionaly ity. Tsara marihina fa natao hahazoana ny tapakila hiakarana any amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League (PFL)” ity fifaninanana ity.
Fitia Randria
Ny filaharana vonjimaika D2 Nasionaly
Kianja Ambohidratrimo
1- Clinique Zanatany (isa 6), nahavita lalao 4
2- OM Alaotra Mangoro (isa 5), nahavita lalao 3
2- TGBC Atsinanana (isa 5), nahavita lalao 3
4- Ased Diana (isa 2), nahavita lalao 3
5- AS Vanilantsika Sava (isa 1), nahavita lalao 3
Efa ao anatin’ny fanomanana tsara ilay fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja baolina kitra, ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Tonga nijery ny fanazarantena izay nataon’izy ireo, tetsy Mahamasina, ny talata teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred. Tsiahivina fa ity hetsika ity izay hatao any Maurice, ny 15 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao.
Kely sisa dia hifarana indray ny taona 2025. Maro ny federasionina izay ahitana karazana taranja maro eto Madagasikara. Misy amin’ireo mpitantana ny taranja sasany eto an-tanindrazana nefa tsy dia tazana mikarakara hetsika firy, toy ny fifaninanana nasionaly na fifanintsanana iraisam-pirenena. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany ny hoe: “ fa inona no olana mahatonga ny federasionina sasany tsy dia mahavita hetsika”?
Nanainga omaly, hihazo an’i Johannesburg, hiatrika ny Word NPC (National Physique Comity), taranja Bodybuilding, ny delegasionina malagasy. Atleta 3, ahitana an’i Tsika Kely, i Regro ary i Nancy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Miara-dalana amin’izy ireo ny Tale teknika nasionaly, i Aba.
Namoaka ny fandaharam-potoana mahakasika ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra ho an’ny taom-piasana 2026, ny 20 novambra lasa teo, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny handball (CAHB). Anisan’ireo firenena voasafidy hampiantrano izany i Madagasikara. Ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «IHF Licence D» no hatao amin’izany. Fiaraha-miasan’ny CAHB sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 febroary 2026. Tsiahivina fa fanindroany i Madagasikara no handray izany, taorian’ny tamin’ny taona 2024.
Araka ny angom-baovao, ireo mahafeno ny fepetra takina amin’izany no hany afaka manaraka ity fiofanana ity. Hitarika izany ny manampahaizana avy amin’ny CAHB, saingy tsy mbola fantatra ny anarany raha tsy herinandro mialoha. Amin’ny teny frantsay no hanaovana ny fiofanana. Hifantoka betsaka amin’ny fivoaran’ny taranja handball maneran-tany ny fampianarana ka tafiditra ao anatin’izany ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny lalao, ny fitarihana fanazarantena ary ny fitsaboana.
Tompondaka
Nivoaka ofisialy, omaly, ny lisitry ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, hiatrika ny fiadiana “Africa Cup 3×3”, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao.
Andro roa tsy hanombohan’ny fifaninanana, fantatra ireo mpilalaon’ny Ankoay hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety, lalaovin’olona 3, ity. Eo amin’ny sokajy vehivavy, nahitana fiovana kely ny lisitra raha mitaha ny mahazatra. Tafiditra anatin’izany i Sambatrarimiora Tokiniaina, mpilalaon’ny GNB C; Jaofera Christiane sy Andriamihajanirina Sydonie, mpilalaon’ny MB2All ary Randriatahiana Sarobidy, mpilalaon’ny GNBC. Raha io lisitra io, tsy anisan’ny mandrafitra ny ekipam-pirenena amin’ity indray mitoraka ity i Hajanirina Muriel sy i Chine, izay efa nilalao tamin’ny “Africa Cup 3×3” tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, tsy dia nahitana fiovana loatra ny tamin’ny taona 2024 ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena tamin’ity. Tafiditra ao anatin’izay lisitra farany izay Randriamampionona Elly, mpilalaon’ny GNBC; Ratianarivo Livio sy Rasolomanan Anthony, mpilalaon’ny COS PN ary Solondrainy Arnol, mpilalaon’ny COSPN. Tsiahivina fa Rakotonindrina Elie sy Andriamaholy Anthony no mpanazatra ho an’ny sokajy vehivavy. Ranarivelo Jean de Dieu sy Randrianarimanana Haja kosa no ho an’ny sokajy lehilahy. Ankoatra izay, efa fantatra ihany koa ny fandaharan-dalao rehetra mandritra ny 3 andron’ny fifaninanana. Manomboka amin’ny 10 ora ny lalao voalohany, ho an’ny 5 desambra. Lalao 19 avy hatrany no hitranga amin’io zoma 5 desambra io.
Mi.Raz
Hotanterahina manerana ny tobim-pahasalamana rehetra sy ny sekoly, manerana ny Nosy, ny 8 hatramin’ny 12 desambra izao, ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Ireo ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona no entanina hanao izany. Maimaimpoana ny fisitrahana izany. Tokony hampirisika ny zanany vavy ireo ray aman-dreny hanao vaksiny raha ny nambaran’ny dokotera Raveloarison Tokinirina, ao amin’ny Sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny.
Ambony kokoa ny taham-piarovana ny vehivavy rehefa mbola madio tsy nanao firaisana ara-nofo mihitsy na koa hoe virijiny izy no hatao an’io vaksiny io, raha ny fanazavana hatrany.
Ny tsimoraketina Human papillomavirus (HPV) izay fitambarana tsimokaretina mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohan’ny hoditra ary tafiditra amin’izany ny firaisana ara-nofo no mahatonga ny homamiadan’ny vozon’ny trano-jaza amin’ny vehivavy. Homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy ny homamiadan’
ny vozon’ny tranon-jaza ary azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny dieny mbola tsy nanao firaisana ilay ankizivavy.
Tatiana A
Au cœur du Complexe Mohammed VI de Football, véritable vitrine du savoir-faire marocain en matière d’infrastructures sportives, Fouzi Lekjaa, président de la fédération royale marocaine de football (FRMF) et du Comité d’organisation local de la Coupe d’Afrique des Nations 2025, a accueille hier les ambassadeurs africains accrédités au Royaume.
Dans un climat de fraternité continentale, Lekjaa a dressé un bilan détaillé et rassurant de l’état d’avancement des préparatifs. «Le Maroc aborde cette Can avec une vision globale, ancrée dans les Hautes Orientations de Sa Majesté le Roi Mohammed VI, qui placent l’Afrique au cœur de notre identité et de notre action», a-t-il déclaré.
Pour le patron du football marocain, l’édition 2025 ne sera pas seulement une fierté nationale, «ce sera un succès pour toute l’Afrique.»
Les diplomates africains, visiblement impressionnés, n’ont pas tari d’éloges. Ils ont salué la cohérence du dispositif marocain, la complémentarité parfaite entre les différentes institutions et surtout, la rapidité avec laquelle le pays met à niveau ses infrastructures. «Le Maroc offre toutes les garanties d’une organisation réussie, voire exceptionnelle», a résumé l’un d’entre eux sous couvert d’anonymat.
Concrètement, Fouzi Lekjaa a annoncé la mise en place immédiate d’une cellule de coordination dédiée entre le Comité d’organisation et les ambassades africaines. Cette structure aura pour mission de fluidifier les démarches administratives, d’accompagner les délégations dans leurs déplacements et leur hébergement, et de superviser l’ensemble des aspects logistiques liés à la compétition.
A quelques mois du coup d’envoi, le message est clair. Le Maroc ne se contente pas d’organiser une Can, il entend en faire un modèle continental, à l’image de la vision royale d’une Afrique solidaire et ambitieuse.
En clôturant la rencontre, Fouzi Lekjaa a martelé que «cette Coupe d’Afrique des Nations est celle de tout le continent. Le Maroc n’est que l’hôte et le facilitateur d’un rêve collectif.» Un discours qui a trouvé un écho enthousiaste auprès des ambassadeurs, convaincus que l’édition marocaine marquera un tournant dans l’histoire de la compétition reine du football africain.
Naisa
Au-delà de la représentation, le théâtre engagé est aussi un outil puissant de communication, pour transmettre un message plus ou moins direct au spectateur. Dans le cadre des 16 jours de lutte contre la violence basée sur le genre, la troupe Iray Fy’Art interprétera la pièce «Hatraiza no fetra», traduit par où en est la limité, ce samedi, à partir de 14h30 au Centre Arrupe Faravohitra
Le Centre Arrupe rappelle que «beaucoup de personnes restent encore victimes de la violence basée sur le genre. Beaucoup choisissent de se taire, d’autres protègent les harceleurs… Où en est la limite ?».
Pour tenter de répondre à cette question, l’institution a fait appel à la troupe Iray Fy’Art, afin de monter une pièce spécialement dédiée à ce thème, dont le but est de sensibiliser à ce genre de violences, mais aussi de conscientiser le public, aussi bien les victimes, leur entourage parfois silencieux que les auteurs de ces actes.
Le groupe Iray Fy’Art est composé de six comédiens animés par une même passion, le théâtre classique et le théâtre radiophonique. Rakoto, Faly, Synèse, Niravo, Soafaniry et Bruno Rakotomalala sont des noms bien connus des auditeurs pour leurs histoires ancrées dans la réalité tantôt terrifiantes, tantôt hilarantes, diffusées sur les ondes. La pièce «Hatraiza no fetra ?» retrace toutes les étapes traversées par les victimes de violences. La représentation s’annonce pleine d’émotions.
Holy Danielle
L’avant-première du troisième volet du film « R+3 » de Kalolahy Ginennio s’est tenue hier au Cinépax Madagascar, devant une salle comble. La saga attire toujours autant les cinéphiles, confirmant l’intérêt croissant pour les productions locales. Pour répondre à la forte demande et encourager le cinéma malgache, Cinépax programme dès aujourd’hui des projections quotidiennes.
Produit par Street Company et réalisé par Franck Dix et Patrick Ramangason «The Judgement of Time», d’une durée de deux heures environ, conserve l’ADN visuel et narratif qui a fait la force des deux premiers volets. On y retrouve de belles images, des discussions fluides, des acteurs naturels, une maîtrise des valeurs de plans et des caméras mobiles qui dynamisent la mise en scène. La réalisation affiche une progression notable. Malgré un nombre important de scènes nocturnes, la gestion de la lumière est particulièrement soignée, témoignant d’un bond technique réel.
Cependant, le scénario prend une nouvelle tournure. Si les deux premiers films exploraient surtout l’existence de multivers, donnant une dimension de science-fiction, ce troisième opus opte pour des scènes d’action, dans une ambiance de dealer afro-américain à Toamasina et à Antananarivo et dans un univers de Mad Max, avec des voitures stylées, des langages utilisés, des codes vestimentaires typiques. Les dialogues, souvent truffés d’argot, ont largement amusé le public. Malgré ce virage narratif, la qualité de la réalisation reste solide.
Cinépax soutient le 7 e art malgache
«Nous sommes extrêmement fiers de voir « R+3 » grandir et de confirmer, grâce à notre soutien financier, notre rôle de catalyseur pour le cinéma local», déclare Holy Razafindramanana, directrice adjointe de Cinépax Madagascar. Présent depuis le premier volet, Cinépax a accompagné l’évolution de la saga et constate aujourd’hui l’engouement du public pour un film 100 % malgache.
Pour satisfaire les fans ou même les curieux, «R+3» sera projeté quotidiennement dans les salles obscures de Cinépax Madagascar. Et les projections se poursuivront également en régions, notamment à Toamasina les 5 et 7 décembre, Antsiranana le 6 décembre et Mahajanga le 13 décembre.
Holy Danielle
Initialement fixée au 30 novembre, la date limite d’inscription à la 3e édition du Festival International du Film de l’océan Indien (FIFOI), du 14 au 19 avril 2026 à La Réunion, est prolongée jusqu’au 10 décembre, pour permettre aux cinéastes retardataires d’y participer.
L’objectif principal du Festival International du Film de l’océan Indien (FIFOI) est de mettre en lumière les récits qui illustrent les cultures et les histoires des territoires de l’océan Indien à travers des films documentaires.
Les films éligibles doivent être réalisés dans l’un des pays ou territoires de la région, à savoir l’Afrique du Sud, les Comores, l’Inde, le Kenya, les Maldives, l’île Maurice, Mayotte, Madagascar, le Mozambique, La Réunion, Rodrigues, les Seychelles, la Somalie, le Sri Lanka, la Tanzanie et Zanzibar.
Les œuvres soumises doivent avoir une durée comprise entre 52 minutes et 1h45 et être produites après le 1er janvier 2022. En outre, tous les films doivent être sous-titrés en français si la langue utilisée est l’anglais ou une langue locale. A l’inverse, les films en français doivent être sous-titrés en anglais. Cette exigence a pour objet de garantir que tous les membres du jury, qu’ils soient francophones ou anglophones, puissent pleinement apprécier et suivre les histoires racontées.
« Faritra – La zone » sacré cette année
Le FIFOI remettra cette année cinq distinctions : le Prix du long métrage documentaire, le Prix du court métrage, le Prix Domin ttribué par France Télévisions, le Prix du Jury Jeunes et le Prix du Public.
Lors de la précédente édition, le film «Faritra – La zone», réalisé par Tovoniaina Rasoanaivo et Luck Razanajaona, s’était illustré en remportant le Prix du Jury. Les deux cinéastes avaient alors reçu une dotation de 5.000 euros, soit près de 25 millions d’ariary. Ce long métrage de 77 minutes plonge le spectateur au cœur de la maison centrale d’Antanimora, où des jeunes détenus évoquent derrière les barreaux, leurs rêves, leurs peurs et la manière dont ils imaginent leur avenir.
Holy Danielle
« Tout au long de ce mois de décembre, nous menons une opération ciblée dans trois régions, Analamanga, Menabe et Diana, afin de visiter des hôtels, des tours opérateurs et des agences de voyages informels, dans le but de les sensibiliser à l’importance de faire partie du secteur formel », a déclaré Felana Sandra Ramarolahy, Directrice Générale du Tourisme au sein du ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA), lors d’une visite dans la région Analamanga avant-hier.
Cette dernière a précisé que l’objectif est de faciliter l’entrée des acteurs dans le secteur formel. «Beaucoup de dossiers doivent être soumis pour obtenir une autorisation d’ouverture», a-t-elle ajouté. Elle a également souligné que les hôtels sont tenus de s’acquitter d’une vignette touristique, dont le tarif varie de 1.000 ariary pour les hôtels non classés à 8.000 ariary pour les établissements 5 étoiles.
La Directrice Générale a également clarifié que la vignette est perçue par chambre, et non par l’hôtelier. «Ce ne sont pas les hôtels qui paient la vignette, mais bien les touristes. Les établissements hôteliers ont pour mission de collecter cette somme auprès des clients, en l’intégrant dans les factures à régler, et c’est avec cet argent qu’ils s’acquittent du paiement auprès du Trésor public», a-t-elle expliqué.
Principale source de revenue de l’ONTM
«La vignette touristique constitue la principale source de revenus de l’Office National du Tourisme de Madagascar (ONTM), utilisée notamment pour appuyer la promotion de la destination Madagascar», a déclaré la Directrice Générale du Tourisme au MTA. Elle a précisé que 50 % de ces fonds sont alloués à l’ONTM, tandis que l’autre moitié est destinée aux Offices Régionaux du Tourisme (ORT).
Dans la région Analamanga, la Directrice du Tourisme, Diamondra Rabearimanana, a lancé un appel aux hôteliers et autres acteurs du secteur pour qu’ils se formalisent, soulignant que des équipes du ministère seront sur le terrain pour les accompagner dans leurs démarches. «Jusqu’ici, 450 établissements ont été contrôlés, et 40% d’entre eux ne sont pas encore formels. Néanmoins, le taux de paiement de la vignette touristique a augmenté dans la région d’Analamanga», a-t-elle fait savoir.
Jean Riana
Hotanterahina ny 9 – 13 desambra ho avy izao, any amin’ ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny fifanintsanana baolina kitra, « Tournoi des Grands Elites ». Araka io anarana io, hifanandrina hiady ny amboara lehibe amin’izany ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Cosfa Analamanga ary ny Fosa Juniors FC Boeny. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpikarakara, hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ity lalao ity. Klioba notsongaina avy amin’ny kaonferansa avaratra ny CFFA sy ny Fosa Juniors ary tao amin’ny vondrona atsimo kosa ny Disciples FC sy ny Cosfa.
Hatao toy ny « Poule des As » izay hifanandrinan’ny ekipa rehetra ny lalao ka izay be isa indrindra no mibata ny amboara. Tsara ny mampahafantatra fa efa manana ny lazany eo amin’ny fifanintsanana PFL avokoa ireo klioba efatra ireo. Fotoana ihany koa io ahitana ireo mpilalao sangany, nandrafitra ny Barea Chan farany teo. Ahitana an-dry Dahery, Andy, Claude, mpilalaon’ny Disciples FC sy ry Gregass, Gone, Dax, ho an’ny CFFA. Ry Garol sy Toky, ny an’ny Cosfa. Ao anatin’ireo tsara arahi-maso akaiky kosa i Dax kely, mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny 21 desambra ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina ny PFL.
Fitia Randria
Nitsidika an’i Toliara ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), nijery ny fandrosoan’ ny tetikasa « Ampi’zay », hiarahan’ny MJS sy ny Terres en Mêlées manatanteraka. Nampisehoana ny atao hoe « Rugby for Change » an’ireo mpianatra. Fomba mampiroborobo ny firaisankina sy ny fitovian’ ny lahy sy vavy amin’ny alalan’ny rugby. Mihoatra ny
4 000 ny ankizy nanatrika izany tany an-toerana. Manamafy ny MJS fa hanohy hanohana ny tetikasa ho tombontsoan’ny tanora.
Ligim-paritra 3 indray no nahavita ny fifidianana, hitantatana mandritra ny 4 taona manaraka, araka ny tetiandro napetraka eo anivon’ny taranja basikety. Voafidy ho filohan’ny ligin’Analanjirofo Razafindrakoto Jimmy Gouges. Filohan’ny ligin’Ihorombe Razafimandimby Hantanirina Quitonica. Hitantana ny ligin’i Vatovavy kosa Ratsimbaharison Claudio Robin Aimé.
Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fiofanana « Camp de Basket 3×3 », ao anatin’ilay tetikasa “Eco-Hoopers”. Natokana ho an’ny Malagasy mpilalao basikety latsaky ny 14 toana sy
latsaky ny 16 taona izany. Tanjona ny hiadiana amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro, amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena. Any Antsirabe no hanatanterahana ity fiofanana ity.
Nanomboka ny alatsinainy teo ny fiofanana « Cours des dirigeants sportifs », izay ahitana mpiofana 24 mianadahy. Mampiavaka ity andiany faha-21 ity ny hamaroan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, izay miisa 8. Anisan’ny manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fahafantarana izany fitantanana ny fanatanjahantena izany ny mpanao gazety ka rariny raha manaraka fiofanana. Ankoatra izay, manana solontena miatrika izany koa ny taranja maro, toy ny volley-ball, basikety, judo, badminton, tolona. Misahana ny fanatanterahana ny fampiofanana, ho an’i Madagasikara, ny Komity olympika Malagasy. Mahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny Komity iraisam-pirenena Olympika (CIO) ireo mpiofana aorian’ ny 3 andro hanatanterahina izany.
Tsiahivina, nanomboka ny taona 2017 ity « Cours des dirigeants sportifs » ity ary efa an-jatony no nahavita izany raha ny teto Madagasikara. Afaka manohy ny Cams (Cours avancé en management du sport) hatramin’ny Memos ihany koa ireo mahafeno ny fepetra aorian’izao, izay marihina fa mbola vitsy ny Malagasy manana ity mari-pahaizana ity, hatreto. Tanjona ho an’izao fampiofanana izao ny fampivoarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara sy hahafantarana ny lalàna mifehy izany, raha ny fanazavan’ny mpampiofana.
Mi.Raz
Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo filoha vaovao hitantana ny ligim-paritra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Hisantatra izany, araka ny fandaminana, ireo ligy efa nisy teo aloha. Hotanterahina herinandro aorian’izay ny an’ireo ligy vaovao. Izay lany eo no hifidy indray ny filohan’ny federasionina (FSBM), ny 27 desambra 2025.
Araka ny tetiandro napetraky ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny taranja tsipy kanetibe, taorian’ny fivoriambe natao ny 26 septambra lasa teo, hotanterahina ny sabotsy 6 desambra ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ireo ligim-paritra, ho an’ny taom-piasana vaovao.
Hizara roa miavaka tsara izany ka handeha mialoha ny an’ireo ligy miisa 7 efa nisy teo aloha dia i Analamanga, Itasy, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary i Menabe.
Ny sabotsy 13 desambra kosa ny an’ireo ligy vaovao, ahitana an’i Bongolava, Amoron’i Mania, Boeny, Ihorombe ary Atsimo Andrefana. Misy ireo ligy manana kandidà roa toa an’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Eo koa i Bongolava sy Atsimo Andrefana. Mahakasika ireo mpifidy indray, tsy mahazo mandatsa-bato ireo klioba tsy manana taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena na “certificat de conformité” sy ireo filoha ana klioba tsy manana fanamarinana andraikitra “attestation de fonction” manan-kery, izany hoe, ireo azo taorian’ny volana aogositra 2021.
Ho an’ny federasionina indray, ny sabotsy 27 desambra no hanatontosana izany. Tsiahivina fa efa nitsahatra tamin’ ny asany, ny 13 novambra teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Araka izany, ny filoha lefitra no misahana vonjimaika ny fampandehan-draharaha eo anivon’ity federasionina ity mandra-pisian’ny filoha vaovao. Hatreto, mbola vao ny filoha teo aloha ihany no nitonona ho kandidà amin’ny fifidianana izay ho filoha’ny FSBM. Raha tsy misy ny fiovana, ny zoma 5 desambra no hanambarana ireo mpifaninana nahafeno fepetra.
Tompondaka
Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny polisy niaraka tamin’ny entana halatra teny aminy tetsy Antohomadinika, ny 28 novambra lasa teo. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray tamin’ny andro atoandro io olon-dratsy io. Nobatainy ny fahitalavitra lehibe iray. Hitan’ny fokonolona izany ka tratra ilay mpanao ratsy.
Ramatoa iray mpivarotra anana hita faty tao amin’ny lakandrano iray teny Tsaramasay, Boriborintany fahatelo, omaly maraina. Mpandalo vao maraina no nahatazana ny nofo mangatsiakan’io vehivavy io. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy.
Dahalo roa lahy lavon’ny balan’ny zandary tao Ambilobe, ny 2 desambra lasa teo. Nanafika mpitondra moto iray ireo olon-dratsy ireo. Lasa tamin’izany ny moto. Vehivavy iray voatondro ho mpisera. Tafakatra dimy ireo voasambotra ka nikasa handositra ireo roa lahy. Maty voatifitra ireto farany.
Lehilahy iray hita faty nifatotra tady ny tendany ka nihantona tamin’ny hazo, tao Andranomadio 11/43, kaominina Toamasina, afakomaly. Miahiahy ny fokonolona nanatri-maso fa vono olona io nitranga io, saingy nosarontsaromana tamin’ny endrika famonoan-tena.
Nosamborin’ny zandary tao Ambatomanoina, distrikan’ Anjozorobe, ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny tranga fanolanana, afakomaly. Ankizivavy vao 14 taona monja nitaraina tamin’ny fianakaviana manodidina. Nanafina tamin’ny reniny io zaza io noho ny tahotra an’ilay raikely. Nitoroka tampoka teny anivon’ny zandarimaria anefa ny mpiray vodirindrina amin’io fianakaviana nitrangana fihetsika mamoafady io, nitatitra ny zava-nisy niainan’ilay zaza tsy ampy taona. Nalaina am-bavany, araka izany, ilay ankizivavy lasibatra. Nitantara ny zavatra niainana ity farany. Roa volana lasa no niharan’ny fanolanana nataon’ilay raikeliny izy. Efa naneho fihetsika tsy voahevitra matetika tamin’ io zaza io, toy ny fikitikitihana azy koa, io lehilahy io. Nanararaotra ny fotoana tsy naha tao an-tokantrano an’ilay renim-pianakaviana ny vadiny. Ity farany sy ny zanaka vavin’ilay ramatoa irery no niambina ny trano. Voalaza fa nanamparan-dralehilahy ny filan-dratsiny ilay ankizivavy. Nosamborina avy hatrany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana azy ny zandarimaria. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Nentina eny anivon’ny mpitsabo natao fizahana kosa ilay ankizivavy voalaza ho niharan’ny fanolanana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.
Niakatra fitsarana, tetsy anivon’ny ady heloka bevava Anosy, efitrano fahadimy, ny raharaha famonoana raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo vola vahiny, tetsy Analakely, ny volana janoary 2025. Nahatratra 21 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io. Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty. Lehilahy iray hafa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina. Izay tsy tonga niatrika ny fitsarana. Antony hanenjehin’ny fitsarana azy ireo ny maha tompon’antoka tamin’iny vono olona niniana natao iny. Eo koa ny maha mpikambana anaty fikambanan-jiolahy ary ny fampiasan’izy ireo fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana. Nahafapo ireo fianakaviana nanana ny maty ny didy navoakan’ny fitsarana.
Tsiahivina fa notafihin’ny jiolahy fito tsy misaron-tava, tetsy Analakely, io mpanakalo vola vahiny io, ny 31 janoary 2025, tamin’ny 9 ora maraina. Efa nadoboka vonjimaika teny Tsiafahy, ny 14 mey 2025, ny iray tamin’ireo mpiray tsikombakomba. Izay tratra teny Andoharanofotsy, ny 10 mey 2025 lasa teo. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10, ary karapanondrom-pirenena hosoka fampiasany tao an-
tranony nandritra ny fisavana azy.
Maty voatifitry ny Sag nandritra ny fifanjevoana tetsy Andohatapenaka kosa ny tena tompon’antoka tamin’io asa ratsy io.
Mino
Volana anisan’ny itrangana lozam-pifamoivoizana maro ny desambra. Tao anatin’ny 24 ora, lehilahy iray maty, ankizy dimy naratra. Tompon’antoka ny fiara nipoitra tampoka, nifaoka mpandeha an-tongotra anaty fiampitana.
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana tra-doza teo Ankorondrano, omaly alina.
Tompon’antoka tamin’izany ny fiara marika Starex iray nipoitra tampoka ka nifaoka mpandeha an-togotra tanaty fiampitana voatokana. Tsy tafajanona ilay fiara, nifatratra tany amin’ilay lasibatra, raim-pianakaviana 38 taona. Marihina fa avy namangy ny havany, tsy lavitry ny nisehoan’ny loza izy mialoha ny voina.
“Nikasa hody eny Andranomena izy no niharan-doza ka namoy ny ainy izao”, hoy ny fanazavan’ny havany. Mandray andraikitra amin’ny fikarakarana ny razana ny tompon’ny fiara, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, raha ny nambaran’ny fianakavian’ny maty. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, nanao ny fanadihadiana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. Naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha kosa ny avy amin’ny BMH.
Mpamily mamo
Vaovao nampivarahontsana teto an-drenivohitra koa no niseho, afakomaly, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra, Soavimasoandro. Tao anatin’ ny faritra fiampitana ihany koa ny andiana mpianatra no voafaokan’ny fiara. Naratra sy tsy maintsy naiditra hopitaly hatramin’ny omaly ny dimy. Raha ny angom-baovao teny an-toerana sy ny fanazavan’ny polisy nanao fizahana dia noho ny fitohanana no nitarika ny loza. Nisy fiara tsy mataho-dalana iray, nijanona nanakona ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Niampita tsy nisy ahiahy ny ankizy no nisy fiara iray nirimorimo avy any Alarobia hihazo an’i Mamamba.
Raha ny vaovao avy amin’ ny polisim-pirenena hatrany, hita ho mamo ilay mpamily. Nahatratra hatramin’ny 138 mg/ml ny tahan’ny alikaola tao amin’ny vatany.
Renim-pianakaviana
Ankoatra azy eni-mianaka tra-doza, mbola nisy vehivavy iray ihany koa nofaohan’ny moto tsy lavitra teo, afakomaly maraina. Voalaza fa nandeha mafy ilay moto nandona azy izay nandeha am-pilaminana. Mafy ny fifandonana, nanidina ambony, nitontona mafy tamin’ny tany ilay lasibatra ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana ihany koa.
Mino
Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebaoty indray ry zareo USA (Ankady). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14.
Niady hatramin’ny “gong” farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa 7 no ho 0 ny Cosfa, rehefa nahatonga baolina nentin-tanana sy nahatsara izany. Nanenjika miandalana ny Ankady, taorian’io ka nahatsara “hors jeu” indroa ka nihena ho 7 no ho 6 ny isa. Nifamaliana ny fanafihana avy eo. Nitarika izany i Gervais sy i Dj ho an’ny Bebaoty raha i Mattfield ho an’Ankady. Nahafaty “hors jeu” indray ny Cosfa ka lasa 10 ny isany. Nanova ny endri-dalaon’Ankady ny fidiran-dRahery. Porofon’izany, nialoha ny “gong”, hialana sasatra, nahatsindry baolina izy ireo saingy tsy voatsaran-dRahery. Nisarahan’ny roa tonta ny isa 11 no ho 10, tao anatin’ny 40 mn voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, samy niezaka nanafika ny roa tonta, samy nahafaty “hors jeu” ny ekipa roa ka roa ho an’ny Cosfa ary iray ho an’Ankady. Tany amin’ny “gong” farany, nahazo fanafihana ny USA saingy votsotra teo am-pototry ny tsipika hanindriana azy ny baolina. Teo amin’ireo vokatra hafa, lavon’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa 28 no ho 26, ny TFA Anatihazo ary resin’ny Mang’Arts, 25 no ho 22 ny 3FB
Tompondaka