Hanomboka ny alatsinainy 19 oktobra izao ny “The Knockouts”, fifaninanan-kira “The Voice of Europe”. Tsy diso anjara amin’izany i Masagasikara, nahavoafantina an’i Samuella. Misy 20 ireo mpandray anjara hifaninana izay notsongaina noho ny talenta ananan’izy ireo. Hira haranty eo anivon’ny tambajotran-tserasera no hitsarana ireo mpifaninana ka amin’io alatsinainy io no manomboka ny fanaparitahana izany. Miantso fanohanana avy amin’ny Malagasy i Samuella, satria 50 isan-jato no anjaran’ny mpifidy ary ny 50 isan-jato kosa an’ny mpitsara. Tanjona ho an’i Samuella ny ho tafiditra anatin’ ny roa voalohany ao amin’ny vondrona misy azy ka hahafahany mahazo ny tapakila amin’ ny fihodinana faharoa. “Zava-dehibe amiko ity fifaninanana ity, satria manome ahy fahafahana iray hafa hisolo tena ny fireneko amim-pireharehana, sady hizara ny tontoloko, ny zavatra tiako fatratra ary ny maha izy ahy”, hoy i Samuella.
Mi.Raz
Zily avy any Mayotte, Souncheitfit, Phil Bill avy any Cameroun ary i Wizboy avy any Nigeria. Ireo no vahiny mpanakanto nasaina ka efa tonga eto Madagasikara handray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny « Afromada Music Awards ».
Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Hôtel ny hetsika, tamin’ ny alalan’ny fampahafantarana ireo mpanakanto rehetra, ireo mifaninana any anaty sokajy izany, na ireo nasaina manokana hanatrika na hitsara. Mialoha izay anefa, nizara ny lalantsaina itondrana ny « Afromada Music Awards » ireo mpikarakara. « Tanjona ny hamirapiratan’ireo mpanakanto eto Madagasikara, manerana an’i Afrika ary manerana an’izao tontolo izao. Fifampizarana sy fifanakalozana ny zavakanto afrikanina, izay ahitana fifanakaikezana izany. Hahafahan’ireo mpamokatra mahita ireo mpanakanto manan-talenta azo amidy eo amin’ny tsenan’ny mozika ihany koa », hoy ny fanazavan’ny Dr Falafala. Mpanakanto afrikanina sady mpamokatra mpanakanto ihany koa izy, saingy nisafidy ny hikarakara ny hetsika eto Madagasikara noho ny fahatsapany fa manana ny hoaviny ny mozika malagasy.
« Mahatsapa fa iray isika aty Afrika. Manan-karena zavakanto ary azo entina manerana izao tontolo izao », hoy kosa i Souncheitfit, mpanakanto avy any Cameroun, saingy monina any France. Iray amin’ireo mpitsara sady hiaka-tsehatra hanafana ny lanonana izay hamantarana ireo mpanakanto afrikanina mendrika isan-tsokajy izy. Mbola hatao etsy amin’ny Radisson Blu Hôtel ihany izany, anio.
Zo ny Aina
« Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza ». Io ny lohahevitra entina hankalazana ny “Octobre rose” amin’ity taona ity. Eny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy no hanaovana ny fanamarihana, ny
23 oktobra ho avy izao. Hisy fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy, entina hanamafisana ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ ny tranonjaza.
Nijery ny fanohizana ny asa fanorenana ny oniversiten’Antsohihy ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tamin’ity herinandro ity. Orinasa vaovao no mandray ny asa. Nifanaiky ny rehetra fa hanara-maso akaiky ny fanatanterahana izany. Taorian’izay, nihaino ny hetahetan’ny mpianatra ao amin’ny Institut Uuniversitaire de technologie et d’agronomie de Mahajanga (Iutam) ao Antsohihy, ny minisitra.
Mikarakara Salon de l’étudiant nanomboka omaly ary hitohy anio, ny oniversiten’i Toamasina, rantsana ao Vatomandry. Hanomezana torolalana ho an’ ireo olona manana mari-pahaizana bakalorea, hahaizan’izy ireo misafidy ny oniversite hanohizana fianarana izany. Tanjona ny hanampy hisafidy ny sampam-piofanana arahina rehefa hianatra amin’ny oniversite sy mamantatra ireo karazan’asa mifandraika amin’ny
fianarana hatao.
Ao anatin’ny Iray volan’ny tanàn-dehibe isika izao. Mankalaza izany ny eny amin’ny distrikan’Avaradrano, amin’ny alalan’ny varavarana misokatra izay hatao eny amin’ny kaominina Alasora, ny talata 20 okotobra 2026 ho avy izao. Hisy ny fizarana fahalalana momba ny fanajariana ny tany izay hampandrosoana ny tanàna. “Hampahafantarina ny mponina ny maha zava-dehibe ny fanajariana ny tany sy ny famahana ny olana toy ny tsy fisian’ny lalàna eny an-toerana”, hoy ny Dr Ranaivosamimanana Tolotra Stéphan, lehiben’ny sampandraharaha ifotony miandraikitra ny fanajariana ny tany eny Avaradrano. Tanjona ny hanentanana ny olona hanara-dalàna rehefa manorina trano. « Mandray ireo olona tsy mbola manana permis de construire nefa efa nanorina trano ka te hampanara-dalàna ny fanorenana nataony ny kaominina Alasora, manomboka amin’io fotoana io”, hoy ny ben’ny Tanàna Alasora, Randriantsoa Jimmy. Hotohizana amin’ ity volana ankalazana ny tanàn-dehibe ity izany, raha ny fanazavana. Marihina fa manodidina ny 400 isan-taona ny fahazoan-dalana hanorina omen’ ny kaominina Alasora, saingy betsaka noho ireo ny mpanorina eny amin’ny toerana tsy ara-dalàna, raha ny fanazavana. Iarahan’izy ireo miasa amin’ny sampandraharaha ifotony misahana ny fanajariana ny tany ny hetsika. Entanina, araka izany, ny mponina eny an-toerana mba ho avy hanatrika izany varavarana misokatra izany.
Mino
Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra Teraka Sofia mianatra ao Antsiranana (Tesomia) sy ny Sava-U mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Mitaky fitovian-jo eo fizarana ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’io oniversite io izy ireo. Manana fikambanana 11 mivondrona ao anatin’ny fikambanana roa ireo mpianatra ary efa nihaona tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, araka ny fanazavan’ny mpitondra teny. Nilaza ity tomponandraikitra ambony ity fa mifanaraka amin’ny isan’ny mpianatra misoratra anarana ny isan’ny trano omena nefa mahatsapa ny fikambanana fa tsy mitovy amin’izay ny zava-misy.
« Samy mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ka mitaky ny fitovian-jo sy ny fitoviana eo amin’ny fahazoana trano fonenana ho an’ny mpianatra rehetra », araka ny fanehoan-kevitra. Tsy hanaiky ny fanapahan-kevitra ary milaza fa tsy mbola azo hidirana ny trano raha tsy voavaha ny olana mifandraika amin’ny fizarana.
Miantso ny minisitera mpiahy sy ny mpitantana ny oniversiten’Antsiranana ny fikambanana hijery ny olana misy ankehitriny. Satria, tsy tokony hisy fanavakavahana fa samy mpianatra mendrika ny hitovy zo sy hahazo rariny.
Vonjy
Nanantanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tetsy amin’ny FJKM Ambatomena, afakomaly, ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF) sy ny Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona (VFKF) izay ivondronana fikambanana maro, miorina hamerina ny hasin’ny fokonolona, ahitana ny TMTM, FFMA, Fizoma, Tafo Mihaavo, Fanonga fokonolona, ny FMGKrima… Nanamarika ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika Malagasy ihany koa izy ireo. Manao antso avo ho an’ny rehetra hanome andraikitra bebe kokoa ny rafitra fokonolona izy ireo nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, taorian’izay. Nambaran’ny hafatra fa tokony hatsahatra ny rafitra mampitsitokotoko napetraky ny mpanjanaka. Manentana ireo tomponandraikitra hametraka rafitra ara-dalàna mamaritra ny andraikitry ny fokonolona koa ny Vovonana, ahafahany mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. «Tokony hifantoka amin’ny olona izany fa tsy ny rafitra», hoy ny fanambarana. «Ny fanavaozana miaraka amin’Andriamanitra Tsitoha sy amin’ny alalan’ny fokonolona no hanavaozana an’i Madagasikara», hoy Andrianasoloarimina Tiana, mpandrindra nasionalin’ny HFKF, nampita ny hafatra. Miantso ny rehetra izy ireo hiala amin’ny ratsy fanao toy ny kolikoly, ny fankahalana ary ny fitiavantena. Etsy ankilany, nanolotra hevitra koa ny mba hisian’ny fifampidinihana eo amin’ny rehetra momba ny fanavaozana.
«Fokonolona mijoro, Firenena Miaina», io no teny filamatry ny Vovonana.
Claude Eric
Mitohy ny fampahafantarana ny vovonana Tantana. Nisy ny hetsika notarihin’ny Filoha mpanorina, Rakotoniaina Justin, tany Antsohihy. Nidinika tamin’ny PDS Ralambomanana Feno ny avy eto Antananarivo, notarihin’ny Ambasadaoro, Randrianarisoa Riana Raymonde.
Miditra amin’ny asa avy hatrany ny mpitarika ny vovonana Tantana eto amin’ny faritanin’Antananarivo, tarihin’ny Ambasadaoro Randrianarisoa Riana Raymonde. Hisantarana izany ny Akademian’ny mpitarika na “Academie des Leaders”. Hanomboka ny eto amin’ny faritra Analamanga. Tafiditra amin’ny fanomanana sy fikarakarana izany dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ralambomahay Feno, ny Ambasadaoro sy ny mpandrindram-paritra, Raharivoloniaina Ninah.
Nohararaotina ihany koa ny fotoana nampahafantarana ny Vovonana Tantana, tarihin’ ny filoha nasionaly, Rakotoniaina Justin, tamin’ity raiamandrenin’ny tanàna ity. Nampahafantarina azy ny mombamomba ny vovonana, ny vina, ny tanjona. Nohamafisina taminy ihany koa fa zava-dehibe ny fanohanana ny fitondram-panjakana mijoro, tarihin’ny Kly Randrianirina Michaël. Anisan’ny fototra ijoroana rahateo ny ady amin’ny kolikoly.
Tafiditra amin’ny fanapariahana ny vovonana manerana ny Nosy, nisy ny fampahafantarana natao tany Antsohihy, notarihin’ny filoha mpanorina, tamin’ny alarobia lasa teo.
Manao antso avo amin’izay resy lahatra ho an’ny fanavaozana tena izy ny Tantana mba hifanome tanana.
r.r
Manome tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny filàna manokana ireo mponina any amin’ny toerana lavitra ny Fitaleavana jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana, any Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana. Hifarana anio ireo tolotra ara-pitsaboana maimaimpoana, ahitana fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, ny fandidiana maro samihafa, ny fitiliana isan-karazany ary fitarafana.
Manodidina ny 150 isa ireo tanora sy olon-dehibe navitrika tamin’ilay tetikasa Nova, fiaraha-miasan’ny IMM sy ny Arovy University. Vita omaly ny fiofanana tsotra nandritra ny 10 andro nomena azy ireo. Tontosa ihany koa ny adina nifantenana ireo 25 mendrika ny vatsim-pianarana hisitrahana fianarana mandritra ny 2 taona mahery.
Hanomboka amin’io volana novambra io ny fianarana ka hifehy ireo fitaovana sy teknolojia avo lenta sy saropady any amin’ny hopitaly fanaovana fitiliana sy fitarafana izy ireo aorian’izany, araka ny fanazavana nomen’ny rektoran’ny Avory University, Ralijohn Emma.
Hiasa avy hatrany ao amin’ny IMM izy 25 mianadahy aorian’ny fihofanana ataony. Maimaimpoana, araka izany, ny fampianarana omena ireto mpianatra ireto, iantohan’ny IMM manontolo ka hikirakira mivantana ny fitaovana ary ho matihanina amin’ny fampiasana izany. Arifomba ny fotodrafitrasa mandray ireo mpianatra ary mpampianatra efa tena za-draharaha no hampita fahalalana.
Tsy ampy ny manam-pahaizana afaka mifehy ireo fitaovam-pitarafana sy fitiliana na miantsehatra amin’ny laboratoara eto Madagasikara. Tena iankinan’ny fahamarinan’ny voka-pitiliana anefa ny fahaizan’izy ireny ka izany indrindra no hisarihana ireo tanora ho liana amin’ny fiofanana.
Tatiana A
Ankehitriny, tena tsy tsaroana intsony ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny “tehina fotsy”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana amin’ny fahitana, Radafiniantsoa Josoa, omaly. Misy antony vitsivitsy mahatonga izany. Betsaka loatra ny toe-javatra ankalazaina. Ny 15 oktobra, ohatra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha, Andro maneran-tany momba ny sakafo… ka tsy tsaroana intsony fa fitaovana iray sarobidy ho an’ny olona manana fahasembanana amin’ny fahitana ny “tehina fotsy”. Tena manao vivery ny ainy mihitsy anefa izy ireo, saingy tsy afa-manoatra fa mba te-hivezivezy, hiasa, hianatra toy ny rehetra. Mitombo indray ny ambana (risque) satria misy ilay lalana fiampitan’ny mpandeha an-tongotra eny Ankorondrano izay nasiana fefy tsy handehanan’ny kodiaran-droa nefa raha misy olona tsy mahita mitondra tehina fotsy eo dia tena zava-doza mihitsy. Toy izany koa ny fampiasana “feux tricolores” eto Antananarivo amin’izao, tsy mety ho azy ireo mihitsy. Satria, tokony hisy feo, “sonore”, azony henoina isaky ny karazana “feux” mitranga, raha tsy izany dia mety hifandiso ny fahazoany azy. Mety ho amin’ny fotoana handehanan’ny fiara indray no mandeha ilay olona tsy mahita.
Vonjy
Naneho ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho an’ ny filohan’ny Fanavaozana sy ireo mpanolotsaina avo ny antoko MMM, amin’ izao tsingerintaona voalohan’ ny fitondrana Fanavaozana izao. Maneho hatrany ny fahavononany hiara-miasa amin’ ny fanatanterahana ireo fanovana entina hanorenana firenena vanona sy hampandrosoana an’i Madagasikara ny antoko, araka ny fanambarana. Niaiky ny MMM fa mbola maro ireo fanamby miandry ny firenena. Mitaky fahavononana, fandraisana andraikitra ary fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanatanterahana izany, mba hahazoana vokatra mivaingana eo amin’ny fiainany andavanandro. «Vonona hatrany hiara-dia amin’ny fitondrana ho an’ny fanamafisana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny fiainan’ny olom-pirenena ary hanomana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny tanora ny MMM», hoy izy ireo.
Tsiahivina fa nitohy tany Vakinankaratra, Antsirabe, ny fikaonandoham-paritry ny antoko, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka tamin’ izany ny momba ny fifidianana. «Tokony hiainga eny ifotony no hanombohana izany mba tena hipetrahan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Na izany aza, manaiky ny tapaky ny maro anisa izahay amin’ny maha demokraty anay», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa ilaina ny manadio ny lalàm-pifidianana sy manitsy ny Ceni mba hipetrahan’ny fifampitokisana ka hananana fifidianana mangarahara sy azo antoka ary eken’ny rehetra. «Efa nisy ny tolo-dalàna sy ny fakan-kevitra momba ny zotram-pifidianana natao teny Iavoloha ka tokony havadika ho lalàna izany», hoy izy.
Synèse R.
Nivory teny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro ireo sampana tompon’andraikitra amin’ ny fanomanana ny fiatrehana ny trangan-javatra vokatry ny El Niño. Miteraka fikorontanana mahery vaika izy io ka mila miomana manoloana ireo loza voajanahary mifandraika amin’ny toetry ny andro. Ho fiatrehana izany, nametraka drafitra hanamafisana ny fiomanana mialoha, ny asa an-tsoroka, ny famaliana maika ny loza ny BNGRC, hisorohana ny aina afoy.
Hisy laza adina roa samy hafa amin’ny fanadinam-panjakana BEPC. Ny laza adina voalohany natokana ho an’ireo mpiadina avy amin’ny sekoly mampihatra ny fandaharam-pianarana vaovao. Ny laza adina faharoa kosa natao ho an’ireo mpiadina avy amin’ny sekoly mbola mampihatra ny fandaharam-pianarana teo aloha. Ahitana safidy roa mitovy amin’ny teo aloha ihany koa: safidy A sy ny safidy B.
Notokanana tamin’ity herinandro ity ny EPP Philibert Tsiranana Anjiamangirana, Cisco Antsohihy. Niorina ny taona 1901 ity sekoly izay nandrantoan’ny filohan’ny Repoblika voalohany, Philibert Tsiranana, fianarana ity. Ahitana tranon-tsekoly efatra manana
efitra valo, misy tranom-bakoka sy tranomboky ary zaridaina ny fotodrafitrasa vaovao, mahazaka mpianatra miisa 400.
Mpiasan’ny fahasalamana iray ao amin’ny CSB II Marovato, distrikan’Andilamena, no niharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny herinandro lasa teo, tamin’ny 6 ora hariva. Teny an-dalana hody rehefa avy nanatanteraka ny asa ao anatin’ny hetsika fanaovam-baksiny VAR/polio sy fanomezana vitamina A tany atsinanana Andranotsara izy no voatafika. Vokatry izany, naratra mafy izy ary efa tsaboina ao amin’ny CHRD II Andilamena. Araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo, nahitana fahavakisana ny taolan’ny saokany sy ratra maro hafa ka ilaina ny famindrana azy maika aty Antananarivo hahazoany fitsaboana manokana noho ireo ratra ireo.
Manoloana ny tranga, noraisin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana ny fikarakarana sy ny fitsaboana rehetra (fanafody, Fitarafana…). Hafindra eny amin’ ny CHUJRA Antananarivo izy, hanohizana ny fitsaboana manokana.
Manameloka tanteraka ny famonoana mpiasan’ny fahasalamana ny fitondram-panjakana. Nanamafy ny sampana misahana ny fanaovam-baksiny fa ho an’ireo mbola tsy nahavita vaksiny, tokony hanatona ny CSB akaiky azy ny isan-tokantrano hamita ny fatra rehetra manaraka ny tetiandrom-baksiny. Tsy voatery hiandry ny hetsika fanaovam-baksiny manokana.
Vonjy
Manampy ny orinasa hivelatra amin’ny niomerika ny Softwell amin’ny famokarana rindrambaiko mifanaraka amin’ ny filana. Nandritra ny hetsika Softevent teny Alarobia no nampahafantarana koa ny softAppli. “Natokana ho an’ny filana eto Madagasikara ny rindrambaiko novolavolaina niainga avy amin’ny traikefa nandritra ny 25 taona nijoroan’ny orinasa teto amintsika nefa manaraka ny fivoaran’ny tontolo niomerika”, hoy ny mpanorina sady mpitantana ny orinasa, Andriamanantsoa Mbolatiana.
140 ireo orinasa sy fikambanana na rafitra nanaraka ny fampahafantarana ny rindrambaiko vaovao teny an-toerana. Samy naka izay tandrify azy avy ny tsirairay. Misy ny mahasahana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, ny fitantanana ny mpiasa, ny fitantanam-bola, ny fitantanana ny antontan-kevitra ny rindrambaiko.
Nisy koa ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana ary fizarana vahaolana niomerika ka nahatratra 700 ireo nandray anjara. Raha tarafina amin’ireo orinasa sy rafitra ary ireo tanora nanaraka ny fifampizarana rehetra, efa miroso amin’ny tontolo niomerika ny sehatrasa samihafa eto Madagasikara ka manampy azy ireo amin’izany ny softwell izay orinasa malagasy.
Vonjy
Afaka misitraka fisotroan-dronono rehefa tonga ny fahanterany ary nahazo fiahiana ara-pahasalamana rehefa marary ny mpiasa tena sy ny ankohonany manomboka izao.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina ny fanohizana ny fampahafantarana ny tetikasa fanitarana ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa tena sy ny vady aman-janany. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana sy ny Cnaps ary ny Ombona ara-pahasalamana miaraka amin’ ny Pnud. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fitondrana fanavaozana amin’ny fanomezan-danja ny maha olona ny minisiteran’ny Asa.
Rehefa tonga ny taonan’ ny fahanteran’ny mpiasa tena, zon’izy ireo feno ny hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy toy ny fisotroan-dronono. Mbola zon’izy ireo ihany koa ny misitraka fiahiana rehefa tsy salama amin’ny fiatrehana ny asa fivelomany. Tanjon’ny fanitarana ny tetikasa ao amin’ny faritra Atsinanana ny hanomezan-danja ny fahasalaman’ny mpiasa tena sy ny ankohonany, ny hampiakarana ny tahan’ny famokarana ary ny hiantohana ny hoavin’ny mpiasa rehetra.
Ahitana sehatrasa maro ivondronan’ny mpiasa tena ao amin’ny faritra Atsinanana: mpanjono, mpamboly, mpitatitra, mpanao asa tanana, mpanao raharaham-barotra… Nahaliana ny solontenan’ny fikambanana maro tonga nanatrika ny famelabelarana mahakasika izany tetikasa izany. Nanatrika ny hetsika tany Toamasina ny tale jeneralin’ny asa eo anivon’ny minisitera, Ravelomahatratra Rojomampionona.
Vonjy
Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andron’ny 14 oktobra. Tafapetraka soa aman-tsara ny Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana (FBF) ao amin’ny faritra Sofia.
Nidina any an-toerana, nanatanteraka fitsidihana ofisialy voalohany ny avy amin’ny birao nasionaly. Nitarika izany ny filoha mpanorina, Randrianamboariny Jean Pierre, voafidy tany Ambohimarina, distrikan’i Manandriana. Mandrafitra ny delegasionina miaraka aminy ny sekretera jeneraly lefitra, Croidys Armand antsoina hoe Ledys, voafidy tany Mandritsara sy Rakotomanga Dilo Razaka, ben’ny Tanàna voafidy tao Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, mpitam-bola.
Anisan’ny nitsena manokana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady ny FBF. Tonga maro rahateo ny ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra iray manontolo, indrindra ny avy amin’ny lisitra tsy miankina. Nandray anjara fitenenana koa nandritra ny fihaonan’ny filoha tamin’ny vahoaka tao an-toerana izy ireo. Nilaza ny ben’ny Tanàna, fa tsy afa-misaraka amin’ny Fanavaozana rahateo ny olom-boafidy. Mila izany hatreny ifotony ny vahoaka malagasy. Nohamafisin’ny mpandaha-teny koa fa tahaka ny fikambanana rehetra mijoro, ankehitriny, tsy mijery antokon’olona izy ireo, fa mijoro amin’ny fotokevitra sy ny hetahetan’ny vahoaka avy any amin’ny toerana nahavoafidy azy.
r.r
Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanàna ny fikarakarana ireo mpampivelona sy mpamily niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany Antsohihy. Taorian’ny fandefasana azy ireo fiaramanidina avy any an-toerana, nigadona teny Ivato ireo naratra ary tsaboina ao amin’ny CHUJRA Anosy. Raisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ny mpampivelona efatra sy ny mpamily iray izay tena mila fitsaboana manokana. Ao anatin’izany ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitarafana ary ny fikarakarana rehetra.
Nitsidika ireo mpanabe Jeune Leader tao amin’ny CEG Anahidrano – Cisco Antsohihy, Dren Sofia, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tao anatin’izany, nisy ny fanatrehana ny fanabeazana maha olom-banona, izay fotoana nanaovana fifanakalozana ho an’ireo mpampianatra. CEG 1 644 avy amin’ny faritra 16 no iasan’ireo mpanabe Jeune Leader ireo, ankehitriny.
Tonga tao Anosibe an’Ala, omaly, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina, nitondra sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho fanohanana avy hatrany ireo fianakaviana traboin’ny haintrano, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Nijery ifotony ny fahavoazana sy niara-nidinika tamin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana ny delegasionina, hamantarana ny filana maika.
Taorian’ny zaikabem-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fahitsiana ho an’ny tanora, nokarakarain’ny Komity mitandro ny fahitsiana, namolavola «Manifeste» momba ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena sy ny fahafahan’ny tanora mahazo asa ireo nandray anjara. Miaraka amin’ny fanohanan’ny Fikambanan’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny Kaonfederasiona Soisy ny hetsika. Anisan’ireo sosokevitra naroson’ny tanora ny hanamafisana ny teny frantsay sy ny ny fanabeazana maha olom-pirenena ary ny fampitomboana ny fahafahana mahazo fiofanana sy asa. Nanolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny hanamafisana ny rafitra fanaraha-maso ny fifaninanana sy ny fandraisana mpiasa ary hampifanarahana ny fiofanana amin’ny filan’ny tsenan’asa. Eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, niresaka momba ny fahitsiana eo amin’ny fampianarana ambony, ny fitantanana ara-politika, ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny toeram-pampianarana ary ny fisorohana ny tranga kolikoly ara-nofo izy ireo.
« Amin’ny alalan’ity manifeste ity no hanehoan’ny tanora ny fahavononany handray andraikitra hampihatra ny fitsipiky ny fahitsiana any am-pianarana, arakasa ary amin’ny maha olom-pirenena. Araka izany, lasa mpampita hafatra sy masoivohon’ny fahitsiana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy avy izy ireo », hoy ny mpikarakara.
Vonjy
Nisitraka kamiao lehibe, miisa 32, hitaterana fako manerana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Orinasa monisipaly misahana ny fanadiovana (SMA). Avy amin’ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny Jica ireo fitaovana ireo. « Manampy amin’ny fanamorana ny fanantanterahana ny asa eny an-kianja ny fitaovana azo », hoy ny lehiben’ny sampandraharaha teknika eo anivon’ny orinasa, tetsy amin’ny foiben-toeran’izy ireo, eny Nanisana. Ankoatra ny fisitrahana kamiao, notoloran’ny Jica Bulldozer sy fitaovana fampiasa amin’ny fikirakirana kodiarana ihany koa ity orinasa ity. Olana ho azy ireo, hatreto, ny tsy fanajan’ny mpanary fako ny ora tokony hanatanterahina izany. «Voatery mivezivezy amin’ny lera tsy tokony ho izy ireo kamiao ary matetika miteraka fanelingelenana ho an’ny fifamoivoizana izany », araka ny fanazavana. Manodidina ny 1 400 m3 hatramin’ny 2 900 m3 isan’andro ny fako taterin’ireo kamiao eo anivon’izy ireo eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.