Nankasitraka ny fangaraharahan’ny Fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa mitentina 3 811 miliara Ar ny very, tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Notsiahivin’ity fiarahamonim-pirenena ity ny fanambaran’ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa hiroso amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina sy fanenjehana izany fandikan-dalàna izany.
Nahitsy anefa ny KMF/Cnoe nilaza fa efa faheno sy nodradradradraina teto ny fisokafan’ny fanadihadiana amin’ny raharaha maro tahaka izany. Anisan’izany ny « Bonbon sucette», ny «Ecran plat», ny fanondranana volamena antsokosoko tratra… « Samy tsy misy fanambarana ny fiafarany sy ny vokatry ny fanadihadiana avokoa ireo nanadihady izany. Miandry fatratra ny tohin’io fandrobana ny harem-pirenena, nambaran’ny fitsarana momba ny kaonty io ny vahoaka », hoy izy ireo.
Etsy andaniny, miandrandra fampandraisana andraikitra ny ankolafin-kery rehetra momba ny fakan-kevitra sy ny fikaonan-dohan’ny olom-pirenena ho fanavaozana, ny KMF/Cnoe. Manantena izy ireo fa tsy hisy fanilihina ho amin’ny dingana manaraka. « Antenaina fa mitohy ny ezaka ary miandrandra fampitam-baovao ny rehetra momba dingana vita sy ny miandry », hoy ity fiarahamonim-pirenena ity. Naneho fahavononana hifanolo-tanana hatrany izy ireo amin’ny sehatry ny fikaonandohan’ny olom-pirenena.
Synèse R.
Nahazo fitaovana avy amin’ny Federasionina malagasin’ny gymnastique, ireo klioba vao avy niatrika “Master class”, ny 16 avrily lasa teo.
Tsy mitsahatra ny mampiroborobo ny taranja ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Gymnastique. Ho fampirisihana sy fanohanana ireo klioba sy ny atleta ao aminy, nisy ny fanomezana fitaovana ho azy ireo avy amin’ny federasionina. Ny taranja Gymnastique rythmique no tena nisitraka izany fampitaovana izany, izay vao avy niatrika “master class”. Ny 16 avrily teo no nanatanterahana ity fanolorana fitaovana ity ary nahazo avokoa ireo klioba mivondrona eo anivon’ ny federasionina malagasy ny Gymnastique. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambaran’ny Federasionina fa handray anjara amin’ny “ salon International du Sport” izy ireo, izay hatao ny 24 hatramin’ny 26 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampiseho sy hampahafantatra bebekokoa ny taranja ny Federasionina malagasin’ ny gymnastique amin’io fotoana io, raha ny nambaran’izy ireo. Tsy ny Gymnastique ihany no haseho mandritra izany fa eo ihany koa ny Parkour izay efa tafiditra ao anatin’ny taranja mandrafitra ity federasiona ity. Tsiahivina fa efa mivelatra manerana ny nosy sy any ivelany ny taranja Gymnastique malagasy ary mandalina hatrany izay hampiroboroboana ny taranja.
Mi.Raz
Velonjara Jet-lee, anarana feno. “Onel Jet” ao anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Ny fivoizana ny “Afro beat” no ifotorany. Nandritra ny taom-pahazazany no efa liana tamin’ ny famoronana tononkalo miady rima i Onel Jet. Ireo trangam-piarahamonina no akora fototra entin’i Onel Jet manefy ireo tononkirany. “Misy hafatra mafonja ny sanganasako”, hoy izy. Ilay vazo “Tsy agnenig’ôta” no nahafantarana ity mpanakanto ity.
Efa manangasanga any koa ny famoahan’i Onel Jet ny “Fisarahana”. Ankoatra ny “Afro beat” miezaka ny mamolaka ny gadona mihetsika (trôpikaly) ihany koa i Onel Jet. “Ny hanome fahafaham-po ireo sokajin-taona rehetra no tanjona amin’ny firosoana amin’ny famolahana bankira hafa”, hoy izy.
Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira i Onel Jet. Nomarihany fa vonona ny hiroso lalina amin’ny filalaovana ny mozika izy fa tsy anandrakandrana. Naneho ny fahavononany ny hivoy ireo gadon-kira nentim-paharazana mampiavaka an’i Toamasina ihany koa i Velonjara Jet-lee.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Fotoan-dehibe, sambany nanandratana endri-kolontsaina mampiavaka ny faritra atsimo ny « Tsapiky Festival ».
Nandihy tsapiky ny iray kianja tao Andaboly, Toliara… Nanomboka tamin’ireo vahoaka nanotrona, ireo manam-pahefana isan’ ambaratongany ka hatrany amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, samy nitsangana nipikelika avokoa. Ny anton’ny « havoria », ny fanolorana ny gadona tsapiky ho harembakoka iraisam-pirenena ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco. Tsy izy ireo loatra anefa no tena nasongadina fa ilay famirapiratan’ny mozika mampiavaka an’i Toliara manokana, izay lasa nahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ihany koa, araka ny nomarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tanatin’ny fandraisany fitenenana.
« Toliara farany amin’ny faritany no nahafantaran’ny maro azy, fa androany kosa voalohany noho io tsapiky io. Manana finoana fa mbola handroso ary ho voalohany i Toliara », hoy ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, nialoha’ny nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Tsapiky Festivaly ».
Rariny, araka izany, raha nomem-boninahitra manokana ireo mpanakanto nisava lalana ny tsapiky, nahatonga azy amin’izao toerany izao. Mbola maro ireo Sairy Matoy, na ireo mpanakanto zokiny nitrandraka ity gadona ity, nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taompolo 70 tany. Eo ry Jean Piso, Tirike, Jozex, ry zareo mpikambana ao aminy Asco Music, sns. Niara-niredona ny « Izay hombanao », sanganasan’i Régis Gizavo izy ireo, nialohan’ny nanolorana ny mari-boninahitry ny kanto an’ireto Sairy Matoy ireto.
Taorian’ny lanonana ara-panjakana vao tena nianoka ilay tsapiky amin’ny endriny rehetra ary tsy ankiato ireo mpijery nameno kianja.
Zo ny Aina
Fangatahan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday ao Toliara nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony tany an-toerana ny tokony hampiakarana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nampanantena ny minisitra fa havoaka tsy ho ela ny valin’ny fangatahana. Nihaona tamin’ny Seces any Toliara ihany koa ny minisitra nidinika ireo paikady entina mampandroso ny fampianarana.
Fandrahoan-tsakafo ara-pahasalamana sy fanolorana fitaovana ary fanohanana ny fifandraisana amin’ireo vondrona 10 no nanamarika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo natao tao Bekatra, distrikan’i Manakara. Niarahana tamin’ny Saf FJKM sy ny tetikasa Dio Tafa izany. Fanatsarana ny fikarakara ny sakafon’ny zaza latsaky ny 5 taona no novoizina tamin’izany.
Notolorana boky ireo mpianatra ao ain’ny kilasy fanomanana sy ambaratonga faharoa ao amin’ny Cisco Belalanda Toliara II. Natao izany nandritra ny fidinan’ny minisitra tany an-toerana nanara-maso ny fampianarana.
Ho fanatsarana ny lafiny fanazarana, fitsarana ary fitantanana, mikarakara seminera ny eo anivon’ny federasionina ny Karate-do Malagasy. Seminera natokana ho an’ny mpitantana, mpitsara ary mpanazatra izay hatao ny alahady 19 sy 26 avrily izao, araka ny fandaharam-potoana. Noho ny fahatsapana fa misy lesoka ny eo amin’ny fanazarana, fitsarana ary fitantanana no anton’izao seminera izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo lalàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hahafahan’ny mpisehatra eo amin’ny taranja karate malagasy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Sensei Raboanarijaona Voahirana (Chief Referee FKM, mpitsara WKF), Nasoavina Fidinirina (Administrateur de compétition UFAK) ary ny Coach Hafizou Georges (Coach WKF, UFAK) no hitarika ity seminera ity. Hisy ny tombana ny 9 mey izao ary hitohy indray ny seminera ny 7 sy 14 jona izao. Hatao ny 21 jona izao kosa ny fanadinana, mialoha ny hahazoana ny mari-pankasitrahana. Hahazoana “qualification’ ity seminera ity, raha ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz
Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby, ny Makis, sokajy zandriny U20. Ity fifanintsanana ity izay hotanterahina any Oganda, ny volana aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 2023 ny andiany farany tamin’ity fifanintsanana ity, ary nandray anjara tao anatin’izany ny Makis zandriny.
Noho ny tsy fahafahan’ny kianja Alarobia, mandray lalao PFL amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, hatao etsy amin’ny Elgeco Plus Stadium By-pass, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny Elgeco Plus. Marihina fa tokony ny Uscafoot no mandray an’io fihaonana io saingy tsy nahita kianja hafa tsy tao amin’ny Elgeco Plus ry zareo.
Mitohy anio, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly, N1A, ho an’ny faritra afovoany, taranja basikety, rehefa avy naka aina kely omaly. Anisan’ny lalao hotontosaina voalohany ho amin’ny anio, ny fifandonana eo amin’ny GNBC Analamanga sy ny SBC Vakinankaratra, eo amin’ny sokajy lehilahy. Hisy lalao 6 anio, raha ny fandaharam-potoana.
Anisan’ireo ekipa sambany vao hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Top 12, izay hatao ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka, ny Rugby Club des Soldats Anosibe (RCSA). Ny klioban’ny CRAI Ambalavao Isotry no hifandona amin’izy ireo, amin’izany. Manana vina ny hisondrotra any amin’ny avo indrindra mihitsy ity klioba avy ao Anosibe ity, ka miezaka manao izay fara heriny amin’ny fanomanana an’io lalao io ry zareo ankehitriny.
Nilaza ny mpanazatra RCSA, Coach Jerry, omaly, tetsy amin’ny HJRA Anosy, fa efa masaka tanteraka ny taktika sy ny paikady rehetra ary izay tombony hita ho an’ny mpifanandrina sisa, no hamafisina. “Ny tena vahana ho anay ny resaka lohalaharana “avant”, eo ihany koa ny fisian’ireo tanora betsaka mandrafitra ny ekipa”, hoy hatrany ny Coach Jerry.
Tsara ny mampatsiahy fa ny RCSA dia niforona ny taona 2006 ary efa nandalo dingam-pifaninana federaly maro vao tonga amin’izao toerana misy azy izao. Anisan’izany ny Diviziona fahatelo (D3), ny D2, ny D1 Analamanga, ary izao miatrika ny Top 20 izao ankehitriny.
Marihina fa mpilalao iray misongadina ao amin’ny RCSA, ny Solombavambahoakan’ny boriboritany fahefatra, Rafidimanana Desire na i Depiote Fidy.
F.R
Klioba avy amin’ny firenena efatra no hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Paris ST Germain hikatroka amin’ny Bayern de Munich ary ny Arsenal hifandona amin’ny Atletico de Madrid.
Tontosa ny alarobia lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana roa miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, ny Paris ST Germain (France) hidona amin’ny Bayern de Munich (Allemagne) ary Arsenal (Anglisy) hifanandrina amin’ny Atletico de Madrid (Espagne). Raha tsiahivina ny vokatra, lavon’ny Bayern tamin’ny isa 4 no ho 3 ny Real de Madrid ary nirava 0 no ho 0 ny Arsenal sy ny Sporting. Efa nanantombo tamin’ny fandresena nandritra ny lalao mandroso anefa ny anglisy sy ny alemà.
Fihaonana ho toy ny famaranana kely ny an’ny PSG sy ny Bayern de Munich. Hiaro ny amboara eo an-tanany, ny parizianina. Ekipa manahirana ny PSG ry zareo Bavarois satria tsy mbola nandresy azy ireo mihitsy ny parizianina, nanomboka ny 7 avrily 2021. Toy ny biby mainty amin-dry zareo mihitsy ny Rainiboto. Efa iray vondrona ny roa tonta, tamin’ny fifanintsanana ka resin’ny Bayern, tao an-jaridainany, tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Handray ny lalao mandroso, ny PSG ny 28 avrily ary any Alianz Arena ny fihaonana miverina ny 6 mey.
Ny manasa-dalana faharoa indray fihaonana mety hitrangan’ny tsy ampoizina. Ambony ara-taratasy ny Atletico saingy ny Arsenal no hany ekipa tsy mbola resy mihitsy tamin’ity “ligue des champions” ity. Voalohany eo amin’ny tantarany ihany koa ny hiatrehany ny manasa-dalana. Raha ny fihaonana farany nikatrohan’ny roa tonta, resin’ny Arsenal, 4 no ho 0 ny Madrilènes ny 21 oktobra 2025. Amin’ity, handray ny lalao voalohany ny Atletico ny 29 avrily ary any Anfield ny miverina ny 5 mey 2026.
Tompondaka
Nisitraka fanohanana ara-pitaovana ho fanamafisana ny kalitaon’ny fanabeazana ny CEG sy ny lisea Antaninarenina, CISCO Toliara I, izay nahitana “tablettes” miisa 56, boky ho an’ny ambaratonga faharoa, boky siansa sy teknolojia ary fitaovana enti-mampianatra. Mikendry ny fanavaozana ny rafitra fanabeazana sy ny fanatsarana ny fampianarana izany.
Manoloana ireo fitarainana sy savorovoro misy ao amin’ny CEG 67 Ha, Antananarivo, tsy nitazam-potsiny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa tonga teny an-toerana. Nanome toky fa hijery ny fomba rehetra handaminana ny olana mba hahafahan’ny tsirairay miasa am-pilaminana sy mba hahafahan’ireo ankizy misitraka fampianarana ao anaty tontolo milamina.
Nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiofana, mpampiofana ary ny mpandraraharaha ny minisitra Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, teny amin’ny LTP Ampasapito.
Nihaino ny hetahetan’ny mpampiofana izy. Nohamafisiny ny fahavononan’ny minisitera hiara-hiasa akaiky amin’ireo ivon-toeram-piofanana rehetra.
Sonian’ny tarika Hasina ny hira mandona fo. Nankafizan’ny maro ny sanganasan’izy ireo izany, nandritra ny 30 taona. Tsy handalo fotsiny fa homarihina ny fankalazana, raha ny nambaran’ny tarika, omaly. Hatomboka amin’ny fampisehoana izay hotontosaina etsy amin’ ny Havoria Anosy io, ny alahady 19 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Fanokafana ny fankalazana io, hamerenanay an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika izay 30 taona izay. Hitohy ny fitsidiham-paritra aorian’izay », hoy ny nambaran’i José.
Efa talohan’ny taona 1996 no nanomboka ny tantaran’ny tarika Hasina. I Mahefa sy i Dah Kely no tao, ary ito farany no niantso an’i José. Lasa mpamokatra fampisehoana i Dah Kely taty aoriana, ary anisan’ny hikarakara ny fankalazana. Nihaona tamin’i Odeam i Mahefa sy José tamin’ny fankalazana ny faha-5 taona, ary tamin’i Sitraka kosa ny faha-10 taona. Efa nisy koa ireo namana nandalo tao amin’ny tarika, izay efa nodimandry toa an’i Faustin.
Samy mamoron-kira izy efa-dahy mandrafitra ny tarika Hasina ankehitriny. Tsy misy mivaona amin’ilay hira feno fihetseham-po, mifono hafatra, na lohahevitra tsotra izany na ara-pilazantsara. Ny country, folk, gasigasy no tena hironan’ny tarika Hasina, nametrahany ny anarany tao anatin’ izay 30 taona izay.
Zo ny Aina
Raha hay sy fantatra tsara ny soa azo avy amin’ny famakiana boky, handroso ny firenena iray sy ny mponina ao aminy. Iray amin’ireo hitondra ny tontolon’ny boky ho filan’ny Malagasy, ny « Tsenaben’ny boky ».
Hotanterahina eo amin’ ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fankalazana ny « Andro maneran-tany ho an’ ny boky sy ny zon’ny mpanoratra ». Ao anatin’ny telo andro, ny 23 sy 24 ary 25 avrily izao. Hisy ny varotra fampirantiana boky. Seho sy hetsika ary fifaninanana samihafa. Tafatafa iarahana amin’ireo mpisehatry ny boky.
Ankoatra ny fampivelarana ny tontolon’ny boky amin’ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny zava-dehibe sy manan-danja ho an’ny tanora indrindra fa ny mpianatra sy ny mpikaroka ary ny mpandalina isan-tsehatra sy sokajy ny « Tsenaben’ ny boky », raha ny fanazavan’ireo mpandray anjara. Ho tazana eny an-toerana, rahateo, ny mpanoratra sy ny fikambanana ary izay rehetra tafiditra ao anatin’ny rohim-boky sy ny asa fanoratana (editora, mpanonta boky, mpivaro-boky, mpanjifa ny boky…). Manana ampaham-potoana lehibe izy ireo ahafahana miresaka mivantana amin’ny mpitsidika.
… Mbola olana lehibe ho an’ny rohim-boky, ankehitriny, ny tsy fahafantaran’ny mpanoratra maro ny tena andraikitr’ ireo rantsa-mangaika mampiaina ny rohim-boky. Tsy vitsy, ohatra, ireo mpanoratra tsy mazoto loatra ny manatona sy midinika amin’ny editora rehefa hamoaka boky. Ny fahalalana ananan’ny mpanoratra maro raha hampandalovina editora ny fanontana boky :
« Mitombo be ny vidin’ny boky… Na, kely loatra ny vola azonay. Lavitra loatra ny lalan-kaleha… ». Ny tsy fahampian’ny fifankahalalana eo amin’ny asa sy andraikitr’ireo samy mpisehatra eo amin’ny rohim-boky no miteraka ny fiheverana tahaka ireo. Noho izany, sehatra mbola mila fifampitaizana lehibe ny tontolon’ny boky raha ny eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto
Hanamarika ny « International jazz day » i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny alarobia 29 avrily izao ny karakarain’ny Madajazzcar. Famaranana ny « Tremplin Madajazzcar » hihaonan’ireo nifaninana ka voafidy ho mendrika indrindra, avy eto Antananarivo sy avy any Atsirabe sy Toamasina. Manomboka amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo no hanatanterahina izany. Ny alakamisy 30 avrily, « Jam session ». Amin’ ny 6 ora sy sasany hariva, ao amin’ny Fara West eny Faravohitra. Amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny Le Garage Antsahavola.
Nanainga omaly ho any Inde i Honorat Fou Hehy. Raha ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera samihafa, hiatrika fandidiany any an-toerana ity andrarezin’ny hatsikana sy fanentanana ity. Fantatra
fa mila fandidiana haingana ny tsy fahasalamana
(tsy mikoriana tsara ny ra mihazo ny fo) mahazo an’i Honorat.
Manomboka liana amin’ny mombamomba azy ny Malagasy. Mipoitra ny mpisikidy, ny mpanandro, ireo mpahay fomba amam-panao sy ireo mpahay zavapanahy maro. Tsy nanao todi-damosina tahaka ny nahazatra azy hatramin’izay intsony ny ankamaroan’ny Malagasy. Mifoha tsikelikely ilay fanahy maha olona
ao aminy. Misy ny velakevitra, maro ireo tsy tafiditra noho ny fahafenoin’ny efitrano. Misy ny fanatanterahina fomba. Tonga maro eny an-tanindrazana ny taranaka. Mila fitandremana fatratra, anefa, ny tranga tahaka izany, satria, maro ny tsy ho faly. Tsy vitsy ireo efa donton’ny « ela ».
Raha ny salanisa ny taona 2025, nivoaka nandritra ny tatitra momba ny ady amin’ny famarinana olombelona, nahatratra 241 ireo olona voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina noho ny fanahiana amin’ny famarinana olombelona na fanandevozana moderina sy fanararaotana.
Nandritra ny lahateny nataon’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Profesora Randrianasolo Rivoarison, tamin’ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo, nambarany fa misokatra ho an’ny rehetra ny “Bibliothèque et Archivages Universitaires”, fotodrafitrasa manan-danja amin’ny fikarohana, ary tsy mena mitaha amin’ny any ivelany.
Hatsangana anio ny vato fototry ny “Espace Mère-enfant” eny amin’ny oniversiten’Ankatso izay vinavinaina haharitra efa-bolana ny fanamboarana azy. Ho tokanana amin’ny 24 avrily ny lalana miainga eo amin’ny “Super U” Tsiadana hatrany amin’ny “Barrière” fidirana Ankatso, izay hotononina hoe “Lalana Professeur Siméon Rajaona”.
Homarihina rahampitso, ao amin’ny CHUJRA ny Andro maneran-tany ho an’ny hémophilie na ny fijinihan-dra lava, iarahana amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ivontoeram-pitsaboana ny Hémophilie eto Madagasikara (CTH-Mada) ary ny fikambanan’ny marary hemophile (ABEHM).
Aretin’ny ra, vokatry ny tsy fahampiana singa mampivaingana ny ra ka mahatonga ny olona iray handeha ra tsy mijanona ny hemophilie. Miseho amin’ny fandehanan-dra ivelany (mangana, mandeha ra ny akanjo nify na ny orona…) na ao anaty (anaty vanin-taolana, ambany hoditra, anaty atidoha…).
Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana haingana araka izay azo atao mba hahafahana manome ny singa tsy ampy. Noho izany, ny fitiliana no dingana voalohany mankany amin’ny fitsaboana.
Eto Madagasikara dia zazalahy iray amin’ny 10 000 no teraka mitondra hémophilie, nefa latsaky ny 10% monja amin’ireo no voatily hatreto.
Ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana dia ataon’ny CTH-Mada, ao amin’ny CHUJRA.
Fanabeazana ara-pahasalamana hisorohana ny fandehanan-dra no tena ivon’ny fitsaboana.
Fampidirana ireo singa tsy ampy mampivaingana ny ra no fitsaboana ny fijininihan-dra lava.
Marihina fa mivondrona ao anatin’ny ABEHM ny fikambanan’ny marary sy ny fianakaviana.
Tatiana A
Lava raha hotantaraina… Kanefa dia mbola tsy afaka ambavan’ny mpankafy rehetra ireo hiran’i Samoela tao anatin’ny «Mampirevy», rakikira voalohany. Manomana fotoan-dehibe hitondrana an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika ny 30 taona i Samoëla, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly.
«Raha ny rakikira 11 no hakana hira 5 avy dia efa tsy ampy ny ora 4. Fa efa misy rindra nomaninay mba ohatran’ny hoe hatao daholo ireo», hoy ny famintinan’i Samoëla azy. Mikasika ilay seho goavana «Hiaka-dapa», izay hataony 3 mey izao, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina io. «Efa niara-niasa tao Antsahamanitra ary nety izany, ka nitsiry teo ny hevitra hoe aleo miaka-dapa miaraka. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 1997 ny fotoana tokana nanaovan’i Samoëla seho tao, dia amin’ity indray», hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, avy ao amin’ ny SR Pro, izay mpikarakara.
«Manan-javatra haseho avokoa ny ekipa rehetra amin’ io. Ny fifankazarana eo amin’ny tarika iny efa mandeha ho azy satria tsy latsaky ny 100 isan-taona ny fampisehoana iarahanay. Fa fanomanana zavatra miavaka sisa no hataonay ka hitoka-monina kely mihitsy amin’io herinandro io», hoy i Samoëla. Nohamafisiny fa revy Samoëla ranoiray io, na misy sady maro aza ireo mpanakanto efa niara-nifampizara kanto taminy izay hasainy. Notsindrian’ i Samoëla fa anisan’ny nampaharitra ny tarika ny tsikombakomban’ny mpinamana. I Roger sy i Tiana Rainitelo izao efa hatramin’ny taona 1995 nanombohany niaka-tsehatra no efa teo.
Zo ny Aina
Andrarezina ! 45 taona an-tsehatra nizaran’ny Olombelo Ricky ny fahaiza-manaony amin’ny tontolon’ny hira sy ny kolontsaina. Hiaina sy hizara izany amin’ny mpankafy azy izy, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny alahady 19 avrily ho avy izao. Hikaloany ireo hira marobe, nandalo sokajin-taona nifandimby nandritra izay 45 taona izay. Toy ny «Ikalangita», ny «Ody Aina», ohatra. Miisa 12 ny rakikiran’i Olombelo Ricky, ary 3 tamin’ny Vazimba Vocal, tarika samy tantaniny. Haharitra adiny efatra ny fotoana, farafahakeliny. Ho vahiny manokana ny tarika Mahaleo sy ny Taranany sy i Benny. Hisy hira iraisan’izy ireo amin’izany.
Notsindriany manokana, omaly, fa tsy mionona amin’ny hira fotsiny, fa hifampizarana amin’ny mpankafy ihany koa ireo karazana vanim-potoana samihafa. Ireo « olombelona » nilona tanatin’ny kanto sy ny kolontsaina nanana ny lanjany, niara-niaina, niara-nanonja taminy, toa an-dry Tôta, Xhi sy Mah, Tsilavina Ralaindimby, Razilinah, ny mpanoratra Tsirimbato, …. « Natsanganay ny Tahala Rarihasina, hanomezana hasina ny kolontsaina malagasy. Izahay no anisan’ny voalohany nanandratra ny Taombaovao Malagasy sy ny Asaramanitra,… », hoy izy.
Nilaza ny tomponandraikitry ny Airtel fa manohana hatrany ny hetsika kolontsaina miavaka toy izao ny orinasa. Mikarakara ny seho ny Lax Production.
Njaka A.
Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena sokajy zandriny “cadet” sy “junior” lahy sy vavy, taranja handball, ny zoma 10 avrily lasa teo, niditra amin’ny fampivondronana avy hatrany ireo ankizilahy voafantina ho anaty Akion’i Madagasikara. Hanomana ny fifaninanana hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7. Nanomboka ny sabotsy 11 avrily lasa teo izany, ary haharitra herinandro.
Mpilalao miisa 24 ny “junior” ary 22 ny “cadet” ireo notsongaina ireo. Hanazatra ny “cadet” ny coach Dave sy i Cédric ary i Fania sy i Franck kosa ny “junior”. Etsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha izy ireo no manao ny fanazarantena isan’andro. Tsiahivina fa hampiantrano ity “IHF Trophy” ity, i Madagasikara, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao. Firenena dimy no handray anjara amin’izany. Ankoatra ny Akion’i Madagasikara, eo koa i La Réunion, Mayotte, Maurice ary i Comores. Hanana ny lanjany lehibe izany fifaninanana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “IHF Trophy” kaontinantaly. Hisolo tena ny faritra faha-7 izay tompondaka, amin’io.
Tompondaka