Mandray anjara amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Tekbot Robotic Challenge (TRC 2025) », ny Malagasy, atao anio 17 sy 18 janoary ho avy izao any Bénin. Nisalotra ny anarana hoe Innovator izy ireo, mpianatra avy amin’ny Sekoly ho an’ny fitantanana sy ny famoronana ara-teknolojika (Emit). Nanohina ny antson’izy ireo ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny Airtel Money, ka manohana ny Innovator, ahafahan’izy ireo mandray anjara feno amin’ity fifaninanana ity.
Nanaiky hanohana ny ekipa Innovator ny Airtel, entina hanasongadinan’ny tanora malagasy ny talentany, ny famoronana ary ny fananan’izy ireo toe-tsaina siantifika. Eo koa ny fampiroboroboana ny teknlojia sy ny tontolo iainana, ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe. Homen-danja i Madagasikara aty Afrika sy iraisam-pirenena, hanehoana fa mahay mamorona ny tanora malagasy.
Navoitran’ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Ramatoa Anne-Catherine Tchokonté, fa « atokisanay ny tanora malagasy. Vonona izahay hanohana azy ireo, araka izay vitanay, ho vahaolana ho an’i Madagasikara sy Afrika. Reharehan’ny taranaka ny fahombiazan’izy ireo »
Njaka A.
Tonga eto amintsika ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny nodinihina ny hanohizana ny famatsiam-bola FEC sy FRD.
Mamita iraka eto Madagasikara ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny 12 janoary hatramin’ ny 16 janoary teo. Nisy avy hatrany ny dinik’asa natao teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, niarahan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama sy izy ireo. Notarihin’i Lonkeng Constant sy ny solontena maharitry ny FMI eto amintsika, Eklou Kodjovi, ny delegasionina. Dingana voalohany nifanakalozan-kevitra tamin’ny governemantan’ny Fanavaozana sy ny FMI ity notontosaina ity. Nampahafantarina azy ireo ny sori-dalana sy ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana malagasy. Nojerena ny fomba hitohizan’
ny fanohanan’ny FMI an’i Madagasikara amin’ireo fandaharanasa fanarenana ny toekarem-pirenena. Nanotrona ny Praiminisitra nandritra ny fihaonana voalohany, ny 12 janoary teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé; ny minisitry ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andrianirina.
Amin’ny alalan’ny Fampindramam-bola nitarina sy nohamoraina (FEC) sy ny Famatsiambola hiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) ny fanohanan’ny FMI an’i Madagasikara. Ampiasaina amin’ny fanampiana ny tetibolam-panjakana ny FEC.
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Anisan’ny ivon’ny iraka ataon’ny FMI ny mahakasika ny FRD, miompana manokana amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nitarika ny fifampidinihana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao amin’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Miaraka amin’izy ireo koa ny sehatra rehetra voakasika mivantana. Nahitana ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Teo koa ny Instat, ny Banky Foibe (BFM), ny OMH, ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), sns.
Njaka Andriantefiarinesy
Hitondra fanavaozana faran’izay haingana sy fitahiana ary fahasoavana ho an’ny firenena ve raha tapitra hogadraina avokoa ny volomboasary rehetra? Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Confédération syndicale des agents de l’État (Csaem), ny jeneraly Ravalison Israël, manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota amin’izao. Lasa toy ny hoe “Alefa Barea” ny fanagadrana amin’ny zavatra rehetra. Tsy fisainana maloto na zavatra tsy rariny no hanagadrana olona.
Efa nitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny depiote voafidy tany Mitsinjo, Faritra Boeny, Ahmad Ahmad, ary miandry izay ho tohiny, araka ny nambarany teny Mahamasina, omaly, momba ny fangatahana ny fanalana azy tsy ho depiote eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy manahirana ny fanalana azy tsy ho depiote, saingy fanaovana tsinontsinona ireo vahoaka nifidy azy izany. Maro ireo depiote afa-manamarina fa nanatrika ny fivoriana izy.
“Inona no zavatra ho vitan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny roa volana?”, hoy ny fijerin’ny filoha mpanorina ny fiangonana Apokalypsy, ny pasitera Mailhol, ny amin’ny fe-potoana nomena ny governemanta ho amin’ny fanavaozana. Efa mivadika izao ny olona: farafaratsiny enim-bolana na herintaona no hitsarana azy. Mba lojika izay. Tsy misy azo itsarana azy ao anatin’ny roa volana hoe: inona no tsy vitany? Raha roa volana hitsarana azy, miala avokoa angamba ny 80% na 99%.
Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankorondrano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano fivoriana, kianja Barea, Mahamasina, omaly, izany. Tsy inona fa itakian-dry zareo tondrozotra ho amin’ny fitondrana Tetezamita. Eo, ohatra, ny fe-potoana faharetany, ny rafitra amin’izany, ny fomba itondrana azy… Na izany aza, eken’izy ireo ary hanamafisany fa ny kolonely Randrianirina Michaël no filoham-panjakana miadidy ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
“Nisy zavatra niaraha-nitaky teto amin’ity firenena ity”, hoy ny filohan’ny KFIM, Rabevahiny Elia, ny amin’izany. Filohan’ny antoko Otrikafo ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Fanavaozana amin’izao. Napetraka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, tamin’ny 13 oktobra, fa hoe rava ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV sy ny andrimpanjakana rehetra. Ireo andrimpanjakana rehetra tsy nahomby teto amin’ny firenena izany. Tsy nifanarahana hoe solombavambahoaka efatra na dimy esorina, na soloina ny filohan’ny Ceni, na manala loholona roa, na fanoloana mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) telo no atao hoe fanavaozana.
Ho an’ny mpandinika sasany, mbola eo ny tarazon’ny fomba fanaovana politika fa tsy fanovana na fanavaozana: fitadiavan-tseza amin’ny hoe fiaraha-mitantana? Ho hita eo ny ho tohiny…
R. Nd.
Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra izao. Misy mahita ka milaza fa anisan’ny lehibe sy maika amin’ny fanovana na fanavaozana toe-tsaina ny fanajana sy fampanajana lalàna. Tsy misy ambonin’ny lalàna. Hatramin’izao, tsy mety ho kolontsaina mandeha ho azy izay. Lasa fiavahana sy fahamboniana ho an’ny sasany aza ny tsy fanarahan-dalàna, indrindra raha tsy misy arakaraka.
Manampy trotraka izany ny tsy fandehanana amin’ny fahitsiana sy ny fahatsorana. Fangaraharana izany. Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Tsy asiana ankifonofono, tsikombakomba ratsy… Miara-dalana amin’izany ny fanaovana sy ny fijoroana amin’ny marina: sahy mamaky bantsilana, ifampiarovana… Ny amin’izany, mba matoky tena ve izay manao sy milaza ny marina? Misy mpiaro, tsy mba maty… Fiovana sy fanovana izany. Ilaina, takina, ifampitantanana… Mba mihena ahay ny fanaovana kolikoly? Ny tsimatimanota, izay heverina na mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, hafa no ho ny olona rehetra… Misy tambajotra ny mpanao ratsy sy mpandika lalàna? Mila tambajotra enti-miady amin’izany koa ny marina… Amin’izay, ho hitan’ny havany eo izay za-dratsy.
Resahina ka tsotra? Fa tsy vita mora, tsy efan’ny irery, tsy vetivety… Saingy tsy maintsy atomboka raha tiana ny hiova sy hanova toe-tsaina. Miankina amin’ny tena ihany? Na ny tsirairay… Alao hery àry! Ny atao no hita; ny soa, mahatarika.
R. Nd.
Enin-taona aty aoriana, hifandona indray i Maroc sy i Sénégal. Fifanandrinana anatin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana. Ho fantatra ny alahady ho avy izao izay ho mpandresy amin’izany.
Adin’ny samy liona! Ho fantatra ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Prince Moulay Abdellah Stadium, Rabat Maroc, ny firenena hibata ny amboaran’i Africa, “Can 2025”. Hiady io amboara lehibe io ny Lion de l’Atlas Maroc, mpampiantrano sy ny Lion de la Teranga Sénégal. Raha hiverenana kely ny lalao manasa-dalan’izy ireo, ny Liona marokanina nanintsana an’i Nigeria, tamin’ny fandakana « tir au but », 4 no ho 2, rehefa nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Lavon’i Sénégal, 1 no ho 0, kosa i Egypte, baolina izay tafiditr’i Sadio Mané, kintan’ny baolina kitra senegaley, tany amin’ny minitra faha-78.
Ireto ekipa nasionaly roa tafita amin’ny famaranana ireto izay voasokajy ho ambony indrindra aty Afrika. Efa manana ny lanjany eo amin’ny filaharan’ny Fifa ihany koa. Eo amin’ny laharana faha-11 i Maroc, ary faha-19 i Sénégal. Araka ny fikarohana natao, mbola manala vela amin-dry zareo maraokanina ny liona senegaley. Ny taona 2020, lalao ara-pirahalahiana no nifanandrinan’ny roa tonta farany, ary resin’ny maraokanina, 3 no ho 1, ny senegaley.
Ankoatra izay, tsy mbola mandao ny fifaninanana i Nigeria sy Egypte fa mbola miady ny laharana fahatelo na ny medaly alimo. Ity fifandonan’ny roa tonta ity izay hatao ny asabotsy ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Stade Mo_hammed V, Casablanca.
Tsara ny mampahafantatra fa hivoaka aorian’ity “Can 2025” ity ny filaharana vaovao izay havoakan’ny Fifa, ka andrasana indray ny laharan’ ny Barea vaovao amin’izany.
Fitia Randria
« Kabary malagasy: manamafy fihavanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Ny kabary io voalaza ao anatin’ny lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny kabary io. Fa ny mpikabary mba ahoana? Olo-mendrika sy fakan-tahaka. Mazava fo, matsilo saina, anti-panahy. Toetra mila ananan’ny mpikabary ireo. Firy amin’ny mpikabary no mahafehy ny tenany sy ny teniny? Anisan’ny miteraka adihevitra maro, ohatra, ny fahitana tanora vao erotrerony mikabary. Tsy vitsy koa, anefa, ireo miteny fa : « ataonay io rehefa tsy hanao ianareo lehibe ». Ny zava-dehibe, tsy tokony ho simba ny hasin’ny kabary sy ny mpikabary.
Silo sy Mahery, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Nahitana karazany maro raha ny fiarahana tao amin’ity toerana ity. Iray amin’ireo be mpiandry ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ity. Malalaka be, araka izany, ny fandaharana ny hira ho azy mirahalahy ireto, manomboka any amin’ny sanganasan’i Silo, hatrany amin’ny sanganasan’ireo namany famerin’i Mahery an-tsehatra.
Ny 27 hatramin’ny 30 aogositra izao ny “Festival Sôrogno 2026” any Ambanja. Namoaka ny daty ofisialy, omaly, ny mpikarakara ny hetsika. Izy ireo hatrany no mamoaka daty voalohany amin’ireo hetsika ara-kolontsaina isam-paritra. Ny “Festival Sôrogno” rahateo no ela indrindra sy tsy mbola tapaka mihitsy na taona iray aza, hatramin’izay. Tsy mbola voafaritra kosa ireo mpanakanto handray anjara.
Nosokafana omaly ilay fampirantiana “Tambatra”, teny amin’ny Is’art Galery Mahatazana. Araka ny anarany, fampirantiana sanganasa iarahan’ireo mpanao hosodoko efatra izy ity: Natoa Sasolonjatovo, Amir J, Isaac Azaly ary i Andry Marcel. Hanasana ireo rehetra liana te hamantatra ny hafatra fonosin’ny tabilao tsirairay, araka ny fironan’ny mpanakanto amin’ny fanehoany ny aingam-panahiny izany.
Nampahafantarina omaly, teny Andakana, ny fisokafan’ ny sekoly ambony hanofana momba ny fizahan-any, fandraisam-bahiny ary ny nahandro avo lenta miaraka amin’ny Havila Premium izay efa manana ny Havila School manome ny fahalalana fototra momba ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny ary ny fampiantranoana nanomboka ny taona 2013. Misy fepetra takina ho an’ny fandraisam-bahiny sy ny nahandro avo lenta, araka ny zavatra takin’ny malagasy sy vahiny mpanjifa ka hanofana tanora mahafehy izany no tanjon’ny sekoly ambony. « Miavaka ny fotodrafitrasa sy ny tontolo ivoaran’ny mpianatra mandritra ny fiofanana ary volavolaina izy ireo hizatra ho hentitra amin’ny kalitaon’ny asa sy ny tolotra omena », hoy ny mpanorina sady talen’ny Havila school, Andriantsitohaimanantena Toky, fantatra amin’ny anarana sefo Toky. Fizarana sy fampiharana ny 75% amin’ny fiofanana ary manana ny fitaovana sy fotodrafitrasa ny sekoly ambony.
Hanomezana sehatra ho an’ny tanoran’ny Faritra, hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ ny lehiben’ny Faritra hisitrahan’ireo tena vonona vatsim-pianarana hiofana ao amin’ny Havila prémium. Manampy izay ny fanofanana mpampiofana hiparitaka manerana ny Nosy hampivelarana ny fizahantany sy ny fampisakafoana ary fandraisam-bahiny avo lenta. « Efa nahazo ny habilitation nanomboka ny taona 2025 teo ny sekoly ambony ary miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Vonjy
Ho an’ireo olona manana ahiahy amin’ny mety ho voan’ny Mpox, misy ny fizahana fahasalamana
mialoha eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka ny mpitsabo no mamaritra na tokony hanao fitiliana ilay olona na tsia. Momba ny soritraretina mety manavy, manakotsako ny vatana, marary ny loha sy ny tenda, misy atoditarimo, misy tasy na fery amin’ny vatana mipoitra amin’ny hoditra. Raha ireo no mitranga, tsara ny manatona toeram-pitsaboana na CSB.
Tsy hiverenan’ny Mpox intsony raha efa voa indray mandeha ny olona iray, nefa mety misy fetra ihany izany indrindra ho an’ny olona ambany be ny hery fiarovany. Mbola mila fikarohana koa ny zavatra maro momba ity aretina vaovao ity. Ambany ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny Mpox nefa mila arovana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH sy ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo satria marefo.
Rehefa tonga eny amin’ny Centre de traitement et d’isolement ny tranga ahina iray, alefa manao fitiliana PRC izy aloha. Raha négatif ny valin’ny fitiliana, alefa mody fa raha « positif » kosa dia mijanona ao mandritra ny tapa-bolana hatramin’ny iray volana na mahery. Rehefa madio tanteraka ny hoditra vao tsy mamindra intsony izy ka ambara fa sitrana tanteraka.
Nihaona teny amin’ny American School of Antananarivo ireo mpianatra avy ao amin’ny Lycée Andohalosy misitraka ny tetikasa “Lafayette Initiative for Madagascar Education (Lime)”.
70 izy ireo no mahazo io tantsoroka io, amin’ity taona ity, izay avy amin’ny mpianatra 8 mianadahy avy any Pennsylvania. Entina hanomanana sy hanohizana fianarana ambony any Etazonia ny tohana.
Anisan’ny torolalana zaraina amin’izany ny momba ny fitadiavana vatsim-pianarana, ny fiainan’ny mpianatra any amin’ ny Oniversite amerikanina, na koa ny fomba fikarakarana ny antontan-taratasy fidirana eny amin’ny oniversite.
Mpianatra amerikanina 190 no efa niara-niasa tamin’ny Lime, ka nanampy tamin’ny nahazoan’ny Malagasy mpianatra miisa 14 vatsim-pianarana feno ao amin’ny Lafayette College, any Etazonia, hatramin’ny taona 2010 nisiany.
Ny Masoivoho amerikanina izay midera ny anjara biriky entin’ny Lime amin’ny fanamafisana ny fifandraisan’ny Malagasy sy Amerikanina amin’ny alalan’ny fanabeazana.
Tatiana A
Antananarivo accueillera les 9 et 10 avril, la 2e édition du CEO Summit, considérée comme un rendez-vous majeur des décideurs économiques africains et internationaux. Plus de 1.000 participants sont attendus, un record pour ce sommet sous le thème : « Nouveau paradigme, nouveaux horizons : osons réinventer l’avenir ».
Après un lancement officiel en décembre au Novotel Antananarivo, les organisateurs confirment la montée en puissance de cette plateforme régionale. Lors d’une rencontre avec la presse, hier, au Novotel, ils ont promis une édition « inédite », avec des résultats concrets et une forte dimension internationale.
La fondatrice du sommet, Tantely Rakotomalala, CEO de Becom, est revenue sur les acquis de la première édition tenue en décembre 2024. « Nous avons réuni 579 dirigeants et décideurs, avec 91 intervenants issus de 11 pays et 74 institutions partenaires », a-t-elle rappelé.
Selon elle, le CEO Summit dépasse le cadre des échanges théoriques et « viennent pour ouvrir des marchés, sécuriser des débouchés, créer des alliances, signer des accords et générer des impacts positifs réels ».
Sud-Sud
Même constat du côté de Tiana Rasamimanana, président du Syndicat des industries de Madagascar (SIM)
et co-organisateur. « Cette deuxième édition sera une opportunité pour mettre en commun les visions nécessaires au développement de Madagascar et de la région », a-t-il déclaré.
Il a assuré la participation annoncée de la Tunisie, de la Guinée, ainsi que l’intérêt exprimé par Business France. « La Réunion, Maurice, les Seychelles et les Comores sont déjà parties prenantes depuis le début », a-t-il ajouté avant d’annoncer une tournée régionale prévue en février pour renforcer la coopération dans l’océan Indien.
La CEO de l’EDBM, Josielle Rafidy, a assuré pour sa part que « lors de la première édition, nous avons fédéré les agences de promotion des investissements des îles voisines ».
« Nous avons mis en place un cadre de collaboration pour soutenir le dialogue entre décideurs économiques et politiques à l’échelle régionale ».
Fort de ses résultats passés, le CEO Summit 2026 ambitionne d’aller plus loin. Innovation, durabilité, économie verte et bleue, financement et coopération Sud-Sud seront au cœur des débats.
Arh.
Le ministère des Travaux publics (MTP) a annoncé le lancement effectif des travaux de réhabilitation des routes de la Capitale, dont certaines sont en piteux état. Ce département a fait savoir que diverses interventions ont déjà été menées, en mentionnant la réfection de la route devant la station Total, le croisement menant à Ambohijanaka, au niveau de la voie ferrée By Pass et de la RP Filatex.
Parmi les axes concernés, la route By-pass menant à Iavoloha.
« Les nids-de-poule sur la route d’Ankadimbahoaka, ont également été réparés durant la soirée du 14 janvier, tandis que les travaux de réhabilitation de la route d’Ambohimiandra ont été achevés la semaine dernière », indique-t-on.
Le ministère rapporte également que la société SMATP réalise depuis des interventions sur les axes Behoririka, Antanimena Ankadifotsy et Andrefan’Ambohijanahary.
« Les travaux de réhabilitation ne sont qu’à leurs débuts et vont se poursuivre sur de nombreux tronçons de la Capitale en collaboration avec la Commune Urbaine d’Antananarivo (CUA) dans le but d’améliorer la circulation des véhicules et des personnes, de réduire les embouteillages et limiter les dégâts matériels », avance-t-on.
Les habitants de 67 Ha attendent avec impatience que les interventions en cours arrivent le plutôt possible dans leur localité. Plusieurs tronçons de route y sont impraticables, à l’exemple de l’axe partant de Vatobe menant à Andohatapenaka, partant de l’arrêt bus 119 jusqu’ au poste 67 Ha…
Jean Riana
Madagascar s’illustre sur la scène technologique africaine. L’équipe « Innovator », composée d’étudiants de l’École de Management et d’Innovation Technologique (Emit), s’est hissée dans le Top 5 du Tekbot Robotic Challenge (TRC 2025). Cette performance lui ouvre les portes de la grande finale, prévue les 17 et 18 janvier au Bénin.
Après plusieurs mois d’épreuves mêlant mécanique, électronique et programmation, Innovator s’est démarquée parmi des dizaines de candidats. Elle figure aujourd’hui parmi les neuf équipes finalistes issues de cinq pays africains.
Son projet, axé sur une gestion durable et intelligente des déchets, illustre la capacité des jeunes Malgaches à concevoir des réponses technologiques adaptées aux réalités locales.
Créée en mai 2025, l’équipe réunit dix étudiants passionnés de robotique. Elle participe au TRC 2025, une compétition africaine placée sous le thème de la « Résilience urbaine ». L’objectif : proposer des solutions innovantes à des problématiques concrètes, notamment la gestion des déchets urbains, un défi majeur pour les villes africaines.
Soutien de taille
Face aux exigences logistiques de cette ultime étape, l’équipe a lancé un appel au soutien. Airtel Madagascar et Airtel Money ont manifesté leur contribution. Partenaires historiques de l’Emit, les deux entités confirment ainsi leur engagement en faveur de la jeunesse, de l’innovation et du développement durable.
Grâce à cet appui, la team Innovator dispose désormais des moyens nécessaires pour défendre son projet et porter haut les couleurs de Madagascar, lors de cette compétition internationale dédiée aux solutions technologiques durables.
Pour Airtel Madagascar et Airtel Money, ce soutien va au-delà d’un simple sponsoring. Il s’agit d’un investissement dans le capital humain et l’avenir du pays.
« Chez Airtel Madagascar, nous croyons fermement que la jeunesse est le moteur de l’innovation et du développement de notre pays », souligne Anne-Catherine Tchokonté, Directrice Générale d’Airtel Madagascar.
Et de conclure, « en soutenant la team Innovator, nous accompagnons ces jeunes talents dans leur parcours et mettons nos ressources au service de solutions concrètes pour Madagascar et l’Afrique. Leur réussite est une fierté et une source d’inspiration pour toute une génération».
Arh.
La publication du calendrier des examens officiels 2026 sur la page Facebook du ministère de l’Education nationale (Men), dans la soirée d’avant-hier, a provoqué un véritable émoi au sein de la communauté éducative. Les nouvelles dates décalent le CEPE au 21 juillet (au lieu du 17 juin en 2025) et le BEPC du 27 au 30 juillet.
Cette disposition prolonge la durée de l’année scolaire à 11 mois au lieu de 10, suscitant l’inquiétude des parents et des enseignants. Cette extension implique, pour les familles dont les enfants fréquentent les écoles privées, le paiement potentiel d’un mois supplémentaire d’écolage, une charge financière supplémentaire qui alimente les critiques.
Face à la vague de contestation, le ministère a rapidement retiré le lendemain le calendrier publié, annonçant qu’une révision tenant compte des observations serait effectuée. La communauté éducative attend désormais avec attention les nouvelles dates officielles. A noter que les inscriptions pour les examens officiels ont été ouvertes depuis le 12 janvier, et se clôtureront le 3 avril pour le CEPE et le 10 avril pour le BEPC.
Fahranarison
La lutte contre les catastrophes naturelles franchit un nouveau cap. Le Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC) et l’organisation humanitaire internationale Direct Aid ont officiellement signé, hier à Avaratr’Antanimora, un accord de partenariat stratégique destiné à renforcer la prévention, la préparation et la réponse aux situations d’urgence à travers le pays.
Cette collaboration s’inscrit dans le cadre de la Stratégie nationale de gestion des risques et des catastrophes (SNGRC). Elle vise à améliorer l’efficacité des mécanismes d’anticipation et d’intervention face aux aléas récurrents auxquels Madagascar est confronté : cyclones, inondations, sécheresses ou encore crises humanitaires.
Au-delà de la réponse d’urgence, l’accord met un accent particulier sur le renforcement de la résilience des communautés vulnérables, souvent les premières touchées par les catastrophes naturelles. En mutualisant leurs expertises et leurs ressources, BNGRC et Direct Aid entendent déployer des actions plus ciblées, plus proches des populations et davantage axées sur des résultats concrets et durables.
« Il s’agit d’une approche de gestion des risques centrée sur les besoins réels des communautés, fondée sur la coordination, la proximité et l’efficacité », souligne-t-on du côté des responsables impliqués dans cette coopération.
Cette signature illustre également la volonté de l’Etat de consolider ses partenariats internationaux afin de mieux faire face aux défis climatiques et humanitaires. Direct Aid rejoint ainsi les acteurs engagés aux côtés du gouvernement dans la préparation, la gestion et le relèvement post-catastrophe.
Fahranarison
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa hanakorontana ny lalao handeha amin’io fotoana io izy ireo. “Handeha tsara avokoa ny lalao any amin’ny faritra rehetra, ary nanaiky ny hitsara ny fihaonana izay hotontosaina amin’io faran’ny herinandro io, any Mahajanga, ny mpitsara izay notendrenay. Raha sanatria misy ny tsy fanatanterahana izany any an-toerana, hafindra aty Antananarivo avokoa ny fifanandrinana”, hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny CFEM.
Etsy ankilany, ny mpampita vaovao avy ao amin’ny ligin’i Boeny nilaza fa tsy mbola nahazo vaovao ofisialy mahakasika io fikomiana hataon’ny mpitsara io, saingy efa nahare ny vaovao momba izany. “Tsy mbola nahazo vaovao tena ofisialy avy amin’izy ireo izahay. Saingy, misy amin’izy ireo no hikasa ny tsy hitsara ny fihaonana izay handeha aty an-toerana, raha ny fantatray. Raha sanatria misy izany, anjaran’ny CCA sy ny CFEM ny manendry izay hanolo azy ireo”, fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ligin’i Boeny. Ampahafantarina fa lalao roa no handeha any Mahajanga, ny faran’ny herinandro ho avy io. Ny sabotsy, hifandona amin’ny Tsaramandroso Formation ny Clinique Zanatany. Ny alahady ho avy io kosa, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC ny FC Rouge.
F.R
Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny ekipan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’
izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois.
Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny taranja Muay thai, eo anivon’ny GISL (Grande île sports loisirs). Ny alahady 18 janoary izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ka hanasana ireo mpikatroka rehetra sy klioba eo anivon’ity taranja ity.
Nanainga omaly alarobia, ny Malagasy mpikatroka taranja Jiu-jitsu Breziliana, Ranarivelo Xavier, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Eoropa, hatao any Lisbonne. Ny zoma 16 janoary izy no hiakatra an-tsehatra voalohany, ka i Marcos Rodriguez Castors no hifanandrina aminy.
Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teny amin’ny FJKM Amboasarikely Fiadanana ny razana, nialoha ny nametrahana azy teny amin’ny fasan-drazany, eny Alarobia Mahatony, omaly. Nambaran’ny filohan’ny SOE (Stade Olympique de l’Emyrne), Rasendrahasina Solofo Mendrika, fa nampiavaka an-dRatafia ny fahaizany mampifaly ny mpilalao ary mpampianatra feno izy, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Fahaizana, maharitra manao zavatra, fikirizana ary fifankatiavana, ireo no hafatra navelan-dRatafia.
Mi.Raz
Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy.
Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Razanadrakoto Harinaivo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy fietezana nandritra ny fivoriamben’ny Federasionina malagasy (FMHB) ny tenany. Anisan’izany ny tsy nanazavana ny resa-bola sy ny trosa napetraky ny mpitantana ny federasionina teo aloha kanefa avela ho baben’ny federasionina vaovao izany. Ny filohan’ny federasionina teo aloha rahateo tsy nanatrika. Nambarany fa tsy nahazo valiny tamin’ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (Kom) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny tenany raha nanontany ny maha ara-dalàna ny federasionina tsy nanao fivoriambe nandritra ny taom-piasany na tsia. “Nangataka aho mba hifampiresaka aloha izahay filohan’ny ligy rehetra, saingy 5 mn monja no nomena anay. Olana nandritra ny 4 taona ve ho voavaha ao anatin’ny 5 mn”, hoy izy. Nambarany fa nijanona ho mpanatrika fotsiny ny tenany fa tsy nandray anjara tamin’ny fanapahana sy ny fandatsaham-bato noho ny hamaroan’ny tsy fanarahan-dalàna.
Tsy misy fanapahan-kevitra matotra
Nokianiny mafy koa ny fe-potoana niantsoana ny filohan’ny ligy natao maimaika, satria 11 andro monja. Aminy, tsy tokony ho natao ankamehana ny fivoriambe fa nakana fotoana malalaka. Etsy ankilany, tsy nisy valiny ny fitarainana napetrany tany amin’ny minisitera. Nolazainy fa tsy mandeha io taranja io raha tsy misy fanapahan-kevitra matotra hakana fotoana hiresahana amin’ny rehetra, iarahana amin’ny minisitera mpiahy.
Na teo aza izany, tontosa ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale teknika nasionaly teo aloha, Ramiandrisoa Seth sy ny vaovao, i Sylvestre Tsiahoua.
Tompondaka
Nandritra ny Conseil de discipline (Codis) nataon’ny Oniversiten’Antananarivo, nandraisana fanapahan-kevitra ny hamaizana ireo mpianatra tratra nangala-tahaka sy nanao hosoka ary nisandoka ho mpianatra hafa nandritra ny fanadinana. Voafaritry ny lalàna laharana 28457/2025 tamin’ny 11 septambra 2015 izany.
Fantatra, tamin’izany, fa 54 ireo mpianatra voakasiky ny famaizana ary hampiharana avy hatrany ny sazy. Mitontaly 48 ireo mpianatra tsy afaka mianatra intsony mandritra ny 3 ka hatramin’ny 5 taona. Tsy mahazo alalana hisoratra anarana amin’ny fanadinam-panjakana amin’ireo sekolim-panjakana sy ny fampianarana ambony ihany koa izy ireo ao anatin’izay taona hamaizana azy izay.
27 amin’ireo voasazy tratra tamin’ny hala-tahaka sy fampiasana fitaovana voarara ary fisandohana nandritra ny fiatrehana ny fanadianana bakalorea farany teo. 25 mpianatra taona fahatelo haka ny diplaoma Licence. Ny 2 hafa haka ny diplaoma Maîtrise.
Tsy mitsitsy amin’ireo tsy rariny sy fisandohana ny fanjakana ary ny teny amin’ny sehatry ny fampianarana ambony indrindra no efa nanao ny ezaka amin’ny fanadiovana sy ny fanasaziana ireo fanetriben’ny firenena.
Tatiana A