FANTINA sy FINTINA

Les Nouvelles - il y a 4 heures 31 min

Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy Behoririka, nandritra izany.
Anisan’ny voatsiahy tamin’ny famaranana ny fivorian’ny Antenimierandoholona, tetsy Anosy, ireo fidinana ifotony sy fiahiana ny lanonana fametrahana samboady an’ireo ben’ny Tanàna nataon’ity Andrimpanjakana ity. Teo koa ny iray minitra fahanginana ho fanehoana fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana niharam-boina rehetra eto amin’ny firenena.
Tafatsangana ny kaomisionina hisahana ireo lafiny maro amin’ny fanomanana sy ny fanantotosana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, natao teny Ampahibe, ny herinandro teo. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Voaresaka manokana ny lafiny fiarovana sy filaminana amin’ny fandraisana ireo delegasionina.
Manohy ny asa sosialy ataony ireo depiote Tim. Anisan’izany ny eny Ambohimanarina ho amin’ny fanaovana didim-poitra faobe, ho an’ny ankizy maherin’ny 300 sy olon-dehibe, miisa fito. Tahaka izany koa ny hetsika nataon’ny depiote Tim eny Atsimondrano. “Natao izao ho fanamaivanana ny fahahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka”, hoy izy ireo.

Catégories: National

TGV Mahajanga : Manamafy ny firaisankinany ny antoko

Les Nouvelles - il y a 4 heures 31 min

Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fi­vo­rian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.
Nanatrika izany teny an-toerana moa ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay sady minisitra mpiahy ity faritra ity, Mousta­pha Abdulah Marson. Nison­gadina nandritra ity fotoana ity, ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena tamin’ireo tanora. Miampy ny famelabelarana ny paikady vaovao sy ny vina ho ezahina ho tratrarina amin’ny hoavy.
Tsara ny mampahafantatra fa antoko iray, mbola manana ny tanjany ao amin’ity faritra Mahajanga ity, ny TGV. Miara-mientana amin’ny filohan’ny Repoblika malagasy izy ireo, amin’ny asa fampivoarana ny firenena ary ny fa­natrarana ny tanjona izay efa napetraka, amin’ilay teny hoe: “Madagasikara tsy maintsy mandroso!” Manaporofo izany moa, ny fahatongavan’ireo olom-bofidy sy voatendry maro tany an-toerana, nanatrika ny hetsika.

F.R

Catégories: National

Fahamboniana ambany  

Les Nouvelles - il y a 4 heures 31 min

Kasikety mivadika aloha aoriana, akanjo rovitra kiho, pataloa rovitra lohalika sy miborotsaka… Izany no hoe manaraka toetrandro. Lamaodin’ny tanora ankehitriny. Fahamboniana? Te hiala amin’izay tsara sy mahasoa ary mahafinaritra mahazatra. Dia miditra amin’ny tsy misy mpanao hoe mampiavaka… Any amin’ny saina no misy kely na tsy ampy kely? Mivadika aloha aoriana, rovitra, miborotsaka…
Eo koa, ohatra, ny tsy tahotra tsy henatra amin’ny tsy firaharahana ny tenin’ny tena. Nefa toy inona ny henatra amin’izay mety ho fahadisoana kely amin’ny fampiasana teny vahiny? Zary fahamboniana ny tsy fahaizana teny malagasy. Fanjanahan-tsaina? Raha misy vahiny iray, ohatra, amina fivoriana, atao amin’ny teny vahiny ny resaka. Nefa tsy hisy vahiny hampiasa ny tenin’ny tena, na mameno trano aza ny Malagasy.
Tonga hatramin’ny tsy fahanarahan-dalàna ny fahamboniana toy izany, fa fahambaniana ny fanarahan-dalàna: mijanona ho tahotra mpitandro filaminana, fitsarana, fanasaziana… Raha vao tsy misy mpanara-maso, mandeha hoazy ho an’ny sasany ny fandikan-dalàna: mampiavaka, ireharehana ho tombontsoa. Eny, na eo imasom-bahoaka aza: misy filaharam-be, ohatra, voninahitra ny misongona hoe mahitahita.
Hatramin’ny fijery politika izay fahamboniana izay? Na iza na iza, ohatra, eo amin’ny fitondrana, ireharehan’ny sasany ny hoe fanoherana, fanaratsiana, fankahalana… Zava-doza ny hoe mangina, manohana… Tsaraina ho hadalana na habadoana ny tsy fanoherana, refesina amin’ny mety ho fahazoana na fiandrandrana tombontsoa manokana ny fanohanana na fanoherana. Nefa samy manana ny fijeriny, tsy ifanerena…
Tapiany ireo fa tsy tapitra eo. Sao izay no anisan’ny tsy mampandroso izay ela izay? Na amin’ny fiaina na fisiana, na amin’ny fanao sy fiasa…

R. Nd.

Catégories: National

Tahirim-pirenena ho an’ny fananantany : Nohavaozina ny fitantanana ny tanim-panjakana

Les Nouvelles - il y a 4 heures 32 min

Nampahafantarin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny didim-panjakana momba ny fifanarahana fampanofana tany. Maneho ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny fitantanana ireo tanim-panjakana izany.

Nambaran’ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fananantany (FNF) ao amin’ny MFFT fa efa nivoaka sy naparitaka ny didim-panjakana mametraka ny bokim-piraketana nasionaly ho an’ireo fifanaraham-panofana tany (SNB).
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny 18 jona 2025 ny didim-panjakana momba izany. Rejisitra nasionaly natao hitehirizana sy hitondrana ny rakitry ny fifanarahana fanofana ireo tanim-panjakana manerana an’i Madaga­sikara ny SNB. “Ho famondronana ireo angon-drakitra rehetra momba ny fanofana tany izany. Ho fanatsarana ny fangaraharahana sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ireo fifanaraham-panofan-tany ihany koa”, hoy ny eo anivon’ny FNF.
Nanterin’ny fampahafantarana fa tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo andinindininy ary miara-miasa amin’ny fitalevana ankapobeny ho an’ny sampandraharahan’ny fananan-tany (DGSF) ny eo anivon’ny FNF.

Fifanarahana fanofana tany

Araka izany, miantso ireo olona nanao sonia fifanarahana fanofan-tany izy ireo mba hijery ny lisitry ny antontan-taratasy takina ary hanatona ny FNF. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanofana tany maharitra. Eo koa ny fanofana tsotra mba hampanoratra ny fifanarahana fanofana tany ananany”, hoy ny FNF.
Notsiahivin’izy ireo ary nanentanany ny rehetra fa ilaina ny fanarahana tsy tapaka ny pejy facebook ofisialy an’ny MFFT sy ny FNF mba hahafantarana ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ireo fanazavana fanampiny. Eo koa ny fanatonana mi­vantana ny Tahirim-bola na­sionaly ho an’ny fananantany FNF, Route Digue – Ambo­dimita, Enceinte Apipa, Anta­nanarivo 101

Synèse R.

Catégories: National

Mamianatra mozika

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 17:45

Catégories: National

Fampivondronana ny ankizy: Homanina dieny izao ny hoavin’ny taranja Karate

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:45

Nanomboka ny 3 jolay lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ary hifarana ny alahady izao, ny fampivondronana ireo ankizy latsaky ny 14 taona, taranja karate. Tanjona amin’izany ny hanomanana sahady ny hoavin’ny taranja karate, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Rate­fina­nahary Emile. Ireto ankizy manomboka amin’ny U8 hatramin’ny U14 ireto, hoy izy, no handrafitra ny ekipam-pirenena Seniors afaka 2 taona ary handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana. Notsiahiviny fa nanomboka tamin’ny taona 2024 no nisy ity fampivondronana ny Karatekas sokajy zandriny ity ary kendrena ho amin’ny fiandohan’ny fialan­tsasatra toy izao hatrany no hanaovana izany. 70 mianadahy izy ireo no miatrika ny fampivondronana ho an’ity andiany ity ary misy solontena avy any amin’ny faritra toy ny avy any Tolagnaro sy Fort Dauphin. Kata sy Kumite no hatao, ka ireo zoky ao amin’ny sokajy Seniors no manampy ireo teknisianina manome ny fanazarantena ho an’ireto ankizy ireto.
Fifaninanana goavana ihany koa no miandry ny sokajy zandriny amin’ity taona ity, toy ny “Youth League” sy ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, ka hotiliana amin’ ireto miatrika fampivondronana ireto izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Eo ihany koa ny “Open In­ter­na­tional de Tana” izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ka mpikatroka 350 hatreto no hifaninana. Firenena 4 kosa hatreto no efa nilaza fa hoavy toa an’i Frantsa, Mayotte, Comores ary La Réunion.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:45

Hanomboka anio, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Mi­aloha ny fifaninanana, hisy ny « Clinic des entraineurs » hatao ho amin’ny anio, ao amin’ny Arena Toamasina. Efa vita omaly kosa ny fivoriana ara-teknika.

Misaona indray ny tontolon’ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Marobe Jean Claude na i Lolody, mpilalao novolavolaina tany amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy izy. Anisan’ireo klioba efa nilalaovany ny AS Adema sy ny Fosa Juniors FC Boeny. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ihany koa izy.

Mpilalao miisa 42 nantsoin’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Hisy ny fampivondronana ahafahana mitily ireo handrafitra ny Barea A’, hiatrika ny « Chan », ny volana aogositra ho avy izao, any Ouganda sy Tanzanie ary Kenya. Efa nanomboka afakomaly, tetsy Mahamasina, ny fampivondronana.

Catégories: National

Handball: Mampitandrina ny Federasionina

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:44

Namoaka filazana ho an’ireo ligim-paritra rehetra eo ambany fifehezany ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny 21 jona lasa teo, fa tokony hanaja ny lalàna manan-kery ny hetsika rehetra hataon’izy ireo. Ho an’ireo klioba tsy ankanavaka, tsy misy afaka mandray anjara na manao lalao amin’ny ekipa vahiny raha tsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny federasionina malagasy sy ny an’ny filohan’ny faritra.
Handoavana onitra arakaraka ny lanjan’ilay fifaninanana ny fandikana sy ny tsy fanarahana izay voalaza. Mandefa ny antontan-taratasy any amin’ny ligim-paritra misy azy ireo fikambanana voakasika ary ny ligy indray no mampita izany any amin’ny federasionina izay rafitra voalohany, miahy ny hand ball eto Madagasikara. Araka izany, tokony hanaja ny naoty navoakan’ny federasionina ireo ligy rehetra ary mampahafantatra amin’ny tomponandraikitra hahazoana mandray ny fepetra ara-dalàna.
Ankoatra izay, hotanterahina any amin’ny ligin’i Bongolava, ny 1 – 10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Minime, Cadet, Junior, lahy sy vavy.

Tompondaka

Catégories: National

Manasa-dalan’ny «Yas Coupe Madagascar » : Hanokatra ny lalao ny Elgeco Plus sy ny Cosfa

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:44

Hifantoka etsy amin’ny Elgeco Plus By-Pass indray ny sain’ny mpanaraka baolina kitra malagasy, amin’ity herinandro ity. Samy hiady ny tapakilan’ny famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana.

Raikitra izy ity! Hotante­ra­hina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly, “Yas Coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra. Samy hafana avokoa ny fifanandrinana amin’ity herinandro ity. Hanokatra ny sehatra amin’izany, anio, eny an-toerana, ny fihaonan’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany teo, sy ny Cosfa miaramila.
Araka ny fanadihadiana natao, klioba roa efa nifandona tany amin’ny fifaninanam-pirenena “World Cola PFL”, izy ireo, ary mbola manala vela ry zareo miaramila. Resin’ny Elge­co, 2 no ho 1, ny Cosfa nandritra ny fifanintsanana tamin’ny dingana voalohany. Tsiahivina fa anisan’ireo klioba heverin’ny maro fa hanao pao-droa amin’ity taona ity ireo klioba roa mifandona ireo.
Ankoatra izay, hatao rahampitso ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny As Fanalamanga. Ity fifandonana ity izay andrasan’ny maro. Satria, efa nifampitana nandritra ny lalao ampahefa-dalan’ny “World Cola PFL” ny roa tonta. Nihintsana ny AS Fana­lamanga tamin’izany.

Tsy milalao any Afrika

Klioba iray tena ao anatin’ny tanjany tsara ny Cosfa amin’izao fotoana izao. Manify tanteraka anefa ny fahafahan’ity klioba ity miatrika ny fifaninanana afrikanina, noho ny tsy fahazoan’izy ireo ilay taratasim-pilalaovana avy amin’ny Caf, “Licence des Clubs Caf”. Marihina fa ny ekipan’ny Elge­co Plus, CFFA, AS Fanala­manga, CFFA, FC Rouge, AS Avenir Ste Anne, Ajesaia no manana izany.

Fitia Randria

Catégories: National

Kianja Malacam : Haharitra iray volana ny fitsarana miaramila

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:43

Hanomboka anio, hifarana ny 3 aogositra 2025, ny tetiandro fitsarana miaramila ho an’ny taona 2025, ho an’ny eto Antananarivo. Ao amin’ny Kianja Malacam Antanimena no hanaovana izany manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry (DSNGR), efa misy tetiandro koa ho an’ireo any amin’ny faritany. Entanina, araka izany, ny tanora lahy sy vavy 19 ka hatramin’ny 31 taona, tsy mbola nitsara miaramila ho tonga eny an-toerana. « Maimaimpoana ny fiatrehana ny fitsarana miaramila ary mitondra karapanondro sy penina manga ireo hiatrika izany », hoy ny fanazavana. Hisy ny fampitan’ny tomponandraikitra eny ifotony ny fotoana sy ny toerana hanatanterahina ny fitsarana miaramila ho an’ireo any amin’ny faritany. Nohamafisin’ny DSNGR fa antontan-taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana na hiasa amin’ny fanjakana na koa handeha hanohy fianarana any ivelany ny taratasy fanamarinana ny fanompoam-pirenena.

Jean Claude

Catégories: National

Tsy misy tonga lafatra  

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:14

Na anatin’ny hirifiry aza ny eto Madagasikara noho ny vanim-potoan’ny ririnina dia manga kosa ny lanitra eo amin’ny fampandrosoana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, nanao ranolava ny fitokanana ny fotodrafitrasa napetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby. Saika manerana ny lafivalon’ny Nosy izany. Voakasiky ny asa vita ny filana ara-tsosialin’ny mponina, indrindra ny andavanandrony.
Mifanindran-dalana amin’izay ny fampisehoan’ny mpitondra ankehitriny ny firaisankiana eo amin’izy ireo. Mampitovy ny zotra iaraha-mandroso izy rehetra. Tsy ahitana mpanohitra izany intsony eto Madagasikara. Olona mimenomenona fotsiny angaha no eo sisa. Ireo misora-tena ho tsy mankasitra fitondrana lany amin’ny resabe fotsiny. Tsy misy mahasahy mijoro hanao izay iraka andrasan’ny vahoaka aminy. Ny tena zava-doza izay antenaina hanirina aza no mainka mampivandravandra.
Raha fehezina dia natao ho an’ny vahoaka izany sisa no manapa-kevitra amin’ny tiany hitondrana ny fiainany. Ny resaka politika dia nifono farango sosona tanteraka. Raha fehezina rahateo moa, efa leo politika tanteraka ny olona. Na inona na inona miseho. Na iza na iza mitondra na manohitra dia tsy misy mivaky loha intsony. Izay hampidirina am-bava izao no lohalaharana amin’ny isam-batan’olona.
Manoloana izany anefa, tsy midika ho faharesena akory. Samy mamboly ny fanantenana any anatiny ilay Malagasy tsivakivolo. Mifanohana anatin’ny soa sy ny fahasahiranana. Tsy misy rahateo ny tonga lafatra fa mila fikirizana sy filofosana avy amin’ny tsirairay.

r.r

Catégories: National

Fifanatrehana tamin’ny Frantsay: Manantena ny hahazo ireo Nosy ny delegasionina

Les Nouvelles - sam, 07/05/2025 - 07:13

Nanao tatitry ny fihaonana faharoa, natao tany Frantsa, momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo delegasionina niatrika izany.

Manana fanentanana betsaka ireto iraka ireto raha ny nisongadina tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny dinika nifanatrehana tamin-dry zareo Frantsay, momba ireo Nosy Malagasy.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa fahombiazana tanteraka no azon’ny delegasionina tamin’ity iraka diplaomatika natao tany Paris, Frantsa ity. “Vokatry ny fikarakarana hentitra ary ny fahavononana amin’ ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny zo ara-tantara, fitakiana ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena izany”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika. Nohazavain’izy ireo ta­min’izany koa ny votoatin’ireo fangatahana fototra nataon’i Mada­gasikara. Notanisaina tamin’izany ireo teboka ma­nan-danja voarakitra ao amin’ ny fanambarana iombonana navoakan’ny firenena roa tonta tamin’ny fiafaran’izao fivoriana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao. Anisan’ iza­ny ny fa­metrahana ho ambony ny fi­andrianam-pirenena sy ny fitakiana ara-tantara. Manampy izany ny fiaraha-miasa anaty filaminana. Eo koa ny momba ny fivezivezen’ny mpanjono malagasy sy ny fandraisana anjaran’ny mpikaroka momba ireo Nosy malagasy ireo. Nasongadin’izy ireo koa ny fisitrahana ireo antontan-kevitra eo amin’ny lafiny siansa, ary ny fametrahana rafitra iombonana hanara-maso ny fandrosoan’ny dinika.

Fifanatrehana andiany fahatelo

Na izany aza, mbola miandry ny fifampiraharahana amin-dry zareo frantsay amin’ny fifanatrehana andiany fahatelo hatao eto Madagasikara amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny ho tohin’ny dinika ho amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy. Mazava ny nambaran’ny loholona Lala­tiana Rakotondrazafy, namintina izany rehetra izany. “Ambony tanteraka ny tokinaina amin’ny fahazoana ireo Nosintsika ireo”, hoy izy.

Synèse R.

Catégories: National

Kung Fu- Ligin’i Sava: Voafidy ho filoha ny Maître Daniel

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 10:31

Nitombo iray indray ny ligy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu. Nahavita fifidianana ny 30 jona lasa teo ny ligin’i Sava. Lany ho filoha hitantana mandritra ny 4 taona manaraka ny Maître Daniel. Nanara-dalàna tsara ny fifidianana, raha ny tatitra. Natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ny minisitera izay hanome ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ity ligy vaovao mandrafitra ny federasionina ity. Tsiahivina fa tapitra amin’ity taona 2025 ity ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny federasionina ary efa eo an-dalana hanatanteraka fifidianana avokoa amin’izao ny ligy rehetra, mialoha ny hanaovana ny fifidianana federaly. Raha araka ny fandaharam-potoana efa napetraka, ny volana aogositra izao no tsy maintsy mahavita fifidianana ny eny anivon’ny seksionina. Ny volana oktobra kosa ho an’ny ligy. Ny volana desambra 2025 no hotanterahina ny fifidianana izay hitantana ny federasionina malagasin’ny Kung fu, ho an’ny efa-taona manaraka.

Marihina fa manana ligy 16 sy klioba aman-jatony, manerana ny Nosy, ny FMKF. Efa mahatratra amana hetsiny kosa ny mpikatroka amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Mankalaza ny faha-45 taonany amin’ity taona ity moa ny FMKF ary hetsika maro no hanamarihina izany.

 

Mi.Raz

Catégories: National

Sombim-baovao

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 10:31

Nahemotra amin’ny 14 hatramin’ny 20 jolay izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Jamborées Minibasket ». Hetsika karakarain’ny kaomisionin’ny Minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Natokana ho an’ny katitakely tia sy milalao basikety izy ity. Efa nifarana ny 2 jolay lasa teo ny fisoratana anarana, raha toa ka ny 13 jolay izao ny fivoriana ara-teknika.

 

Hotontosaina ny alarobia 9 jolay izao, ao amin’ny Petit palais Mahamasina, ny fiofanana hatolotr’i Sensei Ramilijaona Dani, taranja karate. Ny fikambanan’ny vehivavy mpanao karate, tepana mainty, no mikarakara ity hetsika ity. Eo ambany fiahian’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Ny ankizy hatramin’ny 14 taona no hahazo ny fiofanana amin’ny tapany voalohany. Ny 14 taona no miakatra kosa no hisitraka izany amin’ny tapany faharoa.

 

Voafidy hitsara ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja basikety U19, hatao any Lausanne Suisse, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, i Yann Vézo Davidson. Ny lalao eo amin’i Israel sy i Cameroun no hotsarainy amin’ity fifaninanana ity. Tsy vao izao i Yann Vézo no nitsara lalao iraisam-pirenena fa efa matetika no voaantso. Efa mpitsara manana ny maha izy azy maneran-tany rahateo ny tenany.

Catégories: National

Rugby: Efa misokatra ny fifindrana klioba

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 10:31

Nambaran’ny federasionina Malagasy Rugby tao amin’ny pejy, tambajotra seraserany, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa efa nisokatra nanomboka ny talata 1 jolay, ny vanim-potoana fifindran-toerana ho an’ireo mpilalao baolina lavalava eto Madagasikara. Haharitra hatramin’ny 29 aogositra izao ny faharetan’izany. Nomarihin’ny tomponandraikitra fa tsy misy fandraisana izany intsony raha dila io fe-potoana io. Haterina eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy Rugby, Andohatapenaka, ny antontan-taratasy rehetra sy ny fangatahana, hataon’ny klioba hialana sy ny hifindrana. Efa samy mikarakara izany avokoa, araka izany, ireo fileovana isanisany. Hahaliana ny mpankafy tokoa ny hahita ny firafitr’ireo klioba amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Mbola ao anatin’ny fifampiresahana amin’ireo mpilalao ho alainy hanatevina azy ankehitriny ireo filohan’ny ekipa. Tsy maintsy misy mantsy ny fifanarahana ny amin’ny karama na mety ho asa omena ny mpilalao, ao anatin’izany. Tsy ny mpilalao ihany no ilain’ny ekipa fa mitady izay ho mpanazatra ihany koa izy ireo.

 

Tompondaka

Catégories: National

Mama FC sy ny Elgeco Plus: Nasehon’ny filohan’ny FMF fa mampihavana ny baolina kitra

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 10:30

Manoloana ny resaka mandeha amin’izao fotoana, nanao fampihavanana sy nampanjaka ny resaka « Fair-play », teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). 

Ny fihavanana maha Malagasy ary ny « Fair Play » ny an’ny baolina kitra! Ireo teny ireo, azo hilazana ny zava-nisy teny Ambohidahy, afakomaly. Fotoana nifanatonana sy nifamelana teo amin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny tomponandraikitry ny klioba Mama FC ary ny Elgeco Plus, miampy ireo solontenan’ny mpilalao avy amin’ny klioba roa tonta.

Amin’ny maha raiamandreny lehibe eo amin’ny tonolon’ny kitra malagasy an-dRandriamanampisoa Alfred, nasehony fa mijanona ho mpanelanelana izy ary manana toe-tsaina ambony sy tia mampandroso ny taranja eto Madagasikara. Samy naneho ny fialantsiny moa ny telo tonta, raha ny zava-nisy hita teny an-toerana.

Notsindrin’izy ireo fa tsy misy ny disadisa eo amin’ny mpitantana ny FMF sy  ireo ekipa roa ireo, saingy ireo olona tsy tia fandrosoana sy manakana ny fampivoarana ny baolina  kitra eto an-toerana no miezaka mamboly korontana etsy sy eroa.

Fijery lavitra !

Manana fijery lavitra ary miezaka manao izay fara-heriny hanatrarana ny tanjona dia ny hanaovan’ny Barea de Madagascar “Mondial” ny federasiona FMF, tarihan-dRandriamanampisoa Alfred. Tamin’ny fitantanany, maro ireo hetsika fampivoarana sy fitsinjovana ny hoavin’ny baolina kitra nataony. Anisan’izany ny fikarakarana ny “Tournoi de l’océan Indien”, ho an’ireo sokajy zandriny, eo ihany koa ny fanatsarana ny ivontoeram-piofanana etsy Carion.

 

F.R

Catégories: National

Orange Madagascar sy ny Samsung : Miara-miasa ho fanohanana ny lafiny niomerika

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 10:29

Notontosaina ny 1 jolay teo, tao amin’ny Orange Digi­tal Center, ny fanaovana sonia fanamafisana fiaraha-miasa stratejika vaovao, eo amin’ny Orange Madagascar sy ny Samsung. Natao nandritra ny hetsika “Let’s Lead the Future” izany. Tanjona ny hanohanana ny fanovana niomerika ataon’ireo orinasa malagasy amin’ny alalan’ny fitaovana sy teknolojia vaovao, azo antoka ary mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana.
Mifototra amin’ny fanavaozana ara-teknolojia sy fiarovana niomerika ity fiaraha-miasa ity. Nandritra ny hetsika, naseho ireo finday Samsung vaovao toy ny Galaxy S25 (S25, Plus, Ultra) sy Galaxy A (A06, A36, A56), izay efa ahitana faharanitantsaina artifisialy (IA). Tafiditra ao anatin’ny tolotra ara-barotra manokana ho an’ireo orinasa ao amin’ny Orange Madagascar ireo fitaovana ireo.

Samsung Knox Guard

Nampahafantarina tao ihany koa ny Samsung Knox Guard. Singa iray ahafahana manara-maso sy miaro lavitra ny fitaovan’ny mpiasa, manakana ny fidirana tsy nahazoan-dalana, ary miaro ireo angon-drakitra sarobidy. Ma­hafeno tanteraka ny filan’ireo orinasa malagasy, misehatra amin’ny fitantanana sy ny fahamailoana amin’ny lafiny niomerika izany.
“Tsy mijanona amin’ny teknolojia fotsiny ity fiaraha-miasa ity, fa mikendry ny hanohana ny toekarena eto an-toerana, amin’ny alalan’ny fitaovana azo antoka sy matanjaka, ary mifanaraka tsara amin’ny zava-misy eto an-toerana”, raha ny nambaran’i Fabrice André, filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar.

F.R

Catégories: National

Basket – Championnat de Madagascar U16: 44 équipes vont en découdre à Toamasina

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 09:01

La Fédération malgache de basketball confirme la tenue du sommet national U16 à Atsinanana, du 5 au 13 juillet, réunissant les meilleures formations masculines et féminines issues des différentes ligues régionales.
La course à la succession des deux clubs d’Analamanga, à savoir JCBA chez les garçons et MB2ALL chez les filles, est donc lancée. 44 équipes dont 24 dans la catégorie masculine et 20 dans la catégorie féminine, seront à l’affiche pendant les neuf jours de compétition au gymnase Soavita. A cette occasion, la ligue d’Anala­manga alignera le maximum d’équipes représentantes soient cinq chez les filles (Fandrefiala, Lucadro, Du­na­mis ou NAS) et quatre chez les garçons (ASSM, JCBA, NBE et Cosfa).
La ligue hôte se distingue également par sa forte présence avec quatre clubs féminins et autant chez les garçons. Il s’agit du CRJS, de l’Ascut, de l’ACMB 501 et de l’ACMBA chez les garçons et du CRJS, de l’Ascut, de l’ACMB 501 et du VEB chez les filles.

Soafara Pharlin

Catégories: National

Sports automobiles: rappel à l’ordre de la FSAM

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 09:01

Dans un communiqué, la Fédération du sport automobile de Madagascar (FSAM), en tant que seule autorité sportive nationale réglementant le sport automobile à Madagascar, tient à avertir que l’organisation des courses automobiles sur le territoire national, nécessite une autorisation préalable.
« Toutes organisations de course automobile sur le territoire de Madagascar sont interdites sans l’aval et l’autorisation de la FSAM. Ainsi, il est recommandé aux organisateurs de courses automobiles hors championnats à Madagascar, quelle que soit la discipline, de se rapprocher de la FSAM pour présenter leur projet et de demander son autorisation », a souligné cette instance nationale.

La fédération informe qu’elle se réserve le droit d’interdire toute manifestation parallèle aux championnats de Madagascar officiels, susceptibles de les nuire ou de représenter un risque pour la sécurité du public et des pilotes.

« Les événements non autorisés pourront être donc suspendus par les forces de l’ordre, et leurs organisateurs seront poursuivis selon les textes légaux et réglementaires de la République de Madagascar en vigueur », précise-t-elle.

Soafara Pharlin

Catégories: National

MX de La Réunion: quatre pilotes malgaches à l’assaut de la 5e manche

Les Nouvelles - ven, 07/04/2025 - 09:01

Le 6 juillet 2025, le circuit Sylvio Cadivel-Pétiaye Caroline, niché dans la vibrante ville de Bras-Panon, abritera la 5e manche du Championnat de ligue régionale de motocross de La Réunion, organisée par le Moto Club MX Bras-Panon et ses partenaires.  Quatre pilotes malgaches se lanceront à l’assaut du sacre.

Dans l’escouade malgache, Miaro Tsirava Razafimahefa Rako­tomanga, du Team Funbike Racing, qui brille déjà par son parcours déjà impressionnant en MX2. Et Mathias Plantive, Sincère Leung Yen et Mathyas, tous trois issus du Team Acad’MX Racing, font leurs premiers tours de roue cette saison.
Miaro Tsirava Razafima­hefa Rakotomanga, jeune prodige malgache, n’est pas un inconnu sur les pistes réunionnaises. Engagé dans la catégorie MX2, il aborde cette 5e manche avec l’élan d’un pilote déterminé à grappiller des points pour remonter au classement général.
Avec une 8e place provisoire et un total de 104 points, Miaro reste loin du leader, qui caracole en tête avec 177 points. Mais sa ténacité et sa régularité font de lui un prétendant sérieux au titre.
Lors de la première manche, il a décroché une solide 5e place (31 points), montrant sa capacité à tenir tête aux cadors. Durant la deuxi­ème manche, il a enflammé le circuit en arrachant une 3e place (38 points), prouvant qu’il peut jouer les trouble-fêtes sur le podium.
Absent lors de la 3e manche, Miaro a rebondi avec panache, lors de la 4e manche, terminant 4e (35 points), après avoir livré une bataille acharnée. À Bras-Panon, il compte bien marquer les esprits, avec son style agressif et sa maîtrise des trajectoires qui font de lui un sérieux prétendant aux avant-postes.

La Team Acad’MX en force

Si Miaro est déjà un habitué des joutes réunionnaises, trois autres pilotes venant de Madagascar, fouleront le circuit Sylvio Cadivel-Pétiaye, pour la première fois cette saison, sous les couleurs du Team Acad’MX Racing.
Mathias Plantive, figure emblématique du motocross malgache et multiple cha­mpion de Madagascar, mè­ne­ra la charge dans la catégorie MX1. Avec son expérience et sa soif de victoire, il compte bien secouer la hiérarchie et montrer que son passage à La Réunion n’est pas anodin. A ses côtés, Sincère Leung Yen, engagé en Junior, apportera sa fougue face aux jeunes loups du championnat. Enfin, Mathy­as, dans la catégorie 65 cc, représente la relève malgache avec l’envie de faire trembler les leaders.
Cette participation massive de pilotes issus de l’Acad’MX Racing Team, porté par la vision de Ma­thias Plantive, illustre l’ambition de Madagascar de s’imposer comme une nation montante du motocross régional.

 Naisa

Catégories: National

Pages