TRACEUR GASY

Les Nouvelles - il y a 1 heure 51 min

Catégories: National

Hetsika ara-panatanjahantena : Manasongadina ny federasionina

Les Nouvelles - il y a 11 heures 52 min

Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea, maharitra telo andro, ny fankalazana ny andiany fahefatra amin’
ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena sy ny « Salon national des sports ». Tonga nanokatra izany ta­min’ny fomba ofisialy, omaly, ny mpanolotsaina avo, ny
Jly Zafitasondry Ranoelson Marcellin. Nambarany tamin’ny lahateny fa manampy be dia be amin’ny fifehezan-tena ny fanatanjahantena, indrindra amin’ny sehatry ny asa.
Ny minisitry ny Fanatanja­hantena, Rasambany Alain Désiré, kosa dia nanamafy fa tafiditra tanteraka amin’ny politikam-panjakana ato anatin’ny Fanavaozana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny atleta.
Entina manamarika ny hetsika, misy ny fampirantiana isan-karazany ataon’ny federasionina isanisany sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny minisitera. Anisan’ny niavaka, omaly, ny fampirantiana ny fiarabe iray, natokana ho an’ny mpilalao baolina kitra, Barean’i Madagasikara. Fiara natolotry ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, tarihin’ny filohany, Andrimanampisoa Alfred.
Teny filamatra noraisina tamin’ny fankalazana ny «Fa­natanjahantena mampifandray ny rehetra, manala ny sakana mba hifandray ».

Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - il y a 11 heures 52 min

Araka ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nankatoavin’ny fitondrana ny saran’ny fampitana mivantana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2026». Fihaonana hatao any Canada sy Mexique ary Etazonia, ny 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny hetsika amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fantanjahantena. Samy tazana nametraka ny tranohevany teny an-kianja avokoa ireo federasionina ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara. Nano­katra izany, teny an-toerana, ny Mpa­nolo­tsaina avo misahana ny fanavaozana. Nana­trika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Complexe Mahajanga, ny 25 avrily hatramin’ny 3 mey izao, ny fifaninanana nasionaly, dingana voalohany, sokajy N1A, ho an’ny faritra Avaratra. Omaly no nanaovana ny fivoriana ara-teknika ho an’ity fifaninanana ity.

Catégories: National

Fifaninanana ao Allemagne: Nahatafiditra baolina ho azy i Bolo

Les Nouvelles - il y a 11 heures 52 min

Nisongadina ilay Malagasy mpilaravinahitra any Allemag­ne, i Kanto Fitiavana Voaha­ri­niaina na i Bolo, ny alarobia lasa teo, nandritra ny fihaonan’ny BFC Preussen, kliobany amin’izao fotoana sy ny Hertha­zehlendorf 03, ekipany teo aloha. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faha-30, fifanintsanana Diviziona fahefatra any an-toerana. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 2, ry Bolo. Izay ity Ma­laga­sy mpilaravinahitra ao amin’ny BFC Preussen ity vao nahatafiditra baolina ho azy, tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity.
Raha hiverenana ny lala­on’ny roa tonta, efa nitarika ta­min’ny isa 2 no ho 1 ny Hertha­­zehlendorf, na dia ry zareo BFC Preussen aza no nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’ny “penalty” an’i Lenny Stein. Nanova zavatra tanteraka ny fidiran’ i Bolo, teo amin’ny fidirana faharoa, vitany ny nanasahala ny isa ho 2 no ho 2, ny minitra faha-78. Rehefa nanindry tanteraka ry Kanto Fitiavana sy ny namany, dia tafavoaka mpandresy, rehefa nahafaty baolina i P Khun, ny faha-88 min.

Fitia Randria

Catégories: National

Tsipy kanetibe – Afrique Zone 4 : Ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara

Les Nouvelles - il y a 11 heures 52 min

Hiady ny tapakila ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara.

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra faha-4 amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara. Fifaninanana hotanterahina atsy Maurice, ny 27 avrily – alahady 3 mey 2026. Hanana ekipa roa i Ma­dagasikara, hahitana mpilalao efatra avy. Omaly no namoaka ny anaran’ireo voafantina tao anatin’ny tambajotran-tseraserany ny federation sport-boule malagasy (FSBM).
Mpilalao avy eto Madaga­si­kara ny 7 dia Rakotomalala Herizo Mahandry, avy amin’ny Besady +. Efa tompondaka lefitra maneran-tany, sokajy “junior” ny taona 2021 izy. Eo koa Rakotomamonjy Celestin (Kelly) avy amin’ny C2BA Va­kinankaratra; Andrianasolo Hariliva Zonandrianina (Ram’s) sy Rakotomanana Olivier (li­vakely). Izy mirahalahy ireto izay samy mpilalaon’ny CBC avokoa. Manampy izay Rakotomanga Barinirina Claude Joseph Edmond (Daddy), avy amin’ny SBA Ambohimahasoa sy Randriaharimanana Onjala­laina René, mpilalaon’ny UBMT izay efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena fahiny ary Andriamahandry Tafita Angelo Mickael (PFAM Ambo­hi­po). Ny iray mpilaravinahitra mipetraka atsy Mau­rice dia Randrianirina Rindra Hasi­niaina (Lava basy).
Anisan’ny masontsivana nifantenana azy ireo ny tanjaka sy ny fahaizana, amin’izao fotoana izao. Teo koa ny tsy fiovaovan’izany toe-batan’izy ireo izany. Tsiahivina fa firenena 7 no hiady ho lohany ao anatin’ny faritra faha-4 dia i Maurice, Comores, Kenya, Djibouti, Seychelles, Maldives ary i Madagasikara. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny tena fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026. Raha tsy misy ny fiovana, ha­nainga ny alahady ho avy izao ny delegasiona malagasy.

Tompondaka

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - il y a 11 heures 53 min

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fanombohan’ny tetikasa Tomady, izay dingana vaovao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Haharitra telo taona ny tetikasa, hiompana amin’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino aman-jery fa eo koa ny fampiasana ireo fitaovana hafa toy ny “radio carte” audio sy vidéo, ahafahana manatratra ny toerana tsy takatry ny onjampeo.

Hivoaka amin’ity volana avrily ity ny antontanisa mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, distrikan’i Fianarantsoa. Notombanana ny asa vita niarahana tamin’ny GRSE. Hamafisina ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa, mifanaraka amin’ny politika nasionalin’ny fanjarian-tsakafo.

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianja Rafanodiana Herisetra, eny Sabotsy Namehana, ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana sy fitiliana tazomoka ary fizarana lay misy odimoka maharitra no ho hita eny an-toerana.

Catégories: National

Fizahantany : Haseho etsy Antaninarerina i Menabe

Les Nouvelles - ven, 04/24/2026 - 07:54

Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Ha­nao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Me­nabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Anta­ninare­nina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy ireo « Agence de voyage ». Eo koa ny vokatry ny asa tanana, namboarin’ireo sembana ankoatra ireo olon-tsotra, toy ny mananontena. Ma­nampy izany ny fampahafantarana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Menabe… Ho an’ny Groupe Kimony manokana, manana hotely, « Mai­son d’hotes ». Eo koa ny foibe fizahantany ao Antsirabe sy ny any Menabe ary eto Anta­nanarivo. Etsy andaniny, hisy tolotra ho an’ireo tanora hiofana na hitady asa ary handraisana ny mombamomba azy ireo (CV) koa eny an-toerana.
Nambaran’ny mpikarakara fa anisan’ny hampiavaka ny hetsika ny fahitana ny tranoheva ho an’ny « Festival Bo­try ». « Maneho io karazam-pitaterana io izany sady fanehoana ny hetsika momba izany any Belo ambonin’i Tsiribihina », hoy izy ireo.
Tsiahivina fa andiany voalohany izao hetsika izao ary heverina ny hanaovana azy isan-taona.

Synèse R.

Catégories: National

Takaitran’i Gezani : Sahirana ny mponin’i Toamasina

Les Nouvelles - ven, 04/24/2026 - 07:53

Tsy mipaka eny anivon’ny tokantrano sahirana ny fanitso na sakafo, eny hatramin’ny lamba fitafy na fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, na eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitsinjo ny vahoaka tra-doza noho ny rivodoza Gezani.

Manao antso avo amin’ny solontenam-panjakana sy ny BNGRC ny mpanao gazety sy tambajotran-tserasera. Aiza avokoa ireo fanampiana fa mbola betsaka ireo sahirana rava trano tsy manana fahefana hanamboatra ny simba, matory ma­nao tafo lanitra?”, io ny fanontaniana mipetraka. Vokatr’iza­ny rehetra izany, fianakaviana iray nitrangana fahoriana noho ny tsy fatoriana an-tokantrano mitafo tsara sy tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Tsy manana fahefana hitsabo tena na amin’ny hopitalim-panjakana aza izy ireo noho ny tsy fisian’ny vola. Namoy ny zafikeliny vao 3 taona, ny alarobia maraina teo ny renim-pianakaviana iray. Voatery napetraka eo an-tokotany malalaka ny razana, tao amin’ny fokontany Dépot fahefatra, satria tsy misy ny trano sy fandriana hametrahana azy. Nandray andraikitra, vantany naheno io vaovao mampalahelo io, ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, Voahanginirina Ca­thia. Nasiam-panamboarana iha­ny koa ny tranon’ilay renim-pianakaviana. Nambaran’ny mpanara-baovao fa lesoka avy amin’ny sampandraharaham-paritra ao Atsinanana ny tsy fahombiazana amin’ny fitsinjarana ny fanampiana.

Sajo

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - ven, 04/24/2026 - 07:53

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fandraisana ny « Can 2027 », atsy Kampala, ny 22 hatramin’ny 23 avrily teo, ny Caf sy ny filohan’ireo firenena telo mampiantrano izany, dia i Kenya, Tanzanie ary Ouganda. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra ho 28 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity.

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Tonga hanatrika izany, sy hampisy tranoheva, amin’io hetsika io ireo Federasionina maro isan-karazany eto Mada­gasikara. Anisan’izany ny rafitra federalin’ny baolina kitra FMF, ny Handball FMHB, hifarana ny alahady ho avy izao ity hetsika ity.

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny “Tournoi d’ouverture”, ho an’ny taom-pikatrohana 2026, eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Fifaninanana izay hisy fihodinana 7 ka hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, raha ny fandaharam-potoana.

Catégories: National

« PFL »- Tsaramandroso Boeny: Tsy manaiky hilalao etsy Iavoloha

Les Nouvelles - ven, 04/24/2026 - 07:52

Mandeha ny siosion-dresaka, afakomaly, fa tsy hanaiky ny handray ny lalaony amin’ny Ajesaia, etsy Iavoloha, ny talata ho avy izao, ny Tsara­mandroso Formation FC (TFFC), avy atsy Boeny. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity fa tokony ho izy ireo no hampiantrano ny fihaonana, izay tokony hatao any Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Taitra sy tohana mihitsy ry zareo nahita ny fiovan’ny fandaharan-dalao, ny alatsinainy lasa teo.
Raha ny filazan’ity mpampita vaovao ity hatrany, efa nahazo ny fandaharan-dalao mialoha ry zareo, saingy novaina tsy nisy fifampiantsoana na fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitry ny klioba TFFC Boeny izany.
Raha ny fantatra, efa nanao antso avo tamin’ny tomponandraikitry ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Foot­ball League (PFL)” ny lehiben’ny klioba TFFC, ny hijerena ny mahakasika izany. Araka ny vaovao azo tamin’io loharanom-baovao io ihany, nisy ny fivorian’ny CFEM, omaly, ma­ha­kasika an’ity fifanintsanana ity, ary andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsara marihina fa manana lalao iray hihaonana amin’ny TGBC Atsinanana, any Bari­kadimy, Toamasina, ny alahady 3 mey ho avy izao, ny TFFC raha tsy misy ny fiovana farany.

F.R

Catégories: National

Lutte – Afrique 2026 : Atleta efatra hiaro ny voninahi-pirenena

Les Nouvelles - ven, 04/24/2026 - 07:52

Araka ny vaovao avy amin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Tolona (FML), omaly, fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny «lutte olympique», sokajy zandriny, i Mada­gasikara. Fifaninanana hatao any Alexandrie, Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 5 mey ho avy izao.
Manana solontena efatra mianadahy ny federasionina amin’izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany. Ralam­bomanana Eckaya sy i Lawrence Mpandresy, izay hiatrika ny ady ao amin’ny sokajy U-20 sy Seniors ary mbola hifaninanana amin’ny “lutte” fanao eny amorontsiraka. Razafinjato Rinho kosa ho an’ny sokajy Sénior. Razafimandimby Miangoty kosa no hiady eo amin’ny sokajy U17. Marihina fa i Lawrence Mpandresy (-74 kg), sokajy lehilahy, atleta mipetraka any Eoropa. Avy hatrany dia hamonjy ny delegasionina any Egypte izy. Naneho ny alahelony kosa ny filohan’ny federasionina malagasy fa noho ny tsy fahampian’ny vola, tsy afaka nitondra mpitsara sy mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy.

Tompondaka

Catégories: National

Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »

Les Nouvelles - jeu, 04/23/2026 - 07:40

Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Am­pefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao.
Ity no andiany faharoa amin’ireo fizarana intelo miantaona hataony ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia na ny “Freedom 250 ».
200 ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana Toekarena sy Siansa sosialy, Tantara sy Jeografia ary An­glisy no nianatra momba ny fototra iorenan’ny demokrasia amerikanina sy ny fivoarany.
Tanjona ny hampitomboana ny fahalalan’ny mpianatra sangany avy amin’ity sekoly ambony ity momba ny tantara sy ny kolontsaina ary ny soatoavina demokratika amerikanina.
Nahaliana ireo tanora nanotrona ny dingana nahazoan’i Etazonia fahaleovantena ary nahafahan’izy ireo nanao fampitahana sy tsoa-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara.

Tatiana A

Catégories: National

ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera

Les Nouvelles - jeu, 04/23/2026 - 07:40

Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976.

Miavaka ny injeniera nahavita fianarana te­ny amin’ny sekoly am­bony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fikarohana, ny tontolo iainana, ny géologie. “Maro ireo injeniera mitana andraikitra momba ny tontolo iainana amin’ny orinasa lehibe eto amintsika sy any ivelany, tsy vitsy koa ny misehatra amin’ny Fidiovana, ny filaminana ary ny tontolo iainana satria ny olana dia hita any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avokoa izany”, hoy ny mpiandraikitra voalohany ny sampam-pianarana, Rakotosoa Harimalala Herivola, omaly, teny Von­to­vorona.
25 isan-taona ny injeniera mivoaka amin’ny Science et technique minière eny Vontovorona. Azo ambara fa mbola betsaka noho ny filana eto amintsika izany. Raha ny otrikarena ambanin’ ny tany misy eto Madagasikara, mbo­la maivana ny zavatra hoentiny ho an’ny harinkarena fa­obe. Manantena anefa ny mpitantana fa hisy fivoarana ny zava-misy amin’izao fiverenan’ny fanomezan-dalana hitrandraka izao.
Tsangambaton’ny faha-50 taona nijoroan’ny sampana ingenierie minière rahateo ny hampiakarana ny fahafahana mandray mpianatra vaovao. Hapetraka rahampitso, eny Vontovorona, ny vato fototry ny fotodrafitrasa vaovao mi­fandraika amin’izany. Efitrano fampianarana sy ho an’ny mpampianatra no hajoro amin’izany.
“Hetsika maro no hanamarihina ny faha-50. Hosantarina rahampitso ary hiantsoana ny maintimolaly rehetra nahazo soa teny”, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara sady mp­ampianatra ao amin’io seha-pampianarana io, ny jeneraly Randrianirina Jean José Désiré.

Vonjy

Catégories: National

Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

Les Nouvelles - jeu, 04/23/2026 - 07:39

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny voamboana ho tonga to­hambaliha, mamoaka feo mafy sady kanto. Anisan’ny voka-pikarohana hitany ihany koa ny “jejy valiha” na ilay valiha manambatra ny voatavomonta sy ny marovany. Ken­drena hiova manaraka ny va­nim-potoana sy ho mora kojakojaina ireo zavamaneno arafiny, raha ny fanazavany. Ma­ri­hina fa manamboatra kabosy, lokanga, sodina, aponga tapaka, sns, sady mpitendry ireo zavamaneno ireo rahateo ity mpanakanto avy any Ala­kamisy Manarintsoa (Andra­masina) ity.
Mipariaka saika maneran-tany, ankehitriny, ireo zavamaneno vitany. Mpanakanto maro eto an-toerana no mampiasa ny asa tanany.
Tsy mijanona eo amin’ny fikarohana sy fanamboarana ary fitendrena zavamaneno i Hery Valiha fa mampianatra ihany koa. Ampianariny mitendry ireo zavamaneno mahazatra tahaka ny valiha, lokanga, sns. Ampianariny koa ny mi­tendry ireo zavamaneno noforoniny. Tsy mihanona amin’ireo izy fa mirotsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Iray amin’ireny ny fambolena volobe, satria, ny fahatsaran’ny tontolo iainana no miantoka ny akora fototra amin’ny fanamboarana zavamaneno.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

Les Nouvelles - jeu, 04/23/2026 - 07:39

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny.

«Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity mpanakanto ity, miaraka amin’ny tariny. Mazava loatra fa hisy ny fampisehoana izay efa nandrasany ela. «Nofy adala», tiany ho zaraina amin’ireo mpiray ta­nindrazana, ny alahady 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao Antsa­ha­manitra.
«Zava-dehibe loatra amiko ny mitazona ny fifandraisana amin’i Madagasikara, na dia monina any ivelany aza. Ny teny malagasy, ny mozika malagasy, sns», hoy i Babai Lugu.
Taona maromaro lasa izay, efa nisehatra tetsy amin’ny CCEsca ny tarika Alala. Io no nahafantarana azy ireo voalohany, nahitana an’i Babai Lugu, Alice, Laury, nampian’ireo mpitendry teto an-toerana. «Nitom­bo ny mpikambana taty aoriana. Nisy endrika sy toetra vaovao. Ny katsakatsa no maharakotra izay toetra mampihetsika kokoa izay, mampitsambikimbikina amin’ny maha zavamaneno mikorintsana azy. Nalaina avy amin’io ny Alala Katsa­ka­tsa», hoy ihany ny fanazavana.
Te hanomebe, satria miboiboika avy ao anaty ny aingam-panahy ho an’i Babai Lugu sy Alala Katsakatsa. Halahatra ireo hira anatin’ny rakikira efa nivoaka sy ireo vaovao maro. Mety ny ankamaroany no mbola tsy henon’ny mpankafy, saingy izay indrindra no nahasarika ireo tia mozika vaovao hanongilan-tsofina amin’ny hiran’i Babai Lugu tany am-piandohana.
Ho vahinin’ny tarika, hanao ny tapany voalohany, i Bolo. Mpanakanto mitovy fironana, mifanaja ary efa tafaraka nizara kanto izy ireo. «Nofinofy niraisana ity hotanterahina ity, ka voninahitra lehibe ho anay. Ho atambatra ao ny rakikira roa, Ravitoto sy Jeren-ty, fa tsy hoe fandraisana anjara fotsiny», hoy ny filazan’i Bolo azy.

ZonyAina

Catégories: National

Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany

Les Nouvelles - jeu, 04/23/2026 - 07:38

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Mada­gascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km ny halaviran-dalana hifaninanana amin’ity. Manaraka ny fitsipiky ny Federasionina ny fifaninanana. Hifarana amin’ity alakamisy ity ny fisoratana anarana ho an’ireo mpifaninana mahafeno ny fepetra rehetra.
Raha ny fizotry ny fifaninanana indray, hisy ny andrana andraisana ny fe-potoana mialoha ny tena fihaonana ho an’ny fiara sy ny Cross-car. Arakaraka ny fisoratana anarana no fiaingana mialoha amin’izany. Aorian’izay vao hiditra amin’ny tena fifaninanana, ka samy manatanteraka ny dingana voalohany ireo fiara sy Cross-car. Miato kely izany rehefa tontosa ny hazakazaka ka hisy ny fampisehoam-pahaizana ataon’ireo mpitondra kodiaran-droa (mo­tos). Hitohy avy hatrany amin’ny dingana faharoa sy fahatelo ny fifaninanana. Hivoaka ho tompondaka izay manana fe-potoana tsara indrindra amin’ireo dingana telo ireo.

Tompondaka

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 22 04 2026 )

Les Nouvelles - mer, 04/22/2026 - 07:45

Catégories: National

Fanatanjahantena : Homarihina ny Andro iraisam-pirenena

Les Nouvelles - mer, 04/22/2026 - 07:44

Toy ny isan-taona, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena i Madagasikara. Hotonto­saina ny 24 – 26 avrily izao, izany. Maro ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fana­tanjahantena, toy ny hazakazaka firaisankina, hiainga eny amin’ny Parvis Analakely ka hatreo amin’ny kianja Barea, ny alahady izao. Ny basikety 3 x 3 ary ny baolina kitra ho an’olona 7, hifanandrinan’ireo minisitera. Hampiavaka ity andiany ity, ny takariva miavaka ho an’ireo kalaza, hanolorana mari-pankasitrahana ireo federasionina namoaka atleta maro sangany tamin’ny taom-pilalaovana 2025 sy ny tamin’ity tapa-taona ity. Toy ny mahazatra, hisy ny «salon national des Sports», tanterahina mandritra ny hateloana. Tafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny taranja isanisany izany ka handray anjara sy hanana tranoheva ireo federasionina, ligy, mpanohana sy mpiara-miasa. Tanjona ny hanamafisana ny firaisankina sy fanohanana ny tanora. Mpanohana ny hetsika ny Yas Madagasikara, izay tsy vahiny amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena malagasy.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mer, 04/22/2026 - 07:44

Namoaka ny anaran’ireo teknisianina sy mpanazatra, mandrafitra ny ekipany ny tale teknika nasionaly ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Ireo mpilalao fahiny manana traikefa sy efa tompondaka ny ankamaroany. Eo koa ireo mbola tanora mifaninana amin’izao fotoana izao.

Misaona ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nodimandry ny alatsinainy alina noho ny lozam-pifamoivoizana, Ambinintsoarivelo Yvon. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Itompo­kolahy ary efa nandrombaka anaram-boninahitra maro na teo amin’ny sehatra nasionaly, na tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Mankahery ny fianakaviana sy ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra ny Gazety Taratra.

Lehilahy iray antsoina hoe i Bruano no nodimandry, taorian’ny fifaninanana morengy natao tany Ambanja, ny alahady lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia torana izy rehefa voadaroka teo amin’ny faritra saropady ary noentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy.

Catégories: National

Lucadro : Manana tanjona hiakatra N1A

Les Nouvelles - mer, 04/22/2026 - 07:44

Ekipa anisan’ny sangany eto Analamanga, ny Lucadro (Lutte Contre l’Analphabétique et la Drogue), ekipa malagasy eo amin’ny taranja basikety. Vao avy nandrombaka ny tompondakan’ny Seksiona Antananarivo, ity ekipa ity, ka miatrika ny N1B eo anivon’ny ligin’Analamanga amin’izao fotoana izao. Tanjona ho azy ireo ny hiakatra N1A, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianantenaina Jean Felix. Ankoatra izay, ny hanome tsaratsara kokoa hatrany ihany koa ny tena himasoan’izy ireo. Araka ny anarany, mitaiza zaza sahirana sy manampy ireo taizany eo amin’ny fampianarana sy fisorohana amin’ny zava-mahadomelina ny Lucadro. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana sy fanarahana fampianarana basikety ao amin’ity klioba ity. Tsiahivina, ny taona 2017 no nitsangana ny Lucadro ary manodidina ny 200 eo ny mpilalao ao aminy, izay manomboka amin’ny sokanjy U10 hatramin’ny N1B. Efa in-13 nahazo amboaran’i Madagasikara ny Lucadro ary nisy fotoana aza nanao pao-droa mihitsy.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages