S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 min 30 sec

GOGUETTE du 14 10 2026

il y a 8 heures 54 min

Catégories: National

Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna : Tafapetraka ny rafitra FBF ao Sofia

il y a 8 heures 56 min

Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andron’ny 14 oktobra. Tafapetraka soa aman-tsara ny Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana (FBF) ao amin’ny faritra Sofia.

Nidina any an-toerana, nanatanteraka fitsidihana ofisialy voalohany ny avy amin’ny birao nasionaly. Nitarika izany ny filoha mpanorina, Randrianam­boariny Jean Pierre, voafidy tany Ambohimarina, distrikan’i Manandriana. Mandrafitra ny delegasionina miaraka aminy ny sekretera jeneraly lefitra, Croidys Armand antsoina hoe Ledys, voafidy tany Mandri­tsa­ra sy Rakotomanga Dilo Razaka, ben’ny Tanàna voafidy tao Mahitsy, distrika Ambo­hidratrimo, mpitam-bola.
Anisan’ny nitsena manokana ny filohan’ny Fana­vaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady ny FBF. Tonga maro rahateo ny ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra iray manontolo, indrindra ny avy amin’ny lisitra tsy miankina. Nandray anjara fitenenana koa nandritra ny fihaonan’ny filoha tamin’ny vahoaka tao an-toerana izy ireo. Nilaza ny ben’ny Tanàna, fa tsy afa-misaraka amin’ny Fanavaozana rahateo ny olom-boafidy. Mila izany hatreny ifotony ny va­hoaka malagasy. Nohamafi­sin’ny mpandaha-teny koa fa tahaka ny fikambanana rehetra mijoro, ankehitriny, tsy mijery antokon’olona izy ireo, fa mijoro amin’ny fotokevitra sy ny hetahetan’ny vahoaka avy any amin’ny toerana nahavoafidy azy.

r.r

Catégories: National

INDRAY MIJERY

il y a 8 heures 57 min

Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanàna ny fikarakarana ireo mpampivelona sy mpamily niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany Antsohihy. Taorian’ny fandefasana azy ireo fiaramanidina avy any an-toerana, nigadona teny Ivato ireo naratra ary tsaboina ao amin’ny CHUJRA Anosy. Raisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ny mpampivelona efatra sy ny mpamily iray izay tena mila fitsaboana manokana. Ao anatin’izany ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitarafana ary ny fikarakarana rehetra.

Nitsidika ireo mpanabe Jeune Leader tao amin’ny CEG Anahidrano – Cisco Antsohihy, Dren Sofia, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tao anatin’izany, nisy ny fanatrehana ny fanabeazana maha olom-banona, izay fotoana nanaovana fifanakalozana ho an’ireo mpampianatra. CEG 1 644 avy amin’ny faritra 16 no iasan’ireo mpanabe Jeune Leader ireo, ankehitriny.

Tonga tao Anosibe an’Ala, omaly, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina, nitondra sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho fanohanana avy hatrany ireo fianakaviana traboin’ny haintrano, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Nijery ifotony ny fahavoazana sy niara-nidinika tamin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana ny delegasionina, hamantarana ny filana maika.

Catégories: National

Fampiroboroboana ny fahitsiana : Ho mpampita hafatra mahomby ny tanora

il y a 8 heures 57 min

Taorian’ny zaikabem-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fahitsiana ho an’ny tanora, nokarakarain’ny Ko­mity mitandro ny fahitsiana, na­molavola «Manifeste» mom­­ba ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena sy ny fahafahan’ny tanora mahazo asa ireo nandray anjara. Miaraka amin’ny fanohanan’ny Fikam­banan’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny Kaon­fe­derasiona Soisy ny hetsika. Anisan’ireo sosokevitra naroson’ny tanora ny hanamafisana ny teny frantsay sy ny ny fanabeazana maha olom-pirenena ary ny fampitomboana ny fahafahana mahazo fiofanana sy asa. Nanolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny hanamafisana ny rafitra fanaraha-maso ny fifaninanana sy ny fandraisana mpiasa ary hampifanarahana ny fiofanana amin’ny filan’ny tsenan’asa. Eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, niresaka momba ny fa­hitsiana eo amin’ny fampianarana ambony, ny fitantanana ara-politika, ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny toeram-pampianarana ary ny fisorohana ny tranga kolikoly ara-nofo izy ireo.
« Amin’ny alalan’ity manifeste ity no hanehoan’ny tanora ny fahavononany handray andraikitra hampihatra ny fitsipiky ny fahitsiana any am-pianarana, arakasa ary amin’ny maha olom-pirenena. Araka izany, lasa mpampita hafatra sy masoivohon’ny fahitsiana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy avy izy ireo », hoy ny mpikarakara.

Vonjy

Catégories: National

SMA : Nisitraka fampitaovana vaovao

il y a 8 heures 57 min

Nisitraka kamiao lehibe, miisa 32, hitaterana fako manerana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Orinasa monisipaly misahana ny fanadiovana (SMA). Avy amin’ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny Jica ireo fitaovana ireo. « Manampy amin’ny fanamorana ny fanantanterahana ny asa eny an-kianja ny fitaovana azo », hoy ny lehiben’ny sampandraharaha teknika eo anivon’ny orinasa, tetsy amin’ny foiben-toeran’izy ireo, eny Nanisana. Ankoatra ny fisitrahana kamiao, notoloran’ny Jica Bulldozer sy fitaovana fampiasa amin’ny fikirakirana kodiarana ihany koa ity orinasa ity. Olana ho azy ireo, hatreto, ny tsy fanajan’ny mpanary fako ny ora tokony hanatanterahina izany. «Voatery mivezivezy amin’ny lera tsy tokony ho izy ireo kamiao ary matetika miteraka fanelingelenana ho an’ny fifamoivoizana izany », araka ny fanazavana. Manodidina ny 1 400 m3 hatramin’ny 2 900 m3 isan’andro ny fako taterin’ireo kamiao eo anivon’izy ireo eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

il y a 9 heures 12 min

Hitohy anio amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny tsangambaton’ny filoha, Tsiranana Philibert, ny fanamarihana ny 14 oktobra any Antsohihy, faritra Sofia. Arahin’ny kabarin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, izany avy eo. Hisy koa ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Rain’ny fahaleovantena ary hofaranana amin’ny matso.
Hentitra ny antoko Repoblikanina nasionalista. Mivaona amin’ny fotokevitry ny fanorenana ifotony ny fankalazana ny 14 oktobra, araka ny nambaran’izy ireo. «Midika ho fanohizana ny rafitra fanjanahana «Néo­coloniale», mbola mitoetra hatramin’izao izany. Anisan’ny antony nandavana an-dRajoelina ny maha frantsay azy», hoy izy ireo.
Tokony ho mailo ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambaran’i Christian Tabera. « Mi­rodana hatrany ny fitondrana notohanan’i Pety Rakotoniaina… Avoahay koa ny porofo raha nisy ben’ny Tanàna sy sefo fokontany noterena hiditra vondrona VFM», hoy izy, nitondra valin-kafatra ho an’ny depioten’Ikalamavony.
Matoky Ratsiraka Annick fa ho vita mialoha ny faran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena raha misy finiavana sy fitiavan-tanindrazana. « Enim-bolana fotsiny no nanomanana ny fifidianana tamin’ny 1975. Notendrena hitarika ny « directoire militaire », Ratsiraka Didier, ny jona 1975 ary vita faran’ny taona io ihany ny fifidianana », hoy izy.

Catégories: National

Antenimierampirenena: Mitaky ny hananany depiote ireo Diaspora

il y a 9 heures 12 min

Mbola nanamafy ny fangatahany ny zanaka am-pielezana milaravinahitra any ivelany (Diaspora). Nametraka fitakiana maromaro izy ireo amin’izao fanavaozana izao. Ani­san’ny efa notakian’izy ireo teo aloha ny ahafahany mifidy amin’ireo fifidianana hatao aty Madagasikara. Tsy voatery ho tonga aty vao afaka hifidy, raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, “Association observatoire de la vie publique – AOVPM”, tamin’ny alalan’ny filohany, Herininahary Mose­sy. Tsy nijanona hatreo izany. « Mitaky koa izahay mba hanana solontena, solombavambahoaka avy aminay Malagasy am-pielezana », hoy izy. Tafiditra amin’ny fandraisana anjara birikin’ny Diaspora amin’ny fampandrosoana sy ny fanorenana na fanavaozana ny firenena izany. Mba hitondran’izy ireo ny hevitra rehetra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo na any ivelan’i Madagasikara aza, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa efa misy sehatra ifampiresahan’ireo samy Malagasy any ivelany amin’ny alalan’ny «Concer­tation diaspora.com» ny mom­ba ireo fangatahana marobe nataon’izy ireo amin’ny fitondrana. Marihina fa hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra ni­voaka tamin’ny fikaonandoha.

Synèse R.

Catégories: National

Fotoanan’ny fifohazana

il y a 9 heures 13 min

Mandeha indray ny fety aman-danonana, ho fankalazana ny fetin’ny Repoblika. Manan-tantara misimisy koa izany amin’ity indray mitoraka ity. Sambany rahateo no natao fanamarihana miezinezina. Mifanandrify amin’ny tsingerin-taona nandraisan-dry zalahy miaramila ny fitondrana rahateo ny fotoana. Roa sosona ny fankalazana. Efa nivolonandro fety tao an-drenivohitry ny Faritra Sofia nanomboka tamin’ny alahady. Nisomebiseby sy nientanentana hatraty an-dRenivohitra.
Mifanaretsaka ny vahiny sy ny tompon-tanàna. Vahoaka an’alinkisa no efa any an-toerana. Maro no tonga tsy hifety fotsiny fa hisehoseho, ho hitan’ny filohan’ny Fanavaozana. “Fisolelafakizasionina” ny an’ny sasany. Misy nanaovana teny midina tsy maintsy mandeha ho an’ny hafa. Maro koa anefa no nentanin’ny fitiavana hijery raha sy hifety. Raha fehezina, samy manana ny antony nahatongavany any an-toerana ny mpanatrika tsirairay. Ny hita aloha, maromaro no nandany vola hidinana any Anahidrano.
Tsy izany anefa aloha izao no lohalaharana. Asa mitarika vokatra no ilaina mba hananana ilay tena fahaleovantena. Ny 14 oktobra rahateo tsy fetin’ny fahaleovantena na ilay lazaina fa tena fahafahana. Manamarika fotsiny ny dingana vita sy ny fanaovana adisisika izany. Ny fankalazana androany dia tokony hidika ho fiaingana vaovao. Hanamarika fa izao vao tena hahaleo tena i Madagasikara. Mila fifohazan-tsaina sy fifohazam-panahy faobe.
Nanome toky sy namelona fanantenana rahateo ho an’ny Malagasy ny filazan-dry Kolonely dimy lahy tamin’ny taon-dasa. Nilaza izy ireo fa hamelo-maso ny herijika hahafahana mizaka tena tanteraka. Voakasik’izany ny fambolena, ny solika sy ny angovo. Tsy ambakan’ireo ny fanomezan-danja ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto, tsy hay ny hamaritana ny fomba hanaovana tombana. Tsy hay mandroso, tsy hay mihemotra.

r.r

Catégories: National

Filohan’ny Fanavaozana : “Olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”

il y a 9 heures 14 min

Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy.

Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasi­kara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Re­poblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lanonam-panokafana.
Nisantarana izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM tao amin’ny Ekar Md Paul Ambalabe. “Fahafahana: Fanavaozana ho an’ny tena Fahaleovantena sy fandrosoana” no lohahevitry ny fankalazana. Nambaran’ny filoha, nadritra izany, fa mila mahaleo tena isika, mila miaina amin’ny volantsika sy ny ha­rentsika isika. Ilaina ny fahaleovantena ara-toekarena mba tsy hiankinan’i Madaga­sikara amin’ny fanampiana avy any ivelany, fa hahazoany mivelona amin’ny harena sy ny loharanon-karenany manokana.

Manaraka lalàna

“Manaraka lalàna ny tena kristianina, fa izany no lalàna”, hoy ihany izy. Ilaina ny fahatongavan-tsaina amin’ny toe-tsaina tia kolikoly, nefa ny ankamaroan’ny Malagasy mi­petraka anaty fotaka sy rano maloto. Ankoatra izany, nankahery ny FFKM amin’ny fa­nomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy. Misy te hanakorontana izany, misy mitady hanao fanambarana, raha ny nambarany. Nambarany fa vonona hanohana sy hanampy tosika amin’ ny vola amin’ny asa sahaniny. Maro ny fitokanana fotodrafitrasa natao, omaly. Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lavadrano sy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny mponina any an-toerana. Nifarana tamin’ny famorian’olona tao amin’ny kianja manara-penitra izany, halina.

R. Nd.

Catégories: National

14 oktobra 2026

il y a 9 heures 15 min

Catégories: National

 European Film Festival : Mihoatra ny 100 ny firenena mandray anjara

mar, 10/13/2026 - 09:47

Ho an’ity taona 2026 ity, ny 15 oktobra ka hatramin’ny 17 oktobra izao no hanatanterahina ny « Euro­pean Film Festival » na « Festival du film Européen ». Mahatratra 100 ireo firenena hanatanterahina izany ka anisany i Madagasikara. Maha­tratra 8 ireo sarimihetsika hojerena amin’ity andiany taona 2026 ity. Ho an’i Mada­gasikara manokana, sarimihetsika (film) malagasy miisa 2 no handray anjara. « Man­dra­kizay doria » notontosain’i Franco Clerc. Halefa ao amin’ ny IFM Analakely amin’ny fo­toam-pamara­nana sy « Dis­co Afrika » notontosain’i Luck Razanajaona, novokarin’i Herizo Rabary.
Ankoatra ny fandefasana ny sarimihetsika, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Festival du film européen » eto Madagasikara ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozana. Iray amin’ireny ny amin’ny fotoam-panokafana, ny alakamisy 15 oktobra, ao amin’ny Cinepax. Fihaonana amin’i Olivier Laxe ilay nanatontosa ny sarimihetsika « Sirat ». Izy ihany koa no hitarika ny atrikasa (Master­class) ny tolakandron’io, ao amin’ny IFM Analakely. Amin’ ny fotoam-pamaranana kosa i Franco Clerc no hifanakalo sy hitafa amin’ireo mpijery, ao amin’ny IFM.
« Sarimihetsika, fitaovam-pifandraisana, hifampiresahana, fanokafana ny firahalahiana », no lohahevitry ny « Fes­tival du film européen » izay niforona tamin’ny taona 2018.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Boky Tantara foronina: Mifono hafatra ho an’ny tanora ny « Tsy miolaka »

mar, 10/13/2026 - 09:46

Namoaka boky tantara foronina, mitondra ny lohateny hoe : “Tsy miolaka”, i Zara Ainga. Miisa 170 pejy ity boky ity, izay mifono sy mahalaza lafi-piainana maro. Naseho ampahibemaso ny 10 oktobra lasa teo ity sanganasa ity. Tovolahy iray zanaky ny taona 90 no tantaraina ao anatin’ny boky. Taraiky teo antenantenan’ny fianarana vitany, ny tanjona tsy misy tratra. Nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny hoaviny ilay lehilahy, hamoy ny efa mahazatra ka hizotra amin’ny lalana mitondra azy amin’ny fanatanterahana ny tanjony sy ny nofinofiny, rehefa nandalo fiainana feno rendrarendra. Misy ifandraisany amin’ireo boky sasany efa nosoratan’i Zara Ainga ity asa soratra ity, saingy raha vao eo amin’ny takila faha-15 dia mahita ny Dokotera Ravelona, takila manaraka indray dia misy an’i Christophe Rabearimanana sy i Malay. Na izany aza, manana ny anjoriany azy manokana mihitsy ny tantara. Mpanoratra manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny literatiora ankehitriny i Zara Ainga. Manana ny mampiavaka azy sy ny angaliny. Folo taona izao no nilomano tao anatin’ny sehatry ny fanoratana izy ary efa betsaka ny mpanaraka azy.

Mi.Raz

Catégories: National

“Afromada Music Awards” : Hampiakarana lenta ny mozika afrikanina

mar, 10/13/2026 - 09:46

Hetsika iray, miendrika fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny samy mpanakanto afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Hotontosaina eto Madagasikara hatrany ny andiany faharoa, amin’ny faran’ny herinandro.

Tosika ho an’ny mozika malagasy. Voasokajy ho firenena afrikanina manan-karena mozika i Mada­gasikara hatramin’izay. Po­foron’izany ny nisian’ireo Malagasy mpanakanto nisongadina tamina fifaninanan-kira iraisam-pirenena maro. Iray amin’ireo hetsika manome sehatra sy te ho fitaratra ho an’ny mozika afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Araka ny anarany, manatombo kokoa ny mozika malagasy anatin’ity fifaninanana ity. Antony voalohany mahatonga izay, noho izy hatao eto Mada­gasikara, ka ny 16 hatramin’ ny 18 oktobra izao ny andiany faharoa.
“Ndao hankalazaina miaraka ny mozika afrikanina”. Manamafy izany io lohahevitra nosafidian’ny mpikarakara io. Midadasika izay, fa ny lehibe indrindra dia ny fanasongadinana ny famoronana, arahin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra. Ny andro voalohany no hanatontosana izay fifampizarana izay. Maro ireo mpanakanto, mpanatontosa sy mpikarakara hetsika iraisam-pirenena ary mpanodina mpanakanto any amin’ny tsenan’ny mozika rehetra any no ho avy eto. Ny sabotsy 17 oktobra kosa no hanatontosana ilay tena lanonana manetriketrika, eny amin’ny Radisson Blu.
Raha oharina amin’ny andiany voalohany, hivelatra kokoa ny sokajy, hanomezana mari-pankasitrahana ireo Afrikanina mpanakanto, noho ny mozika navoakany tamin’ iny taona iny. Ny “Prix d’Or”, ohatra, dia sokajy natokana ho an’ireo Malagasy mpankanto irery, ka mifaninana ao ry Tence Mena, Wawa, Big MJ, D Lain, Shyn, Basta Lion, Dadi Love, Denise, Arnaah ary Ceasar. Mifaninana ao amin’ny sokajy “Meilleurs artistes diaspora” kosa i Niu Raza sy Maheva, milahatra amin-dry Tayc, Tiakola, Gims, sns. Anaty sokajy “Meilleur artiste ragga, reggae, dancehall, rap” no misy an’i Basta Lion sy Mad Max. Ao amin’ny “Best duo ou groupe” kosa ry AmbondronA sy Reko Band. Eny anelanelan’ny lanonana ny seho hataon’ireo mpanakanto, ahitana vahiny toa an-dry Wizboy sy Bill Phil avy any Cameroun, Sounchetfit ary i Dr Falafala, izay avy any Côte d’Ivoire, saingy tomponan­draikitra voalohany amin’ny hetsika.

Zo ny Aina

Catégories: National

Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony : 600 mahery ny fangatahana fankatoavana voaray

mar, 10/13/2026 - 09:45

Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo solontenan’ny ivontoeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, teny Fia­danana sy nampitain-davitra, ny minisiteran’ny Fampia­narana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Nifantoka tamin’ny tomban’ezaky ny Vaomiera nasionaly misahana ny fankatoavana (CNH) ho an’ny taona 2026 ny dinika. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny Fampianarana amba­ratonga ambony, Pr Raherinirina Angelo sy ny talen’ny fankatoavana sy fiantohana ny kalitao, Dr Rako­toniaina Bearisoa.
Miisa 600 mahery ny fangatahana fankatoavana voaray tamin’ity taona ity, raha manodidina ny 220 izany tamin’­ny 2025. Voaray hodinihina ny 549 tamin’ireo ka miisa 65 ireo manam-pahaizana nandray anjara amin’ny fanombanana.
Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fanarahana ny fenitra takina hahazoan’ny mpianatra fiofanana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina ary hisorohana ny fisian’ny diplaoma tsy ara-dalàna.
Hivoaka ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (plateforme HAE) mandritra ity volana ity ny fanamarihana samihafa ho an’ny tomponandraikitry ny lalam-piofanana tsirairay. Ireo izay manana olana dia afaka mitondra ny fanatsarana amin’ny CNH amin’ny volana desambra ho avy izao.

Vonjy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

mar, 10/13/2026 - 09:45

Ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Misy ny fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any amin’ny moron­tsiraka atsimon’ny Nosy sy manakaiky ny Tanjona Bobaomby. Manodidina ny 12 – 24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 38 °C ny tolakandro, mandritra ity herinandro ity.

« Manomboka ao an-tokantragnontsika ny fahafahagna miatriky sy miarigny afaran’ny loza », io no lohahevitra nosafidiana amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza 2026. Notanterahina omaly, tao amin’ny kaominina Analalava sy Antonibe (disitrik’­Ana­lalava), ireo hetsika fanentanana maro momba ny fisorohana, ny fiomanana ary ny fiatrehana ny loza.

Manohy ny fanentanana momba ny maha olom-pirenena vanona eny amin’ireo toeram-panofanana teknika sy arakasa ny Cellule d’engagement civique et environnemental eo anivon’ny minisiteran’ny Fampi­anarana teknika sy fanofanana arakasa. Mpampiofana sy mpandraharaha miisa 60 tao amin’ny DRETFP Itasy, LTP Soavinandriana ary LTP Miarinarivo no nisitraka fanabeazana sy fampahatsiahivana momba ny fitondrantena mendrika sy ny fandraisana andraikitra.

Catégories: National

Karate KA MALAGASY : Hitrandraka medaly any Pologne ny malagasy

lun, 10/12/2026 - 10:34

Hiatrika ny fiadiana ny ho Tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Efa nanainga omaly, hihazo an’i Pologne ny delegasionina malagasy.
Nilaza ireo atleta malagasy fa efa aman-taonany maro izy ireo no nanomana izao fifanintsanana iraisam-pirenena izao ary hiezaka ny hanao ny tsara indrindra avy aminy ny mpilalao, ary hitondra medaly amin’io fifanintsanana io. Tsara ny mampatsiahy fa noraisin’ ny fanjakana an-tanana ny fandehanan’ireo mpikatroka amin’ity fifaninanana ity taorian’ny antso izay nataon’ireo ray aman-dreny, efa ho tapa-bolana lasa izay.
Efa natolotra teo Ankorondrano omaly, ny tapakila sy ny vatsin-dalana entin’izy ireo miatrika izany fifaninanana izany. Marihina fa ireo Malagasy efatra mianadahy ireo, nahazo vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Alzeria farany teo.

F.R

Catégories: National

Politika Nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS) : Hampandroso sy hanatsara ny fanatanjahantena

lun, 10/12/2026 - 10:34

Notontosaina ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana famaranana sy ny fampisehoana ny drafitra vaovao hampandrosoana sy hanavaozana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, na ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS). Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS), Rasam­bany Alain Désiré, sy ireo solontenan’ny federasionina ary ny ligy isam-paritra.
Marihina fa ny hanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fanatanjahantena no nanaovana azy ity. Tanjona napetraka ny fametrahana ny mangarahara, ny fanamafisana ny fitaizana sy fanofanana an’ireo atleta hatrany amin’ny ambaratonga fototra mba hampandrosoana ny fanatanjahantena eto Mada­gasikara.
Ankoatra izay, nojerena ihany koa ireo dingana ara-panjakana tsy maintsy arahina mba hahatonga ny PNS ho lalàna manan-kery. Marihina fa ity politika vaovaon’ny fanatanjahantena ity dia efa nanaovana atrikasa, nandritra ny telo andro, ny 7-9 oktobra lasa teo, teny Ambohiman­gakely.

Fitia Randria

Catégories: National

DAKA AN-JORONY

lun, 10/12/2026 - 10:32

Manao mpanefy toka-tena

Fotoana vitsy sisa hananana azy dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2026. Samy mamisavisa ny zava-bita sy ny mbola kinasa ny rehetra. Efa hiditra any amin’ny fifidianana sy fanavaozana ireo mpitantana isanisany ihany koa ny ligy sy ny federasionina sasany. Nisy ireo nahavita be, tao kosa ireo nandiso fanantenana. Ny zava-bita anefa no deraina ka rariny loatra izany. Ny tsy mendrika kosa andeha ho halavirina toa boka sao mamindra aretina. Tandremo nefa sao dodoky ny aivony ka homam-bary tsaitsainy. Raha hazavaina tsotsotra izany dia tsy fanao ny maimaika sy dodona loatra ka tsy vita tsara izay atao, hany ka mitera-pahavoazana. Ny zava-misy hita hatramin’izay mantsy, mafana am-boalohany ny ankamaroan’ny olona. Manao angoan-tenda fa hanatanteraka izato, hanao izatsy. Tazana eo avokoa ny ekipa rehetra. Rehefa mandeha ny fotoana, mihena an-dalana toa fen’antitra. Tsy misy afa-tsy olona roa na telo sisa mijoro. Toa lasa mpanefy toka-tena sady mively no mifofotra.
Miankina amin’ny tsirairay ny mampandroso ny taranja sahaniny. Tsy vitan’ny fisehosehona ivelany fotsiny ny fitantanana. Ny an’ny sasany mantsy ilay anarana maha filoha na tomponandraikitra no maha maika azy ireo. Milaka mihohoka anefa any amin’ny asa. Mihalangalana ka ireo vitsy sy azo isaina amin’ny rantsa-tanana tsy mila tambiny sisa no manao mpanefy toka-tena. Ampy izay ny andrakandrana, aleo izay hirotsaka eo ho tena ekipa mafy ka hitolona am-bovotany, samy mavo. Hitolona anaty fasika, samy ditsoka. Hitolona anaty rano, samy lena ary hitolona anaty fotaka, samy mihosina. S anatria tsy hanao saobakaka miaraka aman-tsahona ka ny lehibe indray no adala.

Tompondaka

Catégories: National

Rugby- Amboaran’i Madagasikara : Nihintsana ny FTM manohy ny diany ny Cosfa

lun, 10/12/2026 - 10:32

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ambaoran’i Madagasikara, taranja Rugby. Nihintsana am-boalohany ny FTM Manjakaray raha mbola manohy ny lalany kosa  ny Cosfa.

“Vokatra tsy nampoizina ” ! Taorian’izay ta­o­na maro lasa izay, sambany indray vao raraka teo amin’ny ampahefa-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, Top 8, taranja Rugby, izay natao omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka ny FTM Manjakaray, klioba fahefatra tamin’ny Top 12 farany teo. Lavon’ny TFMA Ankasina, tamin’ny isa 16 no ho 17, ry zareo ary tapitra hatreho izany ny fifaninanana ho an’ity klioba avy ao Manja­karay ity.
Raha hiverenana ny lalao, somary sahirana tamin’ity fihaonana ity, ny FTM raha toa ka nampiseho ny heriny am-boalohany, ny TFMA. Ny klioba avy ao Ankasina, nitarika 17 no ho 8, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tao anatin’ny fidirana faharoa vao taitra tamin’ny torimasony ny mpilalaon’i Manjakaray. Efa tany amin’ny ora farany vao nahatsindry “essaie” ny FTM saingy tsy voatsara izany ka niafara tamin’ny isa, 17 no ho 16, ny lalao.  Nandresy ny TFMA.

Manohy ny diany ny miaramila
Etsy ankilany kosa, mbola manohy sy miezaka mametraka maha sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila. Nahintsan’izy ire­o, tamin’ny isa, 28 no ho 22 ny CEA Andranomanalina. Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy manatombo amin’ny lafin’ny taktika sy ny traikefa ny ekipa an-dRazily, mpanazatra Cosfa.  Ry zareo Cosfa moa no nitarika, 16 no ho 10 nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny fidirana faharoa kosa, nampiseho ny fahaizany amin’ny “drops” i Bida, ka nampiakatra ny isa ho 28 ho an’ireo miaramila. Ankoatra izay, hifanena eo amin’ny manasa-dalana ny TFA Anatihazo sy ny Cosfa ary ny TFMA hifandona amin’ny Uscar.

Fitia Randria

Voka-dala omaly :
Uscar (20) – (13) TAM Anosibe
FTM  Manjakaray (16) – (17) TFMA Ankasina
USA Ankadifotsy (20) – (21) TFA Anatihazo
CEA Andranomanalina (22)-(28) Cosfa

Catégories: National

Korea Atsimo: Ivontoeran’ny kolontsaina ao Barikadimy

lun, 10/12/2026 - 10:30

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Campus Oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny ivontoerana fampiofanana sy fampianarana teny Koreanina tatsimo. Tsy ny fiteny ihany no hovoizina na horatovina ao fa ny kolontsaina, sy ny fomba fahandro, ary ny fomba filalaovana nentim- paharazana. Anisan’izany ny ” K-Pop sy Ariang” avy any amin’ity firenena ity.
Nitarika ny lanonana, ny masoivohon’ny Koreana tatsimo, Park Ji-Hyu, andaniny. Izay rahateo no angady nanana sy vy nahitana ny fametrahana an’ity ” Institut King Sejong” faharoa eto Mada­gasikara ity. Nanome voninahitra ny fotoana, ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, ny dokotera, Razanakolona Diny, ankilany. Ity farany izay nanamafy fa manandanja ho an’ny mpianatra ny ivontoerana.
Nisy ny fanolorana fitaovana informatika sy fanolorana vola 11 tapitrisa Ariary ho fampandehana ny ivontoerana.

Sajo

Catégories: National

Pages