Tsy toy ny boky kabary rehetra! Izay no azo ilazana ny boky Aharihary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala na Ny Rian’ala. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nandritra ny famaranana ny «Tsenaben’ny boky», ny sabotsy teo, ity boky kabary hafa amin’ny boky rehetra mirakitra ny fomba sy ny fanao nentin-drazana teo amin’ny sehatry ny kabary ity. Nanao ny teny fanolorana, tamin’ny alalan’ny «Fo tsy aritra», an’ity boky ity ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, sady mpikabary rahateo koa. Boky mirakitra ny fomban-tany amin’ny kabary am-panambadiana amin’iny faritra Avaratr’ Analamanga (Distrik’Anjozorobe sy Manjakandriana) iny ny « Aharihary ». Kabary am-panambadiana ranofotsiny, araka izany, no hita ao anatiny, ahitana ny fomban-tany amina toerana enina niompanan’ny fanadihadiana nataon’i Ny Rian’ala, dia Antanetibe Anativolo, Ankerana, Ambatofisaorana, Ambongamarina, Sadabe, Mangamila. Nambaran’ny mpanoratra fa naharitra roa taona ny fikarohana nataony ary nandalo sy nankatoavina teny anivon’ny fiadidian-draharahan’ny famoahana Foibe Fimpima maneran-tany ny vokatra mialoha izao famoahana azy izao. « Maro ny sedra nolalovana nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ireo toerana nanaovana ny fanadihadiana, saingy mitaky finiavana izany. Teo ny fahalaviran’ny toerana nanaovana ny fikarohana », hoy izy. Manana ny fombany manokana ireo faritra ireo amin’ny kabary am-panambadiana. Santionany amin’izany, tsy misy manontany tokim-pitiavana amin’iny faritra iny. Toy izany koa ny adivarotra amin’ny vodiondry, tsy mitovy amin’ny fahita mahazatra, saingy ao anatin’ny boky no mirakitra izany rehetra izany.
Jean Claude
Katroka ny tamin’ny 3 ora, niakatra ny sehatra ireo mpitendry. Vaovao amin’ny mpankafy satria tsy Zandry Gasy izy ireo, saingy nantsoina manokana handoko iny seho omaly, tao amin’ny CCesca Antanimena iny.
«Afindrafindrao» natao sodina, angorodao, lokanga sy amponga, nampiditra sy nanome ny lokon’ny seho… avy dia ny «Kidaombaramita» no nanohizan’ny tarika Zandry Gasy izany, nanehoana voalohany ny lokon’ilay «Ba Gasy mazia romotra». Hira noforonin’i Mbola Talenta, toy ireo maromaro sanganasan’ny tarika izay nomena vahana nandritra ny seho.
Nanomboka ny voalohany hatramin’ny hira famaranana, niara-nientana tamin’ny teny an-tsehatra ireo mpijery. Niaraha-niredona ireo efa tsy afaka am-bava toy ny «Mahereza» sy « Ambanivohitra ». Tsapa koa fa efa voarain’ny mpankafy ireo hira taty aoriana, toy ny « Tsara fatotra ».
Fotoana mafana ihany koa rehefa tsingerin-taona toy izao, ny fampiakarana ireo vahiny nasaina. Teo ireo zoky toa an’i Beauzaka sy Ralanto. Eo koa ny tarika Vetsonkira, izay rahalahin’ny Zandry Gasy ihany. Inah, anabavin’ny mpikambana rehetra, efa nitsikombakomba tanaty mozika, nandritra ny fotoana maro. Ny tsy nampoizina indrindra dia ny fiakaran’i Mitia an-tsehatra. Zanak’i Mbola Talenta izy, ary nandova izay talenta izay teo amin’ny fihirana sy ny fitendrena lokanga.
Voalohany ho an’ny tarika ny CCEsca Antanimena, saingy azo antoka fa tsy ho farany. Mety ho sehatra lehibe kokoa aza ny manaraka.
Zo ny Aina
Nanao tatitra ny fampiofanana nomena ny ekipan’ny BMH Isotry ny Institut pasteur de Madagascar (IPM). Tamin’ ny alalan’ny sampana virologie no nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina mpandrakitra ireo fahafatesana vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika tao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny gripa sy ireo tsimokaretina hafa amin’ny taovam-pisefoana mety hiteraka valanaretina sy areti-mifindra goavana izany.
Mifototra amin’ny tranga tena izy ny fiofanana ka dokotera 13 sy mpitantsoratra no nisitraka izany. Nampahafantarina ny fomba fanasokajiana CIM-10, rafitra iraisam-pirenena mampifandray ny aretina sy ny antony mahatonga fahafatesana ho kaody. Mba hampifanarahana sy hanadihadiana ny angondrakitra ara-pahasalamana no antony. Teo koa ny momba ny fitantanana angondrakitra amin’ny alalan’ny sehatra RedCap, sehatra niomerika ahafahana manangona sy mitantana angona amin’ny fomba azo antoka, azo itokisana ary manara-penitra.
Tena ilaina amin’ny fanadihadiana ara-epidemiolojika, afaka manampy bebe kokoa amin’ny fitarihana ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana sy amin’ny famoahana tolo-kevitra mahasoa ho an’ny fahasalamam-bahoaka, ny angondrakitra marina sy manara-penitra.
Tatiana A
Notanterahina tao Ampefy, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana manokana momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mikroskopy ny aretina bilariziozy sy géohelminthiases. Mpiofana valo, voafantina, no nomena traikefa. Singa miisa 760 no nodinihina tsirairay tao anatin’izany. Fiofanana mirindra sy fanaovana fampiharana mihitsy no natao. Nisy ny masontsivana sy tomban’ny ezaky ny tsirairay nahafahana nandrefy ny fifehezana ny fitiliana ireo aretina roa ireo amin’ny alalan’ny mikroskopy. Tanjona ny hahavitan’ireo mpiofana mamantatra, manavaka ary mandray fanapahan-kevitra haingana manoloana ny trangan’aretina na ny fahitana ny tsimokaretina. Tokony hanana ny fahaiza-manao amin’ny fitiliana sy fanavahana tsara ny aretina, ny famaritana tsara ny momba ilay katsentsitra ary ny famantarana ny aretina haingana, marina ary azo antoka, ny mpanao fitiliana. Fananganana sy fizarana ny traikefa sy fahaiza-manao ho an’ny tena fampiharana azy amin’ny andavanandro, araka izany, no natao tany Ampefy.
Tafiditra ao anatin’ny Drafitra nasionaly 2026-2030, niarahana tamin’ny mpampiofana profesora Randrianarivelojosoa Milijaona, ity natao ity.
Tatiana A
Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe.
Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fiadidian’ny kaominina. Lany, tamin’ izany, ny hampidirana bus fitaterana sahala amin’ny ny hita an-tanàn-dehibe hafa rehetra.
Hanampy amin’ny fitateran’olona ao Toamasina ny bus. Sady mora ny saran-dalana no haingana raha oharina amin’ny bajaj sy ny posy. Ireo mpianatra sy mpiasa mivezivezy andavanandro no tena hahazo tombony amin’izany.
Mampitaraina ny mponina ny fanararaotana mihoapampana ataon’ireo mpitari-posy sy mpitondra bajaj amin’ny fampiakarana saran-dalana tsy an-kiera kanefa tena mbola sady anatin’ny fanarenana daholo ny mponina taorian’ireny fahavoazana ireny.
Tsy tokony hampiondrika sy hahakivy ny mpitondra vahoaka ny vesatra napetraky ny rivodoza Gezani izay nampitondra faisana sy fahasimban-javatra maro iankinan’ny fiainan’ny vahoaka ao Toamasina.
Very sy simba fananana 95% ny mponin’i Toamasina, tafiditra ao koa ny fotodrafitrasam- panjakana sy tsy miankina ary tokantrano maro. Ankoatra ireo fahasimbana voalaza, nanampy trotraka koa ny vesatry ny fanararaotana amin’ny filana andavanandro, ohatra, ny vidin’ny hazo sy fanitso, fantsika, solika, saran-dalan’ny posy sy bajaj. Eo koa ny fahasimban’ny lalana vokatry ny fianjeran’ireo hazo vaventy. Vokany, niray feo ny vahoaka fa resy i Toamasina. Ankilany, tsy azo atao mahakivy ny loza voajanahary fa raisina ho fanadiovana sy fanarenana. “Entina hanaovana fijery miabo hampiakatra ny hambom-po hampandrosoana ny tanàna sy hanatsarana ny paikady vaovao hanavaozana ny endriky ny renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara izany” hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Andriafanomezantsoa Alain.
Sajo
Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea, maharitra telo andro, ny fankalazana ny andiany fahefatra amin’
ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena sy ny « Salon national des sports ». Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny mpanolotsaina avo, ny
Jly Zafitasondry Ranoelson Marcellin. Nambarany tamin’ny lahateny fa manampy be dia be amin’ny fifehezan-tena ny fanatanjahantena, indrindra amin’ny sehatry ny asa.
Ny minisitry ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, kosa dia nanamafy fa tafiditra tanteraka amin’ny politikam-panjakana ato anatin’ny Fanavaozana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny atleta.
Entina manamarika ny hetsika, misy ny fampirantiana isan-karazany ataon’ny federasionina isanisany sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny minisitera. Anisan’ny niavaka, omaly, ny fampirantiana ny fiarabe iray, natokana ho an’ny mpilalao baolina kitra, Barean’i Madagasikara. Fiara natolotry ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, tarihin’ny filohany, Andrimanampisoa Alfred.
Teny filamatra noraisina tamin’ny fankalazana ny «Fanatanjahantena mampifandray ny rehetra, manala ny sakana mba hifandray ».
Randria
Araka ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nankatoavin’ny fitondrana ny saran’ny fampitana mivantana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2026». Fihaonana hatao any Canada sy Mexique ary Etazonia, ny 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fantanjahantena. Samy tazana nametraka ny tranohevany teny an-kianja avokoa ireo federasionina ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara. Nanokatra izany, teny an-toerana, ny Mpanolotsaina avo misahana ny fanavaozana. Nanatrika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Complexe Mahajanga, ny 25 avrily hatramin’ny 3 mey izao, ny fifaninanana nasionaly, dingana voalohany, sokajy N1A, ho an’ny faritra Avaratra. Omaly no nanaovana ny fivoriana ara-teknika ho an’ity fifaninanana ity.
Nisongadina ilay Malagasy mpilaravinahitra any Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, ny alarobia lasa teo, nandritra ny fihaonan’ny BFC Preussen, kliobany amin’izao fotoana sy ny Herthazehlendorf 03, ekipany teo aloha. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faha-30, fifanintsanana Diviziona fahefatra any an-toerana. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 2, ry Bolo. Izay ity Malagasy mpilaravinahitra ao amin’ny BFC Preussen ity vao nahatafiditra baolina ho azy, tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity.
Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Herthazehlendorf, na dia ry zareo BFC Preussen aza no nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’ny “penalty” an’i Lenny Stein. Nanova zavatra tanteraka ny fidiran’ i Bolo, teo amin’ny fidirana faharoa, vitany ny nanasahala ny isa ho 2 no ho 2, ny minitra faha-78. Rehefa nanindry tanteraka ry Kanto Fitiavana sy ny namany, dia tafavoaka mpandresy, rehefa nahafaty baolina i P Khun, ny faha-88 min.
Fitia Randria
Hiady ny tapakila ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara.
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra faha-4 amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara. Fifaninanana hotanterahina atsy Maurice, ny 27 avrily – alahady 3 mey 2026. Hanana ekipa roa i Madagasikara, hahitana mpilalao efatra avy. Omaly no namoaka ny anaran’ireo voafantina tao anatin’ny tambajotran-tseraserany ny federation sport-boule malagasy (FSBM).
Mpilalao avy eto Madagasikara ny 7 dia Rakotomalala Herizo Mahandry, avy amin’ny Besady +. Efa tompondaka lefitra maneran-tany, sokajy “junior” ny taona 2021 izy. Eo koa Rakotomamonjy Celestin (Kelly) avy amin’ny C2BA Vakinankaratra; Andrianasolo Hariliva Zonandrianina (Ram’s) sy Rakotomanana Olivier (livakely). Izy mirahalahy ireto izay samy mpilalaon’ny CBC avokoa. Manampy izay Rakotomanga Barinirina Claude Joseph Edmond (Daddy), avy amin’ny SBA Ambohimahasoa sy Randriaharimanana Onjalalaina René, mpilalaon’ny UBMT izay efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena fahiny ary Andriamahandry Tafita Angelo Mickael (PFAM Ambohipo). Ny iray mpilaravinahitra mipetraka atsy Maurice dia Randrianirina Rindra Hasiniaina (Lava basy).
Anisan’ny masontsivana nifantenana azy ireo ny tanjaka sy ny fahaizana, amin’izao fotoana izao. Teo koa ny tsy fiovaovan’izany toe-batan’izy ireo izany. Tsiahivina fa firenena 7 no hiady ho lohany ao anatin’ny faritra faha-4 dia i Maurice, Comores, Kenya, Djibouti, Seychelles, Maldives ary i Madagasikara. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny tena fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny alahady ho avy izao ny delegasiona malagasy.
Tompondaka
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fanombohan’ny tetikasa Tomady, izay dingana vaovao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Haharitra telo taona ny tetikasa, hiompana amin’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino aman-jery fa eo koa ny fampiasana ireo fitaovana hafa toy ny “radio carte” audio sy vidéo, ahafahana manatratra ny toerana tsy takatry ny onjampeo.
Hivoaka amin’ity volana avrily ity ny antontanisa mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, distrikan’i Fianarantsoa. Notombanana ny asa vita niarahana tamin’ny GRSE. Hamafisina ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa, mifanaraka amin’ny politika nasionalin’ny fanjarian-tsakafo.
Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianja Rafanodiana Herisetra, eny Sabotsy Namehana, ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana sy fitiliana tazomoka ary fizarana lay misy odimoka maharitra no ho hita eny an-toerana.
Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Hanao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Menabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Antaninarenina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy ireo « Agence de voyage ». Eo koa ny vokatry ny asa tanana, namboarin’ireo sembana ankoatra ireo olon-tsotra, toy ny mananontena. Manampy izany ny fampahafantarana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Menabe… Ho an’ny Groupe Kimony manokana, manana hotely, « Maison d’hotes ». Eo koa ny foibe fizahantany ao Antsirabe sy ny any Menabe ary eto Antananarivo. Etsy andaniny, hisy tolotra ho an’ireo tanora hiofana na hitady asa ary handraisana ny mombamomba azy ireo (CV) koa eny an-toerana.
Nambaran’ny mpikarakara fa anisan’ny hampiavaka ny hetsika ny fahitana ny tranoheva ho an’ny « Festival Botry ». « Maneho io karazam-pitaterana io izany sady fanehoana ny hetsika momba izany any Belo ambonin’i Tsiribihina », hoy izy ireo.
Tsiahivina fa andiany voalohany izao hetsika izao ary heverina ny hanaovana azy isan-taona.
Synèse R.
Tsy mipaka eny anivon’ny tokantrano sahirana ny fanitso na sakafo, eny hatramin’ny lamba fitafy na fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, na eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitsinjo ny vahoaka tra-doza noho ny rivodoza Gezani.
Manao antso avo amin’ny solontenam-panjakana sy ny BNGRC ny mpanao gazety sy tambajotran-tserasera. Aiza avokoa ireo fanampiana fa mbola betsaka ireo sahirana rava trano tsy manana fahefana hanamboatra ny simba, matory manao tafo lanitra?”, io ny fanontaniana mipetraka. Vokatr’izany rehetra izany, fianakaviana iray nitrangana fahoriana noho ny tsy fatoriana an-tokantrano mitafo tsara sy tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Tsy manana fahefana hitsabo tena na amin’ny hopitalim-panjakana aza izy ireo noho ny tsy fisian’ny vola. Namoy ny zafikeliny vao 3 taona, ny alarobia maraina teo ny renim-pianakaviana iray. Voatery napetraka eo an-tokotany malalaka ny razana, tao amin’ny fokontany Dépot fahefatra, satria tsy misy ny trano sy fandriana hametrahana azy. Nandray andraikitra, vantany naheno io vaovao mampalahelo io, ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, Voahanginirina Cathia. Nasiam-panamboarana ihany koa ny tranon’ilay renim-pianakaviana. Nambaran’ny mpanara-baovao fa lesoka avy amin’ny sampandraharaham-paritra ao Atsinanana ny tsy fahombiazana amin’ny fitsinjarana ny fanampiana.
Sajo
Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fandraisana ny « Can 2027 », atsy Kampala, ny 22 hatramin’ny 23 avrily teo, ny Caf sy ny filohan’ireo firenena telo mampiantrano izany, dia i Kenya, Tanzanie ary Ouganda. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra ho 28 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity.
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Tonga hanatrika izany, sy hampisy tranoheva, amin’io hetsika io ireo Federasionina maro isan-karazany eto Madagasikara. Anisan’izany ny rafitra federalin’ny baolina kitra FMF, ny Handball FMHB, hifarana ny alahady ho avy izao ity hetsika ity.
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny “Tournoi d’ouverture”, ho an’ny taom-pikatrohana 2026, eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Fifaninanana izay hisy fihodinana 7 ka hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, raha ny fandaharam-potoana.
Mandeha ny siosion-dresaka, afakomaly, fa tsy hanaiky ny handray ny lalaony amin’ny Ajesaia, etsy Iavoloha, ny talata ho avy izao, ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC), avy atsy Boeny. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity fa tokony ho izy ireo no hampiantrano ny fihaonana, izay tokony hatao any Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Taitra sy tohana mihitsy ry zareo nahita ny fiovan’ny fandaharan-dalao, ny alatsinainy lasa teo.
Raha ny filazan’ity mpampita vaovao ity hatrany, efa nahazo ny fandaharan-dalao mialoha ry zareo, saingy novaina tsy nisy fifampiantsoana na fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitry ny klioba TFFC Boeny izany.
Raha ny fantatra, efa nanao antso avo tamin’ny tomponandraikitry ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny lehiben’ny klioba TFFC, ny hijerena ny mahakasika izany. Araka ny vaovao azo tamin’io loharanom-baovao io ihany, nisy ny fivorian’ny CFEM, omaly, mahakasika an’ity fifanintsanana ity, ary andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsara marihina fa manana lalao iray hihaonana amin’ny TGBC Atsinanana, any Barikadimy, Toamasina, ny alahady 3 mey ho avy izao, ny TFFC raha tsy misy ny fiovana farany.
F.R
Araka ny vaovao avy amin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Tolona (FML), omaly, fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny «lutte olympique», sokajy zandriny, i Madagasikara. Fifaninanana hatao any Alexandrie, Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 5 mey ho avy izao.
Manana solontena efatra mianadahy ny federasionina amin’izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany. Ralambomanana Eckaya sy i Lawrence Mpandresy, izay hiatrika ny ady ao amin’ny sokajy U-20 sy Seniors ary mbola hifaninanana amin’ny “lutte” fanao eny amorontsiraka. Razafinjato Rinho kosa ho an’ny sokajy Sénior. Razafimandimby Miangoty kosa no hiady eo amin’ny sokajy U17. Marihina fa i Lawrence Mpandresy (-74 kg), sokajy lehilahy, atleta mipetraka any Eoropa. Avy hatrany dia hamonjy ny delegasionina any Egypte izy. Naneho ny alahelony kosa ny filohan’ny federasionina malagasy fa noho ny tsy fahampian’ny vola, tsy afaka nitondra mpitsara sy mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy.
Tompondaka
Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao.
Ity no andiany faharoa amin’ireo fizarana intelo miantaona hataony ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia na ny “Freedom 250 ».
200 ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana Toekarena sy Siansa sosialy, Tantara sy Jeografia ary Anglisy no nianatra momba ny fototra iorenan’ny demokrasia amerikanina sy ny fivoarany.
Tanjona ny hampitomboana ny fahalalan’ny mpianatra sangany avy amin’ity sekoly ambony ity momba ny tantara sy ny kolontsaina ary ny soatoavina demokratika amerikanina.
Nahaliana ireo tanora nanotrona ny dingana nahazoan’i Etazonia fahaleovantena ary nahafahan’izy ireo nanao fampitahana sy tsoa-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara.
Tatiana A
Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976.
Miavaka ny injeniera nahavita fianarana teny amin’ny sekoly ambony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fikarohana, ny tontolo iainana, ny géologie. “Maro ireo injeniera mitana andraikitra momba ny tontolo iainana amin’ny orinasa lehibe eto amintsika sy any ivelany, tsy vitsy koa ny misehatra amin’ny Fidiovana, ny filaminana ary ny tontolo iainana satria ny olana dia hita any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avokoa izany”, hoy ny mpiandraikitra voalohany ny sampam-pianarana, Rakotosoa Harimalala Herivola, omaly, teny Vontovorona.
25 isan-taona ny injeniera mivoaka amin’ny Science et technique minière eny Vontovorona. Azo ambara fa mbola betsaka noho ny filana eto amintsika izany. Raha ny otrikarena ambanin’ ny tany misy eto Madagasikara, mbola maivana ny zavatra hoentiny ho an’ny harinkarena faobe. Manantena anefa ny mpitantana fa hisy fivoarana ny zava-misy amin’izao fiverenan’ny fanomezan-dalana hitrandraka izao.
Tsangambaton’ny faha-50 taona nijoroan’ny sampana ingenierie minière rahateo ny hampiakarana ny fahafahana mandray mpianatra vaovao. Hapetraka rahampitso, eny Vontovorona, ny vato fototry ny fotodrafitrasa vaovao mifandraika amin’izany. Efitrano fampianarana sy ho an’ny mpampianatra no hajoro amin’izany.
“Hetsika maro no hanamarihina ny faha-50. Hosantarina rahampitso ary hiantsoana ny maintimolaly rehetra nahazo soa teny”, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara sady mpampianatra ao amin’io seha-pampianarana io, ny jeneraly Randrianirina Jean José Désiré.
Vonjy
Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehitriny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Natambany, ohatra, ny kesika sy ny voamboana ho tonga tohambaliha, mamoaka feo mafy sady kanto. Anisan’ny voka-pikarohana hitany ihany koa ny “jejy valiha” na ilay valiha manambatra ny voatavomonta sy ny marovany. Kendrena hiova manaraka ny vanim-potoana sy ho mora kojakojaina ireo zavamaneno arafiny, raha ny fanazavany. Marihina fa manamboatra kabosy, lokanga, sodina, aponga tapaka, sns, sady mpitendry ireo zavamaneno ireo rahateo ity mpanakanto avy any Alakamisy Manarintsoa (Andramasina) ity.
Mipariaka saika maneran-tany, ankehitriny, ireo zavamaneno vitany. Mpanakanto maro eto an-toerana no mampiasa ny asa tanany.
Tsy mijanona eo amin’ny fikarohana sy fanamboarana ary fitendrena zavamaneno i Hery Valiha fa mampianatra ihany koa. Ampianariny mitendry ireo zavamaneno mahazatra tahaka ny valiha, lokanga, sns. Ampianariny koa ny mitendry ireo zavamaneno noforoniny. Tsy mihanona amin’ireo izy fa mirotsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Iray amin’ireny ny fambolena volobe, satria, ny fahatsaran’ny tontolo iainana no miantoka ny akora fototra amin’ny fanamboarana zavamaneno.
HaRy Razafindrakoto
Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny.
«Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Yas Analakely. Efa andro maromaro no eto ity mpanakanto ity, miaraka amin’ny tariny. Mazava loatra fa hisy ny fampisehoana izay efa nandrasany ela. «Nofy adala», tiany ho zaraina amin’ireo mpiray tanindrazana, ny alahady 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao Antsahamanitra.
«Zava-dehibe loatra amiko ny mitazona ny fifandraisana amin’i Madagasikara, na dia monina any ivelany aza. Ny teny malagasy, ny mozika malagasy, sns», hoy i Babai Lugu.
Taona maromaro lasa izay, efa nisehatra tetsy amin’ny CCEsca ny tarika Alala. Io no nahafantarana azy ireo voalohany, nahitana an’i Babai Lugu, Alice, Laury, nampian’ireo mpitendry teto an-toerana. «Nitombo ny mpikambana taty aoriana. Nisy endrika sy toetra vaovao. Ny katsakatsa no maharakotra izay toetra mampihetsika kokoa izay, mampitsambikimbikina amin’ny maha zavamaneno mikorintsana azy. Nalaina avy amin’io ny Alala Katsakatsa», hoy ihany ny fanazavana.
Te hanomebe, satria miboiboika avy ao anaty ny aingam-panahy ho an’i Babai Lugu sy Alala Katsakatsa. Halahatra ireo hira anatin’ny rakikira efa nivoaka sy ireo vaovao maro. Mety ny ankamaroany no mbola tsy henon’ny mpankafy, saingy izay indrindra no nahasarika ireo tia mozika vaovao hanongilan-tsofina amin’ny hiran’i Babai Lugu tany am-piandohana.
Ho vahinin’ny tarika, hanao ny tapany voalohany, i Bolo. Mpanakanto mitovy fironana, mifanaja ary efa tafaraka nizara kanto izy ireo. «Nofinofy niraisana ity hotanterahina ity, ka voninahitra lehibe ho anay. Ho atambatra ao ny rakikira roa, Ravitoto sy Jeren-ty, fa tsy hoe fandraisana anjara fotsiny», hoy ny filazan’i Bolo azy.
ZonyAina