GRAINES DE SESAME

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 18:04

Catégories: National

« Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:17

Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Pro­gramme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy ny fampirantiana, ny dinika sy famelabelaran-kevitra. Eo koa ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo mitady asa. Misy ihany koa ny atrikasa an-tambajotra hatramin’ny 6 jona ho avy izao. “Tanjona ny hanomana ireo tanora ho lasa matihanina eo anivon’ny sehatry ny fitadiavana asa”, hoy ny talen’ny fandaharanasa sésame, François Xavier Froberville. “Betsaka ny tolotrasa misy eto Madagasikara fa tsy ampy hamaliana izany ny fahaiza-manaon’ny tanora mitady asa”, hoy kosa i Ingy Ange Simonia, talen’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy fampananasa ary ny asam-panjakana. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana hetsika tahaka izao satria manampy ny tanora hanana vintana amin’ny fitadiavana asa. Andrasana ny hahazoana mpitsidika maherin’ny 3 000 amin’ity hetsika ity. “Tsy ny isan’ny mpitsidika anefa no zava-dehibe fa ny kalitaon’ny fihaonana eo amin’ny orinasa sy ny tanora. Mba hanovana ny fiainan’ny tanora sy hitarihana azy ireo amin’ny hoavy mamiratra”, hoy hatrany ny talen’ny fandaharanasa sésame.

Mino

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikamba­nam-behivavy ao Nosy Be

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:17

Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly.

Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka manokana amin’ny fanamboarana mofo, fanjairana, hatramin’ny fanodinana voankazo ireo mpikambana ao. Notoloran’ny Filoham-pirenena lelavola 16 395 000 Ar izy ireo, hanatsarana ny fikambanana sy hampivoarana ny seha-pihariana amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.
Tetsy ankilany, nisitraka ny anjarany koa ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny­ Marmanive Mireille. Nahazo tohana 8 115 000 Ar ny mpikambana izay misehatra amin’ny fanamboarana mofo. Ny vokatra ataon’ireo fikambana ireo izay aparitaka ao an-toerana sy any amin’ny faritra hafa. Tafiditra anatin’ny velirano nataon’ny Filoha rahateo ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nanolorany vola mitetina 10 000 000 Ar ho an’ny fikambanan’ny vehivavy mpanodina vokatra ara-tsakafo ao Nosy Be, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Tsy hadinon’ny filoha ny nanampy ny vehivavy mikambana ao amin’ny Dalas. Marihina, nitohy tamin’ny fitokanana ny EPP manara-penitra ao Jabala ny fitsidihan’ny filoha tany an-toerana.

Ninah (Mpianatra asa)

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:16

Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Ankalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Fantatra fa eto amintsika ny maherin’ny 80% ny karazam-biby sy zavamaniry maneran-tany saingy miha ringana ny tontolo iainana. Ankehitriny, tsy misy afa-tsy 10% sisa ny ala eto Madagasikara, potika ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ataon’ny olombelona. Vokany, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny firenena.
Hihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ao anatin’ny volana maro. Midina ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana Andekaleka ka mahatonga ny delestazy lavareny. Vokany, miha sahirana sy miditra fatiantoka ireo orinasa madinika. Nisy ireo nampitsahatra tanteraka ny famokarany, ao koa ireo nilaza fa hikatona tsy ho ela noho ny zava-misy.

Catégories: National

Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:16

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy na toerana ahitana zava-mahadomelina, vola ary sokatra. Nambaran’ireo mpibaiko fa azo antoka sy mahomby ny fahaizan’ireo alika ireo, karazana Berger allemand sy Berger malinois.
Nambaran’ny tale jeneraly ny Haban-tseranana, Zafi­vanona Lainkana, fa endriky ny finiavan’ny Ladoany hanamafy ny fanaraha-maso, hanomezana antoka ny vahoaka ny fisian’ny andiany manokana izao. Eo koa, ny fanavaozana ho maoderina hatrany ny fomba fiasa sy ny fitantanana.

Mifameno amin’ny teknolojia

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny entana sy ny mpandeha eny amin’ny haban-tseranana, ka ilaina ny fananana fitaovana ampy sy mahomby. Nomarihin’ny DG ny ladoany, fa « mifameno tanteraka ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana alika. Hamant­arana ny toerana mampiahiahy ny fitiliana ampiasana teknolojia, ary manamarina azy ao anatin’ny fotoana fohy ny alika. Hihena ny fotoana lany sady mahomby ny fanaraha-maso, isorohana ny hosoka sy ny trafika ».

Njaka A.

Catégories: National

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:15

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hampiharina avy hatrany kosa izany aorian’izay. “Tsotra sy mora ary azo antoka tanteraka ny fampiasana ny e-Ariary noho izy mangarahara sy miady amin’ny kolikoly », hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Notsindriany manokana fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny fampiasana ny vola niomerika ity tolotra vaovao ity ary mifameno tanteraka amin’ireo tolotra “mobile banking” efa misy amin’izao fotoana. Tsotra sy natao ho an’ny rehetra ary entina handoavana ny filana andavanandron’ny mponina ny e-Ariary. Tafiditra ao anatin’izany ny fandoavana faktiora, fividianana entana samihafa, fandoavana saran-dalana ho an’ny taxi-be, sns. Afaka misitraka ny tolotra ireo rehetra manokatra ny kaonty e-Ariary eny anivon’ny BFM.

Henintsoa

Catégories: National

Antohomadinika IVO: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 07:50

Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy.

Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, tetsy Anto­ho­madinika IVO. Anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ny fa­naovana asa fanendahana mampiasa zava-maranitra eny an-toerana sy ny manodidina izy io. Omaly, nanatanteraka fisafoana teny amin’ny manodidina ny polisin’ ny Unités d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nifaneha­tra tamin’ny andian-dehilahy efatra tao an’elakelan-tranon’ Antohomadinika IVO izy ireo. Nasaina nijanona mba hosavaina ireo lehilahy ireo saingy nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Tafaporitsa­ka tany an’elakelan-trano ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Nikasa hamely ny mpitandro filaminana tamin’ny antsy lava teny aminy kosa ny iray nandritra ny fifanjevoana. Namaly tifitra avy hatrany ny polisy. Vokany, voatifitra ilay jiolahy ka maty.

Lasibatra ny mpiasa mody alina
Anisan’ny faritra anararaotan’ny mpanao ratsy amin’ny fanendahana ny elakelan-trano fivezivezena eny an-toerana, raha ny fitarainana na­taon’ny mponina. Antony ma­hatonga izany ny fahamaroan’ ny lalan-kely, izay misampantsampana, ka mora handosiran’ireo mpanao ratsy. Maro ny olona lasibatry ny asa ratsy ataon’ireo andian-jiolahy. Ani­san’izany, ny mpiasa amina «call center », ny mpamily sy ny mpanampy azy… Amin’ny ankapobeny, olona tsy main­tsy mody amin’ny alina noho ny asa ataony ireo tena lasibatra.
Tsiahivina fa roa ireo mpanendaka lavon’ny polisy teto an-dRenivohitra tao anatin’ny dimy andro. Iray tamin’ireo ilay mpanendaka voatifitra tetsy Anosibe, ny alatsinainy lasa teo. Entanina hatrany ny olom-pirenena hanome vaovao ny mpitandro filaminana ma­ha­kasika ireo olon-dratsy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanendahana eto an-dRe­nivohitra ny hetsika.

Mino

Catégories: National

Renim-pianakaviana atleta : Maniry ny hahita asa tsara i Soloniaina Malala

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:56

Maro amin’ireo ve­hivavy malagasy atleta no efa renim-pianakaviana, amin’izao. Misy amin’izy ireo nefa mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary miezaka mafy mitady izay mahasoa ho an’ny fanatanjahantena sy ny ankohonany.

Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao taminy omaly, mahakasika ny fiainany sy ny fomba fanaony isan’andro. Fanirian’ity atleta ity ny hahita asa sahaza azy hahafahany mivoatra amin’ny fiainana.

Gazety Taratra (*) : Manao ahoana izany fiainana renim-pianakaviana sady atleta izany?

Soloniaina Malala (-) : Tsy mora ilay izy. Matetika dia sady manao fanazarantena hatrany ianao no miezaka mitady vola, mivarotra. Eo ihany koa ny fikarakarana ny zanaka handeha hianatra, anisan’izany ny fandrohoana ny sakafony. Tsy hadino ihany koa ny fikarakarana ny tokantrano.

* Manao ahoana ny iainanao ilay hoe lasa mpiaro ny voninahi-pirenena nefa ny zanaka aty Madagasikara?

– Tena mafy ilay mandao ny zanaka sy ny ankohonana, sady handeha lavitra ivelan’i Madagasikara. Miala eto Madagasikara, tsy mandray vola, tsy mba misy hapetraka ho an’ny zanaka, nefa tiana ilay ho tafita lavitra amin’ny fanatanjahantena, miezaka hatrany mampahery ny saina ary miharitra amin’izay zava-misy eo.

*Inona ny tanjonao sy tena irinao amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?

– Manana tanjona ny ho lasa alavitra sy hampitombo ny lazako amin’ity taranja tolona ity aho. Ankoatra izay, mba faniriako ihany koa ny hahita asa, mba hahafahako mivoatra amin’ny fiainanana miohatra ny hiainako ankehitriny. Tsy vita mora nefa izany, saingy manantena hatrany fa ho tonga amiko ireo faniriana ireo, indray andro any.

* Inona ny mba mety hoe fanirianao ho an’ny zanakao any aoriana any?

– Ny tena hiriako ho an’ilay zanako, dia mba ho lasa lavitra amin’ny fianarana ary ho tafita amin’izay faniriany. Tiako ihany koa raha mba mihoatra lavitra ny zava-bitako ny vitany amin’ny resaka fanatanjahantena. Tsy ho hadinoko ny milaza azy fa ilaina ezaka foana ny zavatra rehetra amin’ny fiainanana.

*Tahaka ny ahoana ny fandaharam-potoanao rehefa andavanandro?

– Somary efa feno ny fandaharam-potoanako andavanandro. Rehefa maraina aho, manatitra ny zanako mianatra. Aorian’izay, manao fanazarantena. Rehefa vita izany, mivarotra indray aho. Rehefa hariva kosa, maka mpianatra sy mikarakara ny ankohonako amin’ny maha reny ahy.

*Inona ny hafatra ampitanao ho an’ny reny rehetra?

– Koa satria moa efa amin’ny alahady ny fetin’ny reny, eto aho dia mirary ny soa sy ny tsara ho an’ireo renim-pianakaviana rehetra. Miarahaba azy ireo mialoha, zava-dehibe eo amin’ny fiainana izany reny izany. Maniry aho mba hahatratra ny tanjona tiantsika avokoa anie isika reny rehetra, ary hahita izay hiriana daholo.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola ao anatin’ny fahatanorany tsara i Malala. 22 taona, amin’ny io volana jona io izy, ary efa nandrombaka medaly maro tamin’ny taranja tolona, raha sehatra iraisam-pirenena no resahina. Ny taona 2018, nahazo ny medaly alimo, nandritra ireo fifaninanana afrikanina maro natao tany Nigeria. Nahazo ny medaly alimo ihany koa izy, nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, tany RD Congo. Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, notontosaina teto Madagasikara.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

Niala hatramin’ny sofiny : Renim-pianakaviana naratra mafy naolana tovolahy iray

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:55

Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo.

Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodi­manga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona ity. Vao nahatazana ilay ramatoa ilay tovolahy, napetrany ny entana teny aminy fa lasa nanenjika azy izy. Noho ny hery tsy mitovy, tratrany ilay renim-pianakaviana 52 taona ka nazerany amin’ny tany. Nokaikairiny ny sofiny havia ary niendaka niala taminy mihitsy, nokaikairiny toy izany ihany koa ny takolany havia. Nalemy sy tsy afa-nanohitra azy intsony ity renim-pianakaviana ity ka nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy namelany ilay niharam-boina raha tsy naratra mafy. Nitsoaka ity nahavanon-doza ity. Olona sendra mandalo kosa no nahita ilay ramatoa nihosin-dra teo amin’ny tany ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambo­dilazana. Tsy vita tao anefa fa nentina niakatra ao amin’ny hopitalibe CHU Analan­kinina Toamasina ilay reny niharam-boina.

Indroa nosamborina
Ny alahady ihany, efa voasambotry ny polisim-bohitra sy ny fokonolona tao Ambo­dilazana ity tovolahy ity. Saingy tafatsoaka izy ny alahady alina ary voasambotra fanindroany ihany. Voasambotra indray izy ny talata teo ka natolotry ny fokonolona ny zandary ao amin’ny Poste avance Fanandrana. Ankilany, manahy mafy ny fokonolona amin’ny fahatarana ny fanolorana an’ ity tovolahy ity ny fampanoavana, izay efa misy amin’ireo fianakaviany mikononkonona hanao taratasy hosoka sy mety hanaovana an’ izany amin’ny alalan’ny kolikoly ka atao ho olona marary saina izy. “Tovolahy mitady vola soamatsara, salama saina, io tovolahy nahavita trangan-javatra ma­moafady io”, hoy ny solontenam-pokonolona. Ireto farany izay nanamafy fa aleo hioty ny heloka vitany ny tsirairay.

Sajo

Catégories: National

Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:55

Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona efatra voakasika mivantana tamin’ny voina. Lehilahy 35 taona sy 40 taona voa mafy ka tsy tana ny ainy. Ankoatra azy ireo, roa lahy hafa voa mafy ka voatery nahiditra hopitaly. Trano lehibe andalam-panamboarana ao amin’ny ivontoerana ambony manofana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ity loza niseho ity.

Tsiferana R.

Catégories: National

Inner Wheel : Mpianatra 17 nahazo mari-pankasitrahana

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:54

Notolorana mari-pankasitrahana tetsy Antaninarenina, afakomaly, ireo ankizy 17 nandrato fahalalana momba ny zaitra. Nianatra nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jona, teo anivon’ny fikambanana Inner Wheel club Antananarivo izy ireo. Izay nahitana sokajy vao manomboka sy manao perfectionnement. Safidiana manokana hanaraka ny fiofanana ireo vehivavy anaty fahasahiranana. « Azon’ireo olona manam-paniriana hanatrika ny fiofanana foana anefa ny tonga manatona eny an-toerana”, hoy ny talen’ny fikambanana Inner wheel, Ralijesy Nathalie. Hatramin’izao, mandray anjara amin’ny sarany 20 000 Ariary isaky ny fiofanana ny mpianatra tsirairay, mandritra ny fahavitana ny fianarana. Iantohan’ny fikambanana sy ny sekoly ny fitaovana rehetra entina mampianatra. Andiany faha-15 ity andiany nivoaka ity. Hiditra ny fiandohan’ny volana jolay ny fidirana manaraka. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny fikambanana Wed­nesday Morning Group sy ny Inner Wheel club Anta­nanarivo tetsy Antani­na­renina. Nampaha­fantarana ny zon’ny vehivavy sy lalàna mahakasika ny fanambadiana izany. “Tsy mahafantatra lalàna ny ankamaroan’ny vehivavy ka antony nanaovana izany”, hoy ny mpahay lalàna, Rakotonirina Tantely.

Mino

Catégories: National

Famonjena anaty rano : Niofana ny vondrona Vonjy voina Ivato

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:54

Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina.
Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra ny asany. Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny famonjena ny ain’ny niharam-boina koa izy ireo.
Nanampy traikefa ireo mpamonjy voina miisa 8 ao amin’ny vondrona vonjy voina eny Ivato mahakasika ny famonjena anaty rano. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara- miombon’antoka frantsay no nahafahana nanao izany.
Natao ny fanadinana tamin’ny lomano 500 m amin’ny “nage libre” ao anatin’ny 12 mn, izay takina amin’ny fandraisana anjara. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanavotana olona amin’ny tranga vonjy taitra anaty rano.

Tatiana A

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:27

Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io.

Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny Fiarovana, i Madagasikara, araka ny nambaran’ny komity mpanomana ny fetim-pirenena. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena izany. Tsy mbola nanamafy ireo vahiny namaly ny fanasana anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.

Handalo hodinihin’ireo loholona ny 12 jona izao ny lalàna fehizoro momba ny rafitra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Nanolotra izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa niainga amin’ireo tolokevitry ny fiarahamonim-pirenena izao fanitsiana entiny izao.

Mihaona ary mandray anjara amin’ny fihaonan’ny mpandraharaha any Paris, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Voaasa manokana miatrika izany izy ireo amin’izao fihaonamben’ny mpandraharaha frantsay sy afrikanina Tatsimo na ny “Sommet Medef Afrique du Sud”.

Catégories: National

Raharaha “Kaominina Talata Volonondry” : Miantso ny filankevi-panjakana ny depiote Avotra

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:27

Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andria­mosasoa Avotra, oma­ly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny fifidianana. Masiaka ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Izy ireo no naneho ny safidiny sy nanome fahefana ny olona tiany hitantana ny tananany ka mahasaro-piaro azy”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny tamin’izany fa lany ho ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, araka ny didy navoakan’ny Tribunal Administratif, tamin’ny 17 janoary lasa teo, Rakoton­drazaka Toky, kandidàn’ny antoko Tim. Resiny avokoa ireo kandidà roa nifaninana taminy, araka ny nambarany. “Efa nandray ny asany amin’ny maha olom-boafidy azy izy ary nametrahan’ny vahoaka fitokisana ka nisafidianany azy tamin’ny besinimaro”, hoy ihany izy.
Nohitsiny anefa fa tsy nanaiky izany ny kandidàn’ny Irmar fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny filankevi-panjakana. Nanteriny hatrany fa efa iarahana mahita sy maheno ny fanehoan-kevitra maro samihafa ataon’ny kandidà mpifaninana amin’ny tsy maintsy hampandresena ny kandidàm-panjakana. “Fifidia­nana no natao nefa hampandresena ve rehefa tiana hampandresena”, hoy ny fanontaniany.
Araka izany, miandrandra ny hitsarana ara-drariny sy hitsiny ary araka ny lalàna amin’ny fitsarana mahefa ny solombavambahoakan’Avaradrano.

Synèse R.

Catégories: National

Tsy maintsy mitandrina

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:26

 

Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa. Isan’andro vaky no ahitana razana etsy sy eroa. Misy ny maty ho azy, maro ny misy mamono, manginy fotsiny ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Tena tsy misy fotoana mampidina ambany ny tahan’ny olona maty. Raha vao manokatra ny tambajotran-tserasera izany moa dia saika isan’ora, misy vaovao momba ny vono olona foana.
Manoloana izany, mitaky fandraisana andraikitra ny toe-javamisy. Misy hatrany ny fisorohana azo atao na dia efa hoe tora-bato avy any an-danitra aza ny fahafatesana. Raha ny mahakasika ireo loza eny an-dalambe manokana, tsy misy afaka ny mifanilika andraikitra. Tsy maintsy miray hina ny rehetra mifanabe sy mifanentana momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana.
Momba ny vono olona dia tsy misy afa-tsy ny fahamailoana amin’ny fiainana andavanandro. Fadiana ny mody alina raha mbola azo atao. Tandremana ny fampisehoana ny mena miraviravy amin’ny manodidina sy ny mpiara-monina. Efa tsy hay rahateo ny olon-dratsy. Na ireo heverina ho tena akaiky sy olona atokisana aza izao mampanahy fa mety ho mpamadika.
Eny fa hatramin’ireo heverina ho maty tampoka sy lasibatry ny adim-piainana aza. Mbola azo atao ny mitahy ny aina na dia rano mafana fotsiny ihany aza. Fadiana ny mandrifotsy sy ny manao fanahy iniana ho mifady sakafo. Tsy mahafaty ny mandingana sakafo indray mandeha na indroa fa tsy tokony hanaovana kinanga ny mahakasika izay. Tsy azo atao fahazarana.
Amin’ny ankapobeny, trangam-piarahamonina mila fijoroan’ny fanjakana ity fahitana fatin’olona manerana ny tanàna ity. Mila ezaka avy amin’ny mpitandro filaminana, andaniny, ireo minisitera miahy ny mponina, ankilany. Ny olom-pirenena tsirairay kosa mila mitandrina!

r.r

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:26

Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao.

Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao tanterahina izao. “Maro ireo asa vita, ary apetraka ihany koa ny fanamby amin’ireo mbola tokony ho atao”, hoy izy.
Notanisainy amin’izany fa fotodrafitrasa lehibe hotokanana ao Nosy Be ny lalana, mitondra any amin’ireo toerana manamarika ny tanàna sy mahasarika ireo mpizahatany. Eo koa ny ezaka ho famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Nampirisihiny ihany koa ny sehatra tsy miankina hanao tetikasa famokarana angovo azo havaozina. “Tanjona ny hampihenana ny sandan’ny vindin-jiro sy ny famokarana izany, fa indrindra hanafoanana ny fahatapatapahan-jiro”, hoy ihany izy. Nampanantena ny hanatsarana ny fitsinjarana sy fisitrahana rano fisotro madio ao Nosy Be sy ao Antsiranana ny filoha Ra­joelina Andry. Efa misy tetikasa hanamafisana ny famokarana rano fisotro madio, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, hotokanana ny EPP manara-penitra ao Djabala. Hametrahana “scanner” ny hopitaly ary hanorenana tanàna vaovao ahitana Tranom-panjakana sy “zone commercialle” ary toerana fitsangantsanganana ao Madiro.

Fizarana karatany roa hetsy
Hapetraka ihany koa ny “Bornages massifs” amin’ireo tanim-panjakana ary ho avy ny fizarana titra faobe. Haorina ny birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) hizara karatany 200 000 ho an’ny any Diana. Hotohanana ireo fikambanam-behivavy ary hanokanana tetibola.
Ankoatra izany, hapetraka ny borigady manokana hanamafisana ny fandriampahalemana, fa indrindra ny tetikasa napetraka hiarovana amin’ny halatra lavanila any avaratry ny Nosy.
Hotohanana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny famokaram-bary safiotra ka hanomezana masomboly sy zezika ary fitaovana ho an’ireo tantsaha. Hapetraka ao Antsiranana koa ny tranomboky nomerika.

Synèse R.

Catégories: National

Kitra – Mandrosoa Andramasina: Mitarika ny Black amin’ny “Tournoi 26 juin”

Les Nouvelles - jeu, 05/22/2025 - 07:53

Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandro­sohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Naha­zo fandresena indroa miantoana izy ireo. Nandresy an’Antane­tibe I, tamin’ny isa 4-3, ary io isa io ihany koa no nandavoazan-dry zareo an’i Soalavitra. Samy isa tokana avy kosa ny an’Antanetibe I sy ny avy eny Soalavitra rehefa nirava sahala, 0 no ho 0. Efa tsara toerana hiakatra amin’ny dingana ma­naraka izany izao ny Black.
Samy manana isa telo kosa ny AJscum sy ny avy eny Morarano amin’izao, ho an’ny vondrona B. Nandresy ambony latabatra an’i Manja ny AJscum rehefa tsy niakatra kianja izy ireo. Lavon’ny avy eny Morarano 1-0 kosa ny AJscum teo amin’ny andro faharoa. Tsy mbola manana isa izany ny Manja hatreto.
Ho an’ny vondrona C kosa, mitarika amin’ny isa roa ny Amis Foot rehefa nanao ady sahala 0-0 tamin’ny Vé­térans ary mbola nanao sahala 1-1 tamin’ny FC Fivoarana Atsinanantanety. Samy isa tokana avy izany hatreto no azon’ny Vétérans sy ny Fi­voarana FC, eo amin’ny andro faharoa.
Anisan’ny andrasan’ny maro ary hangotraka ny lalao amin’ny alahady izao. Hifa­nan­drina amin’izany i Manja sy ny avy eny Soalavitra ary hifampitady eo amin’ny lalao faharoa ny FC Fivoarana sy ny Vétérans.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 05/22/2025 - 07:53

Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sa­botsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana.
Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any amin’ny kliobany avy izy ireo hiatrika ny “Yas Coupe de Madagascar”. Aorian’io, hampivondrona ny mpilalao eny an-toerana indray ny Coach Rôrô, ary rehefa vita indray izany, alefa any amin’ny klioba indray ireo mpilalao hiatrika ny lalao ampahefa-dalana miverina “World Cola PFL”.
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ireo Malagasy mpikatroka telo lahy, niatrika ny “Grand Slam” taranja Jiu-jitsu breziliana, natao tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Afapo tamin’ny vokatra izy ireo ary vonona hanarina ny lesoka amin’ny fifaninanana manaraka, raha ny nambarany.
Voahosotra ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety U18, ny ekipan’ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa nandresy ny Fandrefiala tamin’ny isa 46 no ho 40. Isa 46 no ho 38 kosa no nahavoazan’ny JCBA ny AST, teo amin’ny lehilahy.

Catégories: National

CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta

Les Nouvelles - jeu, 05/22/2025 - 07:53

Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. Nitiliana izay mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy izany ary mbola mitohy mandra-pahatonga ny fotoana handehanana hihazo an’i Seychelles. Eo amin’ny taranja judo kosa, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dojo Saint Michel sy Sainte Famille, ny “Open Mat” ho fanomanana ny CJSOI hatao any Seychelles ity. Judokas manodidina ny 40 teo no tonga nanatrika izany “Open Mat” izany.
Tsiahivina, firenena 7 no ho avy handray anjara amin’ity lalao ity, ahitana an’i Comores, Djibouti, Madagasikara, Maurice, Seychelles, Mayotte ary La Réunion. Ankoatra ny beach soccer, izay taranja vaovao hifaninanana amin’ity andiany faha-13 ity, taranja 10 no ho tazana mandritra izany, ahitana ny basikety, lomano, badminton, atletisma, volley, fibatana fonjamby, ady totohondry, voile, baolina kitra ary judo.

Mi.Raz

Catégories: National

Baolina kitra – “Cosafa cup 2025” : Tafaraka vondrona i Madagasikara sy i Maroc ary i Eswantini

Les Nouvelles - jeu, 05/22/2025 - 07:53

Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity.

Tontosa omaly, tao Man­gaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny ilany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025), taranja baolina kitra. Ani­san’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Fihaonana hatao atsy Afrika Atsimo, ny 1 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao.
Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea de Ma­dagascar, ary miaraka amin’ny Lions de l’Atlas an’i Maroc. Manampy azy ireo koa i Eswantini. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana ho an’ny Malagasy satria ekipa diso efa fantatry ny Barea avokoa izy ireo.
Raha tsiahivina, vao avy ni­fandona tamin’ny Barea, ta­min’ny taon-dasa, ry zareo Eswantini, niadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2025”, ka resin’ny Malagasy izy ireo tamin’izany. ala vela ho an-dry zareo izany ity fihaonana ity. Ekipa hanala vela amin’ny Barea de Madagascar ihany koa ny Lions de l’Atlas. Ny 19 janoary 2023, tao amin’ny Kianja Chahid-Hamlaoui Algé­rie, resin’ny Barea, tamin’ny «forfait» ry zareo, izay tsy ton­ga niatrika ny « Chan 2023 », nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Na izany aza, efa fihaonana hafa indray ity. Efa nanoman-tena fatratra ny ekipam-pirenena malagasy ary hifarana anio ny fampivondronana voalohany, ho an’ireo mpilalao 44 nantsoin’ny Me Rakoton­drabe Romuald (Rôrô), hifantenana izay hiatrika ity “Cosa­fa cup” ity. Araka ny angom-baovao, aorian’ny fahavitan’ny dingana ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasi­kara” indray vao hiditra amin’ny fampivondronana faharoa, ny Barea de Madagascar. Raha tsy misy fiovana, ny 2 jona no daty voatondro hiaingan’ny delegasiona malagasy hiatrika io “Chan 2025” io.

Tompondaka

Catégories: National

Pages