Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka.
Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny tahirin-tsolika. Mitotaly 104 tapitrisa litatra ny gazoala, raha 23 tapitrisa litatra ny lasantsy SP 95. Hanamarinana fa ampy tsara sady mitohy tsy ankiato ny famatsiana, vao ny 12 jona teo ny sambo nitondra solika tonga eto amintsika », hoy ny minisitra.
Tsy maintsy natao izao fanazavana izao, hanomezana antoka ny mpanjifa fa tsy misy atahorana ny famatsiana. Nomarihiny fa tranga mpiseho ny tsy fisian’ny solika eny amin’ny toby mpaninjara vitsy eto an-dRenivohitra farany teo. Antony, mikoropaka ny olona sasany, satria mitombo ny fanjifana, rehefa vaninandro fety toy izao. Hiditra amin’ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe isika, vao mainka hiakatra ny fanjifana satria mitombo ny fivezivezena. Nitombo 25% tamin’ity taona ity, raha oharina ny taona 2024 ny fandaniana solika. Manoloana ireo, tsy maintsy hampiana ihany koa ny fitaterana solika anatiny, ny miakatra aty afovoan-tany (Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, …).
Mamatsy mivantana ny mpaninjara
Maherin’ny 300 ny fiarabe mpitatitra solika mankeny amin’ny toby fitahirizana an’ny Logistique pétrolier (LP) eny Alarobia sy Soanierana, fa eo koa ireo toby mpaninjara an’ny kaompania isanisany. Noho izany, nomena alalana hitsinjara mivantana eny amin’ny toby mpaninjara ny kaompania fa tsy voatery mandalo tahirin-tsolika LP. Hamafisina koa ny fitaterana an-dalamby.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny minisitra Jean Baptiste Olivier fa tsy misy fiantraikany aty amintsika, hatreto, ny ady any amin’ny tany arabo. Tsy misy fiovana fa mitohy ny fanitsiana ny vidin-tsolika isam-bolana.
Njaka Andriantefiarinesy
Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka Tokana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny tenany nizara fanomezana izay tsy miankina amin’ny resaka politika na fikambanana. Hetsika natao tamin’ity herinandro ity. Nambarany fa omena ny anjarany ny ankizy satria fantatra ny zavatra iainan’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina. Mifanalavitra ny elanelana eo amin’ny olona mandalo fahasahiranana sy ireo manankatao. Mandalo fahasahiranana izy ireo ankehitriny ka mahatsiaro manana adidy ny mpikirakira ny sorabe. Tsy misaraka amin’ny fanaovana asa soa, araka ny teny masina ao amin’ny bokin’ny sorabe milaza hoe mahaiza mizara rehefa nahazo fahasoavana avy amin’ny mpahary. Nizara akanjo mafana, kilalao, biscuit, vatomamy ary arendrina izy ireo nahafahan’ny ankizy miatrika fety satria manan-jo hitafy, hilalao ary hisakafo sy hifaly ny ankizy rehetra.
Efa miara-miasa matetika amin’ny fokontany Ambohimamory izy ka ny mpiandraikitra ny kartie ao amin’ny fokontany no mahalala ny ankizy mandalo fahasahiranana. Nizara tapakila ahazoana misitraka ny fanomezana ireto farany. An-jatony no nahazo izany satria izay no tratran’ny eo am-pelatanana, hoy izy.
Ireo tena sahirana tokony hisitraka no notsongaina manokana, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny fokontany, Razafindrafara Adeline Nirina. Faritra dimy no mamaritra ny fokontany ka ny lehiben’ny faritra no mizara ho an’izay tokony hahazo fanampiana,
Vonjy
Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny mpiadina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Efa vonona ny foibe sy ny olona hiasa hisahana ny fanadinana, hoy ny tomponandraikitra.
Nitombo kely ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha nihena ireo nisafidy ny sokajy B raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hanomboka ny alatsinainy 30 jona ka hatramin’ny alakamisy 3 jolay ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Mahatratra 299 312 ny mpiadina miparitaka amin’ny foibem-panadinana 1 072, manana efitrano 9 000. Nitombo 0,06% ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 154 926 ny mpiadina ho an’ny sokajy A izay niakatra 1,20% raha mitaha ny tamin’ny BEPC 2024. Nihena 0,06% kosa ny tahan’ny mpiadina nisafidy ny sokajy B satria mahatratra 144 386.
Ho an’ny sokajy A, 152 878 ireo hanao ny teny vahiny anglais, 874 hiatrika ny espaniola ary 1 174 hanao alemà mandritra ny BEPC. 46 ny mpiadina manana filana manokana hiatrehana ny fanadinana ary 19 ny mpiadina teratany vahiny ho an’ity fotoam-panadinana ity.
Efa nozaraina avokoa ny taratasy fiantsoana ary afaka hijery mialoha ny foibem-panadinana sy ny efitrano hiadinana ny mpiadina manomboka ny faran’ny herinandro izao.
Misy ireo sekoly mbola namerina ny kilasy 3ème any an-dakilasy tamin’ity herinandro ity hanomezana toromarika samihafa mialoha ny fiatrehana ny fanadinana amin’ny alatsinainy ho avy izao. Ny taranja Malagasy no hisantarana ny adina ny maraina. Ny taranja “Sciences de la Vie et de la Terre” ny hariva ho an’ny andro voalohany.
Nanamarika ny tomponandraikitra fa tsy tokony hatao takalonaina (tsy omena taratasy fiantsoana) amin’ny tsy fanefan’ny ray aman-dreny ny saram-pianarana ny mpianatra hanala fanadinana, ho an’ny sekoly tsy miankina.
Ho an’ ny Cisco Antananarivo Renivohitra, 64,39% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ny taona 2024.
Vonjy
Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka any amin’ny Malagasy ny fitiavana sy ny fampiasana ny teniny.
Mety misy ny ambadika. Kanefa, tsy tokony hanakana ny ray aman-dreny hiteny sy hampiasa ny tenin-drazana na ny teny malagasy izy ireny. Mila paika mazava sy maharitra ny fampitiavana ny teny malagasy. Tsy ampy intsony ny fampirantiana, ny antsa tononkalo, ny famoahana boky, ireo velakevitra maro samihafa.
Amin’ny lafiny iray, mitavozavoza ny Malagasy? Kanosa ny Malagasy? Voafahan-dalitra ny Malagasy… Tsy manam-piniavana ny hitia ny momba azy ny Malagasy?… Nandaitra ny tetika nampiasain’ny vahiny? Taona 2025, mbola ao anatin’ny vanim-potoana mitady ny very hatrany ny Malagasy? Amin’ny lafiny hafa, efa zatra tarihin-dava ny Malagasy? Miandry tetikasa sy fiofanana vao ho tia ny tenin-drazany? Ireo heverina ho raiamandreny rahateo tsy mahafantatra ny tokony hataony? Matoa maro be tahaka ireo ny fanontaniana. Mbola tsy mahita mangirana ny teny malagasy.
HaRy Razafindrakoto
Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana.
Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, eny fa na ny fanariana zaza menavava aza sy ny maro hafa. “Manoloana izany, mila mandray andraikitra ny tsirairay, indrindra ny ray aman-dreny, izay antony nanaovanay ny hetsika fanairana”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. Mifandray amin’ny lohahevitra navoakan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nandritra ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izany. «Ray aman-dreny mandray andraikitra: zaza voaaro ny zony», io ny lohahevitra naroson’ny minisitera. Amin’ny ankapobeny, fianakaviana ihany no tena ambadiky ny fanaovana herisetra amin’ny ankizy. Ray aman-dreny ihany koa no maniraka ny ankizy handeha hitady asa ivelan’ny tokantrano. Fomba mamoehatra sy tsy fampiseho masoandro no ampiharina amin’ireny ankizy ireny. Toy ny mahazo azy ireo eny amin’ny sehatry ny asa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Misy ihany koa ny ray aman-dreny mahavita mampaniraka ny zanany handeha hivaro-tena rehefa lehibe vatana. “Eo koa ny maniraka ny zaza handeha hamelona ny tenany sy ny ray aman-dreny mihitsy aza. Fomba iray hahafahan’ny ankizy mandeha mivaro-tena izany”, hoy hatrany izy. Nolazainy fa anjaran’ny ray aman-dreny no mamelona ny ankizy fa tsy izy ireo no hitady vola hamelomana ny ray aman-dreny. Manana anjara andraikitra ny fanjakana manoloana izany. Amin’ny fanerena ny ray aman-dreny hampiditra an-tsekoly ny zanany. Izay tena zon’izy ireo.
Very ny soatoavina
Maro ny antony mahatonga ny ray aman-dreny manao ireny karazana herisetra samihafa ireny, raha ny fanazavana voaray. Voalohany, ny fahasimban’ny soatoavina. Eo koa ny fahaverezan’ny kolontsaina maha malagasy. Tsy fomban’ny Malagasy ny fampirisihana ny ankizy hitady vola sy hamelona ny ray aman-dreny niteraka. “Andrianina sy mpanjaka kely ny zanaka teo amin’ny Malagasy taloha”, hoy hatrany izy nanazava. Ankoatra izay, misy amin’ireo ray aman-dreny niteraka ireo ihany koa ny mahavita manao sorona ny zanany naterany, mba hahafahany mitady harena ho an’ny fianakaviana. Etsy ankilany, kolontsaina sy fomba ratsy avy any ivelan’ny firenena ihany koa ny fakana voamason’olona. Izay lasa tonga sy fomba amam-panaon’ny olon-dratsy eto amin’ny Nosy.
Endriky ny fotoana maoderina amin’izao fotoana izao ny teknolojia vaovao. “Mitondra zava-dratsy eo amin’ny tanora sy ny zaza malagasy izany. Na eo amin’ny fomba fiteny na fitondran-tena na fihetsika rehetra”, hoy hatrany Raharinarivonirina Maria. Mila haverina hahafantatra ny andraikiny ny ray aman-dreny. Mila manaja ny zon’ny ankizy ihany koa izy ireo. Mila averina ny fanabeazana ara-piarahamonina any amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Mila miverina amin’ny soatoavina mihitsy ny ray aman-dreny mba hahafahana miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy.
Nankalaza ny iray volan’ny ankizy ny vovonana PFSCE
Volana jona, natokan’ny fitondram-panjakana ho Iray volan’ny ankizy. Mbola ao anatiny tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Nisy ny hetsika karakarain’ny vovonana isan-tsokajiny nanamarihina izany. Nahitana izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Anisany nanao hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny 18 jona lasa teo, ny sehatry ny fiarahamonimpirenena ho an’ny ankizy (PFSCE). Ankizy manodidina ny 600 isa ireo tonga nandray anjara tamin’io hetsika io. Nisy ny “carnaval”, filanjana sorabaventy, fanaovana tononkalo, hira, dihy sy ny maro hafa misarika amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Tsy fanairana fotsiny ihany no hita teny an-toerana tamin’io fa nahafahana nampifalifaly ireo ankizy ihany koa. «Asa tena ataon’ny vovonana ny haitaky amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka mahakasika ny zon’ny ankizy. Manatsara ny traikefan’ny mpikambana ihany koa”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. «Zaza voaaro, mandry fahalemana» io ny lohahevitra noraisin’izy ireo tamin’ity taona ity. Tanjona ny mba hampandriana fahalemana ny ankizy. Misy fikambanana 66 mivondrona ao anatin’io fikambanana io manerana ny Nosy. Mahafehy ny rehetra mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Na eo amin’ny sehatry ny fianarana, ireo ankizy manana fahasembanana, ny tsy manana ray aman-dreny mpiahy, ny ankizy mirenireny an-dalam-be, mahakasika ny fahasalamana, ny tratran’ny fanararaotana ara-nofo ary ny herisetra miafara amin’ny fahafatesana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vovovana PFSCE hatrany.
Nanantontosa: Mino
Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny herinaratra mampandeha azy, fa tsy hiankina amin’ny Jirama.
Raha hiverenana ny eny amin’ny toeram-pialamboly vaovao Lac Iarivo Ivato, hisy ny fatsitsi-drano (jet d’eau). Hatao eny, anio 25 jona, ny fandefasana afomanga. Hotaterina maimaimpoana, amin’ny fiarabe elektrika ny rehetra, manomboka amin’ny 12 atoandro hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany (18h45). Avy eo, hotaterina hiverina indray ny rehetra hatramin’ny 11 ora alina mankeny Tsarasaotra. Nolazain’ny filoham-pirenena, fa « hahafinaritra ahy ny hahita ny vahoaka malagasy mba hitaingina fiarabe vaovao, hijery an’izany fialamboly sy ny fankalazana ny fahaleovantena ao anatin’ny hoe reharehan’ny Malagasy sy Madagasikara. Mendrika fitaterana madio manaraka ny fenitra isika, ankehitriny. Samy hafa ny mipetraka amin’ny seza volamena (ilay anaty taksibe) sy ny seza diamondra amin’ny alalan’ny tsiky sy hafaliana asehonareo ».
Njaka A.
Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germaine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara fa nampahantraina” ary tonga ny fotoana tsy maintsy hilazany ny hafatra dia ny “indro havaoziko ny zavatra rehetra ». Nohamafisin’ity hafatra ity hoe “te hamonjy ny firenenareo aho ka ampitao amin’ny rehetra fa tsy mahantra i Madagasikara ». Ny taona 1998 no nilazana izay hafatra izay. Ny taona 2002, nisy olana teto amin’ny firenena ary nisy sakana tao Brickaville ka nilaza indray ny hafatra manaraka fa “ravao ny barazy fa tsy an-dRatsiraka ny fitondrana fa an-dRavalomanana” dia rava tokoa izany barazy izany afaka telo andro. Taorian’ izay, nandeha ny fotoana sy taona, tonga ny taona 2006 ary nampita hafatra manaraka Andriamanitra : « mihavàna sy miraisa saina ianareo Malagasy, indrindra ny mpanao politika fa ataoko ho filamatra i Madagasikara”, hoy ny fanambarana nataon-dRazanamaria Germaine, filoha nasionalin’ ny ONG Fiadanana eto Madagasikara. Mety mbola tsy fotoana angamba, hoy izy, ka tsy tanteraka izany firaisankina sy firaisan-tsainan’ny Malagasy izany. Nohamafisiny fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fihavanana sy firaisankina. Vokatr’ ireo dia nilaza ny hafatra manaraka fa hanendry tovolahy madinika ho anareo aho ary hifanipaka ny samy mpiray firenena ary izy no hanao ny fampihavanana sy hikaondoha hanarina ny firenenareo ». Izay tokoa no nitranga ny taona 2009.
Sajo
Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta.
Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny alatsinainy teo. Manana traikefa sy fahaiza-manao ary vonona hampiasa vola hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika ireo mpandraharaha ireo. « Hojerena avokoa ireo sehatra azo hiara-miasa sy ny soa fanararaotra ao anatin’ny fandraharahana ho an’ny tombontsoa iraisana », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Kihon-dalana stratejika amin’ny fifanakalozana samihafa i Madagasikara, antony indrindra hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika. Voakasika ao anatin’izany ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fitaterana an-dalamby, ana habakabaka, ny fanatsarana ny tambajotram-pifamoivoizana an-tanety ary ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Mpiara-miombon’antoka
« Andraikitry ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny manohana ny fampiasam-bola eto amintsika » hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanany, Joël. Notsindriany manokana fa anisan’ireo misehatra amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ireo mpandraharaha Egyptianina. Ary firenena faharoa hampiasany vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, aorian’ny Nosy Kaomoro. Marihina fa miisa 23 ireo mpandraharaha Egyptianina vonona hitondra ny fahaiza-manaony eto amintsika.
Henintsoa
Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo ary modely ho an’ny tanora », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte, tamin’ny lahateniny. Nampahatsiahivin’ny filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fabrice André, kosa fa « tanjaky ny orinasa ny ekipa ary andry stratejika ho an’ny fampandrosoana ny orinasa ny finiavan’ireo mpiara-miasa rehetra ». Vonona hifanolo tanana hampiroborobo ny niomerika eto Madagasikara sy hitondra soa fanararaotra ho an’ny rehetra ny Orange Madagascar. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’asany ataony ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka.
Henintsoa
« Si tout va bien, l’extension du port de Toamasina, le principal port commercial de Madagascar devrait être achevé d’ici 2028 », a annoncé Christian Avellin, Directeur général de la Société du Port à gestion Autonome de Toamasina (SPAT) en charge de l’extension du port de Toamasina, lors du prélude du Business forum, avant-hier dans les locaux du ministère des Transports et de la météorologie à Anosy.
Depuis 2018, la majorité des infrastructures à Madagascar sont remises à neuf, incluant les ports de Madagascar. L’extension du port de Toamasina en fait partie.
« Le port de Toamasina assure à peu prêt les ¾ des échanges maritimes de la Grande île avec les restes du monde qu’il est normal qu’on ait pensé à son extension, d’autant plus qu’il joue un rôle primordial dans le développement du pays », a spécifié Christian Avellin.
Ce projet a été réalisé avec l’appui financier du gouvernement japonais, d’un montant de 639 millions de dollars. Le Japon a octroyé un prêt de 411 millions de dollars, soit 65% du budget total, remboursable sur 40 ans. Et 228 millions de dollars, soit 35% des frais alloués à cette extension, sont au frais de l’Etat malgache.
« Une digue de protection y a été mise en place pour raison que la partie Est de Madagascar est souvent en proie aux cataclysmes naturels », a-t-il ajouté.
Jean Riana
La cimenterie d’Ibity, nichée dans les hauteurs du Vakinankaratra, célèbre cette année ses 40 ans d’existence. Depuis 1985, ce site emblématique produit un ciment « vita malagasy ». Aujourd’hui, Alpha Ciment, anciennement Holcim puis Cementis, célèbre cette aventure industrielle, technique et humaine.
Produisant un modeste volume de 60.000 tonnes à ses débuts, la cimenterie affiche désormais une capacité annuelle de 180.000 tonnes. Une performance rendue possible grâce à des investissements constants : amélioration des fours verticaux, installation de filtres à gaz, automatisation des chaînes d’ensachage et modernisation du pilotage. « On promeut une industrie responsable, même ici à Ibity », confie un technicien.
Mais au-delà des machines, ce sont les femmes et les hommes du site qui incarnent cette réussite. Plus de 70 % des salariés viennent de la région. Certains sont fils ou filles d’anciens employés, perpétuant une véritable tradition familiale.
« Travailler ici, c’est plus qu’un emploi, c’est une fierté », souligne le directeur de l’usine, Andry Nirina Andriamanantena. « Mon père était là à l’ouverture, je poursuis son travail », témoigne un ouvrier.
Pour marquer cette fidélité, une première cérémonie interne a eu lieu début juin, avec concours de logo et remise de trophées aux employés les plus anciens. Un avant-goût de la célébration prévue au second semestre 2025.
Plus qu’une usine
Début juin, Alpha Ciment a organisé une soirée, pour renforcer ce lien fort avec les collaborateurs. Les salariés ayant plus de 20 ans d’ancienneté ont été récompensés. Un programme plus large se déroulera au second semestre 2025, à l’occasion du double anniversaire de l’entreprise : 75 ans de présence à Madagascar et 40 ans d’existence pour l’usine d’Ibity.
« La société, présente à Antananarivo, Toamasina et Antsirabe, couvre près de 45 % du marché national avec une capacité totale de 550.000 tonnes », indique le directeur général d’Alpha Ciment, Vincent Blanchet. Il reste fidèle à son engagement en faveur du développement durable et de la qualité. « Ensemble, construire pour durer », résume sa devise.
Malgré les défis logistiques, énergétiques et concurrentiels, Alpha Ciment entend rester un acteur principal du secteur. « Ibity n’est pas seulement une usine : c’est une fierté régionale, un pilier économique, et une aventure humaine », renchérit Vincant Blanchet.
Arh.
Laura Rasoanaivo Razafy vient de marquer l’histoire. A 21 ans, cette dynamo de la catégorie -70 kg a propulsé son nom au 21e rang mondial, grimpant de trois places grâce à une performance éclatante aux championnats du monde seniors à Budapest en juin 2025, où elle a décroché 320 points, grâce à sa qualification pour la 16e de finale. Elle est créditée de 1 913 points au compteur, selon le classement mondial actualisé le 23 juin. Prochain rendez-vous ? Le Grand Slam d’Oulan-Bator (Mongolie), en juillet.
Avec 37 tournois internationaux à son actif, Laura incarne la persévérance et le talent brut. Elle a grandi avec l’ambition de porter haut les couleurs malgaches. Son palmarès impressionne déjà : cinq médailles d’or, une d’argent et trois de bronze aux championnats d’Afrique, quatre victoires en Coupe continentale, trois sacres en Open continentaux, et des médailles d’or aux Jeux de la Francophonie et aux Jeux africains en 2023. Même sans médaille aux Jeux olympiques de Paris 2024, elle a transformé cette expérience en tremplin. « Chaque combat forge mon chemin », confie-t-elle avec un sourire déterminé.
L’année 2025 est celle de l’envol pour Laura. En avril, elle a dominé les championnats d’Afrique à Abidjan, s’adjugeant l’or avec panache. A Budapest, elle a prouvé qu’elle pouvait rivaliser avec l’élite mondiale. Toujours proche de ses fans, elle incarne l’espoir d’une jeunesse malgache qui veut donner corps à leur rêve.
Naisa
A Batumi (Géorgie), la Coupe du monde FIDE des jeunes joueurs d’échecs, bat son plein, du 23 au 29 juin 2025. Les prodiges des échecs venant du monde entier sont en quête du sacre mondial. Et parmi eux, le jeune Malgache de huit ans, David Andriamanankasina, dans la catégorie Open des moins de 8 ans, Groupe A, qui a affronté un adversaire coriace
Avec un classement FIDE de 1585, le petit génie des cases noires et blanches est entré dans l’arène avec l’étiquette flatteuse du 8e favori. Mais comme le dit l’adage, les échecs sont un marathon, pas un sprint. Et David apprend vite que chaque partie est un nouveau défi.
Dès la première ronde, le sort lui a réservé un adversaire de taille, le Géorgien Temur Jologua, jouant sur ses terres. Malgré une préparation sans doute minutieuse, David s’est incliné. Un faux pas inaugural qui l’a fait glisser à la 18e place sur les 24 compétiteurs du groupe.
Pourtant, loin de se laisser abattre, le jeune Malgache garde la tête froide. A seulement huit ans, il sait que dans ce jeu où chaque coup peut renverser la vapeur, la résilience est une arme aussi précieuse qu’une ouverture bien maîtrisée.
Lors de la deuxième ronde, David croise le fer avec un autre joueur local, Lasha Kakhidze, qui n’a pas encore marqué de points. Une occasion en or pour remettre les pendules à l’heure et montrer de quoi il est capable. Avec son talent brut et son classement FIDE qui témoignent d’un potentiel déjà impressionnant, David a toutes les cartes en main pour rebondir.
Le format suisse en sept rondes du tournoi promet encore bien des rebondissements. David, avec sa fougue, a tout le temps de reprendre du poil de la bête. A Batumi, David représente une nation où les échecs, bien que moins médiatisés que d’autres sports, gagnent du terrain grâce à des talents comme le sien.
Naisa
Sous le ciel vibrant d’Ulaanbaatar, capitale de la Mongolie, la Coupe du Monde Fiba 3×3 est sous le feu des projecteurs sur le terrain de Sukhbaatar Square. Les Ankoay, 20e tête de série, battent de l’aile.
Les Ankoay, portés par Elly Randriamampionona, Anthony Rasolomanana, Livio Ratianarivo et Alpha Solondrainy, ont foulé le parquet du Groupe A avec l’envie de renverser la table. Mais leurs premiers pas ont été marqués par des défis aussi rudes que les hauts plateaux malgaches.
Le 24 juin, la Belgique, tel un rouleau compresseur, a douché les espoirs malgaches dès l’entame, sur le score de 21 à 11. Malgré la tempête, Anthony Rasolomanana a tenu la barre, signant 5 points avec une précision chirurgicale (3/3 à 1 point, 2/2 aux lancers francs) et trois highlights qui ont électrisé les gradins d’Ulaanbaatar.
Alpha Solondrainy, avec 5 rebonds, a bataillé sous les panneaux, tandis qu’Elly Randriamampionona et Livio Ratianarivo, chacun crédité de 2 points au compteur, ont tenté de garder la flamme allumée. Mais avec 10 pertes de balle et seulement 8 rebonds, l’équipe a peiné à trouver son rythme, terminant avec une moyenne famélique de 0,39 point par possession.
Quelques heures plus tard, l’Allemagne a enfoncé le clou, infligeant un 21-13 sans appel. Cette fois, Elly Randriamampionona a pris les rênes, avec 7 points et une adresse honorable (62,5 %, 3/6 à 1 point, 2/3 à 2 points). Livio Ratianarivo, solide en défense, a capté 5 rebonds, et Alpha Solondrainy, avec 3 points et 4 highlights, a montré du mordant.
En revanche, Anthony Rasolomanana, a connu un jour sans, limité à 1 point et plombé par deux ballons perdus. Avec 7 pertes de balle et seulement 6 rebonds, Madagascar a cruellement manqué de constance, malgré un taux de réussite global de 62 %.
Ce 26 juin, les joueurs malgaches affronteront ceux de la Serbie à 11h25, puis l’Australie à 13h05, sur le même parquet bouillant d’Ulaanbaatar. Ces deux matchs, face à des cadors du circuit, seront un baptême du feu. Pour espérer sortir la tête de l’eau, Madagascar devra resserrer les boulons en défense, limiter les pertes de balle et s’appuyer sur l’éclat de ses leaders.
Naisa
Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Madagascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina sy fihavanana manoloana izao tontolo izao. Ilaina koa ny firaisankina manoloana ireo sakana rehetra eo amin’ny fiainana”, hoy ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Bemasoandro, Ranitratsilo Jimmy. Lohalaharana ho an’ny kaominina tsirairay avy ny fandriampahalemana. “Tokony hamafisina ny fandriampahalemana ary mila mandray an-tanana manoloana izany ny tsirairay avy”, hoy ihany izy. Tanjona ny hankalazana ny soatoavin’ny fandriampahalemana sy fifanajana ary firaisam-pirenena. Eo koa ny hampiroboroboana ny fiaraha-miaina am-pilaminana sy fifankazahoana ary firindrana ara-tsosialy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy mozika ary kolontsaina. Ho an’ity kaominina ity, efa nitsangana ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalemana. Toy ny voamieran’ny fandriampahalemana, ny polisy kaominaly, ny andrimasom-pokonolona ary ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana rehetra. Nitohy tamin’ny fankalazana ny andron’ny mozika ny hetsika ho an’ny tapany hariva. Nahitana mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa, izay nampiseho ny talentany teny ankalamanjana. Fanombohan’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tena koa ny hetsika.
Mino
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola.
Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fitsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny fametrahana orinasa ary tsy misy ny famoronana asa, anisan’ny antoka lehibe amin’ny fivoarana ara-toekarena, raha tsy mipetraka amin’ny tokony ho toerany sy manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny Fitsarana”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe izany. Niompanan’ny fihaonana koa ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lalàna mifehy ny antoka na “Refonte de la loi sur les sûretés”. Volavolan-dalàna ho entin’ny minisitra eny anivon’ny rafitra mpanapaka isan-tsokajiny.
Fitantanana ny fiankohonana
Eo koa ny momba ny fanarenana ara-pitsarana ny kaompania Air Madagascar, ankehitriny. Manampy izany ny momba ny tetikasa “Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité – Prodigy”. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ka tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny fiankohonana sy ny fanondroana “Réforme de l’état-civil et de l’identité”.
Nitondran’ny minisitry ny Fitsarana ireo dingana samihafa tsy maintsy izorana amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’ireo voaresaka rehetra ireo.
Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ny ankilay ny amin’ny mety ho endrika fiaraha-miasa sy fanohanana ilaina mba hanatrarana ny tanjona mitondra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Synèse R.
Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasikara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manomboka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpampianatra any an-tsekoly, ray aman-dreny ao an-trano, mpitarika isan-tsokajiny…) mihitsy no osa ?
Tranga mateti-piseho, ohatra, ny mianatra kabary, kanefa, tsy mahafantatra izay vontoatin’ny ambaran’ny vavany akory. Tsy vitsy amin’ireo izay heverina ho « mpampianatra » na mpampita fahalalana, ankehitriny, no tsy afaka mandray anjara intsony amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
Raha ampitahaina amin’ireo mpampianatra teny malagasy fahiny (any an-tsekoly, ao amin’ny ankohonana, eo amin’ny tontolon’ny fifaneraserana…), ohatra, ny fahalalan’ny mpampianatra teny malagasy ankehitriny. Mifandavitra be. Manana fototra matanjaka kokoa ireo « mpampianatra » fahiny. Tononkira fahiny, ohatra, mavesa-danja kokoa noho ny faheno ankehitriny. tsy azo hadinoina, anefa, fa mpampianatra ny mpamoron-kira. Niha osa ny mpampianatra?
… Rehefa ireo heverina ho « mpampianatra » no osa. Tsy antenaina ny hahita vokatra tsara eo amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
HaRy Razafindrakoto
Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy.
Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. Ankoatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny matematika izy. Efa maro ireo fampahafantarana nataony ary mbola hamelabelatra indray momba ny sikidy ity manam-pahaizana ity.
Ho vahinin’ny “Bar à livres” eny amin’ny Le Park Appart’Hôtel Bemasoandro, ny profesora Rakotondrajao Fanja, ny sabotsy 28 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mazava loatra fa manodidina indrindra ny sikidy ny lohahevitra hovelabelarina amin’io. Manana tsangan-kevitra maro izay tohanany izy satria vokatry ny fikarohana nataony mantsy izany. Aminy, harena be no vimbinin’ny sikidy. Tahirim-pahendrena sady tranomboky tsara rindra sy tsara kajy ny sikidy. Indrisy, tsy ny olona rehetra anefa ankehitriny no miditra tranomboky.
“Ny sikidy dia tokony hianaran’ny Malagasy mpianatra rehetra. Manomboka garabola hatrany amin’ny Anjerimanontolo. 65 536 ny isan-tsikidy. Raha atao takila iray amin’ny boky misy sikidy roa dia boky misy takila 32 768 izany ny sikidy. Ny sikidy tsirairay anefa mampita hafatra manokana”, hoy indrindra ny profesora Rakotondrajao Fanja. Efa boky fahafito amin’ny navoakany momba ny sikidy no ampahafantarina mandritra io fotoana io.
Satria mifototra amin’ny fampahafantarana boky efa nisy na vao hivoaka ny “Bar à livres”, hanampy ireo liana sy hanjifa izany ny fitafatafana mivantana amin’ny mpanoratra toy izao. Misy ihany koa ireo boky hafa izay vao nivoaka, azo jifaina eny an-toerana, toy ny “Fanambin’i Rijakely”, sanganasan’i Riri Razafindrabe.
Zo ny Aina