Ho avy eto an-dRenivohitra: hitondra ny « Indray mihira » ny Sandratra Anjeva

Les Nouvelles - jeu, 05/16/2024 - 07:51

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny tontolon’ny soratra. Hiova tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay… Hanatanteraka antsa lehibe ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva.

Raha ny avy any an-dRenivohitra no manatanteraka hetsika any amin’ny sampana… Hiova indray izany ! Ho avy eto Antananarivo ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Hanatanteraka antsa tononkalo «Indray mihira», ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Tohatohabaton’Antaninarenina izy ireo ny sabotsy 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Seho tsy hisy vidim-pidirana fa fandraisan’anjaran’ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra. Fampahafantarana sy fifaneraserana amin’ireo samy mpikambana. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Fiantsa Hary Dia, Santatra Ramaro­zaka, Andry Halza, Erika, Zo Nilaina, Ras Varatra, Vina, Endrikaizina, Mahefa Kantom­boahary Tantely, Louve Hian­ja.

Ankoatra ny antsa tononkalo eny an-tsehatra, voandalana hoentin’izy ireo ihany koa ny boky «Indray mihira». Fantatra fa anisan’ny omen’ny Faribolana Sandratra lanja hatrany ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpikambana mba hisian’ny fivelaran’ny talentan’ny tsirairay. Maro rahateo ireo talenta nitsimoka teo anivon’ity fikambanana ity manerana ny Nosy.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2024-05-15

Les Nouvelles - mer, 05/15/2024 - 08:16

Catégories: National

Orange Madagascar : niova filamatra ho Orange eo anilanao  

Les Nouvelles - mer, 05/15/2024 - 08:06

Manamafy ny fanoloran-tenany ho tambajotra azo itokisana amin’ny alalan’ny teny filamatra vaovao ny Orange Madagascar. Nosafidiana manokana ny Orange eo anilanao ho marika fa eo akaikin’ny Malagasy tsirairay, tao anatin’ny fotoana rehetra, nandritra ny 20 taona, ity tambajotram-pifandraisana ity. Tsotra, mora raisina ary mifanaraka amin’ny andavanandron’ny mpanjifa ity tenim-pamantaran’ny Orange Mada­gascar ity. Maneho ny maha izy azy sy vonona hanakaiky hatrany ny Malagasy ny hoe Orange eo anilanao . « Mihoatra lavitra noho ny teo aloha ity mari-pamantaran’ny Orange ity. Mampiray ny rehetra ny soatoavina, ny firaisankina ary ny fahatsoram-po », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Mada­gascar, Frédéric Debord, nandritra ny fampahafatarana ny teny filamatry ny tambajotra. Nohamafisiny fa manamafy ny maha zava-dehibe entina hanatsarana ny tambajotra sy ny andraikitra sosialy ataon’ny orinasa izany.

Ho an’ny mpanjifa

Mifototra amina andry fito mampandroso ny Orange Ma­dagascar ny mari-pamantarana vaovao napetraka. Ao anatin’izany ny fahombiazan’ny tolotra samihafa omeny, ny kalitaon’ny asa ho an’ny mpanjifa. Ankoatra izay, mampanantena fahakingana amin’ny alalan’ny tolotra ataony sy ny fahazoana ny internet tsara kalitao ary ny fampandrosoana ny fampiasana teknolojia ho an’ny rehetra koa ity orinasam-pifandraisana ity. Nanome toky izy fa hampifandray hatrany ny rehetra, amin’ny alalan’ireo traikefa ananany nandritra izay vanim-potoana nahateo azy izay.

Henintsoa H.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 05/15/2024 - 08:04

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona miisa telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko varika miisa 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande. Harahin’ny fitsarana maso kosa ny efatra hafa raha toa ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo valo niakatra teny amin’ny Pôle anti-corruption (Pac).
Mikorontana tanteraka ny fampiasana ny internet amina firenena maro aty Afrika Atsinanana noho ny fahatapahan’ny tariby an-dranomasina mitondra izany. Firenena anisan’ireo lasibatra amin’izany i Mada­gasikara. Tsy tomombana ny internet eto an-toerana tao anatin’ny andro maro, izay miteraka fimenomenonana amin’ireo mpanjifa maro.
Tafakatra hatrany amin’ny 78 000 ireo mpandeha fiaramanidina nandritra ny volana marsa teo. Nahitam-piakarana 23% izany raha oharina tamin’ny volana febroary. Nitombo 12% io antotan’isa io raha oharina ny volana marsa 2023. Marihina fa nihena 11% ny isan’ireo mpandeha fiaramadina ny taona 2019.
Vita ny iray ampahefatry ny fanamboarana ny « voie rapide » ao Toamasina. Lalana mikodana mirefy 9km sy 700 m, miainga eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Miompana amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa toy ny tetezana sy ny fantson-drano ny asa atao amin’izao.

Catégories: National

CT Motors: nivoaka ny fiara vaovao Kaiyi X7 Luxury

Les Nouvelles - mer, 05/15/2024 - 08:04

Namoaka fiara vaovao marika Kaiyi X7 ny CT Motors. Fiara matanjaka sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia niomerika amin’izao fotoana izy io. Raitra tanteraka ny fiara amin’ny endrika ananany sy ny pitsopitsony rehetra mandrafitra azy. Tsy manam-paharoa sy mampilamin-tsaina ny ao anatin’ny Kaiyi X7 amin’ireo seza tsara voatra. Mahazaka olona dimy hatramin’ny fito ity fiara ity. Atokisana sy miaro amin’ny loza izy amin’ny fananany ny « airbag » miisa enina sy fahafahana manampy ny mpamily amin’ny fihodinana sy fiatoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny « système panoramique intelligent à 360 degré ». Malalaka sy ahatarafana hazavana tsara ny ao anatin’ny fiara. Tsara endrika sy mora entina ny Kaiyi X7 noho ny fananany an’ireo « design » manaitra ny maro. Afaka mijery mivantana eny amin’ny showroom, CT Motors, ireo liana te hividy na koa hamandrika ny « test driver » ny Kaiyi X7.

Henintsoa H.

Catégories: National

Fandraharahana : hampivondrona mpandraharaha maro ny CEO Business Forum

Les Nouvelles - mer, 05/15/2024 - 08:02

Hampirisihina ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana ireo harena samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.

Manana harena maro samihafa azo trandrahina tsara ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny toekarena. Ho an’i Madagasikara, manana paikady manokana amin’ny fampiroboroana ny toekarena manga isika. «Laharam-pahamehana ny fametrahana ny indostria fanodinana ny harena anaty rano», hoy ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny
Jono sy ny toekarena manga, Rasolosoa Rado, omaly. Hotanteraina ny 14 sy 15 novambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny CEO Business Forum Indian Ocean. Hetsika hiarahana amin’ireo firenena maherin’ny 25 aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ ny fampiroboroboana ny se­hatry ny toekarena. Hivon­drona eto an-toerana, mandritra ny roa andro, ireo mpandraharaha, Malagasy sy vahiny, hijery ireo sehatra ara-toekarena samihafa azo trandrahina. « Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy mpandraharaha sy ny avy any ivelany, eo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto amintsika », hoy ny Tale jeneralin’ny Gate Company, Andrianasolo Rojo Claudino, omaly teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika.
Fiaraha-miasa
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatra tsy miankina, anjaran’ny minisitera kosa ny mitady ny politika fanatanterahana izany, araka ny fanazavana voaray. « Hisy ny lohahevitra hovelabelarina hiaraha amin’ireo minisitera samihafa mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ireo laharam-pahamehana sy mila resahina eto amin’ny ranomasimbe Indianina », hoy hatrany ny talen’ny CEO. Ilaina, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika mba hahafan’ireo mpandraharaha mivelatra sy mamantatra ireo rafitra azo trandrahina eto Madagasikara.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Ho tafaraka amin’ireo namany… : mandalo an-tanindrazana i Hanitra Ranaivo

Les Nouvelles - mar, 05/14/2024 - 07:55

Hafaliana hatrany ho an’ireo mpankafy azy. Mandalo an-tanindrazana indray, ary hiaka-tsehatra hiaraka amin’ireo namany tao amin’ny Lôlô sy ny tariny, i Hanitra Ranaivo.

«Maninona e?”, “Mi­sy voalohany, mi­sy farany”, “Ta­ra”, “Olona manavy”, “Jaka­ran­dahy”, “Mpivahiny”, sns. Ireo ny hira tena nahenoana ny feon’i Hanitra Ranaivo, tao amin’ny Lôlô sy ny tariny. Tsy hadinon’ny tena mpankafy an’ity tarika ity mihitsy izany, na dia tsy naharitra tao amin’ny tarika aza izy. Poro­fon’izany ny fihetseham-po nitobaka, na ho an-dry zareo teny an-tsehatra na ho an’ireo mpankafy, nandritra ilay fampisehoana “Feo sy gitara”, natao tamin’ny taon-dasa, teny amin’ny Coliseum. Saika teo avokoa mantsy ireo mpikambana tao amin’ny Lôlô sy ny tariny tamin’io…
Fantatra izao fa mandalo an-tanindrazana indray i Ha­nitra Ranaivo. Hiray sehatra ihany koa amin’i Benny sy i Bebey izy, ny sabotsy 18 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Mazava loatra fa hamerina ireo fampiaraham-peo nahafantarana ny tarika tamin’izany fotoanany izy ireo. Fantatra koa anefa fa hanao ireo hirany manokana i Ha­nitra. Ireo hira voarakitra ana­­tin’ny rakikira “Omeko anao” sy “Ny any aminay”. Ani­san’ireny ny “Sedra”, “Lavitra anao”, “Habakabaka”, sns. Hanampy azy eny an-tsehatra rahateo i Jean Marc Bon­temps, mpitendry gitara sady vadiny ihany. Eo ihany koa i Nini, izay efa mpanaraka an-dry Benny sy Bebey rehefa manao “Revy Lôlô sy ny tariny”, no efa mpanaraka an’i Hanitra ihany koa.

Zo ny Aina

Catégories: National

Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Misy ny fifampiraharahana hamerenana ny volamena 73 Kg”

Les Nouvelles - mar, 05/14/2024 - 07:55

«Misy ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny famerenana io volamena io», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny volamena 73 Kg avy aty Madagasikara tratra tatsy Afrika Atsimo, efa-taona lasa. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny amin’izany, ary mandray anjara feno amin’ny vaomiera iombonana. Efa mifandray amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny tomponandraikitra thalaïndais ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mala­gasy, ny amin’ireo sokatra radiata 48 sy sifaka 1 076 tratra tany an-toerana. Atao izay hamerenana izany amin’ny fomba faran’izay haingana eto Madagasikara.
“Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, misy ny fepetra tsy maintsy hajaina”, hoy kosa izy momba ny fifandraisana diplaomatika amin’ny Vondrona eoropeanina. Ani­san’izany ny tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatiny amin’ny firenena iray. Izay no niteraka ny fangatahana ny fanoloana ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina teto Madagasikara. Tsy vao voalohany no nisy an’izany fangatahana fanoloana izany. Matoa nisy izay, teo ny fitsabahana ao anatin’ny raharaha anatin’ny fanjakana malagasy. Na izany aza, mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina. Nohamafisina tamin’ny fankatoavana ny fifanarahana vaovao Samoa izany, izay misolo ny Fifana­rahana Cotonou teo aloha.

R. Nd.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mar, 05/14/2024 - 07:54

Hamaritra ny toetr’andro eto Madagasikara ny varatraza malefaka. Mety mbola hahazo orana malefaka ny morontsiraka afovoany atsinanana sy ny morontsiraka avaratra atsinanana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Bobaomby ary ny eo anelanelan’i Morombe sy Vangaindrano hitandrina. Misy ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano.

Tafiditra anatin’ny fametrahana sy fampahafantarana ny fizarana andraiki-pitantanana vaovao, izay hiandraiketan’ny foibem-pitondrana misahana ny fanaraha-mason’ireo rantsa-mangaikany, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (USOR), amin’izao. Nampio­fanina mahakasika izany ireo mpiara-miasa eny anivon’ ny Dren miisa valo, ny herinandro lasa teo.

Niompana tamin’ny tontolon’ny nahandro ny fifampizarana natao tany Taolanaro. Niarahan’ny fikambanana Autisme Madagascar sy ny ray aman-dreny ny hetsika. Sady niala voly no afaka nijery ny mety manavanana ny zanany ireo ray aman-dreny, ny faran’ny herinandro teo.

Afaka nanampy tovovavy 12 000 nisafidy ny fomba fandrindram-piterahana mety aminy ny rasazy miisa 87, tohanan’ny UNFPA, ny taona 2023. Nikarakara fampiterahana nanaraka ny fenitra ara-pahasalamana mahatratra 115 000 koa izy ireo, manerany ny Nosy. Miantoka ny fampihodinana ny rafitry ny fahasalamana, amin’ny ankapobeny, ny mpampivelona.

Catégories: National

Fiainam-pirenena: mila mandray andraikitra ny vehivavy

Les Nouvelles - mar, 05/14/2024 - 07:54

Napetraka teto Madaga­sikara ny volana novambra ny AWLM-Madagasikara, izay tohanan’ny tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nisy ny fihaonana tafiditra anatin’ny tetikasa « Mahasaky », ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy, ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Manohana ny tetikasa ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), ny minisiteran’ny Ta­nora ary ny EISA. Tanjon’ny fihaonana notanterahina ny herinandro lasa teo, teto An­tananarivo ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpikamban’ny AWLN Madagascar amin’ny haitarika, ho fidirana bebe kokoa amin’ny fandraisana andraikitra anatin’ny fiainam-pirenena. Mila mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra, hitondra ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy, manomboka eny ifotony ny vehivavy.
Hisy, araka izany, ny tetikasa momba ny tontolo mifandraika amin’ny andrimpanjakana, ho an’ny sosialy sy ny kolontsaina ary ny sehatra ho an’ny daholobe. Samy hamaritra ny tetikasany mifanaraka amin’ny filany ny faritany enina miaraka amin’ny vaomiera enina manokana. Aorian’izay, hiofana indray hifehy ny paikady hanetsehina ny tetikasa hivadika ho asa ireo mpikambana amin’ny AWLM. Mitarika ny fikambanana eto amintsika Rabeha­risoa Saraha.

Vonjy

Catégories: National

Mpianatra 26 naratra : Tsaboina ao amin’ ny CHU Tambohobe

Les Nouvelles - mar, 05/14/2024 - 07:53

Efa voaray ao amin’ny Hopitalibe CHU Tambohobe, Fianarantsoa, avokoa ireo mpianatra 26 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho ny alahady lasa teo. Niala avy any Andranomafana, distrika Ifanadiana, ho any Betafo ity fiara nitondra mpianatra ity. Alohan’ny hidirana an’i Vohiparara no niseho ny loza, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ny alahady. Tsy nisy ny aina nafoy, araka ny fampitam-baovao.
Efa mandray an-tanana ny lany rehetra amin’ ny fitsaboana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fitondram-panjakana. Mankasitraka ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra tamin’ny famonjena sy fitsaboana ireo traboina ireo ny fianakavian’ny maratra.
Taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho (nisy aina nafoy) tamin’ny RN1 farany teo, izay fiara nitondra mpianatra nivarina an-kady rehefa voadonan’ny fiara iray hafa, betsaka ny ray aman-dreny no naneho hevitra fa tokony hatsahatra aloha ny fitondrana mpianatra mivoaka ny toerana misy ny sekoly hisorohana ny loza tahaka izao.

Vonjy

Catégories: National

Lakana Manala Fahasahiranana

Les Nouvelles - sam, 05/11/2024 - 18:08

Catégories: National

Basikety- Acnoa: miravaka volamena ny Ankoay, lahy sy vavy

Les Nouvelles - sam, 05/11/2024 - 08:08

Misongadina tanteraka ny Malagasy mpilalao amin’ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito izay atao ao Seychelles, sokajy lehilahy sy vehivavy, U18. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety 3×3 ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, omaly, nandritra ny famaranana.
Ny vehivavy mpilalao, nanamontsana an’i Seychelles, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 21 no ho 0 raha toa ka lavon’ny lehilahy Ankoay, 21 no ho 9 i Comores. Tsy mbola resy mihitsy ireto mpilalao voafantin’i Madagasikara ireto nandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana, resin’ny Ankoay vavy, 21 no ho 1, i Comores. Nahintsan’ny Ankoay lahy, 21 no ho 3, kosa i Seychelles.
Tsara marihina fa hifarana anio, any an-toerana, ny lalao Acnoa, faritra fahafito. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny 6 mey teo ny fifanintsanana. Ankoatra ny basikety 3×3, nandray anjara tamin’ny Beach-volley sy tenisy ambony latabatra ary lomano ireo atleta malagasy 24 tonga tany an-toerana.

Fitia Randria

Catégories: National

AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr

Les Nouvelles - sam, 05/11/2024 - 08:08

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Man­gataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny va­lan­dresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajoma­zandry Andri­nirina ka tsy tokony hilalao.
Tsiahivina fa tsy mahazo miakatra kianja ity mpilalao ity fa tokony hiandry ny fandaminana vaovao, araka ny tapaky ny kaomisionina misahana ny fifaninanana eo anivon’ny Fe­derasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny 9 avrily lasa teo. “Tsy izay no zava-nisy fa nampilalaovin’ny Fosa Junior ihany i Joma, teo amin’ny andro voalohany sy ny fahefatra izay nifanandrinan’ity ekipa avy atsy Boeny ity taminay, tany Mahajanga”, hoy ny mpitantana iray eo anivon’ny AS Fanalamanga.
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ny AS Fana­lamanga mahakasika ny raharaha, Joma sy ny Fosa Junior Boeny. Araka ny fanambarana nataon-dry zareo, hiala ao anatin’ny fifanintsanana PFL izy ireo raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitantana baolina kitra eto an-toerana.

Fitia Randria

Catégories: National

Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks

Les Nouvelles - sam, 05/11/2024 - 08:08

Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy.

Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. Hiady izany tapakila izany ny Springboks Afrika Atsimo sy ny Makis Ladies Madagascar. Lalao famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CAN 2024), ihany koa izy ity.
Raha tsiahivina, samy tsy mbola resy ny roa tonta nandritra ny fifanintsanana. Ekipa diso mifankahalala tsara ra­hateo izy ireo. Hanala vela amin’ity, ny Makis Ladies. Hangotraka, araka izany, ny fifandonana eo amin’ny roa tonta. Hiezaka hanohitra ireto andrarezin’ny rugby aty Afrika ireto ny Makis. Hanao izay fara heriny, handresena ny tovovavy malagasy. Hiatrika ny “Mondial 2025” hatao any Londres sady hanao ny
“Mon­dial 2è Division”, any Durban Afrika Atsimo, ny volana jona izao, izay tompondaka eo.
Hanao ny “Mondial 3è Division” any Dubaï kosa, ny faran’ny volana septambra sy ny fiandohan’ny volana oktobra, izay faharoa.
Hanokatra ny fotoana rahampitso ny fifanandrinan’i Kenya sy i Cameroun. Adin’ny samy resy ireo. Hiady ny laharana fahatelo izy ireo. Hanana ny lanjany ihany koa ny lalaon’ny roa tonta satria midina any amin’ny sokajy “B” izay farany eo. Araka izany, tsy maintsy hanao izay hijanonana ao amin’ity vondrona ity, na ny andaniny na ny ankilany. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola manatanteraka valin’
ady amin-dry zareo Angoley ny Liona Kameronina.

Tompondaka

Catégories: National

Tao anatin’ny telo volana : nihena 30,7% ny vokatra naondran’i Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 05/11/2024 - 08:07

Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro hafa. Nihena 63,5% ny fanondranana lavanila na­taontsika nandritra ny telo volana voalohan’ny taona no­ho ny fidinan’ny vidiny 81,3% na niakatra ho 95% aza ny kalitaom-bokatra. Nilatsaka hatrany amin’ny 64% ihany koa ny fanondranana Nikela nataon’i Madagasikara nandritra io vanim-potoana io, izany hoe, nihena 38,4% ny habetsaky ny entana naondrana ary nihena 41,6% ihany ny vidin’
izany. Toy izay ihany koa ho an’ny vokatra Kobalta, nihena 24% ny vokatra naondrana na dia nitombo 7,9% aza ny habetsaky ny vokatra noho ny fihenan’ny vidiny hatrany amin’ ny 29,5%. Nihena 11,2% iha­ny koa ny vokatra naondran’ireo orinasa afaka haba noho ny fidinana ho 9,5% ny vokatra naondrana sy ny vidiny manodidina ny 1,8%.

Sarotra
«Nahitana fihenana 15,5% ihany koa ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona», hoy hatrany ny BFM. Voasokajy ao avokoa ireo vokatra isan-kazarany, ankoatra ny sehatry ny angovo izay nahitam-piakarana 42,5%. Niantraika eo amin’ny filana andavanandron’ny mponina izany. Nanamafy ny BFM fa nihena 38,5% ny fanafarana natao amin’ny sakafo raha nihena 30,9% izany ho an’ny akora fototra. Fantatra fa nilatsaka 18,8% ny fanafarana ho an’ireo kojakoja samihafa ra­ha manodidina ny 16,2% ho an’ireo vokatra fampiasa amin’ ny sakafo. Nihena 3,3% ihany koa ny fanafarana entana avy amin’ireo orinasa afaka haba.

Henintsoa H.

Catégories: National

Elles sont là, elles y vivent

Les Nouvelles - ven, 05/10/2024 - 18:05

Chassée pour la consommation, la perte de son habitat, la chauve-souris frugivore Pteropus Rufus se réfugie et s’epanouie dans le site d’Ambohikely

 

Catégories: National

TEASER Ambatongrazaka 3

Les Nouvelles - ven, 05/10/2024 - 10:06

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry: hampiroboroboina ny angovo azo havaozina

Les Nouvelles - ven, 05/10/2024 - 10:02

Ao anatin’ny ezaka fanatsarana sy fitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo firenena sy fikambanana avy any ivelany ny fitondram-panjakana. Mihatsara ary mitombo hatrany ireo firenena sy fikambanana miara-miasa amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra maro.

Tontosa omaly, tao Abu Dhabi, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Re­pob­lika, Rajoelina Andry, sy ny talen’ny Agence internationale pour les enérgies re­nouvelables (Irena), Fran­ces­co La Camera. Noresahin’ny roa tonta, tamin’izany, ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny mety ho fiaraha-miasa manoloana izany. Nandritra izany ihany koa no nanehoan’ny filohan’ny Repoblika ny fahavononan’ny fanjakana malagasy hiroso amin’ny fampiasana azy ity sy ny paikady manoloana izany. Tanjon’i Madagasikara ny hampitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra amin’ny fampiasana io angovo madio io. Eo ihany koa ny famatsiana herinaratra sy ha­zavana ho an’ny 75% ny to­kantrano malagasy, hatramin’ny taona 2030.

Fikambanana iraisam-pirenena natokana ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Irena. Izy io ihany koa no sehatra lehibe ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena momba ny izany. Mahafantatra ny maha zava-dehibe ny firosoana amin’izany fampiasana ny angovo azo havaozina izany ny filohan’ny Repoblika ho fampandehanana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ny filoha Rajoelina Andry. Na­neho ny fahafaham-pony ary vonona ny hiroso amin’ny fa­natontosana ny fiaraha-miasa, eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ihany koa ny talen’ny Irena, tetsy ankilan’izay.

Lin

Catégories: National

Lay Far – “Maman Olga Rajoelina” : “Aoka tsy ho diso famindra isika mpanohana”

Les Nouvelles - ven, 05/10/2024 - 10:02

Nanao fanambarana ma­noloana ny raharam-pirenena ny eo anivon’ny Lay fitiavana an’ny rehetra (Lay Far), miaraka amin’i Maman Olga Ra­joelina, ny talata teo, tetsy 67 ha. Nambaran’izy ireo fa misy ireo milaza ho ampian-tafika, tsy ampian-tafika. Ny akanga maro anefa tsy vakin’amboa, araka ny fanambarana. “Aoka isika tsy ho diso famindra ara-politika fa tsy hitondra soa ho an’ny fitondrana niaraha-nametraka izany”, hoy ny filoha nasionaly, Rakotoniaina Mamitiana. Nanteriny fa sarotiny amin’izao fitondrana izao izy ireo ka adidy no atao ho fanomezan-kasina ny safidim-bahoaka nametraka ny filoha Rajoelina Andry eo amin’ny fitondrana.”Hamafisinay fa fikambanana avy amin’ny va­hoaka ary miaraka amin’ny vahoaka izahay. Tsy mivadi-belirano amin’ny fanohanana ny filoha sy vonona hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsindriny fa adidy ny manao ny hampamarin-toerana ny fitondrana amin’ny alalan’ny fahazoana maro anisa eny amin’ny An­tenimiera. Nohitsiny fa tsy vitan’ny fizahozahoana eo amin’ny antoko politika na fikambanana samihafa izany, araka ny nambarany. “Ilaina ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa anaty fifanajana sy fifandeferana mba tsy hanome vahana ny mpifanandrina, miketrika maro anisa eny Tsimbazaza koa”, hoy ihany izy. Ho tonga amin’ny fanakorontanana sy fanonganana izany ary tsy hahavanona ny politika ankapoben’ny fanjakana, araka ny nambarany

Synèse R.

Catégories: National

Pages