SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara
amin’izany ny Akion’i Madagasikara.

Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety. Fifanina­nana hotontosaina any Arivonimamo Itasy, ny 23 hatramin’ny 31 aogositra izao.

Hifarana anio amin’ny 6 ora hariva ny fisora­tana anarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs. Fifaninanana hotanterahina ny 24 hatramin’ny 29 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.

Mbola baraingo ny fandehanan’ny ekipa mala­gasy, taranja volley-ball, sokajy U16, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Tonizia, ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao. Mbola tsy fantatra mazava ny lafiny ara-bola ka mampanahy ny fandraisan’i Madagasikara anjara.

Catégories: National

Rugby – “Top 8 Mada” : Hifandona ny TFA sy ny TFMA

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Lalao famaranana kely ny an’ny roa tonta satria adin’ny samy kartie. Samy manana ny fahaiza-manaony ireto ekipa ireto ary samy manana mpilalao tanora sy matanjaka. Ho resy, araka izany, izay ratsy fanomanana sy tsy manana taktika hoentina miatrika izany.
Ankoatra izay, hifanandrina ny samy manjakaray dia ny FTM (Dakar) sy ny Mang’Arts. Manatombo eo amin’ny trai­kefa sy ny fahazarana lalao goavana ny FTM, saingy tsy vitan’izay io fa ny eo ambony kianja ihany no hilaza azy. Ny Cosfa (Bebaoty) kosa hifanandrina amin’ny 3FB Fahasalamana. Hanala vela ny ekipan’ny minisitera amin’ity. Ny Tam Anosibe kosa hifanazava amin’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra).

Tompondaka

Catégories: National

Fonjamby-Tompondakan’i Afrika: Nandrombaka medaly 17 ny Malagasy

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Fahombiazana indray ny an’ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 no azon’i Madagasikara.

Taranja mampamiratra ny Malagasy hatramin’izay ny fibatana fonjamby. Mbola noporofoin’ny Mala­gasy atltela izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 be izao no noraofin’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity. Na­hitana medaly volamena 6, volafotsy 9 ary alimo 2. Ani­san’ny nisongadina Rakoto­noely Tendry Mahay, izay na­hazo medaly 6 ka volamena ny 1 ary volafotsy ny 5. Teo ihany koa Andriamitantsoa Tiavina Fabia sy Onjatiana Herman, izay samy nahazo medaly volamena 2 sy volafotsy 1 avy. Mbola namiratra ihany koa Randriamparany Chai­nah, izay nahazo medaly volamena 1 sy volafotsy 2. Randri­amifidisoa Miranto, nahazo medaly alimo 2. Tsiahivina fa atleta vao misondrotra avokoa ireto nisolotena an’i Mada­gasikara tany Ghana ireto. Efa hita taratra sahady fa manana hoavy mamiratra izy ireo.

Nankasitrahin’ny WFA ny filoha Randriamanarivo Harinelina

Ankoatra ny vokatra tsara azon’ny Malagasy atleta, na­hazo fankasitrahana avy amin’ ny WFA na ny Kaonfederasio­nina afrikanin’ny taranja fibatana fonjamby ihany koa ny filohan’ny federasionina mala­gasy, Randriamanarivo Hari­nelina Jean Alex. Notolorana “Honorariat” izy ny 17 aogositra lasa teo ho fankasitrahana ny zava-bitany amin’ny fampiroboroboana sy fampivoarana ity taranja ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Hetsika tao Ambositra : Notsiahivina ny kolontsaina « Volambetohaka »

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:43

Tontosa ny 14 ka hatramin’ ny 17 aogositra lasa teo ny fan­kalazana ny « Volambetohaka 2025 ». Notsiahivina tao ana­tin’ny telo andro tamin’izany io kolontsainan’ny Betsileo avaratra ao anatin’ny faritr’Amo­ron’i Mania io. Anisan’ny nandray anjara ireo distrika miisa efatra, ahitana an’Ambositra, Fandriana, Ambatofinandra­hana ary Manandriana. Na­nampy izany ny avy any Imady Ala.
Maherin’ny 1 600 ireo mpizaika nankalaza ity « Volam­be­tohaka 2025 » ity. Anisan’ny natao tamin’izany ny Tsiman­drimandry, diabe, dihy, fampisehoana taozavatra, velatsihy, zarahena, tsidika ny rovan’ Am­bositra. Manampy izany ny dinidinika ho amin’ny fampandrosoana. Miisa valo ireo omby novonoina avy amin’ny ankolafy maro ka niarahan’ny mpizaika nihinana nandritra ny fotoana. “Tratra ny tanjona dia ny hampahalalana ny ko­lontsain’ny ao amin’ny faritr’ Amoron’i Mania”, hoy ireo nan­daha-teny. Fanamby lehibe ta­fita ho an’ny governora, Ra­ko­tomandimby Désiré, sy ny pré­fet ao Ambositra, Raza­zaroa­nabavy Felanirina, anisan’ny kaomity mpanomana, izany.
Nodinihina ny hampiva­diana ny kolontsaina sy ny asa tanana hizorana any amin’ny fandrosoan’Amoron’i Mania. Hikatroka hamoaka drafitra fampandrosoana ny fizahan­tany sy ny asa tanana izy ireo.

Synèse R.

Catégories: National

L’Etat tient l’autoroute

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:21

Lentement et assurément, le projet autoroute Antana­narivo-Toamasina avance à son rythme, et arrivera certainement à sa destination finale. Il n’y a aucun doute à ce sujet. La voie est toute tracée, le cap est maintenu et les travaux se poursuivent jusqu’à leur achèvement total, selon l’Etat malgache. Construire une autoroute longue de plus de 350 km, ne se fait pas en quelques mois. Et l’inauguration du premier tronçon de 8 km n’est qu’un bon début, manifestant dans ce sens la volonté de l’Etat malgache d’aller jusqu’au bout de ce qu’il entreprend, parfois contre vents et marrées, à l’exemple du projet téléphérique.
Autrement dit, les autorités malgaches ne comptent pas s’arrêter en si bon chemin, au vu des enjeux économiques liés à ce projet d’envergure, pour le développement et la croissance, l’attractivité des territoires et la compétitivité des régions. Des impacts positifs prometteurs que certains refusent d’admettre, ne voyant que le mauvais côté des choses. Une telle infrastructure est un levier essentiel pour soutenir la croissance, avec des retombées économiques inclu­sives.
Ce premier tronçon n’est qu’une étape dans la trajec­toire. Certes, la route est encore longue, mais avec le soutien financier des partenaires qui commencent à se manifester, les chantiers vont atteindre leur vitesse de croisière, au grand dam des détracteurs. Pas plus tard qu’hier, la Banque arabe de développement économique en Afrique (Badea), a consacré 80 millions de dollars à ce projet d’autoroute. Dans ce registre, le Fonds de développement d’Abu Dhabi a déjà injecté 60 millions de dollars. A cette allure, ce soutien des partenaires devrait ouvrir la voie à d’autres financements complémentaires car aux yeux des partenaires, l’Etat malgache tient la route.

J.R

Catégories: National

Grand synode à Taolagnaro: le pasteur Zaka A. prend les rênes de la FJKM

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:21

Le pasteur Zaka Harimasy Andriamampianina, est le 6e président élu de la FJKM, après Titus Rasendrahasina, Joseph Ramambasoa, Edmond Razafimahefa, Lala Rasendrahasina et Ammi Irako Andriamahazosoa. Il a obtenu la majorité des suffrages exprimés, c’est-à-dite 2/3 des voix, à l’issue de l’élection d’hier à Taolagnaro., dans le cadre du XXe Grand Synode de la FJKM.

Nouveau mandat, nouveau président. Au terme du processus électoral en deux étapes, le pasteur Zaka Harimasy Andriamampianina, est élu président du Bureau central de l’Eglise de Jésus-Christ à Madagascar (FJKM), pour un mandat de cinq ans (2025-2029), succédant ainsi au pasteur Ammi Irako Andri­amahazosoa. L’annonce a été faite par la branche de la communication de la FJKM, sur sa page officielle.
Dès le départ, le pasteur Zaka Harimasy Andria­mam­pianina, a été donné grandissime favori, parmi les autres prétendants à ce poste. Sans surprise, dès le premier tour de votes, il a été élu en tant que membre du «Mpiandraikitra foibe» (MF) regroupant 150 responsables dont des pasteurs, des laïcs, des enseignants et des représentants des synodes provinciaux. L’une des con­ditions requises pour faire parties des grands électeurs et être éli­gible à la prési­dence de la FJKM.
D’autres pasteurs briguant le poste du président de la FJKM, ont également été élus parmi les responsables du bureau central, an­nonçant une élection serrée. Mais après avoir obtenu la majorité des voix à l’issue de cette première étape, la suite n’a été qu’une formalité pour le pasteur Zaka Andriamam­pianina, qui sans coup férir, a raflé la majorité des votes. C’est-à-dire deux tiers des voix exprimées, tant lors de la désignation initiale par les MF que lors du vote final du Grand Synode, qui réunit
au moins 75% des électeurs habilités.
Le nouveau président de la FJKM, n’est pas un in­connu au sein de la confession. Avant son élection, Zaka Andriamampianina a déjà occupé le poste de vice-président. Mais, il a été surtout connu pour ses prises de position critique envers le régime actuel, notamment lors de son sermon, durant un culte au Coliseum Antson­jombe en 2023.
Le président du synode, Saina Rabevita, a rassuré les fidèles quant à la transparence et à la régularité du processus électoral. Il a souligné que toutes les étapes se sont déroulées conformément aux règlements de l’Eglise.
L’élection des autres membres du bureau central s’est poursuivie tard dans la nuit, selon les participants. Ce XXe Grand Synode marque ainsi un tournant stratégique et spirituel pour l’Eglise, en renouvelant ses dirigeants tout en renforçant sa gouvernance interne.

N.A

Catégories: National

Rakotomanana Richardson : «Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika»

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:20

Aiza ho aiza ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson: “Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao?
Rakotomanana Richardson (-): Hararaotin’ny olona ao anatin’ny hoe miaina amina demokrasia liberaly, ny fahafahan’ny tsirairay, ny maha laïka ny fanjakana, ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy… Heverin’ny olona fa mahazo manao izay tiany hatao izy, na hiteny ratsy, na hanely tsaho, na hanakorontana… Tsia. Na miaina ny demokrasia sy fahafahana ary ny zon’olombelona aza, misy lalàna hatrany mifehy izay lazaina sy atao. Misy famaizana izay mihoa-pefy. Indraindray, na very tondro lalana na tsy fantatra izay tena mifehy fa tsy baranahiny na goragora ny hoe demokrasia sy ny fahafahana. Rehefa atao any amin’ny tsy izy izany, lasa fikorontanana. Raha mikorontana ny firenena, tsy mampandroso izany…
* Ary ny fomba fanaovana politika?
– Amin’ny maha firaisamonina sivily anay, fito eo ny vondron’olona ao anatin’ny firenena iray: firaisamonina politika, firaisamonina ekonomika, firaisamonina mediatika, firaisamonina sivily, firaisamonina miaramila, firaisamonina ara-pinoana, firaisamonina sendikaly. Manabe ny vahoaka na ny mpikambana ao aminy ho tia tanindrazana no tokony hataon’ny mpanao politika rehetra. Tiana handroso ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana, fa tsy hoe fakana seza etsy sy eroa na enti-manohitra sy mankahala. Izay fampandrosoana rehetra ho an’ny tanindrazana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany: fanamorana ny fiharian-karena, fandriampahalemana, famatsiana jiro sy rano… Amin’izao, lasa fifankahalana ny fanaovana politika, fanoherana bontolo, fitiavana na fankahalana olona iray… Tsy miditra amin’izany ny CSCPM. Mila samy manao izay tandrify azy ny firaisamonina politika, sivily, fivavahana… Izay hampandrosoana ny tany sy ny olona ny fanaovana politika.

* Ny fijerinao ny fanoherana amin’izany?
- Manahirankirana… Hita ny fomba fanoheran-dry An­dria­manjato Richard sy i Herizo Razafimahaleo, ohatra: foto-kevitra sy ny fomba fitantanan’ny mpitondra no tsikeraina. Ny ankehitriny, fanoherana bontolo: tsy mety avokoa izay rehetra ataon’ny mpitondra hoe tsy laharam-pahamehana sy tsy mety. Marina ny tenin’ny filohan’ny Repoblika hoe manahirana ny fanoherana: mipetraka ianao, maninona raha mitsangana; mitsangana ianao, maninona raha mipetraka? Tokony ho ideolojia tsy mitovy ny fanoherana: sosialisma na kapitalisma, liberalisma na kominisma… Ny fanoherana misy, miendrika fankahalana na valifaty politika. Na ny firaisamonina sivily sasany aza, lasa ampitabatabain’ny mpanohitra. Tsy izay no izy. Elanelam-panahy ny firaisamonina sivily: manampy vahoaka sady ma­nampy ny sampandraharaham-panjakana. Mikapoka ny vahoaka izay tsy mandoa hetra na mangalatra na tsy tan-dalàna, sns, mikapoka ny sampandraharaham-panjakana izay manao kolikoly na manampatra fahefana, sns.

* Maninona ny tsy manana ideolojia ny ankamaroan’ny antoko politika?
– Vao niditra tamin’ny de­mokrasia liberaly hatramin’ny tolona 1991, tsy nisy intsony ny adihevitra ideolojika fa lasa ady seza sy fifanenjehana politika: manongana; rehefa tsy ma­haongana, mitady fiaraha-mi­tantana na Tetezamita. Tsy firy no miteny hoe sosialista ny antoko amin’izao, na liberaly, na demokraty, na repoblikanina… Amin’izao, vondrona politika roa ihany no tena ironan’ny saim-bahoaka. Mahatonga ny olona mirona any amin’ny mahaleo tena na tsy miankina, mahay maka ny fon’ny olona amin’ny hoe tsy te ho ratsy amin’ny andaniny sy ny ankilany ry zareo. Indraindray, manana toetra mihatsaravelatsihy kely izay ny Malagasy: tsy tena te ho any amin’ny mpanohitra, tsy tena te ho any amin’ny mpitondra. Izay eo anelanelany no arahin’ny olona.
Tsy marina loatra ny hoe maro anisa mangina, fa olona tsy te hisahirana amin’ny raharaham-pirenena no misy. Toy ny hoe tsy mandoa hetra fa tsy mahatsapa ny tokony hanaovana izany rehefa manana tany na trano, manana fitadiavam-bola… Tsy maintsy mandoa hetra rehefa mivelona ao anatin’ny firenena. Tsy manana kolontsaina politika ny ankamaroan’ny olona. Tsy misy fanerena, ohatra, ny fifidianana, dia tsy mifidy ny sasany.

* Inona no hanarenana an’izany rehetra izany?
– Ny fanaovana serasera matanjaka… Fifandraisana ho amin’ny fanovana ny fitondran-tena sy ny toe-tsaina. Mila tena beazina ny vahoaka: atao izay hampiroborobo ny fiharin-karena raha mihary, hatsaraina ny fampianarana raha mampianatra, aza manampatra fahefana na manao kolikoly na mampijaly vahoaka raha mpiasam-panjakana na mpitondra fanjakana izay natao hanompo vahoaka… Manabe ny olom-pirenena rehetra ho amin’izany ny CSCPM. Miainga amin’ny tsirairay ny fampandrosoana: ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, isam-pianakaviana… Miitatra amin’ny fiarahamonina izany, ny fokontany, ny kaominina; distrika…
Tsy maintsy amin’ny fanabeazana olom-pirenena ary fanentanana sy fanetsehana vahoaka no enti-mampandroso ny firenena. Amin’ny fanovana toe-tsaian sy toe-po, fitondran-tena, fomba amam-panao… Anisan’ny tokony hio­va ao anatin’izay ny fanaovana politika. Tsy fanohanana an-jambany (fanatisme) na fankahalana ny fanaovana politika, fa fananana ideolojia sy vina ary asa mazava be mifanaraka amin’izay. Tsy mpanao politika ny firaisamonina sivily, fa mitady izay fomba rehetra hanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny fihariana, fandriampahalemana, sosialy, tontolo iainana… Raha izay no politika, politika amin’ny maha olom-pirenena no ataon’ny firaisamonina sivily. Politika fampandrosoana izany, fa tsy politika politisianina hiady seza.

Nangonin’i R. Nd.

 

Catégories: National

Ticad any Yokohama: Hampita ny vinan’ny Filoha ny Praiminisitra

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:19

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, any Yokohama Japon, ny andiany fahasivy eo amin’ny fihaonamben’i Afrika ho amin’ny fampandrosoana (Ticad), iarahana amin-dry zareo Japoney. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina ka misolo tena ny filohan’ny Repoblika any an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo delegasionina tarihiny. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana mampita ny vina sy tetikasa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny firenena apetraky ny filoha Rajoelina Andry. Mba hahafahana manatanteraka izany miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny orinasa tsy miankina, ho an’ny fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara rahateo ity fihaonambe ity.

Synèse R.

Catégories: National

Fahaiza-mitantana: Nohamafisina ny mangarahara eny anivon’ny kaominina

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:19

Niompana amin’ny fahaiza-mitantana eny ifotony ny atrikasa notarihin’ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niarahana amin’ireo mpamatsy vola ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Nandray anjara amin’ny atrikasa ny avy amin’ny faritra Atsimo Andrefa­na sy Anosy ary Androy tao anatin’ny efatra andro. Tafi­ditra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa ho famaliana ny hetahetan’ny mponina amin’ ireo kaominina miisa 133 amin’­ireo faritra ireo izany. Iarahana amin’ny tetikasa « Mionjo », vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, amin’ny alalan’ny Fid. Nisitraka ny fampiofanana ireo mpitantana eny ifotony, ahitana ireo ben’ny Tanàna sy ny mpitambo­lan’ny kaominina ary ireo misahana ny fampandrosoana ny eny ifotony (ADL) avy amin’ ireo kaominina miisa 27. Ao anatin’ny distrikan’i Morombe sy ny avy any Ankazoabo Atsimo ary koa ny avy any Beroroha izy ireo.
Nambaran’ny avy amin’ny MFFT fa tanjona amin’izao atrikasa izao ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny kaominina. Eo koa ny fisorohana ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanana ary nanazavana ny andraikitry ny tsirairay amin’ny eny ifotony.

Mamaly ny filan’ny olom-pirenena eny ifotony

Anisan’ny iompanan’ny tetikasa “Mionjo” rahateo ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony sy ny fampiroboroboana ny fahaiza-mitantana ho amin’ny fandraisana andraikitra ary koa ny fametrahana ny fotodrafitrasa mamaly ny filan’ny mponina.
Anisan’ny nitarika izany ny eo anivon’ny minisitera (MFFT) sy ny FDL. Eo koa ny avy amin’ny Bianco sy ny eo anivon’ny Tendrom­pitsarana miady amin’ny kolikoly. Ny avy amin’ ny mpisaforaharaham-panjakana (IGE), ny fitsarana momba ny kaonty ary ireo solontenam-panjakana.

Synèse R.

Catégories: National

Pages