S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 56 min 56 sec

Fitantanana baolina kitra : Manentana ny mpomba azy hidina an-dalambe ny mpilalao zokiny

ven, 10/31/2025 - 07:53

“ Mitohy ny tolona”, hoy ireo mpilalao efatra mirahalahy an’ny Barea zokiny: i Abel Anicet, Bolida, Faneva Ima ary i Voavy Paulin, afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera.

“Mitohy ny ady!”. Ha­nentana ny olona hidina an-dalambe ireo mpilalao Barea fahiny: i Faneva Ima, Bolida, Anicet Abel, Voavy Paulin, rahampitso, eny Mahamasina. Antony iray tena hijoroan’izy ireo ny hanovana ny fomba fitantanan’ireo lehibe eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny filazan’izy efatra mirahalahy, maro loatra ny zavatra hita tsy mety anivon’ity rafitra federaly misahana ny baolina kitra ity. Ohatra noraisin’izy ireo amin’izany ny tsy fandoavana ny volan’ny mpitsara sy ny mpilalao, ny herisetra misy, ny fitantanana tsy mangarahara.
“ Tsy mitohy ny fifaninanana divizionina faharoa nasionaly, satria mitokona ny mpitsara, fa efa fito volana ry zareo tsy nandray tambin-karama”, hoy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha. Nanamafy an’io hevitra io moa i Bolida, ary milaza fa betsaka loatra ireo fampanantenana paokaty nataon’ny federasionina.
“Mbola tsy voaloan’ny FMF ny volan’ireo mpanohana ny fifanintsanana ao Mada­gasikara. Tsy mbola nisy na­hazo ny tambin-karama ho an’ireo vehivavy mpilalao Ba­rea, nandritra ny Can Futsal sy ny Cosafa teo ireny”, hoy i Bolida. Nametra-panontaniana azy efatra mirahalahy mihitsy ny tsy fivoaran’ny baolina kitra, sokajy vehivavy. “Nankaiza ny vola hanampiana ny baolina kitra, sokajy ve­hivavy, nefa ny Fifa efa nanokana vola misimisy hanohanana io sokajy io, ary anisan’ireo mahazo izany i Mada­ga­si­kara.”, raha ny fanambarana.
Voaresaka nandritra ity tafatafa mivantana natao tao anaty facebook ity ihany koa ny tale teknika nasionaly (DTN), Rasoanaivo Rado. Nambaran-dry zalahy fa voageja amin’ny asany angamba izy ka mangataka azy haneho hevitra momba izany.

“Herisetra sy fanavakavahana …”
Miantso ny federasionina ireo zoky mpilalao nandrafitra ny Barea ireo mba hanatsahatra ny herisetra mianjady amin’ny mpanazatra sy ny mpilalao ary ny mpitsara. “Hi­tan­tsika anaty video avokoa ny herisetra mahazo ny mpitsara sy ny mpilalao ary ny mpanazatra ireny. Mangataka anareo izahay atsaharo ny herisetra fa ataovy mangarahara ny fitantanana”. Io ny nambaran’i Faneva Ima.
Etsy ankilany, i Abel Anicet milaza fa mbola misy ny fanavakavahana amin’ny tambin-karama raisin’ny mpilalao avy eto an-toerana sy ireo mpilaravinahitra. Tsy mbola naneho ny heviny mahakasika izao hetsika hataon’izy efatra mirahalahy izao moa ny FMF, izay rafitra mahaleo tena eo anivon’ny Fifa.

Fitia Randria

Catégories: National

Tana Water Front: Hiverina hisokatra ny Cinépax

ven, 10/31/2025 - 07:52

 

Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika anaty efitrano! Niarina tamin’ny fahavoazany ny Cinépax Madagascar etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Hiverina handefa sarimihetsika, manomboka anio. Tsy mbola toa ny teo aloha, saingy efa vaovao mahafaly ny fisokafan’ireo efitrano fijerena sarimihetsika roa, izay efa nandramana ny alarobia lasa teo. Naverina nalefa ny sarimihetsika « The Conjuring: L’heure du jugement » sy ilay sarimiaina « Demon Slayer: La Forteresse infinie », nitsapana izany. Avy hatrany dia hisy sarimihetsika vaovao kosa anatin’ny fandaharam-potoana manomboka anio, toa ny « A Big Bold Beautiful Journey », « Tron: Ares », « Gabby et la Maison magique – Le film » ary ny « Chainsaw Man – Le film: L’arc de Reze ».
« Ny tolakandro ihany aloha no handefasana ny sarimihetsika, fa tsy mbola misy ny alina. Mandeha tsikelikely mihitsy, kanefa tsy misy fiovana ny vidim-pidirana », hoy ny tomponandraikitry ny Cinépax.
Tsiahivina fa anisan’ireo nidiran-doza, niharan’ny fandrobana sy fanimbana, ny 25 septambra teo, ny Cinépax, toa ireo rehetra tao amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Samy anatin’ny ezaka fanarenana avokoa ireo orinasa sy magazay ao amin’ity toerana ity, izay irariana ho tafarina sy ho tsara kokoa no ho ny teo aloha.

Zo ny Aina

Catégories: National

Tsipy kanetibe – «Mada sénior»: Hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika izay voalohany

jeu, 10/30/2025 - 07:47

Hotanterahina eny Maiba­hoaka Ivato, ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao, ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy Senior, lehilahy, olon-telo miaraka. Fifaninanana karakarain’ny federation sport-boule malagasy (FSBM). Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanam-pirenena ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny 22 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, izay voalohany eo. Tsiahivina fa ireo mpilalao manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany.
Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana ho an’ny sokajy vehivavy sy ny zandriny ary ny Vétérans. Hahazo lelavola 1 tapitrisa Ar ny ekipa ho tompondaka amin’ireo sokajy telo ireo, raha 500 000 Ar ny faharoa ary 250 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Mandra-piandry izany, fantatra fa ho tonga eto an-tanindrazana, amin’ny sabotsy ho avy izao, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny ho tompondaka maneran-tany sokajy Junior. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, ary medaly volafotsy ny olon-telo miaraka, lahy sy vavy.
Ankoatra izay, miarahaba an’Andriamampiadana Mahe­fa, minisitry ny Paositra, ny tontolon’ny tsipy kanetibe. Mpilalao ity taranja ity ary efa tompondaka maneran-tany mantsy ingahy minisitra.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 10/30/2025 - 07:47

Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana.

Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du monde Fia Karting Arrive and Drive”, Rajomarison Matheo. Fifaninanana hatao any Kuala Lumpur, ny 14 hatramin’ny 16 novambra ho avy izao. Hifaninana amin’ny sokajy Junior ny tovolahy izay vao 12 taona amin’ity.

Hotanterahina ny sabotsy 1 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Federal 2”, taranja rugby. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany: ny XV Avenir hifanehitra amin’ny RCSA, ny AFA hifandona amin’ny FTam. US Ikopa hifampitana amin’ny FTBA ary ny Rosa kosa hikatroka amin’ny 3FAI.

Catégories: National

Karate : Atleta 450 hifanintsana any Antsirabe

jeu, 10/30/2025 - 07:46

Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, an’olon-tokana, taranja Karate do, ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary ny Senior. Atleta miisa 450 mianadahy, avy amin’ny ligy 20, no hifanandrina amin’izany.
Amin’ity fifanintsanana nasionaly ity, hisy ny fihetsika mirindra “kata” sy ny fifanandrinana mivantana “kumité”. Araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Karate do (FMK), izay tarihin’ny filoha Ratefinanahary Emile, manasa manokana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, ho tonga hanokatra sy hanotrona ny hetsika izy ireo. Notsiahiviny fa zava-dehibe tokoa ny fanatrehan’ny minisitra ny fifaninanana nasionaly tahaka izao.
Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny FMK fa manana atleta valo, solontenan’i Afrika, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, i Madagasikara. Anisan’izany ny sokajy Sénior, izay tontosaina any Egypta, ny 27-30 novambra ho avy io. Eo ihany koa ny an’ny Cadet sy Junior, izay hatao any Venise, Italie, ny 3-7 desambra.

Fitia Randria

Catégories: National

minisitry ny fantanjahantena: Hanohy ny fanatsarana ireo fotodra­fitrasa

jeu, 10/30/2025 - 07:46

Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré.

«Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vaovao, Rasa­mbany Alain Désiré, natao tetsy Ankorondrano, omaly. Nilaza ny minisitra mandray ny toerana fa ho tohizana ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny Kianja Barea Mahamasina.
Ho ezahina hatao izay hahazoan’ity kianja ity fankatoavana avy amin’ny Caf. Hisy ny komity manokana hajoro hiarahan’ny minisitera sy ny Federasionina misalahy mba hijerena ny lafy rehetra tokony hatao, hanatsarana io kianja io. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy hapetraka ny Politika nasionalin’ny fanatanjahantena, ary hampiana ihany koa ny federasionina tsirairay, mba hahafahana ma­natsara ny lentan’ireo atleta malagasy.
« Hapetraka eto Mada­gasikara ny Politika nasionalin’ny fanatanjahantena, ary hoentina hankatoavina amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra izany, afaka herinandro vitsy. Hatsangana ny kaomisionina ho an’ny filankevim-pirenena ho an’ny tanora mba hahafahan’izy ireo miditra ao anatin’izany sehatra fampivoarana ny firenena izany” , hoy ny minisitra Rasambany Alain Désiré.
Nomarihin’ny minisitra fa manomboka eto dia tokony hisaraka tsara ny andraikitry ny minisitera sy ny federasionina, izany hoe, tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny federasionina mihitsy ny minisitera fa mijanona ho mpanampy sy mpanome soso-kevitra fotsiny ihany.
Tonga nanatrika ny lanonana, omaly, ny filohan’ny Federasionin’ny rugby, karate, tolona, hazakazaka am-bisikleta, ny atletisma, ny lalao Echecs ary ny Kung Fu.

Fitia Randria

Catégories: National

Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Nampiaka-peo ny mpirakidraharaha

jeu, 10/30/2025 - 07:45

Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana iza­ny. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina iza­ny. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony Toamasina, ny talata maraina, tetsy anoloan’ny Lapan’ny fitsarana. Manoloa­na izany rehetra izany, miantso ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana mahefa manoloana ny herisetra mianjady amin’ ireo mpirakidraharaha tato ho ato izay tonga hatramin’ny fanafihana mahery vaika any an-tokantrano arahina fampiasana fitaovam-piadiana izy ireo. “Tsy ekena intsony ny tsy fandriampahalemana, mandraisa andraikitra ianareo nomena fahefana amin’izany fampandriana fa­halemana ny tanàna izany”, hoy hatrany izy ireo. Raha hiverenana dia niharan’ny fanafihan-jiolahy misaron-tava ny lehiben’ny mpirakidraharaha “greffier en chef” eo anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 23 oktobra lasa teo ary naratra mafy. Very tamin’izany ny solosaina sy finday avo lenta miisa efatra tao an-tokantranony, ao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy.

Sajo

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 29 10 2025 )

mer, 10/29/2025 - 07:51

Catégories: National

Rugby – “XXL Top 12” : Hanohitra ny FTM ny 3FB Fahasalamana

mer, 10/29/2025 - 07:48

Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manja­ka­ray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta, tsy mbola nandresy an-dry zareo Dakar ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tao anatin’ny 5 taona izay. Eto izany no hiezaka hanala vela ny 3FB. Heverin’ny rehetra nefa fa mbola hipetraka ny lojika amin’ity. Efa manantombo amin’ny fahazaran-dalao mantsy ny ekipan’i Manja­karay, na ao anatin’ny fanamboarana ireo mpilalaony koa aza izy ireo, amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny 3FB izay mbola manazatra ireo mpilalao vao nantsoiny hanatevina azy ireo.
Etsy ankilany, hifandona ny US Cheminots (Besetroka) sy ny TFA Anatihazo (Pilo­kely). Fihaonana hiendrika famarananakely ihany koa ny an’ny roa tonta. Raha ara-taratasy aloha, mihoatra ny zava-bitan’ny Besetroka ry zareo Pilokely. Na izany aza, hiezaka handavo ity ekipa malaza ho mafy ity ry zareo Cheminots. Mialoha io, hifampitana amin’ny Cosfa (Beba­oty) ny Mang’Arts Manjakaray. Hanokatra ny lalao rehetra ny andro voalohany eo amin’ny D1, vehivavy, hifanandrinan’ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mer, 10/29/2025 - 07:47

Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany.

Raha ny vaovao navoakan’ny pejy ofisialin’ny CFFA Andoharanofotsy, omaly, tsy raikitra indray ilay lalao ara-pirahalahiana izay hikatrohan’izy ireo amin’ny ekipa voafantin’i Boeny sy ny mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny. Notsiahivin’izy ireo fa mifanindry amin’ilay fifanintsanana diviziona nasionaly ity lalao ity ka izao naverina izao indray.

Araka ny fikarohana natao omaly, hanangana kianja eny amin’ny avo eny, i Arabia Saodita mba hahafahana mandray ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taona 2034. Tsiahivina fa efa manana vina ambony ny hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra any aminy, ry zareo saodianina, ary miezaka maka ireo mpilalao kalaza. Efa mifanintsana any an-toerana moa ry Christiano Ronaldo, Coman, Mané, Benzema.

Catégories: National

Barea Chan : Nilamina ny resaka « Prize Money »

mer, 10/29/2025 - 07:47

Tsy niandry an’ilay 72 ora akory, nandray andraikitra ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Araka ny tapaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano, izay nataon’ny Barea Chan sy ny mpitantana ny FMF, tetsy Isoraka, afakomaly, nanapa-kevitra ny Federasionina, izay tarihin’ny filohany, Randriamanampisoa Alfred, fa hanefa ilay vola ambininy an’ny Barea Chan.
Nahomby ny dinika ho an’ny roa tonta ary nisy ny marimaritra iraisana, araka ny loharanom-baovao iray voaray avy eo anivon’ny Barea Chan. Nilaza mihitsy ity mpilalao ity fa tena nahafa-po azy ireo ny fihaonana ary nanaiky ny handoa ny vola izay notakin’ny mpilalao ny federasionina.
Nanamafy ity mpilalao ity fa tsy nisy ny tsindry na fanerena ankolaka tamin’ity resaka ity, nizotra tsara araka ny nandrasan’ny mpilalao Barea sy ny Staff izany. « Naharitra ora roa teo ny dinika, nifampitondra toy ny ray aman-dreny sy zanaka izahay », hoy ny mpilalao iray izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Raha ny fanampim-panazavana azo, nisy ny taratasy fanekena nifanaovana sonia teo amin’ny Barea Chan sy ny federasionina.

Fitia Randria

Catégories: National

Fitantanana ny fanatanjahantena ; Adidy maro no miandry ny minisitra Rasambany Alain Désiré

mer, 10/29/2025 - 07:47

Roa volana ihany no hitsarana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao anatin’ny governemanta vaovao. Andraikitra maro sy azo lazaina ho mazana ny miandry azy amin’izany.

“Arahabaina eh! Na­hazo minisitra”. Voa­tendry hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Ra­sambany Alain Désiré. Izy indray izany no hisolo ny toeran’i Moustapha Abdulah Mar­son. Raha ny vaovao voaray omaly, efa nianatra manokana momba ny fitantanana ny minisitra Rasambany Alain Dé­siré, ary manana fifandraisana iraisam-pirenena avo lenta. Maro ny andraikitra mi­andry azy izay tsy maintsy tanterahiny mandritra ny fe-potoana hiasany.
Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny famerenana ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina. Efa ela no tsy nandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena io kianja io. Ampahafantarina ihany fa fanatanjahantena ny baolina kitra ka rariny sy hitsiny raha voakasika amin’izany ny mpitantana ny MJS vaovao.
Tsy izany ihany fa hiandraiketany ihany koa ny fanelanelanana mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’i Co­ren­tin Martins, mpanazatra ny Barea. Raha tsiahivina, ny fanjakana no mandoa ny antsasa-karaman’ity Frantsay tek­nisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy ity. Ho­sahanin’ity minisitra ity ihany koa ny resaka fandrindrana ara-bola momba ny fanampiana ireo federasionina maherin’ny 40 misy eto Mada­ga­sikara.

Mila mametraka ny maha matihanina

Ny tena andrasan’ny atleta amin’ity minisitra vaovao ity dia ny hametraka ny maha matihanina ho an’ny mpisehatra fanatanjahantena rehetra eto Madagasikara. Ity farany izay efa nangatahin’ny atleta maro tamin’ny fitondrana teo aloha, saingy tsy nisy valiny hatramin’izao.

Fitia Randria

Catégories: National

Fanonganana ny FMF : Tsy manaiky ny AJEA sy ny Anciennes Gloires

mar, 10/28/2025 - 07:26

Tapitra anio ny 72 ora, fe-potoana farany nomen’i Boli­da, Faneva Ima, Abel Anicet, Voavy Paulin, mpilalao fahiny tao amin’ny Barea (Les 4 mousquetaires an’ny baolina kitra malagasy) ny tomponandraikitry ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny hanomezana ny ambim-bolan’ireo mpilalaon’ny Barea (Prize money), niatrika ny Chan 2024 no anton’izany. Filazana nataon’izy ireo tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izay, mangataka ireo rehetra manana ny antontan-kevitra rehetra amin’ny tsy fahalavorarian’ny fitantanana eo anivon’ity rafitra misahana ny baolina kitra malagasy ity izy ireo ho avoaka ho fantatry ny maro. Nanambara ireo 4 mousquetaires fa hanao ampamoaka ary efa nampitandrina fatratra ny federasionina tsy hanao kitoatoa. Manoloana izany, nitsangana ary namaly avy hatrany, omaly alatsinainy, ireo mpilalao fahiny tao anaty ekipam-pirenena “Anciennes Gloires” sy ny fikambanan’ny mpanazatra tanora (AJEA) fa tsy manaiky ny fanakorontanana ny baolina kitra malagasy ary hijoro hiaro ny fikasana handrava ny Federasionina malagasy, amin’izao fotoana izao. “Raha misy olana, tongava aty Madagasikara miresaka fa tsy anaty tambajotran-tserasera no mitabataba. Misy raiamandreny ato afaka hifanakalozan-kevitra fa aza ny mpilalao no simbaina”, hoy izy ireo.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 10/28/2025 - 07:25

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 6 sy 7 ary ny 22 sy 23 desambra ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny « Kids Game One ». Fifaninanana basikety ho an’olon-telo, sokajy U8 sy U10 ary ho an’olona dimy, sokajy U12 izy ity. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana ho an’ny vonjy aina ho an’ny ankizy, ny mpanazatra ary ny mpijery.

Taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe Junior, natao tany Espagne, ny alahady lasa teo. Namoaka ny filaharan’ireo firenena ny Federasionina iraisam-pirenena ka voalohany amin’ireo firenena 29 nandray anjara, i Madagasikara, nahazo isa 65. Faharoa, Italie, manana isa 52 ary fahatelo, Thaïlande, isa 36.

Vonona hampiantrano ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Senior, lahy sy vavy, ny ligim-paritra Atsinanana. Fihaonana hotanterahina ny 30 oktobra ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao. Handray anjara amin’izany avokoa ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny federasionina. Hiatrika ny CCCOI izay ekipa roa tafakatra amin’ny famaranana.

Catégories: National

Baolina kitra any Algerie : Nisongadina i Lalaina

mar, 10/28/2025 - 07:25

Nivoaka ho mpandresy ny Paradou AC, ekipa ilalaovan’i Lalaina, Malagasy mpilalao baolina kitra, nandritra ny andro faha-9 hiadina ny ho tompondakan’i Algerie, D1. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mostaganem. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao Paradou Stadium. Baolina tokana matin’i Mohamed Abdelkader, teo amin’ny minitra faha-71. Nahazo isa 3 izany ny Paradou AC. Mpilalao tompon-toerana ary nilalao nandritra ny 90 mn i Lalaina. Nisongadina tanteraka ny tovolahy teo afovoan’ny kianja, nandrindra ny fanafihan’ny Paradou AC ary azo lazaina fa avokavoka sy fo namelona ity ekipa hilalaovany ity. Voalazan’ny mpanao gazety any an-toerana fa hainy ny nanaja sy nanaraka ny toro-hevitry ny mpanazatrany, nandritra ny fihaonana.
Na teo aza ity vokatra azon’izy ireo ity, mbola mitana ny laharana faha-15 amin’ny 16 ny Paradou AC. Lalao manaraka ho azy ireo ny fifandonana amin’ny USM Khenchela, laharana faha-9, ny 3 novambra ho avy izao. Fihaonana sarotra. Nefa raha ny zava-bitan’ny ekipan’i Lalaina amin’izao, hananany fanantenana hanaovana dingana iray indray.

Tompondaka

Catégories: National

Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao

mar, 10/28/2025 - 07:25

Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy.

Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo He­rintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay hisolo ny toeran’i Moustapha Abdulah Marson, minisitra teo aloha.
Maro ny andraikitra miandry izay ho voatendry eo, ka mipetraka ny fanontaniana hoe : “Ho vitany ve?”. Ani­san’ny lehibe indrindra amin’izany ny famerenana ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina. Efa ela tokoa no tsy nandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena io kianja io. Fanatanjahantena moa ny baolina kitra ka rariny sy hitsiny raha voakasika amin’izany ny mpitantana ny MJS vaovao.
Tsy izany ihany fa hiandraiketany ihany koa ny fanelanelanana mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’i Co­rentin Martins, mpanazatra Barea. Raha tsiahivina, ny fanjakana no mandoa ny atsasa-karaman’ity Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy ity. Hosahanin’ilay minisitra ho avy eo ihany koa ny resaka fandrindrana ara-bola mahakasika ny fanampiana ireo federasionina maherin’ny 40 misy eto Madagasikara.
Andrasana ihany koa, raha hametraka ilay resaka maha matihanina ny atleta rehetra eto Madagasikara ny tenany. Ity farany izay efa nangatahin’ny atleta maro tamin’ny fitondrana teo aloha.

Tsara ny zava-bita …

Tsara ny mampahafantatra fa nitondra akony tsara ho an’ny fanatanjahantena ny minisitra teo aloha, Moustapha Abdulah Marson. Izy no angady sy vy nahitana ka nahazoan’ny ekipa nasionaly Barea A mpanazatra vaovao. Nanokatra ny varavarana ho an’ireo taranja maro nisy teto Madagasikara ny tenany. Saika nahazo fanampiana ara-bola avokoa ireo atleta niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny fitantanany.

F.R

Catégories: National

Jirama: Hihamafy ny fitokonana

mar, 10/28/2025 - 07:24

Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Man­ga­taka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy ireo masoivoho mbola misokatra sy manohy ny asany mba hiantohana ny fitohizan’ny tolotra ho an’ny mpanjifa, toy ny eny amin’ny foiben’ny orinasa eny Am­bohijatovo Ambony, ny etsy Ambatonakanga ary Soa­nierana. Toy izany koa ireo mpiasa ara-teknika eo anivon’ny orinasa izay miantoka ny fikojakojana ireo milina sy fitaovana samihafa.
Tsiahivina fa nanome 72 ora ny tale jeneralin’ny Jirama ny sendikàn’ny mpiasa mba hialany. Nandrahona ny hanidy ny biraony miaraka amin’ny vadintany ihany koa ny mpiasa amin’ity herinandro ity raha toa ka tsy mametra-pialana izy. Ankilany, niezaka nandamina ny toe-draharaha i Ron Weiss tao amin’ny pejy facebook Jirama, ny faran’ny herinandro teo. Niantso fitoniana sady naneho ny fahavononany hanohy ny fanavaozana enti-manatsara ny orinasa ny tenany.

Henintsoa

Catégories: National

Sakafo ara-pahasalamana : Manana ny lanjany eo amin’ny vatan’olombelona ny manga

lun, 10/27/2025 - 08:11

Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany.

Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa tonga amin’ny vanim-potoanany. Voalohany, manan-karena otrikaina ny manga. Misy ao aminy ny vitamina A, izay tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny maso. Ao koa ny vitamina C izay manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Misy ihany koa ny « antioxydants » maro toy ny « bêta-carotène » izay manampy amin’ny fiarovana ny sela amin’ny fahanterana aloha loatra sy ny aretina. Rehefa mihinana manga tsy tapaka ny olona dia manampy amin’ny fisorohana aretina maro toy ny gripa, sery, ary manatsara ny hoditra sy ny volo. Faharoa, ny manga dia manampy amin’ny fandevonan-kanina. Misy “enzymes” manokana ao aminy izay manampy amin’ny fanapotehana ny sakafo ao anaty tsinay ka manamora ny fandevonan-kanina sy manala ny fivontosana na ny aretin-kibo ateraky ny sakafo mafy. Izany no mahatonga azy ho voankazo tsara hohanina rehefa avy misakafo. Faha­telo, manampy amin’ny fanadiovana ny vatana izy. Mam­pandeha tsara ny rafi-pisefoana sy ny lalan-dra satria misy fibre sy rano be ao anatiny. Rehefa mihinana manga tsy tapaka ianao dia manampy amin’ny fanesorana loto sy poizina amin’ny vatana izany ka manampy amin’ny fikojakojana lanja ara-dalàna sy ny fahasalaman’ny aty.
Amin’ny lafiny hafa, tsy voatery hohanina ho voankazo vaovao ihany ny manga.
Azo atao ranom-boankazo, mofo na confiture ary amin’ny toerana sasany aza dia ampiasaina amin’ny sakafo matsiro toy ny lasary sy saosy ny manga. Midika izany fa manana fampiasana maro ny manga, ary mahasoa amin’ny lafiny ara-toekarena, satria azo amidy amin’ny endriny maro samihafa.
Toekarena ambanivohitra

Tsy tokony hadinoina koa ny anjara toeran’ny manga amin’ny toekarena ambanivohitra. Maro amin’ireo tantsaha no miankina amin’ny fambolena manga ho loharanom-bola. Rehefa tonga ny fotoam-pamokarana, manampy amin’ny fidiram-bola sy fampandrosoana ny tokantrano izany.
Eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany, ny vokatra manga dia mety hoentina manondrana any ivelany ka manampy amin’ny fampidiram-bola ho an’ny firenena. Farany, ny manga dia tsy voankazo fotsiny fa fampahatsiahivana ny fahasalaman’ny natiora sy ny hasarobidin’ny fambolena maharitra.
Amin’ny fihinanana voankazo toy ny manga kosa dia mampitombo ny fahazarana ara-pahasalamana sy manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany, satria voankazo tsy mitaky fanafody simika be dia be izy raha ambolena araka ny tokony ho izy. Raha fintinina, ny manga dia manan-danja amin’ny lafiny fahasalamana, sakafo, toekarena ary fikarakarana ny tontolo iainana.

Tsy tsara hanina be loatra ny manga

Tsara ny mampiroborobo ny fambolena sy ny fihinanana azy eto Madagasikara. Satria raha mihinana manga isan’andro isika dia tsy vitan’ny hoe mihinana matsiro fa miaro ny fahasalamantsika sy manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa.

Na dia maro aza ny soa azo avy amin’ny voankazo, toy ny fanomezany otrikaina sy ny fanatsarana ny fahasalamana, manana voka-dratsy haterany ihany koa izany rehefa mihinana tafahoatra loatra na amin’ilay fotoana tsy mahamety azy. Ny fihinanana manga be loatra dia mety hiteraka fivontosana na aretin-kibo. Ny manga manta na tsy masaka tsara dia mety hiteraka fanaintainanny kibo sy fivalanana.
Raha mihinana be loatra ihany koa ahina hampiakatra ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra, ka tsy tsara ho an’ny olona voan’ny diabeta.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 10/27/2025 - 08:10

Hisehatra any Brooklyn, New York, i Soa Ratsifandrihana. Haneho ilay soradihy « Fampitaha, fampita, fampitana » izy, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao, mandritra ny « Powerhouse International Festival ». Mifototra amin’ny soradihy mazava loatra, saingy miharo mozika miaraka amin’ilay mpitendry gitara, Joël Rabesolo izany. Niaharan’izy ireo niasa rahateo tamin’ireo mpanao soradihy Audrey Merilus sy Stanley Oliver ity vokatra ity izay efa nentina tany Bruxelles, Paris, Avignon, Orléans, Genève, sns. Lalana misokatra ho an’ity mpanakanto mpanao soradihy ity ny hetsika

Nisy vondrona mpilalao sy mpisehatra amin’ny sarimihetsika naneho ny tsy fankatoavan’izy ireo intsony ny rafi-pitantanana mandray an-tanana azy. Ny ivontoeran’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara na ISSM mantsy, hatreto, no rafitra ara-panjakana mifehy ny tontolon’ny horonantsary sy ny sarimihetsika. Mitana ny fanovana rafitra sy ny fialan’ny mpitantana ankehitriny ireo vondrona mpisehatra sy mpilalao ireo. Ny saobtsy teo no nanome 72 ora mba hialan’ny talen’ny ISSM izy ireo.

Nifamory tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina ireo mpanakanto, mpanao mozika. Tsy tena marobe, saingy nahasolo ny faritany enina ny sokajin-taona sy ny sokajin-kanto kosa ireo tonga. Ny mpanakanto Rolf no anisan’ny tompon-kevitra tamin’ny fiantsoana fivoariana, izay namakiana bantsilana ireo tsy mety rehetra hilam-panovana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Maro ny tsoa-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriana, izay harafitra ho hetahetan’ny mpanakanto ka hampiakarina amin’ny sehatra ambonimbony kokoa. Ao anatin’izany ny masontsivana amin’izay minisitra tokony hisahana ny kolontsaina ary koa ny hangatahin’izy ireo hahaleo tena.

Catégories: National

« Tolo-tanana ho an’i Kolibera »: Naneho firaisankina ny samy mpanakanto

lun, 10/27/2025 - 08:08

Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Am­bohi­trimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia tsy tena midadasika aza ny toerana. Mpanakanto maro, mpitendry sy mpihira no tazana nifanaretsaka, izay nifandimby teny an-tsehatra avy eo. Tsy tena nisy fandaharam-potoana no­manina mialoha fa tonga daholo nentin-kafanampo ha­nao adidy araka izay tandrify azy ho fanampiana ity raiamandreny ity, na ny mpanakanto na ny mpankafy mozika.
Sao misy latsaka raha hotanisaina fa saika ireo nandray fahalalana, nanovo traikefa ary nandranto ny tendry gitara sy ny Bagasy tamin’i Kolibera dia teo avokoa. Tsy mpitendry ihany fa teo koa ireo mpihira, izay efa niara-niasa taminy. Naverina ireo sanganasan-dRakoly, nanomboka tany amin’ny Rakoto­zanany Stanislas, nandalo ny Kalaza, ny Feo Gasy, ka ha­tramin’ireo novelomin’ny tarika Kolibera. Nafana vetivety ny fiarahana, nentanin’ny fitiavana narahin’adidy. Hany ka nalai-nisaraka indray ny rehetra rehefa nody ny masoandro.
Raha ny vaovao nozaraina, efa miroso amin’ny fahasalamana ka manohy ny fitsaboana any an-tranony i Ko­libera. Mbola haharitra kanefa kosa mandroso tsara izany. Mety mbola hisy, araka izany, ny hetsika manaraka hanaovana tolo-tanana ho an’ity andrarezin’ny tendry gitara sy isan’ireo zokiny indrindra amin’izany ity.

Zo ny Aina

Catégories: National

Pages