S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 20 min

Karate-Afrika: Nanomboka omaly ny fampivondronana

mar, 03/18/2025 - 09:38

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny fampivondronana ireo atleta malagasy, hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. 33 mianadahy, mpikatroka mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo, ireo miatrika fampivondronana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefina­nahary Emile. Araka izany, haharitra hatramin’ny fiandohan’ny volana jona izao ny kotrana sy fanazaran-tena ataon’ireto atleta ireto ary hizara 3 ny fandaharam-potoanan’izy ireo amn’izany. Intelo isan’andro no anaovana izay fanazaran-tena izay, ka amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany maraina, ny tapany voalohany (Kianjan’Alarobia), mitohy amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora atoandro (Gymnase Ankoay). Ny hariva kosa amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ ny 7 ora sy sasany (Gymnase Ankoay).
Ho an’ireo any amin’ ny faritra, eny amin’ny renivohi-paritany izy ireo no mivondrona ary misy ny fiarahana amin’ny avy eto Antananarivo amin’ny ampahan’ny fampivondronana hatrehan’izy ireo, hahafahana mampitovy tantana ny lentan’ny mpikatroka tsirairay. Ny fiandohan’ny volana jona no hanaovana ny fitsapana ireo mpikatroka ka hamoahana ny lisitra faran’izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria. Tsy manenjika isa ny federasionina fa izay miankina amin’ny teknika ny isan’ny mpikatroka malagasy, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FKM. Maminavina ny handefa atleta 20 mianadahy kosa ny federasionina.
Eo amin’ny hoenti-manana kosa, miaraka mifarimbona ny FKM, ny MJS, ny mpanohana, ny ray aman-dreny ary ny ligy.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 03/18/2025 - 09:38

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Invictador Jiu Jitsu Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Klioba maro no nandray anjara ka nahazo ny anaram-boninahitra betsaka sy voahosotra ho mendrika indrindra ny Checkmat, manaraka azy ny Southside ary ny fahatelo ny Guerreros.

Nahavita ny fiadiana ny tompondakany avy ny ligin’Atsinanana sy ny ligin’Itasy, taranja Bodybuilding, ny faran’ny herinandro teo. Ny 29 marsa izao kosa no hanatanterahana ny Big Mada, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hatramin’ ny 20 marsa izao ny fara-fandraisana ny anaran’ireo handray anjara amin’izany.

Handeha mivantana amin’ny fahitalavitra TVM ny lalao hifandonan’ny Barea amin’ny Centrafrique sy Ghana, izay hatao any Maraoka, ny alarobia 19 marsa (7 ora hariva) sy alatsinainy 24 marsa (10 ora sy sasany alina). Lalao tafiditra anatin’ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026.

Raikitra ny fifaninanana “Morengy Iarivo”, karakarain’ny Poezy Company sy Boite Noire, izay hatao ny 6 avrily izao, eny amin’ny Kianjan’ny kanto. Mpiangaly morengy kalaza maro no hifampitady amin’io fotoana io, ka anisan’izany ny ady eo amin’i Armand, avy amin’ny Boite Noire sy i Balack Canon, avy amin’ny Scorpion Noir Nosy Be. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana.

Catégories: National

Cross-country – Mada 2025: Tompondaka i Soja sy i Marie

mar, 03/18/2025 - 09:38

Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy amin’ny 3FB Analamanga, tompondaka farany. Nionona tamin’ny laharana faharoa ny tovovavy. 36 mn 29 s ny fotoana vitany. Fahatelo, Ravoniarisoa Chantal, Cam Itasy, nahatontosa ny hazakazany tao anatin’ny 36 mn 53 s.
Ho an’ny lehilahy, voalohany i Soja Valabe, atletan’ny Assaff Anosy. 30 mn 10 s ny fe-potoana namitany ny halavirana. Tara 1 segondra taoriany, Ratsiorisoa Alain, avy amin’ny Cam Itasy. Niady hatramin’ny farany ny hazakazaka teo amin’izy mirahalahy. Fahatelo, Rakotonirina Jean Claude, atletan’ny Crown Vakinankaratra, 30 mn 20 s. Nahatratra 209 mianadahy mianaka ireo nandray anjara. Tsy nandefa solontena ny ligin’Atsinanana sy Bongolava ary Diana.

Tompondaka

Catégories: National

Tsipy kanetibe: Lasan’ny ekipan’ny UBM ny vola 2 tapitrisa Ariary

mar, 03/18/2025 - 09:38

Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara.

Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitri­man­jaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny fifaninanana nanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2025, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana nokarakain’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), notanterahina teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny sabotsy sy alahady lasa teo.
Adin’ny samy UBM ny famaranana. Resin-dry Rija, tamin’ny isa 13 no ho 11, ry Donald sy Onja ary Zakabe. Nahitana endri-dalao mahafinaritra sady teknika ambony teo amin’ireo mpilalao na dia efa mifankahalala sy mifankazatra aza no nihaona. Mari­hina fa nahatafita ekipa telo niatrika ny manasa-dalana ity klioba UBM ity.
Ho an’ny vehivavy, lasan’ny ekipan’ny SBA, nahitana an’i Judicael sy i Hasina ary i Rindra ny laharana voalohany, rehefa nandavo an’i Ando, Angela, Tahina avy amin’ny C2BA. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy ireo satria nisaraka tamin’ny isa tery, 13 no ho 12.
Ny ekipan’ny CBP indray no tompondaka teo amin’ny Jeunes, nisy an’i Nantenaina sy Tsiry ary i Ricka. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 5 ry Clarito, Tsoa, Andry mpilalaon’ny C2BA.
Nanarina io faharesena indroa miantoana io kosa ity ekipan’i Vakinankaratra ity, teo amin’ny sokajy vétérans”. Lasan’i Dadah sy i Papasolo ary i Dezy ny 750 000 Ar sy ny medaly. Niondrika teo anatrehan-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 6, ny ekipan’ny CAI, nisy an’i Dô, Patrick, Zôzô.
Nahatratra 187 ireo mpifaninana teo amin’ny Senior, lehilahy, raha 30 ny vehivavy. Nisy 29 ny sokajy Jeunes ary 46 ireo zokiolona vétérans.

Tompondaka

Catégories: National

Raboanaritompo Jessica Soary : Manana tanjona hitarika ny vehivavy hitia fanatanjahantena

mar, 03/18/2025 - 09:37

Nanaovana fanadihadiana mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina ilay mpikatroka karate, Jes­sica Soary. Manana fanamby goavana ny tenany ary hiezaka hatrany izy hanatratra izany.

Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo amin’ny firenena Raboanaritompo Jessica Soa­ry, Malagasy vehivavy mpikatroka karate. Manana tanjona goavana ny hampivelatra sy hanentana ireo vehivavy hitia fanatanjahantena ny tenany amin’izao fotoana izao.
“Ho ahy, ny vehivavy dia manana ny hery sy ny fahavitrihana hiatrika ny zava-misy rehetra”, hoy i Jessica Soary. Nomarihiny fa tsy mifidy sa­rangan’olona izany, na renim-pianakaviana izy, na mpandraharaha, na atleta. Na inona na inona andraikiny sy ny asany eo anivon’ny fiarahamonina.
Nambarany fa manana tanjaka sy fahaiza-manao tsy manampaharoa ny vehivavy.
Maro nefa ny tsindry sy ny ambana mahazo azy ireny. “Indrisy, mbola betsaka ny sakana sedrainy amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny resaka fanatanjahantena. Izany no naharisika ahy hanohana ny Malagasy vehivavy, mba hahatsapan’izy ireo fa afaka mivelatra sy mivoatra amin’izay sehatra rehetra tiany hidirany ry zareo. Tsy misy ny fetra ho an’ny vehivavy mahery”, hevitr’ity Mala­gasy vehivavy ity.

Fahafahana mitovy

Matetika miteraka olana hatrany eo anivon’ny fiarahamonina ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahakasika izay lohahevitra iray izay, naneho ny heviny i Jessica Soary, fa tokony hitovy ny fahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy. « Tsy midika akory izany fa mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra. » Raha fehezina, tokony tsy hisy mihitsy ny resaka miralenta eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, toekarena, ary indrindra ny fanatanjahantena.

Sazy henjana !

Mbola tsy lefy eto Madagasikara ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ao anatin’izany ny resaka fanolanana sy ny vono sy ny daroka. Raha ny fahitan’i Jessica ny zava-misy, tokony hampiharana sazy henjana ireo lehilahy manao fihetsika mahery sy tia mikasi-tanana tovovavy. Raha ny soso-kevitra nomeny, tokony hogadraina sy handoa onitra, amin’ny sahaza azy, izy ireny satria tranga tsy azo leferina mihitsy ny mampiseho hery mihoatra ny tokony ho izy amin’ireo andriambavilanitra.
Ankoatra izay, ilaina koa ny fanabeazana sy ny fampianarana izany eny ifotony mba hampiova ny toe-tsain’ny tsirairay ka hampitsahatra tanteraka ny herisetra.

Efa nahazo medaly maro i Jessica

Tsara ny mampahafantatra fa Raboanaritompo Jes­sica Soary, atleta vehivavy mpikatroka taranja karate, sokajy -68 kg. 19 taona izy ankehitriny, ary efa manana ny lanjany sy ny lazany amin’ity taranja ity. Efa tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanana “Ambassador’s Cup International 2019”. Ankoatra izay, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny lalao isan-tarika ihany koa izy ny 2019, ny 2020. Indroa voalohany tamin’ny lalaon’ny tsirairay sy isan-tarika ihany koa, tamin’ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notontosaina teto Madagasikara. Farany, nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fifaninanam-pirenena, teo amin’ny sokajin-dalao, tsirairay sy ny isan-tarika ihany koa ny tenany, ny 2023 lasa teo ihany.
Ankoatra ny taranja karate, manao “musculation” sy “crossfit” ity vehivavy ity. Nomarihiny fa tsy najanony velively ny taranja karate, fa mbola manohy izany sy miatrika fanazarantena ny tenany ary ny fifaninanana farany teo ihany no tsy natrehiny.
“Matokisa tena fa mahavita ianao! Aza avela hisy hisakana anao, na inona, na inona! Matanjaka sy mendrika ianao”, hoy ny hafatra avy amin’i Jessica Soary.

Nanatontosa :
Fitia Randria

Catégories: National

« Viavy Film Festival »: Handrisihina ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika

lun, 03/17/2025 - 07:49

Nahitam-pahombiazana ny andiany voalohany. Efa miditra amin’ny andiany faharoa kosa izao ny « Viavy Film Festival ». Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 28 marsa izao izany, ao amin’ny Cinépax Madagascar. Araka ny anarany, natao hanasongadinana ny sarimihetsika vokarin’ireo vehivavy ny hetsika. Handrisi­ha­na ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, izay efa maro no milomano ao anatin’
ny sehatra amin’izao fotoana izao. Efa tany amin’ny volanja janoary no nasaina handefa ny sanganasany ireo vehivavy mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika. Vitsivitsy no voarain’ny komity mpikarakara hifaninana amin’ity, raha oharina tamin’ny andiany voalohany. Ampy handrisika ireo mpanoratra sy mpanatontosa kosa anefa ireo tantara voaray, satria efa nahazoana traikefa tamin’ny andiany voalohany. Izay tantara mandresy lahatra indrindra ny mpitsara dia horaisin’ny komity mpikarakara ny “Viavy Film Festival” ny fanatontosana azy. Hisy tantsoroka ihany koa ho an’ny mpanatontosa, mba hampisy kalitao ny vokatra.
Mazava loatra fa hatao tanjon’ny hetsika ny hanehoana hoe mahavita ny sarimihe­tsika misy kalitao ireo vehivavy mpanatontosa ireo. Mba tsy ho any amin’ny filalaovana, fampiakanjoana, fanamboarana ny taovolo, sns, fotsiny ny andraikitry ny vehivavy anatin’ny sarimihetsika. Hiara-dalana amin’ny hetsika ny fizarana traikefa anatina atrikasa vitsivitsy, mahakasika ny fanatontosana, ny fandraisam-peo, sns, anaty sarimihetsika.

Zo ny Aina

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

lun, 03/17/2025 - 07:49

Hizara ny traikefany i Anjara Rakotoza­fiarison. “Ahoana nyhitondrana ny anjara biriky amin’ny maha mpitendry zavamaneno?” Anisan’ny hovoaboasan’ity mpitendry gitara ity izany, anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny CGM Analakely. Natao ho an’ireo efa mpitendry matihanina na tsia na mbola mpianatra mozika aza, ny fifanakalozana. Fotoana iresahana ny asa manodidina ny mozika rahateo io.
Naverin’ireo ankizy sy tanora taizan’ny ONG Bel avenir ny “Waka Waka”. Ilay hiram-pandresena nampalaza an’i Shakira izy ity, izay nindramin’izy ireo hampiasaina amin’ireo fanentanana isan-karazany, andraisan’ny Bel Avenir anjara. Anisan’ny nampiasa ny zavakanto ho fitaovana amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy izy ireo.
Nisongadina ny literatiora malagasy, nandritra ny hetsika ho an’ny boky afrikanina, tany Paris, ny faran’ny herinandro teo. Nisolo tena ireo mpanoratra ma­lagasy nanatrika izany i Michèle Rakotoson, Johary Ravaloson ary Jean-Luc Raharimanana. Nanasonga­dina sy nanome voninahitra an-dRabearivelo izy ireo nandritra izany.
Niteraka resabe ilay mpanakanto namalan-kira, nandritra ny fifaninana “Smatch’in” teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nitondra fanazavana izy, fa noho ny tsy fahenoana ny “retour”, izany hoe, lafiny teknika, no nahatonga izany. Nana­hirana ihany satria teo ampovoan’ny kianja ireo mpanakanto no nihira. Soa fa navotan’ireo namany hafa, izay tsy nanana olana loatra izany.

Catégories: National

« THB Mifety » : Nafana ny fety roa andro

lun, 03/17/2025 - 07:49

Fararanon-danonana ny teny Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Na dia antomotra aza vao fantatra ny fisian’ny hetsika, rakotra mpifety ny « THB Mifety » tao amin’ny Santilo, nanomboka ny zoma hatramin’ny sabotsy teo. Mazava loatra fa noho ny fisian’ireo mpanakanto nanafana ny sehatra no antony voalohany. I Samöela no nanokatra izany ny zoma. Avy hatrany dia nasesin’ity mpanakanto ity ireo hirany mazala sady mihetsika, ka nampiakatra ny hafanan’ireo mpijery. Notohizany tamin’ireo somary milamindamina izany ny tapany faharoa, izay niarahan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery niredona avokoa.
Natao ho an’ireo tanora kokoa ny sabotsy. I Raouto no efa nambara voalohany fa hanafana ny fotoana rehefa harivariva. Ny atoandro anefa, dia efa feno avokoa ireo toerana nomanin’ny mpikarakara. Mbola tsy nampoizina, niaka-tsehatra nanokatra ny fotoana i Cky Cky. Niakatra vetivety ny hafanana, izay tody tamin’ny fara-tampony rehefa nanesy ireo hirany malaza amin’izao fotoana Raouto. Niandraikitra ny fanentanana toa ny mahazatra i Barhone.

Zo ny Aina

Catégories: National

« Ridô – Dévoiler les souvenirs »: Hampiranty etsy amin’ny IFM i Tsiriniaina Irimboahangy

lun, 03/17/2025 - 07:49

Zavakanto marolafy. Aingam-panahy sy karoka manokana, efa avy narantin’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy tany amin’ny Fondation H Paris, no harantiny indray etsy amin’ny IFM Analakely.

I Tsiriniaina Hajatiana Irim­boahangy no nahazo ny loka voalohany tamin’ny “Prix Paritana 2024”,andiany fahavalo. Anisan’ny loka azony nandritra izany ny fikotrehana zavakanto tao amin’ny Cité internationale des arts tany Paris, ny faramparan’ny taona 2024. Narahina ny fampirantiana voalohany tao amin’ny Fondation H any Paris izany, izay nitondrany ny tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs”. Efa fantatra tamin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana ihany koa fa hampiranty etsy amin’ny IFM Analakely ny nahazo ny voalohany, aorian’ny any Frantsa. Araka izany, hosokafana anio ny fampirantiana “Ridô – Dé­voiler les souvenirs”, entin’i Tsi­riniana Irimboahangy. Hi­sokatra ho an’ny besinimaro kosa izany manomboka ra­hampitso 18 marsa, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 avrily.
Tsy diso safidy ny mpitsara matoa ity tetikasan’i Tsi­ri­niaina Irimboahangy ity no na­songadina tao anatin’ny maro. Tetikasa maneho ny zavakanto marolafy, manasongadina ihany koa ny talenta maro ao anatin’ity mpahay kanto ity izany. Hainy ny na­nambatra ny zavakanto mahazatra ny maso amin’ireo maoderina ma­naraka ny teknolojia. Nivelatra sy feno kokoa, rehefa nampiasany “video”, ohatra. Tsy ny endrika hanehoana ny fampirantiana ihany no miavaka, fa indrindra koa ny votoatiny. Maneho ny karazan-tadidy mitambolina ao anatiny ny mpanakanto, na­voitrany amin’ ireo karazan-kanto nosafidiany mba ha­moaka ny lohahevitra. Mifo­totra kokoa amin’ny tantarany, saingy maneho ilay fototra maha Malagasy amin’ny anka­pobeny izany. Mama­ka any amin’ny nipoirana mi­hitsy, izay vao ifangaroan’ireo tadidy manokana, hampitain’
ny kanto.
Misongadina ao, ohatra, ny horonantsary kely, maneho ny renibeny nanome tsodrano azy nialoha ny nandehanany tany Frantsa. Izay endrika fisarahana izay, manelanelana ny lasa tsy hay hadinoana sy ny hoavy mbola tsy fantatra, kanefa ihany koa mamaritra ny ankehitriny no hampiainan’i Tsirinaina Irimboangy ny sanganasany. Ilay endriky ny lambam-baravarana, natao hanakona ny anaty efitra tsy ho hitan’ny maso miranga, ka­nefa koa natao ahitan’ny anatiny izay miseho any ivelany, dia manamafy izay hafatra ampitain’ny mpanakanto izay. Misy tantara mifanjohy amin’ireo karazan-kanto rehetra hanehoany izany, nanamarika vanim-potoana maro, izay misy ampahany betsaka tamin’ny fiainan’i Tsiriniaina Irim­boahangy. Mazava loatrafa tetikasa mitohy fa tsy mifarana, mivoatra manaraka ny fo­toana izy ity. Mitombo hatrany mantsy ny tadidy, ary manaraka izay koa ny aingam-panahy azo haseho maso sy henoin’ny sofina ary raisin’ny fanahy anatin’ity tetikasa “Ridô – Dé­voiler les souvenirs” ity. Anja­ran’ireo mpitsidika kosa no mandray ny hampitain’ny mpanakanto ao anatin’izany.

Zo ny Aina

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 03/17/2025 - 07:48

Simba ny lalana sasany ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro vokatry ny ora-mikija nisesy any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny fokontany Asokaky sy Betsioky, izay mampitaraina ny rehetra satria tapaka ny fifamoivoizana. Nijery ireo tany an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny 14 marsa teo, ary nambarany fa tsy maintsy karohina ny vahaolana, hanarenana haingana ny simba.
Nahatratra 1 668 ny mpizahatany miampy mpiasan’ny sambo miisa 896 tao anatin’ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nigadona tany Toamasina, ny talata 11 marsa teo. Nidina an-tanety ny 1 182 tamin’ireo mpandeha, nitsidika ny hakanton’i Toamasina ara-pizahantany. Anisan’izany ny fitsangatsanganana tamin’ny Lakandranon’i Pangalana, fandehanana fiara 4×4 hatrany amin’ny tanànan’i Ariane, nitety tanàna sy tsena, sns.
Miisa 23 ny mpiofana nahazo ny mari-pahalalana ho an’ny teknisianina ambony ara-pambolena (DTSA), tao amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, ny 3 marsa teo. Nisalotra ny anarana indray mihira hoe « Sandratra », ka vehivavy ny 7 amin’izy ireo. Naharitra roa taona ny fiofanana. Tanjona ny hampahaleo tena ny tanora mpandraharaha, hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra.

Catégories: National

Pages