S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 26 min 37 sec

Tenisy “WTA 250”: Norombahin’i Tiantsoa ny amboara

mar, 09/16/2025 - 07:24

Tontosa ny alahady lasa teo, tany Sao Paulo, Brésil, ny fiadiana ny “WTA 250”, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Norom­bahin’ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Rako­tomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah ny amboara tamin’izany. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4), ilay indonezianina, i Janice Tjen. Vao 19 taona monja i Tiantsoa izao nahazo vokatra voalohany amin’ny sehatra avo lenta izao, ary efa manakaiky ny Top 100, raha ny nambaran’ ireo manam-pahaizana any ivelany, taorian’ilay fandresena azony. Tsiahivina fa laharana 214 ny tovovavy, raha 130 ny mpifanandrina aminy.
Teraka tany Antsirabe i Tiantsoa, ary teo amin’ny fahenin-taonany no niala teto Madagasikara. Tsiahivina fa nandresy mpilalao meksikanina telo izy, nandritra ity “WTA 250” ity. Nanao dingan-dava i Tiantsoa satria miakatra eo amin’ny laha­rana faha-131, nanomboka omaly. Mpilalao mirahavavy ihany ao Frantsa no latsaky ny 20 taona nandrombaka fifaninanana tamin’ny “WTA 250”, dia i Dodin (2016) ary i Tiantsoa (2025).

Tompondaka

Catégories: National

Ravina raketa : Avadika ho hoditra sy ahazoana sakafo

lun, 09/15/2025 - 08:01

Mitondra tombontsoa maro ho an’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Nosy ny fanodinana ny vokatra raketa. Ahavitana hoditra sy ahazoana sakafo maro samihafa izany.

Manomboka mikaroka zava-baovao amin’ny alalan’ny akora misy eto Madagasikara ny tanora malagasy. Anisan’ny mahavita mamadika ny raketa ho lasa hoditra, na Cuire végétale, i Betina Bruno, mpianatra mpikaroka. Nanana nofinofy ha­mokatra zavatra amin’ny alalan’ny akora fototra misy eto an-toerana izy fony nianatra teny amin’ny polytechnique, tamin’ny taona 2022. Tsy maintsy tanterahina ny tetikasa vokarina ary io famadihana raketa io no nifotorany.
In-99 ny andrana natao nandritra ny enim-bolana. “Tsy natory andro aman’alina izay vao nahomby ny valin’ny fikarohana”, hoy i Betina Bruno. Tsy raketa ihany fa nampiasa akora hafa ihany koa izy nandritra ny fikarohana, toy ny vovoka kapoaka sy kesika. Nisy hatrany ny fanatsarana natao. Ankoatra ny fampiasana ravina raketa, nampiana vovoka kapoaka koa izy ireo mba hampaharitra sy hahamafy ny vokatra ary vovoka kesika mba hampalefaka ny hoditra azo avy eo. Naha­zoana ny hoditra ny fifampifangaroan’ireo akora ireo. An­koatra izay, hahavitana rano­m­boankazo, legioma, divay, « confiture » ary lafarinina iha­ny koa ny ravina raketa ampiasain’izy ireo.

Ahitana raketa ny etsy Ivato sy Diego ary any Atsimo
Ahitana raketa betsaka indrindra ny any amin’ny faritra atsimo iny. Verivery fotsiny izany any an-toerana, ankoatra ny fihinanan’ny olona any amin’ny tanin’ny kere azy. Nifantoka tamin’ny raketa ny voka-pikarohana rehefa hita ny olan’ny olona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. « Noheverina fa tsy misy nilaina azy ny raketa taloha fa manimba ny tany sy voly”, hoy ihany izy. Natao ny fikarohana ary anisan’ny toerana nahitana izany ihany koa ny etsy Ivato sy any Diego.
Etsy ankilany, natomboka ihany koa ny fambolena raketa amin’ny toerana hafa, mba tsy hionona amin’ireo vokatra ra­ke­ta any amin’ireo toerana ireo fotsiny. Ampitomboina ny akora mba hahafahana miatrika ny fanamby sy ny fanodinana ny vokatra.

Misokatra amin’ny lalam-barotra any ivelany
Mahavita hoditra 1m2 ny raketa milanja dimy kilao, raha ny nambarany hatrany. Ahi­tana vovoka kapoaka sy kesika, ny 10 %. Miara-miasa amin’ny laboratoara vitsivitsy izy ireo amin’ny famadihana ireo akora ireo.
Mbola trandrahin’ny orinasa amin’izao fotoana izao ny tsenambarotra any ivelany, noho ny fahakelezan’ny zavatra vitan’ny orinasa. Ny Nosy La Réunion sy France ary Canada no mbola betsaka manjifa ny vokatra, hatreto. Somary lafo ny zavatra vita ka tsy mbola takatry ny sara­mbaben’ny Malagasy. Rehefa mihodina tsara ny orinasa ka betsaka ny vokatra vao manomboka mitrandraka ny tsena eto an-toerana izy ireo.

 

Miteraka asa maro

Zava-dehibe ho an’ny any amin’iny faritra atsimo iny ity tetikasa ity, raha ny filazany. Miteraka famoronana asa ho an’ny mponina ny fitsanganan’ny orinasa hamboly raketa. Lasa miakatra an-tanàn-dehibe mitady asa mantsy ny olona ka miteraka tsy fandriampahalemana any an-toerana izany. Hisy loharanom-bola rehefa tafapetraka io orinasa io, izay hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina. Hahazo tombony avokoa ny tantsaha sy ny fanjakana satria tombanana ny fiakaran’ny vola miditra isan-tokantrano. Hisy ny fambolena raketa izay hataon’ny mponina ka hiteraka famoronana asa sy loharanom-bola ho an’ny tokantrano.
Mampiasa zavamaniry 100 % ny fanodinana sy famokarana hoditra ataony. Ny fanaovana izany, no nahazoana ny fankatoavana sy ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny asa fikarohana. Misy fitsapana maro atao amin’ny vokatra azo, toy ny fitsapana raha mateza sy mafy ary mihenjana na malefaka tsara izany. Ankoatra izay, mahazaka taratra sy ny hafanan’ny masoandro tsara ny hoditra mivoaka ka tsy atahorana hipoaka? Manampy izay, tsapaina koa raha mitsonika na tsia raha tratran’ny rano.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 09/15/2025 - 08:00

Hanomboka, afaka herinandro, ny fitaterana manokana ireo milina ho an’ny tobim-pamokarana herinaratra 105 W avy any Toamasina mankeny Ambo­himanambola. Efa vita ny asa nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy hanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voalaza fa mahazaka tsara ireo milina milanja 60 t sy 70 t ny iray, ireo tetezana ireo, raha 40 t ny fetran-danja zakany andavanandro.

Masomboly karazany 19 no natolotra ny tantsaha tany Mahajanga, ny 12 septambra teo. Masomboly vokatry ny fikarohan’ny Fofifa, toy ny katsaka, apemba, mangahazo, voanjo, lojy, antsoroko, mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nanohana ny hetsika ny tetikasa GIZ Prosol, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.

Natao ny 9 sy 10 septambra teo, teto Antananarivo, ny fiofanana ho an’ny mpiasan’ny ladoany. Izany dia niompana amin’ny ady amin’ny kolikoly, notohanan’ny Bianco sy ny Pnud. Tanjona ny hametrahana toe-tsaina madio sy mahitsy ary mandala ny mangaraharaha ho an’ny mpiasa. Hitohy any Toamasina ity fiofanana ity.

Catégories: National

Airtel Madagasikara : Tafapetraka ny VoLTE

lun, 09/15/2025 - 07:59

Mampiasa teknolojia vaovao ny orinasa Airtel Mada­gasikara. Ampiasaina voalohany eto amintsika ny fitaovana VoLTE (Voice over LTE), ampiasaina amin’ny fifampiresahana amin’ny finday. Ma­mpiavaka azy, azo atao ny mifampiresaka amin’ny finday, mazava tsara ny feo (HD), amin’ny alalan’ny tanjaka 4G. Na eo am-piresahana aza, azo atao ny manao zavatra hafa anaty finday, miditra anaty internet, nefa tsy mihena, tsy misy fiovana ny kalitao, ary tsy mitombo ny saran’ny fifandraisana.
Maro ny tombony azon’ny mpanjifa mampiasa ny VoLTE, miohatra amin’ny antso am­pia­sana 2G na 3G. Voalohany, tsara tokoa ny kalitaon’ny feo sy ny fifandraisan-davitra, na dia ao anaty tontolo mikorontana aza. Faharoa, malaky ny hafainganam-pandehan’ny antso, izay avo roa heny no ho ny tany aloha. Fahatelo, tsy mandany bateria, satria misy fitsitsiana manokana ny angovo. Fahefatra, azo atao ny miditra anaty internet, mandritra ny fifandraisana amin’ny antso fa tsy tapaka mihitsy.
Hita any anatin’ny findain’ny mpanjifa manana smartphone ny VoLTE, sy karatra SIM 4G ary amin’ny toerana misy tambajotra 4G. Ampi­dirina manokana kosa izy ho an’ny finday smartphone sasany. Nilaza ny tale jeneraly ny Airtel Madagasikara, Ca­thé­rine Tchokonté, fa « dingana vaovao hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, tolotra matanjaka, haingana ary misy fifandraisan-davitra tsy tapaka izao atao izao. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ho maoderina ny tambajotra sy ny kalitao ».

Njaka A.

Catégories: National

Tetikasa GAS : Hapetraka ny sekoly maitso

lun, 09/15/2025 - 07:59

Hatao sekoly filamatra ny CEG Nanisana. Natao sonia teny an-toerana, ny zoma 12 septambra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny fikambanana Green for Healthy of Madagascar (GHM). Mifantoka amin’ny fametrahana sekoly maitso ny fifanarahana, amin’ny alalan’ny tetikasa “Green Action School (GAS)”. Tanjona ny hananan’ny mpianatra toe-tsaina mikajy tontolo iainana. Nasongadin’ny minisitra Andonirina Max Fontaine, fa manana andraikitra tokoa ny tanora, ka izay no antony hanabeazana azy dieny izao. Haparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa, ny fanadiovana ny sekoly, ny fananganana zaridaina maitso. Eo koa ny fandraharahana maitso, ka hanavahana ny fako voajanahary, ho avadika zezika, ohatra. Hahodina ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray kosa ny fako plastika. Natolotra ho an’ny CEG Nanisana, nandritra ity fotoana ity, koa ny boky torolanana mahakasika izany fandraharahana maitso izany. Toy ny fampianarana manao zezika, ny fanamboarana saribao ekolojika, ny fitantanana ny fako, sns.

Njaka A.

Catégories: National

Toliara : Loabary an-dasy momba ny harena ambanin’ny tany

lun, 09/15/2025 - 07:59

Mitohy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana. Nifantohana ny fitantanana, ny fanabeazana ary ny fifanakalozam-baovao miteraka fampandrosoana.

Efa nisy ny loabary an-dasy mahakasika ny ha­rena ambanin’ny tany, na­taon’ny tetikasa Taratra, tany Benetse, kaominina Ankilimalinike, kaominina Be­la­landa, Ranobe ary Tsia­fanoka. Namolavola azy ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny Fivondronamben’ny Eve­ka eto Madagasikara. Nitohy tao Toliara izany, ny 5 septambra teo, niresahana ny mangarahara, ny tsara hitantanana ny harena an-kibon’ny tany, ny fanabeazana, ny fa­nomezam-baovao ny vahoaka, mba hiarovany ny tombontsoany. Nandray anjara tamin’ny fotoana ny avy amin’ny Fitan­tanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, ny Tonto­lo iainana, ny Fiarahamonim-pirenena, ny mpitandro filaminana ary indrindra ny vondron’ny fiarahamonina, sns.
Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa Taratra, Ralahy Emmanuel, fa « maro loatra ny feo mandeha, ny fitsarana ivelany, ny tsy fahafantarana ny tena marina, mahakasika ny tetikasa ambanin’ny tany aty an-toerana. Izany no nahatonga ny fikarakarana loabary an-dasy toy izao, hanomezam-baovao marina sy hanentanana ny mponina ny maha zava-dehibe sy ny tombontsoa entin’ny tetikasa samihafa ».

Efa nohavaozina ny lalàna
Maromaro ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana, toy ny labradorita, ny grafita, ny fasimainty, sns. Nampahafan­tarina ny zo sy ny adidy tsy maintsy arahina ho an’ny mpisehatra rehetra, toy ny orinasa, ny mponina ary ny Von­drom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD). Nohazavain’­ny talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Atsimo Andre­fana, Raonison Ria, fa « efa nohavaozina ny lalàna ny taona 2023, ary nivoaka ny taona 2024 ny didy fampiharana. Mila fantatry ny rehetra ny lalàna, mialoha ny hanehoana hevitra na hitsikerana. Izany no maha zava-dehibe ny fotoana tahaka izao ».
Notsorin’i Mananama, fa « mazava ny zava-drehetra. Tokony hitohy ny fotoana toy izao, mba ho fantatry ny tsirairay ny manodidina ny harena ambanin’ny tany ary misy ny fifanakalozam-baovao ho an’­ ny rehetra ».

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

ASTRONOME

sam, 09/13/2025 - 17:56

Catégories: National

13 septambra 2025

sam, 09/13/2025 - 08:16

Catégories: National

Tir en l’air du 13 septembre 2025

sam, 09/13/2025 - 08:16

Catégories: National

Championnat national de volleyball : faible représentativité régionale en 1ère division

sam, 09/13/2025 - 08:15

Du 20 au 27 septembre 2025, le gymnase d’Ankorondrano, accueillera le championnat de Madagascar de volleyball de première division, hommes et dames. Cette édition, bien que prometteuse en termes de spectacle, sera marquée par une faible représentativité des clubs régionaux au profit d’Analamanga et l’absence de Stef Auto, club historique aux 14 titres nationaux.
Dans la catégorie féminine, neuf équipes sont engagées, dont cinq issues d’Analamanga (AMVB, Asi, Bi’As, Squad-X et GNVB). Ces formations de la capitale constituent l’ossature du tournoi, compensant une représentation limitée des autres régions. L’AVBCA (Anosy), l’ECVB et Mami (Atsinanana), ainsi que l’EVBI (Ihorombe) complètent le tableau, mais le forfait de dernière minute du MVBC (Boeny) fragilise la diversité géographique.
Sans la forte mobilisation des clubs d’Analamanga, le championnat souffrirait d’un manque criant de compétitivité. L’absence de Stef Auto, véritable institution du volleyball féminin malgache, laisse un vide, laissant le champ libre à la GNVB, auréolée de ses récents succès, en position de favorite.
Chez les hommes, le constat est similaire. Sur les dix équipes en lice, 8 proviennent d’Analamanga (Asi 1 et 2, GNVB 1 et 2, Pôle GN, Cosfa, Mama et MVBC). Seuls le Nadjy VB (Atsinanana) et l’EVBI (Ihorombe) représentent les régions, tentant de défier l’hégémonie de la capitale.
Cette surreprésentation d’Analamanga, met en évidence les difficultés du volleyball malgache à s’implanter durablement hors de la capitale. Les confrontations entre clubs d’Analamanga promettent toutefois des étincelles, susceptibles d’attirer un public nombreux à Ankorondrano.

Naisa

Catégories: National

Cosafa U17: une cuisante défaite d’entrée pour Madagascar

sam, 09/13/2025 - 08:15

Contrairement à leurs aînés, les jeunes Barea U17, n’ont pas réussi leur entrée en lice au Cosafa, hier, au Ngoni Stadium de Norton (Zimbabwe). Ils ont subi une cuisante défaite face au Malawi dans la phase du groupe (3 à 1).

Ce revers inaugural, loin d’être un simple faux pas, met en lumière les lacunes en matière de sélection qui a accouché d’une équipe en deçà des attentes.
Dès le coup d’envoi, les Barea ont été à la peine, comme désorientés face à un adversaire mieux rodé. A la 15e minute, Joël Maziya, servi sur un plateau par James Lumbe, a ouvert le score d’un tir précis du pied gauche, mettant d’emblée les Malgaches sous pression.
Onze minutes plus tard, à la 26e, Lumbe, cette fois en finisseur, a enfoncé le clou d’un but, creusant un écart qui allait peser lourd sur les épaules des jeunes Barea. Incapables de réagir avec mordant, les Malgaches ont semblé courir après une ombre, multipliant les app­roximations en défense et les errements en attaque.
A la 80e minute, un but contre son camp d’Alhan Rakotoharimalala a aggravé la situation. Seul un penalty transformé par William Rambeloson dans les dernières minutes, a permis à Madagascar de sauver l’honneur.  Mais ce sursaut tardif n’a fait qu’adoucir une pilule bien amère.
Le staff malgache a tenté de redresser la barre par une cascade de changements tactiques, cinq au total, dont trois dès la mi-temps avec les entrées de Djaedi Ran­driamanga, Christiano Ran­drianarisoa et Ny Avo Rato­vo­manana. Mais ces ajustements, loin de dynamiser l’équipe, sont au contraire révélateurs d’un manque criant de cohésion et d’efficacité collective.
Les blessures de Dylane Andrianantenaina et Eddy Ramaroson, survenues en fin de match, n’ont fait qu’ajouter le calvaire, avec des remplacements forcés par Alan Doucet et Rondy Jaozandry. De son côté, le Malawi, plus discipliné, a su gérer son avantage avec des changements judicieux, comme l’entrée de Chikondi Howa à la 46e ou d’Okestar Kanyenda à la 80e, tout en profitant des erreurs adverses.

Naisa

Catégories: National

Rakotoarison Fiorenana Fitia : Mpilalao efa nandrafitra ny Barea U20, nisafidy ny hanao mofo mamy

ven, 09/12/2025 - 07:49

Tanora iray manan-talenta amin’ny bao­lina kitra Rako­toarison Fiorenana Fitia na i Eto’o. Efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea zandriny, U17 sy U20, ny tenany, tany aloha, ary izao nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy izao.

Anisan’ireo mpilalao na­nana ny hoaviny amin’ny resaka baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia, saingy nisafidy ny hanao mpandraharaha. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy sy ny manodidina ny sakafo ny tenany, na dia naniry ny ho lasa lavitra amin’ny taranja baolina kitra aza.
Raha ny fitantarany, tao amin’ny Académie national des sports (ANS) Ampefiloha izy no nanomboka nilalao baolina. Mbola 11 taona ny tenany tamin’izany. Ny taona 2010, rehefa feno 16 taona, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea U17, izay niatrika ny lalaon’ny tanora, CJSOI, tatsy La Réunion. Randriam­bololona Patrick na i maître Tipet moa no mpanazatran’ny Barea zandriny tamin’izany fotoana izany.
Taorian’io, lasan’ny klioba St Michel Foot ary efa nandalo tao amin’ny AZ Anosizato ny tenany. Ny taona 2013, nitondra avo ny ekipam-pirenana Barea U20, niatrika ny Cosafa, tany Lésotho. Ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no nitondra azy ireo tamin’izany fotoana izany, araka ny filazany ihany.

Najanona ny resaka baolina kitra

Na dia teo aza ny fanirian’i Eto’o hisehatra amin’ny baolina kitra matihanina, voatery najanony izany noho ny fianarana sy ny anatry ny rainy. “Tena nanana eritreritra ny ho lasa lavitra amin’io taranja io aho, saingy ny fianarana tsy afaka najanona tamin’izany fotoana izany. Etsy ankilany, somary sahirana aho amin’ilay manenjika kotrana sy ny fianarana, moa mbola tsy nahay nandanjalanja ny fotoana koa ny tena, ka misy iray tsy maintsy latsaka kely hatrany”, hoy i Fiorenana Fitia.
Nanampy azy hanohy ny fianarana ihany koa ny anatra nataon’ny rainy azy. “I dada ihany koa nametraka fanontaniana, izay sarotra tamiko no namaly azy tamin’izany, hoe : Mandrapaha oviana ialahy no hanao baolina kitra? Mety hahavelona ny ankohonana ve io any aorina any, rehefa tsy afaka hilalao intsony noho ny taona ialahy, ka hanao inona? Teo aho no nanapaka hevitra ny tsy hilalao amin’ny sehatra baolina kitra matihanina intsony.” Tsiahy kelin’ity tovolahy ity, raha nitantara ny lasany tany amin’ny taona 2015 tany izy.

Nanombohana ny asa

Raha ny fanazavana nataony, nianatra ny resaka momba ny sakafo sy ny tontolon’ny fizahantany ny tenany, ary efa nisy fotoana aza izy nanao mpianatr’asa tamin’ny Hotel Carlton Anosy. Teo anelanelan’ny 2017 – 2018, niantso azy hiverina hilalao baolina kitra ny maître Tipet, ary nilalao tao amin’ny Cnaps Sport Analamanga izy. Nambarany fa tsy nitovy tamin’ilay fahazotoana voalohany intsony ny fanaovana izany baolina kitra izany. Efa nihena ny faniriana ny ho tafita amin’ity taranja ity satria lasa ny resaka asa no nibahana tao an-tsainy. Rehefa rava ny Cnaps Sport, nandray fepetra hentitra izy, ka niditra tanteraka tamin’ny resaka fivarotana mofo mamy, ary tamin’io fotoana io ihany koa no nandraisany ity asa ity ho fivelomany sy ny ho fitadiavana ho an’ny ankohonany.
Nandritra ny hamehana ara-pahasalamana, noho ny Covid-19, nandray “commande” tao anaty tambajotran-tserasera ny tenany. Nivoatra tanteraka tamin’ity sehatra ity i Fiorenana Fitia, ary efa betsaka ireo olona nanjifa mofo mamy vokariny. Nomarihiny fa natao ho “Plan B” ihany ny resaka fivarotana mofo mamy tany aloha Saingy noho izy efa nanambady sy namelona ny ankohonany, nataony laharam-pamehana amin’izay izany.
Manana tanjona ny ho lasa lavitra amin’ity sehatra ity ny tovolahy, ankehitriny, ary eo ihany koa ny faniriany hampita sy hampianatra izay fahaizany amin’ireny fikambanana miahy ny zaza sahirana sy zaza kamboty ireny. “ Raha misy liana amin’izany resaka izany, vonona ny amin’ny fiaraha-miasa aho”, hoy izy.
Nametraka hafatra ho an’ny tanora, indrindra eo amin’ny 17 hatramin’ny 22 taona eo, izy.
“Ny hafatra tiako hampitaina ho an’ny tanora, tena tsara ny manao fanatanjahantena na inona na inona taranja ataonao, sy ny talenta anananao. Trandraho ary ataovy izay hahatongavana amin’ny tanjona. Saingy, ny fianarana aza atao ambanin-javatra. Afaka miaraka tsara ireo rehefa hainao ny mitondra sy mandanjalanja izany”, hoy Rakotoarison Fiorenana Fitia, Malagasy 31 taona, efa mpandraharaha amin’ny resaka mofo mamy.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

FAO sy ny minisitera MPEB : Hanohana ireo mpanjono madinika

ven, 09/12/2025 - 07:48

Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly, hiara-miasa amin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) izy ireo hanangana tetikasa hana­tsarana ny jono madinika eto Madagasikara. Fantatra fa ny 97% ny vokatra amin’ny jono eto amin’ny Nosy dia avy amin’ity sehatra ity avokoa, ka olona 1,5 tapitrisa no mivelona amin’izany, anisany ireo mpanjono miisa 150 000.
Noho izany, napetraka ho laharam-pahamehana ny fanohanana ny jono madinika, hahazoana vokatra betsaka sy maharitra ary hanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Hotante­ra­hina eny anivon’ny faritra efatra ity tetikasa ity. Ani­san’izany ny any Atsimo An­drefana, Boeny, Androy ary Alaotra Mangoro.
Tanjon’ny fanapariahana azy ity ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpanjono miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny hanatsarana ny fitaovana sy ny fomba fiasa ary ny hanome vokatra tsara kokoa ho an’ny mpanjifa. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny tetikasa, tany Toliara, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert. Natre­hin’ireo ma­nam-­pahaizana, mpiara-miom­bon’­ antoka ary ny minisitera isan-tokony. Fanamby lehibe hapetraka ny hanana jono maharitra, hiantohana ny fampandrosoana sy ny fiainam-baovao tsara kokoa ho an’ireo mpanjono sy ny fianakaviany.

Fitia Randria

Catégories: National

Raharaha « boeing 777 » : Nesorina ny tale jeneralin’ny ACM

ven, 09/12/2025 - 07:47

Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran.
Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity mpitantana ny ACM teo aloha ity, nanomboka ny 22 aogositra lasa teo, miaraka amin’ireo olona miisa 21 voarohirohy amin’ity raharaha ity. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandalo fampanoavana teo anatrehan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly, Pac, ity tale jeneraly teo aloha ity.
Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo “Boeing 777”, mandrapa-hita ny marina momba izany. Marihina fa hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, tsy mbola nisy ny fanendrena izay handimby ny toerany.

Fitia Randria

Catégories: National

Fampandrosoana ny sehatry ny varotra : Hanatsara ny tolotra sy ny vokatra aondrana ny Fanjakana

ven, 09/12/2025 - 07:47

Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany.

Notanterahina tetsy Ano­sy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampirobo­ro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. Hetsika roa no natao tamin’izany. Teo ny fankatoavana ny drafitra nasionaly ho an’ny fanondranana (SNE) sy ny paikady fifandraisana momba ny fifaneken’ny mpiara-miombon’antoka ara- toekarena, APE.
Ny SNE izay novolavolaina nandritra ny valo volana niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina sy ny sehatra tsy miankina. Mikendry ny hanamafisany ny vokatra sy ny tolotra aondrana sy hanatsarana ny fifaninanana sy ny lanjan’i Madagasikara eo anivon’ireo tsenam-barotra iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny hampihenana hatramin’ny 30%, isan-taona, ny tsy fifandanjan’ny varotra.
Voafaritra ao anatin’ity paikady nasionaly ity ny asa laharam-pahamehana sy ny rafitra fanaraha-maso mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny toekarena.

Fisokafana sy fiaraha-miasa
Manamafy ny toerana ijoroan’i Madagasikara amin’ny tsena iraisam-pirenena ny SNE, indrindra ao amin’ny SADC, Comesa ary ny Zlecaf. Vokatry ny fiaraha-miasa stratejika teo amin’ny MIC, ny MEF/Bace ary ny Vondrona eoropeanina, izay mikendry ny famoronana asa, fanokafana tsena vaovao ary fanatsarana ny fari-piainan’ny Ma­lagasy ny fanomanana azy. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fankatoavana ny paikady fifandraisana momba ny APE. Ity fifanarahana ity izay nosoniavina tamin’ny taona 2008 ary nankatoavina tamin’ny 2012. Manamora ny fidirana amin’ny tsena sy manamafy ny varotra ary mampitombo ny fandraisana anjara ara-toekarena izany. Araka izany, natao hampahafantarana bebe kokoa ny APE sy ny tombontsoa entiny ny paikady vaovao. Ireo atrikasa roa ireo no manaporofo ny finiavan’ny fanjakana hanova ny harinkarena sy ny fahafaha-mamokatra ho azo tsapain-tanana, hahazoan’ny orinasa sy ny vahoaka tombontsoa.

Fitia Randria

Catégories: National

INDRAY MIJERY

ven, 09/12/2025 - 07:46

Niofana momba ny fandrafetana ny didy fampiharana ny Document unique d’évaluation des risques (Duer) sy ny fanaraha-maso ny asa aman-draharaha momba ny fambolena ataony ny Inspecteur du travail. Tanjona ny hampiroboro­boana ny asa mendrika sy ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy.

Tetikasa manome vahana ny kolontsaina fandraharahana dieny eny amin’ny kolejy ny
« An­kizy Mihary ». Fahafahana mivelatra sy fitrandrahana talentan’ny mpianatra rehetra tsy an-kanavaka izany. Mikendry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana mba hitodika kokoa amin’ny fampandrosoana maharitra ihany koa.

Efa nohatsaraina ny fanafody anti-retro­viral hitsaboana ireo mararin’ny Sida ka afaka iaina toy ny olon-drehetra ary tsy hamindra amin’ny hafa. Tsy tokony hiafina ny marary fa manaraka tsara ny fitsaboana ho fiarovana azy sy ny manodidina azy. Tsy tokony hailikilika ireo mitondra ny tsimokaretina fa ampaherezina hazoto hihinam-panafody.

Catégories: National

Basikety N1A : Ekipa misongadina ny ASSM Analamanga

jeu, 09/11/2025 - 07:46

Hiditra amin’ny dingana fa­rany, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety, tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ma­nom­boka hita taratra ireo ekipa henjana amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ny misongadina ny ASSM Anala­man­ga, eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalao dimy no natrehin’izy ireo hatreto ary fandresena 4 no azo. Tamin’ny andro voalohany, efa nasehon’ireo mpilalao avy amin’ny ASSM Anala­manga fa ekipa tsy azo sangiana izy ireo ary efa vonona ny handrombaka ny amboara. Isa 61 no ho 55 no nandavoan’ny ASSM ny ekipan’Ankara­tra, Vakinankaratra, tamin’izany. Teo amin’ny andro faharoa, somary nilatsaka ny herijika ka resin’ny JEA Vakinan­karatra ta­min’ny isa 58 no ho 48 izy ireo. Niverina tamin’ny heriny anefa ny ASSM tamin’ny andro fahatelo ka nandresy ny ekipan’ny Varsity Anosy, ta­min’ny isa 79 no ho 70. Nitom­bo hatrany izay fahatokisan-tena izay ka mbola nahazo fandresena ta­min’ny isa 61 no ho 35 nanoloana ny ekipan’ny Ascut Atsi­nanana. Omaly ihany koa, mbo­la nahazo fandresena fa­hefatra, nanoloana ny Fandra­sa ny ekipan’ny ASSM Anala­man­ga. Raha izao vokatra izao, azo lazaina fa anatin’ny ekipa «Top 5» eo amin’ny sokajy vehivavy, amin’ity fifaninanana N1A ity, ny ASSM Ana­lamanga ary ho ao anatin’ny hiady ny «podium» ihany koa.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 09/11/2025 - 07:45

Anisan’ireo mpilalao nantsoin’ny Elgeco Plus handrafitra ny ekipany amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, ilay kameroney i Pafong. Ankoatra azy, hisy mpilalao hafa avy eto an-toerana telo hafa, ka anisan’izany i Gregas. Tsiahivina fa hidona amin’ny Silver Strikers Malawi izy ireo amin’izany.

Hiditra amin’ny andiany fahatelo indray ny fiofanana ho an’ny DAF (Diplôme d’animateur fédéral), taranja karate. Fiofanana natokana ho an’ireo mpampianatra ity taranja ity, hahazoana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany, no atao. Ny 11, 18 ary 25 oktobra izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny ANS Ampefiloha, ho an’ny Formation initiale. Ny 10 hatramin’ny 14 novambra izao kosa ny fiofanana ho an’ny Formation continue, izay hatao eny amin’ ny ANS Ampefiloha ihany koa. Ny 16 novambra kosa ny fanadinana.

Nambaran’ny filohan’ny CFFA, Rakotoari­manana Henintsoa, tetsy Andoharanofotsy, omaly, fa mitentina 2 miliara sy 500 tapitrisa Fmg ny vidin’i Lalaina, izay nifindra lasy atsy Algerie. Tsiahivina fa mpilalao anisan’ny tena namiratra nandritra iny “Chan 2024”, farany teo iny, i Lalaina.

Catégories: National

Tsipy kanetibe : Tsy azon’ny Malagasy ny Masters

jeu, 09/11/2025 - 07:45

Nifarana ny talata lasa teo, tao La Talaudière France, ny Masters 2025, taranja tsipy kanetibe. Tsy azon’ny Malagasy izany fifaninanana izany, na noheverina ho “favori”, tamin’ireo mpifaninana aza i Madagasikara. Resin’ny ekipan’i Bonetto, teo amin’ny famaranana tamin’ny isa mazava, 13 no ho 4, i Yves sy i Balôty ary i Tinakely niampy an’i Zigle. Tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatra satria ekipa efa nomontsanin-dry zalahy tamin’ny isa 13 no ho 0 tany amin’ny dingana fifanintsanana ry Bonetto. Nisy ny fahadisoana taktika tao anatin’ny lalao ka nahazoan’ny mpifanandrina isa betsaka. Tsy tafiditra tao anaty fifaninanana ihany koa i Yves sy i Tina ka i Balôty hatrany no nanavotra ny ekipa. Indroa ny Malagasy no tokony hahazo isa 4 sy 3 saingy tsy voan’i Tiana ny kanety notifiriny. Tsy nanova inoninona ny fidiran’i Zigle nanolo an’i Yves. Tapitra tamin’iny ihany koa ny dian’ny delegasionina malagasy any Frantsa. Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Italie ho an’olo-tokana sy olon-droa miaraka, ny 18 – 21 septambra ho avy izao.

Tompondaka

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fananana kianja”

jeu, 09/11/2025 - 07:45

Miezaka manatsara sy mampivoatra ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana. Manaporofo izany ny firosoana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny « tribunes » etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy.

Ho fanatsarana ny tonto­lon’ny baolina kitra eto Ma­dagasikara, noha­tsa­raina ny kianjan’ny CFFA etsy Andoharanofotsy. Nape­traky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavolo­ha, omaly, ny vato fototra ha­namarinana ny fa­nanganana izany. Araka ny fa­nazavana azo avy amin’ny tomponandraikitra, mahazaka mpijery 500 isa eo ny «Tribu­nes» sy «gradin» hatsangana.
Nohamafisin’ny Filoham-pirenena hatrany fa zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fa­nanganana fotodrafitrasa tahaka izao. Araka ny filazany, ma­ri­ky ny fandrosoan’ny firenena ny fivoaran’ny baolina kitra ao aminy. Notsiahi­viny hatrany fa vao nitantana an’i Madagasi­kara izy, ny taona 2019, nahatratra ny ampahefa-dalan’ny Can ny Barea, ary ny 2023, na­hazo ny medaly alimo ny Chan. Ankehitriny, nandrombaka ny medaly volafotsy ny Chan farany teo.
«Ny fanaovana izao kianja izao no ahafahana namoaka ireo mpilalao mamiratra amin’ny Barea.» hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nankasi­traka sy nisaotra manokana ny Filoham-pirenena ny be­n’ ny Tanànan’Andoha­ranofo­tsy, Rakotoarimanana Henin­tsoa na i Tôta. «Efa zava-dehibe ho an’ny kaominina ny fananganana fotodrafitrasa tahaka izao. Ary afapo tanteraka ta­min’ny zavatra nataonao andriamatoa Filo­ha, ny olona maro», hoy ny Maire Tôta.
Tsara ny mampahafantatra fa mety haharitra fito na valo volana eo ny asa fanamboarana ny kianja eny an-toerana. Tonga nanatrika ity la­nonana ity teny an-kianja moa ny minisitry ny Tanora sy ny fa­natan­jahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, sy ireo olom-boafidy sasany eny Atsimondrano.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages