S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 36 min

Hampivoatra ny kolontsaina: Mila hampanjakaina ny fifanakalozana

lun, 06/02/2025 - 07:40

Anisan’ny hisongadina mandritra ity volana jona ity ihany koa ny fanehoana ireo kolontsaina maro misy eto Madagasikara. Fotoana ahafahana manararaotra ny hanatevenana ny fifanakalozana eo amin’ny samy Malagasy sy eo amin’ny samy mpanakanto na mpikirakira zavakanto izany. Io matetika no tsy ampy ka tsy mampivelatra ny zavakanto eto an-toerana.

Mihidy na voahidy any amin’ny toerana iray ny kolon­tsaina sy ny zavakanto, hany ka zara raha fantatry ny Ma­lagasy. Ny vahiny izay liana sy manana fahefa-mividy hijery sy hanjifa azy ireny sisa no manao izany.
Vitsy amin’ny Malagasy monina eto afovoantany, ohatra, no mahalala sy mahafantatra ireo karazan-dihy na hira na lalao isam-paritra. Variana raha sendra ny dihy salegy. Tahaka izany koa ny monina any amorontsiraka, mety tsy mahalala ireo fomba atao amin’ny «mivoaka itany» eto afovoantany, sns.
Io mampidadasika an’i Madagasikara sy ny maha maro ny karazana fomba amam-panao ao aminy io no miteraka ny «harena ny fahasamihafa». Ny volana jona tahaka izao no mila hararaotina hisian’ny fifanakalozana. Hisy ny fihaonana momba ny teny. Ny lanonana na sehatra ho an’ny ankizy. Ao ihany koa ny fankalazana ny fiverenan’ ny fahaleovantenam-pirenena, sns. Fotoana ahafahana mifanakalo kolontsaina sy zavakanto ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

lun, 06/02/2025 - 07:40

Norombahin’i Suchata Chuangsri, tovovavy mpifaninana avy any Thaïlande, ny anaram-boninahitra «Miss Monde 2025». Izy izany no tsara tarehy sy tsara bika ary nahafeno ny fepetra rehetra notakin’ny fifaninanana. 22 taona izy, efa nahazo loka maro teo amin’ ny tontolon’ny hatsaram-bika sy endrika tamina fifaninanana notontosaina tao amin’ny tanindrazany.

Mitombo andro aman’alina ireo tanora miro­tsaka eo amin’ny fanoratana. Matetika, tononkalo no ataon’izy ireny. Fantatra, araka ny dinika nifanaovana tamin’ireo tanora mpanoratra ireo, fa mbola olana amin-dry zareo ny ahafahany manaparitaka ny sanganasany. «Tsara ny Facebook, saingy, mbola hafa ihany ny boky…», hoy i Salohy RH, mpanoratra anisan’ny nanakorisa ny peniny raha mbola vao 12 taona monja.

Manao tsianjery ny mpikabary ankehitriny. Anisan’ireo tsikera miverimberina rehefa misy ny diniky ny mpikabary, tanora sy ireo efa manana traikefa. Dingana tsy maintsy lalovana ny tsianjery, hoy indray ny hafa. Na eo na tsia ny tsianjery, tsapa sy heno ihany fa tsy mahafehy loatra ny fonosin’ny teny malagasy ny tanora sasany, hany ka manjary misy adihevitra vaovao indray mipoitra.

Miditra ny vanim-potoan’ny ririnina. Manara­ka izany ihany koa ny fanatontosana ireo karazana fomba samihafa. Didim-poitra na hasoavan-jazalahy, ny famadihana, sns, raha ho an’ny eto anivon-tany. Miasa mafy ny mpihiragasy! Na izany aza, antso avo no ataon’izy ireo ny amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana any amin’ireny lalana alehan’izy ireo ireny.

Catégories: National

« Play lisitra » : Mivelatra hatrany ny rap

lun, 06/02/2025 - 07:40

Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina-Zone P2 ilay fampisehoana «Play lisitra». Tanora maro no voasariky ny mozika rap. Malalaka rahateo ny toerana. Endrika iray maneho fa mivelatra hatrany ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Nahatazanana izany, teny an-toerana ihany koa, ny fisian’ny fiarahana teo amin’ny samy mpankafy. Samy mahay tononkira. Miara-mientana amin’ny eny an-tsehatra…
Fantatra sy tsikaritra nandritra ity fampisehoana ankalamanjana «Play lisitra» ity ihany koa ny fananan’ireo tarika nifandimby tononkira mafonja mampita hafatra ho an’ny sokajin-taona sy sehatra samy hafa. Tao ireo nifono anatra ho an’ny mpifankatia. Ny manolotra soso-kevitra sy mankahery ho an’ ireo izay mitady ho kivy eo amin’ny fiainana. Ny misava sy mi­tari-dalana ny tanora hizotra any amin’ny lalana marina hatrany na eo aza ny rendrarendra sy ny haitraitran’ny fiainana.
Noporofoin’ireto tarika mpanao rap ireto fa afaka manabe sy mitaiza ny rap. Tanora rahateo ny maro amin’ny mpitia rap.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Volana jona : Omena aina indray ny teny malagasy

lun, 06/02/2025 - 07:40

Nigadona ny volana jona. Efa zary nahazatra ny Malagasy, indrindra ireo mpandala sy mpikolo ny teny malagasy, ny manao ezaka manokana ho fampitiavana izany teny izany. Maro ireo manao hetsika mifanentana amin’izany…

Amin’ireo fikambanana na vondrona samy hafa, miaro sy manandratra ny teny malagasy. Tao ny nanomboka, omaly, avy hatrany ny hetsika na ny fanda­haram-potoana izay heveriny fa hanamarihana na hankalazana ny «Volan’ny teny mala­gasy». Ao ihany koa ireo hanomboka amin’ity herinandro ity. Saika isan-taona, samy maneho izay fahavononana ny hanome aina indray ny teny malagasy izay izy ireo.
Mahavariana! Ezaka lehibe no vitan’ireny fikambanana na vondrona na sampandraharaha isan-tsokajiny ireny. Saingy, hatramin’izao, ambilombazana ihany ny vokatra misongadina. Raha velarina eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena, mety tsy ho tazana akory ny sasany amin’ny asa natao.
Mahavariana! Teny mala­gasy, ampiasain’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery, kanefa, resin’ny teny vahiny, eto amin’ny taniny. Manamafy izany ny tranga hita eny amin’ny fiarahamonina. Ifandrombahan’ ny ray aman-dreny ny mampiditra ny zanany any amin’ireny sekoly mampiasa ny teny vahiny ireny. Mbola omena lanja sy lohalohavina any
amin’ny tontolon’ny ankamaroan’ny sehatry ny asa ny fampiasana ny teny vahiny. Izay «zavatra» atao na ampiasaina ny teny vahiny, toa «tsara sy ambony» ny fan­draisan’ny fiarahamonina azy, sns

Zara raha ifampiresahan’ ny samy Malagasy ny teniny. Manomboka tsy heno intsony any anivon’ny ankohonana ny teny malagasy. Menatra ny hotsarain’ny mpiara-monina ho «bado» ka aleo miteny amin’ny fiteny vahiny, sns. Ireny rehetra ireny no mitabamby ka tsy maintsy hanomezana hery sy aina vao hatrany ny teny malagasy.
Tsy mbola ampy ny fampiasan’ny Malagasy ny teniny, eo amin’ny fiainany andavanandro. Antony lehibe hanomezana aina azy isaky ny «Iray volan’ny teny malagasy» izany.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Tetikasa QMM: Manome lanja hatrany ny tontolo iainana

lun, 06/02/2025 - 07:39

Vaindohan-draharahan’ny fandaharanasan’ny QIT Ma­da­gascar Minerals (QMM) ny fikajiana ny tontolo iainana ao anatin’ny asa fitrandrahana ataony. Misy ny fepetra takina sy tokony harahina momba ny « Projet Environmental Mana­gement Plan (PGEP)”, talohan’ny fahazoan-dalana azony ny taona 2001. Takina amin’ny kaompania ny hampiharana ny fenitry ny tontolo iainana E16 an’ny Rio Tinto izay mi­fandraika amin’ny fiarovana ny karazan-javamananaina sy ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina. Name­traka faritra arovana ny tetikasa araka ny rafitra napetraky ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN). Ahitana ny Mandena mirefy 230 ha, Ambatoatsi­gnana ka hatrany Magnafiafy Sainte Luce, manana velarana 818 ha ary ny ao Petriky, mi­refy 125 ha. Ireo no faritra arovana voalohany eto Mada-gasikara tantanin’ny orinasa mpitrandraka iarahany amin’ ny mponina eny ifotony (Co­gema) ho an’ny ao Mandena. Miaraka amin’ny Fikamba­nan’ny mpiara-mitantana ny alan’Amba­toatsi­gnana (Fim­pia) kosa ny orinasa ho an’ny faritra arovana ao Ambatoa­tsignana. Miara-miombon’antoka amin’ny mpiara-mitan­tana ny alan’i Petriky (Fimpiap) kosa izy ho an’ny ao Petriky. Voarafitry ny lalàna 2015-005 momba ny fehezan-dalàn’ny faritra arovana (Coap) ny fitantanana ireo faritra ireo.

Vina

Tanjon’ny QMM ao amin’ ny asa fitrandrahana ny mijery ny tombontsoa ho an’ny fiarahamonina, ny fikajiana ny tontolo ianana amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ny famerenana ny ala sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina ihany koa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa RSE ny tetikasa ary ny fampandrosoana ny toekarena.

Henintsoa

Catégories: National

Kopakelatra: la pollution plastique, moteur d’économie circulaire

lun, 06/02/2025 - 07:14

Les bouteilles en plastique sont devenues un fléau écologique mondial, inondant chaque année les écosystèmes de millions de tonnes de déchets. Face à cette urgence, Star, un des grands acteurs de l’agroalimentaire, déploie une réponse concrète avec son projet Kopakelatra.
Depuis 2019, Kopakelatra a collecté plus de 3,5 millions de bouteilles en plastique grâce à 131 bacs installés dans 93 points de collecte répartis sur six villes. Tous les types de bouteilles, sans distinction de marque, y sont déposés. L’idée consiste à réduire l’impact environnemental des activités de Star et valoriser les déchets générés.
Les bouteilles récupérées suivent un processus rigoureux : tri, lavage, broyage. Elles renaissent ensuite sous de nouvelles formes. Trans­formées en paillettes ou fibres plastiques, elles alimentent des filières variées, du rembourrage textile à la fabrication de sceaux et pavés autobloquants. Star fait ainsi entrer l’économie circulaire dans la réalité, donnant une seconde vie à ce qui était jadis un simple déchet.
Aujourd’hui, l’entreprise ne s’arrête pas là. Elle renforce son engagement environnemental en élargissant le projet. De nouveaux partenaires rejoignent l’aventure et de nouveaux schémas de collecte sont mis en place.

Arh.

Catégories: National

Ouverture de la Gare routière à Amoronakona: en attente d’une étude environnementale approfondie

lun, 06/02/2025 - 07:14

La gare routière d’Amo­ro­nakona, pourtant achevée sous l’ancien régime du président Hery Rajaonarimam­pianina, reste étonnamment inactive. « Le régime en place tient à effectuer une étude environnementale approfondie avant l’opérationnalisation de cette gare », a déclaré le mi­nistre des Transports et de la météorologie devant la presse à Anosy, le 27 mai.
Selon le ministre, l’ouverture de la gare routière d’Amoronakona, est actuellement suspendue en raison de sa proximité avec une usine de traitement d’eau. Ce dernier a expliqué que « Cette situation exige des précautions environnementales supplémentaires afin de prévenir toute pollution. Une commission conjointe du ministère de l’Environnement et du développement durable, en collaboration avec l’OMS, sera chargée de mener des études approfondies pour évaluer et maîtriser les risques. »
Sur le plan technique, il reste encore à voir lesquelles parmi les lignes régionales seront déplacées au niveau de cette infrastructure. Ce détail est encore loin d’être négligeable, puisque cela nécessite encore à entamer des pourparlers avec les transporteurs. « Avant l’ouverture officielle, il faut s’assurer que cette gare suive un certain standard et prendre en compte le fait qu’elle n’a pas servi depuis un certain temps déjà. A cet effet, quelques rénovations s’imposent », a-t-il indiqué.
Au passage, il y a la mise en service du train urbain reliant Ambohimanambola au PK0 Soarano qui est aussi en attente. « Au début, on prévoyait de mettre en service un seul train pour le projet Train urbain reliant PK 0 Soarano à Ambohimanambola, mais avec un peu de recul et pour plus d’efficacité, on a décidé qu’il est préférable d’attendre un deuxième train avant de passer à l’opérationnalisation de cette ligne », a avancé le ministre.
D’après lui, lorsque ce projet sera opérationnel un train partira de Soarano et l’autre d’Ambohimanambola. « Avant la mise en service du train urbain, on doit encore s’armer de patience.  L’opérationnalisation de cette nouvelle ligne de chemin de fer est conditionnée par une vaste campagne de sensibilisation auprès des citoyens riverains. En effet, de nombreux habitants utilisent actuellement les rails comme étendoir à linge », a spécifié le ministre.

Jean Riana

Catégories: National

Nouveaux prix des carburants: Baisse du gasoil, hausse du sans plomb et du  pétrole lampant

lun, 06/02/2025 - 07:14

Depuis ce dimanche 1er juin, les prix à la pompe ont été ajustés plus tôt que d’habitude. Alors que les modifications intervenaient généralement le 5 du mois, le gouvernement et l’Office malgache des hydrocarbures (OMH) ont enclenché le mécanisme automatique dès le début du mois avec des fluctuations contrastées selon les types de carburants.

Le gasoil enregistre une baisse de 70 ariary, son prix passant de 5.170 ariary à 5.100 ariary le litre. Cette diminution s’explique par une conjoncture internationale plus favorable, avec une chute des cours du pétrole brut et un taux de change plus avantageux pour l’ariary. Il s’agit d’adapter les prix locaux aux réalités du marché mondial.
En revanche, le sans plomb connaît une légère hausse. Son tarif grimpe de 10 ariary, atteignant 5.520 ariary le litre. Il s’agit de la deuxième augmentation con­sécutive pour ce carburant, après une baisse régulière depuis janvier.
Le pétrole lampant, quant à lui, continue de grimper. Il subit une nouvelle hausse de 200 ariary, atteignant 3.520 ariary le litre. C’est la cinquième augmentation consécutive depuis février, en cohérence avec la politique de suppression progressive des subventions sur les produits pétroliers. Cette hausse correspond au plafond autorisé par le décret régissant l’ajustement automatique des prix instauré en janvier.
Les prix appliqués sont calculés sur la base de données du mois M-2, comme l’a rappelé l’OMH. Selon les autorités, si la tendance actuelle se maintient, le prix du gasoil pourrait revenir à son niveau de janvier dès le mois prochain.

Hausse des prix pour le gaz
Depuis le 29 mai également, les prix du gaz butane en bouteille montent encore. Vitogaz, leader du marché, annonce une hausse moyenne de 3,5 %. Elle résulte du doublement de la TVA, passé de 5 % à 10 % selon la loi de finances 2025.
La bouteille de 4 kg coûte désormais 31.000 ariary, con­tre 30.000 auparavant. Celle de 9 kg passe de 67.000 à 69 000 ariary. La bonbonne de 12,5 kg grimpe à 98.000 ariary et la 39 kg atteint 410.000 ariary. Ces prix va­rient selon les régions, mais la hausse est générale.
Vitogaz précise : « L’aug­mentation était attendue après six mois. Nous respectons le calendrier ». L’entreprise rappelle avoir étalé les hausses : 1,5 % en janvier, 0,5 % en avril, et maintenant 1,5 %. Les consommateurs devront s’adapter à ces nouveaux tarifs.

Arh.

Catégories: National

TSELATRA

lun, 06/02/2025 - 07:12

Taxi-be iray nirehitra teo amin’ny Jovena Anosizato Andrefana, omaly atoandro, tamin’ny 11ora sy sasany. Nifarimbona namono ny afo ny avy amin’ny zandarimaria teny an-toerana sy ny eo amin’ny tobin-tsolika. Nampiasana fasika sy extincteurs roa ny famonoana izany ary voafehy haingana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy nisy naratra, tsy nisy koa ny aina nafoy.
Hiakatra fampanoavana anio, etsy amin’ny Fitsarana Anosy, ireo olona tratra nanendaka sy nangarom-paosy, nandritra ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa, natao tany Miakadaza Imerintsiatosika, ny herinandro teo. Nitory azy ireo ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Avy eny Tanjombato, Anosibe, Antohomadinika, Andrefanambohijanahary sy Ampitatafika ireto mpanao asa ratsy ireto.

Catégories: National

Jiolahy mpamerin-keloka: Lavon’ny balan’ny Zandary i Lekoera

lun, 06/02/2025 - 07:12

Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina am­banivohitra Bemaitso Andi­lamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voa­sambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny sabotsy teo tamin’ny 5 ora maraina, raha ny antso voarain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Antonibe. Avy nanafika mpandraharahara iray tany an-toerana izy ary lasany tamin’izany ny vola mitetina 4 000 000 Ariary. Niaiky ny heloka vitany izy ary vonona hanondro ny namany, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Voatonona tamin’izany ny namany antsoina hoe: Lesivy. Nasaina nanoro ny toerana misy ireo voalaza izy. Nandritra izany, nanararaotra nandositra ity jiolahy ity, antony nahatonga ny mpitandro filaminana nitifitra azy. Tsy tana ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Fantatra fa anisan’ny jiolahy efa mpamerin-keloka sy efa ela nigadra izy io. Tafiditra ao anatin’ny fikambananan-jiolahy atao hoe: « Groupe de bandit telma » izy io, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Catégories: National

Pages