S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 59 min 8 sec

Nentim-paharazana: Natsangana ny Vovonana mpitankasina mijoro

lun, 10/27/2025 - 08:08

Ho tany repoblikanina, miorina amin’ny fomba nentim-paharazana i Madagasikara. Izay no tanjon’ny Vovonana mpitankasina mijoro izay nampahafantarina voalohany ny zoma 25 oktobra teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Ivondronan’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy, tsy anavahana foko sy firazanana izany. Mahatsapa izy ireo fa manana adidy goavana amin’izao toe-draharaha lalovan’ny firenena izao ka hanambatra ny hery ho fanampiana ny Malagasy.
« Izahay tsy hanongam-panjakana fa hanome hasina ny maha Malagasy ny Malagasy. Vao hoe Malagasy dia misy ny tany, ny teny, ny tantara , ny olona ary ny fomba. Ny fomba dia misy isaky ny faritra ka ny faniriana dia ny hametraka fomba ikambanana, iarahan’ny Malagasy rehetra », hoy ny nambaran’ny Mpitankasina, Marolongo Gilbert, izay voahosotra hitarika ny vovonana.
Fantatra fa hisy hetsika lehibe hokarakarain’ny vovonana ato ho ato, hamerenana ny hasina maha Malagasy koa manentana ny vahoaka rehetra izy ireo hifanohana amin’izany.

Zo ny Aina

Catégories: National

« Artivisme 2025 » : Ny zavakanto, ho fitaovam-panentanana ny mpiara-belona

lun, 10/27/2025 - 08:07

Mpanabe ny mpanakanto. Mpanaitra ny fiarahamonina amin’ny loza manambana ihany koa. Izay no tanjona tamin’ ny hetsika « Artivisme 2025 », nampiasain’ireo mpanakanto ny talentany amin’ny adisisika ho an’ny fiarahamonina.

«Artivisme», mira fa­na­irana amin’ny ala­lan’ny zavakanto. «Miaraka mandrasa ny fahanginana. Andao hiady amin’ny fanolanana sy ny fifamotorana». Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny hetsika « Artivisme 2025 », notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Lohahevitra ara-piarahamonina saingy navoitra tamin’ny alalan’ny zavakanato izany. Iarahan’ny rehetra mahalala fa ny mpanakanto no mpivoy hevitra mora raisin’ny mpiaramonina indrindra, ary ny zavakanto no fitaovana fampitan-kevitra mahomby indrindra. Nahatsa­pa izany ny fikambanana Nifin’Akanga, izay miady ho an’ny zon’ny tovovavy sy ny vehivavy, amin’ny ankapobeny, eto Madagasikara, tompon-kevitra tamin’ny hetsika.
Araka izany, zavakanto maroloko no natambatra tamina toerana sy fotoana iray, hanamafy bebe kokoa ny hafatra ampitaina. Nanom­boka tamina seho nifototra tamin’ilay hira «J’accuse», izay nanehoan’ireo mpanakanto ny karazana fihetsika tezitra, malahelo kanefa miray hira koa manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Tafita tamin’ny hafonjan’ny tononkira, ny endrika isehon’ny mpisehatra fa indrindra ny fisehatra izany.
Nanaraka avy eo ny fanehoana sangan’asa tamin’ny teny tanana, izay manodidina ny lohahevitra ny fahasalamana ara-pananahana. Sam­bany no nisy teto Mada­ga­sikara izany, izay natao ha­nentanana ihany koa ireo olona manana fahasembanana amin’ny fahitana. Mbola fientanam-po hafa ny an’ireo nijery ilay horonantsary «Tan­tarako Mboty», izay niainga tamina tantara tena nisy, miresaka ireo fahavoazana ara-tsaina nateraky ny herisetra ara-batana na ara-moraly.

« Oka eky izay »
Seho kanto maroloko no nentina namarana ny fotoana. Nifangaro tao ny hira, ny dihy ary ny teatra, izay nifototra tamin’ny lohahevitra : “aoka izay ny herisetra ara-pananahana”. Ny mivoaka amin’ny fahanginana dia efa fandresena. Nahita ny fitaovan-tserasera, fampitan-kafatra ma­homby indrindra ny Nifin’ Akanga, ka ny fampiasana ny zavakanto hivoizana ny lohahevitra no zava-dehibe. Ka­saina hotohizana amina tetikasa sy lohahevitra hafa izany, hitondran’izy ireo ny adisisika manaraka. Ny fanabeazana ara-pananahana in­dray no hatao laharam-pa­hamenana fa hotohizana ha­trany ny fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy, amin’ny alalan’ny zavakanto.

Zo ny Aina

Catégories: National

MPANETY ANOSY

sam, 10/25/2025 - 17:27

Catégories: National

Mpanazatra Corentin Martins : Baraingo ny fitohizan’ny asa

sam, 10/25/2025 - 08:26

Hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena Barean’i Ma­da­gasikara. Nilaza ny eo anivon’ny federasionina fa mbola hiankina amin’ny fitondram-panjakana ny mety hanavaozana ny fifanarahana na tsia.
Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no miandraikitra ny fandoavana ny ampahan’ny karaman’ity mpanazatra ity. Nambaran’ny rafitra federaly fa nahafa-po ny ezaka vitan’i Corentin Martins ho an’ny baolina kitra malagasy. Raha tany amin’ny faha-112 ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha, efa any amin’ny faha-106 ankehitriny.
Tsy tonga tamin’ny tanjona

Na dia tsara aza ny vokatra azon’i Corentin Martins, tsy nahatratra ny tanjona izay nodradraina mafy tetsy Maha­masina nandritra ny fanolorana azy izy. Vina napetraka tamin’ny fahatongavan’ity fran­tsay teknisianina ity ny hoe hiatrika ny « Mondial 2026 », saingy tsy tonga tamin’izany. Nijanona teo amin’ny laharana faharoa, vondrona « I », moa ny ekipam-pirenena malagasy.
Andrasana ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa raha mbola hanazatra ny Barea any amin’ny fifanintsanana “Can” i Corentin Martins na tsia.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

sam, 10/25/2025 - 08:26

Raha tsy misy ny fiovana, hitohy ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina lavalava, « XXL Top 12 ». Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandeha ny andro voalohan’ny fifaninanana. Mbola baraingo hatrany ny fiadiana ny amboara lehibe na ny “Super Coupe”, izay hifanandrinan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa Miaramila, tompon’ny amboara nasionaly.

Lalao azo heverina ho toy ny famaranana kely any Angleterre, « Premier League », ny fifanandrinan’ny Chelsea FC sy ny Tottenham. Fihaonana izay hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Tottenham Hotspur Stadium. Tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ny laharana fahenina izao ny Tottenham raha toa ka fahadimy ny Chelsea.

Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Santiago Bernabeu, Espagne, ny lalaon’ny Real Madrid FC sy ny FC Barcelone. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, la Liga. Maro ireo mpankafy baolina kitra no miandry fatratra ity fifanandrinana ity. Araka ny fikarohana omaly, tsy afaka handray anjara i Raphina, lohalaharan’ny FC Barcelone, noho ny ratra mahazo azy.

Catégories: National

Cosafa, sokajy vehivavy : Handray anjara ny Barea Ladies

sam, 10/25/2025 - 08:26

Anisan’ireo firenena hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa 2025) ny Barea Ladies. Fifaninanana izay nahemotra ho amin’ny fiandohan’ny taona 2026, raha tanterahina isaky ny volana novambra izy ity, saingy noho ny tsy fahafahan’ireo firenena hampiantrano ny anton’ny fanemorana.
Mbola eo am-piresahana amin’ireo firenena afaka handray ity fifaninanana ity amin’izao fotoana izao ny tomponandraikitra eo anivon’ny Cosafa ka ho fantatra miandalana ny toerana sy ny daty hanaovana ny lalao. Manana fotoana malalaka, araka izany, ny federasionina isanisany, indrindra ho an’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanatontosana fampivondronana matotra sy fifantenana ireo mpilalao. Mba tsy olona hitsangantsangana fotsiny no mameno ny lisitra ao anaty ekipam-pirenena. Tsiahivina fa efa nandray anjara ny Barea Ladies ny taona 2023 ka nitana ny rambony tao amin’ny vondrona nisy azy rehefa resy intelo.

Tompondaka

Catégories: National

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Hiatrika ny ampahavalon-dalana ny Mada 1 sy Mada 2

sam, 10/25/2025 - 08:26

Manohy ny diany mankany amin’ny dingana famaranana ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy Junior, lahy sy vavy miaraka. Ekipa malagasy roa no hiatrika ny ampahavalon-dalana, anio, hifandonana amin’i Tunisie 2 sy France 1.

Hitohy anio, ao amin’ny Kianja Isla Cristina, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, “Mondiaux Jeunes”, sokajy zandriny Ju­nior. Hotanterahina amin’izany ny dingana ampahavalon-dalana sokajy olon-droa miaraka sy olon-telo, lahy sy vavy miaraka. Tafita ho amin’ny olon-droa miaraka ny ekipa malagasy roa dia ny Mada 1 sy Mada 2.
Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Tunisie 2 ny Mada 1, ahitana an’i Tafita sy Nathanael. Hifa­nandrina amin’i France 1 kosa ny Mada 2, iarahan’i Sarobidy sy i Clarito. Raha tsiahivina ny dingana nolalovan’ireo ekipa malagasy roa ireo nandritra ny fifanintsanana. Mada 1 nahazo fandresena 4 ka nitana ny laharana voalohany. Nanilika an’i Italie, tamin’ny isa 13 no ho 2, teo amin’ny fihodinana voalohany. Nandavo an’i France 1, 13 no ho 8, avy eo teo amin’ny lalao faharoa. Nandresy an’i Thaillande 2 indray, tamin’ny isa 13 no ho 2, nandritra ny fihaonana fahatelo ary nampiondrika an’i Algerie, tamin’ny isa 13 no ho 6. Farany, nandresy an’i Espagne 2, tamin’ny isa 7 no ho 6. Mada 2 inday nandresy intelo ary resy indray mandeha. Resin’ny ekipan’i France 2 ry zareo.
Hidona amin’izay tafavoaka eo amin’i Allemagne 1 sy Espagne 2 ny Mada 1 raha tafavoaka eo. Hifanandrina amin’izay mandresy eo amin’i Espagne 3 sy Thaïlande 1 kosa ny Mada 2 raha tafita eo amin’ny ampahefa-dalana. Raha ny fandaharam-potoana anio, hisy ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” amin’ny endriny vaovao izay samy tsy misy mahafantatra.
Nanomboka omaly ihany koa ny fifanintsanana ho an’ny olon-telo miaraka. Nandresy an’i Monaco, tamin’ny isa 12 no ho 9, teo amin’ny fihodinana voalohany avy eo nanilika an’i Espagne, 13 no ho 10.

Tompondaka

Catégories: National

Fizarana ny « Prize Money » : Mangataka ny fampitsaharana ny resabe ny Barea

ven, 10/24/2025 - 07:49

Namoaka fanambarana ny solontenan’ny mpilalaon’ny Barea sy ny mpanazatra, Rako­tondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza izy ireo fa tokony hitsahatra ny resabe mahakasika ny “Prize Money” an’ny “Chan 2024”. Efa nisy ny fifandaminana teo amin’izy ireo sy ny FMF.
“Efa milamina tanteraka ny fifampiresahan’ny roa tonta, ka aoka izay ny resabe mahakasika ity Prize Money ity”, hoy i Dax, kapitenin’ny Barea Chan. Etsy ankilany anefa ireo mpilalao teo aloha, toa an-dry Voavy Paulin sy Abel Anicet, mbola manana ahiahy mahakasika ity raharaha ity. “Cou­rage amin’izay, fa efa milamina hono ilay “prime”, dia tsy mila resabe intsony hoy i Dax. Fa raha izaho manokana mijery an’izao sary izao, ohatry ny hafahafa”, hoy i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea A teo aloha, tao amin’ny pejy Face­book.
Tsara ny mampahafantatra fa ny fanalan’ny Caf ny lamandin’ny “Chan 2024” sy ny vidin’ny fandefasana ireo lalao amin’ny fahitalavitra ary ny saran’ny baolina avy amin’ ny Puma no nampihena ilay 1,2 tapitrisa dolara, araka ny fanambarana nataon’ny mpikambana anivon’ny komitim-panatanteraka iray eo anivon’ ny FMF.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 10/24/2025 - 07:49

Hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, anio amin’ny
10 ora maraina, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny COSPN Analamanga. Ity fifanandrinana ity izay tafiditra amin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny ho tom­pondakan’i Madagasikara PFL sy ny Diviziona faharoa nasionaly.

Araka ny fikarohana natao, nanavao ny fifanarahana miaraka amin’ny Inter Miami indray i Lionel Messi, argentin mpilalao baolina kitra. Raha ny vaovao hita, hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola hilalao amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026 i Messi.

Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Real Madrid Espagne amin’ny fifaninanana eoropeanina, « Ligue des Champions 2025 ». Nahita fandresena 1 no ho 0 teo anatrehan’ny Juventus Turin, Italie, ry zareo omaly. Ankoatra izay, mbola mitana ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity ny ekipa frantsay tompondaka farany, Paris Saint Germain FC.

Catégories: National

Tae-kwon-do WT : Lany ho filoha i Choue

ven, 10/24/2025 - 07:49

Tontosa tany Wuxi, Chine, omaly, ny fivoriamben’ny Fede­ra­sionina iraisam-pirenen’ny Tae-kwon-do WT. Fotoana nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ity rafitra voalohany maneran-tany ity. Voafidy hitondra izany mandritra ny efa-taona indray i Choue Chung-Won, 78 taona. Taom-piasana fahafito ho azy izany. Kandidà tsy nisy mpifanandrina izy tamin’ity. Nahazo vato 143 izy raha 5 no nitsi­paka ary 1 tsy nilaza ny heviny. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ ity fivoriambe ity ny filohan’ny Federasionina malagasy, i Boto Lamina Tsara Dia, saingy noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia tsy afaka ny ho tonga any an-toerana ny tenany fa nanao izany tamin’ny ampitain-davitra. Nankatoa­vin’ny rehetra izany ary anisan’ireo nandatsa-bato ny tenany. Tsiahivina fa efa neken’ny Federasionina iraisam-pirenena ny fitsanganan’ny Federasionina malagasy. Efa nahazo taratasy fahazoan-dalana hiasa avy amin’ny minisiteran’ny Fanatan­jahantena ihany koa izy. Araka izany, hanomboka ny asa sy ireo fifaninanana isan-tokony ary ny fanofanana an’ireo komity mpitantana.

Tompondaka

Catégories: National

Fifidianana eo anivon’ny tsipy kanetibe : Mampiaka-peo ireo filohana klioba 20 eto Analamanga

ven, 10/24/2025 - 07:48

Tsy mitovy fomba fijery amin’ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM) ireo mpitantana klioba ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Tsy manaiky ny lalàm-pifidianana manome vahana ny FSBM izy ireo ka mitaky ny hanovana izany, hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara.

Namory ny mpanao ga­zety tetsy Antani­na­re­nina, omaly, ireo filohana klioba amin’ny tsipy kanetibe miisa 20 ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Nanam­bara ny tsy fetezan’ny lalàm-pifidianana hatao ny volana desambra ho avy izao izy ireo. Niakatra ny feo ary tsy nitsitsi­tsitsy fitenenana mihitsy izay nitondra teny tamin’izany. Na­motsipotsitra ny tsy nety izy ireo.
Nambaran-dRatsimbaha­rison Luc, mpitantana ny klioba UBM Ambohitrimanjaka, fa nataon’ny mpitantana ny federasionina ankehitriny amin’ izay maha mety azy ny lalam-pifidianana, tsy mifanaraka amin’ny lalàna misy. Saka­nana amin’ny fomba rehetra ny mpifanandrina ary ahilika ny olona heverina fa afaka hi­faninana amin’ny filoha ankehitriny. Ankoatra izay, ny fametrahana olona ao anatin’ny mpanara-maso ny fifidianana, izay olona ao anaty FSBM ihany. Noho izany, takin’izy ireo ny hanoloana azy ary ha­naovana fivoriambe iarahana mamolavola ny lalàm-pifidianana. Nohamafisin’ny filoha Ramirez fa handefa taratasy fampahafantarana any amin’ ny minisiteran’ny Fanatan­ja­hantena sy ny komity olym­pika malagasy (Com) ireto filohana klioba 20 ireto. Miantso ihany koa ireo mpitantana ekipa any amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy izy ireo hanatevin-daharana. Miandry ny valin-tenin’ireo tomponandraikitra izy ireo mialoha ny hidi­rana amin’ny dingana hafa raha toa ka miziriziry amin’ny heviny ny FSBM. Marihina fa manaiky ny daty hanaovana ny fifidianana izy ireo, ny 6 desambra ho an’ny ligy ary 27 desambra ny an’ny federasionina.
Tsy nanafina koa ny tenany tamin’ny fampanantenana poakaty nataon’ny filohan’ny Federasionina ny amin’ireo ekipa mahazo ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara.

Tompondaka

Catégories: National

Fiharian’ny tantsaha ambanivohitra : Tsara ny vokatra saingy nitontongana ny vidiny

ven, 10/24/2025 - 07:48

Tsy mitsaha-mi­tombo sy mihatsara ny vokatra avy any ambanivohitra. Mitaraina anefa ny ankamaroan’ny tantsaha fa mitontongona ny vidiny amin’izao.

Miroborobo ny vokatra lavanila sy jirofo eto Madagasikara, saingy mitontongana ny vidiny ankehitriny, noho ny fidinan’ny lanjan’ireo vokatra ireo eto amintsika. Mbola tsy nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha amin’ny vo­katra lavanila sy jirofo nanaovana fanadihadiana. Tsara tokoa ny vokatra tamin’ity taona ity, saingy ny vidiny no nihena. Tsy avy amin’ny fitondrana izany, hoy hatrany izy, fa noho ny fihenan’ny sandam-bola sy ny toekarena ankapobeny mihitsy. Araka ny fanazavany, ny vokatra lavanila sy jirofo dia manana tsingerina amin’ny fiakaran’ny vidiny. Mbola antenaina hiverina hiakatra ao anatin’ny taona vitsivitsy izany. Nohamafi­sin’ity mpandraharaha ity fa misy ihany koa ny antony avy amin’ny Malagasy tantsaha manampy amin’ny fihenan’ny vidiny. Anisan’izany ny fanaovana fantsika na vatokely anatina lavanila, ny fitangosana lavanila mbola tsy matoy ka tsy ampy “taux de vanilline” rehefa tonga any ivelany. Amin’ny firenena hafa anefa, hoy izy, dia voakarakara tsara ny vokatra ka tsy misy fisolokiana. « Ho an’ny jirofo indray, mbola misy tsy matoy tanteraka, tsy maina tsara, ary indraindray mbola mando alohan’ny fandanjana, ka mahatonga azy ho simba rehefa tonga any ivelany », hoy Ran­drianatoandro Ferdinand, mpandraharaha amin’ireo sehatra roa ireo.

Fihariana vaovao  ny toaka gasy
Taorian’ny fanekena ny lalàna mifehy ny toaka gasy teo anivon’ny Antenimieram­pirenena, lasa fihariana vaovao ho an’ny mponina ao amin’ny distrikan’i Toamasina II ny fanaovana toaka gasy. Ho an’ireo tsy manana fitaovana manokana na “lambiky”, mivarotra ny akora ilaina amin’izany amin’ireo efa mpanodina. Anisan’ny akora ampiasaina amin’izany ny fary, mangahazo, manga masaka, akondro masaka, letisia ary kokombra. Rehefa masaka na voatono ao anaty vilany vy lehibe ireo akora ireo dia afangaro amin’ny hoditra hazo “bilahy”, izay mangidy sady mafaitra, ka manampy amin’ny famadihana azy ho alikaola ao anatin’ny telo andro monja. Vokatry ny fihenan’ny vidin’ny lavanila sy jirofo, maro amin’ny mponina no nanomboka mamboly sy mamokatra ireo akora fototra amin’ny fanaovana toaka gasy ireo, ho vahaolana ha­nampiana ny fidiram-bola sy hanonerana ny fatiantoka amin’ny vokatra fanondrana. Ankoatra izany, mivelatra ihany koa ny fihariana manodidina, toy ny fambolena ireo akora, ny fitaterana amin’ny lakana manaraka ny reniranon’i Ivondro sy Ivoloina, ary ny fanangonana sy fanadiovana ireo zerikanina. Ao amin’ny kaominina Fanandrana, ohatra, dia efa misy trano fanatobiana atao hoe Ravinala, fitahirizana entana sy toeram-piasana manokana amin’izany. Ny zava-pisotro vokarina avy ao dia manana marika “Ravi­nala”, ary araka ny fanadihadiana dia efa nahazo alalana hivarotra izany vokatra izany eny amin’ny mpaninjara. Voa­laza ihany koa fa tsy mihoatra ny 45° ny tahan’ny alikaola ao aminy.

Niandoha tamin’ny covid-19
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, efa hatramin’ny fotoanan’ny valanaretina Covid-19 no nisian’ny orinasa madinika Ravinala, izay namokatra alikaola 90° niadiana tamin’ny fiparitahan’ny aretina. Nahomby izany ezaka izany ka rehefa nolanian’ny Antenimierampire­ne­na ny lalàna momba ny toaka gasy dia nanohy ny famokarana tsy misy sakana intsony izy ireo. Ankehitriny, mizara roa ny famokarana ao amin’ny “Ravinala”: ny zava-pisotro azo sotroina sy ny alikaola 90° ampiasaina amin’ny sehatra hafa.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Fiofanana FIFA : Nanamafy fahaizana ireo Malagasy teknisianina

jeu, 10/23/2025 - 07:44

Nifarana omaly, tany Abi­djan, Côte d’Ivoire, ny fiofanana nampanaovin’ny Fede­ra­sionina iraisam-pirenen’ny bao­lina kitra (Fif a) ho an’ireo Afrikanina mpampiofana mpanazatra. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny FMF. Telo mirahalahy niatrika izany. Nahitana an-dRasoa­naivo Rado, tale teknika na­sio­naly. Teo koa Andri­a­ma­m­pilazasoa Fidy Herman sy Andriamahefa Johansson Le­mark, mpampianatra sy mpanabe eo anivon’ny federasionina. Tanjona ny hanondrotana ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika.
Ankoatra izay, mikendry ihany koa ny fampifanarahana ny fenitry ny fiofanana manerana ny kaontinanta afrikanina ity natao ity. Eo koa ny fanomezana ireo fitaovana fampiofanana maoderina amin’ity taranja ity. Manantena ny Ka­onfe­derasionina afrikanina (Caf) sy ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) fa ho lasa mpitatitra mahomby any amin’ny fireneny avy ireo mpampiofana rehetra tany Abidjan, ka hampiely ireo fomba fampianarana vaovao, ho an’ireo mpanazatra ao an-toerana.
Raha ho an’ny Malagasy teknisianina, dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao teknika ny niatrehin’izy ireo ity fiofanana ity. Tafiditra ao anatin’ny paikady maharitra hahatongavana ho firenena azo itokisana eo amin’ny sehatra afrikanina.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 10/23/2025 - 07:43

Hanamarika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, ny fiverenan’ny ekipan’ny Stef’Auto volley-ball avy any Toamasina eo ambony Kianja. Hifaninana eo amin’ny sokajy vehivavy ity ekipa ity, rehefa tsy niatrika izany nandritra ny fotoana ela. Misy ihany ireo klioba vaovao, toy ny HMVB Matsiatra Ambony sy ny GSVB Atsimo Andrefana.

Mitohy hatrany ny fifidianana eny anivon’ny seksionina, taranja basikety, manerana ny Nosy, ao anatin’izao taom-pifidianana izao. Seksionina 9 indray no nahavita izany nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa tokony hahavita fifidianana ny anivon’ny ligy amin’ity taona ity ary ny volana janoary 2026 no vinavinaina hanatanterahana ny eo anivon’ny federasionina.

Hotanterahina any Luanda, ny 10 hatramin’ny 20 desambra izao, ny lalao afrikanina ho an’ny tanora. Mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, hatreto. Tsy mbola manana vaovao ho lazaina mahakasika izany ireo tomponandraikitra. Tsiahivina, Malagasy atleta 22 no tokony handray anjara amin’ity fifaninanana ity, ahitana ny taranja fibatana fonjamby, baolina kitra, atletisma, basikety, karate ary mety hisy koa ny Judo.

Catégories: National

Basikety Tana Ville-U20 : Tompondaka ny JCBA sy ny MB2All

jeu, 10/23/2025 - 07:43

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana niadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, ny JCBA Analamanga, rehefa nandresy ny ekipan’ny AKBB tamin’ny isa 53 no ho 34. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, norombahin’ny ekipan’ny MB2All ny fandresena nanoloana ny ekipan’ny Lucadro, tamin’ny alalan’ny isa 35 no ho 22. Niatrika ny lalao famaranana ihany koa ny teo amin’ny sokajy latsaky 12 taona, lahy sy vavy. Nanao pao-droa ny ekipan’ny MB2All. Isa 25 no ho 13 no nandavoan’ireto farany, sokajy lehilahy ny ekipan’ny Cosfa. 26 no ho 13 kosa no nandresen’ny izy ireo, sokajy vehivavy ny ekipan’ny Fandrefiala, teo amin’izay lalao famarana natao omaly izay.

Mi.Raz

Catégories: National

« CAF Awards 2025 » : Anisan’ny hisafidianana ny Coach Rôrô

jeu, 10/23/2025 - 07:43

Tsy mitsahatra ny misongadina ny anaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô). Taorian’ny zava-bitany nandritra ny “Chan 2024”, nantsoina hanazatra ny ekipa Young Africans, Tanzanie, izy. Amin’izao indray, voafantina ho anisan’ireo hisafidianana izay ho mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika.

Navoakan’ny Kaonfe­de­ra­sionina afrikanina bao­lina kitra (Caf) tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny lisitr’ireo teknisianina hisafidianana hahazo ny amboaran’ny mpanazatra me­ndrika indrindra eto Afrika, amin’ity taona 2025 ity na “Coach of the Year – Men 20­25”. Anisan’ireo tafiditra ao ana­tin’izany ny Malagasy mpa­nazatra, Rakotondrabe Romuald Félix (Coach Rôrô). Izy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy nandritra ny “Chan 2024” farany teo.
Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ireo masontsivana, naharesy lahatra ny mpikarakara taminy ny fahombiazany nandritra ny “Chan 2024” ka nahazoany ny laharana faharoa. Tsy tamin’io ihany fa ny taona 2022, nandritra ny Chan natao tany Algerie, tongany teo amin’ny laharana fahatelo ny Barea. Tsiahivina fa efa manazatra ny Young Africans SC, Tanzanie, izy ankehitriny. Mpanazatra efa manana ny lazany avokoa ireo anaty lisitra. Ahitana an’i Mohamed Ouahbi, mpanazatran’i Maroc sokajy zandriny, nandrombaka ny “Mondial U20” farany teo. Ao koa i Tarik Sektioui, teknisianina nitondra ny ekipany hahazo ny “Chan 2024”.

Fitia Randria

Ireto avy ireo mpanazatra tafiditra ao amin’ny lisitra vonjimaika:

Bubista (Cap Vert), Hossam Hassan (Egypte), Krunoslav Jurčić (Pyramids FC Egypte), Sami Trabelsi (Tunisie), Rakotondrabe Romuald Félix (Madagasikara), Moïne Chaâbani (RS Berkane Maroc), Tarik Sektioui (Maroc Chan), Mohamed Ouahbi (Maroc U20), Walid Regragui (Maroc A), Pape Thiaw (Senegal A)

Catégories: National

BNGRC-CRM: Nofanina momba ny drônes ireo teknisianina

jeu, 10/23/2025 - 07:42

Fahombiazana ny fampiofanana nomena ireo teknisianina avy amin’ny Croix Rouge Malagasy (CRM) momba ny fitondrana drônes sy fakana sary ary fanaovana sarintany amin’ny alalan’ny Sig.

Fiaraha-miasa eo amin’ny BNGRC sy ny CRM no nahafahana nanao fampiofanana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizan’ny ekipa ara-teknika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ho amin’ny fitantanana sy fampihenana ny vokatry ny loza.

Nianatra ny fanatanterahana sidina amin’ny alalan’ny drônes ireo teknisianina. Niofana momba ny fakana sy fanodinana sary avy eny ana habakabaka ary ny famokarana sarintany  amin’ny alalan’ny angon-drakitra jeografika. Nisy mihitsy ny fampiharana nahafahana nandrefy ny fandraisan’ireo teknisianina ny fifehezany ny fiofanana nomena. Mivoatra manaraka ny teknolojia vaovao ny hodidina rehetra hanatsarana ny vokatra na amin’ny fifehezana ny loza na amin’ny fomba fakana sary. Manampy betsaka amin’ny fahazoana vokatra tsara amin’ny asa ny fampiasana ny teknolojia maoderina.

Nizarana mari-pamaranana avy amin’ny mpampiofana izy ireo ho mariky ny fandraisany anjara amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika.

Tatiana A

Catégories: National

Idées en goguette – Mercredi 22 octobre 2025

mer, 10/22/2025 - 14:45

Catégories: National

Prize money – Barea: «Efa milamina avokoa», hoy ny federasionina

mer, 10/22/2025 - 07:44

Raha ny fanampim-baovao voaray farany avy amin’ny mpitantana eo anivon’ny Fe­derasionina malagasin’ny bao­lina kitra, tarihin’Andria­manampisoa Alfred dia efa milamina tanteraka ny fizarana ilay “prize money” ho an’ny delegasionina malagasy, nandray anjara tamin’ny fifaninanana Chan 2024. Samy nahazo ny anjarany na ny FMF, na ny mpilalao. Nitontaly 45 ny isan’ireo nisitraka ny volabe, tambin’ny herim-po nasehon’ny mpilalao. Tsiahivina fa nisitraka 61,8 Tapitrisa Ariary avokoa ny mpilalao tsirairay. Izay nitotaly ho 60 % ny volabe nitentina 1 100 000 dolara, nifampizarana. Marihina fa ny federasionina no nisitraka ny 40 % tamin’izany. Vola izay entina hampiroboroboana ny taranja eto Madagasikara.
Anisan’ny nampimenomenona ny mpilalao sy ny mpisintona lakolosy tao anatin’ny andro vitsivitsy ny fizarana ny vola, andaniny. Ilay fahabangana 100000 dolara tamin’ny totalin’ny vola 1 200 000 dolara, ankilany. Mazava anefa ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra fa mazava sy mangaraharaha ny fizarana sy ny nakana ilay ampaham-bola. Nisy tamin’ny vola no nentina nanonerana ny saran’ny fifanintsanana tamin’ny taon-dasa, nisy ny lamandy isan-karazany izya efa notapahan’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny taranja baolina kitra avy hatrany.

Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mer, 10/22/2025 - 07:43

Nanainga omaly, hihazo an’i Espagne, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Junior. Fifanintsanana hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, any an-toerana, izany. Araka ny fikarohana natao, handeha amin’ny Youtube avokoa ny lalao hatrehin’izy ireo.

Tonga nanotrona ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025” natokana ho an’ny sokajy lehilahy, tanterahina any Egypte, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Mpilalao manerana an’i Afrika miisa 40 sy mpanazatra 15 no miatrika ity fiofanana ity. Manana solontena amin’izany i Madagasikara, ahitana an’i Jhod sy i Eymerick.

Ekipa 8 lehilahy sy 7 vehivavy no hifaninana mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona hatao eto Antananarivo, ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao. Hifanindry an-dalana amin’izany ihany koa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy “2é division”, ahitana ekipa 12 eo amin’ny sokajy lehilahy ary 8 eo amin’ny vehivavy.

Hisy ny atrikasa eo amin’ny taranja Échecs hotanterahina ny 25 oktobra izao, ao amin’ny Le Louvre Antananarivo, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 6 ora hariva. Hisy ny fampianarana, fampirantiana sy fampahafantarana ireo boky mahakasika ity taranja ity izany ka anasan’ny Federasionina malagasy ireo rehetra liana, indrindra ireo vao hanomboka hitrandraka ny taranja .

Catégories: National

Pages