«Matetika ny ray aman-dreny no manakana ny ankizy tsy hanaraka io lalam-piofanana teknika», hoy ny mopera tomponandraikitry ny Lycée technique général industriel eo anivon’ny kolejy Masina Misely Amparibe, Rambatoson Eckstein Raymond, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa miankina amin’ny teknika avokoa anefa ny zavatra rehetra atao eto ambonin’ny tany. Efa mivoatra ny zava-misy ary ampiasaina teknika avokoa ny ankamaraon’izy ireny. Misafidy ny hanaraka lalam-piofanana teknika ny ankizy satria mora ahitana asa izany aorian’ny fahavitana fianarana. Maro hisafidianana ihany koa ny fianarana any ary betsaka ny asa azo atao mifandraika amin’izany. Misafidy ny hianatra amin’ny sampam-pianarana teknika ny mpianatra rehefa afaka fanadinana BEPC. Maharitra telo taona ny fampianarana. « Tena marisika ny ankizy satria tiany ny fampianarana. Mila olona hampirisika sy hanampy azy amin’ny hetahetany sy ny faniriany izy ireo”, hoy ny tomponandraikitra. Tsy maintsy fohazina izay hetahetany izay amin’ny alalan’ny fianarana. Zava-dehibe ny mampiseho fa vita malagasy ny asa natao. Somary manahirana ny fiantraikany eto amin’ny firenena satria ny sampana teknika dia tsy misy mpijery fa ezahina ny hampivoatra ny fampianarana teknika.
Miankina amin’ny teknika ny zava-drehetra
Manodidina ny 15 isa ny taranja ianaran’ny ankizy eny amin’ny teknika. Misy ny fianarana asa ataon’ny ankizy. Misy ny fotoana fampiharana. Miainga amin’ny fifehezana ny matematika sy fizika ny fampianarana ny taranja fototra. Malalaka amin’ny safidy tiany ny mpianatra ka mamolavola ny zavatra kasainy atao ary manatanteraka izany. Manara-maso sy manome torohevitra fotsiny sisa ny mpampianatra.
Mivoatra sy hita ny fitiavan’ny ankizy ny lalam-piofanana teknika. Anisan’izany ny mahakasika ny robotika sy ny mekanika. Misy ireo mpianatra nahavita nanamboatra sy namokatra cross car. Teo koa ny tetikasa famokarana “barrière” ilaina any amin’ny orinasa mba ahafahana manamarina ny fotoana hidirana sy hiravan’ny mpiasa tsirairay. Voafehy amin’izany, ny fotoana nahatongavan’ny olona eo anivon’ny orinasa iray. Ankoatra izay, misy ny tetikasa takela-jiro fampiasa amin’ny fifamoivoizana sy ny maro hafa. Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ireo ankizy mampihatra ny fianarana nataony tany an-tsekoly. Apetraka eo anivon’ny sekoly io fitaovana novokarina ireo, raha ny fanazavana nataon’ny mopera tomponandraikitry ny teknika eo amin’ny kolejy Masina Misely manokana. Manampy akaiky ny mpianatra ny mpampianatra ary miverina isaky ny alarobia sy sabotsy hariva ho fanaraha-maso. « Manao ny famolavolana sy ny fanatanterahana isan-karazany ny zavatra tiany ataony ny mpianatra. Sakana ny fanampiana ny teknisianina eto amintsika », hoy ny mopera Rambatoson Eckstein Raymond. Voizina hatramin’ izay ny fampianarana ankapobeny fa ankehitriny, entanina ny ankizy mba hianatra aty amin’ny sekoly teknika.
Tia manaraka lamina ny ankizy teknika
Maro ny mpianatra tia mandranto ny fianarana ankapobeny, raha oharina amin’ny teknika. Miavaka ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana teknika raha oharina amin’ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana ankapobeny, raha ny fanazavana voaray ihany. Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny eo amin’ny lafiny toe-tsaina. Tia mampihatra ny zavatra nianarany, tia manaraka fitsipika sy lamina ihany koa rehefa hanao zavatra iray mba tsy ho diso ny zavatra atao, raha ny nambarany ihany. Mahavita sy mahay ny Malagasy ary lasa mampihatra ny fianarana noratoviny any ivelan’i Madagasikara avokoa anefa ny ankamaraon’ireo tafita fianarana. “Tokony hiverina sy hijanona eto an-tanindrazana hatrany anefa ireo tanora nahavita fianarana. Mba hanatevin-daharana sy hanatsara ny vita Malagasy”, hoy ny tomponandraikitry ny lycée teknika izy.
Nahavita famoronana maro
Nandritra ny fotoana nisian’ny teknika teo Amparibe, efa maro ny famoronana vitan’ny ankizy. Nisy nahavita namorona sy nampiodina « Drone », izay mitondra entana. Tao anatin’ny iray volana mahery ny nanamboarana sy ny vina nanamboarana azy io. “Baikoina amin’ny finday na solosaina rehefa misy Wifi ary jerena amin’ny écran (efijery) amin’ny solosaina”, hoy Andriantahina Fy, mpianatra teknika eo anivon’ny kolejy Masina Misely. Nambaran’izy ireo ho olana ny fanenjehana fotoana sy ny lafiny ara-bola rehefa manao famokarana. Tamin’ny vinavina voalohany, nieritreritra hanao fiaramanidina ny tetikasa kanefa sarotra kokoa noho ny pitsopitsony be sy ny fitaovana hanamboarana azy. “Vinavinan’ny mpianatra ny hamerina ny jiro telo soratra satria tsy mbola hitanay izany”, hoy Rakotoniera Finaritra Marc, mpianatra teknika. Natao hanampy ny polisy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana izany tetikasa izany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly fa ho santarina eo amin’ny vavahady fidirana ny tetikasa sasany nataon’ny mpianatra.
Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou
Mirefy 8 km ny lalana tsy maintsy vita godirao, mialoha ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto Antananarivo amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Io no toromarika nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, raha nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana eny Tsarasaotra, omaly. Hampiana ny isan’ny mpiasa andro sy alina, hampiana ny orinasa, sns.
Miisa 50 ny tanora niofana momba ny zaitra «crochet», avy ao amin’ny Akanin’ny Marenina Ivo Hay (Akama) etsy 67 Ha. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Sambatra eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny taozavatra. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Lenka Madagasikara, ka hianatr’asa ao ireo tanora ary misy koa no horaisina hiasa avy hatrany.
Mitohy ny hetsika famonoam-balala any Atsimo Andrefana, Anosy, Ihorombe, ny 11 hatramin’ ny 13 jolay teo. Anisan’izany ny any Andranovory, Maromiandra, Betioky Atsimo, Amboasary Atsimo, Ihosy, Betroka, sns. Misy ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Amafisina, fa tsy azo atao intsony ny mihinana valala amin’izao fotoana izao.
Nafindra eny amin’ny toerana nikarakarana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, nanomboka ny 2 jolay 2025 teo. Nitarina ny velaran’ny toerana, izay lasa 1 076 m2 raha 353 m2 taloha. Ao anatin’izany ny fandraisana ny mpandeha vao tonga sy ny fikarakarana ny entana, ampiasana fitaovana maoderina. Nohalavaina, noho izany, ny fitaovana mamoaka ny entana, izay lasa 96 metatra raha 31 metatra taloha, manamora ny fikarakarana.
Mitohy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ka mbola hampiasaina vonjimaika hatramin’ ny desambra 2025 ny toerana fandraisana ny mpandeha ho an’ny zotra eto an-toerana. Mitentina 1,6 tapitrisa euros ny tetibola ampiasaina. Nilaza ny tale jeneraly ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa «dingana lehibe vaovao no hatao amin’izao fanavaozana ny fikarakarana ny zotra anatiny ato amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo izao. Taratry ny ezaka asehonay, hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpandeha. Fotodrafitrasa hampiroboroboana ny kaompania Madagascar Airlines. Hotohizana ny ezaka hanomezana tolotra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena».
Raha ny antontanisa farany, ny jona 2025 teo, niisa 286 ny isan’ny zotra anatiny tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary 286 toy izany koa ny fiaingana.
Njaka A.
Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE).
Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN) ny BNCCREDD+, Ravelomanana Lovakanto, fa andiany faharoa (Task-2) ity tetikasa ity, mandritra ny 48 volana. Hifantoka amin’ny fiarovana ny rohivoahary amoron-tsiraka, famerenana amin’ny laoniny ny ala honko mirefy 3 000 ha, sahandriaka mirefy 2 000 ha, zavamaniry 200 ha, sns. Eo koa ny fanatsarana ny velon-tena mampidi-bola ny mponina. Faritra efatra no voakasika (Boeny, Menabe, Diana, Atsimo Atsinanana), anaty kaominina 20 (5 isaky ny faritra). Mitotaly 147 000 ny mpisitraka ka mivantana ny 92 040, ary vehivavy ny 50%.
Dingana efa vita tamin’ny andiany voalohany (Task -1) ny fananganana dobo fiompiana trondro tany Manakara, ny fitahirizana sy fikarakarana ny hazandrano, ny fiarovana amin’ny loza voajanahary, sns.
Njaka A.
Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza.
Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. Hita tao Ambohitrimanjaka, Fokontany Fiantsonana, kaominina Ambonivohitra Soavinandriana ny razana rehefa nokarohina nanomboka ny voalohan’ny volana marsa lasa teo. Nanoro ny toerana nandevenany azy ny lehilahy roa voarohirohy, voasambotry polisy. Tany amin’ny toerana lalana 30 minitra, miala ny fiantsonan’ny taksiborosy, mandeha an-tongotra izany.
Raha tsiahivina, nitondra moto vao novidiany izy niala ny toeram-piasany ny 1 marsa. Niaraka tamin’ny olona iray hafa, nilaza ho mahita toerana hividianana vary ity farany. Tsy nody an-trano sy tsy azo an-telefaonina intsony i Mahandry. Nampiahiahy ny fianakaviany ny zava-nitranga, nametraka fitoriana izy ireo. Marihina fa very niaraka taminy ihany ko any moto.
Nanomboka ny fikarohana. Hitan’ny olona nitaingina ny moton’i Mahandry ilay lehilahy niaraka taminy farany. Nitsoaka avy hatrany izy, navelany teo ilay moto.
Tra-tehaka ihany
Tsy nijanona ny fikarohana, niafina tany Antanifotsy-Antsirabe ilay rangahy taty aoriana. Voasambotry ny polisy izy taorian’ny angom-baovao mari-pototra. Niainga avy aminy rahateo no nahalalana ny marina rahetra toy ny famonoana an’i Mahandry, ny halatra moto, ary ny fandevenana antsokosoko. Mbola karohina kosa ny namany.
Efa azon’ny fianakaviana omaly, ihany ny razana izay efa tena rava tanteraka. Ny ankanjony namonosan’ireo olon-dratsy azy ihany sisa no nahalalan’ny havany azy. Nanampy ny fianakaviana ny solombavambahoaka tany an-toerana tamin’ny fakana ny razana noho ny fahasarotan’ny lalana. Mitohy ny fanadihadiana.
Tsiferana
Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sycavi, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana tetsy Antanimena, ny herinandro lasa teo. Olona efatra amin’ny dimy no miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara nefa tsy mahafantatra izany akory, raha ny antontanisa navoakan’ny ONUSida tamin’ny 2023. 22 % ny olona mitondra ny tsimokaretina kosa no mahafantatra, raha ny tatitra hatrany. 76 000 ny olona vinavinaina ho mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. 26 703 no fantatra sy hita ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao fotoana izao, raha ny antontanisa navoakan’ny “Programme national de lutte contre les IST et VIH/Sida” (PNLS), tamin’ny desambra 2024. Mbola misy olona manodidina ny 50 000 isa eo ho eo karohina.
Olana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fitaovana hiarovana sy handraisana an-tanana ny olona ary ny tsy fahampian’ny fitaovana fanaraha-maso ireo marary, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Mbola misedra olana amin’ny lafin-javatra maro ny olona, indrindra ireo olona tena tandindomin-doza (PCPER) ary ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana. Nanontaniana tamin’izany ny vondron’olona tiliana manokana, mety hamindra ny tsimokaretina. Eo ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina izay mampiasa fitaovam-pitsindromana, mpampanofa tena, ireo miara-miaina miaraka amin’ny VIH/Sida, ary ireo olona mitovy fananahana manao firaisana ara-nofo. Nambaran’izy ireo fa maro ny olana mbola sedrain’ny vondron’olona tiliana samihafa, mahakasika ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Olana mivoitra indrindra tamin’izany, ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fahalalana ary ny fitaovana entina hamaliana ireo filan’ny mpisitraka. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny valin’ny fanadihadiana fa nisy tsy fahampiana ireo sampandraharaha mandray an-tanana nandritra ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Efa nisy kosa ny fanatsarana nataon’ireo tomponandraikitra taorian’ny antso avo nataon’ireo mpiantsehatra teo anivon’ny tetikasa.
Ilaina atao ampy ny fitaovana fiarovana
Tsy misy dikany ny fanentanana raha toa ka tsy misy ny fitaovana fiarovana. Vahaolana lehibe ny fahampian’izany. Hamoraina ihany koa ny fanaovana fitiliana, mba hahafahan’ny tsirairay mahafantatra na mitondra ny tsimokaretina izy na tsia, raha tiana ho tratra ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. “Tokony efa ho vonona ny fitaovana fanaovana fitiliana io rehefa misy olona anankiray hanatanteraka izany”, hoy ny Dr Ravelohanta Mananaharisoa, mpandrindra ankapobeny ny tetikasa Sycavi. Tokony hitohy foana ny fanentanana, aorian’ny fahafantarana ny valin’ny fitiliana. “Raha toa ka voan’ny tsimokaretina ilay olona dia tokony hisokatra sy hisitraka maimaimpoana ny fanafody ARV izy”, hoy ihany izy. Mila tohizana foana ny fanaraha-maso ilay marary sy ny fandraisana an-tanana tokony atao aminy, rehefa mihinana ilay fanafody. Tanjona amin’izany, ny mba hahafahana misoroka ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida. Manoloana ny fanilikilihana sy fanavakavahana, zava-dehibe ny mampianatra ny olona tsirairay avy. “Toy ny olon-drehetra ihany ny olona mitondra ny tsimokaretina ary manana zo hisitraka tahaka ny olon-drehetra ihany ary manana ny zo hisitraka ny zo hahazo fitsaboana ara-dalàna”, hoy Dr Rasolofihanitra Toavina Jhon, avy amin’ny firaisamonim-pirenena (organisation de la société civile). Nambarany fa hita sy tsapa fa zava-dehibe ny fampianarana ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny VIH, mahakasika ny fivoarana rehetra manodidina ny aretina.
Mitsangana ny OPP Mada
Betsaka ny mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida. Nijoro ny OPP Mada, natao hivondronan’ireo mpiantsehatra fiarahamonim-pirenena mba hanamorana ny fandrindrana, ahazahoana angon-kevitra mirindra sy milamina mahakasika ny fanadihadiana atao amin’ny ady amin’ny VIH/Sida. Fototra telo no ijoroan’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Eo ny eny anivon’ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ny fiarahamonim-pirenena. Hatramin’izao, afaka misitraka torohevitra isan-karazany tokony alehan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina.
Voasazy ny olona mikasika zava-mahadomelina raha ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka indray, mijery ny fomba rehetra ahafahana mitsabo ireo olona ireo izy ireo. “Izahay ato anatin’ny fiarahamonim-pirenena, dia mijery ny vahaolana, sy mankahery ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina ireny”, hoy ny filohan’ny OPP Mada, Firinga Johnson Victorius. Nambarany fa apetraka amin’izany ny fifampitokisana, lazaina aminy fa tsy mety ny “seringue” tokana ampiasaina ary omena “seringue” hafa izy ireo. Tarihina amin’ny fialana tsikelikely amin’ny resaka tsindrona izy ireo rehefa mifampatoky. Mba hialana amin’ny fanagadrana azy sy ny maro hafa. Ezaka ataon’ny OPP ny milaza ireo olana rehetra misy sy hitadiavam-bahaolana mahakasika izany.
Nanatontosa : Mino
Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana izany”, hoy izy.
Nambarany fa mifandray tsy tapaka amin’ny fitondram-panjakana malagasy koa ny fanjakana frantsay amin’ny firosoana izany. Mbola nohamafisin’ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, teny Ivandry koa izany. Tsiahivina fa mpanjakan’i Madagasikara ny Ampanjaka Toera. Tena martiora izy ka fotoana iray hampisehoantsika ny mampitambatra ny Malagasy ny fotoana hiverenan’ny kabesony eto Madagasikara, araka ny nambarany. “Mendrika ny hanaovana lanonana ny fahatongavany satria manana ny hajany tokoa”, hoy izy.
Synèse R.
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera.
Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno ny fepetra, araka ny tapaky ny kongresy rezionaly ny volana mey teo”, hoy izy ireo. Mbola notsiahivin’ity sendika ity ny masontsivana amin’ny fanendrena ny fitalevana ny MEETFP Atsimo Atsinanana. Anisan’izany ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritra. “Mahalala sy manana vina hampandroso ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manaja ny maha olona ary midina ifotony mamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana”, hoy izy ireo.
Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra izy ireo mba hijery izao olana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izao.
Fampidirana resaka politika
Takin’ity sendika ity koa ny hampitsaharana tsy misy hatakandro ny fampidirana resaka politika eo anivon’ny minisitera. Nohitsin’ny fanambarana fa mifanohitra amin’ny maha kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny MEETFP. “Fanapotehana anefa no misy aty Atsimo Atsinanana tao anatin’ny roa taona. Ataon’olom-bitsy fitaovana politika ny fanendrena mba ahafahana manao tantely afa-drakotra”, hoy ihany ny fanambarana nosoniavin’ny mpandrindram-paritry ny sendika MEETFP Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Celestin.
Tsiahivina fa efa vita ny herinandro teo ny famindram-pitantanana ny talem-paritra any an-toerana ka nandraisan’i Aina Perle Hortense izany toerana izany.
Synèse R.
Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana.
Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. Ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy, tao amin’ny fokotany Ankirihiry parisela 11/55, nandritra ny fahatapahan’ny herinaratra, nandihizan’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray. Renim-pianakaviana sy ny zanany vavy irery no tao an-trano. Tsy sakana tamin’ ireo jiolahy ny hamafin’ny lakoro sy ny hidin-trano fa tafiditra ihany ry zalahy. Vokany tafiditra ihany ireo jiolahy izay efa vonona tamin’ny jiro fanao am-paosy, miampy matraque napoapoaka manerana ny efitrano hany ka tsy afa nihetsika sy namaly izy mianaka. Norahonana mba hamoaka vola ka namoaka lelavola 15 tapitrisa Ar. Nolazain’ireo olon-dratsy fa mbola tsy ampy ka norahonany haolan’ izy ireo ny zanany vavy na izy reniny. Tsy sahy indray ireo jiolahy ka nandroaka izay tiana entina, finday, famantaran’ora amin’ny tanana sy mipetaka ain’ny rindrina, firavaka volamena kojakoja tao an-dakozia.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray manao ny asany andavanandro maka henan’omby tao amin’ny labatoara, vao omaly maraimbe, no norobaina andian-jiolahy. Nihevitra ireo andian-jiolahy fa mitondra vola ity raim-pianakaviana mpividy ilan’omby ity. Vokany, tsy nahitana afa-tsy vola
10 000 Ar tamin’ ilay rangahy ka nanalan’izy ireo hatezerana. Nodarohan’ireo jiolahy izy ka naratra.
Tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Analakinina hopitalibe ihany koa no nidirana mpangalatra. Tsy afaka nanokatra varavaran-trano ireto andian-jiolahy tamin’ ity hany ka siny sy koveta ary bidao, izay nanatazana ranon’ orana teo an-tokotany no tsy nisy niaingana fa lasa daholo. Notapahin’ izy ireo ihany koa ny papay maniry eo andakoro ka nalain’ izy ireo dahol
Sajo/J.C
Voasokajy ho anisan’ny sakafo ara-panahy ny mozika. “Mihira ny olombelona rehefa te hifanakaiky sy hifandray amin’ny Zanahary na amin’ny zavatra hinoany”, hoy Randrianarisoa Germain na Rajery Valiha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny mitsabo ny olana ara-tsaina ihany koa izany. “Miteraka fihetseham-po ny mozika ka anisan’ny faritra voakitika amin’ izany ny loha sy ny fanahy izay mampidoboka ny fo ary mampibitaka ny tapany ambany amin’ny vatana », hoy ihay ity mpanakanto ity. Misy koa ny mozika izay resahina ao anatin’ny fitsaboana. Haverina ao amin’ny tontolo ara-dalàna sy ny fiainana andavanandron’ny olona manana fikorontanana ara-tsaina izany.
Etsy ankilany, “fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto ny mozika satria malalaka izy amin’ny famoronana ny tonony sy ny feony”, raha ny nambaran’ity Malagasy mpihira ity. Mila arindra tsara anefa ny feo sy ny mozika mba ho lasa zavakanto, raha ny nambarany ihany. “Mpitondra sy mpampita hafatra ny mpanakanto ary mpanabe sy manodina ny lohan’ny olona hanaraka ny zavatra tiany hambara sy hampitainy”, hoy Rajery. Ankoatra izay, fomba iray ahafahana misintona lohahevitra na gadona na fomba isan-karazany amin’ny famoronana ny fahalalahan’ny mpanakanto ny mozika. « Malalaka izao ny mpanakanto iray raha mitrandraka ny hira avy any Atsimo na Avaratra kanefa izy mipetraka eto anivon-tany”, hoy ihany izy.
Azon’ny mpankafy ny tian-kambara
“Tsy voatery hazavaina amin’ny vahiny mpankafy sy mijery ny fampisehoana ny tononkira fa azony hoazy foana na dia amin’ny teny amin’ny Malagasy ranoray aza”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Midika izany fa azon’ ny mpankafy foana ny tian-kambara sy ny hafatra tian-kampitaina amin’ny alalan’ny gadona sy loko ary ny herijikan’ny hira omen’ny mpanakanto azy eny an-tsehatra. Teraka tao anatin’ny feo ny zazakely, ary miampita any aminy avy hatrany ny hafatra rehetra. Amin’ny ankapobeny, faly na mitomany izy ireny rehefa mihaino mozika. Heverina fa manana olana ara-pahasalamana ny zaza raha toa ka tsy misy fihetseham-po. Manoloana izany, azo sokajiana ao anatin’ny mozika noho izany ny feo. Ohatra, ajanona avokoa ny zava-maneno rehetra ao an-trano rehefa misy fahoriana. Voafetra ihany anefa izany raha ny nolazainy.
Efa nolovaina ny naha mpitendry
Anisan’ny tia mitendry Rajery. Sivy mianadahy mpiray tampo izy ireo ny zanaky ny ray aman-dreniny ary faralahy izy. Nambarany fa efa mpitendry valiha ny zokiny lahimatoa. Mitendry gitara sy manao teatra ny sasany amin’ ny mpiray tampo aminy, raha ny nambarany ihany. Mpanakanto avokoa ny manodidina azy. “Hitako ny fitendrin’io zokiko io valiha ary tena babon’ ny feony sy ny endriny aho ary niainga teo ny faniriako hianatra mozika”, hoy ihany izy nanazava. Nanomboka nampiana-tena sy nianatra niafina izy, raha ny fitantarany. Tsy maintsy nisy foana ny fianarana fa tsy nahay fotsiny tamin’ izao na teo aza ny fanomezam-pahasoavana tao anaty.
Namela fahatsiarovana tsara sy ratsy
Nanomboka nitendry valiha teo amin’ny faha-15 taonany i Rajery. Niakatra an-tsehatra voalohany tetsy Antanimena ny taona 1983, izay tao anatin’ny Tarika Tsilavina. Hira nalaza tamin’izany, ny hoe : « Hay ve e ! Efa tralala a ! », noforon’i Randria sy Guy Rose. Tafara-dia tamin-dRakoto Frah indray ny taona 1986. Nanomboka namorona teknika fampianarana valiha ny taona 1989. Nanangana ny Tarika Akom-baliha ny taona 1991 ary teraka teo ihany koa ny anarana Rajery fa taty amin’ny 1992 vao tena nandeha irery. Nivoaka voalohany tany ampitandranomasina ny 1992 ka hatramin’izao fotoana izao.
Nivoaka voalohany ny taona 1992 tatsy amin’ny Nosy Comores. « Nijanona ela tao amin’ny nosy Comores. Sambany teo amin’ny fiainana izany nandeha fiaramanidina. Tany France ny taona 1993. Nisian’ilay teny hoe: « Tolory tanana Rajery » ny taona 1993. Notronin’ny mpanakanto marobe izay mbola hisaorako azy ireo ny fanotronana tamin’izany fotoana izany toy ny Iraimbilanja, Ricky ary Bodo sy izay tsy tadidiko. Nony tonga tao France avy niverina avy tany Etats-Unis izay nilazana fa nahazo ny « Prix RFI Lauréat 2002 ». Tsy nino ary tsy nieritreritra ny hibata izany loka goavana be izany. Ny fiarahana tamin’ireo mpihira malaza be izay noheveriko fa nanokatra ny fijeriko tao anatin’ny mozika satria ny fianarana tsy mety tapitra mihitsy. Ny tontolon’ny mozika izany tsy tokony ho tontolon’ny mahaihay fa tontolon’ny mahafehy ny asany. “Tsindriako fa tsy tontolon’ny matihanina ny fiteny fa tontolo mahafehy ny asa. Na ny matihanina aza tsy fantatro izay dikany. Satria fivelomana kanefa maty ny hery aloha dia inona ilay hanina ?”, hoy Rajery Valiha.
Nanatontosa : Mino
Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity.
Zava-dehibe tokoa ny fifanintsanana rezionaly tahaka izao, hisolo tena an’Analamanga, mandritra ny fifanintsanana iraisam-pirenena izay mendrika amin’izany. Araka ny fanazavana azo ihany, efatra isan-tsokajy no afaka hiakatra amin’ny dingana nasionaly, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, afaka nandefa solontena valo ny ligin’Analamanga.
Tsara ny mampahafantatra fa misy sokajy zokiny “Veterants” lahy sy vavy, ary zandriny U20 sy U14 ity hetsika etsy Mahamasina ity. Hanomboka amin’ity herinandro ity, ny ampahavalon-dalan’ny U14 lahy sy vavy.
F.R
Notapahina ny herinaratra amin’ireo tariby mitondra herinaratra mankany amina tokantrano maromaro ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay nisitraka ny tetikasa « jiro mora », tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nohamafisin’ireo mpiasan’ny Jirama tonga teny an-toerana fa hoe tsy manara-dalàna ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ireo mponina ka antony nanapahana ny famatsiana herinaratra nozaraina tamin’ireo mpisitraka izany. Nilaza ireo mponina fa ezaka nataon’izy ireo no nahafahana nampiditra ny jiro. Nambaran’ ireo mponina fa nahazo alalana avy amin’ny ben’ny Tanànan’Ambohimanambola ny fametrahana ity tetikasan’ny Filoha Rajoelina Andry ity. Saingy, nindaosin’ny fahafatesana izy ka nilaza ho mahatsiaro tena kamboty ireo mponina. Miantso ny Filoham-pirenena ireo mponina mba hijery akaiky momba ity raharaha tetikasa « jiro mora » eny amin’ny kaominina Ambohinamambola ity. « Maizina am-pototry ny mazava izahay fa ety aminay no misy foiben’ny Jirama mizara herinaratra », hoy ny renim-pianakaviana iray. Efa nanamafy ny filoham-pirenena tany Sainte Marie fa handray ireo mpiasan’ny Jirama sy ny sendika ka hijery ny vahaolana hamahana ny disadisa rehetra izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.
J.C
Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany.
Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ny AS Ste Anne, tompondaka farany tamin’ny taona lasa teo. Izy ireto, araka izany, no solontenan’Analamanga, amin’ny fifaninanana Diviziona faharoa nasionaly. Raha hiverenanana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny ekipan-dry zareo polisy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny famoaham-baolina ny mpiandry haraton’ny AS Ste Anne, tany amin’ny faha-10 minitra tsy hiravan’ny lalao. Nifarana tamin’io isa 1 no ho 0, io ny fifanandrinana teny an-toerana, nandresy ny COSPN.
Nilaza ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa harenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ity taom-pilalaovana ity. Manentana ary manaitra ny tomponandraikitra kosa ny tenany manoloana ireo zavatra hataon’ny ekipa any amin’ny faritra, rehefa mandeha ny D2 Nasionaly. “Misy amin’ireo ekipa any amin’ny faritra, manao fifantenana mpilalao entiny miatrika ity fifanintsanana ity, ka sahirana hatrany ny solontenan’Analamanga mifanandrina amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga. Notsiahiviny ihany fa raha fifantenana no ilaina, manana mpilalao maro ny avy eto amin’ny ligin’Analamanga.
F.R
Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy.
Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny vary iray kapoaka eto an-toerana, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Anisan’izany ny makalioka sy ny vary gasy mena. Mahatratra 3 200 Ar sy 3 300 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafa. Fotoana fiakaran’ny vary vakiambiaty anefa izao, saingy tsy nidina ny vidim-bary. Lazain’ny mpaninjara fa mbola hiakatra ny vidim-bary atsy ho atsy.
Maharitra kokoa ny saribao ekolojika raha ampitahaina amin’ny saribao tsotra. Efa maro ny mpamokatra azy, ankehitriny, sady miparitaka manerana ny faritra maro. Anisan’ny ahitana fivarotana azy ny eto Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Itasy, Boeny, Mananjary, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, sns.
Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabibo, afakomaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Mahabibokely Mahajanga. Olon-dratsy malaza amin’ny asa fanendahana miharo herisetra izy io. Avy namaky fiara iray tany Tsaramandroso izy no nifampitadiavana ary nifanehitra tamin’ny Polisy.
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary nosamborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopitaly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, namoahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 grama. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Madagasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.
Mino
Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny roa lahy kendry tohana teo amin’ny arabe io mpanao Cash point io. Tsy nisy alaharo fa nisintona ny sakaosy nisy ny vola avy hatrany ireo jiolahy. “Nampitahoriny sy nambanany basy izahay ka tsy sahy namaly”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa voaroba. Nirifatra nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo mpanao ratsy taorin’io. Tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nanao io asa ratsy io. “Olona mbola tsy fahitanay ny endrik’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lasibatra. Efa niandry mialoha ny fotoana nandalovan’io mpanao Cash point io teo amoron-dalana ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Natodiny tamin’ny arabe ny moto ka nanao mora ho azy ireo ny fandosirana. Mampanontany tena ny lasibatra ity tranga ity satria tsy lavitra ny biraon’ny zandary sy kaomisaria ny polisy ny toerana nitrangan’ny loza.
Tsiferana R.