S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 41 min 49 sec

VAOVAO TAMBATRA

sam, 08/02/2025 - 09:01

Vita amin’ny ankapobeny ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Nandritra ny 5 volana ny fotoana nanaovana ny asa mirefy maherin’ny 10 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR), ka mizara 7 ny zotra natao tamin’izany. Vita ihany koa ny lalam-pirenena faha-54, mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy.

Vita ny 80% ny asa fananganana fotodafitrasa any Marohazo Maintirano. Manohana ny asa ny tetikasa AD2M. Anisan’izany ny fanamboarana ny tohodrano Marifilaly, manondraka velaran-tany 1 600 ha, ka miisa 700 ny tantsaha misitraka azy. Eo koa ny fanarenana ny lalana RN19, mirefy 22 km, any Beteno.

Harenina ny vata fampangatsiahana fitahirizana hazandrano any Ambalabe Vangaindrano. Man­deha amin’ny herin’ny masoandro ireo fitaovana ireo, ka mandritra ny 10 andro ny fe-potoana hanamboarana azy. Nahazo fiofanana koa ny teknisianina miisa 3 any an-toerana, tohanan’ny tetikasa Mamatsy, famatsiam-bola avy amin’ny BMZ.

Catégories: National

Fondation Airtel Africa: Hatsaraina ny fari-piainan’ny afrikanina 10 tapitrisa

sam, 08/02/2025 - 09:01

Hita manerana ny firenena afrikanina miisa 14 ny Fonda­tion Airtel Africa. Tanjony ny ha­natsarana ny fari-piainan’ireo mponina miisa 10 tapitrisa hatramin’ny taona 2030. Mi­­isa 4 ny sehatra voakasik’izany : ny fampiasana ny tontolo ara-bola, ny fanabeazana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Misy ny fandaharanasa Adopt-A-School, hanatanterahana azy, hanohanana sekoly miisa 50 hatramin’ny taona 2026. Fiaraha-miasa amin’ny Unicef, mitentina 57 tapitrisa dolara. Miisa 2 176 ny sekoly nasiana internet, azo ampiasaina maimaimpoana. Maherin’ny 2 tapitrisa ny mpi­anatra misitraka izany, sy mpampianatra 35 000.
Ho an’i Madagasikara, misy ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite sy ny sekolim-panjakana, tohanan’ny Unicef. Mi­isa 86 ny sekoly efa manana internet ho an’ny mpianatra 51 000 sy mpampianatra 1 300. Natao hampiofanana ny tanora sy vehivavy avy amin’ny fianakaviana marefo, hahay hifehy ny fampiasana ny niomerika, hiomanany amin’ny sehatry ny asa sy hahazo ny tolotry ny banky, izany.
Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fondation Airtel ny fikajiana ny tontolo iainana, toy ny fanodinana ho vokatra hafa indray ny fako elektronika, ny fampiasana ny angovo maitso, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, ny ONG ary ny sehatra tsy miankina hanatanterahana ireo.

Njaka A.

Catégories: National

Guerre, ultimatum et victoire !

sam, 08/02/2025 - 08:39

Les droits de douane « réciproques » à 47%, imposés aux produits malgaches exportés vers les Etats-Unis, annoncés par Donald Trump, il y a trois mois de cela, ont été ramenés à 15%, après une série de négociations menées tambour battant, entre Madagascar et les Etats-Unis, aboutissant dans ce sens à un accord commun. Ce même taux sera aussi imposé aux produits européens suscitant de vives réactions de certains pays qui ne comptent pas en rester là. Même si pour Donald Trump, c’est à prendre ou à laisser.
D’après les analyses des économistes, Donald Trump a gagné cette guerre mondiale commerciale qu’il a lui-même déclenché et qu’il a lui-même fixé les règles, avec un ultimatum de 90 jours. Dès le départ, la bataille a été perdue d’avance pour plus de 90 pays concernés y compris les grandes puissances, condamnés à négocier dans le but de trouver un compromis et de signer une trêve.
En fait, depuis le début des hostilités, tout le monde y voit clair dans la stratégie de rapport de force, déployée par Donald Trump. Il a mis la barre très haut, pour pouvoir fixer un taux en dessous de ce qui a été annoncé, mais largement en dessus des tarifs établis bien avant cette déclaration de guerre commerciale. Le président américain et les Etats-Unis sont les grands vainqueurs.
Pour Madagascar, apparemment, c’est le meilleur
«deal» possible qui n’avantage pas pour autant les opérateurs malgaches concernés. Dans tous les cas et toutes les configurations, l’impact sera plus néfaste que bénéfique non seulement sur l’économie malgache, mais également sur les opérations d’exportations vers les USA. Ils vont devoir revoir leur stratégie et s’adapter pour être plus compétitifs. Et pour ceux qui n’arrivent pas à s’en sortir, ils n’auront pas d’autres choix que de cesser leurs opérations vers les Etats-Unis. Ce nouveau tarif douanier va porter un coup d’arrêt à leur dynamique exportatrice.
Entre 47% au départ et 15% au final, soit une hausse de 5% qui n’est pas moindre par rapport au taux précédent de 10%, Donald Trump a réussi à tirer son épingle du jeu. Il a déclaré la guerre, posé un ultimatum et s’adjuge la victoire finale.

Andry Rabeson

Catégories: National

Ajustement des droits de douane à 15%: le Gem se dit satisfait

sam, 08/02/2025 - 08:39

Les nouveaux droits de douane réciproques imposés par Donald Trump aux partenaires commerciaux des Etats-Unis, entreront en vigueur le 7 août. Dorénavant, le taux imposé est de 15% pour les produits malgaches exportés vers les USA, après avoir été plafonné à 47%. Un grand ouf de soulagement pour le Groupement des entreprises de Madagascar (Gem).

Comme l’ultimatum fi­xé par Donald Trump est expiré et de nombreux pays se sont finalement conformés aux exigences du président américain, ce dernier a signé le 31 juillet le décret fixant les nouveaux tarifs douaniers qui seront appliqués à partir du 7 août. Pour le cas de Madagascar, à l’issue des négociations menées par l’Etat malgache, le taux de 47% fixé au début et jugé très élevé, a été revu à la baisse et ramené à 15%, en tenant compte de plusieurs facteurs et indicateurs.
Et ce décret est accueilli avec un certain soulagement du côté du Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Ce dernier parle mê­me «d’un aboutissement positif des négociations» menées par Madagascar avec l’Un­ited States Trade Repre­sentative (USTR) dans le cadre du Prosperity Deal. En un mot, c’est un bien meil­leur accord plus favorable que celui signé par les autres pays.
«L’objectif principal des négociations entamées avec les Etats-Unis est de réduire de manière significative les droits de douanes initialement fixés à 47% par l’administration américaine et bien évidemment, d’équilibrer les taxations par rapport aux pays concurrents de la Grande île notamment dans le domaine du textile, de la vanille, des mines et des produits de la mer», a-t-on fait savoir.
A rappeler que les droits de douanes de Donald Trump étaient prévus entrer en vigueur le 9 avril, mais le président américain a accordé un sursis de 90 jours aux pays concernés, en offrant un tarif préférentiel de 10%, dans le dessein de les amener à la table des négociations.

Contribution active du secteur privé
«Les secteurs du textile par l’entremise du Groupe­ment des Entreprises Fran­ches et Partenaires (GEFP), de la vanille par le biais du Conseil national de la Va­nille (CNV) et des mines représentées par la Cham­bre des Mines de Mada­gascar (CMM), ont largement con­tribué aux échanges de données et de références clients, renforçant ainsi la crédibilité et la légitimité des demandes formulées par Ma­da­­gascar» a avancé le Gem. Le ministre de l’In­dustriali­sation et du commerce, David Ralambofi­ringa a également affirmé au mois de juin que les secteurs public et privé se sont donné la main pour que Madagas­car continue à exporter des produits sur le marché américain.
Les dés sont jetés. «Dé­sormais, Madagascar devra améliorer la compétitivité de ses produits, pour accélérer notre croissance et attirer l’investissement local et international» a indiqué le président du Gem, Francis Rabarijohn.

Exemption tarifaire pour la vanille
Si l’on se réfère à l’annexe de l’Executive Orger signé par Donald Trump, la vanille fait partie des produits exemptés des droits de douane à leur entrée aux Etats-Unis. Il est indiqué dans la nomenclature tarifaire publiée par l’United States Trade Representative que le tarif douanier pour la vanille est de 0%.
Toutefois, le président du Groupement des exportateurs de vanille de Madagas­car (GEVM), Georges Gee­raerts a fait part de son inquiétude, «si la vanille est finalement exonérée des droits de douane, peu im­porte le pays de provenance, alors nous resterons compétitif. Mais si le tarif reste à 1 % pour Mada­gascar, et que l’Ouganda reste à 10%, on peut s’attendre à une réduction des commandes».

Jean Riana

Catégories: National

TSELATRA

sam, 08/02/2025 - 08:38

Nafindra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Fenohasina, tompom-pety, taorian’ny fiakarany fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly. Nijanona eny amin’ny fonjaben’Antanimora ihany ny reniny. Mitazona ny fitoriana azy ireo hatrany ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona 30 mahery nandritra ny fety teny Ambohimalaza ny fianakavian’ny maty.
Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpitarika ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, sy ireo olona voasambotra niaraka taminy. Hotanterahina ny 12 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo. Marihina fa nanohitra ny tetikasa Base Toliara izy ireo, anton’ny fisamborana.
Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny sampam-pikarohana ady heloka bevava, ny alarobia lasa teo ireo lehilahy roa voarohirohy amin’ny raharaha Boeing 777 miisa dimy. Rehefa namoahana fikarohana efa ela. Tratra tany Antsirabe ny iray raha toa ka tetsy Ampitatafika kosa ny iray hafa.

Catégories: National

Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy maty voatifitra, tratra ny mpimasiny

sam, 08/02/2025 - 08:38

Voasambotra tany Saha­valaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsina­nana, ny 27 jolay teo. Niron­gatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny  fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny fivorian’ny OPJ rehetra, ny 4 jolay lasa teo. Nanao ezaka ny tsirairay hisamborana ireo mpanao ratsy. Nahazo loharanom-baovao ny zandary ka nidina ifotony taorian’ny fandrobana niseho tao Mangari­votra, ny 23 jolay teo. Tratra tamin’izany io jiolahy mpanao fanafihana fanta-daza atao hoe Tapa­tanana io. Nosa­vaina ny toeram-ponenany. Hita tao avokoa ireo karazan’entana halatra, toy ny solosaina, finday, tablette, nangalariny, hatramin’ny pistolet d’alarme à bille. Voasambotra koa ny ramatoa mpampiantrano sy lehilahy mpimasy.
Voasambotra indray tao Ambalakisoa ny roa lahy mpanatanteraka fanafihana, ny 28 jolay teo.
Nitoroka ny namany izy roa lahy ka nanao vela-pandrika ny zandary. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy rehefa nigadona teny amin’ny toerana ny namany sy ireo mpitandro filaminana. Lavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nahi­tana basy “pistolet automatique” sy bala 02 teny amin’ity farany.Raha hiverenana, fa­nafiana miisa dimy no niseho tao Toamasina Renivo­hi­tra, nandritra ny volana jolay. Anisan’­ izany ny tokantrano iray voaroba tao Tanamakoa ary teratany vahiny lasibatra tao Tahitikely, ny 2 jolay. Lasan’ny olon-dratsy ny vola sy basy.

Sajo

Catégories: National

Saika halefa any Tanzania: Roa lahy nahatrarana sokatra sy gidro

sam, 08/02/2025 - 08:37

Voasambotry ny mpitandro filaminana ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny roa lahy nikasa hanondrana biby arovana sy ahina ho lany tamingana, omaly. Nataony tao anaty harona ny karazan-gidro atao hoe Tsibaka miisa folo niampy sokatra Radiata 78. Nentina tamin’ny bajaj ireo entana ireo. Notanana vonjimaika ny mpitondra ilay Bajaj sy ny lehilahy iray hafa nampitondraina ny entana. Tsy nipoitra ny tompon’antoka tamin’io raharaha fanondranana biby arovana io. Mikaroka azy ny mpitandro filaminana. Natao famotorana ny lehilahy nitondra ny entana. Nokasaina haondrana any Tanzania ireo gidro sy sokatra ireo. Mananika ny 456 ny isan’ny sokatra tra-tehaky ny mpitandro filaminana ao Mahajanga, tao anatin’ny telo volana lasa. Arahi-maso ny fahasalaman’ireo biby arovana ireo ary hatolotra ny fikambanana manokana miaro azy izy ireo aorian’izay.

Tsiferana R.

Catégories: National

« Ma-Hery Futsal » : Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary ny tompondaka

ven, 08/01/2025 - 07:53

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, sy eny amin’ny Gymnase Mahama­si­na, ny fifaninanana « Ma-Hery Futsal ». Fifanintsanana izay karakarain’ny Fief Mada ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, omaly, tetsy Ankorondrano, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ariary izay mpandresy amin’ny sokajy lehilahy ary 1 tapitrisa Ariary kosa ny an’ny vehivavy. Oniversite manodidina ny 30 na 40 eo no andrasana amin’ity hetsika ity ary tanjona hapetrak’izy ireo ny hanabeazana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny hampiray azy ireo. Ho hentitra tanteraka ny mpikarakara amin’ny resaka fampiasana olona ivelan’ny fianarana sy ny eo amin’ny fampilalaovana olona efa matihanina na mifanintsana amin’ny fifaninanam-pirenena eto Madagasikara. Nampahafantarin’izy ireo iha­ny koa fa efa misokatra ny fisoratana anarana amin’izao fotoana izao ary ny tapaky ny volana aogositra ho avy io no hifaranan’izany. Ankoatra ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano, hisy koa ny lalao dihy « Dance urban » sy ny « Miss et Mister ». Marihina fa miara-misalahy amin’ity hetsika hataon’ny Fief Mada ity ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ary ny Minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres).

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 08/01/2025 - 07:53

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny “Village touristique” Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2025. Hitohy avy hatrany amin’ny fivoriana ara-teknika izany aorian’izay.

Nanomboka omaly 31 jolay ary hitohy anio sy rahampitso, any Fianarantsoa, ny “Challenge de Be­tsileo”, taranja karate. Fifaninanana karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, miaraka amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony ity fifaninanana efa fanao isan-taona ity.

Navoakan’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny “Chan 2024”, tanterahina any Kenya, Ouganda, Tan­zanie, ny 2 – 30 aogositra ho avy izao. Efa navoakanay teto anivon’ny Gazety Taratra moa izany lisitra izany, teo ampiangan’ireo Barea nankany Tanzanie. Tsiahivina fa miisa 29 izy ireo no nandeha any an-toerana.

Catégories: National

Tsipy kanetibe : Hahemotra ny fifaninanam-pirenena

ven, 08/01/2025 - 07:52

Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM), tokony hotanterahina manomboka anio zoma 1 ka hatramin’ny alahady 3 aogositra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olo-tokana, lahy sy vavy. Voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka anefa izany noho ny vesatry ny fikarakaran’ny FSBM ireo ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity. Raha tsiahivina, hiatrika izany ny sokajy vehivavy, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Fifaninanana tanterahina any Douaisis, France. Ankoatra izay, hisy koa ny “Mondiaux” ho an’ny zandriny, Junior, hatao any Santa Susanna Espagne, ny 12 ka hatramin’ny 14 novambra 2025.

Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ireo fihaonana roa goavana ireo ny ekipam-pirenena malagasy ary ao anatin’ny fikarakarana isan-karazany amin’ny fandehanana miatrika izany ihany koa ny federasionina malagasy, ankehitriny. Noho izany, mampahafantatra ireo ligim-paritra sy klioba ary mpilalao ity fihemorana ity ny FSBM.

Tompondaka

Catégories: National

Echecs : Mifanenjana ny federasionina sy ny ligin’Analamanga

ven, 08/01/2025 - 07:52

Samy manana ny fanazavany ny federasionina sy ligin’Analamanga manoloana ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Mihenjan-droa ny tady!

Nitondra fanazavana manoloana ny disadisa misy eo aminy sy ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs, ny alarobia lasa teo, teny Analakely, ny ligin’Analamanga, taranja Echecs. Nambaran’izy ireo ary nohamafisiny fa mijoro ara-dalàna ary mbola am-perinasa ny mpitantana ny ligy ankehitriny. Notsiahivin’ny filohan’ny ligy, Randrianarisoa Jean Mickael, fa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo tamin’ny fivoriambe nataony ny 24 jolay lasa teo, izay nataon’ny FMJE ho toy ny tsy nisy. « Efa nandefasana fanasana ny federasionina fa tsy tonga ary namoaka taratasy avy eo fa tsy ara-dalàna iny fivoriambe nataonay iny », hoy ny nambaran’ity filohan’ny ligy ity. Mbola nanome taratasy ihany koa ny MJS taorian’ny fampiantsoana fifampiresahana teo amin’ny roa tonta fa ara-dalàna ny ligy ary nanome baiko ny hanatanterahina ny fifidianana eo anivon’ny li­gin’Analamanga. Tsiahivina fa fivoriambe amin’ny hananganana izay kaomity hitantana ny fifidianana no notontosain’ny ligy. Nambaran’ny federasionina fa tsy ara-dalàna izy ireo, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ligy. Marihina ihany koa fa efa nanangana « comité ad-hoc » ny FMJE hitantana ny ligin’Analamanga ary efa mikarakara ny fifaninanana « championnat de Tanà » izy ireo ny sabotsy izao. Hentitra ny Sekretera jeneralin’ny ligin’Analamanga nanambara fa anjaran’ny ligy irery ihany ny mikarakara fifaninanana ho an’Analamanga ka raha minia manatanteraka io fifaninanana io ny « comité ad-hoc » dia hametraka fitoriana ny ligy.
Tetsy ankilany, nahazoana fanazavana ihany koa ny eo anivon’ny Federasionina ma­hakasika ity olana ity. “Man­dray ny andraikitra manandrify azy, manoloana ny fihoaram-pefy ny federasionina”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FMJE. Raha misy fanovana na fikitiana ny sata tian’ny ligin’Ana­lamanga atao, afaka mifampiresaka tsara ny federasionina ary tsy manisy olana mihitsy, raha ny nambarany hatrany. Nisy ihany koa, hoy ity filohan’ny FMJE ity, ny fampiantsoana natao azy ireo saingy tsy tonga tamin’izany ny ligin’Analamanga. Midika ho tsy fanajana ny rafitra izany ka antony nandraisana fanapahan-kevitra toy ireny. An­dra­sana ny mety ho tohin’ny raharaha !

Mi.Raz

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 08/01/2025 - 07:51

Hetsika fiarovana ny sokatra. Hatao ny 4 sy 5 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny hetsika « SOS Sokake Cup 2025 ». Fotoana ahitana hetsika ara-ekolojika sy ara-panatanjahantena hanentanana ny fiarovana ny sokatra sy ny karazan-javamananaina mampiavaka an’i Madagasi­kara.

Manodidina ny 16t ny trondro andrasana
amin’ny dobon-trondro miisa 6, any Ambodivoa­nanto Vatomandry. Mahatratra 2 000 m2 ny velaran’ny dobo hanatanterahana izany. Tombanana hamokatra zana-trondro miisa 1 500 000 isa. Nijery ifotony ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Jon (MPEB), Mahantante Pau­bert, ny 31 jolay teo.

Azo ampiharina tsara ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’ny navoitran’ny tale jeneralin’ny Fadin­tseranana malagasy, Zafivanona Lainkana izany, nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena « Borders in Globa­lization Summer Institute (BGSI)”, natao ny 28 jolay teo, tany Kanada.

Catégories: National

Management de qualité; FTHM Consulting certifié ISO 9001:2015

ven, 08/01/2025 - 07:35

Le cabinet FTHM Consulting vient de recevoir pour la 7e fois consécutive, la certification ISO 9001:2015. Ce renouvellement de reconnaissance délivré par l’organisme international SGS, leader mondial de la certification, a fait l’objet d’une remise officielle hier à l’hôtel Sakamanga à Ampasamadinika.
« L’année 2025 marque une étape majeure de notre histoire : les 30 ans de FTHM Consulting. Trois décennies au service de nos clients, trois décennies d’innovation, de proximité et d’engagement, avec toujours cette même volonté : celle d’accélérer les performances des organisations publiques comme privées du continent africain », a déclaré Thierry Rajaona, Fondateur du cabinet FTHM Consulting.
A titre de rappel, FTHM a reçu sa première certification ISO 9001 en 2007 faisant de lui le premier cabinet de conseils certifié à Madagascar et aussi en Afrique. « Nous avons fait le choix d’inscrire la qualité et l’amélioration continue au cœur de notre culture d’entreprise. Ce choix, exigeant mais fondamental, nous a permis de construire ce que FTHM est aujourd’hui : un cabinet de conseil de référence, reconnu à Madagascar et désormais dans plus de trente pays d’Afrique », a spécifié Thierry Rajaona. Il a tenu à ajouter que cette certification reçue s’avère être le fruit d’un effort collectif.

Jean Riana

Catégories: National

Sadc Industrialisation Week 2025: Cap sur une transformation économique durable

ven, 08/01/2025 - 07:35

Rideau sur la 8e édition de la Semaine de l’industrialisation de la Communauté de développement d’Afrique australe (Sadc). Etats membres, entreprises et partenaires techniques, décideurs politiques, chefs d’entreprise et experts venus de toute la région ont débattu autour du thème : « Promouvoir l’industrialisation, la transformation agricole et la transition énergétique pour une Sadc résiliente ».

Parmi les principales re­commandations figure la mise en œuvre du programme « Africa Trade Compe­titiveness and Market Access ». Celui-ci vise à améliorer la compétitivité des PME, stimuler les investissements et favoriser une croissance inclusive. Il mise sur des mécanismes innovants comme le partage des risques, le financement mixte et les plateformes régionales.
Les participants ont énuméré plusieurs défis : « faible industrialisation locale, dépendance aux matières premières, déficits d’infrastructures, chaînes de valeur fragiles… ». Pour y faire face, les intervenants ont jugé urgent de renforcer la mise en œuvre des stratégies régionales à l’échelle nationale, notamment dans les domaines de l’énergie renouvelable, de l’agro-industrie, du tourisme durable et de la production pharmaceutique.
Madagascar a saisi l’occasion pour mettre en avant ses opportunités d’investissement, suscitant l’intérêt des partenaires régionaux et internationaux. Un dialogue économique avec l’Inde a permis d’explorer les perspectives d’une coopération Sud-Sud renforcée. Des échanges qui dirigent plutôt les actions vers des partenariats ciblés en matière de commerce et d’investissement, encore trop rares et peu diversifiés dans la région.
Le secteur privé, moteur de l’industrialisation

Le rôle du secteur privé dans le développement économique a été unanimement salué. Face aux défis régionaux, la Sadc est appelée à promouvoir des plateformes de dialogue public-privé plus inclusives, en vue de bâtir des chaînes de valeur plus compétitives.
Lors de son intervention, Tiana Rasamimanana, président du Syndicat des industries de Madagascar (Sim), a attesté l’importance capitale de l’industrie dans la création d’emplois et de valeur ajoutée. « L’industrie crée l’emploi, l’industrie crée de la richesse », a-t-il affirmé avec force, avant d’inviter l’ensemble des acteurs à s’engager dans le soutien au secteur industriel.
Pour le ministre malgache de l’Industrialisation et du Commerce, David Ralambofi­ringa, « Pour Madagascar, il faut concrétiser la mise en place de véritables chaînes de valeur. Trop souvent, lorsque nous évoquons ce concept, nous le limitons à une dimension strictement nationale. Or, si nous voulons investir dur­ablement – que ce soit dans la créa­tion d’usines ou dans d’autres in­frastructures industrielles, il est impératif d’adopter une approche régionale, voire continentale ». Pays hôte, Madagascar a réaffirmé sa volonté de jouer pleinement son rôle moteur dans cette dynamique.

Arh.

Catégories: National

Sécurité publique: Ambodimanga Toamasina se dote d’un commissariat

ven, 08/01/2025 - 07:34

La police se rapproche davantage de la population à Toamasina. Le ministre de la Sécurité publique (MSP), l’inspecteur général de Po­lice Herilala Rakotoarima­nana a procédé, hier, à l’inau­guration du commissariat du premier arrondissement à Ambodimanga, aux côtés de hauts responsables du ministère et de quelques di­recteurs régionaux de Sécu­rité publique. En plus du rapprochement entre la police et la population, le renforcement de la sécurité à Toa­masina a motivé la mise en place de ce commissariat.
Au nom des responsables locaux, le Préfet de la région Atsinanana a remercié le ministre pour ses efforts de mise en place d’une sécurité pérenne sur place. Encore faut-il souligner que les actes de banditisme ont connu une recrudescence inquiétante ces derniers temps dans la ville du Grand port. Cepen­dant, les forces de défense et de sécurité n’ont pas ménagé leur effort pour endiguer ce fléau, comme c’était le cas de la mise hors d’état de nuire du voleur à la roulotte, Tantely, dans la nuit d’avant-hier par l’UIR à Miami.
Cette inauguration s’est tenue en marge de la quatrième édition du congrès national de l’Association des policières et des femmes de policiers (Fikambanan’ny vadina polisy sy polisy vavy – Fivapova). Ce grand rassemblement triennal se tient depuis avant-hier jusqu’à dimanche, sous le thème «Viavy miray hina rô, iray vina e !» traduit littéralement par «Les femmes solidaires ont la même vision». 3.000 personnes conduites par la présidente d’honneur de l’association, Faniry Rakotoarimanana épouse du MSP, démontrent leur solidarité à travers diverses activités.

LR

Catégories: National

Région Sofia: appuis spécifiques pour les populations vulnérables

ven, 08/01/2025 - 07:34

Dans un élan en faveur de l’autonomisation des communautés vulnérables, le ministère de la Population et de la solidarité (MPS), dirigé par la ministre Aurélie Razafinjato, a lancé plusieurs actions sociales dans la région Sofia. En collaboration avec les autorités locales et sous la houlette du Gouver­neur, le Général Lylison René de Rolland, des actions concrètes ont été mises en place pour répondre aux besoins pressants des populations locales. Parmi lesquelles figurent la dotation d’aide alimentaire et vestimentaires aux cibles, notamment 220 per­sonnes âgées et personnes en situation de handicap (PSH) à Bealanana, et 200 autres à Antsohihy et Befandriana Avaratra. A cela s’ajoute la remise d’équipements adaptés aux PSH en vue de les aider à mieux s’intégrer dans la société et à participer activement à la vie communautaire.
Cette initiative inclut également un soutien matériel aux femmes regroupées au sein d’associations œuvrant dans divers secteurs d’activité, une étape cruciale pour favoriser leur autonomie économique. Par ailleurs, en partenariat avec le Sénateur Pr. Odilon Dinaraly Tiandaza et l’Association MahSofia, une campagne de vaccination et des opérations gratuites de santé ont été menées. Ces efforts conjugués visent à renforcer le tissu social de la région Sofia, permettant aux plus vulnérables de se relever et de contribuer à un développement durable. En cette période cruciale, le MPS reste engagé à poursuivre ce type d’initiatives et à travailler main dans la main avec les acteurs locaux pour un avenir meilleur.

Fahranarison

Catégories: National

Urgence nutritionnelle à Ikongo: des réponses ciblées pour les femmes enceintes et allaitantes

ven, 08/01/2025 - 07:33

Face à une crise nutrition­nelle croissante à Ikongo, une nouvelle initiative a été lancée pour répondre aux besoins urgents des femmes enceintes et allaitantes souffrant de malnutrition aiguë modérée. Une initiative qui résulte d’un partenariat renforcé entre le Programme
alimentaire mondial (Pam), le Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC), le ministère de la Santé publique, ainsi que l’Office national de nutrition (ONN) avec le soutien financier de l’Ambassade des Etats-Unis.
Dans ce sens, le Pam, en soutien aux structures gouvernementales, a déployé des camions 6×6 pour assurer le transport des intrants nécessaires à la supplémentation nutritionnelle. Cette logistique est essentielle pour garantir que les aides atteignent rapidement les populations dans le besoin. De plus, un appui présentiel a été mis en place pour coordonner les opérations sur le terrain, assurant ainsi une réponse efficace et bien organisée face à cette crise.
Comme il est indiqué plus haut, l’objectif principal de cette initiative est de fournir une réponse nutritionnelle essentielle aux femmes enceintes et allaitantes. « En protégeant ces groupes, l’initiative ne se limite pas seulement à sauver des vies ; elle vise également à renforcer le capital humain d’Ikongo. En plaçant la santé des femmes et des enfants au cœur de cet engagement, on s’assure que les générations futures bénéficient d’un meilleur développement et d’une meilleure qualité de vie », a souligné un responsable au sein du Pam.
Cette intervention arrive à point nommé car la situation à Ikongo demeure préoccupante. L’épidémie de paludisme et l’insécurité alimentaire exacerbent les conditions de vie des populations déjà vulnérables. Les femmes enceintes et allaitantes, en particulier, font face à un risque accru de malnutrition, qui peut avoir des conséquences graves non seulement pour leur santé, mais aussi pour celle de leurs enfants.

Fahranarison

Catégories: National

Karate-« Afrika 2026 »: Voafidy handray ny fifaninanana i Madagasikara

jeu, 07/31/2025 - 08:02

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina mala­gasy eo amin’ny taranja Kara­te, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, na­tao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny me­daly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do ma­lagasy avy any Nize­ria. Goavana indrindra amin’izany ny nahavoafidy an’i Mada­gasi­kara ho firenena handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2026. Firenena 4 no nosafidianana ka i Madagasikara no voafidy. Ankoatra izay, vaovao lehibe nambaran’ny filohan’ny FKM omaly ihany koa, ny fahatongavan’ny filohan’ny Federa­sionin’ ny Karate-do iraisam-pirenena eto Madagasikara, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Zone Est”, hatao ny 16 hatramin’ny 21 desambra izao.
Hanao « Mondial »

Tsiahivina, medaly alimo 5 no azon’ny atleta malagasy tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Afrika iny, teo amin’ny sokajy Cadet sy Junior. Naha­zo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka ma­ne­ran-tany izy 5 mianadahy ireo taorian’izay ary afaka mandray anjara amin’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora, amin’ny volana desambra izao ihany koa. Ho an’ny sokajy Senior kosa, na­ha­zo ny tapakila hiatrehana ny dingana fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny volana desambra izy ireo. Marihina fa laharana faha-19 amin’ny firenena 34 i Mada­gasikara, ary nohamafisin’ny filohan’ny FKM fa mahafaly ny vokatra na tsy nahafa-po tanteraka aza. Tsy mitsanga-menatra i Madagasi­kara.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 07/31/2025 - 08:02

Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tan­zanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao.

Nihemotra amin’ny 24 hatramin’ny 28 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondra­no, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, nokasaina hatao ny 13 sy 14 aogositra, noho ny antony tsy voafaritra. Ho ampitaina amin’ny fotoana ma­naraka ny lafiny teknika ny fandaharam-potoana rehetra.

Hotanterahina ny zoma 1 aogositra izao ny fivoriana ara-teknika, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina ny 2 hatramn’ny 10 aogositra izao, any Antsirabe, izay ahitana fandraisana anjaran’ny faritra 16.

Catégories: National

Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta

jeu, 07/31/2025 - 08:02

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahama­si­na. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ireo.
Ankoatra ny akanjo, mbola notoloran’ny fanjakana vatsin-dalana ihany koa ny Malagasy atleta. Tsara ny mampahafantatra fa taranja miisa sivy no hifaninanan’ny Malagasy any amin’ity Nosy rahavavy ity, mandritra ny 10 andro. Anisan’ izany ny atletisma, ny badminton, ny basikety 5×5, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fonjamby, ny lomano, ny volley ary ny resaka ho an’ny tanora “volet jeunesse”.
Araka ny vaovao voaray, hanainga anio, ho any Seychel­les, ireo andiany voalohany amin’ny delegasionina malagasy. Tsiahivina fa nanohana zato isan-jato ireto Malagasy atleta ireto ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Ampahafantarina ihany fa nosy fito no handray anjara amin’ity CJSOI andiany faha-13 ity. Ahitana an’i Madagasikara, Seychelles, mpampiantrano, Djibouti, Comores, Maurice, Mayotte ary La Réu­nion.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages