S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 27 min

Minisitra Marson Moustapha Abdulah: “Hatambatra ny hery ho fampandrosoana ny tanàna”

lun, 02/17/2025 - 07:46

Tafapetraka omaly, eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga. Olom-panjakana maro no tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana.

Notontosaina ny sabotsy teo, tao an-drenivohitr’i Boeny, ny lanonana manokana nametrahana ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofoman­ga na i Maire Daddy. Nitarika ny lanonana, tamin’izany, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sady ray mpiahy ity faritra ity. “Ilaina ny manambatra ny hery, mba hahafahana mametraka ny tena asa fampandrosoana ho an’ny tanàna”, hoy ny minisitry ny MJS, nandritra ny anjaram-pitenenany.
Nomarihiny fa maro ny andraikitra miandry sy mbola hatao amin’ny tanànan’i Ma­hajanga. Anisan’izany ny fa­metrahana ny toby famokarana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, “Parc solaire”, ny fanamboaran-dalana izay efa mizotra amin’izao fotoana. Tonga nanatrika ity lanonana ity koa ireo loholona, minisitra maro avy amin’ny governemanta, ny governora, ireo lehiben’ny prefektiora sy distrika, ary ben’ny Tanàna maro.
Mialoha ity hetsika ity, niaraka nidina ifotony, nijery ny toerana hametrahana ilay toby famokarana angovo azo ha­vaozina na “Parc solaire”, ny minisitry ny MJS sy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny zoma lasa teo. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, mba hijerena akaiky ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, mifandraika amin’
izany any amin’ny faritra Boeny.

F.R

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 02/17/2025 - 07:45

Miisa 64 ny fiofanana momba ny tetikasa « Jumelage SPS », novatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) vola, nandritra ny roa taona sy tapany. Tetikasa fiofanana ho an’ny teknisianina nifantoka tamin’ny fifehezana ny Fenitra ara-pahasalamana sy fahadiovana (SPS) ny vokatra ara-pamokarana sy ara-tsakafo. Miara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana azy i Frantsa, Italia ary Madagasikara.

Nihena 50% ny vokatra letisia teto Mada­gasikara ho an’ny taom-pambolena 2024, araka ny tombana nataon’ny foibe CTHT Toamasina. Antony, tsy ampy ny rotsakorana, nandritra ny fotoana tokony haha matoy ny voa. Manodidina ny 80 000 t isan-taona ny vokatra letisia eto Madagasikara, saingy io nihena io, izany hoe, tombanana ho 40 000 t ny taona 2024. Manodidina ny 18 000 t kosa ny fanondrana any ivelany.

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay handray anjara amin’ny ITM 2025, hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany. Manomboka ny 20 febroary ny fisokafan’ny fisoratana anarana, fa ny 17, ny 18 ary ny 19 febroary kosa ny famandrihana ny toerana tiana hosafidina. Misy koa ny fiantsoana ny orinasa liana hikarakara ny ITM, ka misy fivoriana atao ny 18 febroary amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny biraon’ny ONTM Antsahavola.

Catégories: National

Tetikasa Ader : Famatsian-jiro amin’ny herin’ny masoandro

lun, 02/17/2025 - 07:45

Mandeha ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Toerana roa no nisitraka angovo azo havaozina, jiro azo avy amin’ny herin’ny masoandro, tato anatin’ny herinandro. Tafa­petraka ny 14 feboary 2025 teo, ny fotodrafitrasa any amin’ny kaominina Lokomby, distrika Manakara, faritra Fito­vinany. Tobim-pamokarana he­rinaratra avy amin’ny ma­soandro manana tanjaka 17,28 kWC. Mahatra­tra 68 kWh ny tanjaky ny bateria Lithium mitahiry ny herinaratra, raha 20 kVA ny tanjaky ny mpihary herinaratra. Miisa 4 292 ny mponina misitraka herin-jiro tontolo andro sy alina.
Tafapetraka ny 7 febroary teo koa ny any amin’ny kaominina Andilanatoby, distrika Ambatondrazaka, faritra Ala­otra Mangoro. Manana tanjaka 33 kWc, ahitana bateria mitahiry herinaratra 82 kWh, ka miisa 4 820 ny mponina misitraka azy ny 24 ora/24.
Hampitomboina avo roa heny

Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny hampitomboana avo roa heny ny tahan’ny tokantrano misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny tsy miankina (3P). Toy ny Antokon-draharaha fampiroboroboana ny herinaratra any ambanivohitra (Ader) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ary ny fandaharanasa WeLight Madagasikara, vatsian’ny Tahirim-bola norveziana Norfund. Nanomboka ny taona 2018 ary miisa 100 ny tanàna ho vatsiana jiro.

Njaka A.

Catégories: National

MTP: Zana-kazo 2 000 isa voavoly

lun, 02/17/2025 - 07:45

Natao ny 14 febroary teo, teny Ankadilalana, fokontany Ambatomirahavavy, kaominina Ampanotokana, ny fambolen-kazo 2025 ho an’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny rantsamangaikany. Nitarika ny hetsika ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nandray anjara koa ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Natao izany, araka ny vinan’ny Filoham-pirenena ho fanamaitsoana an’i Madagasikara.
Miisa 2 000 ny zana-kazo voavoly, tamina velarantany 2 ha. Nahitana Acacia, kininina « Eucalyptus citriodora » sy « Eucalyptus robusta » ary hazo fihinam-boa ireo novolena. Nanamafy ny minisitra Rafidison Richard Théodore fa vita ny adidy masina ho an’ny tanindrazana, sady nametraka lova ho an’ny taranaka. Nanome toky ny vondron’olona ifotony, ny fokonolona any Ampanotokana, fa hanara-maso sy hiaro ny zana-kazo amin’ny doro tanety. Tsiahivina fa lohahevitra amin’ity taom-pambolen-kazo 2025 ity ny hoe, « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ».

Njaka A.

Catégories: National

TOKANTRANO MAHARITRA

sam, 02/15/2025 - 18:09

Catégories: National

Fankatoavana ny Kianja Barea: Hofantatra amin’ity faran’ny herinandro ity

sam, 02/15/2025 - 08:09

Hifantoka tanteraka any amin’ity resaka Kianja Barea ity ny sain’ny mpankafy baolina kitra, mandritra ity faran’ny herinandro ity. Efa vita avokoa ny asa nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy i Craig Ian William, nitsirika ny kianja teto an-toerana.
Hatreto, tsy mbola misy ny feo mandeha na nahazo fankatoavana ny kianja na tsia, fa raha ny filazan’izy mirahalahy ireo no dinihina, azo heverina fa ambony ihany ny fanantenana ho an’ny Malagasy. Marihina, efa vita avokoa ireo singa valo notakin’ny Caf, saingy misy ireo zavatra vitsy mbola tokony hatsaraina.
Zava-dehibe ho an’ny ekipa nasionaly sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny fanjakana ity raharaha ity. Raha mahazo valiny tsara ny FMF, afaka mandray lalao iraisam-pirenena amin’izay ny Kianja, izay mahazaka mpijery maherin’ny iray alina. Ampahafan­tarina fa ny volana marsa ho avy izao, hifandona amin’i Centrafrique, any ivelany, ny Barea de Madagascar. Aorian’ io, handray an’i Ghana. Fifa­nandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifaninanana maneran-tany “Mondial 2026”, ha­tao any Meksika sy Eta­zonia.
Hirarian’ny maro ny mba hiverenan’ny fijerena ireo lalaon’ny Barea eto an-tanindrazana

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

sam, 02/15/2025 - 08:09

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Maro ny fihaonana handeha amin’io fotoana io, saingy ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Avenir Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hatao etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus, By-pass izany, rahampitso.
Nahemotra amin’ny volana marsa indray ny fifaninanana Badminton, natao hanokafana ny taom-pilalaovana 2025, araka ny vaovao nampitain’ny avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Badminton. Tsiahivina fa tokony ho notontosaina tetsy Mahamasina, tamin’ity volana febroary ity, izany.
Misaona ny tontolon’ny baolina kitra any Mahajanga, amin’izao fotoana izao. Nodimandry, afakomaly, i Robinson Jean na i Golibe, izay lehiben’ny seksiona ao Mahajanga 1 teo aloha. Efa mpitsara iraisam-pirenena izy, ary efa filohan’ny kaomisionina mpitsara CRA tao Boeny ihany koa. Ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Mpilalao mianadahy no hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny U14, hatao any Kenya, ny 19 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. I Matei Eliana, vehivavy mpilalao sy i Ny Avo, lehilahy mpanao tenisy, no misolo tena an’i Madagasikara amin’izany.

Catégories: National

Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Miray vondrona i Rocher sy i Racle

sam, 02/15/2025 - 08:08

Tontosa omaly, tany Aix-en-Provence France, ny antsapaka amin’ny famaranana lehibe taranja tsipy kanetibe, « Passion pétanque française (PPF 2025) ». Nozaraina ao anaty vondrona efatra ireo ekipa 16. Fantatra fa tafaraka ao amin’ny vondrona faharoa ny ekipa misy ireo frantsay, i Dylan Rocher sy ny an’i Quintais ary i Montoro, sy ny ekipa malagasy faharoa, misy an’i Racle sy i Nanou ary i Tselonina. Ambaran’ny rehetra fa sokajin’ny fahafatesana izy ity.
Ny ekipa malagasy voalohany, ahitana an’i Zigle sy i Tiana kely ary i Baloty kosa ao amin’ny sokajy fahefatra, misy ny ekipan’i Petit-Jean ary i Monros sy i Santini. Tsiahivina fa hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Aix-en-Provence, izany ka hifanintsana ireo ekipa 4 ao anaty vondrona. Tafita amin’ny ampahefa-dalana izay mahazo fandresena roa. Manao lalao sakana miady ny toerana faharoa, ireo ekipa resy. Tontosaina anio folakandro ny dingana ampahefa-dalana ary rahampitso alahady ny manasa-dalana sy ny famaranana. Andrasan’ny rehetra fatratra ny fifanandrinana eo amin’i Rocher sy i Racle, izay samy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 teo.

Tompondaka

Catégories: National

Lalao sakana “XXL Top 12”: Famaranana kely ny an’ny Tam sy ny TFMA

sam, 02/15/2025 - 08:08

Hitora-jofo ny Kianja Makis Andohatapenaka, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay ekipa tafita amin’ny lalao sakana “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny donan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA (Boaikely manohitra).

Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis An­doha­tapenaka, ny lalao sakana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na “XXL Top 12”. Ho fantatra eo ireo ekipa roa hiatrika ny manasa-dalana, amin’izany. Goavana avokoa ny fihaonana, saingy ny tena mahaliana ny maro dia ny fifanandrinan’ny samy kartie, hifandonan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA Ankasina (Boai­kely manohitra). Ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fihaonan’ny roa tonta amin’ity. Fileovana samy manana ny maha izy azy ary diso mifankahay tsara ry zalahy.
Tsy vao izao akory no nidona ny andaniny sy ny ankilany fa efa hatramin’izany, saingy raha ny fihaonana farany teo amin’izy ireo, hanala vela ry zalahy Ankasina. Samy manana ny paikadiny izy ireo. Milalao ao anaty “avant” ny Tam, raha miainga amin’ny tolotolotra haingam-pandeha kosa ny Boaikely manohitra. Samy manana mpilalao tanora sy matanjaka ka ho resy izay ratsy fiomanana sy tsy mitandrina eo amin’ny fahadisoana kely madinidinika.
Hafana vay ihany koa ny an’ny TFA Anatihazo (Pilo­kely) sy ny Uscar (Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra). Raha ny lalao farany nifanandrinan’ny roa tonta, nivoaka ho mpandresy ny kaominina. Eto izany no hanao valinady ry zareo Anatihazo.
Mialoha ireo fihaonana ireo ny lalao sakana, hijanonana ao amin’ny “Top 12”. Hiady ny tapakila amin’izany ny UASC Cheminots sy ny 3FAI Ambalavao Isotry.
Hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alahady ny lalao famaranana D2, vehivavy, hikatrohan’ny UASC Cheminots sy ny FTVL (Lalamaty). Tsiahivina fa efa samy tafita ao amin’ny D1 ny roa tonta amin’ny taom-pilalaovana manaraka.

Tompondaka

Catégories: National

Tsy mandry fahalemana i Toamasina : Mpianatra zanaka mpanao gazety niharan’ny herisetra

sam, 02/15/2025 - 08:07

Ahina tanteraka ny mety hoavin’ny zanak’i Toamasina. Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanabeazana  any an-tsekoly sy ny fitaizana mi­ainga avy any an-tokantrano ka ma­namora ny fandairan’ny fomba fibeazana an-dalambe, anja­kan’ny asa ratsy. Ny tolakandron’ny alakamisy 13 febroary teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 55 minitra, raha iny hamonjy fianarana fanampiny, “cours”, miditra amin’ny 6 ora hariva iny ity zanaka mpanao gazety ity. Nandalo ny lalantany miditra ambadiky ny biraon’ny Fi­raisa­na Tanambao fahadimy sy se­ko­ly tsy miankina iray mivoaka ery amin’ny fitsinjarana solika, eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Tanambao fahadimy. Nosa­kanana andian-jatovo mbola mpianatra teo izy, nalain’ ireto mpanao asa ratsy ireto an-keriny ny firavaka volafotsy te­ny amin’ny tanany havia, mbola niezaka hisintona ny kitapo teny an-damosiny koa ireo no nandalo ny namany hafa ka niezaka niaro azy. Saika ha­moaka hazo tany anaty akanjo ireo andian-jatovo mpanao herisetra. Tafa­tsoaka izy roa lahy ka teny amin’ny fivarotan-tsolika vao afaka ni­antso ny ray aman-dreniny fa nisy nanao herisetra sy nandroba.
Tonga teny an-toerana, noho izany, ny vatatenan’ ilay mpanao gazety nijery ifotony ny raharaha fa saingy efa tsy hita teo ireo andiana mpianatra manao asan-jiolahy.

Tandindomin-doza

Amin’ny akapobeny, tandindomin-doza tanteraka ny hoavin’ny mpianatra sy ny fandriampahalemana raha izao no tsy voafehy ary ahina ny hisian’ny “foroche” eto tahaka ny nitranga tany amin’ny faritra hafa teto. Zava-doza izany rehetra izany. Manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny sekoly na koa ny fanabeazam-pirenena ny fitandroana ny filaminana ma­­noloana ny firongatry ny ankizy tsy ampy taona efa miroso amin’ny asan-jiolahy.

Sajo

Catégories: National

Programme Sanoi: concilier agriculture durable et alimentation de qualité

sam, 02/15/2025 - 07:49

Clôturé cette semaine, le programme régional d’appui à la sécurité alimentaire et nutritionnelle dans l’océan Indien (Sanoi), a joué un rôle décisif dans la lutte contre la malnutrition à Madagascar. Parmi les projets mis en œuvre, «Mifampibaby», soutenu par Action contre la Faim qui vise spécifiquement à combattre la malnutrition chez les enfants de moins de cinq ans et les femmes enceintes.
L’association Mifampibaby, partenaire du programme, accompagne surtout les exploitants agricoles afin qu’ils puissent améliorer leurs rendements et diversifier les cultures. Ce soutien est crucial dans une région où l’érosion met en péril la viabilité de certaines exploitations.
Lors de l’atelier de présentation des résultats du projet hier à l’hôtel Ibis Antana­narivo, Reine Rasoamiaramanana, coordinatrice Terrain chez Action contre la Faim, précise que «nous travaillons sur la prévention de la malnutrition, en formant les acteurs locaux et en sensibilisant les familles aux bonnes pratiques alimentaires. Parallè­lement, nous soutenons des initiatives d’agriculture durable pour améliorer l’accès à des aliments nutritifs».
Mifampibaby ne se contente pas de répondre aux besoins immédiats en matière de nutrition, mais s’engage également dans la prévention et la formation des communautés locales. Les agents de santé, formés interviennent surtout dans la prise en charge des cas de malnutrition aiguë, particulièrement dans les zones les plus vulnérables.
Ce projet et l’ensemble du programme Sanoi mettent l’accent sur l’autonomie des communautés rurales. Un objectif essentiel pour pérenniser les efforts de lutte contre la malnutrition et une agriculture durable.

Arh.

Catégories: National

La main dans le sac !

sam, 02/15/2025 - 07:48

Gros coup des filets du Bianco dans une affaire de détournement de fonds de pension, d’un montant de 720 millions d’ariary, au sein du ministère de l’Economie et des Finances. Six agents de l’Etat dont un chef de service, seront sur les bancs des accusés. Leurs complices : des faux pensionnaires et un informaticien s’exposent aussi à une condamnation pénale évidente. Ils ne vont pas s’en tirer à bon compte.
Pendant près de trois ans, à partir de 2022, ils ont volé dans la caisse de l’Etat, une véritable corne d’abondance, sans être inquiétés. Et à travers leur mode opératoire bien rôdé, qui consiste à pirater le logiciel d’Application unique de gestion uniforme des ressources humaines de l’Etat (Augure), en y inscrivant des faux pensionnaires, au cœur même du système, ce réseau n’a pas eu l’intention de s’arrêter, au contraire, pérenniser ces détournements juteux. Mais un soupçon avéré a contribué à révéler au grand jour leur fraude, qui aurait dû être détectée et évitée à l’avance si des contrôles systématiques de la sécurisation de fonds de pension avaient été effectués.
Parfois, les agents de l’Etat détourneurs et corrompus, profitent des défaillances de l’administration ou des dysfonctionnements administratifs, pour se servir dans la caisse de l’Etat.
Même s’ils sont encore présumés innocents, leur sort semble déjà scellé. Il y a des éléments de preuve suffisants, pour les mettre derrière les barreaux pendant des années. Ils ont été pris la main dans le sac, comme on dit. Les investigations menées ont permis au Bianco de constituer un dossier solide. Ils vont comparaître pour recel de détournement de fonds, de corruption, d’association de malfaiteurs…
En tout cas, l’opinion s’attend déjà à une justice impitoyable pour les juger coupables de toutes les charges qui pèsent contre eux. Des peines d’emprisonnement sont requis. Et tolérance zéro et sanction sévère exemplaire. Il faut attaquer le problème à la racine.

JR.

Catégories: National

Approche collaborative : Naina Andriantsitohaina et Edward A. Christow ont passé en revue les projets en cours

sam, 02/15/2025 - 07:48

Le ministre de la Décentralisation et de l’aménagement du territoire a reçu hier à son bureau à Anosy, une délégation du Programme des Nations unies pour le développement (Pnud) dirigée par Dr Edward A. Christow, représentant résident à Madagascar. Une occasion de faire le point sur l’avancement des projets en cours soutenus par le Pnud et d’explorer les perspectives de collaboration en matière de gouvernance territoriale et de développement durable.

Les deux parties ont réaffirmé leur engagement commun en fa­veur du renforcement de la gouvernance locale, de la résilience des territoires et du développement durable à Madagascar. Parmi les projets passés en revue, l’Appui institutionnel pour l’efficacité de la décentralisation (AIED), axé sur le renforcement des capacités des institutions afin d’assurer une gouvernance locale, avec la participation citoyenne dans les régions Analamanga, Atsimo Andrefana, Androy et Anosy.
A citer aussi, le Pro­gram­me Rindra/Pnud vi­sant à améliorer la gouvernance et le cadre institutionnel, garant d’un développement plus inclusif et équitable, au même titre que Landja qui promeut le développement agricole durable et la sécurité alimentaire, ainsi que Mahasaky, qui priorise une pêche durable et une gestion responsable des ressources marines.
En matière de renforcement d’une paix inclusive et durable dans le massif de l’Andriry, le projet Milamy consiste à favoriser un dialogue communautaire, nécessaire à la cohésion sociale.
Dans le même registre, une délégation de l’Econo­mic de­velopment board of Mada­gascar (EDBM), dirigée par son président du conseil d’administration
Joël Randriamandranto, a rendu visite à Naina Andrian­tsitohaina. Renfor­cer l’attractivité de Mada­gas­­car pour attirer des investissements, a été au centre des échanges, ainsi que les mo­dalités de collaboration dans le domaine de sécurisation foncière, d’aménagement du territoire et du développement économique local.

F.M

Catégories: National

Vol d’organes et d’ossements humains: un réseau démantelé à Vangaindrano

sam, 02/15/2025 - 07:47

Les éléments de la brigade de gendarmerie de Manambondro épaulés par le fokonolona, ont réussi à neutraliser un présumé voleur d’organes et d’ossements humains, et capturer deux autres, dans la nuit de mercredi à Vangaindrano. Cela faisait suite à un piège tendu au terme des investigations menées depuis fin 2024.
La gendarmerie a obtenu des renseignements émanant des informateurs de huit communes de ce district, que le réseau disposait d’ossements et yeux humains. Elle a alors mis en place des stratégies et donné rendez-vous aux six membres du réseau, pour un soi-disant échange de butin contre de l’argent.
L’affrontement qui s’en est suivi, dans l’ombre, n’a pourtant pas permis aux gendarmes et au fokonolona de mettre la main sur l’ensemble des membres de la bande munis de sabres. Par contre, sept sacs contenant 779 ossements et 24 yeux ont été saisis durant cette opération, en plus de deux longs couteaux et deux cellulaires. La brigade de Manambondro poursuit les recherches des fugitifs.

LR

Catégories: National

Ecole nationale supérieure de Police: la promotion « Miahi » présentée au drapeau

sam, 02/15/2025 - 07:47

Maturité – Intelligence – Assiduité – Honnêteté – Intégrité (Miahi). Ces cinq mots constituent à la fois la devise et l’objectif à atteindre des 20 élèves commissaires de Police constituant la 27e promotion et 30 élèves officiers de Police de la 28e promotion, dont la présentation au drapeau s’est tenue hier à l’Ecole nationale supérieure de Police (ENSP) Ivato.

La grande famille de la police nationale s’est donné rendez-vous, hier à l’Ecole nationale supérieure de Police (ENSP) Ivato, pour la cérémonie de présentation au drapeau de 20 élèves commissaires de Police et 30 élèves officiers de Police de la promotion «Miahi», sous l’égide du ministre de la Sécurité pu­blique, l’inspecteur général de Police Herilala Rakotoa­rimanana. Après avoir terminé les 45 jours de formation commune de base, ces 50 élèves vont passer à la phase pratique durant deux ans.
Selon le ministre, cette augmentation du nombre de policiers et particulièrement après l’intégration effective de ces élèves dans la grande famille de la police après leur cursus, constitue la mise en œuvre de la politique de l’Etat et la prise en compte du côté humanitaire. «Je tiens à adresser ma reconnaissance au président de la République et au Premier ministre de nous avoir permis de recruter de nouveaux élèves policiers par voie de concours», a-t-il indiqué durant son allocution.
Décret N°2025.109 du 31 janvier 2025
En s’adressant à la promotion Miahi, le ministre a encouragé les élèves à se conformer toujours aux règles de conduite qui constituent la base de la formation. «Vos efforts allant dans ce sens, vous permettent d’accomplir dignement vos devoirs sacrés en tant que policiers, en l’occurrence la protection des biens et des personnes, ainsi que l’application de la loi», a-t-il souligné.
Après cette cérémonie de présentation au drapeau de Miahi, une autre fête a eu lieu, relative à la désignation de trois policiers promus au rang de contrôleurs généraux de Police, et quatre autres au rang de commissaires divisionnaires de Police, suivant le décret N°2025.109
du 31 janvier 2025, portant inscription au tableau d’avancements dans le corps des inspecteurs généraux, contrôleurs généraux et commissaires de Police au titre de l’année 2024. Ce même décret promeut éga­lement le ministre de la Sécurité publique au grade d’inspecteur général de Po­lice.

LR

Catégories: National

Kitra any Allemagne  : Efa tompon-toerana i Bolo

ven, 02/14/2025 - 07:45

Malagasy mpilalao baolina kitra, efa mametraka ny lazany any Allemagne, i Voaha­riniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Tapa-bolana teo izay no niarahany tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tompon-toerana sahady ny lehilahy, nandritra ireo fihaonana roa efa vita.
Nilalao nandritra ny fe-potoana 45 minitra izy raha nifanandrina tamin’ny Babels­berg 03, ny 31 janoary lasa teo. Niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipan-dry Bolo tamin’izany. Ny 9 febroary teo kosa, nilalao nandritra ny 70 min, ity Malagasy milaravinahitra any ivelany ity, raha nifandona tamin’ny ZFC Meu­selwitz. Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 moa ny roa tonta tamin’izany.
Nisongadina tanteraka i Bolo tamin’ity fihaonana faharoa ity, izy no nanosika ny vodilaharan’ny ZFC Meusel­witz hanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo hivalozana ka nahazoan’ny Hertha 03, “penalty”. Ny alahady ho avy izao, hifampitana amin’ny ekipan’ny BSG Chemie Leipzig ny Hertha Zehlendorf 03. Mbola mitazona ny teniny ity Malagasy lohalaharana ity, fa vonona hatrany izy ny hiaro ny voninahi-pirenena ary maniry ny handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ireo lalao hatao ny volana marsa. Raha ny rariny sy ny hitsiny, tokony ho ao anatin’ireo mpilalao tsara toerana ao amin’ny Barea i Bolo. Efa ampy lalao tsara izy, sady mifanintsana amin’ny fifaninanana matihanina.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 02/14/2025 - 07:44

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, vehivavy, sokajy D2. Hifandona amin’izany ny ekipan’ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny FTVL (Lalamaty). Hotan­terahina miaraka amin’izany koa ny lalao sakana eo amin’ ny lehilahy. Hifanandrina ny 3FAI sy ny Cheminots.
Fantatra fa hisy Malagasy vitsivitsy handrafitra ny ekipa teknika miaraka amin’i Corentin Martins, amin’ ny fitantanana ny Barea de Madagascar. Anisan’izany ny mpitsabo sy ny mpanotra. Tanjona amin’izany ny hitondran’izy ireo ny traikefany amin’ny fampifandraisana ireo mpilalao avy eto an-toerana izay tena manan-danja.
Hotanterahina any Ihorombe, rahampitso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Cross Country ho an’ny Senior, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny Federasiona malagasy (FMA). Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana natokana ho an’ireo sokajy zandriny.
Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ao amin’ny Complexe sportif du Val de l’Arc ao Aix-en-Provence France, ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe na “Passion pétanque française (PPF 2025)”. Manana ekipa roa miatrika izany i Madagasikara. Ekipa voalohany ny misy an’i Zigle sy i Tiana ary i Baloty. Ny ekipa faharoa kosa ahitana an’i Racle sy i Nanou ary i Tselonina.

Catégories: National

Futsal, vehivavy – CAN 2025: Miray vondrona ny Barea sy i Sénégal

ven, 02/14/2025 - 07:44

Notontosaina omaly, tany Egypte, ny antsapaka amin’ny andiany voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina anaty efitrano na “futsal” sokajy Sénior, vehivavy. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie.
Miisa 9 ireo firenena hiady lohany amin’ity ka anisan’ireo i Maroc, mpampiantrano. Miampy an’i Angola, Cameroun, Egypta, Guinée, Madagasikara, Namibie, Sénégal ary Tanzanie. Nozaraina ao anaty sokajy telo ireo firenena ireo ka mifandimby mihaona. Tafita amin’ny manasa-dalana ireo voalohany isam-bondrona miampy ny firenena iray faharoa tsara toerana indrindra. Hotanterahina any Maroc, ny 22 ka hatramin’ny 30 marsa ho avy izao, ity “Can futsal, vehivavy” ity. Ho fanomanan’ny Malagasy izany, hisy ny fifaninanam-pirenena hatao atsy ho atsy hitiliana izay handrafitra ny Barea de Madagascar.

Tompondaka

Sokajy “A” : Maroc, Cameroun, Namibie
Sokajy “B” : Angola, Egypte, Guinéé
Sokajy “C”: Madagasikara, Tanzanie, Cameroun

Catégories: National

Fankatoavana ny Kianja Barea: Ambony ny fanantenana !

ven, 02/14/2025 - 07:44

Afaka andro vitsy, hivoaka ny valin’ny fitsirihana nataon’ny teknisianin’ny Caf sy Fifa ny Kianja Barea Mahamasina. Ambony ny fanantenana ho an’ny tomponandraikitra malagasy. Miandrandra lalao eo Mahamasina rahateo ny mpankafy baolina kitra.

Nifarana omaly ny fitsirihana ny Kianja Barea Mahamasina, nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zaka­rihya, sy i Craig Ian William. Nilaza izy mirahalahy, omaly, tetsy Mahamasina, efa hitan’izy ireo avokoa ny ezaka nataon’ny Malagasy rehetra ary tazana eny an-kianja avokoa ireo singa valo notakin’ny Caf.
Azo lazaina, araka izany, fa efa ambony ny fanantenana hahazoan’ny kianja fankatoavana.
« Efa vita avokoa ny asa rehetra nataon’izy ireo. Hanao ny tatitra any amin’ny Caf izy mirahalahy. Samy miandry ny valiny ny Malagasy rehetra ary antenaina fa handray an’i Ghana etsy Mahamasina isika, ny volana marsa », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny an-toerana.
Araka ny nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ho fantatra alohan’ny 16 febroary ny valin’izany tatitra izany. Tsara marihina fa tonga teny Mahamasina ihany koa ny talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika malagasy, Ranoromaro Lova.
Mpilalao avo lenta

Ny volana marsa ho avy io, hifandona amin’i Centrafri­que sy i Ghana, ny Barea de Madagascar. Lalao izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifaninanana maneran-tany “Mondial 2026”, hatao any Meksika sy Etazonia. Nilaza ny filohan’ny FMF, fa efa mitily ireo mpilalao avo lenta sy manana klioba ary ampy lalao tsara ny mpanazatran’ny Barea A, i Corentin Martins. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny anaran’ilay Malagasy hanampy ity frantsay teknisianina ity.

Fitia Randria

 

Catégories: National

Ny volo na Bararata : Tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ny Betsimisaraka

ven, 02/14/2025 - 07:43

Zavamaniry iray tsy afa-misaraka amin’ ny olombelona maro ny volo na bararata. Ani­san’ny mampiasa azy io betsaka ny Betsi­misaraka. Fi­tao­vana ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy izy io.

Anisan’ny zavamaniry tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ ny Betsimisaraka ny volo na bararata. Misy karazany dimy izy ireny hatreto, raha ny fanadihadiana nataonay teny rehetra teny. Amin’ireo dimy karazany ireo, saika hita maniry ao amin’ny faritanin’ i Toamasina avokoa ny anakamaroany, indrindra any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary Ambatosoa, mitohy hatrany amin’ny faritra Sava izany. Hita any amin’ny faritra afovoantany kosa ny karazana volo voalohany, fantatry ny maro amin’ ny hoe : Bararata na volokely. Matetika ampiasain’ ny olona amin’ny haran-jono na fintana. Ilain’ny isan-tokatrano ihany koa izy hambolena manodidina ny lakoro ka lasa fefy. Lava matsoraka kely ny volo na bararata, mahatratra hatramin’ny 2 metatra sy sasany ny halavany.
Ho an’ny Ntaolo Betsimi­sa­raka, saika volo daholo ny akora ilaina amin’ny fanorenan-trano, rindrina, rapaka, tafo, fa kosa arakaraka ny karazana volo no hampiasana azy, hanaovana andrin-trano volo be gasy sy volo gasy mavo ary ny volo be mavo. Ity farany izay ngeza rahateo raha oha­rina amin’ireo karazam-bolo misy voaresaka eto. Atao rindrina kosa ny volon-tsoraka ary ampiasaina amin’ny ra­paka ny volobe mavo, noho izy geza ka misy velarana, mbola ity farany ihany, azo ampiasaina atao tafo, vakina roa dia atao mifampitaingina tsy hidiran-drano ny trano. Raha izay ny amin’ny trano fonenana
dia anisan’ny nampiasain’ny Ntaolo tamina fotodrafitrasa maro ny volo, tahaka ny tetezana, zahatra, tohatra entina hitangosana vokatra letisia sy jirofo, teo koa ny garaba ity farany izay miasa mafy amin’ ny vanim-potoana fiotazana vokatra letisia.

Fampiasa amin’ny akora rehetra

Tsy fanorenana trano fo­nenana ihany no nampiasan’ ny Ntalo ireo karazan-javamaniry nomen-janahary azy fa saika ny fampitaovana dia azo nampiasana volo avokoa. Nialoha ny nisian’ny siny na fitaovana fantsakana rano dia nampiasa lagnanana ny Ntaolo, mety hanaovana an’ izany avokoa ireo karazam-bolo efatra lehibe akoatra iry voalohany, fampiasa amina fitaovana fisotroana rano izay nantsoina hoe “Paba”  sy mety mahasolo sotro. Teo aloha ka hatramin’ izao dia anisan’ny mahavonjy ny tantsaha raha vao te hisotro rano eny an-tsaha ny volo, mihazona rano ao anatiny izy ireny, raha mangetaheta dia manapaka volo dia efa afaka misotro rano, izay no nahatonga ny oha-pitenenan’ny Ntaolo ka ampiasaina aty aoriana hoe “Rano antongom-bolo mifankarikitra fa tsy mihaona”.

Miakatra ny haavo lentan’ny volo
Tsy azo tsinontsinoavina ny volo, tsy afa-misaraka amin’ ny filana andavanandron’ny Betsimisaraka izy io ary efa tsy mijanona eo fa misandrahaka amin’ny maha Malagasy iray manontolo mihitsy, efa hita ho miakatra rahateo ny haavo lentan’ny fampiasan’ny olombelona azy.

Efa maro ireo orinasa mamboly volobe

Amin’ny akapobeny, efa misy orinasa sasantsasany mamboly sy manao “pepiniere” zanaka volobe mavo. Ho an’ity farany, ngeza izy ary mahatratra 25 ka hatramin’ny 30 santimetatra ny savaivony, raha hatramin’ny 50 metatra kosa ny halavany, azo hasolo hazo hanaovana hazo fisaka ny volobe ka tahaka ny hazo fisaka rehetra hampiasaina amin’izay fanaka tia hanaovana azy. Tahaka ny hita manamorona ny lalam-pirenena faharoa, efa lasa fiveloman’ny tantsaha maro ny mivarotra volobe mavo. Misy fiara be na kamiao mitatitra miakatra any an-drenivohitra rahateo izany, Tato anatin’ny roa taona farany, efa saika mahazatra ny mpikarakara lanonam-panjakana ny tsy mampiasa vera sy siny ho fitaovana fisotroana sy fametrahana ranon-javatra vita vahiny fa mampiasa “paba” sy “Lagnanana”  vita amin’ny volo, izay no ilazana fa efa miakatra ny haavolentan’ny filan’ny olombelona ny volo ary tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ny Mala­gasy ny volo.
Ankilany, mahavelona sy mamelona tokantrano maro ny asa sy fikirakirana momba ny volo, nandritra ny fanadiha­diana natao, nilaza i Velotody Stephan, mpamaky volo etsy Ambohijafy Avaratra, fa “ny 1 metatra toradroa amin’ny rindrina volo dia amidiny 3 500 ariary, afaka mandray komandy izay ilain’ny mpanjifa izy ary mahavita 50 metatra toradroa isan’ andro”. “Miantso namana aho raha betsaka ny komandy”, hoy izy namarana.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Pages