S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 57 min 24 sec

“Battle for Africa”: Hiatrika ny ady miverina i Jerry

mer, 10/22/2025 - 07:43

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maorisy, ny andiany voalohany tamin’ilay fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay thai. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara, tamin’ny alalan’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nandresy ilay Maorisiana nifanandrina taminy i Jerry rehefa “disqualifié” tamin’ny fihodinana faharoa ny mpifaninana taminy. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny andiany faharoa amin’ny “Battle for Africa”, izay mety hatao eto Madagasikara, amin’ny herintaona, araka izany, i Jerry. Tetsy ankilany, resin’ilay teratany Afrikanina Tatsimo, i Verne Prinsloo, ny solontena malagasy Rasoanirina Olga. Tapitra hatreto izany ho azy ny lalana amin’ny fiadiana ilay “ceinture WMC”. Nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas fa nahavita dingana tsara ireto solontena malagasy ireto. Tena niady mafy tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena izy ireo. Vonona hanarina sy hampitombo ny fahaiza-manaony i Jerry amin’io ady miverina hatao amin’ny taona 2026 io.

Mi.Raz

Catégories: National

Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies

mer, 10/22/2025 - 07:43

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina.

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nai­robia, Kenya, ny 15 sy 16 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy “Africa Women’s Tournament”. Lalao ho an’olona 7 izy ity. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Ladies. Ao amin’ny vondrona “D”, miaraka amin’i Tunisie sy i Egypte, no misy azy. Raha ny fihaonana nikatrohan’ny ekipa hatramin’izay, tsy mbola nandresy ny tovovavy malagasy aloha i Tunisie, raha tsy mbola nihaona tamin’ny Makis Ladies kosa ny Faraônan’i Egypte. Heverin’ny rehetra fa tsy hahasakana ny Malagasy ireto ekipa magrebianina ireto, amin’ity.

Tsiahivina fa miisa 12 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Ao amin’ny vondrona “A”, misy an’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe ary i Maurice. Ny sokajy “B” iarahan’i Kenya sy i Ghana ary i Côte d’Ivoire. Ta­faraka ao amin’ny “C” i Ou­ganda sy i Zambia ary i Bur­kina Faso.
Mifandimby mihaona ny ekipa isam-bondrona ka tafita miatrika ny manasa-dalana izay voalohany manana isa betsaka indrindra. Heverin’ny rehetra fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe, izay hiady ny toerana voalohany. Na izany aza, hanana tombony ry zareo Afrikanina Tatsimo izay efa manana traikefa ary efa zatra miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity rugby lalaovin’olona 7 ity. Tsy hahatohitra ireo ekipa roa ireo ry zareo maorisianina.
Ho an’ny vondrona “B”, raha ny lojika, tsy hahasakana an’i Kenya ireo ekipa miaraka aminy. Toa izany koa ny ao amin’ny “C” izay mety hanjakan-dry zareo ogandey. Tsiahivina fa hanana ny lanjany lehibe ity “Africa Women’s Tournament” ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series”.

Tompondaka

Catégories: National

Chan 2024 – « prize money »: Singa telo no nampihena izany

mar, 10/21/2025 - 07:38

Nivoaka tamin’ny fahanginany Rabemanantsoa Benja­min, filohan’ny delegasionina Barea, nandritra ny “Chan 2024”, sady komity mpanatanteraka (CE) anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nohazavainy, omaly, tetsy Isoraka, fa singa telo no nanesoran’ny Kaon­federasiona afrikanina an’ilay vola “prize money” mitentina 1,2 tapitrisa dolara.
Raha ny nambarany, nalain’ny Caf tamin’io vola io, tany am-potony, avokoa ireto zavatra telo ireto: voalohany, ny saran’ny fandefasana ny lalaon’ny Barea nandritra ny fifanintsanana tamin’ny haino aman-jery. Manaraka izany ny resaka lamandy tamin’ny “Chan 2024”, ary farany, ny vidin’ny baolina Puma.
Nomarihin’ity mpikambana anivon’ny CE an’ny FMF ity, fa efa nahazo fankasitrahana sahady tany amin’ny sekretera jeneralin’ny Caf ny fomba fizarana an’io “prize money” io, ary hita ao amin’ny pejin’ny FMF ny porofon’izany. No­tsiahiviny fa efa fantatry ny mpilalao avokoa ilay fomba fizarana: 40 % ho an’ny Federasionina ary ny 60% ho an’ireo Malagasy mpilalao sy ny Staff.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 10/21/2025 - 07:38

Seksionina miisa efatra indray no nahavita ny fanavaozana ny mpitantana azy ho an’ny taranja basikety. Ny seksionina Ambohidratrimo ao anatin’ny ligin’Analamanga, ny seksionina Manakara ao anatin’ny ligy Fitovinany. Miampy ny seksionina Vangaindrano ao amin’ny ligy Atsimo Atsinanana sy ny seksionina Brickaville, ao amin’ny ligy Atsinanana.

Tsy mbola misy fiovana, hatreto, ny fandaharam-potoana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, izay hatao eto Madagasikara, ny volana desambra izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana sy ny fikarakarana ary tsy mbola nandefa fampitam-baovao hafa ny eo anivon’ny Fiba Afrika, raha ny fanazavana.

Voahosotra ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, sokajy U20, i Maroc. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, i Argentine. Fihaonana notanterahina ny alahady teo, tao amin’ny Kianjan’i Chili. Nampiditra ireo baolina roa ireo i Yassir Zabiri, tamin’ny alalan’ny “coup franc”. Teo amin’ny minitra faha-12 sy ny minitra faha-28 no nahatafidirany izany.

Catégories: National

Anciennes Gloires : Nahazo fanampiana avy amin’ny FMF

mar, 10/21/2025 - 07:38

Notanterahina omaly, tetsy Isoraka, ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpilalao baolina kitra tranainy, nandrafitra ny ekipam-pirenena, nanomboka tany amin’ny Equipe nationale, nandalo tamin’ny Club M sy ny Scorpions ary ny Barea, na ny Anciennes gloires. Nahatratra 44 izy ireo no nisitraka izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra. Nanolotra izany Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF. Notsiahivin’i Abdou Bin Amidou fa manana ny fikambanana mijoro ara-dalàna, tamin’ny 21 desambra lasa teo, ary efa nahazo taratasy fankatoavana amin’ny fanjakana, izy ireo. Me Kira Michel no filoha mpitantana azy. Ireo 44 ireo aloha no nisoratra anarana fa mbola ho avy ny an’ireo hafa. Tsiahivina fa mielipatrana manerana an’i Madagasikara ny Anciennes gloires ary efa misy hatrany ampitan-dranomasina. Ankoatra izay, nanambara Andriamihaingo Joel fa manohana ny federasionina izy ireo amin’ny asa fampandrosoana ny baolina ary manohitra ny fanakorontanana. Nilaza kosa Andriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, fa hatao isan-taona ny fanohanana ny Anciennes gloires.

Tompondaka

Catégories: National

Minisitra hitantana ny fanatanjahantena: “Tokony ho olona niaina tao anatin’ny taranja”

mar, 10/21/2025 - 07:38

Ho fantatra tsy ho ela ireo minisitra handrafitra ny governemanta. Maneho ny heviny ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.

Vital Serge, filohan’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar:
“Olona niaina ny fanatanjahantena nanomboka tamin’ny fahazazana, mahalala izany atao hoe fanatanjahantena izany ary manao izany no mendrika ho minisitra hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Olona mahalala ny rafitra, manana politika sy drafitra ary fahaizana mitantana. Mahafantatra ny fahalalana sy tantaran’ny taranja tsirairay. Afaka hanangana ihany koa ivontoerana isam-paritra. Marihiko fa tsy toerana teknisianina fotsiny ihany ny toerana minisitra fa toerana mpanao politika ihany koa”.

Rabenaivo Alain, filo­han’ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara :
“Olona niaina tao anatin’ny fanatanjahantena no tokony ho minisitry ny Fanatan­jahantena, manana ny fahaiza-manao, mahalala tsara ny marary sy ny olana ao anatiny. Manana vinan’asa azo tanterahina anatin’ny fotoana fohy sy lavitr’ezaka. Tsy be resaka sy mampanantena zavatra tsy ho tanteraka. Mahay mifandray sy miara-miasa amin’ny “mouvement sportif”. Mametraka tsara amin’ny toerana ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Farany izay goavana indrindra, olona afaka mitady loharanom-bola fa tsy hihanona fotsiny amin’ny tetibolam-panjakana”.

Andriambololona Zo Hajanirina, atleta mpikatroka ny taranja judo:
“Ny minisitra tsara ho an’ny Tanora sy ny fanatanjahantena dia olona akaiky ny atleta sy ny federasionina. Olona mahay mihaino, mahafantatra ny zava-misy eny an-kianja ary mahay mitantana krizy amin’ny fahendrena sy fifandanjana. Manana traikefa sy fianarana mifandraika amin’ny fitantanana ara-panatanjahantena sy amin’ny sehatry ny fitantanam-bahoaka, na amin’ny fikambanana, toy ny federasionina na ny komity Olympika nasionaly. Olona manaja ny marina, mangarahara ary manana vina mazava ho an’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena.”

Mi.Raz

Catégories: National

Miakatra ny voankazo: Mila ampitomboina ny fahadiovana

mar, 10/21/2025 - 07:37

Manomboka miakatra ny voankazo. Ny manga sy ny frezy no betsaka eny an-tsena, amin’izao. Mila ampitomboina ny fahadiovana amin’ny fanasana azy ireny mba tsy hiteraka aretina hafa, indrindra amin’ny ankizy, raha ny torohevitry ny dokotera misahana manokana ny ankizy sy ny zaza noresahina.

Sasana madio sy azo antoka, ny voankazo vao hohanina na hahodina ho ranom-boankazo. Mitahiry bibikely sy karazana fanafody afendraka hamonoana bibikely ny frezy ka tena saro-pady ho an’ny fahasalamana. Lomana amin’ny rano madio imbetsaka hialan’ny bibikely sy ny akora simika ateraky ny fanafody biby izay vao tokony hohanina.

Toraka izany koa ny manga, izay tian’ny lalitra ary iparitahan’ny loto maro eny an-tsena. Mila sasana madio ary esorina ny dity aminy vao hohanina sy karakaraina ho an’ny zaza sy ny ankizy.

Mila mailo amin’ny fikarakarana izany ny eny amin’ireo toerana fivarotra ranom-boankazo. Tokony ho azo antoka ny rano sy ny fahadiovan’ny voankazo ahodina vao sotroina. Tsara kokoa, araka izany, ny manamboatra any an-trano satria saro-pady ny fahasalamana.

Tatiana A

Catégories: National

Jeneraly Zafisambo Ruphin : “Ara-dalàna ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana”

lun, 10/20/2025 - 07:46

“Araka ny tokony ho izy ny fitadiavana Praiminisitry ny maramaritra iraisana”, hoy ny Praiminisitra, ny Jly Zafi­sam­bo Ruphin Fortunat, teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra vaovao. Ho marimaritra iraisana mivelatra, ka hanontaniana na ny filoha teo aloha na ny filoham-panjakana amin’izao. Tokony hisy ny fandaminana izany. Tombontsoa ambonin’ny firenena no tanjona. Tsy tokony hisy ny fanilikilihana. Tokony hitohy hatrany koa ny fanelanelan’ny FFKM. Fana­jana ireo andrimpanjakana natao hiaro ny lalàmpanorenana no zava-dehibe aloha. Sata repoblikanina no mifehy ny rehetra.
Antenaina fa fitoniana no entin’ny fahavitan’ny filoham-panjakana fianianana. Mba hahazoan’ny rehetra miverina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny fampandehanana ny toekarena izany. Amin’izay toerana misy ny rehetra, tokony hiara-miasa ary tsy hisy ny fanilikilihana. Satria fantatra ny mahatonga ny krizy miverimberina… Maro ny krizy nihatra teto amin’ny firenena. Nisy hatrany ny fanilikilihana. Tsy misy tsy vitan’ny resaka ambony latabatra. Maro dia maro no eritreretin’ny fitondram-panjakana ankehitriny hatao. Tsy ho vita izany raha tsy misy ny fitoniana sy ny fifampiresahana politika am­bony latabatra. Miainga eo dia mandeha lavidavitra kokoa. Tokony haravona avokoa ireo krizy rehetra nihatra hatramin’izay. Raha tsy izany, mbola hiverina hatrany ny krizy any aoriana any. Tena ampiharina ny fifampiresahana. Misy hatrany ny fifampiresahana, ary antenaina fa mbola hisy hatrany izany.

R. Nd.

Catégories: National

Filoham-panjakana : « Teneno izahay raha misy tsy mety ny ataonay »

lun, 10/20/2025 - 07:46

Notanterahina omaly, ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, Andriamampia­nina Zaka Hary Masy. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael. Nambarany tamin’ny lahateniny fa efa nijoro hatrany ho an’ny vahoaka malagasy ny FJKM. Koa, mangataka amin’izy ireo ny tenany mba hijoro hatrany sy hitsangana araka izay asa napetrak’i Jesosy amin’ny tsirairay. Ho mpaminanin’ny firenena, araka ny nambarany. Olon’ny fiangonana izahay ary olon’Andriamanitra ka tenenonareo raimandreny raha sanatria solafaka, araka ny nambarany hatrany. « Teneno izahay ireo hoe : tsy mety ny ataonareo. Manazava izahay raha azo hazavaina. Raha tsy azo hazavaina dia fahadisoana ny dikan’izay ka ovaina ny fomba famindra », hoy izy.

Ho arofanina i Jesoa

Nambarany fa Jesoa, ilay mitarika antsika rehetra no arofanina “Balise” misakana antsika tsy hanaotao foana. Jesoa no tokony atahorantsika, araka ny nambarany.
Notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao tamin’io fotoana io ny fametrahana ireo birao vaovao mandrafitra ny fitantanana ny anivon’ny foiben’ity fiangonana ity.
Tsiahivina fa zanaky ny fiangonana eo anivon’ny fiangonana loteranina (FLM) ny filoham-panjakana mivady, ary manana andraikitra amin’izany izy ireo.

Synèse R.

Catégories: National

Depiote Razafimanantsoa Hanitra: «Tsy nisy fanonganam-panjakana teto»

lun, 10/20/2025 - 07:45

“Tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa tsy nisy fanafihana mitam-basy tany amin’ny lapam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra tamin’ny famaranana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, afakomaly.

Ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no entina miady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana teto. Fiza­hana fototra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika izay tsy nahavita intsony ny asany no nataon’ny HCC. Nilazany fa hita fototra izay fahabangan-toerana izay, tsy nahavita ny asany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona ary tsy afa-nanao ny asan’ny filohan’ny Repoblika ny governemanta. Noho izany, notendreny ny Kly Randrianirina Michael ary nomena ny toe­ran’ny filoham-panjakana. Nilaza koa ny didy hoe mbola mijoro avokoa ny andrimpanjakana rehetra voalazan’ny lalàmpanorenana. Manaiky ny didy ny Kly Randrianirina Michael, fanekena fa mbola eo ny HCC.
Nitsiahiviny izay nitranga tamin’ny 14 oktobra. Teo ny fampiatoan’ny Antenimie­ram­pirenena ny filohan’ny Re­poblika amin’ny asany, ny fidinan’ny miaramilan’ny Capsat teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nanambaran’ny Kly Randrianirina Michael fa rava avokoa ireo andrimpanjakana afa-tsy ny Antenimierampi­renena. Fanambarana politika tsy maintsy natao iny mba hampandresy ny tolona. Nisy koa ny fangatahana nataon’ny filohan’ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampi­renena tamin’ny HCC. Tamin’ iny koa no nivaly ny fitoriany ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika.

R. Nd.

Catégories: National

Kianjan’ny 13 mey : Niantso fahamailoana ireo nandaha-teny

lun, 10/20/2025 - 07:45

« Misy andrimaso tsy maintsy ataontsika, indrindra ny resa-bola miparitaka any ka samia mailo. Tsy mbola vita ny tolona », hoy ny depiote « Del kely ». Nateriny koa fa efa mipetraka ny stratejia eny anivon’ny Antenimierampirenena, manoloana ireny fifidianana ny eo anivon’ny birao maharitra ireny.
Nohamafisin’ny depiote, Razafimanantsoa Hanitra, koa fa hoesorina ireo mamofompofona ny fitondrana teo aloha. Nambarany koa fa tsy maintsy ho azo fankatoavana iraisam-pirenena sy ny famatsiam-bola. Hiainga eny amin’ireo depiote kosa ny fankatoavana, araka ny fanoloran’ny filoham-panjakana ny ho praiminisitra, lehiben’ny governemanta, araka ny nambarany.
Niaiky kosa ny depiote teo aloha, Tody Arnaud, fa mafy Antananarivo ary fakan-tahaka ho an’ny hafa izany. Natsidiny fa tokony ho praiminisitra lavitry ny kolikoly. « Tsy rafitra ihany no hovana fa ilaina koa ny toe-tsaina miova », hoy izy.

Tsy mitady seza ny mpianatra

Ho an’ny Gen Z Vontovorona, nazava ny azy ireo fa tsy mitady seza. « Tsy manaiky hatao tohatra fiakarana kosa anefa izahay. Koa eto, mangataka manokana ny tombontsoan’ny sekolinay izahay », hoy izy ireo. Nambaran’izy ireo fa efa misy ny tetikasa manokana hataon’ny mpianatra ato ho ato. Efa natsidiky ny depiote Afakandro Christian kosa fa ilaina hapetraka ny rafitra federaly na fizakan-tena ny any amin’ny faritra. Nanteriny koa fa ilaina ny fanohanana sy ny fiaraha-mientana amin’izao fitondrana izao. Tsy maintsy ho avy koa ny fanadiovana ny tanàna, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa samy nandaha-teny tao avokoa ny ankamaroan’ireo depiote, ny filohan’antoko politika sy fikambanana…Nialohavan’ny fotoam-pivavahana izany hetsika izany.

Synèse R.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 10/20/2025 - 07:44

Amidy 150 Ar ny zana-trondro karpa iray, mirefy 2,5 sm hatramin’ny 3 sm. Amidy 200 Ar kosa ny iray raha mirefy 3sm-4 sm. Betsaka ny zana-trondro izao, nanomboka tamin’ny volana aogositra, fotoana fandrotsahana azy anaty dobo, na koa alefa anaty tanimbary, ho an’ny mpamboly varialoha. Manodidina ny enim-bolana eo ho eo ny fe-potoana fahalebiazany, ary mety ho 140 andro, raha araka tsara ny sakafony.

Fankazalana ny Andro maneran-tany ho an’ny varika ny 31 oktobra. Lohahevitra noraisina amin’ity taona 2025 ity ny hoe : « Iray ho an’ny varika, fitsinjo­vana ny ho avy ». Fotoana manan-danja tokoa io andro io, satria i Madagasikara no firenena manana karazana varika be indrindra maneran-tany, miisa 113, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Mila fepetra hentitra sy mahomby anefa, satria tandindomin-doza daholo ny ankamaroan’ izy ireo.

Mandeha ny famolavolana ny RSU na Fan­draisana an-tsoratra ara-tsosialy. Eo am-pamaranana ny fitetezana isan-tokantrano ataon’ireo mpamita iraka, manadihady avy amin’ny Ivotoerana nasionaly ho an’ny statistika (Instat). Fitaovana ilaina, ampiasaina hikaro­hana ny paikady iadiana amin’ny fahantrana ny antontanisa azo. Mampiasa azy ny mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ny mpandra­rahara, sns.

Catégories: National

Handball – CCOI 2025 : Nahemotra amin’ny manaraka ny fifaninanana

sam, 10/18/2025 - 08:19

Nandefa taratasy ho an’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AH­BOI), nivory ny 12 oktobra lasa teo, fa hahemotra amin’ ny fotoana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCOI 2025). Fihaonana to­kony hotanterahina any Toa­masina, ny 15 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao. Noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena ny an­ton’izany. Tsy miova kosa fa mijanona ho Madagasikara hatrany ny hampiantrano izany, raha vao milamina ny firenena.
Mandra-piandry izany, ho­ton­tosaina any Toamasina ihany koa, ny 30 oktobra ka hatramin’ny 9 novambra 2025, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hanana ny lanjany le­hibe izany satria ankoatra ny fiadiana ny maha tompon­daka, hiadiana ihany koa ny tapakila hiatrehana ny “CCOI 2025” izy io. Hisolo tena an’i Mada­gasikara amin’izany ireo ekipa roa voalohany miatrika ny famaranana. Hatreto, ligim-paritra miisa 12 amin’ny 17 no efa nisoratra anarana handray anjara amin’izany dia Diana, So­fia, Boeny, Atsinanana, Ana­lanjirofo,  Analamanga, Itasy, Bongolava, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe ary Ihorombe. An­koatra izay, fantatra fa hatao amin’ny volana janoary 2026 ny fivoriambe hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny handball.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

sam, 10/18/2025 - 08:19

Fifaninanana roa lehibe no mbola miandry ny Judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70 kg, amin’izao famaranana ny taona 2025 izao. Handray anjara amin’ny « Grand Chelem » hatao any Abu Dhabi, i Laura, ny 27 hatramin’ny 29 novambra izao, izay fandraisana anjara voalohany ho azy. Aorian’izay, hihazo an’i Tokyo izy, ny 6 sy 7 desambra hiatrika ny “Grand Slam de Tokyo, izay fandraisana anjara faharoa ho azy.

Raveloarison Eymeric, mpilalaon’ny MB2All Analamanga sy Ranarison Joda, mpilalaon’ny FFPro Antsirabe no solontena malagasy eo amin’ny sokajy lehilahy, hiatrika ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, hatao any Le Caire, Egypte, ny 19 hatramin’ny 22 oktobra izao. Anio no hanainga eto an-tanindrazana ireo delegasionina malagasy mirahalahy ireo, raha ny angom-baovao azo avy amin’ny federasionina.

Hisy ny fiovana kely amin’ny fandaharam-potoana amin’ny lalao manasa-dalana sy famaranana ho an’ny sokajy latsaky ny 12 taona sy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, amin’ny fiadiana ny tompondakan’ ny seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Hisy mantsy ny lalao hatao ny sabotsy raha toa ka ny alahady ihany no efa daty napetraka. Noho ny hamaroan’ny lalao no anton’izao fanapahan-kevitra izao, raha ny fanazavana.

Catégories: National

Filaharan’ny Fifa: Niakatra ho faha-106 ny Barean’i Madagasikara

sam, 10/18/2025 - 08:18

“ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa ka faha-108 izy ireo teo aloha.
Raha tsiahivina ny lalaon’ny Barea roa farany, nandritra ny fifanintsanana hiadian-toerana hiakarana amin’ny Mondial iny: fandresena 2 no ho 1, teo anatrehan’i Comores, hita fa nampiakatra io laharana io. Tsy nahazoana ny isa ambony tamin’ny Fifa kosa, ny faharesena mavaivay, 4 no ho 1, teo anatrehan’i Mali.
Marihina fa nahazo isa maherin’ny dimy ny ekipa nasionaly malagasy tamin’ity filaharan’ny Fifa vaovao ity. Efa mipetraka anatin’ny satroka faharoa izy ireo, mandritra ny antsapaka ny hahafantarana izay ho mpiray vondrona, ho an’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2027. Inoana fa nandray lesona tsara avokoa na ireo mpilalao, na ny mpanazatra, indrindra ny mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara, taorian’ireny vokatra ireny.

F.R

Catégories: National

Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy

sam, 10/18/2025 - 08:18

Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara.

Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC – World Muay Thai Council, tanterahina ao Maorisy ity. Fandraisana an­jara voalohany ho an’i Mada­gasikara eo amin’ny sehatra afrikanina izao atrehan’izy dahy izao, araka ny fanazavana avy amin’ny Tale teknika nasionaly, Razanajatovo Gil­das, izay mpanazatra azy ireo any an-toerana. 4 no mandrafitra ny delegasionina malagasy nihazo an’i Maorisy ka ny filoha Razanajatovo Carine no miatrika ny delegasionina. Hiady ny “ceinture WMC” ireto Malagasy mpikatroka ireto ary hiady ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana kontinentaly. Efa fantatra ihany koa ny mpifanandrina amin’izy ireo, ka ilay teratany Maori­siana, i Jordan Venpin, no hihaona amin’i Jerry Edino. Ilay Afri­kanina tatsimo, i Verne Prin­sloo, kosa no hifandona amin-dRasoanirina Olga. Mpi­ka­troka anisan’ny kalaza sy manana traikefa eto Afrika avokoa ireo mpifanandrina amin’ny Malagasy, ka tena andrasana tanteraka ny ady eo amin’ny roa tonta. Ankoa­tra ny fifaninanana, fanara­raotra hahafahana mampi­seho ny talenta sy fampahafantarana ny Muay Thai ma­lagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ity fotoana ity. Hohampaha­fan­tarin’ireto delegasionina malagasy ireto any an-toerana fa taranja tena tian’ny Malagasy sy hainy ary manana fitsipika mifehy izany taranja Muay Thai izany eto Madagasikara. Misy ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpi­tsara izay hatrehin’i Maître Razana­jatovo Larissa (mpi­tsara) sy Raza­najatovo Carine.

Mi.Raz

Catégories: National

Baolina kitra any Allemagne : Miverina anatin’ny heriny i Bolo

ven, 10/17/2025 - 07:39

Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Ma­lagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Alle­magne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Grünauer BC, fifandonana izay tafiditra amin’ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny amboaran’i Berlin. Nahatafiditra baolina iray sy nahavita tolotra tokana tsara izy tamin’ity fifanandrinana ity, ka nandresy 6 no ho 1 ny klioba misy azy. « Efa ela aho izay tsy nizara vaovao… Tsy hoe nanjavona aho, fa niasa mangina tany ambadika, tsy dia nanam-potoana hilalaovana. Fa rehefa omena fotoana aho, dia manome 100 % foana!», hoy i Bolo. Ho an’i Bolo, tsy ny fotoana lany eny an-kianja no tena zava-dehibe, fa ny finiavana sy ny fahavononana hanararaotra ny fe-potoana hampisehoana ny fahaizana rehetra.
Ny alahady ho avy izao, hifandona amin’ny Dynamo, Berlin, ny klioba misy an-dry Bolo. Tsy miova ny tanjona, hoy izy, dia ny hitady vokatra tsara ho an’ny ekipa hilalaovana. Mpilalao manana fahavononana sy mikiry ny hitady vokatra tsara tahaka an’i Kanto Fitiavana Voahari­niai­na, hita ho banga ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy Barea.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 10/17/2025 - 07:38

Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia.

Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo Malagasy roa, dia ry Nicolas sy Fenohasina Gilles. Namiratra tanteraka izy ireo teny ambony kianja, saingy tsy nahatafiditra baolina. Tsara ny mampahatsiahy fa nampisongadina azy mirahalahy, ny “Chan 2024” farany teo.

Araka ny fikarohana natao, manomboka liana sy manomana paikady vaovao hakana an’i Endrick, brezilianina mpilalaon’ny Real Madrid FC Espagne, ny Olympique de Marseille (OM). Andrasana ny fitohizan’ity raharaha ity amin’ny volana desambra sy ny janoary ho avy io, izay fe-potoana natao ho fifindrana klioba.

Catégories: National

Ankoay 3×3 – Africa Cup : Nanomboka ny fampivondronana

ven, 10/17/2025 - 07:38

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa malagasy Ankoay 3×3, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao ny 4 hatramin’ny 7 desambra izao, eto Madagasikara. Nanomboka omaly ny fampivondronana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Eny amin’ny Petit Palais Mahamasina no hiatrika izay fampivondronana izay ireo mpilalao ary manatanteraka fanazaran-tena isan’andro, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly FMBB, Razafiarivony Solofohery Angelot. Hatreto, tsy mbola nisy ny lisitra ofisialy avy amin’ny kaomisionina teknika fa izay tratra antso teto Antananarivo ihany ireo manaraka fampivondronana ireo. Mbola hisy ny mpilalao hafa avy any amin’ny faritra ho avy, raha ny fanazavana hatrany. Vehivavy mpilalao miisa 12 sy lehilahy 12 isa no tokony hiatrika ity fampivondronana ity, saingy mbola tsy feno izy ireo. Anisan’ny ao anatin’ireo hotsongaina andrafitra ny ekipam-pirenena ihany koa i Muriel sy i Christiane, saingy efa mpilaravinahitra izy ireo, satria efa mpilalaon’ny Tamponnaise Renioney, raha ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly hatrany. Manoman-tena mafy ny Ankoay ary vonona hitazona ny anaram-boninahitra izay norombahina tamin’ny taona 2024.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages