S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 59 min

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 12/11/2025 - 07:48

Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja basikety Ankatso, ny fifaninanana basikety 3×3 “Inter-mention”. Lalao hifaninanan’ ireo sampam-pampianarana misy eny amin’ny “Facultés des Sciences” eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo, izay hiarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety.

Hotanterahina manomboka ny 15 desambra izao, ny Herinanandron’ny Karate-do mala­gasy, izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Ny Gashuku nasionaly no hanombohana izany, izay hatao ny 15, 16 ary 17 desambra izao. Hisy ny fiofanana natokana ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara. Hitohy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara, isan-tarika, izany, ny 19 hatramin’ny 21 desambra izao, izay misokatra ho an’ny klioba, seksionina ary ligy.

Catégories: National

Lalao Fihezama 2025 : Any Manjakandriana, ny 20 sy 21 desambra

jeu, 12/11/2025 - 07:48

Any Manjakandriana indray no hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fitaizana herin’ny zatovo malagasy), ny 20 sy 21 desambra izao. Fotoana hanehoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary firaisankina ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Manentana ireo mpikatroka mivondrona eo anivon’ny Fihezama ity filoha ity handray anjara ary hanatona ny Foiben’ny Fihezama. Miantso ihany koa izy ho an’izay malala-tanana hanohana ity hetsika goavana hahafahana mampivondrona ny tanora mpanao fanatanjahantena eo anivon’ny Fihe­zama ity. Tsiahivina, fikambanana iray mitaiza tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina ny Fihezama. Tanjony ny hitarika ny tanora amin’ny lalana tokony halehany fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Taranja maro no hifaninana amin’ity Lalao Fihezama 2025 ity, ka hahitana ny taranja haiady isan-karazany sy ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra sy basikety. Hisy ihany koa ny dihy sy hiragasy, mandritra izany.

Mi.Raz

Catégories: National

Rugby Malagasy : Hiavaka ny fankalazana ny faha-125 taona

jeu, 12/11/2025 - 07:47

Tapaka, omaly, fa hatao manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Hisy ny hetsika maro hatao amin’io, anisany ny “Super Coupe”

Hankalazaina manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby, omaly, fa ny 21 desambra ho avy izao no hisy ny lalao hiadiana ny amboara lehibe “Super Coupe” eny an-toerana. Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompon­dakan’i Madagasikara sy ny Cosfa miaramila, tompon’ny amboara nasionaly, no hifandona amin’izany.
Fotoana iray ahafahan’ny mpilalaon’ny Manjakaray ma­nala vela amin’ny miaramila izany io fotoana io. Ampaha­tsia­hivina fa lavon’ny Cosfa tamin’ny 40 no ho 39 ny FTM nandritra ny lalao famaranan’ ny amboaran’i Madagasikara, ny volana septambra teo.
Ankoatra izay, nanazava ny lehiben’ny Federasionina, omaly, fa manomboka amin’io andron’ny faha-20 desambra io no hisy ny karazana fety hatao eny an-toerana, miampy ny fanokanana an’ireo zavatra efa vita tao an-kianja ary ny fampirantiana ny tranoheva, izay ahitana ny tantaran’ny Rugby malagasy. Notsiahivin’ ny Coach Bertin Zoto, fa tany amin’ny taona 1900 tany no niditra teto Madagasikara ny taranja Rugby.

Manao antso avo!

Na eo aza ny fankalazana, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny minisitera mpiahy ihany koa ny federasionina ny mba hijerena akaiky ny ekipam-pire­nena malagasy Makis. Tsy mbola voarain’izy ireo ny fa­nampiana avy amin’ny fanjakana mahakasika ireny fifa­ninanana maro samihafa na­taon’izy ireo tany ivelany ireny. “Efa nisy ihany ny taratasy fampahatsiahivana nataonay teny anivon’ny minisitera sy ny andrimpanjakana amin’ izao fotoana izao. Mbola ma­merina manao antso avo amin’ izy ireo izahay mahakasika io fanampiana io”, hoy Rako­tomalala Marcel, Filohan’ny Malagasy Rugby.

F.R

Catégories: National

Mpividy volamena hita faty : Efa-dahy voasambotry ny zandary

jeu, 12/11/2025 - 07:47

Notanan’ny zandarimariam-pirenena natao fanadihadiana ireo efa-dahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny vo­noan’olona niharo fandrobana tao Ambalafarihy, Sonierana, kaominina Ambohimanga Atsimo, distrikan’Ifanadiana, omaly. Raim-pianakaviana iray mpividy volamena hita faty rakotra tsatoka antsy tao amin’io kaominina io, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany io lehilahy io ary nitondra vola 3 000 000 Ar. Nentiny na­naraka azy koa ny mizàna fan­danjana volamena, araka ny fanazavan’ny vadiny izay efa niterahany iray. Tsy naharenesam-baovao intsony anefa rangahy taorian’io. Nikaroka azy ny fianakaviany, kinanjo vatana mangatsiaka no hitan’ izy ireo. Novonoina tamin’ny fomba miharo habibiana io lehilahy io. Tsatoka antsy mi­isa dimy hitan’ny mpitsabo nisahana ny fizahana tamin’ny vatan’ilay namoy ny ainy. Lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny vola sy ny fitaovam-piasana teny aminy. Name­traka fitoriana ny fianakavian’ity farany. Niroso tamin’ny fa­nadihadiana ny zandarimaria miasa ao amin’ ny distrikan’Ifa­nadiana. Nahi­tam-bokany izany satria voasambotra ireo olona miisa efatra izay ahina ho tom­pon’an­toka tamin’io vono olona io. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ary atolotra ny fampanoavana izy efatra mirahalahy ireo.

Tsiferana R.

Catégories: National

SOS Villages d’enfants : Omena sehatra amin’ny fakan-kevitra ny ankizy

jeu, 12/11/2025 - 07:41

Nanomboka omaly, tetsy Ambodivona, ny fakan-kevitra nasionaly tanterahin’ny fikambanana SOS Villages d’enfants. Hiitatra manerana ny Nosy, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Raharinarivonirina Maria, ny hetsika.

Hisongadina ao anatin’ny fakan-kevitra ataon’ny SOS Villages d’enfants ny fanomezana sehatra ny ankizy haneho hevitra. Hi­tondra ny hetahetany sy handrafitra ny hoaviny amin’ ny paikady nasionaly ihany koa momba ny fiahiana azy ireo, mandritra ny 5 taona (2026-2030).
Asaina mamoaka hevitra momba ny tombana sy fanarenana ny lesoka ireo ankizy. Hivoaka, amin’izany, ny tena faniriany, hahafahana manatsara ny fiahiana azy ireo. Mpandray anjara feno amin’ny fitondrana fanovana izay imasoana amin’izao fotoana ny ankizy sy ny tanora, raha ny fanazavana.
Tao anatin’ny 36 taona nisian’ny SOS Villages d’enfants, nisongadina ny zava-bita. Nivelatra ny sehatra fiahiana ireo ankizy izay efa atao manerana an’i Madagasikara.
Manodidina ny 5 alina isan-taona ny ankizy raisin’ny fikambanana an-tanana, ma­nerana ny faritra 7 hiasana. Anatin’izany Analamanga, Va­kinankaratra, Boeny, Atsi­na­nana, Anosy, Atsimo An­dre­fana ary Androy. Efa ma­nana Villages efatra ny fikambanana ankehitriny, toy ny any Anôsy, Vakinan­karatra, Atsinanana ary ny eny Vonto­vorona.
Miahy ny ankizy kamboty ary mamolavola azy ho tonga olom-banona ny akany, raha ny fanazavana nomen’ny tale nasionaly, Ratsimisetra Felam­boahangy. Mikarakara ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny ankizy ary mamoaka azy hanana fahaleovantena ara-pivelomana mihitsy izy ireo.
Ankoatra ny fiahiana ny ankizy any amin’ny Village anefa dia miahy ireo ankohonana marefo mba tsy hisian’ ny herisetra amin’ny zaza ao an-tokantrano ihany koa ny fikambanana. Manohana ilay fianakaviana mihitsy mba hahaleo tena ara-pivelomana, hahafahany mikarakara tsara ny zanany.
Raisina an-tanana ny fa­nohanana ireo ankizy tandindomin-doza eny amin’ny fiarahamonina mba tsy hiva­rina amin’ny fahalavoana, hi­tombo sy hivelatra ary ho tonga olom-banona.

Tatiana A

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

jeu, 12/11/2025 - 07:41

Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparita­han’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly.

Hentitra ny Komity mpandrindra ny tolona (KMT), amin’ny alalan-dRakotomavo Lanto, fa tsy fana­vao­zana no hatao eto. « Tsy misy resaka fampihavanana izany amin’ny fitondrana ny dinika tarihin’ny FFKM. Tsy azo atao tsinontsinona ny tolona ka lavinay ny fampihavanana olona na vondron’olona », hoy izy.

Mitaky ny hamolavolana ny sata mifehy ny Tete­za­mita sy ny tondrozotra mifandraika amin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny GenZ. Nilanja sorabaventy teny amin’ny CCI Ivato izy ireo naneho izany ka nita­kina ny antony sy ny tanjon’ny Tetezamita. Ny faharetan’izany sy ny fomba fiasa. Eo koa ireo arofa­nina sy antoka demokratika.

Hentitra ny minisitra Gascar Fenosoa. Namba­rany fa fikaonandoham-pirenena ity fa tsy iraisam-pirenena. « Raharahan’ny samy Malagasy ka tsy misy idiran’ny vahiny na vazaha velively », hoy izy. Nohitsiny fa tsy nanasa ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny fitondrana. Efa naloan’ny vahoaka niaraka amin’ny forongony ireny ary nisy tolom-bahoaka teto.

Catégories: National

very zom-pirenena : Tsy afa-manao hetsika politika

jeu, 12/11/2025 - 07:41

“Voailika ho azy, avy ha­trany, ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary tsy manan-jo hirotsa-kofidina na hifidy intsony izay very zom-pirenena mala­gasy. Tsy mahazo manao he­tsika ara-politika, na mivan­tana na ankolaka, amin’ny raharaha ara-politika eto amin’ ny tanin’ny Repoblikan’i Mada­gasikara koa”. Io ny fanambaran’ny fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, voaray omaly. Voarara ny fidirana an-tsehatra sy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena ataon’ izay tsy misitraka intsony izany zom-pirenena izany. Fehezin’ ny lalàna ny fidirana sy ny fi­petrahana na fandalovana eto Madagasikara. Tsy maintsy hajaina sy arahin’ny olon-drehetra izany, na inona satany na toerany. Tsy manan-kery intsony ny pasipaoro rehetra efa navoaka amin’ny fahavarezan’ny zom-pirenena. Hev­rina ho heloka bevava ny fampiasana taratasy fivezivezena tsy manan-kery intsony. Mi­tovy amin’ny hosoka anaty antontan-taratsy sy fisandohana anarana izany, mety hiteraka sazy ara-pitsarana: onitra sy famonjana ary fandrarana ny fidirana na fipetrahana eto Madagasikara.
Noho izany, eo ambany fahefana sy andraikitra napetraky ny sata repoblikanina, ha­mafisiny fa izay rehetra manana fikasana hiditra na hanatona na hanandrana hi­petraka eto Madagasikara amin’ny alalan’ny taratasy tsy manan-kery na amin’ny fomba mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny zom-pirenena: hisy ny fepetra ara-pitantanana sy ara-pitsarana mifanaraka amin’ izany.

R. Nd.

Catégories: National

Fikaonandoham-pirenena: Miantso ny rehetra handray anjara ny FFKM

jeu, 12/11/2025 - 07:40

Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany.

“Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifan­dresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sa­hady ny fanovana ara-toe-tsaina”. Io ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Jean De Dieu Raoelison, taorian’ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny dinika fanavaozana an’i Madagasikara, teny amin’ ny CCI, Ivato, omaly. Tanjona iombonana ny fampivondronana ny Malagasy, ny fanomezan-danja sy hasina ny teny aman-kolontsaina mala­gasy. Eo ny fandrindrana ny fanavaozana ireo rafi-panjakana misy ary ny famaritana ny fifamatoran’ny mpitondra sy ny vahoaka. Anisan’izany ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna hiadiana amin’ ny tsimatimanota. Farany, ny fitadiavana maodely ara-toekarena sy sosialy mahomby sy mety ho an’i Madagasikara. Raha tiana ny hanatratra an’ ireo, ilaina ny maneho firaisam-po sy saina mandritra ireo atrikasa marolafy.
“Andao isika hanangana firenena vanona, mandroso sy tsara tantana ary mendrika ny vahoaka malagasy”, hoy ny mpanolotsaina avon’ny Fiadi­diana ny Fanavaozana, ny kolonely Andriamiarisoa Ger­vais.

Misy miasa ho amin’ny fanakorontanana

Raha tena hanova ny firenena, mila miainga amin’ny fanovana toe-tsaina. Marina fa niainga tamin’ny ady sarotra sy ny fahantrana an-taona maro. Nefa mandeha ambaratonga ny fanovana, ary mitaky faharetana sy fikelezana aina ary fandavan-tena ny fahombiazana rehetra.
“Misy ny be kajikajy, misy ny miasa mafy manakoron­tana amin’ny endrika maro samihafa. Nefa tsy hahomby izany, rehefa isika rehetra no miara-mientana sy miray hina”, hoy ny minisi-panjakana misa­hana ny Fanavaozana, Raza­fimanantsoa Hanitra. Misy ny manohitra ny fanavaozana. Ekena ny fanehoan-kevitra. Nefa aza manimba fananana iombonana sy ny soatoavina malagasy.

R. Nd.

Catégories: National

Be ny vokatra

jeu, 12/11/2025 - 07:40

 

Mitobaka manerana ny tsena ny karazam-bokatry ny tany sy ny rano. Tena varo-boba manerana ny tsena izany legioma sy voankazo izany. Dakan’ny “alika”, araka ilay fiteny hafahafa mahazatra an-dRamalagasy ny mahakasika azy ireny. Misy higalabonana tokoa, indrindra ho an’ny tsy tia hena. Ny hazandrano izany dia tena maro isafidianana na ny an-dranomamy na ny an-dranomasina.
Inona no ilazana izany? Mahavariana sy mahalasa saina ny mahita ny Malagasy sasany mbola milaza fa maty noana. Misy ireo milaza fa tsy manan-kohanina, ka mirona any amin’ny fanaovan-dratsy. 200 Ar amin’izao dia efa mahazo karoty, 500 Ar efa mahazo legioma hafa azo hohanina. 1000 Ar dia efa mahazo katsaka iray kapoaka izay mahavoky olona telo aman’efatra.
Ny tolotra ho an’ny mpanjifa dia misy sy azon’ny besinimaro vidiana tsara. Ny manahirana fotsiny dia ilay fomba amam-panaon’ny Malagasy: “sarotra ny miala amin’ny mahazatra ity”. Tahaka ny efa tsy misakafo na fara hidiny izany rehefa tsy mihinam-bary. Ity farany anefa izay sady kely no miaka-bidy andro aman’alina. Raha vao tsy hita kely dia mampanaotao foana.
Mitaky fanovana fomba fisaina sy fomba fiaina, ary fahazarana ara-tsakafo izany. Tsy vitan’ny olom-pirenena tsotra izany. Tokony mba hisy angamba ny politikam-pirenena misahana ny sakafo. Efa manana ny Ofisim-pire­nena momba ny sakafo isika. Tsy hita mivaingana anefa ny tena tetikasa na asa vitany. Zary fandaharanasa fakana famatsiam-bola sy fandaniam-bola no misy.
Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa, tsy tokony ho olana mihitsy ny resa-kanina sy ny fihinanan-kanina. Maro sady azo isafidianana izay tiana ny vokatra. Zakan’ ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano rahateo!

r.r

Catégories: National

Pages