Araka ny fanadihadiana natao omaly, nahazo rariny teo anivon’ny fitsipi-pifehezana (Codis) an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fitarainana ataon’ny As Fanalamanga.
Tsiahivina fa nametraka fitarainana teo anivon’ity sampandraharaha ity, mahakasika ilay baolina tafiditr’izy ireo, teo anatrehan’ny CFFA Andoharanofotsy, saingy nolavin’ny mpitsara mpanampy, ny As Fanalamanga. Ity lalao ity izay tafiditra amin’ny ampahefa-dalana miverina « World Cola PFL ». Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray eo anivon’ny As Fanalamanga, mety haverina ny fifanandrinan’ny roa tonta ka hotontosaina any Toamasina izany, saingy ny fotoana no tsy voafaritra. Etsy ankilany anefa ny dingana manasa-dalana izay nihaonan’ny CFFA sy ny Cosfa nizotra tsara teny By-Pass, omaly. Rehefa nanontaniana ry zareo, nilaza fa tsy mbola naharay ny taratasy milaza ny mahakasika izany. « Taratasy milaza fa miatrika ny manasa-dalan’ny World Cola PFL, no azonay, ary efa neken’ny mpitsara sy ny kaomiseran’ny lalao », hoy indray ity mpampita vaovao iray ao amin’ny CFFA ity. Mbola manan-jo hametraka ny fitarainany ihany koa ity ekipan’ny CFFA ity, raha ny filazan’ny eo anivon’ny federasionina. Marihina fa niondrika teo anatrehan’ny miaramila tamin’ny isa 4 no ho 2, ny mpilalaon’Andoharanofotsy. Andrasana moa ny tohin’ity raharaha ity, ary samy miandry ny fanapahan-kevitra farany horaisin’ny federasionina ny andaniny sy ny ankilany. Nisongadina ny ekipan’ny Elgeco Plus. Ankoatra izay, miezaka mampiseho ny heriny amin’ity fifaninanam-pirenena ity ny ekipan’ny Elgeco Plus. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny klioban’ny Mama FC, omaly. Tsara ny mampahatsiahy fa tompondaka lefitra tamin’ny taona lasa ny Elgeco Plus.
Fitia Randria
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny toekarena ny fisian’ny asa ho an’ny tanora. Antony nametrahana ny tetikasa “Tafa” hiaraha-mientan’ny andrimpanjakana sy ny orinasa ananan’ny tanora hoavy mamiratra. Hampifandray ny mpianatra, ny tanora ary ireo manana fahasembanana amin’ireo orinasa samihafa ny tetikasa hisitrahan’izy ireo asa ara-dalàna. Singanina manokana ny tanora eo anelanelan’ny 14-25 taona, ny vehivavy ary ireo olona manana fahasembanana amina faritra efatra, Analamanga, Atsinanana sy Analanjirofo ary Matsiatra Ambony. « Tanjona ny hampanana asa ny tanora tsy ankanavaka ahafahany mivoatra fa indrindra manatratra ireo tanjona apetrany », hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Porofo mivaingana, hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantany, Moustapha Marson, ny lalana nodiavin’ireo tanora manana kilema izay efa nijoro vavolombelona nitantara ny fomba nahatrarany ny nofinofiny.
« Mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa ny Tafa amin’ny alalan’ny fanofanana ireo tanora mba hahamatihanina azy ao anatin’ny sehatrasa sy handraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena», hoy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Guillois. Manome tantsoroka sy torohevitra ny tanora ihany koa ny tetikasa mba hanamorany ny fidirany miasa « Tao anatin’ny herin-taona, afapo avokoa ireo orinasa mpiara-miombon’antoka nandray ireo tanora manana fahasembanana », hoy ny solontenan’ny ONG Humanité & Inclusion (HI) Andriamorasata Anja. Ankehitriny, miisa 300 ireo tanora efa nisitraka ny tetikasa, kendrena ny hahatrarana hatrany amin’ny 1000 isa ireo mpisitraka. Miara-misalahy ao anatin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izay tohanan’ny Service de coopération et d’action culturelle (SCAC), ny masoivohon’i Frantsa. Manatanteraka izany ny Afrique Australe et Océan Indien (AUF-AAOI) sy ny ONG Humanité & Inclusion.
Henintsoa
Nomarihina ny 12 jona teo, tao Toamasina, ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany. Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rarivoarivony Hafa Fitiavana, fa tsy natao ho mpanatanteraka didy fotsiny izy ireo. “Mba mitsinjo ny maha olombelona koa izahay mialoha ny hanatanterahana didy”, hoy izy. Anisan’izany ny fiantsoana ny mpifanandrina sao mbola azo atao ny fifampiresahana. Eo koa ny fanomezana fotoana ny andaniny, resy eo amin’ny fitsarana, mba hiomana amin’ny fanatanterahana didy, araka ny nambarany. Matetika ny vadintany ilaina eo amin’ny fiatombohan’ny didy ary mitondra ny porofo eo anatrehan’ny fitsarana. “Ny vadintany no fiatombohan’ny ady sady mamarana ihany koa amin’ny alalan’ny fanatanterahana didim-pitsarana. Azo atao ho filankevitra ihany koa anefa izahay”, hoy ihany izy.
Lohahevitry ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany: “Ny vadintany miatrika ny fanatontoloana manoloana ny faharanitan-tsaina artifisialy”. Nampahafantarina ny rehetra koa ny asan’izy ireo.
Sajo sy Synèse R.
Ny boky loharanom-pahalalana. Ho fanohizana ny ezaka efa natomboka ela amin’ny fampiroboroboana ny vakiboky eto Madagasikara, nisy ny antso natao tamin’ireo mety ho mpiara-miombon’antoka. Nivaly sahady izany, satria tonga eto Madagasikara, ny solontenan’ny Association pour la promotion des initiatives citoyennes na ny Apic, miaraka amin’ny Médiathèque avy ao amin’ny kaominina Tampon, ao La Réunion, nanolotra boky 490 baoritra. Noraisin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanomezana. Boky hampiasain’ireo tanora malagasy te handalina bebe kokoa ireo, satria misy karazany sy lohahevitra maro. Misy ny hipetraka ho an’ny Tranombokim-pirenena, fa ny ankamaroany kosa dia hozaraina amin’ireo tranombokin’ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, izay efa misy 7 izao no miasa.
Fanombohany sady fanamafisana ny fiaraha-miasa misy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao, raha ny fanazavana nandritra ny fandraisam-pitenenana. Antenaina hitohy amina sehatra maro, indrindra ny mahakasika ny fifanakalozana ara-javakanto sy kolontsaina, satria misy tantara mampifaningotra i Madagasikara sy La Réunion, ankoatra ny maha samy Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nampanantena rahateo ireo vahiny avy ao amin’ny Apic, fa efa mitily sahady ny tohin’izao hetsika izao, indrindra ny eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny vakiboky.
Zo ny Aina
Miantso ireo manan-talenta ao Antsirabe ny « Fest’Iray », na ny « Festival de l’écologie ». Hisy ny « casting » hitiliana ireo mpanakanto handray anjara, izay hotontosaina ny 21 sy 22 jona izao, ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Misokatra ho an’ireo mpanao mozika, vakodrazana, sary hosodoko, dihy, sns, izany.
Nivoaka ny datin’ny « Manal’Azy vita bacc ». Ny zoma 24 jolay izao no hotanterahina izany, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fantatra ihany koa fa hiverina ao Antsahamanitra ity seho manan-tantara fanaon’ny Olombelo Ricky isan-taona, ity. Mbola anatin’ny fitetezam-pirenena any ivelany ny tarika amin’izao fotoana izao.
Ho tazana anaty « cabaret » ry Rakoto Frah junior. Mety tsy mahazatra, kanefa efa fanaon’ny tarika ary be mpankafy hatrany izany. Hitondra ny vakodrazana mivoatra etsy amin’ny Chez Baba Isoraka izy ireo, ny zoma 20 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina.
Handray anjara amin’ny hetsika « Sentimental » ihany koa i Mirado. Hisy ny takariva an-kira ivoizany ny « Iray ihany izao sy ianao », rahampitso zoma 20 jona, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Kanto marolafy no mifaningotra mandritra ity hetsika ity.
Marina, tsy mba nampiasa fanafody na ody nandalo labôratoara na toeram-panandramana ny Malagasy. Nahafehy tranga maro momba ny fitsaboana kosa izy noho ny fananany zavaboahary maro sy traikefa nifandimby. Mbola misy rahateo ireo mahatazona izany, satria, nanana raiamandreny sy vatonamelankafatra hendry sy nahavita adidy.
Ankehitriny, lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy, satria, miezaka miverina amin’ny fototra, hono. Tranga tsy ratsy, saingy, mila fitandremana fatratra. Tanora tsy nifampikasoka sy tsy nifandray tamin’ny zavaboahary no milaza fa mpitsabo amin’ny alalan’ny raokandro? Manaraka sy manaiky izay ataony sy lazainy ny Malagasy sasany.
Nahay nitsabo tokoa ny Malagasy fahiny. Tsy ny rehetra, anefa, no « nandova » izany na mahay izany fa maro ireo manao kitsapatsapa sy kiandranandrana. Noho izany, mila omena hery sy tanjaka hatrany ireo raiamandreny, ireo mahay mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro, mba hahafahan’izy ireo mampita ireo fahalalana ananany. Mila mianatra ihany koa ny tanora sy izay te hitsabo amin’ny raokandro mba hampanan-kasina azy sy ny zavatra ataony.
HaRy Razafindrakoto
26 jona 1960, nanomboka teo ny lanonana ho famalifaliana ny Malagasy. Mbola ny vahiny no nandrindra ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, nomen-danja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.
26 jona 1960, noho ny lamina nifanarahan’ireo firenena lehibe mpanjanaka. Naverin’ny Frantsay tamin’i Madagasikara ny fahaleovantena efa nananany teo aloha. Nanomboka teo, nampifaliana tamina lanonana sy fety ny Malagasy. Nisongadina isaky ny kianja malalaka nanerana ny Nosy ny « podium ». Samy nikarakara ny azy ny isam-paritany. Nanampy sy nanohana ny taty amin’ny fitondrana foibe, raha nilaina.
Niezaka nampifalifaly ny Malagasy ny mpitondra tamin’izany. Fantatra mazava tamin’izany fa mbola ny vahiny no tao ambadiky ny mpitondra tamin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny isan-tsehatra. ..Nisongadina kosa, anefa, fa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy no nomen-dry zareo hasina sy lanja lehibe indrindra isaky ny fanamarihana ny 26 jona.
Ho an’ny teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Nisongadina ny kermesy izay nahitana karazana fifaninanana kolontsaina sy zavakanto maro. Tao ny vakodrazana, ny dihy malagasy, ny hiragasy, ny fiakarana hazo malama, fifaninanana fanorona, sns.
Taty aoriana, na naverina aza ilay anarana « podium », niova tsikelikely ny zava-nisy. Nandritra ny Repoblika voalohany, nisongadina fatratra io fanajana sy fanomezan-kasina ary lanja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy isaky ny 26 jona io… Taona 1975, nanomboka tazana tao anatin’ny «Fetim-pirenena Malagasy» ny zavakanto sy kolontsaina kaominista, toy ny «mitabe» … Nanomboka natao an-jorombala ireo zavakanto malagasy… Nandeha ny fotoana, niova izany ka ireo mpanakanto malagasy mpanindraindra ny zavakanto sy ny kolontsaina vahiny izao indray no omena laka. Tsy hita intsony ireo karazam-pifaninanana samihafa… Ho an’ny mpanadihady momba ny fiarahamonina, mbola hiova endrika « hono » izy io any aoriana any!
HaRy Razafindrakoto
«Eo An-tanako», tel est l’intitulé d’un événement qui se tiendra ce dimanche à 15 heures au temple FJKM Tranovato Ambatonakanga, dans le cadre de la célébration, d’une part, des 25 ans d’existence de la branche Hommes chrétiens (SLK) et d’autre part, des 10 ans du «Lehilahy midera» (chœur d’hommes). Au programme, projection d’un film documentaire sur l’histoire du temple et un concert inédit de Lehilahy midera.
Jacques Ramanamirija, le chef de chœur de Lehilahy Midera vient de sortir un film documentaire qui retrace respectivement le début de l’église chrétienne à Madagascar, la période de persécution des chrétiens et enfin, la construction des édifices commémoratifs des martyrs malgache de l’époque. «Ce film dure 15 minutes environ. Durant la première partie du concert, nous allons alterner des extraits du film et des titres composés par Lehilahy Midera», explique-t-il. Des titres comme «Jesoa Mpanavotra» de David Ramasindraibe ou encore «Fenoy ny fitiavanao» de J. Ramanamirija et bien d’autres seront aussi fredonnés pour l’occasion. «Notre objectif est de faire connaitre l’histoire de ce monument classé patrimoine culturel de Madagascar en 1962, pour améliorer le sentiment d’appartenance des citoyens contemporains», ajoute-t-il.
Durant la deuxième partie du concert, Lehilahy Midera revisitera quelques chants évangéliques malgaches comme «Ho Vatolampiko Ianao» de Mamy Nanahary ou encore «Fiainana Mandrakizay» de Ndriana Ramamonjy, ainsi que des titres standards internationaux à l’instar de «Ancient Words» de Lynn Deshazo, «He Is Exalted» de Twila Paris, que le groupe a traduit en malgache pour ainsi devenir «Fanekena Taloha» et «Asandratra Izy».
Holy Danielle
La musique malgache d’antan, résonnera de plus belle, ce 24 juin à la Cité des Cultures Antaninarenina, le temps d’une parenthèse culturelle, à l’occasion du 160e Concert classique de Midi organisé par Madagascar Mozarteum.
Et cette édition spéciale qui s’inscrit dans le cadre de la Fête de la musique et de la Fête nationale, mettra en scène le groupe Ny Feon’Analamanga, avec un répertoire riche, composé de titres intemporels tels que Analamanga, Oh Ralila, Dobla Sento, Sovenira ou encore Fitia Vao Mitsiry. Ces morceaux constituent au fil du temps, un véritable patrimoine musical malgache.
“L’une des grandes forces de Ny Feon’Analamanga, réside dans sa composition, le groupe est composé de musiciens chevronnés et de jeunes talents prometteurs, illustrant une dynamique de transmission vivante. Ensemble, ils insufflent une nouvelle énergie aux morceaux tout en restant fidèles à leur essence”, rapporte un communiqué.
Pour les amateurs de musique traditionnelle malgache, Ny Feon’Analamanga est une référence incontournable. Il a célébré son 10e anniversaire en décembre 2024.
Joachin Michaël
« Les travaux d’élargissement de la route Tsarasaotra – Ivat, d’une longueur de 11 km, avancent. La première partie sur tronçon de 2 km environ, partant du village Lac Iarivo à la déviation menant à Ambatolampy Tsimahafotsy, sera achevé d’ici la fin de cette semaine », a déclaré hier le ministre des Travaux publics, Richard Rafidison, lors d’une visite de chantier.
Selon lui, les consignes du président de la République, Andry Rajoelina, sont claires, Ces travaux devraient être bouclés rapidement, pour permettre le lancement des feux d’artifices dans le cadre de la célébration de la fête nationale, au niveau du Lac Iarivo.
« Ce projet facilitera la circulation menant vers l’aéroport d’Ivato et le déplacement des habitants», a fait savoir Richard Rafidison.
Le ministre et son équipe ont également passé en revue l’avancement des travaux de l’autoroute Antananarivo – Toamasina, notamment sur le tronçon partant du Lac Iarivo à Ambohimanga. Les travaux sont en cours, mais de nombreuses étapes restent à franchir avant son achèvement complet. La plupart des infrastructures hydrauliques de ce tronçon sont terminées et le revêtement final des 9 premiers kilomètres devrait débuter prochainement.
Jean Riana
A Madagascar, “Réduire les prix du ciment, est tout à fait possible”, affirme Vincent Blanchet, directeur général d’Alpha Ciment. L’entreprise, qui détient près de 45 % du marché, croit fermement en la capacité de production locale pour faire baisser le prix.
L’usine d’Ibity, fondée en 1985, a triplé sa capacité en 40 ans. Une nouvelle ligne de production avait été annoncée en 2022, mais le projet a été freiné par le rachat d’Alpha Ciment – ex-Cementis – en 2023. Malgré cela, l’entreprise continue à investir.
En 2024, la consommation nationale de ciment s’élève à 1,2 million de tonnes. Alpha Ciment produit environ 550.000 tonnes par an. Son usine d’Ibity, près d’Antsirabe, est la seule cimenterie intégrée du pays, capable de transformer la roche en clinker puis en ciment.
Et sa capacité théorique est de 180.000 tonnes, mais les aléas techniques et énergétiques la limitent plutôt à 150.000 tonnes. Les deux autres unités, à Toamasina et Tanjombato (Antananarivo), sont des usines de mélange qui complètent la production : 300.000 tonnes pour Toamasina et 100.000 tonnes pour Tanjombato.
Les enjeux de la production locale
Selon Vincent Blanchet, la production locale est la clé pour faire baisser les prix. Le ciment importé coûte aujourd’hui environ 70 dollars la tonne hors taxes et transport. Or, Madagascar est un vaste pays, et l’acheminement jusqu’aux zones de consommation est fortement influencé par le prix du carburant, en hausse constante depuis 2022.
La production locale est également confrontée à des coûts élevés, notamment le charbon, principal poste de dépense, qui représente 40 à 50 % du coût de fabrication. Pour réduire ces charges, Alpha Ciment envisage des solutions technologiques plus économes en énergie et une augmentation des volumes produits.
Le prix actuel du sac de 50 kg est d’environ 40.000 ariary. “Il pourrait baisser à l’avenir, mais pas immédiatement”, prévient Vincent Blanchet. “Construire une nouvelle usine prend du temps, entre deux et trois ans.” Il ajoute que “il n’y aurait aucun sens à investir massivement si nous n’étions pas convaincus d’obtenir un avantage concurrentiel.”
Arh.
Madagascar accueillera les 30 juin et 1er juillet, la réunion annuelle du Comité de Pilotage de l’Afritac Sud et de l’Africa Training Institute (ATI), deux centres régionaux du FMI. Organisé avec le ministère de l’Economie et des Finances (MEF), l’évènement se fixe un triple objectif : dresser le bilan de l’année, planifier les prochaines formations et renforcer la coopération régionale. Cette rencontre s’inscrit dans l’initiative «Assistance et formation du FMI en Afrique». Elle réunira des représentants des pays membres, des responsables du FMI, des bailleurs de fonds et des partenaires techniques.
Mpilalao miavaka sy sariaka ary misongadina amin’ny hafainganam-pandeha Razanamahefa Tiana Jinah, na i Jinah, vehivavy mpilalao rugby. 25 taona ny tenany, amin’izao fotoana izao, ary manam-paniriana ny ho lasa lavitra amin’ity taranja ity izy. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly, niresahana manokana ny momba azy sy ny faniriany rehetra.
Gazety Taratra (*) : Iza moa i Jinah ?
Razanamahefa Tiana Jinah (-) : Razanamahefa Tiana Jinah no tena anarako, ary mipetraka aty Besarety aho. Zanan-dRazafimahefa Tiana Justin sy Ravaomalala Claire. 25 taona aho ankehitriny, ary manan-janaka vavy iray. Ao amin’ny klioban’ny SCB Besarety ny tenako no milalao.
* Nanomboka oviana ianao no nilalao rugby, ary efa nofinao hatramin’izay ve ilay hilalao an’ity taranja ity?
– Fony aho mbola kely no nilalao ny taranja Rugby. Tsy nofy ilay nilalao ity taranja ity ho ahy fa efa tahaka ny hoe lova avy amin’ny ray aman-dreny izy io. Milalao baolina lavalava sy mankafy izany avokoa ny fianakavianay rehetra.
* Inona no tena fanirianao any aoriana any ?
– Manam-paniriana ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany aho ary mbola mipetraka foana izay faniriako izay hatramin’izao. Miezaka mafy hatrany aho mba hanatrarana io tanjona io, na dia mbola sarotra aza izany eto amintsika.
* Tahaka ny ahoana ny fiainan’ny atleta vehivavy efa manan-janaka izany ?
– Tsy dia sarotra, satria mbola eo i Mama sy i Zokivavy, ary manohana hatrany izy ireo. Misy fotoana sarotra ihany. Marihiko fa tsy mbola miasa ny tenako.
*Anisan’ny mpilalao niatrika ny Can farany teo ianao, nanao ahoana ny niainanao izany fifaninanana izany ?
– Somary sarotra ihany izany tamin’ity, satria tsy ampy ny fanomanana ara-batana. Ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka ireny mantsy, tsy mitovy amin’ilay fanomanana anaty klioba. Hita sy tsapa eny ambony kianja izany.
* Ankoatra ny manao Rugby, inona ny fialambolinao, ary inona ny taranja hafa hataonao ?
- Fialamboliko iray tena tiako indrindra, ny milalao miaraka amin’ny zanako. Misy taranja ara-panatanjahantena hafa voafehiko, saingy tsy manao fotsiny aho.
* Hafatra ho an’ireo tanora ankehitriny, ?
– Ny hafatra avy aty amiko, dia izao : tohizo hatrany ny fanatanjahantena, ho an’ireo efa misehatra amin’izany. Asio tanjona iray izany. Singa lehibe tsy afaka miala amin’ity fanatanjahantena ity ny resaka fifandraisana, ka tsara raha mianatra tenim-pirenena ianao. Tena ilaina be mihitsy izy io rehefa eto Madagasikara. Aza simbaina amin’ny zava-mahadomelina ny vatana fa kolokoloy tsara ary manaova fanatanjahantena hatrany.
Tsiahivina fa efa manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny Rugby, i Jinah, ary ny taona 2018 izy, nanomboka nandrafitra ny ekipam-pirenena Makis Ladies. Anisan’ireo niatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena WXV III, tany Dubai, farany teo, ity vehivavy kalazan’ny Rugby Malagasy ity.
Nanatontosa : Fitia Randria
Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine.
Miakatra tsikelikely ny vidin’ny enta-madinika eny an-tsena amin’izao. Ankehitriny, lasa 8 900 ny litatry ny menaka eny amin’ireo mpamongady, tafakatra 9 500Ar izany eny amin’ny mpaninjara. Manomboka miakatra ihany koa ny vidin’ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao, izay lasa 800Ar, manampy trotraka ny hatsiaka izay mampihena betsaka ny vokatra sy ny fiakaram-bidin’ny katsaka. Misy kosa ireo mbola mivarotra izany amin’ny vidiny teo aloha.
Tandindonin-doza hatrany amin’ny 40 % ny velaran-tany maneran-tany. Mampanahy ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fivelomantsika ary ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny tontolo iainana. Mila harenina ny rohivoahary hiantohana hoavy mamiratra ho an’ny taranaka. Miteraka asa sy mampidi-bola ny fikajiana izany ary miantoka ny famokarana sy ny fampandrosoana ny toekarena.
Fahombiazana. Tafakatra 602 tapitrisa dolara ary nitombo 16% ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madagasikara, ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Mihatsara ity sehatry ity nanomboka ny taona 2022. Ny taona 2021, nijanona ho 358 tapitrisa dolara toy ny tamin’ny taona 2020 ny IDE teto Madagasikara. Taorin’izay, nihatsara ny vokatra ka niakatra teo amin’ny 468 tapitrisa dolara. Ny taona 2023, lasa 519 tapitrisa dolara izany. Voalaza ao anatin’ny taitra fa annisan’ireo sehatra mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny eto amintsika ny tontolon’ny fambolena, ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany, angovo, ny teknolojia. I Frantsa, Etazonia, ny nosy Maorisy ary Japon no anisan’ny firenena mampiasa vola vahiny betsaka eto amintsika.
Fanamby
Mbola maro ny ezaka tokony hatao anatsarana ny sehatry ny toekarena. Ady goavana hatrehintsika ny mamongotra ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) izay ambana ho an’ny rohivoahary an-dranomasina sy ireo mpanjono manara-dalàna. Mampihena ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana izany. Mila arahi-maso ihany koa ireo tahirina lavanila na dia nampidi-bola hatrany amin’ny 254 tapitrisa dolara aza ireo vokatra fanondrana tamin’ny taon-dasa.
Ankoatra izay, mila hatsaraina ireo lalam-pirenena eto amintsika izay miantoka ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana internet eto amintsika, ny volana janoary teo. 20,4% ny fampiasana izany, izany hoe, 6,6 tapitrisa ny olona misitraka izany amin’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery.
Henintsoa
Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika izao. Hita eny amin’ny masoivoho Pop ny tolotry ny MVola rehetra. Toy ny fanokafana kaonty, ny fandrotsahana sy ny fisintonam-bola. Eo koa ny fanoroan-kevitra sy ny famaliana ny olan’ny mpanjifa hanomezana fahafaham-po azy ireo. Misy ny toerana manokana ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha”.
Mazava ny safidy nametrahana ireo toerana roa vaovao ireo, hamaly ny filan’ny mpanjifa ny fanatonana azy ireo akaiky kokoa indrindra ny toerana be mponina, satria faritra manana lanja ara-toekarena sy ara-barotra.
Vinan’ny MVola rahateo ny hisitrahan’ny Malagasy tsy ankanavaka, ny tolotra ara-bola tsotra, takatry ny fahefa-mividy sy sahaza ny rehetra. Feno 15 taona ny MVola, ahitana tranoheva Cash point maherin’ny 50 000 manerana ny Nosy.
Njaka A.
Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany.
“Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina ka fotoana io hifampizarana ny hampandrosoana miaraka ny tanindrazana”, hoy ny ben’ny Tanàna, Synèse Ranarison. Nambarany fa tsy hijerena finoana sy firehana politika ny fihaonana. Natao ho an’ireo rehetra zanaky ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny hampiavaka izany ny fanangonana ireo fitaovana na kojakoja, toy ny fitafiana, lamba sy akanjo mafana ho an’ny zokiolona sy ny marefo any an-tanindrazana. Eo koa ny fanomezana boky na kahie sy penina ho an’ireo mpianatra sy ny kilalao samihafa toy ny arendrina ho an’ireo ankizy madinika amin’izao fety izao. Hanentanana ireo ho avy eny an-toerana ny fitondrana izany, arakaraka ny fahafaha-manao eo amin’ny tsirairay.
Tetikasa iray avy amin’ny Zanama
Etsy andaniny, fotoana koa io hamaritana ny tetikasa iray manokana avy amin’ny Zanama hotanterahina any Mandrosoa. Hisy koa ny tsipaipaika hanohanana ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. “Entanina isika rehetra mba samy handray anjara amin’izany. Adidy ho an’ny mpiara-belona amintsika any an-tanàna sy ho an’ny tanindrazana izany ary ho fampandrosoana miaraka ny kaominintsika”, hoy ihany ny ben’ny Tanàna.
Tsiahivina fa hanafana ny fihaonana ireo mpanakanto zanaky ny tanàna sy ireo artista maromaro sangany avy aty an-dRenivohitra.
Fitia Randria