Mitondra tombotsoa maro ho an’ny olon-drehetra ny fahitana sy ny famoronana azy ireny. Be mpisafidy sy be mpanjifa ity zavakanto ity. Satria, mampitony ny saina sy manome karazana toerana loko isan-karazany. Maro ny olona mampiseho ny zavakanto amin’ny alalan’ny fanaovana asa tanana. Betsaka ny misehatra amin’izany. Mihabetsaka ihany koa ny olon-tsotra manjifa sy mpankafy ireny vokatra samihafa ireny. Zava-kanto iray mahaliana ny ankamaraon’ny olona ny “jardin miniature”. Singa iray manentana ny fahatoniana eo amin’ny fiasan-tsaina ny loharano zaridaina. Indrindra ny fahitana ny toerana sy ny firafitry ny loharano amin’ny endriny maro samihafa. Ankoatra izay, manampy ny olona hanadino ny tabataba vokatry ny fifamoivoizana sy ny kotaba rehetra misy ny fisian’ny loharano zaridaina. Etsy ankilany, natao haingon-trano, miseho amin’ny endrika maro samihafa ihany koa izy io. Toy ny miendrika sary sokitra, rano amin’ny endriny samihafa, zavamaniry natao ho haingo manodidina ilay loharano.
Tsy mifidy toerana hametrahana azy
Azo apetraka amin’ny toerana rehetra na dia eo an-davarangana aza. “Manome endrika mahafinaritra ny ao an-tokantrano ny fisian’ireny karazana zaridaina kely ireny”, hoy ny olona nanontaniana. “Mandamin-tsaina, mamelombelona ary mampitony ny fahitana azy”, hoy i Norinne, mpanjifa ny “jardin miniature”, monina eto Antananarivo. “Manana karazana zaridaina kely roa samy hafa aho ao an-trano, ny iray ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ary ny iray ao amin’ny efitranoko”, hoy ihany izy. Nilaza izy fa singa iray atao fialamboly ny fahitana azy ireny. Ny feon’ny rano mikoriana ao amin’ilay zaridaina kely dia manala havizanana sy ny adin-tsaina mahazo ary lasa fialantsasatra. Mijery azy io foana isaky ny avy miasa sy alohan’ny andeha hiasa, mba hanome fifaliana mandritra ny tontolo andro.
Mampiseho toerana lavitry ny maso
Misafidy ny hametraka sy hanamboatra karazana zaridaina kely ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. “Manonofy mahita dobo kely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny “jardin miniature”, hoy hatrany ireo mpankafy ny vokatra.
Loharanon-drano ho singa ara-javakanto an-tanàn-dehibe na ambanivohitra ny zaridaina loharano. Hita eny an-tokotany, zaridaina, kianja na amin’ny toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny tanàna iray izy ireny amin’ny ankapobeny.
Avy amin’ny aingam-panahy
Niainga tamin’ny aingam-panahy sy avy amin’ny fisainana Zen, ny namoronana ny zaridaina madinika, raha ara-tantara. Tanjona ny hanasongadina sy hampisehoana ny maha zava-dehibe ny toerana iray. Zavakanto tena ilaina ny fananana “jardin miniature” any an-trano, raha ho an’ny japoney. Nohajain’izy ireo fatratra izy ireny satria anisan’ny zaridaina iray nanana ny lazany sy maro mpahafantatra tany amin’ny firenena tandrefana. Fantatra tamin’ny anarana hoe : “jardin Zen” na “Karensansui” izany. Ankoatra ny maha haingon-trano azy, fomba iray hanehoana ny fanaovana “meditation”, mifandray amin’ny bouddhisme ihany koa izany. Nandraisana ny “moines” voalohany tamin’ny fotoam-pitsapana lavareny ny fanaovana io zaridaina loharano io tamin’izany andro izany. Nitombo ny fankafizan’ny olona izany asa tanana izany, ka niitatra sy malaza hatramin’izao vanim-potoana izao.
Ny japonais sy ny sinoa no olona nampiasa io zaridaina madinika io tamin’ny taon-jato fahafito. Niendrika zavamaniry kely voakolokolo izany tany am-piadohana. Natao hampifanarahana ny endriky ny hazo lehibe ao anaty toerana kely iray. Nisy ihany koa ny natao naka endrika zavamaniry nasiana vato mba ho endrika ara-boajanahary.
Nanatontosa : Mino
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy, fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF i Rajaonarivelo Philippe amin’io fotoana anoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tomponandraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF.
Mitohy ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro. Atao isaky ny alakamisy ny fiofanana ho an’ny faritra Analamanga, eny amin’ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby. Hiompanan’ ny fotoana ny torolalana amin’ny fanorenana toeram-piompiana trondro, sy ny mahakasika ny fiompiana trondro an-tanimbary. Tsy misy sarany.
Nitsidika ny Bazar de la Sadc ao amin’ny Enara Gallérie Ivato, ny Praiminisitra any Lesotho, Ntsokoanoe Samuel Matekane, ny alatsinainy teo. Nidera ny fahaiza-manaon’ny malagasy izy, ary nambarany fa tsy maintsy mbola hiverina aty Madagasikara ny tenany. Nitarika azy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane.
Nilaza ny mpivarotra iray eny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola misy ny fiakaran’ny vidim-bary hatreto. Mijanona ho 1000 Ar ny kapoaka, 3 500 Ar ny kilao, ho an’ny vary makalioka sy
ny dista ary ny vary mena raha toa ka 175000 Ar ny iray gony. 900 Ar kosa ny kapoaka (3 150 Ar/kg) ho an’ny riz de luxe sy ny tsipala ary 150000 Ar ny gony iray. Manaraka izany, ny vary stock izay amidy ho 800 Ar ny amin’ny kapoaka (2 800 Ar/kg) raha toa ka 140000 Ar ny iray gony. Marihina fa anisan’ireo tsena madinika mpanafatra fotsim-bary eny an’Anosibe izy ary misedra ny fiakarana sy ny fidinan’ ny vidim-bary toy ny tsena rehetra. Araka ny fanadihadina natao taminy dia ny volana septambra eo no fiakaran’ny vidim-bary ary ny volana marsa kosa no fidinany.
Tsy mivarotra tahiry
Ny fiandohan’ny fambolena ny vary ny volana septambra ka hatao mandritra izany ny famafazana ny masomboly sy ny famindran-toerana ny tahom-bary. Tsy mivarotra ny tahiriny intsony ireo tantsaha manomboka eo raha tsy amin’ny fijinjana manaraka indray. Misedra ny fahalanian’ny tahirim-bary tokoa ireo tsena madinika mandritra izany ka mahatonga azy ireo hampiakatra ny vidim-bary. Miverina midina kosa anefa izany manomboka ny volana marsa noho izy ivon’ny fiakaran’ny voka-bary sy fiandohan’ny taom-piotazana ho an’ireo tantsaha. Miakatra ny tahan’ny mpamatsy vary amin’ io fotoana io ka mahatonga azy ireo hampidina ny vidim-bary amin’ny ankapobeny.
Ninah (mpianatr’asa)
Nandray fitenenana ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ ny fivoriana mahakasika ny toekarena Ticad andiany faha-9, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Navoitrany fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny sehatra marolafy eo amin’i Madagasikara sy i Japana. Anisan’izany, ny fampivoarana ny indostria, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany sy ny vokatra ara-pambolena, ny fampiasam-bola amin’ny angovo azo havaozina. Eo koa, ny fanamafisana ny fotodrafitrasa ara-pitaterana sy ny seranan-tsambo ary ny fizarana ny fahaiza-manao mahakasika ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA).
Nampahatsiahivin’ny Praiminisitra, fa tanjona goavana ny fampiofanana sy ny fampanan’asa. Fanamby goavana ny fametrahana fiaraha-miasa maharitra miorina amin’ny fifampitokisana sy ny tombontsoa iombonana, ahafahana manome modely tsara ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’Afrika sy Japana.
Marihina, fa anisan’ny ao anatin’ireo tohana omen’i Japana ireo ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanamboaran-dalana sy tetezana, ny fambolem-bary, sns.
Njaka A.
Laharam-pahamehana tokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny arabe migodana vaovao sy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN5.
Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 19 aogositra teo, ny delegasionina avy amin’ny Tahirimbola Abou Dhabi ho an’ny fampandrosoana (ADFD). Noresahina ny tohiny sy ny hanafainganana ny tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa vatsian’ity tahirim-bola ity ara-bola. Araka ny efa natsidiky ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana sady fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ampahan-dalana amin’ny arabe migodana miainga eo Ambodifasina PK0 hatreny Ambohimanga Rova, hamatsy vola 60 tapitrisa dolara ny ADFD. Nodinihina, noho izany, ny fomba hanafainganana ny hamoahana an’io vola io, entina hanohizana ny asa fanorenana ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mirefy 260 km. Satria, maika ny fahavitan’ny asa, entina hampandrosoana ny firenena. Tsiahivina fa hamatsy vola 80 tapitrisa dolara ihany koa ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Badea).
Lalam-pirenena faha-5
Ankoatra izany, nifantoka tamin’ny fanohizana ny tetikasa fanarenana ny RN5 ihany koa ny diniky ny roa tonta. Voakasik’izany ny ampahan-dalana mirefy 40 km, mampifandray an’i Vahibe hatrany Mananara. Ilaina tokoa ny fanarenana an’ity lalana ity, mba tsy hampitoka-monina an’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny, izay tena mampijaly ny mpampiasa lalana sy ny mponina tokoa, ankehitriny.
Manampy ireo, nifampidinika tamin’ny delegasionina avy amin’ny Tahirimbolan’ny Vondrona mpamokatra solika (Opep) ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena na Ofid ihany koa ny minisitra Rafidison Richard Théodore. Nojerena ny paikady entina mandrindra sy ny fomba hamoahana ny famatsiam-bola ilaina, entina hanatanterahana avy hatrany ny asa, satria tena laharam-pahamehana tokoa ity tetikasa fanamboaran-dalana ity.
Njaka Andriantefiarinesy
Hoy ny mpandinika iray izay: voalohany ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Tsy azo ihodivirana ny maha olona. Izay mitranga sy ataon’ny tsirairay, azo lazaina fa vokatry ny fanabeazana sy izay nodiaviny. Mitaiza sy manabe avokoa izay iainana fa tsy ny any an-tsekoly ihany. Izay misy isan’andro mandavantaona, misy fiantraikany amin’ny maha olona na ny maha izy azy ny tsirairay. Na ankolaka io na mivantana, na ela na haingana… Na ao an-tokantrano, na eny anivon’ny fiarahamonina, na eny an-dalambe, na any am-piasana, na any am-piangonana… Na izay re sy henoina izany, na izay hita sy jerena, na… Miara-dalana amin’izany ny kolontsaina, fomba amam-panao, fahazarana…
Tsy hita hofaritana mazava izay mahatonga ny toetra amam-pihetsiky ny tsirairay amin’izany rehetra izany, na azo tombanana ihany aza. Toy ny sakafo nohanina hatramin’izay mandrafitra ny toe-tenan’ny olona iray; eny, na azo tombanana ihany koa aza fa tsy mitovy ny mihinana sakafo maro loko, ohatra, sy izay mameno kibo fotsiny. Tsy mifankaiza amin’izany ny fanabeazana. Misy antony fototra ao matoa mahita ny mpandinika sasany fa ao anatin’ny fahalovana ny fiarahamonina amin’izao. Na manahirana, mikororosy fahafana, sarotra iainana… Amin’izany, tsy fantatra intsony hoe: ny fiarahamonina lazaina hoe ao anaty fahalovana no manimba olona sa ny olona simba no mahalo ny fiarahamonina? Manjaka ny samy maka ho azy, ny tsy fifampitokisana… Amin’izany rehetra izany, aiza ho aiza ny hoe andry amin’ny fampandrosoana ny maha olona? Tsy vitan’ny fiainam-batana fotsiny… Eny, na hoe izay aiditra am-bava aza manahirana amin’izao, tsy azo ihodivirana ny fanabeazana ny maha olona. Mby aiza? Fandinika…
R. Nd.
Vita ny ampahany voalohany amin’ny famotorana momba ny raharaha Boeing 777. Olona 22 no naiditra am-ponja. Anisan’ireny ny tale jeneralin’ny ACM. Tsy voakitika kosa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Tsy mahefa mitsara ny Pac fa miandry ny HCJ.
Nadoboka vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 22 ahina ho voampanga amin’io raharaha io. Na izany aza, nosarahana ny fonja nandefasana azy ireo. Teo ireo nalefa eny amin’ny fonjan’Ambohidrabiby sy ny eny Antanimora. Nisy koa ireo nalefa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ary ramatoa iray efa lehibe kosa nalefa any Manjakandriana. Niakatra tetsy amin’ny Pac, ny zoma alina, teo ny raharaha rehefa avy nandalo teny amin’ny fampanoavana Anosy. Nitohy ny sabotsy izany ka miisa 33 ireo voasaringotra tamin’ity raharaha Boeing 777 ity. Miisa 22 ihany kosa ireo niakatra fampanoavana ary izao nampidirina vonjimaika am-ponja izao. Ahitana ny tale jeneralin’ny ACM, mpiambina « Gardien », sekretera, mpiambina « Garde du corps », mpiasan’ny orinasa Udaan izy ireo, ankoatra an’ilay karana sy Malagasy tompon’ny orinasa. Miisa efatra koa ireo mpiasan’ny ACM, voasaringotra amin’izao raharaha izao. Eo ny « Directeur de la supervision de la sécurité DES », ny inspektera nijery ireo fiaramanidina tany Sina ary « Agents » miisa roa, nanome ilay « Code transpondeur », ahafahan’ireo fiaramanidina Boeing 777 miisa 5 ireo nanidina sy tonga tany Iran.
Anjaran’ny HCJ ny momba ny minisitra…
Etsy andaniny, mbola misy olona hafa miisa sivy karohina. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ny resaka kolikoly sy ny famotsiam-bola. Manampy ireo ny fampiasana hosoka sy fisandohana andraikitra ary ny fikambanan-jiolahy.
Ankoatra izany, nambaran’ ny eo anivon’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny Pac fa anjara’ny Fitsarana avo (HCJ) ny momba fitsarana ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Tsy anisan’ireo niakatra tetsy fampanoavan’ny Pac rahateo ity tompon’andraikitra ambony ity raha nohadihadian’ny FBI nandritra ny roa andro kosa izy, nialoha izao teny 67 Ha izao.
Synèse R.
Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao izany ho an’ny taona 2025-2027 nefa lasan’Ambovombe izao », hoy izy ireo. Tsiahivina fa efa valo taona izao ny nijoroan’ny fikambanana. Anisan’ny fotokevi-dehibe iorenan’ny Fitea-M ny fikatsahana ny fampandrosoana ny any amin’ny faritra Androy. Eo koa ny ady atao amin’ny kere. Tsy manao politika ny fikambanana. Manampy izany ny fandalana sy fanajana ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy. Ary ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.
Synese R.
Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, ary Culex sy ny maro hafa. Tia mipetraka amin’ny toerana mando, misy rano miandrona izy ireny. Mampidi-doza, indrindra ho an’ny fahasalaman’olombelona, izy ireny satria mitondra aretina maro. Mahatonga fahafatesana maro indrindra maneran-tany ihany koa. Maherin’ny 700 000 isan-taona izany, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation mondiale de la santé (OMS). Tafiditra ao anatin’ny bibikely mampidi-doza indrindra maneran-tany izy io.
Mihinana ranon-javamaniry ny moka lahy. Mihinana ra avy amin’ny olombelona sy biby kosa ny moka vavy. Izy io no mitarika aretina ho an’ny olona sy ny biby izay kaikeriny. Maro ny aretina entin’ny moka vavy, toy ny tazomoka (Malaria), aretina ampitain’ny moka antsoina hoe: “Anopheles”. Mahatonga aretina aman-tapitrisany, indrindra ho an’ny olona aty Afrika izy io. 263 tapitrisa ny olona voan’ny aretina tazomoka (malaria) maneran-tany, izay azo avy amin’ny moka, raha ny tatitra tamin’ny taona 2023. Nahatratra 597 000 ireo olona namoy ny ainy tamin’izany. Nanodidina ny 608 000 ireo olona namoy ny ainy maneran-tany tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra navoakan’ny OMS hatrany. Avy amin’ny mponina aty Afrika ny 94 % tamin’izany. Ankizy latsaky ny 5 taona avokoa ny 76 % amin’ireo. Eo koa ny aretina Dengue sy Chikungunya, izay ampitain’ny moka Aedes aegypti, any amin’ny faritra mafana sy mando. Eo koa ny aretina Fièvre jaune, izay mahazo ny ankamaroan’ny zaza vao teraka raha tratran’ny aretina ny reniny. Eo kao ny Filariose, areti-mifindra entin’ny moka Culex.
Diovina ny manodidina
Fahavalo lehibe ho an’ny olombelona ny moka na dia kely aza. Ilaina ny fanamafisana ny ady amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny fanaovana ireo fomba fisorohana rehetra. Maro ny fisorohana tokony hatao. Eo ny fihinanana fanafody omen’ny mpitsabo. Ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fihetsiky ny mponina andavanandro. Voalohany, ny fisorohana ny rano miandrona. Tokony hiezaka ny tsirairay mba hanarona ny siny sy barika misy rano ary ariana avy hatrany izay rano tsy ilaina na maloto. Faharoa, ny fampiasana lay misy fanafody, indrindra amin’ny alina. Fahatelo, ny fampiasana fanafody mamono moka. Manaraka izany, ny fanaovana akanjo misaron-tanana sy tongotra, mba hisorohana ny kaikitry ny moka. Eo koa ny tokony hanadiovana ny tatatra sy ny toerana manodidina ny trano fonenana. Toy ny fanalana ny lobolobo sy ny bozaka lava mety hitoeran’ny moka. Mamboly solila eo akaikin’ny varavarankely, izay zava-maniry mampitsoaka ny moka. Mihena ny voka-dratsy sy ireo aretina mahazo ny olona raha vita sy arahin’ny maro antsakany sy andavany ireo fepetra ireo.
Faritra tena ahitana moka betsaka indrindra
Eto Madagasikara, ahitana moka avokoa ny ankamaroan’ny toerana sy ny faritra rehetra. Ahitana ny moka: Anopheles ny any amin’ny morontsiraka Atsinanana, toy ny any amin’ny faritra Ikongo, Atsinanana. Fotoana mahabetsaka izany ny vanim-potoan’ny orana, eo anelanelan’ny volana desambra sy avrily ary ny oktobra hatramin’ny volana marsa. Ho an’ny eto Antananarivo, ahitana ny moka Anopheles sy Culex mandritra ny volana marsa hatramin’ny mey.
CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v80), quality = 82Tian’ny moka ny olon-dehibe sy mafana hoditra
Misy olona tian’ny moka kokoa noho ny hafa. Misy ny antony mahatonga izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny manampahaizana any amin’ny Oniversite iray any Etazonia. Miankina amin’ny maripanan’ny olona iray, ny fofona ary ny loto voajanahary eo amin’ny hoditra ny antony hitiavan’ny moka ny olona iray. Mety manana maripana na hafanana avo ny olona iray ka tian’ny moka ny manaikitra azy. Voasarika amin’ny hafanan’ny vatana ny moka. Ankoatra izay, ireo olona manana tahan’ny gaz karbonika (CO2) amin’ny vatany sy be atsembohana. Anisan’izany, ny olona efa nahazo taona sy ny bevohoka. Eo ihany koa ny olona manana mamoaka bakteria miteraka fofona manintona moka. Ankoatra izay, mahasarika moka ny olona tia miakanjo miloko maizina, toy ny mainty, manga, volontany sy ny maro hafa. Ny vehivavy bevohoka sy ny olona vao avy nihinana sakafo mamy na misy alikaola dia ho tian’ny moka kokoa.
Nanatontosa : Mino
Atao any Belo sur Mer, ny « Festival Botry Soa Fahitse », ny 21 hatramin’ny 24 aogositra. Hetsika ara-pizahantany sy ara-kolontsaina, hifantoka amin’ny sambokely botry, fampiasan’ny Vezo mpanjono. Hisy ny filaharana amin’ny lakana mampiasa voaly. Eo koa ny fifaninanana ara-kolontsaina sy hetsika ara-panatanjahantena ary fitsidihana ara-pizahantany.
Nihaona tamin’ny vondrona parlemantera japoney ny Praminisitra Ntsay Christian, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Nifantoka tamin’ny fanatevenana ny fifandraisana mametraka amin’ny politikam-pampandrosoana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta ny lahadinika. Tanjona ny hisian’ny fifamatorana sy fifanakalozana ara-politika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy.
Miisa 56 ny mponina any amin’ny kaominina Andronovondronina Antsiranana II, nentanina sy nampahafantarina amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga ateraky ny fihinanana hazandranomasina (Icam). Nanatanteraka ny fanentanana ny ekipa avy amin’ny Observatoire Icam any amin’ny faritra Diana sy ny Fitantanam-paritry ny Jono, ny oniversite Antsiranana sy Toliara, ny IHSM, sns
Azon-dRakotozoely Andriantsitohaina ny voalohany amin’ny fifaninanana Prix Castel, avy amin’ny Tahirimbola Pierre Castel, ary karakarain’ny orinasa Star. Ny orinasa Techni-drônes Madagasikara sy ny tetikasa natsangany, misehatra amin’ny fivarotana drônes sy ireo asa mifanaraka aminy. Nohazavain-dRakotonoely Andriantsitohaina, fa tafiditra ao anatin’ny ataony ny sehatry ny famokarana, entina hanatsarana ny fambolena, toy ny vary sy ny katsaka, ohatra. Ampiasaina ny drônes entina hanomanana sy ny fikarakarana ny tany, amin’ny alalan’ny fakana sary ana habakabaka ny velaran-tany. Eo koa ny fanofanana sy fifehezana ny teknika samihafa.
Mitentina 25 000 euros (125 tapitrisa Ar) ny lelavola nomen’ny Tahirimbola Pierre Castel. Nilaza ny tomponandraikitry ny Star, anisan’ny mpitsara ny fifaninanana, fa anisan’ny antony nisafidianana ny Techni-drones ny tetikasany manohana ny famokarana, raha toa ka mpamokatra mivantana ny loka nomena ny mpifaninana tany aloha.
Loka « super lauréat »
Ho any Abidjan Cote d’Ivoire Rakotonoely Andriantsitohaina amin’ny volana septambra. Hisolo tena an’i Madagasikara (Star) izy sady hifaninana amin’ireo mpandresy avy amin’ny firenena afrikanina enina hafa. Hitarika ny mpitsara ny CEO ny Vondrona Castel, Grégory Clerc, ka mitentina 35 000 Ar ny loka ho an’ny voalohany, « super lauréat ».
Njaka A.
Nifanakalo hevitra tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Vatel Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny 21 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny sehatry ny fandraisam-bahiny ny fifanakalozana. Nosinganin’ny minisitra, fa harena lehibe ho an’ny fizahantany eto amintsika ny tontolo iainana. Fanoitra mitondra fandrosoana ara-toekarena ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny mponina eny ifotony sy ny famokarana biolojika. Eo koa ny fampihenana ny tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary.
Notsindriany manokana, fa zava-dehibe ny fampifandraisana ny Politikan’ny Fizahantany sy ny Politikan’ny tontolo iainana. Mila hamafisina ny fandraisana andraikitry ny mponina eny ifotony, ny sehatra tsy miankina ary ny andrimpanjakana, hanatanterahana ny tanjona iombonana ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Njaka A.
Le portier malgache a été l’un des artisans majeurs de cette qualification. Avec 51 touches de balle sur l’ensemble du match, il a démontré une assurance remarquable dans ses cages. Ses trois arrêts sur quatre tirs cadrés, dont un penalty décisif stoppé face à Mike Kibwage, lors de la séance fatidique, ont galvanisé son équipe. Sa sérénité et sa capacité à capter les centres ont permis à Madagascar de rester dans le match, même sous la pression constante des attaquants kenyans.
Fenohasina Razafimaro,
l’étoile offensive
Au cœur du jeu offensif des Barea, Fenohasina Razafimaro a brillé par sa créativité et son sang-froid. Buteur sur penalty à la 69e minute pour égaliser à 1-1, il a également réussi un tir au but crucial dans la séance finale. Avec 53 touches, trois occasions créées et une précision de passes de 75,8 %, Razafimaro a été omniprésent, gagnant six duels et pesant constamment sur la défense kenyane. Son abnégation et sa capacité à se projeter vers l’avant ont incarné l’esprit combatif des Barea.
Bono Rabearivelo, le roc défensif
Dans l’axe de la défense, Bono Rabearivelo a livré une prestation titanesque. Avec 110 touches de balle, 70 passes (75,7 % de précision) et neuf duels gagnés, il a été le poumon de l’arrière-garde malgache. Ses six dégagements défensifs et sa présence dans les moments chauds, ont permis de contenir les assauts répétés du Kenya, qui a obtenu 11 corners contre seulement 2 pour Madagascar. Malgré un carton jaune, Rabearivelo a tenu bon, incarnant la solidité d’une défense qui a réussi 85,7 % de ses tacles.
Toky Rakotondraibe, le facteur X
Entré à la mi-temps, Toky Rakotondraibe a changé la dynamique du match. Son penalty transformé dans le coin inférieur gauche lors de la séance de tirs au but, a scellé la victoire des Barea. Avec 35 touches en 75 minutes, six duels gagnés et un tir hors cadre, il a apporté de l’énergie et de l’audace. Son carton jaune à la 71e minute n’a pas freiné son élan, prouvant que les remplaçants malgaches étaient prêts à répondre présents.
Un milieu de terrain combatif
Lalaina Rafanomezantsoa et Rado Rabemananjara ont été les moteurs du milieu de terrain. Le premier, avec 56 touches et deux occasions créées, a montré une belle activité offensive, réussissant 86 % de ses passes et deux centres sur trois. Rabemananjara, quant à lui, a été un véritable guerrier avec 81 touches, six interceptions et sept duels gagnés, malgré un carton jaune. Leur complémentarité a permis à Madagascar de rivaliser dans l’entrejeu face à un Kenya dominateur en possession.
Toky Randrianirina, avec une précision de passes impressionnante (91,7 %), a stabilisé le jeu malgache, même si son penalty manqué dans la séance, a failli coûter cher. Rijaniaina Randriamanampisoa, avec 83 touches et une solidité défensive (deux interceptions, cinq dégagements), a également joué un rôle clé avant de céder sa place en fin de match à cause d’une blessure.
Les remplaçants à la hauteur
Les entrants ont également pesé dans la balance. Andy Rakotondrajoa, entré à la pause, a apporté de la fraîcheur avec 31 touches et deux interceptions, tandis que Rayan Rajaonarivelo, sur le terrain pour les 36 dernières minutes, a contribué à stabiliser l’équipe. Mamisoa Rakotoson, entré pour seulement deux minutes, a symbolisé l’effort collectif jusqu’au bout.
Naisa
Dans une chaleur étouffante du Nyayo National Stadium de Nairobi, les Barea de Madagascar ont écrit une nouvelle page glorieuse de leur histoire footballistique. Ils ont barré la route des demi-finales aux Harambée Stars du Kenya, après une séance de tirs au but à fort suspense.
Contre toute attente, dans un duel acharné face au Kenya, alors que les Barea semblent à la dérive, les protégés du sélectionneur Romuald Rakotondrabe (Roro) ont arraché une qualification pour les demi-finales du Championnat d’Afrique des Nations (Chan) pour la deuxième fois consécutive, s’imposant 4-3 aux tirs au but, après un match nul 1-1 au terme de la prolongation. Ce triomphe dans l’antre des Harambee Stars, est bien plus qu’une victoire : c’est un exploit signé par une nation insulaire, souvent sous-estimée sur la scène continentale.
Un match sous haute tension
Dès le coup d’envoi, l’intensité était palpable. Les Kenyans, portés par leur fervent public, ont imposé leur rythme avec une possession légèrement supérieure (53,9 %) et une agressivité dans les duels. Leur but inscrit à la 48e minute par Alphonce Omija sur un coup de tête précis à la suite d’un coup franc, a fait trembler les gradins et a semblé donner l’avantage psychologique aux Harambee Stars. Mais les Barea, fidèles à leur esprit de combattants, n’ont jamais baissé les bras.
Malgré une possession de balle moindre (46,1 %), Madagascar avec une formation tactique de 4-4-2, a su se montrer dangereux, notamment grâce à la vivacité de Fenohasina Razafimaro. C’est lui, à la 69e minute, qui a transformé un penalty crucial après une main de Lewis Bandi dans la surface, ramenant les deux équipes à égalité (1-1). Ce but, comme un éclair dans le ciel kenyan, a galvanisé les Barea et leurs supporters, peu nombreux mais bruyants, présents dans les travées.
Une prolongation épique
La prolongation a été un véritable bras de fer. Les deux équipes épuisées mais déterminées, se sont rendu coup pour coup. Les Malgaches menés par un Lalaina Rafanomezantsoa omniprésent au milieu, ont multiplié les incursions, avec des tirs bloqués et des tentatives audacieuses, comme celle de Toky Rakotondraibe, qui a frôlé le cadre à la 103e minute.
De leur côté, les Kenyans, avec leurs 11 corners contre seulement 2 pour Madagascar, ont poussé, mais se sont heurtés à une défense malgache héroïque, emmenée par un Michel Ramandimbisoa impérial dans les cages.
Les statistiques témoignent de l’équilibre de ce duel : 17 tirs pour le Kenya, 12 pour Madagascar, avec une précision de tir légèrement supérieure pour les Barea (33,3 % contre 29,4 %). Les Malgaches, avec 85,7 % de réussite dans leurs tacles, ont affiché une solidité défensive remarquable, compensant leur léger retard en possession par une combativité sans faille.
Moment de vérité
C’est dans la séance des tirs au but que les Barea ont véritablement fait chavirer les cœurs. Face à la pression d’un stade acquis à la cause kenyane, les Malgaches ont fait preuve d’un sang-froid exceptionnel.
Tony Randriamanampisoa a ouvert le bal en trouvant le coin supérieur gauche, suivi par Lalaina Rafanomezantsoa, qui a expédié un tir imparable en pleine lucarne. Malgré un penalty manqué par Toky Randrianirina, sauvé par Byrne Omondi, Madagascar a repris l’avantage grâce à une parade décisive de Michel Ramandimbisoa sur le tir de Mike Kibwage. Fenohasina Razafimaro, encore lui, a redonné l’espoir en marquant, avant que Toky Rakotondraibe ne scelle l’exploit en transformant le penalty décisif, envoyant le Kenya dans le silence et les Barea dans l’euphorie.
Cette victoire n’est pas seulement un résultat sportif. Elle incarne l’âme d’une nation. Madagascar, souvent dans l’ombre des géants du football africain, prouve une fois de plus que la passion, la discipline et la détermination peuvent renverser des montagnes. Battre le Kenya, chez lui, dans un stade bouillant, est un message fort envoyé au reste du continent : les Barea ne sont pas là par hasard.
Le rêve continue
En se qualifiant pour les demi-finales du Chan, Madagascar s’offre une nouvelle opportunité de briller. Ce parcours, marqué par une résilience à toute épreuve, rappelle celui de 2022, lorsque les Barea avaient atteint les demi-finales du Chan pour leur première participation. Aujourd’hui, ils continuent d’écrire leur légende, portée par un peuple qui vibre à l’unisson. Alefa Barea !
Naisa
Hitana ny sain’ny rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra, amin’ity anio ity, ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifampitana ny Harambee Stars Kenya sy ny Barean’i Madagasikara. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Kasarani stadium, Nairobi Kenya. Nambaran’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), fa tsy mora ny lalao hifanandrinana amin’i Kenya, izay ekipa matanjaka ary manana lenta ambony. Ankoatra izay, hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy sy manoloana ny mpijeriny izy ireo. “Ho toy ny famarananakely amin’ity Chan 2025 ity ny lalaon’ny roa tonta”, hoy izy nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly alakamisy. Nomarihiny kosa fa vonona ny Malagasy mpilalao ary mitovy ny herijika handrombahan’ny roa tonta fandresena.
Mahakasika ny toetr’andro indray, nambaran’ny mpanazatra fa mety tsara amin’ny mpilalao satria mitovy amin’ny eto Madagasikara, ary efa nisy efatra andro nizarana izany ka tsy mametraka olana. Nilaza ny fahavononany hidona amin’i Kenya ihany koa i Tony, kapitenin’ny Barea. Nitsapa ny kianja tao Kasarani stadium ireo mpilalao, omaly. Tsiahivina fa anio amin’ny 5 ora folakandro ny fihaonan’ny Harambee stars sy ny Barean’ i Madagasikara.
Tompondaka
Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Mahamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto.
Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, taranja fibatana fonjamby, avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana. Medaly 17 be izao no norombahin’ireo atleta malagasy, izay nisy filofosana mafy tao ambadiky ny fandresena.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fampiofanana ara-teknika, notarihin’ny Hanshi Ramanitrandrasana René. Ho fanamarihana ny faha-40 taonan’ny MaKa (Malagasy Karate-do) sy ho fankalazana ny faha-80 taonan’ity Hanshi ity izany.
Notanterahina omaly, tany Nevers France, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nisongadina indray ny ekipa malagasy tamin’izany. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 13 no ho 3 ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher. Nandrafitra ny ekipa malagasy i Yves sy i Tianakely ary i Balôty. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tokana ny Malagasy, tamin’ity. Tsy naharitra ny lalao fa “mène” 7 fotsiny dia tapitra. Efa nitarika 12 no ho 0 ny Malagasy vao nitoko 1 ny ekipan’i Rocher. Avy eo niakatra 12 no ho 3 saingy teo no naneho ny fahaiza-miaraka izy telo mirahalahy, ka nahay nampifameno ny taktika sy ny teknika teny ambony kianja. Anisan’ny niavaka tamin’ity dingana fahadimy ity i Balôty izay nahay nameno tamin’ny fakana isa sy ny teo amin’ny tifitra. Tsiahivina fa efa nahazo ny dingana fahatelo, natao tany Cluses, ny 25 jolay lasa teo, izy telo mirahalahy. Nidona taminy teo amin’ny famaranana ny ekipan’i Bonetto.
Tompondaka
Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball.
Hotontosaina ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, taranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fikarakarakana ny delegasionina malagasy, eo amin’ny ity taranja hiaro ny voninahi-pirenena ity. Nahazo tsodrano sy vatsin-dalana ny mpilalao 12 sy ny mpanazatra 4, tarihin’ny filohan’ny federasionina malagasin’ny volley-ball, Raharimalala Léa, omaly. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny tapakila ho azy ireo ary Noraisin’ny MJS an-tanana ny saran’ny fandraisana anjaran’ ny ekipa. Nohamafisin’ny minisitra tamin’izany ny fanomezan-danja ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy hisy mihitsy, hoy izy, ny federasionina na taranja ara-panatanjahantena hohadinoina. Tetsy ankilany, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny federasionina. Nanome toky ny mpilalao fa hanome ny tsara indrindra ary hanandratra avo ny sainam-pirenena.
Mi.Raz
Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany aza anefa, hifandimby ireo mpikamban’ny governemanta ho fitohizan’ny raharaham-panjakana sy ny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Voafaritra ao anatin’izany koa ny fandaharam-potoana ifandimbiasana. Mijanona eto an-toerana kosa ny minisitra miadidy ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ireo fotoana ireo ho fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka.
Synèse R.
Pas besoin d’explication ni de justification, cette décision de dissoudre le cabinet du ministère des Transports et de la météorologie, tombe sous le sens. Cela ne pouvait pas en être autrement. C’est tout à fait logique d’abroger l’arrêté portant nomination des membres du cabinet, après le limogeage du ministre, figurant sur la liste des personnes auditionnées dans l’affaire des Boeing 777. A vrai dire, il n’y a pas de quoi s’interroger ni de surprendre. Le contraire aurait été étonnant et risquerait de faire couler beaucoup d’encre, surtout en ce moment où l’enquête sur ce dossier brûlant bat son plein.
En un mot, cet acte dicté par les circonstances, témoigne aussi de la volonté de l’Etat, de faire la lumière sur cette affaire délicate, qualifiée de scandaleuse qui a laissé totalement l’Exécutif, pris de court. Et comme son nom l’indique, le ministère des Transports a une grande part de responsabilité à ce titre. Il se pourrait même que d’autres anciens membres du cabinet, pourraient être convoqués et entendus dans le cadre de l’enquête approfondie. Quand le fusible saute, tous les composants doivent-être remplacés, ce qui est tout à fait normal, pour la suite.
L’honneur et l’image du pays sont en jeu. D’ailleurs, certains veulent faire porter le chapeau aux autorités, en l’occurrence au président de la République et sa famille, sur la base d’une affirmation gratuite sans fondement. Alors que depuis le début de cette affaire, l’Etat malgache a déjà montré qu’il n’est ni ne juge ni partie, en faisant appel au FBI qui a toute la latitude pour mener ses investigations. A ce sujet, selon les informations fournies, une dizaine de personnes font actuellement l’objet d’une enquête, à part deux autres individus déjà mis sous les verrous.
La question qui se pose maintenant est : des têtes vont-elles aussi tomber au sein de l’Aviation civile de Madagascar ? Suite logique.
Andry Rabeson