«Rugby Women’s Africa»  : Lavon’i Ouganda i Madagasikara

Les Nouvelles - il y a 15 heures 51 min

Notontosaina tao amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Resy tamin’izany ny Makis Ladies, rehefa lavon’i Ouganda, tamin’ny isa 24 no ho 20, i Ouganda. Tsia­hivina fa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, somary sahirana ny ekipa nasionaly malagasy, nitarika 12 no ho 10 i Ouganda. Ny Makis anefa no nanatitra ny baolina nentin-tanana voalohany, tamin’ny alalan’i Zouhanah, ny minitra fahadimy nilalaovana. Nan­dritra ny fidirana faharoa, hita ho taitra tamin’ny torimasony ny vehivavy malagasy. Naha­tsindry baolina iray ny Makis, sady nahita fitsarana iray ka izy ireo indray no nitarika 20 no ho 12. Taorian’io, nanjaka amin’izay ny ogandey, ka niampy indray ny isan’izy ireo teny amin’ny solaitrabe, niafara tamin’ny isa 24 no ho 20 ny fihaonana.
« Hita ho mbola lesoka ha­trany ny resaka fanariana baolina sy ny fikorapahana be loatra rehefa manao fifana­fihana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ireo mpilalao ma­naraka ny namana mitondra baolina. Hezahina harenina avokoa izany amin’ny lalao manaraka”, hoy ny mpanazatra ny Makis Ladies, ny Coach Ralay.
Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo moa ny ekipam-pirenena malagasy, ny alahady ho avy izao, eny Andohatape­naka ihany.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - il y a 15 heures 51 min

Notanterahina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Olympic Day”. Nisy ny hetsika nanamarihina izany, nialohavan’ny seminera natokana ho an’ny atleta nandritra ny 2 andro ka nizarana ny medaly ho an’ny mpandray anjara.

Hotanterahina ny 14 jona izao ny hetsika “Girl’s Open Mat”, taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Miso­katra ho an’ny vehivavy amin’ny sokajy rehetra misehatra amin’ity taranja ity izany, izay karakarain’ny Klio­ban’ny Checkmat Jiu-jitsu Madagascar.

Voatendry ho mpilalao mendrika ao amin’ny fifaninanana Seychelles Premier League, i Elio Mbo­latovo, malagasy lohalaharan’ny klioba any an-toerana, Côte d’Or. Tsiahivina fa nahatafiditra baolina miisa 10 ny tenany nandritra ny lalao rehetra nataony, araka ny fikarohana natao omaly.

Namoaka ny lisitry ny mpilalao hiatrika ny fifaninanana maneran-tany ho an’ireo klioba ny eki­pan’ny Real Madrid, espaniola, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Mbola tazana ao ny anaran’i Modric, mpilalao kroaty izay efa mamarana ny taom-pilalaovany ao amin’ity klioba espaniola ity.

Catégories: National

Raharimalala Léa: 50 taona nilalaovana volley

Les Nouvelles - il y a 15 heures 51 min

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny “Match de Gala”, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ivon’ny ny fankalazana ny jobily faha-50 taona nilomanosan-dRaharimalala Léa tao anatin’ny taranja volley-ball. Nahafinaritra ny fiarahana nilalao tamin’ireo mpilalao fahiny, araka ny nambarany. Tratra ny tanjona tamin’ity fankalazana ity. Ny hampihaona ireo rehetra niaraka lehibe taminy teo amin’ity taranja ity. “Miha mivoatra ny volley, nisy ny fanatsarana ary mitady ny tanjona ambony kokoa”, hoy ny nambaran-dRaharimalala Léa, filohan’ny Federasionina malagasin’ny volley. Lesoka, hoy izy, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa
sy ny fitaovana ara-panatanjahantena izay hanaovany antso avo amin’ny tomponandraikitra. Tsiahivina, nosokafana teny Ambohimanga ny fankalazana, tamin’ny fiandohan’ny taona, ary hofaranan amin’ny volana oktobra. Ny katitakely indray no hahazo vahana amin’io famaranana io.

Mi.Raz

Catégories: National

“Cosafa Cup” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar

Les Nouvelles - il y a 15 heures 51 min

Barea de Madagascar hifandona amin’i Angola. Afrika Atsimo hifampitana amin’i Comores. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Cosafa Cup 2025”. Fihaonana hotantera­hina rahampitso, ao amin’ny Kianja Toyota stadium, Afrika Atsimo.

Manohy ny diany any amin’ny dingana ma­nasa-dalana ny Barea de Madagascar (A’), eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Ny fandresen’i Tan­zanie an’i Eswatini no nahazoan’ny Malagasy ny tapakila. Omaly, tao amin’ny Kianja Toyota Stadium Afrika Atsimo, lavon’i Tanzanie tamin’ny isa 2 no ho 1 i Eswatini, ho an’ny sokajy “C”. Vokatra, mametraka ny Barea de Madagascar eo amin’ny lohany.
Raha tsiahivina, manana isa 4 ny Barea, rehefa nandresy an’i Tanzanie tamin’ny isa 1 no ho 0 ny zoma 6 jona, sy nisaraka ady sahala 1 sy 1 tamin’i Eswatini, ny alatsinainy 9 jona teo. Faharoa, ry zareo Tanzanianina manana isa 3, resy indray mandeha ary nandresy indray mandeha. Faha­telo farany i Eswatini, isa 1 monja.
Araka izany, hiatrika ny an­katoky ny famaranana izany ny Barea de Madagascar rahampitso zoma ka hifanandrina amin’i Angola, tafavoaka tao amin’ny sokajy “B”. Fihao­nana hotanterahina ao amin’ ny Kianja Toyota Stadium.
Raha hiverenana ny fihaonana teo amin’i Eswatini sy i Tanzanie, omaly, nanokatra ny isa voalohany i Eswatini, tamin’ny alalan’i Andy Junior Magagula, teo amin’ny minitra faha-29. Nosahalain-dry zareo Tanzanianina izany, rehefa namono baolina tany amin’ny minitra faha-37 i Iddy Nado. Io isa 1 sy 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa, nifandimbiasana ny fanafihana. Nanampy ny baolina ho azy indray i Shekhani Ibrahim Khamis, teo amin’ny minitra faha-70. Teo dia efa nazava ny lalan’ny Barea de Madagascar. Ho an’ny manasa-dalana ilany, hifandona amin’i Comores ry zareo Afri­kanina Tatsimo mpampian­trano.

Tompondaka

Catégories: National

“Festival de trails Madagascar” : Eny Ambohijanaka ny andiany voalohany

Les Nouvelles - il y a 15 heures 52 min

Hatao ny sabotsy 21 jona izao, eny Ambohija­naka, ny andiany voalohany amin’ny “Festival de Trails Madagascar”, karakarain’ny fikambanana Kolo­vatana. Natao ity hetsika ity mba hampivondronana sy hanentanana ny tanora sy ho fampiroboroboana ny fizahantany. Manana tombony ny tanànan’Ambohijanaka, 11 km miala an’Antananarivo, ho an’ny karazana hazakazaka an-tendrombohitra. “Tanjona ny hampiroborobo ny fandraisan’ny tanora anjara amin’ny fanatanjahantena, manabe sy mampiseho ny fahaiza-mia­trika ady sy ny fahaiza-mana­tsara tena”, hoy ny filoha mpanorina ny Kolovatana, Andri­a­mamonjy Mihasintsoa. Hison­gadina ny hazakazaka: 3 km ho an’ny ankizy, 7 km ho an’ ny olon-dehibe, na mandeha tokana na tsiroaroa, lahy sy vavy, na amin’ny ekipa, ary 21 km ho an’ny matihanina. Eo amin’ny bisikileta kosa, 5 km ho an’ny ankizy, 21 km cross-country ho an’ny matihanina sy ireo mampiasa “VTT électrique”. Misy koa ny “endure-extrême” ho an’ireo mpanao “descente”. Misokatra hatramin’ny 15 jona ny fisoratana anarana.

Henintsoa

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - il y a 16 heures 19 min

Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Am­batomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikaso­han’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao
amin’ilay trano misy rihana.
Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsi­kafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsina­nana. Notsatotsatohan’io lehilahy io antsy teo amin’ny tratrany ilay vehivavy 22 taona, ny sabotsy 7 jona lasa teo.

Catégories: National

Trafikana voamaso : Fito lahy voasambotry ny polisy

Les Nouvelles - il y a 16 heures 19 min

Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokon­tany Besavoa, afakomaly maraina, ny lehilahy fito, voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fanaovana trafikana voamaso. Naharay angom-baovao tamin’olona tsara sitrapo ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna Ihosy tamin’ ny 6 ora maraina fa misy an­dian’olona mandehandeha sy mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy, hitady mpividy voamaso. Nidina ifotony nanao vela-pandrika sy fanadihadiana izy ireo taorian’izay. Vokany, tratra tao amin’ny fokontany Besavoa ny fito lahy niara-dia. Rehefa natao ny fisavana, nahatrarana voamaso roa efa maina teny amin’ izy ireo. Nentina teny anivon’ ny biraon’ny polisy avy hatrany ireo voarohirohy nanaovana fanadihadiana. Fantatra nandritra ny famotorana fa ma­sona dahalo nalevin’olona tao Andonaka, kaominina ambanivohitrsa Ambaniroa, disitri­kan’Ambalavao, io nalaina sy nitadiavana mpividy io. No­kasain’ireto olon-dratsy ireto hamidy tany Ihosy izany ka izao tra-tehaky ny polisy izao.

Valo ny tranga fakana taova

« Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny olona manana toetena varira amin’izao fo­toana izao », hoy ny filohan’ny fikambanana, Soja Fulgence. Valo ny tranga fakàna taova natao tamin’ny olona manana toetena varira teto Madagasi­kara, roa ny maty tamin’ity taona ity, raha ny tatitra voaray. Nahatratra 24 ny tranga, 22 ny namoy ny ainy tamin’ny taon-dasa. 21 ny tranga ta­min’ny taona 2023, 22 ny maty. Anisan’ny lasibatra amin’ ny karazana herisetra ny avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy ary Vatovavy Fitovinany. Mari­hina fa lany teo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, ny tolo-dalàna hiarovana ireo manana toetena varira, araka ny lalàna laharana 005-2024/PL, natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas.

Mino

Catégories: National

Saika hanondrana volamena: Teratany indianina naiditra am-ponja

Les Nouvelles - il y a 16 heures 20 min

Natolotra ny fampanoavana, eny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ilay teratany indianina saika hanondrana antsokosoko vovo-bolamena ho any Dubaï, ny 5 jona lasa teo. Nai­ditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany taorian’ny valim-pitsarana. Nilanja 422,72 g ny ny harem-pirenena sarobidy teny aminy, saron’ny polisy misahana ny sisintany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nafangaro tamin’ny tanimanga ireo vovo-bolamena ireo ary natao miendrika lovia miloko mainty miisa 15. Norakofana tamin’ny loko mainty hampiraikitra sy hanakonana izany.
Nahatsikaritra zavatra mampiahiahy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fisa­vana ka nanamarina ny entana nentin’ity tera­tany indianina ity. No­giazana eny anivon’ny Banky foiben’i Mada­gasikara ireo entana tratra ireo, araka ny lalàna manan-kery.
Manamafy ny fiaraha-miasa hatrany ireo tomponandrai­kitra isan-tsokajiny. mba hahafahahan mifehy ny fandikan-dalàna eto Mada­gasi­kara, indrindra ny ma­hakasika ny harena an-kibon’ny tany.

Mino

Catégories: National

Avy nifoka zava-mahadomelina: Naiditra eny Tsiafahy ilay namono zaza 4 taona

Les Nouvelles - il y a 16 heures 21 min

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ilay lehilahy nanolana sady namono zaza­vavy tao Miarinarivo. Fidorohana rongony no nanosika azy hanolana.

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ny lehi­lahy nanolana sady na­mono zazavavy vao 4 taona monja tao amin’ny kaominina Antoby Atsinanana, distrikan’i Miarinarivo. “Niaiky ny heloka vitany izy. Nanao ny fanola­nana noho ny fidorohana zava-mahadomelina io lehi­lahy io”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny Von­dron-tobim-paritra Miarinarivo. Tsy nahafehy ny fihetsiny sy ny filan-dratsiny intsony ilay lehilahy ka nanita-kevitra na­nolana. Araka ny angom-baovao, nilalao niaraka tamin’ny ankizy namany teo an-toko­tany, tao amin’ny fokontany Maromanana, ilay zazavavy, ny tolakandron’ny alahadin’ny Pantekoty teo. Norebireben’ny tovolahy iray mponina eo an-tanàna ireo zaza mianadahy. Nentiny nihazo ny saha izy ireo. Nanaovan’io tsy mataho-tody io ny filan-dratsiny ilay zazavavy. Nikoropaka ny renin’ ny zaza nikaroka ny sombiniainy. Nentin’ilay zazalahy niaraka nilalao tamin’ny zanany tany amin’ny toerana nisy ilay zazavavy io renim-pianakaviana io. Efa nivoa-dra, ni­hanjaka tanteraka ilay niha­ran’ny fanolanana. Nahitan’ny manam-pahefana mangana koa ny tendany. Nokendaina izy. Natao ny fitiliana ny vatana mangatsiaka. Voamarina fa niharan’ny fanolanana ary novonoina io zazavavy vao efa-taona io.
Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny ray aman-drenin’ilay zazavavy sy ny mpitandro filaminana. Nano­nona ny anaran’ny nanao ny fanolanana ilay zazalahy niara-nilalao tamin’ity zaza­vavy lasibatra ity. Nifampita­diavana io lehilahy voalaza io izay tsy vaovao amin’ny fianakaviana. Voasambotra tao amin’ny fokontany Soanierana ny nahavanon-doza. Nikasa hidaroka sy hanao fitsaram-bahoaka ny fokonolona. Voa­sakan’ny zandary anefa izany. Nentina atao famotorana izy ary izao niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja izao.

Tsiferana R.

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 11 06 2025 )

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:52

Catégories: National

Kaominina Maromitety : Misendra olana mahakasika ny fambolena

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:51

Anisan’ny faritra ma­mo­katra lavanila ny kaominina Ma­romi­tety. Misedra olana manoloana ny karazam-pambolena isan-karazany fa­naon’ny mponina anefa ny fokonolona ao amin’ny fokon­tany maromaro mandrafitra io kominina io, anatin’ny disitrikan’i Vavateni­na, faritra Analanjirofo.

Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany ani­san’ny mamokatra lavanila ao anatin’ny disitrikan’i Vavate­nina, ireo fokontany nandalovana. Anisan’izany ny tao Mo­rafeno, Antsirakoraka, Ambo­dimangan’i Sahavaviana, Ambatovaky, Antsirabe, Amo­sotrakondro ary ny tao Antsa­ra­honenana. Saingy amin’ izao fotoana, manahy mafy izy ireo ny mety ho fatiantoka haterak’izany vokatra tokony hampidi-bola nefa lasa mika­tso izany. Hatreto, mbola tsy namoaka izay tokony ho vi­din’ny lavanila ny fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny tetiandron’ny fiotaza­na.”Efa mihoatra ny fe-potoana tokony hiotazana azy izao ny lavanila, efa matoy be eo am-pitoerana, hany ka efa mitarika any amin’ny fahasimbana, lo am-pitoerana, tsy azo atao ny misangotra azy, tsy eken’ny lalana fa mahavoasazy”, hoy ny mpamboly iray, Razandry Adolphe. «Noana ambonin’ny vokatra tokony hivadika vola izahay tantsaha. Koa mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hamoaka ny daty hiotazana ny vokatra lavanila sy ny tokony ho vidiny», hoy hatrany ireo nitafa fohy tamin’ny mpanao ga­zety. Ankilany, ahina ny mety hisian’ny mosary amin’ireo fokontany voalaza etsy ambony ireo, raha ny fanazavan’ny tantsaha hatrany.

Ny jirofo sy ny fambolem-bary
Tsy namoa ny jirofo izay tokony hosangorina manomboka amin’ny volana oktobra. Efa masaka koa ny vary saingy vokatry ny ranonorana be loatra dia betsaka ny vary miankohoka anaty rano ka simba ny voany. «Io vary miakatra io daholo anefa no ha­naovana ny filàna andavanandro raha ho an’ny aty amin’ny faritra misy anay. Havarotra ny vary hividianana izay ho atao laoka, hividianana lamba fetin’ankizy. Eo koa ny fanafody raha misy marary, ny hiatrehina ny fidiran’ny mpianatra ho avy ary ny hanofana tranona mpianatra any an-dReni­vohitr’i Vavatenina », hoy ny tantsaha tafaresaka taminay
Ho tonga ny volana oktobra, tokony hisian’ny jirofo, tsy hisy izay sangorina akory satria tsy namoa ity farany. Eo no teraka ny hanoanana. Lavanila tsy nivadika vola. Any amin’ny fanaovana toaka gasy sy lohamenaka ravin-jirofo sisa no hitavandrana. Ny tena nanaitra ta­min’ireo fokontany sy ireo nanaovana fidinana ifotony dia ny tsy mbola nisitrahan’izy ireo fanampiana. Na tosika fameno, jiro mora, hazavana ho anao, na vary mora, sy izay rehetra nitetezan’ny Filoham-pirenena faritra, ho fanampiana maimaimpoana ho an’ny vahoaka. Ny maha tany lavitrandriana azy tokoa ve no sakana amin’izany? Dia an-tongotra hatramin’ny adim-pamataranandro roa, telo, hatramin’ny dimy man­tsy vao tonga amin’ireo fokontany ireo, miala eo amin’ny lalam-pirenena faha-22 A. Lalan-tany feno fotaka mandrevo, indrindra hakatok’izao oran-dava any an-toerana izao. Ankilany, efa tandindomin’ny hanoanana ny fokonolona. Tapaka efa ho herintaona ny rano fisotro madio amin’ ireo fokontany voalaza etsy ambony ka lasa miverina man­tsaka rano eny an-dre­nirano, izay maloto, ny mponina, toy ny reniranon’ i Iazafo sy Sahavaviana.

Manao antso amin’ny fitondram-panjakana

Manao antso amin’ny fitondrana foibe ireo fokonolona any an-toerana mba hijerena akaiky ny vidim-bokatra, rano fisotro madio ary indrindra ny mba hisitrahana fanampiana avy amin’ny filoha Rajoelina Andry.
Karazan-javamaniry fihinana amin’ny vanim-potoana misy mosary ny hoe “VIA”. Amin’ny vanim-potoana tsara, sakafom-biby, ny omby sy lambo, no hiotazana azy andrahoina miaraka amin’ny ampombo. Nandritra ny fidinana ifotony, efa nahitana olona nitondra ity karazan-javamaniry iray ity ary raha nanontanina dia nambarany fa ho ataony sakafo. « Tsy manana tanimbary firy aho , ny vary tsy voavidy intsony, lafo 3 500 Ariary hatramin’ny 4 000 Ariary ny kilao. Ny siramamy atao amin’ny kafe 7 000 Ariary ny kilao. Ny legioma tsy sahy mividy mihitsy izahay satria 7 000 ka hatramin’ny 10 000 Ariary ny kilao, efa tsy fihinanay aty ambanivohitra ireny. Ny vokatra lavanila no heverinay hamafa an’ izao fijalianay izao kanefa mbola tsy mivoaka ny tetiandro ka ho lasa fatiantoka ny fambolena azy », hoy hatrany izy.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:49

Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny olona.

Miisa 7 ny kaominina voakasiky ny tetikasa Lalanay, irahana amin’ny ONG Lalana. Voakasik’izany ny faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony. Entina hanatsarana sy hanamafisana ny fikojakojana maharitra ny lalana kaominaly izy ity. Manara-maso amin’ny fenitra ny minisiteran’ny Asa vaventy.

Tofoka noho ny fahatapahan-jiro lavareny ny fiarahamonina. Mitokona sy mandoro kodiarana ny sasantsasany amin’ny fokontany eto an-dRenivohitra. Hatreto, tsy mbola nitondra vahaolana manoloana ny zava-misy ny orinasa Jirama. Nilaza ity farany fa miiba ny renirano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, mitarika ny delestazy amin’izao fotoana.

Voaresaka nandritra ny dinik’asa momba ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara ny fandrosoan’
ireo tetikasa vatsian’ny Bad vola. Hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa samihafa ahafaha-manatanteraka ireo tetikasa mba hahazoana vokatra ho an’ny tombontsoan’ny mponina. Tanjona ny hampiasa amin’ny fomba mahomby ny renivola ananantsika hanohanana ny fampandrosoana.

Catégories: National

Asa tanana malagasy: Nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana tany ivelany

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:49

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy».
Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa ta­nana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho an’ny firenena, sady fanoitra iorenan’ny fampandrosoana maharitra. Maneho tantara, dia ny tantaran’ny faritra niaviany, ny fomban-drazana sy ny fahaizan’ireo manao azy…».
Nasongadin’ny minisitra Dewa Viviane, fa nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana taozavatra malagasy nankany ivelany, ny taona 2024, raha toa ka 17 tapitrisa euros izany ny taona 2019. Ma­nodidina ny 18,10% eo ho eo ny salanisan’ny fitomboana isan-taona.

Fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka
Miisa 400 ny karatra matihanina nozaraina ho an’ny mpanao asa tanana. Nisy koa ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Atlantique Group (ATTA), ho fampindramam-bola ny mpanao asa tanana amin’ny zanabola ambany. Ny fanisana ny mpanao taozavatra sy fanohanana fiantohana iarahana amin’ny orinasa IBG. Teo koa ny fiaraha-miasa amin’ ny orinasa Lenka ho fampiofanana ao amin’ny Akany moa­na sy marenina (Akama).
Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’i Talel Shamim, toniziana manam-pahaizana amin’ny asa tanana. Nizara ny ho avin’ny asa tanana malagasy kosa i Kajaly Audace, tale jeneralin’ny Asa tanana ao amin’ny MTA.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:49

Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, ny fiarovana ny zavamananaina ary ny andraikitra raisina hiarovana ny tontolo iainana izany.
Nohamafisin’ny Airtel ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) azy, hametrahana fampandrosoana maharitra. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Cathérine Tchokonte, fa «tsy miova ny fahavononany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mifandraika amin’ny fisafidianana ny fitaovana teknolojia ampiasaina sy ny fiasa isan’andro izany. Mba hisian’ny tontolo maharitra, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpiara-miasa sy ny tanora malagasy, hananana fitondran-tena sy toe-tsaina manaja ny tontolo iainana. Hotohizana hatrany izany lalan-tsaina izany amin’ireo asa stratejika rehetra ataon’ny orinasa».

Njaka A.

Catégories: National

Fête du cinéma : des projections et des ateliers à l’AFT

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:33

Du 29 juin au 1er juillet, se déroulera la «Fête du cinéma» à l’Alliance française d’Antananarivo (AFT) et ce, en collaboration avec les associations T-Movie et l’ACCM (Association des critiques cinématographi­ques de Madagascar. Au programme, des projections de films ainsi que des ateliers.
Six films seront à l’affiche durant cet événement an­nuel, à savoir : «A la recherche du légume star» de Louisette Ratsivahiny, «Whi­te Builsing» de Kavich Neang, «Garibou» de Sey­dou Cisse, «Disco Africa» de Luck Razanajaona, «Laka­na» de Lova Nantenaina et «Dhalinyaro» de Lula Ali Ismail. L’objectif est de présenter des films de divers styles, lesquels seront projetés durant la matinée.
Concernant les ateliers, ils se tiendront tous dans l’après-midi. Pour l’association T-Movie, elle dévoilera les coulisses du cinéma dont, entre autres, le cycle de production d’un film, les métiers clés dans la production d’un film et enfin une initiation à l’actorat. Quant à l’ACCM, elle se focalisera uniquement sur la critique cinématographique, un point important dans le monde du cinéma.

Holy Danielle

Catégories: National

Spectacle multidisciplinaire :« Sa.Crée » à Antananarivo

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:32

Après une étape à Salazie (La Réunion) en mai, «Sa.Crée», pièce pluridisciplinaire portée par Vony Ranala et Marion Huet, entamera en août la seconde partie de son périple, cette fois dans la capitale malgache.
«Chaque représentation est unique, nourrie par des ateliers menés avec des femmes autour du thème du sacré féminin, organisés sur les territoires d’accueil du spectacle. De ces ateliers naissent des éléments qui sont ensuite intégrés à la performance. Ainsi, chaque participante devient actrice du spectacle à sa manière», confie Vony Ranala, porteuse du projet Nouvelles Scènes Madagas­car (NSMlabo).
En août, Madagascar accueillera «Sa.Crée» avec une série d’ateliers et de représentations prévues à la Cité des Cultures d’Antani­narenina et à La Teinturerie à Ampasanimalo. En attendant cette nouvelle étape, Vony Ranala, tout juste rentrée au pays, a offert un avant-goût de ce projet ambitieux, samedi dernier à la Cité des Cultures d’Anta­ninarenina.

Joachin Michaël

Catégories: National

« Educ’tour » : un parcours immersif au cœur du patrimoine documentaire malgache

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:32

«Faire découvrir l’importance des archives dans la construction de la mémoire collective, la préservation
de l’identité culturelle et la garantie des droits par les générations futures», c’est l’essence même du circuit éducatif «Educ’tour» inauguré hier à Antananarivo dans le cadre de la Journée internationale des archives.
L’Educ’tour, un parcours à la fois ludique et instructif, a vu la participation des
étudiants au sein de la mention Histoire de l’université d’An­­tananarivo (parcours Information, Documenta­tion, Archivistique et Mu­séo­logie), des élèves issus du Lycée Ambohijanaka, membres du Réseau des écoles associées de l’Unesco (résEAU) et de la presse. «Si un patrimoine documentaire venait à disparaître, c’est toute l’histoire de l’humanité qui s’efface avec. D’où la création du Comité national malgache Mémoire du mon­de en septembre 2021, dont la mission fondatrice est d’assurer l’identification, la préservation et la promotion de cet héritage du passé», souligne Manda Ravelojao­na, secrétaire général de la Comnat-Unesco.
L’itinéraire comprend la visite des Archives royales à Tsaralalàna, inscrites sur le Registre international Mé­moire du monde depuis 2009, de la Bibliothèque nationale de Madagascar (BNM) pour y découvrir les fonds manuscrits riche de 10.000 ouvrages, ainsi que les archives iconographiques et l’inestimable trésor constitué de milliers de photographies anciennes de Madagascar dont certaines sur des plaques de verres, des fonds sonores, des cartes géographiques ainsi que des films documentaires. L’Educ’tour a également fait halte aux archives de l’église FJKM à Faravohitra dont le fonds documentaire, amassé depuis l’arrivée des premiers missionnaires en 1823, est estimé à une dizaine de tonnes. Il en est également à Isoraka, aux archives de la mission norvégienne, établie à Madagascar depuis 1872. Enfin, il y a le jeune Musée de la Photographie d’Andohalo mais qui compte déjà plus de 100.000 photographies couvrant plus d’un siècle d’histoire.
«Nous nous mettons un point d’honneur à inventorier, restaurer, numériser et diffuser nos fonds à l’ère de tout numérique. Jusqu’ici, 69.000 photos ont été numérisées sur les 500.000 conservées à la BNM», confie Holy Raveloarison, chef de département pour la conservation, la promotion et la diffusion des documents iconographiques au sein de la BNM.
Pour Ryan Ralainirina, étudiant en 2e année en histoire, le fonds d’archives constitue «des outils incontournables qui nous accompagnent au quotidien dans nos études et notre travail de recherche, pour mieux connaître le passé, comprendre le présent et construire l’avenir».

Joachin Michaël

Catégories: National

Malagasy Design Gaze : des pièces d’exception exposées au Flow Gallery Ivandry

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:31

Depuis le 7 juin et jusqu’au 21 juin se déroule au Flow Gallery à Ivandry, le tout premier Design Fair dénommé « Malagasy Design Gaze ». Sept talentueux artistes participent à cet événement en y présentant des pièces d’exception.

Les artistes malgaches ont du talent. Cepen­dant, la curatrice de Malagasy Design Gaze, Ihoby Rabarijohn, a choisi minutieusement les participants à travers des critères basés sur le travail et la finesse de leurs œuvres. Entre autres, la maitrise de la technique, les matières utilisées… Chaque participant a sa spécificité et propose une exposition de qualité supérieure. Pour dire que Ma­lagasy Design Gaze possède l’esprit de cabinet de curiosité qui présente des pièces rares, fascinantes et surtout belles. Il en est ainsi des sept designers de différents styles qui exposent jusqu’au 21 juin au Flow Galle­ry à Ivandry. Pour cette première édition, le thème est le «Design vivant», où chaque artiste présente à sa manière ses créativités en relation avec la nature.

Les artistes participants
Habitant au Cambodge depuis deux décennies, le styliste et spécialiste en haute texture, Eric Raisina figure parmi les sept participants, en présentant sept pièces dans lesquelles il évoque les paysages qui lui rappellent Madagascar.
Pour Ando Ramanan­tsoa, spécialiste en céramique, elle dévoile cinq pièces, où elle réinterprète à sa manière la nature morte.
Saïda Augustine, jeune artiste visuelle, démontre que l’on peut ajouter de la broderie sur les feuilles mortes.
Pour sa part, Chloé Soa­faniry travaille toujours sur le tressage traditionnel, tandis que Iandry Randriaman­droso propose une série de design graphique où il met en avant la paix et l’amour à travers des signes de main.
Georges Floret et les ateliers d’Analakely quant à eux, présentent leur travail exceptionnel de paravent réalisé avec du mica, des luminaires en quartz.
De son côté, Fanja R. dévoile ses talents en design minéraux, en joaillerie et recyclage.
Enfin, Kiady Ratovoson propose six pièces, dont trois bancs et trois tabourets en varongy et sisal.
Par ailleurs, un programme hors les murs se tient aussi à la Fondation H à Analakely, où des extraits des œuvres de quelques participants à cet événement y sont exposés.

Holy Danielle

Catégories: National

Pentecôte 2025: neuf morts et 268 consultations au CHU-JRA

Les Nouvelles - mer, 06/11/2025 - 07:30

Le Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU-JRA) Ampefiloha a délivré le bilan officiel des festivités de Pentecôte, hier.

Dans les deux services d’accueil des urgences, notamment au niveau du service des urgences chirurgicales et le service de réanimation médicale, l’hôpital de référence de la ville a enregistré au total 268 consultations et neuf décès durant les deux jours de fête de Pentecôte.
Au niveau du service des urgences chirurgicales, 245 personnes y ont été prises
en charge durant les deux jours, soit 123 personnes dimanche, et 122 autres le lundi de Pentecôte.
Les accidents à responsabilité civile se trouvent cette année en haut du classement, avec 74 consultations dont 13 hospitalisations. Ensuite viennent les accidents de la circulation qui ont envoyé 58 personnes à l’hôpital, parmi lesquelles, huit ont dû être hospitalisées à cause de la gravité de leur cas. Puis viennent après les accidents domestiques, accidents sur la voie publique et autres…
Au niveau du service de réanimation médicale, les médecins de permanence ont eu à intervenir sur 23 patients au cours des deux jours. Dimanche, sur un homme en coma éthylique et deux hommes et une femme ayant tenté de se suicider, un enfant victime d’une intoxication alimentaire, une femme victime d’un accident vasculaire cérébral (AVC)…

Cas compliqués…
Sur les neuf décès enregistrés, deux ont été notés au service des urgences chirurgicales. Il s’agit d’une personne victime d’une rupture d’anévrisme. Une autre personne est décédée des suites d’un AVC hémorragique. «Les urgentistes se sont confrontés à des patients dont les cas étaient compliqués. Ce qui a conduit à leur mort malgré les interventions médicales», indique-t-on.
Trois décès ont été par contre enregistrés au niveau du Service de réanimation médicale, dont deux femmes décédées le dimanche de Pentecôte, et un homme le lundi de Pentecôte. Les quatre autres décès sont des cadavres qui ont été déposés à l’hôpital durant les deux jours dont deux victimes d’accident de la route acheminées au service des urgences médicales et deux autres au service de réanimation médicale.

ATs.

Catégories: National

Faha-10 taonan’ny UPPM: Nomena ny mari-boninahitra ny mpaka sary

Les Nouvelles - mar, 06/10/2025 - 07:56

Nifarana ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Union des photographes professionnels de Madagascar, na ny UPPM. Notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu, Tana Water Front ny lanonana nanamarihana izany, izay nanomezana ny mari-boninahitry ny kanto ireo mpaka sary matihanina.
Samy naneho ny maha mendrika izao fanomezana mari-boninahitra izao ireo nandaha-teny, na ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay nanolotra, na ny mpikambana ao amin’ny UPPM izay notolorana. 4 no nomena ny « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », ka anisany i Fidisoa Ramanahadray, anisan’ireo mpaka sary zokiny. 5 kosa no nahazo ny « Officier » ary 9 tamin’ny laharam-boninahitra « Chevalier ». Ankoa­tra ireo, nankasitrahana ihany koa ireo mpikambana taloha, izay nitondra ny anjara birikiny tao amin’ny fikambanana.
Zava-dehibe ho an’ny UPPM ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpikambana, izay midika fa manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny asan’izy ireo. Midika ihany koa fa asa miroborobo ny sary pika, ka miavaka tsara ny matihanina sy mpankafy sary fotsiny. Mana­porofo ihany koa fa velona sy miaina ny fikambanana, ary anisan’ireo mihetsika indrindra amin’ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Po­rofon’izany ireo hetsika marobe efa tontosa. Mbola maro koa anefa ny miandry, ary efa natsidiky ny UPPM sahady ohatra ny « Regards croisés de l’Océan Indien » sy ny « Marathon photo » manaraka.

Zo ny Aina

Catégories: National

Pages