Basikety – “Fiba 3×3 Women’s Series” : Nandresy an’i Mongolie ary resin’i Australie ny Ankoay

Les Nouvelles - il y a 6 heures 43 min

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny An­koay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Samba­trarimiora, i Sydonie, i Saro­bidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny lalao voalohany, isa 15 no ho 12 no nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Mongolie. Ady mafy no natrehan’ny Malagasy tamin’ity lalao voalohany ity. Teo amin’ny lalao faharoa kosa, somary nitaky ny havizanana, ka resin’i Australie tamin’ny isa 18 no ho 11 i Madagasikara. Zava-dehibe ny fiatrehana lalao iraisam-pirenena goavana toy izao ho an’ny Ankoay satria nahafahana naka traikefa tamin’ireo ekipa kalaza maneran-tany. Tsiahivina, laharana faha-14 i Madagasikara amin’ireo ekipa 16 nandray anjara tanin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natao tany Shanghai Chine ity.

Mi.Raz

Catégories: National

PFL – Disciples Fc : Any amin’ny manasa-dalana ny tongotra ilany

Les Nouvelles - il y a 6 heures 43 min

Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa  4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga.

Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ry zareo mpilalaon’i Vakinankaratra. Nanokatra ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, i Tendry, lohalaharan’ny Dis­ciples Fc, ny minitra faha-7 sy ny faha-13 minitra. Io isa 2 no ho 0 io nentin’ny roa tonta niala sasatra, nitarika ny Disciples Fc, na dia niezaka nanohitra aza ry Lando sy Derrick, mpilalaon’ny Fosa. Tao anatin’ny fidirana faharoa, nitohy hatrany ny fanafihana totoafo nataon’ny mpilalao nentin-dRazafindrakoto Ma­misoa, mpanazatra Disciples Fc. Ny minitra faha-54, niova ho 3 no ho 0, ny isa teny amin’ny solaitrabe rehefa namono baolina indray i Tendry.  Tany amin’ny faha-92 minitra, nampian’i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples indray ny isa, ka lasa 4 no ho 0, ny fiafaran’ny fihaonana, nandresy ny Dis­ciples Fc. Ankoatra izay, nizotra tsara am-pilaminana ny fihaonana tany an-toerana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny sabotsy 23 mey ho avy izao, any Antsirabe ny fifandonana miverina eo amin’ity klioba samy sangany eto Madagasikara ity.

Fitia Randria

Ireo vokatra hafa : As Ste Anne (1) – (2) Ajesaia Fc Rouge (1) – (0) Elgeco Plus CFFA (2) – (2) Cosfa

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - il y a 6 heures 45 min

Niampy oniversite efatra no mandray ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity : Vakinankaratra, Itasy, Analanjirofo ary Sava miaraka amin’ireo oniversite lehibe enina. Efa mikarakara manontolo ny bakalorea izy ireo manomboka izao. Teto Antananarivo hatrany no mikarakara ny taratasy rehetra momba ny bakalorea ho an’ny faritra Vakinankaratra teo aloha. Manana mpiadina 3386 ny sokajy A1 eto Antananarivo, 32 772 ho an’ny sokajy A2, misy mpiadina 5324 ny L, 886 ny C, 7571 ny sokajy D, 4666 ny sokajy S, 2842 ny OSE ary 4538 ny sampana teknika.

Niara-nidinika nanomana ny fanadinana bakalorea 2026 sy ny fikarakarana ny fihiboana amin’ny fanomanana laza adina, teny Fiadanana, ireo mpisehatra rehetra misahana izany, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arakasa, minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Arakajy Mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra , minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny solontena avy amin’ny zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena, BNGRC, ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny oniversite. Nodinihina ny fandrindrana ho fanafainganana ny asa any anaty “conclave”. Nofaritana mazava ny andraikitry ny tsirairay.

Catégories: National

Hisitrahan’ny tokantrano toeram-pivoahana : Vokarina eto Madagasikara ny Sato Pan

Les Nouvelles - il y a 6 heures 45 min

Nampahafantarina ny herinandro lasa teo, ny fanamboarana fitaovana ampiasaina amin’ny toeram-pivoahana Sato Pan vita eto Mada­gasikara. Iarahana amin’ny sehatra tsy miankina Sato ratsan’ny orinasa japoney LIXIL sy ny orinasa SMTP an’ny vondrona Inviso izany. Fitao­vana vita amin’ny akora plastika. Azon’ny tokantrano ampiasaina ary efa amidy eto Antananarivo, Antsirabe, Am­bo­sitra ny fitaovana. Miara-miasa manohana ity tetikasa ity ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana sy ny Unicef ary ny masoivohon’i Japon eto amintsika.
Hanampy amin’ny fisitrahan’ny tokantrano fidiovana ny famokarana ny fitaovana eto an-toerana. Araka ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana 2025, ny 93% ny tokantrano tsy manana toeram-pivoahana fototra ary mangery ankalamjana ny 40%. Vahaolana ny famokarana ny Sato Pan satria natao amin’ny vidiny zakan’ny tokantrano malagasy ity fitaovana ity ary tombanana fa hahomby, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes.
Efa nampiasaina any Taolagnaro ny fitaovana ho an’ny toeram-pivoahana Sato Pan eny anivon’ny tokantrano 3 000 izay naneho ny fahafaham-pony. Namorona asa rahateo ho an’ny mponina any an-toerana ny fikojakojana ny fitaovana iarahana amin’ny sehatra tsy miankina.

Vonjy

Catégories: National

Fitsaboana any ivelany: Mahasarika ny Malagasy ny fanovam-batana

Les Nouvelles - il y a 6 heures 45 min

Mahatratra 73 isan-taona ny olona manatona ny hopital « Royal Green » atsy amin’ny nosy Maorisy. Manana manampahaizana manokana amin’ny fandidina samihafa ity hopitaly ity. Anisan’ireo tolotra omeny sy mahasarika ny Malagasy ny fandidiana sy ny fanatsarana ny bika aman’endrika. Sokajiana ao anatin’izay ny fampitoboana ny nono, ny tsindrona « botox », fanalana tavy amin’ny vatana (liposuccion), ary koa ny fandidiana « maxillo-faciale ». « Manomboka liana amin’ny fanovam-batana ny Malagasy. « Ny fampitomboana na ny fampihenana ny nono, ny fampitomboana valahana ary ny fanalana tavy amin’ny vatana no tena mahasarika azy ireo », hoy ny lehiben’ny hopitaly Royal Green, Ramchurreetoo Dhanrajsingh. Tanjona hoy izy ny hanome fitsaboana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy mamaly ny filàn’ny tsirairay. Ankoatra izay, mandray an-tanana ny fandidina taolana sy ny tonon-taolana toy ny fanoloana soroka, valahana, lohalika ary koa ny fandidiana ny hazondamosina ihany koa ny hopitaly. Marihina fa eo anelanelan’ny 10-12 ireo marary mandalo fitsaboana hanatsarana endrika. Manodidina ny 10 kosa ireo mandalo fandidiana taolana raha olona 5 na 6 kosa ny ho an’ireo fandidiana hanatsarana endrika manokana.

Heninsoa

Catégories: National

Sitraka Alban – ferriste

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 17:33

Catégories: National

Iray eny an-kianja  : Maimaimpoana ny an’ireo any amin’ny faritra

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 08:33

Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Kianja Barea, omaly, ireo mpikarakara ny hetsika “Iray eny an-kianja”. Lalao ara-panatanjahantena  hifanandrinan’ny haino vaky jery. Namba­ran’ireo tomponandraikitra fa tsy miova ny daty hanatontosana ny fihaonana fa ny sabotsy 6 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Mampiavaka ity andiany ity, natao maimaimpoana ny fandraisana anjaran’ireo avy any amin’ny faritra. Mba hisian’ny fahavitrihana sy ho fitsinjovana azy ireo, noho ny halavirana mamonjy eto Anta­nanarivo. Ankoatra izay, nahena ho 100 000 Ar ny saran’ny fandraisana anjara ho an’ireo taranja baolina lalaovina olona 7 sy ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy. 20 000 Ar isan’olona kosa ny eo amin’ny lalao tsipy kanetibe, olon-droa sy olon-telo miaraka. Amin’ny maha lalao natokana ho an’ireo mpiasa ao anatin’ny haino aman-jery, ho hentitra ny mpikarakara amin’ny fanaraha-maso ireo mampiasa “mercenaires”.
Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity andiany fahadimy ity ny fampiarahana ny fanatanjahantena amin’ny kolontsaina. Hisy ny antsoina hoe: “Open Mic” sy ny “karaoke”. Samy hahazoana loka sy amboara avokoa ireo rehetra ireo. Mpanohana ofisialy ity hetsika ity ny Yas Madagascar. Efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ity “Iray eny an-kianja” ity.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 08:33

Hotanterahina anio, ny fampivondronana ireo vehivavy mpilalao baolina kitra miisa 37 mirahavavy, hiatrika ny fifantenana ny ho Barea Ladies. Hifandona amin’i Soudan du Sud, ny 6 sy 9 jona ho avy izao, any Soudan, ihany. Marihina fa tsy mbola nampahafantarina ny anaran’ireo mpilalao sy izay ho mpanazatra. Midona amin’i Afrika Atsimo ny Barea, raha tafavoaka amin’io lalao io.

Nahazo tohana tamin’ny filohan’ny delegasiona manokana an’ny Tanànan’Antananarivo sy ny lehiben’ ny faritra ny Makis ladies. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Kenya izy ireo, ny 21 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao. Firenena efatra no hiady izay ho lohany dia i Afrika Atsimo, Kenya, Madagasikara ary i Ouganda.

Tanterahina any Sina, ny 16 sy 17 mey, ny “Fiba 3X3 Women’s Series Shanghai”, andiany faharoa, taranja basikety. Tafakatra hifaninana amin’izany ny Ankoay izay efa nanainga an-tanindrazana omaly. I Sambatrarimiora, Koloina, Sarobidy ary i Sydie no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

Malagasy mpilalao 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja échecs, sokajy tanora, tanterahina any Ounganda, nanomboka ny 14 mey teo hatramin’ny 23 mey izao. Anisan’izany i Tsinjoviavo mirahavavy.

Catégories: National

Fibatana fonjamby-Afrika : Medaly 14 noraofin’ny Malagasy

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 08:33

Niraradraraka ny medaly ho an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Egypte. Medaly 14 be izao no azon’ny Malagasy, raha toa ka atleta 6 monja no nisolo tena an’i Madagasikara. Volamena ny 6 tamin’ireo medaly azon’ny Malagasy ireo ka Andriatsitohaina Tojo, teo amin’ny sokajy 79 kg sy i Elariont Ricardo, teo amin’ny sokajy 60 kg no nandrombaka izany (arraché, épaulé jeté ary total Olympique). Nahazo medaly volafotsy 3 kosa i Havotraniaina, teo amin’ny sokajy 60 kg ihany. Teo amin’ny sokajy vehivavy, niambozona medaly volafotsy 1 sy alimo 2 i Tendry Tsiky, medaly alimo 2 azon’i Shainah ary laharana fahefatra i Fabia. Ankoatra izay, notoloran’ny federasionina iraisam-pirenena medaly volamena, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, noho ny fampivoarana sy fampandrosoana ny taranja eto Madagasikara.

Mi.Raz

Catégories: National

Baolina kitra – PFL : Hafana ny fihaonan’ny Fosa Juniors sy ny Disciples FC

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 08:33

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL). Tsontsorimamba isarahana ny an’ireo ekipa 8 manohy ny fifaninanana, amin’ity.

Hotanterahina anio sy rahampitso alahady ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny handray izany fihaonana izany, rahampitso alahady ny Kianja Rabemananjara Boeny. Ham­piantrano ny Disciples FC Vakinankaratra ny Fosa Ju­niors FC Boeny. Laharana fahefatra ao amin’ny kaonferansy Avaratra ny Fosa Juniors, izay hiezaka ny hanohitra ny Disciples FC, laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy Atsimo. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nidona tany Antsirabe ny roa tonta, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nanomanana ity taom-pilalaovana ity. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, izy ireo, tamin’izany. Tsy manana mpilalao kalaza ny ekipa avy ao Boeny, fa saika ireo taninketsa novolavolainy avokoa no tazana miaro ny voninahitr’ity klioba ao Mahajanga ity. Mpilalao efa voky traikefa sy efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea Chan kosa ny ankabeazan’ireo ao amin’ny Disciples. Ani­san’izany i Dahery, kapitenin’izy ireo sady efa nilalao tao amin’ny Fosa Juniors teo aloha, eo koa i Fely, efa nandalo tao amin’ny klioba Boeny ihany koa, ankoatra izay, misy an’i Rado Be, sy Andy, i Bono, Claude, Tendry sy Rado kely, ao amin’ity klioba avy any Vakinankaratra ity. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ny 23 mey ny fihaonana miverina amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, hatao any Antsirabe.

Fitia Randria

Catégories: National

Andro iraisam-pirenen’ny Paramedy : Tolotra maimaimpoana maro tao Toamasina

Les Nouvelles - sam, 05/16/2026 - 08:32

Any Ambovombe Androy no ivon’ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpitsabo mpanampy ( Infirmier- Infirmiere) eto amin’ny Nosy, raha manatrika an’izany any ivelany kosa ny filoha nasionaly . Tsy diso anjara amin’izany fankalazana makotrokotroka izany ny eto Toamasina ary niavaka tamin’ny fomba fankalazana rehetra teo aloha. Vao maraina, nisy ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Lachapelle Aumo­nierie des Hopitals nialoha ny fotoana. Asa masina sy sarotra ny asan’ny mpitsabo mpanampy ka nangataham-pitahiana tamin’ilay Nahary. Mazava rahateo ny lohahevitry ny fankalazana hoe : “Ny asan’ny mpitsabo mpanampy dia miasa mamonjy ain’ olona”. Taorian’izay, nisy ny diabe namakivaky ny boulevard Ratsimilaho hatrany amin’­ny toerana malalaka “Parvis” Lapan’ny Tanàna, izay nanaovana ny lahateny isan-karazany no nametrahana tranoheva nanatontosana ny tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany maimaimpoana. Amin’ny ankapobeny, nahaliana ny sarambabem-ba­hoaka izany ka tsy vitsy ireo nirohotra nanao fizaham-pahasalamana. Teo ny fijerena ny tahan’ny siramamy ao anaty vatana. Nisy koa ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Impox, ity farany izay nambaran’ny dokotera, Mangazay Michelle, fa efa miakatra ho 20 ny olona arahi-maso amin’izany valanaretina izany eto Toamasina ka hampirisihina ny rehetra hiaro tena sy hiaro ny ankohonany.

Sajo

Catégories: National

Kolosaina sy tarazo: Lasa olon’ny finoana ny Malagasy ?

Les Nouvelles - ven, 05/15/2026 - 08:44

Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Ilay na ireo maha izy azy, anefa, efa voazarazara ka zary manasongadina ny tsy azy. Miteraka fifandirana, fisarantsarahana, ady tsy mety tapitra…

Iray amin’ireo mampiavaka ny Malagasy ny maha olon’ny fahalalana azy. An-tapitrisa taona no niainany ny tranga iray. Nisintonany fahalalana izany, avy eo. Tsy mba nanana toerana na fitaovana, sns, hoenti-manao fanandramana ny Malagasy fa ny an­davanandrom-piainana mihitsy no nametraka ny fahalalana tao aminy.
Rehefa niditra ireo karazam-pivavahana isan-karazany. Nitrebona avy any amin-java-tsy fantany sy tsy ananany fahalalana, ny atao hoe «finoana». Nanomboka teo, lasa olon’ny finoana ny Ma­lagasy? Eny, satria, izy indray no nahay lavitra noho ny tena tompony. Izy indray no saro-piaro fatratra amin’ny finoan’ny hafa, sns.
Naka ny toeran’ny kolosaina sy tarazo io tsemboka alohan’ny mievoka io. Mivolon-ko tompony amin-javatra tsy hay… Nanana fahasahiana nametaveta, nanaratsy, nanosi-potaka, nanivaiva, nanao tsinontsinona ny an’ny tena. Niha potika sy rava tsikelikely ireo fahalalana nananan’ny Malagasy.
… Ilay Zanahary an-tampon’ ny loha, lasa nisidina any amin’ ny toeran-tsy fantatra. Ny fanorona, ny raokandro, ny rano ankararana, ny vakana, sns, nohalavirina tahaka ny fasam-bao fa ireo nentin’ny vahiny, hono, no izy. Ireny indray no nambara fa «masina». Ireo va­hiny sy ny forongo nentiny aza, anefa, tsy mahalala akory ny hevitra sy dikan’ny «hasina».
… Mila fanitsiana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Miainga any amin’ny ankohonana, mipaka hatrany amin’ny firenena iray manontolo.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - ven, 05/15/2026 - 08:44

Nidina nijery ireo harembakoka any Itasy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Théo Rakotovao, sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay voakasik’izany. Momba ny fitantanana mahomby ireo harembakoka mahasarika mpizahatany toy ny geysers sy ny riandrano Lily no anton-dian’ny delegasionina, nifanatona tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga, any an-toerana. Niara-nidinika tamin’ireo mpisehatra rehetra ihany koa, nijery paikady iombonana izy ireo.

Mitohy ny fampirantiana ireo tahiry mahakasika ny «13 mey 1972», ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Tahirin-tsary ao amin’ny Tranombokim-pirenena ireo, izay mirakitra ny tantaram-pirenena tsy azo kosehina. Hanentanana ireo tanora tsy niaina ny vanim-potoan’ny krizy 72, indrindra ireo mpianatra liana amin’ny tantaran’i Mada­gasikara, ny fitsidihana ny fampirantiana.

Hisy ny velakevitra iompanana
amin’ny «Trano fonenana Tanôsy» , hoentin-dRandrianasolo François, antropôlôgy, anio amin’ny 2 ora sy sasany, any amin’ny Mozea Fort-Flacourt, Taolagnaro. Anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea izany, ka hamakafakana ireo karazany, heviny ary kolontsaina fonosin’ny toeram-ponenana any amin’ny Tanôsy.

« Kanto Miampita 2 », hatao anio amin’ny 8 ora, eny amin’ny CCI Ivato, ity fiarahana hafakely, hamerenana an-tsehatra ireo hiran’ny Les Surfs ity. Mpanakanto manan-talenta toa an’i Nanie, Mahery, Inah ary i Mbola Talenta no hamelona izany. Miampy ireo hira malagasy sasantsasany nanamarika ny taona 60, 70 Ary 80 io ha­tao io.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - ven, 05/15/2026 - 08:43

Mamolavola antontan-kevitra entin’ny Centre des opérations d’urgence de santé Publique (Cousp) miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) mandritra ny hadimiana. Tafiditra amin’ny tetikasa fiomanana amin’ny fiatrehana ny valanaretina sy ny fanatsarana ny tolotra eny amin’ ny tobim-pahasalamana fototra ny asa. Fitaovana iray ampiasain’i Madagasikara izay mifanaraka amin’ny fitakian’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fahasalamana hanatsarana ny fandrindrana ny asa mandritra ny hamehana ara-pahasalamana ny fametrahana ny Cousp.

Ny faran’ny heriandro teo no nanaovana ny fitsofan-drano ireo mpianatra vaovao ao amin’ny Ecole de tourisme eo anivon’ny Oniversiten’i Mahajanga, izay notanterahin’ireo mpitantana ny sekoly sy ny oniversite. Nitsidika ny filohan’ny Oniversite tao amin’ny birao fiasany ireo mpianatra ary nanolotra mari-pahatsiarovana ho azy. Nisy ny diabe nataon’ireo mpianatra tao amin’ ny Campus Ambondrona, ny tapany hariva.

Manao fanadihadiana momba ny fivezevezena sy ny filaminana ao amin’ny oniversite ny mpitantana ny oniversiten’Andrainjato, Fianarantsoa. Misy ny rohy ahazoan’ny mpianatra mamaly ny fanontaniana. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny rehetra hanatsarana ny fivezevezena sy ny filaminana ao amin’ny oniversite, hoy ny fanazavana. Afaka mandray anjara ihany koa ny mpiasa sy ny mpampianatra.

Catégories: National

Ady amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo : Natao ny fanombanana ny rafitra nasionaly

Les Nouvelles - ven, 05/15/2026 - 08:43

Nanatanteraka atrikasa fa­nombanana ny rafitra fanaraha-maso nasionaly fiarovana sy fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo ny ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo tamin’ity herinandro ity, tany Ampefy.
Andry iankinan’ny fahasalamam-bahoaka sy singa iray miantoka ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo.
Eto Madagasikara, loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny aretina avy amin’ny sakafo, indrindra fa ny fahapoizinana ara-tsakafo sy vokatry ny fihinanana biby an-dranomasina
Na dia eo aza ny fisian’ny rafitra fanaraha-maso amin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fahasalamana, fambolena, jono, tontolo iainana, varotra… Tsapa fa mbola tsy misy ny fenitra iraisana amin’ny tondro ny rafitra ankehitriny, ary olana ny fifampizarana vaovao.
Anisan’ny antony nanaovana ny atrikasa fanaraha-maso ny fiarovana sy fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo izany. Natao ho fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fomba fiasa “Fahasa­lamana Iray” (One Health) ihany koa.
Dingana lehibe ity hetsika ity amin’ny fanatsarana ny fiarovana ny vahoaka amin’ireo loza ateraky ny sakafo voaloto sy amin’ny fanamafisana maharitra ny rafitra fanaraha-maso ara-pahasalamana nasionaly.

Tatiana A

Catégories: National

Ady amin’ny herisetra : Hofanina ireo mpisehatra

Les Nouvelles - ven, 05/15/2026 - 08:43

Mitohy hatramin’ny rahampitso ny fanofanana ireo mandray an-tanana ny olona iharan’ny herisetra, ao anatin’ny tetikasa “Eager”. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Fid no manatanteraka izany fiofanana izany.
Mbola anisany fanamby lehibe eto Madagasikara ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Manohintohina ny fiarovana sy ny fahaleovantenan’ny olona marefo izany.
Tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra ao an-tokantrano, na amin’ny vady na amin’ny zanaka na eo amin’ny samy fianakaviana. Ny herisetra mihatra amin’ireo mpanampy an-trano. Toraka izany koa ny herisetra any an-tsekoly, na ara-tsaina na ara-batana.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo rafitra sy fikambanana eny ifotony, hampirindra ny fomba fiasa sy hanatsara ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra, hiantohana ny fiarovana sy ny fandraisana an-tanana mahomby kokoa ho an’ireo niharan’ny herisetra.

Tatiana A

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 13 05 2026 )

Les Nouvelles - mer, 05/13/2026 - 07:44

Catégories: National

Humanity First sy ny Ahmadiyya: Manolotra fitsaboana maimaimpoana

Les Nouvelles - mer, 05/13/2026 - 07:43

Marobe ireo olona tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna amin’izao fotoana izao, noho ny fahasahiranana. Mano­loana izany, mandalo eto Antananarivo, manome fitsaboana maimaimpoana mandritra ny telo andro, ireo dokotera miisa enina avy amin’ny ONG Humanity First avy any Alemana, tarihin’ny dokotera Wjahat Waraich. Fiaraha-miasa amin’ny miziolomanina Ahmadiyya no ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fitsaboana eny amin’ny foiben-toeran’ny Ahmadiyya Andava­mam­ba. Dokotera manam-pahaizana momba ny fo, ny taolana, ny aretina mahazo ny vehivavy ary ny aretina amin’ny ankapobeny izy ireo. « Olona maro no hotsaboina sy omena fanafody amin’ny fandalovanay eto amin’ny foiben-toeran’ny miziolomanina Ahmadiyya. Maimaimpoana ny fitsaboana satria hisitraka fitsaboana avokoa ny olona rehetra na sahirana aza izy ireo. Ireo olona sahirana ireo indrindra no tena entaninay ho avy amin’izao fandalovanay izao », hoy ny fanazavan’ny dokotera Wjahat Waraich. Efa nisy ny fitsaboana maimaimpoana tany amin’ny faritra, toa an’i Fianarantsoa, Melaky ary Toliara, fa anjaran’ny eto Anta­nanarivo indray amin’ity manaraka ity ka haharitra telo andro izany. Nohamafisin’ny mpitarika ny miziolomanina Ahmadiyya, ny misionera Ahmed Mujeeb, fa fanampiana ny olona rehetra tsy ankanavaka izao fitsaboana ataon’izy ireo izao. Tsy misy fanavahana na ara-pivavahana na ara-pinoana na ara-bolon-koditra na ara-pirazanana na ara-piaviana. « Fitiavana ho an’ny rehetra ary tsy misy fankahalana na iza na iza », hoy izy. Marihina fa izany rahateo koa ny tarigetra efa napetraky ny Ahmadiyya rehefa manao asa sosialy toy izao.

Jean Claude

Catégories: National

Rejisitra sosialy tokana: Ho an’ny fiahiana ara-drariny sy mampiaty

Les Nouvelles - mer, 05/13/2026 - 07:43

Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Fomba fiasa matihanina sy maharitra no tanjon’ny Fanavaozana.
Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika intsony ny vina fa miatrika ny fototry ny fahantrana mba hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hampitomboana ny fahafahan’ny vahoaka miatrika ny sedra eo amin’ny fiainana.
Zava-dehibe amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fisian’ny rejisitra sosialy tokana (RSU). Tokantrano maherin’ny 2,6 tapitrisa, ankehitriny, no voarakitra anatin’ny RSU manerana ny Nosy.
Fitaovana sy paikady enti-mandrindra sy manatsara ireo fandaharanasam-panjakana, indrindra ireo tetikasa fiahiana ara-tsosialy ho amin’ny fampivoarana ny maha olona, ny RSU. Manampy sy manamora ihany koa ny famantarana ireo tokantrano tena marefo mba hiantohana ny fahazoan’izy ireo misitraka ara-drariny sy mitovy lenta ireo fandaharanasa sosialy.
Tanterahina manerana ny distrika 99 ny fisoratana anarana faobe hatramin’ny volana desambra 2026 mba hahatrarana ny tanjona 100% amin’ny fampidirana ny tokantrano rehetra.

Tatiana A

Catégories: National

Oniversiten’i Barikadimy, Toamasina :Tonga ny fanitso miisa 2 772 ho an’ny tranon’ny mpianatra

Les Nouvelles - mer, 05/13/2026 - 07:43

Telo volana taorian’ny fandravan’ny rivodoza Gezani vao tonga eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ny fanitso miisa 2 772 isa hanafoana ny tranon’ny mpianatra “Conaco” miisa 22.

Misy kojakoja feno hampiasaina miaraka amin’ny fanitso: faîtière galva miisa 440, cornier galva miisa 4 400 sy loko izay mitotaly 487 405 600 Ar. Niainga tamin’ny fihaonan’ny vondrona mpianatra tao Barikadimy tamin’ny filoha lefitry ny Ante­nimierampirenena misahana ny faritany Toamasina, Razara Pierre, no nahitana ny fanampiana tamin’ny alalan’ny tetikasa Farimbona. Ny BNGRC kosa no niantoka ny fahatongavany tao amin’ny campus Barikadimy. Avy amin’ny fangatahan’ny mpianatra izay nihaona mivantana tamin’ny VPan faritany Toamasina no nahazoana ny fitaovana fanarenana satria zava-dehibe ny fifampiresahana, araka ny nambarany. Ho an’ireo tranon’ny mpianatra miisa 22, ny mpianatra ihany no hametraka ny tafo satria tsy maintsy mandroso ny asa fanarenana.
Amin’ny ankapobeny, na­hatratra hatramin’ny 95% ny fahasimban’ny fotodrafitrasan’ny oniversiten’i Toamasina, ahitana birao, efitrano fianarana, tranon’ny mpianatra, raha ny nambaran’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nohamafisiny fa nisy fiaraha- miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro na­narenana izany, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina, nandray an-tanana ka trano fianarana 10 no efa vita tafo. Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ihany koa nisahana trano 10, tamin’ny alalan’ny ONG Soa. Ny orinasa Orange nikarakara ny trano famakiam-boky sady nametraka box famahanana finday sy Wifi maimaimpoana ho an’ny mpianatra ary nambarany fa ampiana rihana iray ity trano famakiam-boky ity.
Ny trano rihana telo kosa dia ny Fonds commun de l’éducation (FCE) no hisahana ny fanamboarana azy. Mito­taly 78 ny fotodrafitrasan’ny oniversiten’i Toamasina niharan’ny fahasimbana ka ny 30 amin’ireo no mbola tsy nisy fanarenana. Nilaza hanohana ny banky foibe fa saingy tsy hita taratra hatreto

Sajo

Catégories: National

Pages