Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao faharao izany. Lanonam-panjakana notarihan-dRazakaboana Hanitra Fitiavana, minisitry ny Asa, asam-panjakana ary ny fampiofanana arakasa. Notronin’ireo solontenam-panjakana maro teto an-toerana ary nohamafisin’ireo orinasa lehibe izay mpanohana ny tetikasa ho fampiofanana sy handrindra ny fampananana asa ho an’ny tanora. Amin’ny ankapobeny, natao ity ivontoerana ity mba hanangonana ny filan’ny mpitady asa, arakaraka ny fahaiza-manao sy ny traikefany. Tohanan’ny Spat, CHGV, SMMC ary ny tetikasa Ambatovy ity ivontoerana ity, mba hialana amin’ny fanafarana olona ivelan’ i Toamasina.
Nankasitrahin’ny minisitra ny ezaka nataon’ireo sehatra tsy miankina efatra lehibe tamin’ny tolo-tanana nataon’izy ireo. Anisan’ny miantoka zato isan-jato ny fanorenana ny trano, fampitaovana enti-miasa ho an’ny mpitantana ny birao ary ny wifi azon’ny rehetra ampiasaina izany. «Fanambin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, rahateo ny hamahany ny olan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara», hoy ihany izy.
Fitaovana iray hanampy ny zatovolahy sy vavy hitady asa izy ity ary manampy ihany koa ny orinasa hitady mpiasa. Ho an’ny tetikasa Volobe izay nisolo tena ireo orinasa efatra mpiara-miombon’antoka, hanao ezaka hifandray amin’ ity ivontoerana Mefra (Maison de l’emploi et de la formation de la région Atsinanana, izy io. Mba hampifandray tsara ny filan’ny orinasa amin’ny olona hitady asa. “Hanampy, araka izay, azo atao hampiofanana ireo tanora lahy sy vavy mba hananany fahaiza-manao sy hifehezany ny fitantanana ny asa efa sahaniny sy hataony”, hoy kosa Rémy Huber, tale jeneralin’ny CGHV.
Hatomboka eny anivon’ny sekoly ny fampiofanana
Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, hatomboka eny anivon’ny sekoly ny fampiofanana ireo katitakely. Jerena sy fantarina ny asa mety ho tiany rehefa lehibe. Apetraka ihany koa ny sampana iray hisahana izany amin’ireny sekoly ireny, hanao ny fitsirihana. Ankilany, hanaovana fitsirihana manokana ihany koa ireny ankizy tsy ampy taona mirenireny tsy mianatra ireny. Homena fampiofanana izay sahaza azy mba hanana fomba entina hitady vola raha ohatra ka tsy afaka hianatra intsony. Tanjona ny hanafoanana ny firenirenena izay hitarika amin’ny halatra sy asan-jiolahy rehefa lehibe. Hampiofanina ihany koa ireo mpitondra posy sy bajaj amin’ny fomba fanajana mpandeha, fahadiovana, ary ny lalàn’ny fifamoivoizana.
Maro ny asa tsy manara-drafitra
Anisan’ny mbola olana eto Toamasina ny fahambonian’ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatry ny jono, hatramin’ny fivarotana ny vokatr’izay entina mandehandeha mamakivaky tanàna, ny karazana asa tanana, ny mpanenona vy, mpibata entana. Manampy izany ireo mpanera, mpanao trano toy mpandrafitra, ny asa ho an’ny olona tra-pahasembanana betsaka amin’izy ireo rahateo mbola tsy an’asa ihany koa. Raha ho an’ i Toamasina manokana, manodidina ny 60 isan-jaton’ny asa dia saika asa tsy manara-drafitra avokoa. Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa miakatra ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. Raha tsorina dia azo lazaina ho tsara ny tahan’ny fananana asa teto Madagasikara, ny dimy taona lasa. Vokany, hita soritra ny ankabetsahan’ny fotodrafitrasa aorian’ny fitondrana amin’ izao fotoana izao , raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikasan’ny Filoham-pirenena manerana ny Nosy. Etsy ankilany, ireo fiforonan’ny orinasa tsy miankina toy ny fanitarana ny seranan-tsambon’ i Toamasina sy i Mahajanga, ny tetikasa Volo be faharoa, ny fanamboaran-dalana, toy ny lalana manodidina ny 30 kilometatra an-drenivohitr’i Toamasina, asa avokoa izany rehetra izany.
Nanatontosa : Sajo
Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nimenomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany.
Tonga eto amintsika ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI. Nanomboka omaly 4 hatramin’ny 10 septambra ny faharetan’ny fotoana ijanonany eto Madagasikara. Fitsidihana mahazatra, ao anatin’ilay antsoina hoe « Fact Finding », hijerena ifotony ny fanatanterahana ireo fepetra ao anatin’ny fifanarahana eo amin’ny FMI sy Madagasikara ity ataony ity.
Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny tany afrikanina momba ny toetr’andro i Madagasikara. Hatao any Addis Abeba Etiopia, ny 8 hatramin’ny 10 septambra ho avy izao izany. Lohahevitra
ny hoe, «hafainganina ny vahaolana mahakasika ny toetr’andro maneran-tany sy ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro».
Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohijatovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha.
Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana ny andro, mora ny atody, manatody tsara ny akoho amin’izao vanim-potoana izao. Somary sarotra kosa ny famokarana rehefa ririnina. “Mora mihitsy ny atody aloha amin’ity volana ity, rehefa tojo andro mangatsiaka indray ianao, mihalafo izany, na izahay aza sahirana mihitsy. Tamin’ireny andro ririna ireny izao, efa nahatratra hatrany amin’ny 850 Ariary ny hividianan’ny olona azy, ary alaina 830 Ar”, hoy ny mpivarotra iray teny an-toerana.
Milaza ireo mpisehatra amin’ny fivarotana mofo, fa mba nilamina kely ny resaka fanjifana atody ho azy ireo, ary afaka nanafatra atody maro. “Ho anay mpanao mofomamy aloha, azo lazaina ho mahita tombony kely ihany amin’izao fidinan’ny vidin’ny atody izao. Ny teo aloha teo, somary sarotra, satria, tena tsy afaka naka atody maro, noho ny fahalafosan’izany, nefa ny vidin’ ny mofomamy tsy azo ovaina, noho ny fahazaran’ireo mpanjifa”, hoy ny nambaran’ny mpanao mofomamy iray teny Ambodifilao.
Mety mbola hiova ny vidin’ity vokatra ity, saingy tsy mbola fantatra na hiakatra izany na hidina.
Fitia Randria
Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny fotoana iray, ny rohim-pihariana miainga any amin’ny famokarana, ny fanodinam-bokatra, ny fitsinjarana ary miafara any amin’ny mpanjifa, hanina.
Hita eny an-toerana daholo ny mpisehatra rehetra amin’ny lafiny famokarana. Notsindrin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rahajarison François Serge, fa ny “FIA” sy ny “FIGA” 2025 dia natao ho fototry ny fanovana, fanalahidin’ny famokarana harena sy hanasongadinana ny tetikasa. Natao ho fanavaozana ny vokatra sy ny fikarohana.
Lohahevitra amin’ity taona 2025 ity ny hoe, « Fambolena manan-danja sy maharitra ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy ». Maneho ny zava-misy izany, sady mifanaraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena, dia ny fanovana ny rafi-pamokarana, lohahevitra noraisiny mandritra ny fitantanany ny Sadc rahateo.
Njaka A.
Teknika fambolem-bary samy manan-danja ny voly vary maroanaka (SRI) sy ny fampiasana vary safiotra. Mifameno ireo, ary samy mihoatra ny 8t/ha ny vokatra azo.
Noraisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny alarobia 3 septambra teo, ireo fikambanan’ny mpisehatra amin’ny voly vary maroanaka. Nifantoka tamin’ny fampiarahana ny teknika voly vary safiotra sy voly vary maroanaka (SRI) ny dinika. Tanjona ny hikarohana vahaolana maharitra, hampiakarana ny tahan’ny vokatra entina hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, indrindra ny vary.
Samy manan-danja sy mifameno ireo teknikam-pambolena roa ireo. Raha ny antontanisa, nahazoana vokatra mihoatra ny 8 taonina isaky ny hekitara tamin’ny faritra enina eto amintsika ny fampiasana ny voly vary maroanaka. Teraka teto Madagasikara, ny taona 1983, ny teknika fambolem-bary nohatsaraina (SRI), na voly vary maroanaka. Efa miparitaka any amin’ny firenena afrikanina 25 sy firenena 60 maneran-tany.
Fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa kosa ny fampiasana ny teknikam-pambolena ny vary safiotra. Anisan’ny toerana famokarana ny masomboly ny eny Mahitsy. Efa maro ny kaominina, na distrika, hanapariahana azy, miampy ny kojakojam-pamokarana, toy ny zezika biolojika sy zezi-bazaha. Ahazoana vokatra 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ihany koa ny fampiasana ny vary safiotra.
Fifaninanana mamokatra
Mampitovy ireo teknikam-pambolena roa ireo ny fampiasana ketsa tanora ary haingana koa ny fanirin’ny vary, satria telo volana dia miakatra ny vokatra.
Nomarihin’ny SESA, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny maha zava-dehibe ny fametrahana fifaninanana ara-pamokarana ho an’ny tantsaha, ho fomba hanentanana sy hampitomboana ny voka-bary sy ny fahavononany. «Tsy nofinofy ny fahaleovantena ara-bary, fa azo tratrarina sy tanterahina tsara», hoy ihany izy.
Njaka
Andriantefiarinesy
Anisan’ny fanamby napetraky ny Federasionin’ny karate-do malagasy ny hivelaran’ ny Malagasy atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hahazoana vokatra tsara. Porofon’izany ny vokatra azon’ny Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria farany teo. 11 mianadahy no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany avokoa ny 8 amin’izy ireo. Ankehitriny, nahazo ny fankatoavana ofisialy avy amin’ny iraisam-pirenena i Madagasikara fa handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ny taona 2026. Nandritra ny fivoriana nataon’ny birao mpanatanteraka eo anivon’ny Ufak (Union des fédérations africaines de karate), ny 29 aogositra lasa teo, no nandinihina ny antontan-taratasin’i Madagasikara mahakasika ny fangatahana amin’ny handraisana ity fifaninanana ity, araka ny voarakitra ao amin’ny taratasy fankatoavana. Ny 1 septambra lasa teo kosa no nahazo izany taratasy fankatoavana izany ny filohan’ny federasionina, Ratefinanahary Emile. Nanamafy ihany koa ny Ufak fa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifaninanana izy ireo.
Tsiahivina, ny 7 hatramin’ny 13 septambra 2026, eto Antananarivo, ny daty sy toerana voatondro hanatanterahina ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Ny sokajy Cadets, Junior ary Senior, eo amin’ny kata sy kumite, no hifaninana mandritra ny herinandro. Ho avy eto an-toerana ny filohan’ny WKF sy ny Ufak. “Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara izao fandraisana fifaninanana goavana izao”, hoy ny filohan’ny FKM.
Mi.Raz
Hotontosaina manomboka anio, any amin’ny Nosy Maorisy, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Nanamarika ireo mpikatroka fa nianto-tena tanteraka izy ireo amin’ ity fifaninanana ity, saingy kosa ny voninahi-pirenena no arovana. Omaly no nanainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasionina miisa 7.
Araka ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera amin’izao fotoana izao, lasa mpilalaon’ny Anse Réunion FC any Seychelles, i Fely, lohalaharan’ ny Fosa Juniors FC. Hatramin’izao, tsy mbola misy fanambarana ofisialy navoakan’ny Fosa Jr mahakasika izany fifindran-toerana izany. Anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny Barea Chan tamin’ity taona ity i Fely.
Tsy nanaiky ny hifindra any amin’ny klioba St Michel United Seychelles tamin’ny ora farany i Tsilavina na i Drogba, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Samy tsy nisy nahalala ny antony nandavan’ity mpilalao ity izany ny maro, indrindra ny Malagasy mpankafy baolina kitra.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Marcel Cerdan, ao Levallois France, ny dingana fahenina farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Masters 2025», taranja tsipy kanetibe. Hatreto, ekipa telo no efa fantatra fa tafita amin’ny Final four na ho inona vokatra amin’ity dingana atao ity. Anisan’ireny i Madagasikara, efa manana isa 35, mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny. Arahin’i Riviera, nahazo isa 34. Ary koa ny ekipan’i Bonetto, manana isa 31.
Efa tongotra ila ny an’i Italie no any amin’ny Final four, nahazo isa 26. Mbola ao anaty hazakazaka amin’izany kosa ny ekipa Wild Card, manana isa 23. Hiankina amin’ny lalao anio anefa no hahafantarana izay ekipa fahefatra farany amin’ ity fiadiana ny “Masters 2025” ity. Araka izany, hangotraka ny fihaonana eo amin’i Italie sy Wild Card, izay elanelana isa
3 monja no mampisaraka azy roa tonta. Ho sarotra kosa ny lalan’ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Racle), isa 19 sy ny an’i Dylan Rocher izay tena manify ny herijika hiakarana amin’io fingana famaranana io, satria tsy manana afa-tsy isa 16 izy ireo. Raha ny fantatra, hiova endrika indray ny ekipa malagasy amin’ity dingana fahenina ity ka hajanona indray i Tina kely ary hijoro i Zigle, miaraka amin’i Yves sy i Balôty.
Tompondaka
Hiatrika ny fifanintsanana “Mondial 2026”, hihaonana amin’i Centrafrique, ny ekipa nasionaly malagasy, Barean’i Madagasikara, anio. Hiezaka ny hahazo isa telo izy ireo, mba hanana tombony kokoa.
Tonga ity ny fotoana! Hiatrika ny lalao ifanintsanana amin’ny “Mondial 2026” indray ny Barea, anio, any Maroc. Hifanandrina amin’i Madagasikara, amin’izany, i Centrafrique, fihaonana izay tanterahina ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Casablanca. Hiezaka ny hitady isa telo indray ny Malagasy. Ny hanatsarana hatrany ny vokatra efa azon’ ireo Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” iny no tanjona.
Tsara marihina fa mbola manala vela amin’ny Malagasy mpilalao i Centrafrique. Teo amin’ny lalao mandroso, lavon’ny Barea, tamin’ny isa 4 no ho 1, ry zareo. Tsara ny mampahafantatra fa mpilalao 23 no nantsoin’ny mpazanatran’ny Barea, i Corentin Martins. Nisongadina tamin’izany ny fahatongavan’i Andy Pelmard, vodilaharana milaravinahitra ao amin’ny Clermont Foot, divizionina faharoa ao Frantsa, sy ireo mpilalao Barea A’. Ireto farany izay nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny fifaninanana “Chan 2024” farany teo. Ahitana an’i Bono sy i Nicolas, vodilaharana, i Toldo, mpiandry harato. Miampy an’i Mamisoa, mpilalao afovoany.
Ankoatra izy efatra mirahalahy ireo, misy mpilalao telo hafa koa amin’ity Chan ity, nantsoin’ity teknisianina ity. Anisan’izany i Tony sy i Lalaina ary i Rado.
Tsara marihina fa laharana fahatelo ny Barea ao amin’ny vondrona “I” misy azy, ary mitana ny isa 10, taorian’ny lalao rehetra nataony. Ny 8 septambra ho avy io, hifandona amin’i Tchad, ny Malagasy, fihaonana izay hatao any an-toerana ihany.
Fitia Randria
Raha ny hita teny an-toerana, miisa dimy ny kahie hita anaty fonosana, izany hoe, 6 000 Ar ny vidin’ny iray. Jifaina 14 000 Ariary eo kosa ny fonosana amin’ireo kahie kely, izay ahitana 10 isa ny ao anatiny. Izany hoe, 1400 Ariary izany ny singany iray. Ankoatra ny taratasy fanoratana, amidy iray alina Ariary ny pensily hazo maro loko, raha toa ka valon-jato Ariary ny fividianan’ny olona ny penina iray. Amidin’ireo mpisehatra amin’ity fivarotana fitaovan’ny mpianatra ity 5 000 Ar hatramin’ny 18 000 Ar kosa ny fitaovana fanipihana.
« Afaka herinandro eo, hiditra hianatra amin’izay ny kilonga. Ho ahy manokana, telo ny zanako ary izao aho vao mividy ny fitaovana entin’izy ireo manovo fahalalana any an-tsekoly», hoy ny renim-pianakaviana iray, teny an-tsena, omaly. Marihina fa saika amin’io herinandro ho avy io avokoa ireo mpianatra eto an-dRenivohitra no hiditra.
Mitombo ny isan’ny mpivarotra, mihena ny mpanjifa …
Tsikaritra nandritra ny fanadihadiana natao fa nihena ny isan’ireo manjifa fitaovam-pianarana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpisehatra amin’izany. Maro ny olona mividy ny fitaovan’ny mpianatra saingy miparitaka any amin’ireo mpivarotra sasany izy ireo, noho ny hamaroan’ny olona lasa manao io asa io, ankehitriny. « Raha tamin’ny taona lasa, tsy dia nanana fotoana firy ihinanana sakafo izahay noho ny hamaroan’ny olona manjifa. Saingy tamin’ity taona ity, hita hoe efa miparitaka manerana an’ireo mpivarotra samihafa ety an-toerana ny olona», io ny nambaran’ny mpivarotra iray eny an-toerana. Tsy manome tsiny ny zava-misy moa izy ireo, satria efa hita taratra ankehitriny ny fahasahiranan’ny olona. « Raha ny hoe resaka olana mahakasika amin’izay aloha, tsy dia idiranay lalina loatra, hiaraha-mahalala ny zava-misy amin’izao fotoana izao, samy mitady sy mamelon-tena avokoa ny rehetra, ka tsy tokony hifanome tsiny », hoy ity mpivarotra ity.
Mbola sarotra …
Tena mbola mipetraka ho olana ny fampidirana mpianatra. Antony, tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ny fitaovana ilaina amin’izany nefa ny karama tsy misondrotra, raha ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray teny Analakely. « Ho anay ray aman-dreny, tsy azo atao ambanin-javatra ny fampidirana ny zaza satria ny hoaviny iray manontolo. Midika izany fa tsy maintsy atao lohalaharana avokoa ny fitaovana ilain’izy ireo any am-pianarana. Anisan’ny mampirisika ny zaza hianatra tsara ny fahazoany fitaovana tsara rehefa hiditra hianatra izy », hoy hatrany izy. Matetika tsy vitan’ilay karama iray volana ny mampiditra mpianatra fa mbola mindram-bola any amin’ny Banky na mitady lalam-bola hafa ankoatran’ilay karama. Ny vidin’ny hatsembohan’izy ireo, anatin’iray volana moa, efa voatsinjara avokoa. Anisan’izany ny sakafo, ny saram-pitaterana mandritra ny iray volana manaraka, ny hofan-trano, ny vidin-jiro, ny gouter an’ny ankizy. Mangataka ny fanjakana mba hijery akaiky ny resaka mahakasika io fitaovam-pianarana io izy ireo. Nohamafisiny hatrany fa tokony hisy ny fanampiana faobe ary mitovy avokoa ny fari-piainan’ny olona, amin’izao fotoana izao. Matetika moa, ity volana aogositra ity, somary mifantoka amin’ny fampidirana mpianatra avokoa ny ankamaroan’ny olona.
Nanatontosa : Fitia Randria
Taorian’ireny vokatra tsara azon’ny Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” ireny, noraisin’ny orinasa Yas teny Andraharo izy ireo, omaly. Ho fankasitrahana ny ezaka vitan’izy ireo, nisy ny fanolorana tambin-karama “prime” sy finday ho an’ny mpilalao sy ny staff ekipam-pirenena malagasy.
Tsara ny mampahatsiahy fa nisalotra ny medaly volafotsy ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity taom-pilalaovana ity, ary tsy nitsanga-menatra tamin’ireo lalao rehetra nataony.
Ny taona 2008, nanomboka nanohana ny baolina kitra malagasy ny Telma, izay niova ho Yas ankehitriny. Taorian’ny medaly alimo azon’ ireo Malagasy mpilalao nandrafitra ny Barea Chan 2022, notoloran’ny Yas lelavola 4 tapitrisa Ariary sy finday avo lenta vaovao Samsung S22 sy A22 avy izy ireo sy ny staff tamin’izany fotoana izany.
Tsy voafaritra mazava ny vola azon’ny Barea tamin’ity taona ity na ny marik’ilay finday azon’izy ireo aza, tsy nampahafantarina an’ireo mpanao gazety teny an-toerana. Nilaza moa ny Yas Madagascar fa vonona hatrany ry zareo hanohana ny baolina kitra eto an-toerana. Maro dia maro ireo mpiasan’ny Yas nanao fiaraha-maka sary tamin’ireo maherifo nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo.
Fitia Randria
Nanatanteraka fiofanana ho an’ny Maître de salle ny ligin’ny Karate-do Anôsy, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana notarihin’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Shihan Georges Hafizou, sy ireo mpanazatra nasionaly. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana taorian’ny fiofanana.
Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 4 hatramin’ny 14 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A “élites 8”, dingana faharoa sy farany, taranja basikety. Anio 3 septambra kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika mahakasika ny fifaninanana.
Hotontosaina ny 21 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana “MuayThai Tournament”, andiany faharoa, taranja Muay Thai. Fifaninanana karakarain’ny klioban’ny GISL, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny taranja Muay Thai.
Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, izay natao tany Toamasina. Ny fitsipika, ny fanomanana ara-batana sy ara-tsaina no tombony lehibe nananan’ny mpilalao ka nahazoana ny fandresena, araka ny nambaran’ny mpanazatra, Njatonirainy Jean Tiana. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny Klioba, Razanadambo Tania, fa misy ny fototra nampita tamin’ireo mpilalao ka nampiharin’izy ireo teny ambony kianja. “Mitaiza ny tanora handeha amin’ny lala-mahitsy sy marina, tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina ary ho olom-banona ny NBE”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny klioba ity. Tsiahivina fa mamolavola ankizy manomboka amin’ny U10 hatramin’ny U20 ny NBE ary manodidina ny 250 eo ny isan’ny mpilalao ao aminy hatreto. Nisy ny lanonana natao, omaly, noho ny nahazoana izao vokatra tsara izao.
Mi.Raz
Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy.
Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma “sur piste”, sokajy rehetra. Fihaonana nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Nisongadina ny zava-bitan’ireo avy any amin’ny faritra. Voahosotra ho atleta mendrika ho an’ny vehivavy Razanamandroso Flaurentine, avy amin’ny klioba Caf Matsiatra Ambony ary i Eric Justin, avy ao amin’ny Ajat Atsimo Andrefana, teo amin’ny lehilahy.
Niavaka ny zava-bitan’izy mianadahy ireo, na tsy nisy aza ny zava-bita montsana tamin’ity.
Ho an’i Flaurentine, nahavikina 6,08 m izy teo amin’ny vikin-dava ary nahazo isa 1004. Ny an’i Eric Justin indray, vitany tao anatin’ny 10 s 5 % ny 100 m. Nahazo isa 1040 ny tovolahy.
Na teo aza ireo, mbola notazomin’ny ligin’Analamanga ny laharana voalohany, tamin’ny fandrombahana ny medaly volamena. Faharoa, Atsimo Andrefana ary fahatelo i Matsiatra Ambony. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny Federasionina FMA, tonga nanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fa mahavelombolo ny vokatra. Maromaro ny fe-potoana nihatsara na tsy mbola nisy aza ny montsana. Nisongadina ny zava-bitan’ireo atleta zandriny, indrindra fa ireo avy any amin’ny ligim-paritra.
Nahatonga atleta avokoa tamin’ity fifaninanam-pirenena ity, ireo ligim-paritra miisa 14. Nahitana mpifaninana daholo ny “épreuves” rehetra. Dingana manaraka ho an’ny federasionina ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Japon, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra, ka hisolotena an’i Madagasikara amin’izany i Fiadanantsoa Sidonie, hihazakazaka ny 100 m misy fefy.
Tompondaka
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fampianarana nentin’ny filoha teo aloha eo anivon’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako, ny momba ny fanarenana ny firenena. Nahitsy ny nambarany tamin’izany tetsy Ambatonakanga.
Niompana amin’ny fanamarihana telo samihafa ny teny fampianarany tamin’ny fotoam-pivavahana nanokafana ny faha-10 taon’ ny Hetsika Rohy, ny herinandro teo. Nambarany fa ilaina ny fanovana olona fa tsy ny rafitra. « Olom-baovao ihany no afaka manavao », hoy izy. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ ny fanarenana izany. Eo koa anefa ny fanankinana amin’ Andriamanitra ny fiainam-pirenena na ho an’ny vahoaka izany na koa ho an’ny mpitondra. Ilaina fanovana olona sy ny fifantohana amin’ny tombontsoa iombonana. Tsy azo ihodivirana amin’izany ny fampitoviana ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. Tsy tokony hisy, araka izany, ny fanomezana tombon-dahiny ny olona akaiky, toy ny fianakaviana, na namana.
Araka izany, nofintinina amin’ireo lohahevitra telo ireo ny ho fanarenana ny firenena na ny fananganana ireo rava eo amin’ny firenena.
Mbola marefo ny demokrasia
Nambaran’ny eo anivon’ny hetsika Rohy, tamin’ny alalan’ ny filohany, Andriamoraniaina Harijaona, fa mbola marefo ny demokrasia sy ny fametrahana ny fifidianana. Mbola betsaka koa ny lesoka tokony hatsaraina. « Anisan’izany, ohatra, ny momba ny fifidianana. Tsy afa-misaina izany intsony ny olona noho ny fahasahiranana ka voarebireby sy vitan’ny anio fotsiny nefa sady voavidy izy ireo amin’izany », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fanatsarana ny fifidianana iarahana amin’ny mpisehatra rehetra; na ho an’ny fanoherana na ho an’ny mpomba ny fitondrana, hijerena ny tombontsoan’ny Malagasy.
Synèse R.
“Tokony ho voafehin’ny lalàna hatrany ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany, fa tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Eny, na tsy teratany ao amin’ny firenena: tokony hofehezin’ny lalàna eo amin’ny firenena iasany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica Harimbola, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny vahiny mpanao gazety miasa eto Madagasikara. Na aiza na aiza firenena iasany, ary na amin’ny sehatra inona na inona, fehezin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety. Indrindra ny amin’ny tokony hanajana ny tandrohasina sy ny marinasa ny asa fanaovan-gazety, izay tokony ho fantatry ny mpanao gazety matihanina maneran-tany…
Momba ny tranga niseho tamin’ny vahiny mpanao gazety izay misolo tena ny orinasan-gazety vahiny miasa eto Madagasikara dia tsy mpikamban’ny OJM, na tsy mandrara an’izay aza ny lalàna. Misy amin’ireo solontenan’ny orinasa vahiny no mangataka karatry ny OJM, rehefa mahafeno fepetra takin’ny lalàna malagasy dia mpikambana. Manampy azy ireo amin’ny fiarovana faritan’ny lalàna ho an’ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asa fanaovan-gazety ny maha mpikamban’ny OJM azy. Ny amin’ny tranga niseho, tsy nangataka fanohanana tany amin’ny rafitra malagasy faritan’ny lalàna hampiroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ilay mpanao gazety miasa amin’ny orinasan-gazety vahiny.
R. Nd.
Mahaliana sy efa mahazo vahana eto Madagasikara ny fiompiana ireo karazam-biby hafakely tsy fahita firy, na miala amin’ny mahazatra. Misy mihitsy ny manao izany ho asa fivelomana efa tao anatin’ny taona maro. Mahasarika ny maro miompy azy ireny noho ny fananan’ireo biby endrika miavaka, tsy mitovy amin’ny fiompy mahazatra. Tia miompy izany ny olona nanaovana fanadihadiana satria manintona maso sy mitondra fifaliana ary manala rarintsaina izy ireny, amin’ny ankapobeny. Mahasarika ny mason’ny olona ihany koa, indrindra rehefa any amin’ny fampirantiana. Ankoatra izay, biby mora ompiana sy tsy mitaky toerana lehibe. Etsy ankilany, fialamboly sy manala adin-tsaina ho an’ny olona ihany koa ny fiompiana ny biby hafakely ka antony hanaovany azy. Mora mitombo taranaka ihany koa izy ireny, raha tsara karakara sy tia azy ny tompony. Maro amin’ ny mpiompy no tia mampiasa vola aminy satria anisan’ny biby fiompy somary lafo izy raha oharina amin’ny hafa.
Efa niompy efa hatramin’ izay ireo ray aman-drenin’i Radoniaina ka antony nahatonga azy hiompy, raha ny fanazavany. “Teraka sy lehibe tao anatin’ny fiompiana sy fambolena, ka lasa tia sy nankafy izany manokana”, hoy izy. Niainga tamin’ny fiompiana akoho gasy sy bitro gasy ny nataon’izy ireo tany am-piandohana. “Mahaleo tena 100% amin’ny lafiny ara-bola ary tsy misy fanampiana avy any ivelany fa miezaka manodina ny eo an-tanana », hoy ihany izy. Rehefa mahakasika ny fahasalamana ihany vao miara-miasa amin’ny mpitsabo biby.
Fitrandrahana ireo biby an’ala
Niezaka nitrandraka sy nikaroka mba hampivoarana ny fiompiana nentim-paharazana taty aoriana, ary nanafatra karazam-biby vaovao, hafa kely tsy fahita andavanandro. Mahafinaritra ary tena ankafiziny ny fiompiana ireo karazam-biby ireo. Anisan’izany, ny Géant de flandre, bitro avy any Bélgique. Anisan’ny bitro vaventy indrindra, satria mahatratra hatramin’ny 8 kg eo ny lanjany, ao anatin’ny 7 volana. Ompiana manokana ho naman’ny olombelona na antsoina hoe (animaux de compagnie) izy ireny. Miala amin’ ny fiompiana saka sy alika mahazatra ny olona ary manolo izany ho bitro. Ankoatra izay, manala rarintsaina ny fahitana ireo karazam-biby ireo ka anisan’ny tsy ahafoizany azy, raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, biby miaina sy mivelona anaty ala avokoa ireo karazam-biby ompiany ireo. Amin’ny ankapobeny, tsy tia mihidy ary tsy mety ompiana anaty trano fa mila toerana malalaka ikarenjeny. “Ezahina arahina sy fenoina araka ny tokony ho izy ny sakafo, ny fikarakarana rehetra ilainy sy mahafeno ny zavatra takian’ireo biby mba hahitana vokatra », hoy hatrany izy. « Mila fitiavana be ihany koa ny karazam-biby ompiany ireo », hoy izy nanamafy. Milamina sy mamokatra tsara izy ireo rehefa feno sy tanteraka ireo fepetra rehetra ireo.
Asa mila fikirizana
Ilana fikirizana sy fitiavana ny fiompiana ireo biby hafakely ireo. Mitovy amin’ny fiompiana biby mahazatra ny maro ihany koa izany. Asa tsy tapaka ny fiompiana. Mila olona tsy miangitraingitra ihany koa satria tsy maintsy diovina ny toerana fonenan’ny biby. Esorina ny fako, omena sakafo sy rano, arahi-maso ny fahasalamany sy ny maro hafa. Tsy mahomby ny fiompiana raha tsy mahavita ireo ny mpiompy iray.
Faharoa, mila olona tia an’ilay biby ihany koa. Lasa fialamboly hoazy rehefa ela ny ela. Mitaky asa 24 /24 ora, ary 7/7 ny asa, ary na andro na alina. Tsy maintsy eo foana ny olona amin’ny fikarakarana ny biby fiompy fa tsy azo avela tsy mihinan-kanina satria mamono sy mampihena ny vokatra izany. Ahitam-bokatra foana ny asa iray rehefa tiana sy akafizina na mamizana sy mafy tahaka ny inona aza.
Nanatontosa : Mino
Hotanterahina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Madagascar International BJJ”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Ady goavana indrindra amin’ity taona ity io fifaninanana io. Misokatra ny 8 septambra izao ny fisoratana anarana ary mifarana ny 6 oktobra.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’i Boeny, taranja karate. Tao amin’ny Dojo GSM Marolaka no nanaovana izany ary ny ligin’i Boeny no nahavita ny azy voalohany. Hanatanteraka izany amin’ity volana septambra ity avokoa ny ankamaroan’ny ligy hafa.
Ny Judo club Esca no nahazo ny laharana voalohany nandritra ny “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, natao tany Toliara, ny herinandro lasa teo. Klioba sangany eto Madagasikara ity klioba ity ary tsy mbola lefy laza hatreto, nandritra ny fifaninanana rehetra natrehiny.
Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Tamin’ny isa tery, 15 no ho 13 no nisarahan’ny roa tonta. Niady ny lalao ary nifamaliana hatramin’ny farany ny fanafihana teo amin’ny ireo mpikatroka.
Fileovana anisan’ny misongadina indrindra eto Madagasikara ny roa tonta, ary ahitana ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar. Anisan’izany ry Jinah kely sy i Ericka ary Yvanah ho an’ny Besarety raha i Sosoa sy i Nandrianina miampy an’i Grande sy i Mialy kosa no ao amin’ny FTFA. Nifampitana tamin’ny tanjaka ny andaniny sy ny ankilany. Nampiseho ny fahaiza-manaony ireo mpilalao isanisany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nivoaka ho mpandresy ry Jinah kely tamin’ity. Hifanandrina amin’ny RCTS Soavimasoandro, tarihin-dry Vero sy Vachily ary Sophie, nandresy ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 29 no ho 25 izy ireo.
Teo amin’ny lehilahy indray, tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa (Bebaoty), ny Tam Anosibe. Tamin’ny isa 56 no ho 31 no nisarahan’ny roa tonta. TFA Anatihazo indray resin’ny FTM, tamin’ny isa 39 no ho 34.
Tompondaka