Dans un élan de bonne foi, les clubs Elgeco Plus et Mama FC ont décidé de mettre fin à leur différend et de faire table rase du passé.
Sous la houlette du président de la Fédération malgache de football, Alfred Randriamanampisoa, les deux équipes ont choisi de prendre le taureau par les cornes, pour apaiser les tensions explosives, lors de la demi-finale de la World Cola Pureplay Football League (PFL). Loin des invectives et des polémiques qui ont enflammé les réseaux sociaux, cette démarche empreinte de maturité remet le fair-play au cœur du jeu.
Mercredi soir, les dirigeants et joueurs des deux camps se sont retrouvés, la main tendue, pour enterrer la hache de guerre. Avec le président Randriamanampisoa comme chef d’orchestre, cette rencontre a permis de calmer le jeu et de ramener tout le monde à la raison. Les trois parties, à savoir les deux clubs et la fédération, ont martelé leur attachement indéfectible aux valeurs du fair-play.
Cette initiative n’est pas juste un coup d’épée dans l’eau. Elle incarne une volonté farouche de faire avancer le football malgache, sur des bases solides et harmonieuses. En jouant l’apaisement, Elgeco Plus, Mama FC et la FMF envoient un message clair. Le ballon rond doit rassembler, pas diviser.
Rakoto
Lors du conseil des ministres qui se déroule à Fianarantsoa, il a été annoncé que la ligne ferroviaire Fianarantsoa-Côte-Est (FCE), plus précisément Manakara, allait être rénovée. Bien évidemment, cette annonce répond à l’attente de la population et des opérateurs économiques de la région.
La reprise de l’exploitation de cette ligne ferroviaire est vitale pour la population de la région dans la mesure où elle contribue au désenclavement. La ligne dessert 18 communes et améliore ainsi la circulation aussi bien des passagers que des marchandises.
Par ailleurs, cette reprise permettra à de nombreuses familles de se faire un peu d’argent dans les gares qui existent sur la ligne en vendant des victuailles aux passagers. Par le passé, sur la ligne TCE (ligne reliant Toamasina à Antananarivo), la gare de Périnet était célèbre pour la restauration.
De même, il ne faut pas oublier que l’existence de cette ligne contribue au développement du tourisme. Le tracé de cette ligne de chemin de fer offre des paysages uniques bien prisés par les touristes étrangers. Autrement dit, en faisant revivre cette ligne ferroviaire, il n’y a rien à perdre mais tout à gagner.
Mais à vrai dire, c’est tout le transport ferroviaire dans son intégralité qu’il faut rénover compte tenu de la vétusté du matériel (locomotives, wagons, rails…). Cela concerne non seulement la ligne FCE mais également la ligne TCE (Antananarivo-Toamasina) ainsi que la MLA (Moramanga – Lac Alaotra).
Nul n’est besoin de souligner que le transport ferroviaire est plus avantageux que le transport routier avec sa plus grande capacité en termes
de nombre de passagers pouvant être transporté ou bien de tonnage de marchandises. Et cela a des effets sur les frais de transport des passagers et des marchandises.
Avec une seule locomotive, on peut tirer plusieurs wagons-citernes ou de nombreux wagons de marchandises remplis de riz. Toutefois, le développement des deux moyens de transport est toujours nécessaire car leur complémentarité n’est plus à prouver.
A titre d’exemple, si le transport ferroviaire était fonctionnel à 100%, on n’aurait pas connu ce problème de logistique actuel concernant le transport de carburant de Toamasina à Antananarivo et qui est à l’origine de la rareté des carburants dans les différentes stations-services de la capitale.
Beaucoup restent à faire en matière de transport ferroviaire dans le pays. Il importe avant tout de rénover les lignes qui existent déjà. Le Graal serait de voir un jour des lignes ferroviaires reliant Antsiranana à Toliara et Mahajanga à Toamasina. En attendant, on peut toujours se permettre de rêver.
Aimé Andrianina
Tanora iray efa manana ny toerany amin’ny resaka fanentanana sy fandrindrana lanonana sy hetsika eto Madagasikara, Andrianambinintsoa Florent Pagny na i MC Florent Pagny. Nisy ny fanadihadiana natao taminy ny alatsinainy lasa teo, teny Mahamasina. Nisongadina nandritra ny resaka nifanaovana taminy ny hafatra nampitany ho an’ireo tanora. “Ny fiezahana ihany no hananao fiainana tsara. Saingy, mandalo sendra maro samihafa ianao vao tafita, ary ilana saina matanjaka sy hery ny miatrika ireo sakana ireo. Izany hoe, ny saina no mila atao “bokona”, hoy izy.
Lalana nolalovany
Nambaran’i Pagny fa tany am-piandohana tsy naniry ho lasa MC izany izy. Notsiahiviny fa fony mbola zaza aza izy, tsy io asa io no navaliny rehefa nisy nanontany izy hoe : “Inona ny asa ataonao rehefa any aoriana any?”.
“Tsaroako taloha, rehefa 25 jona, misy “Podium” foana tany aminay. Nampirisihin’ny olona foana aho mba hiakatra an-tsehatra, somary sarokenatra ihany aho, saingy nazoto foana. Tsy nikitika micro akory aza no nataoko fa nandihy, ary nitohy hatrany am-pianarana izany. Nandihy foana aho hatreny Ankatso, na ny tenako aza gaga ihany hoe : taiza nahalalan’ireo olona teny fa mahay mandihy aho”, hoy i Florent Pagny, Malagasy mpanentana. Nomarihiny hatrany fa efa tompondakan’ny dihy tamin’ny fifaninanana isaky ny lycée ny fikambanan’izy ireo, tamin’izany andro izany.
Ny sampam-pianarana Fitantanana no nianaran’i Florent Pagny, teny Ankatso, saingy niato izany, noho ny krizy nandalo teto Madagasikara, ka tsy afaka nanampy azy intsony ny ray aman-dreniny. Nitady asa ny tenany, taorian’io, ka sendra nahita fahitalavitra iray, mitady mpanentana. “Tsy nisalasala aho nandefa ny taratasy momba ahy (CV) tany, ary noraisin’izy ireo ny tenako. Ilay CV misy an’ilay hoe: mpilalao horonantsary mihetsika fahiny ngamba, nandraisan’izy ireo ahy, raha ny fiheverako azy”, hoy hatrany ny lehilahy.
“Nivoatra tsikelikely”
“Rehefa niasa tao amin’ity fahitalavitra ity aho, nisy namana naka hanao mpanentana lanonana ara-panambadiana, ary teo vao tsapako hoe, manana talenta miafina tahaka izany aho kay”, nambaran’ ny MC Florent Pagny. Nanazava moa izy fa nivoatra miandalana teny amin’izay ny tenany ary rehefa feno folo taona niasana tao amin’ity fahitalavitra ity, izy, dia nanapa-kevitra ny hikopak’elatra ary hanangana ny asa ho azy manokana.
Fehiny, niainga tamin’ny fitiavana sy fiezana tao anatin’ ilay asa fanentanana, nahatonga an’i Florent Pagny, ho tahaka izao, araka ny fanazavany. Nohamafisiny hatrany fa maro ireo olona mankasitraka ny asa ataony, ary misaotra sy mankasitraka ireny olona ireny koa ny tenany. Notsindriny kosa fa tsy mampiofana olona ho lasa mpanentana ny tenany, saingy mampirisika ireo izay manana izany talenta izany mba hitrandraka sy hampiseho ny maha izy azy.
“Indramiko ny tenin’ilay mpanakanto iray izay hoe : mahatafita ny talenta eto Madagasikara, tena nanaitra ahy io teny io. Ankehitriny, azoko hamarinina io filazana io, satria rehefa voafehinao tsara ny talentanao, ary hainao ny mampiasa azy sy ny mampivoatra azy, mety hivadika vola sy mahatafita anao izany”, hafatr’i Pagny.
Fantaro fa :
Ankoatra ny maha MC azy, manana ny fialamboliny ihany koa i Florent Pagny. Raha ny nolazainy, ny mandeha mivoaka maka aina sy mihaino hira milantolanto any amin’ireny toerana mangina ireny no tena tiany. Rehefa any izy, misotro sy mihinana tsakitsaky miaraka amin’ireo olona akaiky azy.
Fanatanjahantena ataony moa ny taranja basikety, baolina kitra ary ny lomano.
Nanatontosa : Fitia Randria
Niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona fito voarohirohy tamin’ny raharaha asan-jiolahy ny taona 2024. Nahavoarohirohy zandary telo, sy Tafika iray ary sivily telolahy, araka ny antotan-taratasin’ ady lah 66- Toa/25. Samy nanda ny fiampangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Tsy nisy rahateo ny mpitory sy vavolombelona nandritra ny fitsarana azy ireo. Manoloana izany, nambaran’ny mpitsara mpamoaka didy fa afaka madiodio avokoa izy fito lahy satria tsy ampy ny porofo hanenjehina azy ireo. Tsiahivina fa naseho tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny biraon’ny Tonian’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ny 14 oktobra tamin’ny taon-dasa ireo finday nisy feo sy fifandraisan’ny jiolahy tamin’ireo olona voarohirohy ireo. Anisan’izany ny fampanofana basy sy fizarana ireo vola voaroba. Anisan’ny voasambotra sy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny zandary iray am-perinasa, ny 12 oktobra 2024. Nisy fanafihana mitam-piadiana ihany koa tany Ampasimazava, ny 27 avrily lasa teo. Nahatratrarana basy poleta sy vodim-bala. Nitohy ny fikarohana sy vela-pandrika ka nahavoasambotra zandary iray sy miaramila iray.
Sajo
Araka ny fikarohana natao, omaly, izay navoakan’ny lahatsoratra an-gazety iray, Sport News Africa, fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny Federasionin’ny baolina kitra kaomorianina (FFC). Raha ny fanazavana azo tamin’ity gazety iray ity, tsy dia hita ao an-toerana ny filohan’ny Federasiona FFC, Saïd Ali Saïd Athouman, izay lany fanindroany hitantana ity rafitra federaly ity, ny volana janoary lasa teo. Manatanteraka andraikitra any ivelany, amin’ny Caf sy Cosafa, ny mpitantana raha ny fantatra.
Tsy manana kianja iraisam-pirenena moa i Comores, ary mandeha ihany koa ny resaka amin’izao fotoana izao, fa manana olana amin’ny fandoavana ny karama sy ny tambin-karaman’ny mpilalao ny federasionina ao an-toerana, raha ny tatitra nataon’ity gazety iray ity. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity, ary azo lazaina taorian’io fa tsy ny Malagasy irery no misedra olana amin’ity taranja ity, saingy raha oharina amin’ny vokatra, mbola misongadina lavitra kokoa i Comores, izay sady manao “Can 2025”, no sady nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny “Cosafa” farany teo.
Fitia Randria
Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambony, sampana ady heloka bevava, ny talata teo, ny antontan-taratasin’ady lah 61 – Toa / 25 mahakasika ny raharaha ady lova nitarika famonoan’olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro,Vatomandry.
Naharitra ora enina. Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina, tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro, ny fotoam-pitsarana ity raharaha vonoan’olona ity. Efatra ny voampanga : i Noaviniriko Nogetin, 22 taona, mpiasa mpanao parpin an’ ilay renim-pianakaviana niharam-boina, Razafindramamy Ignace, 56 taona, mpiambina, i Samuelson Jasmin, 62 taona, anadahin’ny maty ary Fiainantsambatra Fionona. Vao niantomboka ny fanontaniana dia efa niaiky ny heloka nataony ny voampanga voalohany ary nilaza fa noho ny fanambazana vola be nataon’ ilay anadahin’ny maty no nahatonga azy niroso tamin’ny asa ratsy ka nitady namana. Notaominy tamin’izany i Fiainantsambatra Fionona. «Niala tao Toamasina, ny alahady 4 febroary 2024, izy roa lahy nihazo an’ i Vatomandry ary nigadona tao amin’i Samuelson Jasmin, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nandray ny baiko avy tamin’ ity farany ary niara-niditra ny lakoron’ i Jeannine, ilay ramatoa niharan’ny asa ratsy, nitondra fanoto, raha antsy kosa ny teo an-tana, ary hazo tamin’ i Fiainantsambatra Fionona” hoy i Noaviniriko Nogetin, niaiky ny fiampangana azy ka nitantara ny fomba feno habibiana namonoana ilay renim-pianakaviana. Raha hiverenana, anisan’ny niverimberina ny filazana ny anaran’ilay anadahin’ny niharam-boina ho mpandray anjara sy tompon-kevitra amin’ny famonoana noho ny ady lova. Enina mianadahy ireto fianakaviana ireto no zanaky ny ray aman-dreniny ary efa maty avokoa ny efatra fa roa no sisa velona dia i Samuelson Jasmin sy iray hafa izay tsy miraharaha resaka lova. Teto, niaiky ny helony ilay voampanga voalohany, raha nanda kosa ny hafa. Vokany, nilatsaka ny didy manameloka an’i Noaviniriko Nogetin, izay vao 22 taona monja, hanao asa anterivozona mandra-pahafaty, raha afaka ampisalasalana kosa ny roa lahy sy ny anadahin’ny niharam-boina.
Sajo
Fifaninanana « Word Travel Award ». Nandresy tamin’ny fanehoana ny maha natiora miavaka sy toerana tsy manampaharoa ho an’ny mpizahatany i Madagasikara. noharahabaina sy nankasitrahana ihany koa ny Andilana Beach Resort. Izy ireo izay nitazona ny anaram-boninahitry ny ranomasimbe Indianina ho an’ny torapasika lehibe indrindra, nandritra ny 10 taona nisesy.
Tohana ara-tsosialy ao Vangaindrano. Nisy ny fanomezana fehezan-karona ho an’ireo tokantrano marefo miisa 450 ao amin’ny fokontany Betafo ho fanohanana ny andavanandron’izy ireo. Hetsika nokarakarain’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo manampahefana ary ny fikambanana Vangaindrano Mandroso.
Tao anatin’ny 28 taona, maherin’ny 300 isa ny ankizy sy tanora sahirana noraisin’izy ireo an-tanana sy efa nampiany, raha ny antontanisa voaray. Ankehitriny, ankizy sy tanora 200 mahery avy amin’ny fianakaviana 173 no raisin’ny ivontoerana an-tanana. Akizivavy ny 120 amin’izy ireo. Mahatratra 100 eo ho eo no efa tafita sy nahazo asa tamin’ireo nobeazina. Misy ny miasa eto an-toerana, misy ny any ivelan’ny Nosy. Betsaka indrindra amin’izany ny miasa any amin’ny faritra, fa eo koa ireo miasa sy mijanona eto Antananarivo. Tena betsaka amin’ireo ankizy tafita ny nivoaka teo anivon’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona (ESPA) sy ireo oniversite Antananarivo. Misy koa ireo nanaraka fiofanana tao anatin’ny fotoana fohy ezaka. Toy ny nanaraka lalam-piofanana momba ny zaitra, fandrahoana sakafo sy ny maro hafa. Efa tafiditra any amin’ny orinasa matanjaka eto amin’ny firenena ny ankamaroan’izy ireny, raha ny fanazavana voaray. Hatramin’izao, 50 isa ny tanora efa nilamina arakasa tanteraka. Efa misy ny nahatsangana ny trano onenany sy ny orinasa kely ho azy manokana.
Amin’ny ankapobeny, ny injeniera mahakasika ny taotrano sy jeolojia ary ny fitantanana sy fanabeazana no tena betsaka tamin’ireo tafita. Misy koa ny mpitsabo mpanampy, mpiasam-panjakana sy ny maro hafa. Vehivavy ny tena betsaka tamin’ny tanora tafita, raha ny fanazavana voaray. “Mora ny mitarika ireo ankizy ireo rehefa manaiky tarihina sy manaraka ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny ivontoerana”, hoy ny talen’ny ONG Ketsa, Ramarolahy Hasina. Misy ny tsy maintsy tapahana ny fifandraisana amin’ny ankizy iray rehefa tsy manaiky sy tsy mazoto hanaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fiaraha-miasa intsony ny ray aman-dreny, raha ny fanazavana voaray. Roa monja ny ankizy niala tamin’ny taon-dasa.
Mamolavola ankizy ho olom-banona
Mpiasa sosialy sy mpampianatra eo anivon’ny sampandraharaha sosialy ny mpanorina ity ONG ity. Sahirana ny mponina nisy teny amin’ny manodidina an’i Vontovorona tamin’izany ka antony nahatonga ny fananganana ny ivontoerana. Zavatra telo no tena iompanan’izy ireo: ny tontolon’ny fanabeazana, ny asa sosialy ary ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampisakafoana ny vondron’olona tiliana. Tanjona ny handrafetana ny ankizy ho olom-banona sy hanananan’izy ireo ny maha izy azy eo amin’ny fiainany. Misitraka sakafo maraina sy atoandro ny kilonga madinika eo anivon’ny ivontoerana. Raha sakafo atoandro ihany ny an’ireo tanora. Omena vola ataon’izy ireo sakafo kosa ireo efa mianatra any an-tanàn-dehibe.
Maro ny masontsivana hahafahana misafidy ankizy iray hiditra ao amin’ity ivontoerana iray ity. Voalohany, tsy maintsy mpianatra eo anivon’ny EPP Antanety Vontovorona. Avy amin’ny fianakaviana marefo ara-pivelomana na miaina anaty fahasahiranana lalina izy ireo. Misy ny fanadihadiana tsy maintsy ataon’ny tomponandraikitra mialoha ny andraisana azy ireo. Toy ny fametahana petadrindrina eny amin’ny EPP izay vondrona tiliana. Ny fanaovana fanadihadiana eny anivon’ny fikambanana samihafa. Fidinana ifotony eny anivon’ny fianakavian’ny zaza mba hanaovana fanadihadiana ny fiainan’ny fianakaviana, ny toerana honenany sy ny maro hafa.
Niverina nisokatra ny dispensaire
Dimy taona aty aoriana, naverina nosokafana ao Vontovorona, fokontany Antanety II, ny toeram-pitsaboana tantanin’ny ONG Ketsa. Zava-dehibe ho an’ireo ankizy sy fianankaviana tohanana ao amin’ny fikambanana ary koa ho an’ny mponina manodidina ity fotodrafitrasa ara-pahasalamana ity. “Mandray sy mitsabo aretina maro samihafa ity toeram-pitsaboana ity”, hoy ny dokotera Razafimbahoaka Hariniainafarasoa Hanitra, docteur généraliste. Nisy ny fanatsarana natao tamin’ny lafiny fitsaboana, toy ny fanomezana tolotra amin’ny sehatry ny fitsaboana nify sy ny fandraisana an-tanana ireo marary. Maimaimpoana tanteraka ny fitsaboana ho an’ireo ankizy tohanan’izy ireo. “Mandoa sarany kosa ireo olona avy any ivelany. Na izany aza, natao mirary sy takatry ny besinimaro avokoa ny saram-pitsaboana”, hoy hatrany ny dokotera. Hatramin’ny taona 2013, 17 hatramin’ny 20 isan’andro ny olona tonga mitsabo tena ao. Tamin’ny taona 2022, voatery nakatona vetivety izany noho ny fiantraikan’ny krizy ara-ekonomika nateraky ny valanaretina Covid-19.
Beazina ihany koa ny ray aman-dreny
Ankoatra ny ankizy, hiseharana ihany koa ny ray aman-dreny. “Mila omena fanabeazana sahaza azy koa ireto farany hahaizany mandray ny andraikiny amin’ny maha mpanabe voalohany azy ireo”, hoy ihany ny talen’ny ONG. Nambarany fa haingana kokoa ny fiovana misy eo amin’ny ankizy raha toa ka iaraha-miasa koa ny ray aman-dreny. Misy, araka izany, ny fanabeazana, tolo-kevitra, fampiofanana, fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo ray aman-dreny. Ampahafantarina amin’ny izy ireo ny andraikitra miandry eo amin’ny fiainan’ny zanany. Ampianarina hahay hahaleo tena sy hahay hitantanana ihany koa. Ao anatin’izany, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana sy ireo asa miteraka fidiram-bola na ny Activité génératrice de revenu.
Nanatontosa : Mino / Fitia
Nanao fivoriambe ny vondrona sendika, ny Tambaben’ny mpiasan’ny Jirama (TMJ), omaly, teny Mandroseza. Maherin’ny 3 000 ireo nanatrika ny fotoana, nifototra tamin’ny sata vaovao hifehy ny orinasa ny lahadinika. Tsy eken’ny mpiasa ny sata vaovao hamadihana ny Jirama ho lasa Orinasa tsy anavahana anarana (Société Anonyme) farany teo. Fantatra fa hiditra amin’ny fitokonana ny mpiasa raha tsy manaiky hiova hevitra ny fanjakana. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny TMJ, fa tratra farany, hifantraran’ny rihitra ny mpiasan’ny Jirama manoloana ny olana diavina amin’izao fotoana izao. Adidin’ny fanjakana anefa ny mamaha azy. Tsy misy ny fitadiavana tombony ho an’ny olom-bitsy.
Marobe ireo nandray fitenenana, ary nisy koa ny niditra mivantana tamin’ny telefaonina, toy ny Tambaben’ny mpiasa any Toliara. Ho azy ireo, ho maro ny ho lasa tsy an’asa amin’ilay fampihenana ny isan’ny mpiasa, ka vao mainka hiteraka fatiantoka. Notakin’ny TMJ ny fialan’ny tale jeneraly ankehitriny, sady nomarihin’izy ireo fa tsy nisy nikitika ny satan’ny Jirama mihitsy ny tale jeneraly nifandimby teo aloha.
Tsiahivina fa anisan’ny fepetra, mifandray amin’ny fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Tahirimbola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRD), ifanarahan’ny fanjakana sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny hamoahana drafi-panarenana ny Jirama. Ao anatin’izany ny fanovana ny sata mifehy azy, sy ny fanatsarana ny fidiram-bolany.
Njaka A.
Miisa 6 ny andiam-balala novonoina tany amin’ny kaominina Tanamary Bekisopa, distrika Ikalamavony sy Antsoha, distrika Ihosy, nampiasana helikoptera. Miisa 11 kosa ny tany amin’ny distrika Sakaraha. Nisy koa ny hetsika an-tanety natao tany amin’ny kaominina Andiolava, distrika Ihosy.
Teknika fambolena an-tanety avy any Zimbabwe ny Pfumvudza. Atao eto amintsika ny atrikasa fiofanana ho fanapariahana azy, iarahan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny ao amin’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hanapariahana ny teknika manerana ny sekoly miisa 800 eto amin’ny Nosy.
Hatao eny amin’ny foiben’ny Olep Ambatobe, ny 1-3 jolay izao, ny atrikasa Fipol. Izany dia mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny fanonerana ny fahasimbana avy amin’ny fahalotoana nateraky ny solika very an-dranomasina. Mandray anjara eny an-toerana ny minisitera sy sampandraharaha voakasika rehetra, miisa 30.
Nasehon’ny mponina any amin’ny kaominina Belalanda, Maromiandra, Tsianisiha, Ankilimaliniky ary ny kaominina Toliara I, tamin’ny filaharambe ny fanohanany ny tetikasa Base Toliara, nandritra ny fetim-pirenena 26 jona teo. Nilaza i Tealongo Stella, miandraikitra ny lafiny fahasalamana, ny aro loza ary ny maha olona ao amin’ny Base, fa « sambany nandray anjara tamin’ny filaharambe toy izao, ny mpiasan’ny orinasa niaraka tamin’ny mponina isak’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa ». Nanamafy ny tomponandraikitry ny serasera, Ramanankamonjy Laurent, fa « fanehoan’ireo kaominina ny fanohanany ny tetikasa ity diabe ity ».
Ho an’ny ben’ny Tanàna Maromiandra, Kapaïky Felix, fa « efa ela ny fiaraha-miasanay sy ny Base ». Nomarihin-dRaherisoa, ben’ny Tanàna Belalanda, fa « tsy miandry honerana vola izahay ben’ny Tanàna. Fantatray ny tena ilainay, dia ny hanohizan’ny Base Toliara ny fiaraha-miasa hitondra fampandrosoana, toy ny fotodrafitrasa maharitra, ny fanatsarana ny kaominina ». Miray ny kaominina sy ny fokontany, fa tsy mihemotra intsony satria azo antoka ny fampandrosoana entin’ny tetikasa.
Njaka A.
Nasiam-panovana ny saran’ny solika manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly. Nihena 200 Ar izany ankehitriny, raha toa ka nampakarina 10 Ar, izy io teo aloha.
Nidina indray! Araka ny fanambarana navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo, (OMH), omaly, nahitana fihenana 200 Ariary avy ny lasantsy sy ny gazoala. Nilatsaka 50 Ariary ny solika fandrehitra na ny “Petrole Lapant (PL)”. Lasa 5 320 Ar isaky ny litatra (l), araka izany, ny hanjifana ny lasantsy, raha toa ka 5 520 Ar/ l izany teo aloha. Niova ho 4900 Ar/l ny vidin’ny gazoala, raha 5 100 Ar/l izy io, ny volana jona teo. Farany, nivarina ho 3 380 Ar/l ny PL, raha 3430 Ar mialoha ity fanitsiana ity.
Natao izao ho fanohizana ny fampiharana ny fanitsiana ny vidin-tsolika hifanaraka amin’ny tena izy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny toromariky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Maro tamin’ireo mpanjifa no nankasitraka io fidinanana io, indrindra ho an’ireo olona mizaka tena, toy ny mpamily Taxi. “ Nisy akony lehibe ho anay ihany ny fidinan’ity solika ity, androany. Ary antenaina fa tsy dia hiakatra be intsony ny vidin’izy io, amin’ny volana manaraka eo”, hoy i Herintsoa, mpanamory Taxi iray eto an-drenivohitra.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy mihoatra ary tsy ho latsaky ny 200 Ar ny fiovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha ny fifanarahana natao tamin’ny FMI.
Miakatra sy midina
Ny voalohan’ny volana jona teo, nasiana fanitsiana ny vidin-tsolika manerana ny Nosy. Tamin’io fotoana io, nampakarina 10 Ar ny saran’ny solika teto Madagasikara. Nilatsaka 200 Ar anefa izany ankehitriny. Raha ny fanambarana navoakan’ny OMH, omaly, nahitana fihenana manodidina ny telo isan-jato eo ny lasantsy, (-3,63%) sy ny gazoala, (-3,93 %), ary 1,46 % ny solika fandrehitra. Mety hiova ny vidin’io solika io amin’ny volana ambony, saingy tsy fantatra na hiakatra izany na hidina.
F.R
Niara-maty ny mpamily sy lehilahy iray hafa nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, 6 km tsy hidirana ny tanànan’Ambatolampy, omaly maraina.
Nivoaka ny lalana tampoka, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray, teny amin’ny RN7, PK 62, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrikan’Ambatolampy, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Niainga avy eto Antananarivo ary nikasa hianatsimo izy ireo. Olona miisa telo no tao anatiny. “Tafavoaka ny arabe tampoka vokatry ny fandehanana mafy io fiara io”, hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny borigady misahana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena ao Ambatolampy. Nivadika tanteraka ny fiara. Maty teo no ho eo ny lehilahy iray raha toa ka naratra mafy ny mpamily. Avotra soa aman-tsara kosa ny olona iray hafa nipetraka tao amin’ny seza aorian’ny fitoeran’ny mpamily.
Niady tamin’ny fahafatesana
“Mbola nisy aina ilay mpamily tamin’ny fotoana nanavotana azy tao anatin’ny fiara”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana. Niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly ireo nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Araka ny angom-baovao, filoha tale jeneralin’ny kaoperativa Mada Omby ilay namoy ny ainy. Tomponandraikitra eo anivon’ny fikambanana Tily eto Madagasikara koa, izy. Tsiahivina, miseholany ny tranga lozam-pifamoivoizana, an-dRenivohitra hatrany amin’ ny lalam-pirenena, tato ho ato. Ankoatra ny tampoka, ny fandehanana mafy sy tsy fitandremana matetika no fototry ny loza.
Tsiferana R.
Efa fantatra ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny antsapaka, ny iray vondrona amin’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana CJSOI (Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien) hatao any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra izao. Ny taranja iraisana no nanatanteraka izay antsapaka izay, omaly maraina. Ho an’ny taranja volley-ball, ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Mayotte sy Maorisy. Ao amin’ ny vondrona B kosa no misy an’i La Réunion sy Seychelles. Azo lazaina ho mety amin’ ny ekipa malagasy tsara ireo ekipa roa iray vondrona aminy ireo, izay efa resiny avokoa tamin’ny lalaon’ny Nosy. Na izany, sokajy tanora, manodidina ny 14 hatramin ny 17 taona, no hifaninana, izay mpilalao hafa mihitsy ny ankamaroany ka ilana fahavononana hatrany. Tsiahivina fa ny sokajy vehivavy no solontenan’i Madagasikara eo amin’ny taranja volley- ball, amin’ity CJSOI hatao any Seychelles ity.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U16, izay hatao any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, i Madagasikara. Sambany no hifaninana ny ekipa vehivavy, amin’ ity sokajy U16 ity. Hahazoana ny tapakila amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany U17 ity fifaninanana ity. Miantso ny malala-tanana ny Federasionina malagasin’ny volley-ball hanohana azy ireo amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity.
Mi.Raz
Nahazo ny fankasitrahana « Fide Outstanding Contribution Award », avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja Echecs i Madagasikara. Vokatry ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny taranja eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany fankasitrahana iraisam-pirenena ho an’ity taranja ity izany.
Hotanterahina any Toamasina, ny 5 hatramin’ny 12 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Miisa 24 ireo ekipa, sokajy lehilahy, raha 20 kosa ny sokajy vehivavy no efa fantatra fa hifaninana amin’izany. Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy mahakasika ireo mpilalao ny mpanara-maso izany avy eo anivon’ny federasionina.
Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao anaty tambajotran-tseraserany, omaly, ny anaran’ireo klioba nahazo ny “Licence des Clubs” avy amin’ny Caf. Anisan’ireo nahazo izany ny Ajesaia, ny Elgeco Plus, ny FC Rouge, ny AS Avenir Ste Anne, ny CFFA. Ireo ihany, araka izany, no afaka mandray anjara amin’ny lalao afrikanina.
Notanterahina ny alahady 22 jona teo, tao amin’ny Kianja mitafo manara-penitra Vatofotsy, Antsirabe, ny andiany voalohany amin’ny “Festival des sports”. Nandray anjara tamin’izany ireo klioba 30 avy amin’ny taranjam-panatanjahantena samihafa, ao anatin’ny ligim-paritra Vakinankaratra. Nanatrika izany tany an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. “Natao izao festival izao ho fampirisihana ny tanora hiditra bebe kokoa amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa fa indrindra hisorohana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady hampisongadinana ny taranja tsirairay. Ny tanora no antoky ny fampandrosoana ny firenena araka ny vinan’ny minisitera”, hoy izy. Nohamafisiny fa ezahina ny hanapariaka ny hetsika tahaka izao any amin’ny fitaleavam-paritra tsirairay manerana ny Nosy.
Samy naneho ny talentany sy ny fahaizany, nandritra ity “festival des sports” ity, ireo klioba isan-tsokajiny. Notolorana medaly ho fankasitrahana ny zava-bitany ihany koa ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra ao Vakinankaratra.
Tsiahivina fa manana tanora sy mpilalao mendrika sy tokony hotohanana amin’ny taranja maro i Vakinankaratra. Hita taratra izany amin’ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena sy nandrombaka ny amboara isan-tsokajiny, na eto an-toerana na any amin’ny kaontinanta afrikanina sy iraisam-pirenena.
Tompondaka
Miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera ny lahatsoratra an-gazetin’ny Sport News Africa, omaly, fa naneho fihetsika tsy mendrika ny lehiben’ny kitra malagasy. Etsy ankilany, manazava ny loharanom-baovao iray fa tsy marina io filazana io.
“Iza no diso ?”. Namoaka vaovao momba ilay savorovoro nisy tamin’ny fihaonan’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny rohy iray any ivelany, “Sport News Africa” omaly. Fifandirana izay tafiditra amin’ny lalao manasa-dalan’ny “World Cola PFL 2025”. Nomarihin’izy ireo tao anatin’ity lahatsoratra ity, fa nisy ny fikasihan-tanana nataon’ny mpitantana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), araka ny fijerevana ny horonantsary sy ny filazan’ireo loharanom-baovao izay nanaovan’izy ireo fanadihadiana.
Etsy ankilany, nanao fanazavana fohy ny mpitondra tenin’ny mpitantana voalohan’ny FMF, mahakasika ny toe-draharaha nisy nandritra io fotoana io. Nodisoiny ny vaovao rehetra miely anaty tambajotran-tserasera ary notsindriny fa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, dia raiamandrenin’ny fianakaviamben’ny kitra malagasy, tsy ankanavaka.
Mpanelanelana sy mpampihavana
“Manoloana ny zava-nitranga nandritra ny manasa-dalana mandroson’ny World Cola PFL, iny, tiana ny mitondra fanazavana. Nanatrika izany lalao izany mivantana ny filohan’ny FMF. Rehefa nahita ny tenany, fa nisehoana herisetra sy fifandrangitana ary fifampihantsiana ity lalao ity, nanapa-kevitra hijoro ho mpanelanelana sy mpampihavana ihany izy”, raha ny nambarany.
Nanaiky moa ity mpampita vaovao ity, fa niakatra teny an-kianja ny filoha, noho izay fandraisan’andraikitra izay. Nohamafisiny hatrany fa nandamina sy nanasaraka ireo mpilalao izay saika hifampikasi-tanana ihany no nataon’ity mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Izay fanasarahana nataony izay, nitarin’ny olona sasany, tsy mankasitraka ny fampandrosoana ny baolina kitra, fa nikasi-tanana mpilalao ity filoha ity….
Nilaza moa ity farany fa natao hampiray sy hampihavana, fa tsy hampifandrafy ny taranja baolina kitra.
F.R
Ny hoe fanafarana entana, tsy azo afangaro amin’ny vokatra misy. Mandalo amin’ny sampandrahara manokana ny fanafarana sy fanondranana, mora kokoa ny fikajiana azy no ho ny vokatra mijanona eto an-toerana, Araka ny nambaran’ny OMC ( Organisation mondiale du commerce), taorian’ny 2005 vao fantatra ny antontanisa rehetra. Talohan’ io taona io, ireo vokatra sangany ihany no hita teo amin’ny fifampivarotana.
Fantatra ihany koa ny tetibidin’ireo vokatra hafarana sy aondrana isaky ny firenena maneran-tany. Sarotra ny manao kajy ho an’ireo entana rehetra raha tsy ampy ny fahafantarana ny momba azy .
Fanombanana ny entana nafarana na niditra dia miainga avy amin’ny tatitra ataon’ny fadintseranana izay mamaritra ny habetsaky ny entana miainga avy amin’ny firenena iray mankamin’ny firenena iray; eo koa ny harinkarena faobe ( PIB ) manampy ny tatitra ataon’ny fadintseranana. Io fanitsiana avy amin’ny alalan’ny harinkarena faobe io no ahitana ny lalam-barotra rehetra ataon’ny Malagasy sy vahiny izay tsy hitan’ny fadintseranana, ohatra, amin’ny fakana am-bavany ny hetra naloha.
Niova izao tontolo izao
Niova izao tontolo izao hatramin’ny nahavitan’ny Ady Lehibe faharoa, tamin’ny 1945. Nisy ny firenena sasany tena andalam-pandrosoana tokoa, tao ireo niova rafitra, tao ireo fitondram-panjakana niongana ary maro ireo tranga nampiova ny fiaraha-monina. Mba hahafantarana bebe kokoa izany ny fahalalana ny atontanisa momba ny mponina sy izay rehetra mahakasika izany mifandray amin’ny toekarena.
Ankehitriny, vao mainka miova izao tontolo izao eo amin’ ny fifandraisana ara-barotra. Ny ady ara-barotra eo amin’ny Amerikana sy ny firenena tatsinanana, indrindra eo amin’ny Amerikana sy ny Sinoa, izay samy goavana amin’ny varotra sy ny famoronana. Tsy hita soritra ny kaontinanta afrikanina, manana solika sy akora isan-karazany.
Mihen-danja ireo vokatra fanondrana
Nitombo 979 951 tapitrisa Ar ny fatiantoka eo amin’ny fanondranana tamin’ny taona 2024, raha 887 484 tapitrisa Ar tamin’ny 2023. Izany hoe, mihena hatrany ny fanondranana entana avy aty Madagasikara. Tamin’ny taona 2022 no tsara indrindra ary tamin’ny 2016 no ambany indrindra izany entana naondrana izany. Lavanila, jirofo, poavra, kafe ,letisia, makamba no betsaka fanondrana. Fitambaran’ ireo rehetra ireo, manodidina 65 % isan-taona. Ankoatra izay vokatry ny asa tanana, lamba fitafy samihafa ataon’
ireo orinasa afakaba, vatosoa sy harena an-kibon’ny tany (misy ny tsy ara-dalàna) sy ny vokatra hafa. Ireo, amin’ny ankapobeny, ny vokatra avy aty Madagasikara. Mankany amin’ny firenena tandrefana no maro indrindra. Ankehitriny, tsy vitsy amin’ny mpandraharaha no mitsidika ny tsena atsinanana, indrindra fa i Chine sy ireo tany arabo. Hita anefa fa mihen-danja sady miharatsy kalitao ny vokatra malagasy. Ohatra, ny kafe sy ny letisia, efa antitra ny ankamaroany, eo koa ny tsy fahampian-drano sy ny fikojakojana samihafa. Mbola maro amin’ny vidin’ireo entana ireo, vola vahiny, tsy miverina eto an- toerana noho ny tsy filazana ny marina. Kely no miditra amin’ny Banky foibe, antony iray maha maivan-danja ny vola malagasy. Mitaky fanaraha-maso hentitra avy any ifotony ny fanondranana entana avy eto an-toerana.
Voalohan-daharana ny solika fandrehitra
Eto Madagasikara, tsy sarotra ny manafatra, afa-tsy amin’ ny entana manokana, toy ny solika fandrehitra. Mety koa ny maka torohevitra amin’ny olona manana fahalalana momba izany na amin’ny fadintseranana, na koa manangona ny taratasy rehetra mety ilaina amin’izany, toy ny “Bordereau de suivi de cargaison” (BSC).
Ny entana sasany kosa, mila fahazoan-dalana manokana, toy ny fitaovam-piadiana sy ireo zavatra mety mipoaka rehetra mba hahafantarana ny momba azy manokana. Anisan’ny entana ampidirina betsaka eto ireo karazana solika fandrehitra, ny vary, ny lafarina, ny entana fampiasa andavanandro sasany, fiarakodia… Tsy misy tarehimarika azo antoka noho ireo entana ireo tsy tonga ara-potoana ary samy manana ny filazany ny mpandraharaha sy ny fampitam-baovao. Mariky ny toekarana marefo eo amin’ny firenena iray ny fanafarana entana be loatra, indrindra raha ambany ny sandam-bola, toy ny eto Madagasikara.
Nanatontosa : Mathieu
Iray amin’ireo hetsika momba ny dihy hoenti-manasongadina ny asa famoronana ny Festival international de danse de création « Evasion danse ». Fantatra fa hotontosaina ny 7 jolay ka hatramin’ny 13 jolay izao, eto Madagasikara ny andiany fahatelo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fihaonana sy fifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny dihy. Fampisehoana an-tsehatra maro. Fifaninanana isan-karazany ary ny fiofanana « Master class ». Toerana efatra kosa no handray ny « Evasion danse ». Ao amin’ny Institut Français de Madagascar Analakely (IFM). La Teinturerie Ampasanimalo, Tranompokonolona Analakely.
Anisan’ny mampiavaka ity hetsika ity ny fanomezana laka ny fifanakalozana sy famohazana ireo talenta any amin’ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny famoronana. Ankoatra ireo mpandray anjara avy eto an-toerana (Mireille Andriamihaja, Niony Ralaizanaka…), hisy mpanakanto mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny dihy avy any La Réunion, Afrika Atsimo, Frantsa… Maorisy ihany koa ho avy amin’ity andiany faha-3 ity.
HaRy Razafindrakoto
Ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely. Seho poetika « Fanjohy » niarahana tamin’i Mampandriniaina Manitra, Elinivo, Ranöe ary R.Coft. Anisan’ny nisongadina nandritra ity seho nokarakarain’ny Faribolana Sandratra ity ny nahatsapana fifandrohizana aingam-panahy teo amin’ireto mpanoratra ireto.
Na samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy eo amin’ny tontolon’ny soratra aza, nifanjohy hatrany ireo sanganasana nantsaina teny an-tsehatra. Fifandrohizana tao anatina lohahevitra nifandimby. Anisan’izany ny tontolon’ny fitiavana, ny fiainana andavanandro indrindra fa ny zava-miseho eo amin’ny fahatanorana, sns.
Tsy mitovy ny taona sy ny fotoana nirotsahana teo amin’ny fanoratana. Tsy nahasakana ny fifandrohizana sy fifanjohina teo amin’ny seho poetika akory izany. Azo lazaina ho zandry i Elinivo. Eo antenantenany i Mampandriniaina Manitra sy R.Coft. Zoky sy raiamandreny i Ranöe, fa nirindra sy nifanjohy fatratra ny sanganasan’izy ireo ka nahafahan’ny mpijery nihanoka tao anatin’ny hakanton’ny fifandrohizana. Niavaka rahateo ny ravaka sy ny fandrindrana ny sehatra, hany ka mora ny nampita hafatra ho an’ny mpijery. Nomena endrika toeram-pisotroana zavapisotro ny sehatra malalaky ny Cercle Germano-Malagasy, ka sady misotro izy ireo no miantsa.
HaRy Razafindrakoto