Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”.
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitaterana sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Mangalaza Eugène Régis, mpikambana eo anivon’ny mari-boninahi-pirenena ary notronon’ny solontenam-panjakana maro ao Toamasina. Nambaran’ny minisitra fa tsy tambo isaina ny zava-bitan’ny Spat ho an’ny tanànan’i Toamasina sy ny firenena. Ny 80 isan-jaton’ny fanondranana any ivelany sy fampidirana entana dia teto amin’ny Spat avokoa. « Matoa maro toy izao ianareo mpiasa nahazo mari-boninahitra dia vokatry ny fahaiza-mitantana », hoy ny tale jeneraly. Nohamafisiny fa afaka fotoana fohy, hahatratra hatramin’ny iray tapitrisa ny kaontenera hiantsona ao amin’ny seranan-tsambo. « Feno ny fepetra amin’ny tanjon’ny Spat, ny voalohany indrindra dia ny maha olona, faharoa ny fahaiza-mitantana ary ny fahatelo, fotodrafitrasa », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy famatarana ny toetr’andro. Nitodika tamin’ireo mpiara-miasa aminy niara-nandray ny mari-boninahitra sy medaly ny tale jeneraly, Avelin Christian. « Ny adidy masina, ny andraikitra voninahitra, tsy mandeha ho azy ny atao hoe olo-mendrika dia mametraka ho zava-dehibe an’ ireo fahatsapana ny andraikitra nankinina amin’ny tena ary ny fanatanterahana izany an-kitsim-po », hoy izy. Eo koa ny fahaizana mamadika ny andraikitra ho vokatra ny firaisana vina sy tanjona amin’ny orinasa, ary ny fanajana eo anivon’
ny samy mpiara-miasa, Tsy mandeha ho azy kanefa izany fa mila fianarana, finiavana, fahaiza-miaina, fandeferana fa indrindra ny fiezahana ny hanao ny tsaratsara kokoa hatrany.
Sajo
Mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ izao fotoana. Miavaka amin’ny alika hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana.
“Miha mitombo hatrany ny olona tia miompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, nandritra ny hetsika teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny alika mahazatra izy ireny fa mila fikarakarana manokana nefa tsy mahasakana ny olona hiompy azy izany. “Manana ny maha izy azy ireny karazan’alika ireny satria fantatry ny tompony ny toetrany sy ny razambeny”, hoy hatrany izy. Manodidina ny 30 eo ho eo ny karazan’alika tsara karazana efa misy eto Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Efa mahatratra aman-jatony kosa izany maneran-tany, raha ny tatitra voaray hatrany. “Misy antony manokana ny hiompiana ny chien de race”, hoy ny filohan’ny fikambanana ACYM, Herilala Mana Jean. Misy ireo natao hihaza, ny ho naman’ny olombelona, “chiens d’aveugle”… Misy kosa ireo misafidy ny hampanao “promenade” fotsiny ny alikany, eo koa ny alika natokana ho mpiandry tanàna fotsiny…
Alika be mpisafidy sy be mpiompy indrindra ny karazan’alika Berger allemand. Manaraka azy ny Rottweiller. Tia alika ngeza sy lehibe ny Malagasy ka antony mahatonga izany. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny alika mpiandry tanàna ihany koa izy ireny ka mahatonga ny maro hisafidy azy ireny, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, alika afaka mamaly ny toetr’andro misy eto no tena be mpiompy. Maro ny antony mandrisika ny olona iray hiompy alika tsara karazana. Anisany, ny fitiavana ilay karazan’alika sy ny fitodihana any amin’ny fiambesana tanàna. Etsy ankilany, tafiditra ao anatin’ny fiompiana mety amin’ny toetr’andro sy toe-tany misy eto Madagasikara ihany koa ireny karazan’alika ireny. Na izany aza, misy ireo karazany izay tsy mety loatra amin’ny toe-tany eto amin’ny Nosy. Toy ny Lévrier, izay alika natao ho amin’ny fifaninanana hazakazaka. Eo ihany koa ny alika natao hompiana any amin’ny tany mangatsiaka, toy ny Husky sy ny Chien Bernard. Tsy dia manaitra ny olona loatra ny fiompiana azy ireny.
Maharisika ny maro ny manofana alika ho haingon-trano
“Efa tia miompy sy mitaiza alika chien de race efa hatramin’ny mbola kely aho”, hoy Sameva Christiana. Anisan’ny nosafidiana entina ety amin’ny hetsika ny alika karazana Bouledogue francais. “Efa nikoriana tao anatin’ny ra mihitsy izany fitiavana azy izany ka antony nandrisika ahy hiompy “, hoy hatrany izy. Nambarany fa fitiavana aloha ny voalohany indrindra alohan’ny hitaizana ny alika iray. Sady fialamboly no azo atao fitadiavam-bola ihany koa izy ireny. Miankina amin’ny filan’ny tompony ihany ny faharetan’ny fotoana sy ny vola lany mandritra izany. Ho azy manokana, vary sy legioma ary hena ny sakafon’ny alika. Ankoatra izay, ilana fikarakarana manokana izy ireny, toy ny fanaovana vaksiny sy ny fampandroana azy.
Tafakatra 1 tapitrisa Ariary ny fikarakarana
Maro amin’ny Malagasy ny te hanana alika tsara karazana fa tsy maharaka ny vola eo am-pelantanany. Amin’ny ankapobeny, tokony ho vonona handany roa hetsy Ariary isam-bolana fara-fahakeliny isaky ny alika iray ny olona raha te hiompy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpiompy iray nanontaniana. Mahatratra 5 hetsy hatramin’ny 1 tapitrisa Ariary mahery eo kosa izany, raha mitombo ny taonan’ny alika iray. Tena mahalafo ny vidin’alika ny fandaniam-bola amin’ny fikarakarana azy ireny, ny fitsaboana sy ny fitondrana azy any amin’ny mpitsabo biby ary ny halafon’ny sakafony.
Nanatontosa: Mino
Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, tamin’ity. Faharoa ny ekipazy ASA Tana/Asacm, nisy an’i Daniel sy Iando, nitondra ny Subaru, izay nahavita izany, 1 ora 41 mn 38.3 s. Fahatelo i Aro Kiady sy i Fanja, mpanamorin’ny klioba Asacm, nitaingina ny Subaru ihany koa. Tara 8 mn 00.9 s taorian-dry Faniry vao tonga ry zareo. Tsiahivina fa fiara 13 sisa no tonga hatramin’ny farany tamin’ity Rallye Motul ity. Ho an’ny SSV, lasan’i Jacques Ferré sy ny Canam Maverick ny fandresena.
Tompondaka
Nandefa taratasy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo, ny depiote avy amin’ny fanoherana. Miompana amin’ny fampiantsoana ireo minisitra miisa telo izany.
Anisany nampanantsoin’ny depiote Firaisankina ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola hanontaniana ny momba ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibola amin’izao fivorian’ny Antenimiera roa tonta izao. Ny resaka momba ny fitakiana ireo Nosy malagasy no anontaniana ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary ny tetikasa Base Toliara itakin’izy ireo ny mangarahara no ifampidinihina amin’ny minisitry ny Tontolo iainana. Tokony hotanterahina ny alarobia izao izany fifanatrehana takin’ny depiote mpanohitra izany. Nambaran’ny depiote Firaisankina, Rabenirina Jean Jacques, fa efa napetraka eny amin’ny birao maharitra ny fangatahana fampiantsoana minisitra. “Anjaran’izy ireo ny miantso ireo minisitra nefa ohatra ny miaro ny mpanatanteraka ny birao maharitra ary manahy fitsikerana… Efa nalefa any ka tsy nanao ny asany izany ireo birao maharitra raha tsy tanteraka izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy nanao ny asany izany ny eo anivon’ny birao maharitra.
Tsy anaty lahadinika
Etsy andaniny, nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, kosa anefa fa tsy ao anatin’ny lahadinika efa nolaniana teo aloha izany fangatahan’ny mpanohitra hihaona amin’ny minisitra izany. “Mbola hiditra amin’ny lahadinika faharoa izao ny eny Tsimbazaza ka ho hita eo izany. Tsy mbola nisy fampiantsoana minisitra aloha hatreto…”, hoy izy.
Tsiahivina fa hifanatrika ny depiote sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny 12 sy ny 13 jona izao.
Synèse R.
Tovolahy iray mamelona vady aman-janaka amin’ ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy sy melamina, Randrianandrasana Miarisoa, tompon’ny orinasa AMC Deco-Design. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, tetsy Tsiadana, efa ho 24 taona teo izay izy ireo no nanao ity asa ity. Nilaza moa ny tenany, fanatsarana ny zava-bitan’ny rafozany, nitsirian’ilay hevitra, hanangana orinasa mpanao fanaka vita amin’ny vy.
« Niatombohanay avy amin’ny rafozako. Efa nanao io asa io efa aman- taonany maro izay ry zareo, ary ny fanamboarana vavahady no tena nataony. Rehefa manao ny asany izy ireo, mahita fanatsarana hatao hatrany aho, ary noraisiko ho ahy izany, mba hananganako ny orinasako manokana, ary ny fananganana fanaka vita amin’ny vy no tena nilofosanay, tamin’izany», hoy Randrianandrasana Miarisoa.
Notsiahiviny fa ny taona 2001 no nanokafan’izy ireo ity orinasa manamboatra fanaka ity, ary tamin’izay ny latabatra “console” nataon-dry zareo voalohany. “Tadidiko tamin’izay andro izay, nisy mpanjifa iray nanafatra ireny table console ireny. Efa nanana maodely harahina moa izy ireo, ary niezaka namoaka izany izahay. Afapo tanteraka ilay mpividy tamin’izany fotoana izany”, hoy hatrany ity lehilahy ity.
Ankoatra izay, nampahafantariny ihany koa ireo fitaovana ilaina amin’ny fikirakirana vy sy melamina. Raha ho an’ny vy manokana, ilaina ny manana “poste soudure”, ny tsofam-by, ny “meule”, ny “etaux”, …Anisan’ny singa miasa amin’ny melamina kosa, ny “visseuse” sy ny “défenceuse”.
Efa niasa…fa niala
Nomarihin’ity mpandraharaha iray ity, fa efa niasa tamin’ny orinasa iray ny tenany teo aloha. Nahavelona azy tsara izany, saingy nanapa-kevitra izy sy ny vadiny ny hanangana ny azy ireo manokana fa tsy hiankina amin’ny hafa.
“Somary mafy ihany ilay hoe niala tamin’ny asa nahavelona anao, saingy rehefa vonona ny hanangana ho an’ny tena, tsy maintsy mirisika. Ny fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana ihany koa, tsy ilana fahakiviana satria indraindray maty antoka ary matetika mahazo tombony”. Raha ny nambaran’i Miarisoa hatrany.
Tsy nanana eritreritra ny hanao izao moa izy, taloha, raha ny filazany, ary maro ny zavatra nianarany tany am-pianarana sy nakana fahaizana manokana, nefa rehefa misy ny zavatra tiana ho hatao, ezahina ny hahatafavoaka azy.
Hanitatra
Manana faniriana ny hanitatra ity asa ity ity tanora malagasy iray ity, saingy hojereny miandalana eo ihany izany. “Tsara ny mampahatsiahy fa ny fahamasahan’ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy no nampiezaka anay hanamboatra zavatra atao amin’ny melamina”, hoy izy. Nanamafy kosa anefa ry zareo fa tsy hifanalavitra amin’ny asa tanana ihany ilay tetikasa vaovao hatao.
Nisokatra ny 12 mey teo ny taom-panjonoana horita any amin’ny Faritra arovana Nosy Hara, kaominina Andranovondronina, distrika Antsiranana II. Mitantana ity Faritra arovana ity ny Madagascar National Parks (MNP). Nitontaly 36,544 taonina ny vokatra azo tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana io.
Fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono any an-toerana izany satria nitombo ny haben’ny hazandrano. Nisy mpanjono nahazo horita hatrany amin’ny 4 kilao ny iray. Nahavita nanangona 80 kilao ny mpanjono iray tamin’io andro voalohany io. Manaporofo ireo fa tena ilaina ny fanakatonana ny fanjonoana ao anatin’ny fotoana voafetra. Manamarina ihany koa ny fahombiazan’ny fitantanana maharitra ny Nosy Hara ataon’ny MNP. Satria miteraka asa fivelomana ho an’ny mponina any ifotony ary mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra sy ho an’ny firenena manontolo. Mbola hitohy ny fanaraha-maso hiantohana ny seha-pihariana jono maharitra, mifanaraka amin’ny fitsipika napetraka, ho fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina ao amin’ny Nosy Hara.
Njaka A.
Mibahan-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifampiraharahana amin’ny lafiny haban-tseranana. Manoloana izany, nitsidika teto Madagasikara ny delegasiona sinoa, tarihin’ny minisitra lefitra miadidy ny Fitantanana foibe ny ladoany, Wang Lingjun, ny 14-16 mey teo. Manan-danja ity fitsidihana ity, nanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, tsy mitanila sady samy ahazoan’ny roa tonta tombontsoa. Nandray azy ireo ny tale jeneralin’ny haban-tseranana malagasy, Zafivanona Lainkana Ernest. Nilaza ny minisitra lefitra, Wang Lingjun, fa tonga eto izahay hanatanteraka fiaraha-miasa matotra amin’ny lafiny fadintseranana.
Maro ny lafiny fiaraha-miasa noresahina. Ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, ny fampihenana ny sakana mahakasika ny lafiny fitantanan-draharaha, ny fanamafisana ny fampifandraisana ny tambajotra eo amin’ny sampana ladoany, sns. Tanjona ny hiarahan-kiasa mafonja eo amin’ny roa tonta, mifototra amin’ny fifampitokisana anaty mangarahara, miteraka fampandrosoana ifampizarana.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafitrasa stratejika ny fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy mandritra ny 5 taona (2025-2029) ity fiaraha-miasa ity. Paikady mitodika any amin’ny fanatsarana ny vokatra, ny fikarohana zava-baovao ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Njaka A.
Le projet Base Toliara ayant toujours suscité la polémique dans le Sud de Madagascar, le président Andry Rajoelina n’a pas manqué de clarifier les doutes sur le sujet, samedi dernier lors de son passage à Ankilimalinike.
Andry Rajoelina s’est entretenu directement avec la population d’Ankilimalinike où le projet sera mis en œuvre. « Les grandes exploitations minières qui n’apportent aucun bénéfice, ni à la population, ni au pays ne seront plus acceptées. Je faisais partie de ceux qui se sont battus pour la suspension de Base Toliara, si cela n’avantage pas la population », a-t-il clamé. « Après les négociations pendant 5 ans, une somme de 18 milliards d’ariary par an sera versée pour des bonnes actions et des infrastructures dans toutes les communes », a soulevé le chef de l’Etat.
Andry Rajoelina a également écouté, parlé et reçu le colonel Fanampera, entre autres, parmi ceux qui contestent le projet Base Toliara. « Ce n’est pas une explication mais une déclaration qui a été donnée au peuple », d’après le colonel Fanampera. « Si la population conteste le projet Base Toliara, c’est qu’il y a une raison. La population n’est pas forcément opposée au projet mais les informations qui lui ont été données n’ont pas été suffisantes », a annoncé le colonel Fanampera lors de sa prise de parole.
Ainsi, le bureau du maire sera démoli pour devenir la plus grande commune dans la région de Toliara. Du côté de l’enseignement, des EPP, CEG et lycées manarapenitra seront également bâtis et les élèves seront dotés de fournitures gratuitement grâce aux négociations et à l’exploitation minière. Il y aura également la construction d’hôpitaux manarapenitra où les soins seront gratuits, des éclairages publics et une formation pour les jeunes sur la productivité agricole. D’après le locataire d’Iavoloha, « De nombreuses négociations sur les mines ont été entamées (…) Je ne gagne même pas 1 dollar dans ce projet, c’est pour la génération du Sud ».
Il est désormais clair pour la population que ce projet n’aura aucun effet négatif. Lorsque le président a interrogé la population, les deux parties ont convenu que le projet représente beaucoup d’avantages pour le pays.
N.A
Les attentes par rapport aux Journées des branches de production nationale sont allées au-delà des espérances puisque plus de 50 entreprises bénéficiaires des mesures de protection de l’ANMCC ont participé à cet événement, ainsi que 14 entreprises « Odof ».
«Le nombre des visiteurs a atteint les 20.000, bien loin des 6.000 estimés précédant l’événement », a affirmé Barthélémy, directeur général de l’Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales (ANMCC). « Nous pouvons dire sans ambages que les objectifs ont été atteints (…) Les entreprises participantes ont été satisfaites des ventes réalisées, au point pour la majorité d’entre elles, de souhaiter vivement un remake de l’événement » a-t-il déclaré. Sur ce dernier point, le DG de l’ANMCC a avancé que cela reste encore à voir, sachant que le rôle de l’ANMCC ne va pas dans ce sens, mais plutôt d’effectuer des enquêtes et ensuite mettre en place des mesures de protection dans le but d’équilibrer la concurrence commerciale.
Les entreprises malgaches face à une menace
« Les conférences organisées lors de cet événement ont captivé l’attention du public. De nombreuses personnes y ont assisté en se tenant debout, vu que le nombre de places assises était limité à 150 », a fait savoir le DG de l’ANMCC. Il a mis l’accent sur l’importance des mesures de protection, surtout avec la guerre commerciale qui prévaut à l’international, ce qui fait qu’aucune entreprise n’est à l’abri des menaces y afférentes.
La majorité des entreprises à l’étranger sont en quête de marché, ce qui expose Madagascar à une forte affluence de produits importés, vu que le pays est ouvert aux échanges commerciaux. « Par rapport à cela, l’ANMCC est sur le qui-vive et se porte garante de la protection des branches de production nationale » a spécifié le DG. Il a également avancé qu’une enquête sur les tomates transformées en ketchups et autres, a déjà été entamée ainsi que pour d’autres produits dont il s’est abstenu de lister, pour éviter que les entreprises concernées s’en méfient. Le but étant de savoir s’il est nécessaire de mettre en place des mesures de protection par rapport à ces produits ou non.
Jean Riana
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny fivoriamben’ny Kaomity olympika malagasy (Com). Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny federasionina miisa 27, mandrafitra ity kaomity iray misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tafaverina eo anivon’ny Com ny taranja taekwondo WT.
Raha tsiahivina, tsy nankatoavin’ny Kaomity olympika, noho ny fandavan’ny iraisam-pirenena azy, ity taranja iray ity, teo aloha. Efa manana filoha vaovao ankatoavin’ny Com ny taranja ankehitriny, ary efa niatrika avy hatrany ny fivoriambe izay natao omaly, teny an-toerana, i Lamina Boto Tsara Dia, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo (FMTKD) WT.
Efa nalefa any amin’ny rafitra iraisam-pirenena avokoa ny antontan-taratasy manamarina fa ankatoavin’ny Kaomity olympika malagasy ny Taekwondo WT.
Marihina fa hetsika fanaon’ ny Com isan-taona ny fanaovana fivoriambe tahaka izao, handinihina ireo sata mifehy.
Ninah (Mpianatra asa)
Hiditra amin’ny dingana famaranana, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fifaninanana nasionaly N1A, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny ny ekipan’ny MB2All Analamanga sy ny ekipan’ny GNBC Analamanga.
Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena malagasy miatrika ny Grand Slam, taranja Jiu-jitsu Brezilianina, any Abu Dhabi. Tsiahivina fa manana solontena
3 lahy i Madagasikara. Ahitana an’i Chafik Mohammad, Rasamy Andy ary Rasamy Brayan.
Hotontosaina anio sy rahampitso, eny Andraharo, ny “Orange MPPTour 100”, fifaninanana tenisy anaty efitrano na Padel. Araka ny fanazavana azo, miisa 72 ireo mpilalao ho avy eny an-toerana. Marihina fa natao hampiakarana ny lentan’ny mpilalao eto Madagasikara izy ity.
Voahosotra ho tompondakan’i Espagne, ny ekipan’ny FC Barcelone, afakomaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny RCD Espagne. Tsiahivina fa mbola manana lalao roa ny Barça. Saingy tsy ho tratra intsony ny isa hananan’izy ireo ka tompondaka alohan’ny fotoana ry zareo.
Hotanterahina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na « PFL 2025 ». Tsy misy kajikajy intsony fa tsontsorimamba isarahana izy ity. Hanafika ny Elgeco Plus eo an-jaridainany ny Ajesaia Bongolava, amin’ity anio ity. Fihaonana hiendrika famaranana kely satria hidona ny samy sangany. Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, hanala vela ny boaikelin’i Bongolava amin’ity. Hanatombo ihany koa ny Elgeco Plus. Izy ireo izay hilalao eo an-jaridainany. Mialoha izay, hifanazava ny Mama FC sy ny Fosa Jr Boeny. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta ka heverina fa ho resy izay tsy tsara fiomanana. Rahampitso alahady, hifanehitra ny Cosfa sy ny Disciples FC. Eto no hanala ny velany ny Bebaoty izay efa lavon’ity ekipan’i Vakinankaratra ity. Ambaran’ny maro fa lalaon’ny mpanazatra izy ity, satria samy teknisianina ny eny ambony kianja. Aorian’io, ny lalaon’ny CFFA sy ny AS Fanalamanga.
Tompondaka
Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu breziliana. Hisy koa ny fifaninanana eo amin’ny haiady “pancrace” sy “boxe anglaise”.
Tonga ireo vahiny nasaina, raikitra ny fifaninanana! Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no tonga eto Madagasikara hiatrika ady, manoloana ny Malagasy mpikatroka. Nambaran’ireto vahiny mpikatroka fa maika izy hiatrika ny ady, anio, ary miandry mafy ireo mpifanandrina amin’ izy ireo. Anisan’izany ny sokajy vehivavy, izay hifandona amin’ i Nofy Erica. Raha hiverenana ny eo amin’ny sokajy lehilahy, hisy ilay “Tournoi absolute”, ady tsy misy sokajin-danja fa afaka mifandona avokoa ny rehetra ka izay mpandresy amin’ny farany no tompondaka handrombaka ilay Cash prize mitentina 700 000 Ar. Ankoatra ny Jiu-jitsu, handraisana anjara amin’ny fifaninanana ihany koa ny taranja “pancrace” sy ny “boxe anglaise” izay taranja ampianarina ao amin’ny Guerreros, mpikarakara ny hetsika.
Nizara ny traikefany i Eric Noël
Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny taranja Jiu-jitsu, nizotra araka ny tokony ho izy ny seminera natolotr’i Eric Noël, manam-pahaizana kanadianina sy Radafy Ranaivo, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nahaliana an’i Eric Noël ny talentan’ny Malagasy mpikatroka ary nahafaly azy ny nizara izay fahalalana hainy sy hitany fa hampiakatra ny lentan’ny Jiu-jitsu malagasy. Nisy mpikatroka avy amin’ny taranja hafa ihany koa nandray anjara tamin’ity seminera ity.
Mi.Raz
Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana saingy tsy lasa alavitra. Natao ny fisavana, nahatrarana rongony teny aminy. Nitoroka ny namany roa lahy izy. Mpivarotra rongony ao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimangakely, izy ireo. Natao ny vela-pandrika. Sarona koa, ireo roa lahy namany. Niara-natao fanadihadiana, voamarina fa samy efa nigadra teny Antanimora ireo voasambotra ireo. Mivarotra rongony ny atoandro ary manao asa ratsy ny hariva. Natolotra ny fampanoavana ka niara-voatazona vonjimaika eny am-ponja.
Tsiferana R.
Regroupant 27 métiers essentiels qui constituent l’ossature des services communaux, le référentiel métier des agents communaux, a été présenté officiellement, hier au ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du territoire à Anosy.
Ce projet initié par l’Institut national de la décentralisation et du développement local (INDDL), a été réalisé en collaboration avec la GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit), avec la participation active des représentants des agents communaux. L’objectif est d’optimiser la coordination et l’efficacité de la gestion communale, à travers tout le pays.
Ce document définit clairement les rôles, responsabilités et compétences de chaque agent en poste. C’est un outil fondamental pour renforcer leur professionnalisation et améliorer la qualité des services offerts aux citoyens. Il servira de base au programme de formation et lors de l’évaluation des agents, assurant ainsi une administration locale plus cohérente, transparente, répondant aux besoins des communautés.
Au cours de la cérémonie, des attestations de reconnaissance ont été remises aux agents communaux ayant contribué de manière significative à l’élaboration de ce référentiel. Leur expertise et engagement ont été essentiels pour garantir la pertinence et l’opérationnalité de cet instrument.
F.M
La réhabilitation de la RN10 longue de 92,90 km reliant Andranovory-Toliara à Ambovombe Androy est sur les rails. Sous l’égide du président Andry Rajoelina, la pose de la première pierre a eu lieu hier à Ampanihy pour marquer le début des travaux. Pour le président de la République, les chiens aboient, la caravane passe.
« La voie du développement est toute tracée actuellement. Les opposants ne pourront pas nous empêcher et si nous avancerons ensemble, Madagascar doit avancer », a déclaré le chef de l’Etat.
« D’ici trois ans, les meilleures routes à Madagascar se trouveront dans la partie Sud de l’Ile», a clamé le président. « On a l’impression d’être au moyen âge à Ampanihy, mais on va changer tout ça. Les critiques ne nous empêchent pas d’avancer et les détracteurs de réaliser les travaux pour le peuple », a-t-il affirmé.
« Ceux qui travaillent pour le peuple avancent, mais les critiques futiles entravent le développement qui commencera ici à Ampanihy. Les habitants bénéficieront de nombreuses infrastructures, de la sécurité sociale et de la paix », a indiqué Andry Rajoelina.
Les travaux de construction de 416 km de la RN10 entre Andranovory à Ambovombe, seront achevés d’ici trois ans. Mais depuis 2023, plus de 200 km ont déjà été réhabilités.
Outre la réfection des routes, le chef de l’Etat a annoncé la construction d’un hôtel de ville « manaram-penitra » à Ampanihy. La ville sera également éclairée par des lampadaires, et des camions et bennes arriveront dans une semaine qui vont assurer le ramassage des ordures.
N.A
Le Premier ministre Ntsay Christian et son gouvernement, seraient-ils de nouveau menacés par une motion de censure ? Depuis quelques jours, l’idée est relancée par quelques députés « dissidents » de la majorité présidentielle sans pour autant convaincre leurs pairs.
Il ne s’agit pas de rumeurs. Actuellement en pleine session ordinaire, les tractations s’intensifient à Tsimbazaza, en vue de collecter les signatures requises, de la moitié des membres composant l’Assemblée nationale, soit 86 députés sur 163, pour que la motion de censure soit soumise au vote, 48 heures après son dépôt.
Et derrière ces manœuvres politiques destinées à déboulonner le Premier ministre, Ntsay Christian et son gouvernement, des députés « frondeurs » au sein même de la majorité présidentielle, soutenus par une poignée de députés qui se disent centristes.
Jusqu’à hier tard dans la soirée, la situation n’évolue guère à l’Assemblée nationale. Aucune motion de censure n’a été déposée. Visiblement, cette nouvelle tentative semble vouée à l’échec. Ils peignent à convaincre les autres, notamment les députés Irmar, qui ne cautionnent pas cette idée de censurer et de renverser le Premier ministre. En un mot, faire usage d’une telle arme parlementaire visant l’Exécutif, ne fait pas l’unanimité au sein de la majorité présidentielle.
Selon nos sources, malgré cette réticence manifeste généralisée, les initiateurs de ce plan machiavélique, poursuivent leurs tractations, auprès des députés de l’opposition qui restent en embuscade, mais prêts à saisir l’occasion de faire tomber le gouvernement, au cas où cette motion de censure, serait soumise au vote. Comme s’ils ne veulent pas s’engager dans une telle démarche qui a peu de chance d’aboutir.
Rappel à l’ordre
Mais très vite, les ténors de la majorité présidentielle, ont interpellé ces députés de l’Irmar, à faire marche arrière. Ces derniers ont même été rappelés à l’ordre qui se sont déjà engagés à respecter la discipline du parti. D’ailleurs, ils risquent gros en cas de retournement de veste, selon toujours nos sources. Plusieurs députés sollicités à ce sujet, ont choisi de ne pas s’exprimer, laissant entendre toutefois, que cette tentative de motion de censure, pourrait être avortée.
A rappeler que ce n’est pas la première fois qu’une motion de censure à l’encontre du gouvernement, se trame à l’Assemblée nationale, mais force est de constater que le gouvernement Ntsay a toujours survécu.
C’était le cas en décembre 2022, quand 105 députés ont voulu censurer l’Exécutif, en invoquant notamment le non-respect de la Constitution, la non-réalisation de la politique générale de l’État et les défaillances dans la gestion des affaires nationales. Et cette motion a été rejetée par la présidente de l’Assemblée nationale de l’époque, Christine Razanamahasoa, qui avait jugé la procédure irrecevable au regard des dispositions constitutionnelles. De même, en mars 2022, les députés du parti Tiako i Madagasikara, minoritaires à l’Assemblée, ont tenté de déposer une motion de censure, sans succès.
Rakoto
Mihamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatra indroa isan’andro izany, maharitra adiny iray fara-fahakeliny. Voalaza fa mihena ny haavon’ny rano mamatsy ny milina mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Voafetra anefa ny solika ampiasaina manodina ireo milina manodina herinaratra, antony mahantonga ny fanapahana mihodina. Voakasik’izany koa anefa ny faritra maro manerana ny Nosy.
Araka ny lalàna mifehy, tsy mihoatra ny 10 000 euros, na ny mitovy sanda aminy raha vola vahiny hafa, ny fetra farany ambony azon’ny mpandeha fiaramanidina entina any ivelany. Voakasak’izany ny olon-tsotra, fa misy kosa ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy harahina ho an’ny mpandraharaha, raha antony fandraharahana na noho ny fihariana ataony no hivoahana any ivelany, ka mitondra vola mihoatra an’io fetra io.
Nitsidika ny toerana hiasan’ny tetikasa SLEM, hiarovana ny Tandavanala Cofav (Ambositra-Vondrozo), ny tale mpanatanteraka ny Green Climate Fund (GCF), Mafalda Duarte, ny herinandro lasa teo. Nahafa-po azy ny fihaonana mivantana tamin’ireo VOI any an-toerana, nahitany ny vokatra nentin’ny tetikasa amin’ny fitantanana maharitra ny ala voajanahary Cofav sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina.
Miha mahazo vahana ny seha-pamokarana eto amintsika, hatramin’ny nametrahana ny fepetra fiarovana ny indostria. Manomboka mihena ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara, mitombo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa malagasy ho an’ny mpanjifa. « Ny taona 2018, taona nametrahana ny fepetra fiarovana, manodidina ny 45 000 taonina ny paty nafarantsika ary 7 000t monja ny vokatra avy eto an-toerana. Ankehitriny, tafakatra 70 000 t ny vokatra ary latsaka ny 7 000t sisa ny hafarana », hoy ny tale jeneralin’ny Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANMCC), Barthélemy, omaly. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Andron’ny seha-pamokarana, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, no nilazany izany. “Vahaolana ny fampiroboroboana ny orinasa sy ireo milina mpanodim-bokatra handrindrana ny famokarana amin’ny hoavy sy ny fiarovana ny indostria malagasy”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Fotoana ahafahana midinika momba ny fepetra fiarovana sy hizaran’ireo orinasa efa nisitraka izany ary ny ezaka vitany ny telo andro anaovana ny hetsika.
Tantsoroka
Vonona hanome tantsoroka sy hanampy amin’ny fananganana orinasa ny minisitera MIC sy ny ANMCC. Andraikitr’ity farany ny miantoka ny fiarovana ny famokarana eto an-toerana ho an’ny tombontsoam-pirenena. Ankehitriny, misokatra ny lalam-barotra manodidina an’i Madagasikara hahafahana manondram-bokatra any ivelany. « Na izany, mila jerena ny kalitao sy ny fenitra takina», hoy ny minisitra Ralambofiringa David. Nanamafy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana, fa “afaka mifaninana amin’ireo avy any ivelany ny vokatra malagasy, saingy mila hajaina ny fitsipiky ny fanondranana”.
Henintsoa