Misokatra amina sehatra lehibe ny tontolon’ny kolontsaina malagasy, raha tarafina amin’ny olona liana aminy. Nanamafy izany ny hita nandritra ny velakevitra momba ny sikidy nataon’ny Pr. Rakotondrajao Fanja izay nilazany ny heviny momba io kolontsaina io…
«Ny sikidy dia matematika. Misy ifandraisany amin’ny informatika ihany koa izy, satria, mampiasa ny fanisana « binaire » », hoy ny Pr. Rakotondrajao Fanja, nandritra ny velakevitra notontosaina teny amin’ny Le Park Bemasoandro Itaosy ny harivan’ny sabotsy faran’ny herinandro teo. Noho izany, harem-bakoka tsy tokony hamaivanina izy io. Vao mainka nanafana ny fiarahan’ireo olona maro liana amin’ny sikidy sy ny Pr. Rakotondrajao Fanja ny fanazavana nataon’Ingahy Jeannot, mpisikidy, tonga teny an-toerana. Nanamafy ny asa fikarohana nataon’ny Profesora Rakotondranjao Fanja ny fanazavany, indrindra teo amin’ny fifandraisan’ny kajy sy ny sikidy. Nahaliana ny maro ny fanazavany, izay niafara tamin’ny fampiarana tsotsotra ny momba ny sikidy.
Marihina fa tsy mpisikidy akory ny Pr. Rakotondrajao Fanja fa nanao fikarohana momba ny sikidy. Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite. Efa namoaka boky momba ny sikidy rahateo izy.
Manomboka mivelatra ny kolontsaina malagasy
Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Le Park Bemasoandro Itaosy. Tranga izay maneho fa liana amin’ny kolontsainy ny Malagasy. Nifanaretsaka ny fanontaniana… Nafana ny fifanakalozan-kevitra narahina adihevitra. Mbola manamafy fa tsy mionona fotsiny amin’ny fahalalana efa ananany intsony ny Malagasy fa te hiroso lalindalina hatrany mba ahafahany mahafantatra ny momba azy.
Maniry ny hanana fahalalana maro momba ny kolontsainy ny Malagasy indrindra fa ny tanora. Noho izany, mila hamaroina ny tahaka ity velakevitra tao amin’ny Le Park Bemasoandro ity. Tahaka izany koa, tokony hifanakaiky sy hifanakalo traikefa sy voka-pikarohana tsy tapaka hatrany ny samy mpikaroka. Maneho ny vokatra ho an’ny rehetra aorian’izay.
HaRy Razafindrakoto
Mandalo « laboratoire » sy atao fitiliana isaky ny ora iray ny menaka vokarin’ny orinasa Hita. Manara-penitra ny famokarana sady mandalo fanadiovana samihafa mialoha ny hamarotana izany eny anivon’ny mpanjifa. Nidina ifotony tany Toamasina, toeram-panodidina menaka ataon’ny orinasa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka tao Ampilaolava, toeram-panadiovana ny menaka Rajah, nitohy tao Androranga izay fanadiovana ny menaka soja Hina sy ny menaka tournesol Lafatra ny fitsidihana. Niara-dia taminy ireo tomponandraikitry ny faritra Atsinanana sy ny solotenan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa avy amin’ny FIMZOMPAM sy ny PMH. Notsirihina nanomboka amin’ny menaka mbola tsy voadio hatramin’ny menaka atolotra ny mpanjifa ny vokatra. Voamarina sady niara-niaiky ny rehetra fa manaraka ny fenitra takina ny famokarana ny vokatra ka tsy misy tokony ho atahorana. “Manamarina izahay fa manara-penitra ny orinasa mikarakara izany menaka Hina sy Lafatra izany”, hoy ny filohan’ny FIMZOMPAM, Rabarison Tiana, izay nanamafy koa ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso eny amin’ny mpivarotra mpaninjara sy mpamongady.
Henintsoa
Hanova tanteraka ny fiainan’ny vehivavy ny fampiofanana momba ny niomerika omen’ny Yas Madagascar sy ny Stem For Good ary ny Maison du Numerique etsy Ankorahotra ny tetikasa Ampela Online. Tanjona ny hanomezan-danja ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy hanohanana ny fidiram-bolany amin’ny alalan’ny fikirakirana ny niomerika mba hampaleo tena azy. « Maimaimpoana ny fiofanana atao mandritra ny roa volana. Hampianarina azy ireo mandritra izany ny tombontsoan’ny fampiasana ny Internet sy ny tambazotra sosialy eo amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hampitomboina bebe kokoa ny fidiram-bolany sy ny fanabeazana ara-bola », hoy ny tompon’andraikitry ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iainana (RSE) ny Yas Madagascar, Rabefitia Riantso. Notsindriany manokana fa natokana ho an’ny rehetra ny seha-piofanana, izany hoe, ho an’ireo vehivavy mahay na tsy mahay mikirakira ny niomerika. Amin’ity andiany ity, miisa 25 ireo vehivavy efa manana andraikitra na koa orinasa kely mampidi-bola hanaraka ny fiofanana. Tanjona kosa ny hahatrarana izany ho 100 hampivoarana ny fiainana, raha ny fanazavana hatrany.
Miara-miasa
Mpiara-miombon’antoky ny tetikasa Ampela online ny Stem For Good, Maison du numerique ary ny Yas Madagascar izay samy mikatsaka hampivoatra ny fiainan’ireo vehivavy marefo. Miantso ny vehivavy hisehatra ny niomerika ny Stem for Good noho izy manampy amin’ny fandraharahana sy fampandrosoana ny fihariana, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera, Harinoro Sandra. Araka izany, hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Yas Madagascar amin’ny alalan’ireo solosaina miisa 25 nomen’ny Yas Madagascar hanarahana ny fiofanana.
Henintsoa
Fiainana fianarana hatrany! Hifarana anio, any Maroc, ny fampiofanana mpanazatra matihanina, amin’ny taranja tolona. Anisan’ireo nalefan’ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML), ho solontenan’i Madagasikara, hiatrika izany, i Soloniaina Josiane Patricia. Marihina fa nanomboka ny 23 jona, tany an-toerana, ary natokana ho an’ireo firenena miteny frantsay ihany ity hetsika ity.
Tao anatin’ireo vanim-potoana ireo, maro ny zavatra nifampizarana. Anisan’izany ny fahaizana mandamina ny fotoana sy ny fandaharanasa, mandritra ny taom-pilalaovana iray. Eo koa ny fanomanana ara-batana sy ara-teknika, ny fomba atao amin’ny lafiny fitsaboana, ary ny fitsirihana ireo solofo handimby.
“Wrestling School” Antsirabe
Ankoatra izay, nitsangana ny 22 jona, tany Antsirabe, ny hetsika “Wrestling School”, izay fampiofanana mpampianatra EPS, taranja tolona anivon’ny sekoly. Manana vina lehibe ny hampiankarana ny taninketsa amin’ny sehatra avo kokoa ny filohan’ny FML, Raveloson Mamitiana.
Fitia Randria
Antoka ho an’ny fanatsarana sy hampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy ny fananana fitaovana ahafahana manaitra ny sainy. Manampy azy hivelatra amin’ny lafiny maro samihafa ny Sary fetsy.
Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny Association Sœur Emmanuelle (Asmae) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tetsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny herinandro teo. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Ankizy” dingana fahatelo, mikendry ny hanamafisana ny fampidirana ny ankizy 3 ka hatramin’ny 12 taona amin’ny alalan’ny fampitana soa fanao ho an’ny fanabeazana sy fampitaovana pedagojika vaovao. Misongadina ao anatin’ireo ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ny Sary fetsy. Tsara sy miabo ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ity fitaovana pedagojika ity, nandroso ihany ny fahalalana ankapoben’ny ankizy any amin’ny kilasy garabola. « Fitaovana pedagojika ahafahana manamafy ny fitomboan’ny ankizy ny sary fetsy. Niankina tamin’ny filana eny an-tsehatra no nahafahana namolavola ireo fitaovana ka nivoitra tao anatin’izay ny Sary fetsy », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Asmae, Andriamiarana Vatosoa Rehareha.
Zaza madinika
Fitaovana pedagojika novokarin’ny Asmae sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Sary. Manampy amin’ny fivelarana ara-tsaina na ara-batana na ara-tsosialy natokana ho an’ny zaza madinika ity fitaovana ity. Ahitana lohahevitra 12 ao anatin’ny Sary fetsy natokana ho an’ny zaza garabola. « Misy ny fanaovana bika, ahitana karazana loko, hanairana ny sain’ny zaza sy hanampy azy hiteny amin’ny alalan’ny famoronana tantara amin’ireo kisarisary hita. Tanjona ny hampazoto ny zaza handeha an-tsekoly sy hivelaran’ny sainy », hoy ny mpanabe nisitraka ny fiofanana, Raharisoa Nomenjanahary.
Henintsoa
Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. Tsiahivina fa efa nisy ny fanohanana ny fanatanterahana sora-piankohonana faobe (jugement supplétif) miisa 540 tany amin’ity kaominina ity.
Nambaran’ny talen’ny fifandraisana Star, Randriambolamanana Seheno, fa endriky ny finiavan’ny orinasa hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy maharitra ny fandraisany andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Anisan’ ny vinavina manaraka ny hametrahana fotodrafitrasa hamokarana rano fisotro madio any amin’ny faritra Vakinankaratra, izay efa eo am-piandrasana ny fahazoan-dalana. Hitondra ainga vao ho an’ny toekarena any amin’iny faritra iny izany, sady hampitombo ny hetra miditra amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.
Njaka A.
Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina.
Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikelikely ny lafiny toekarena sy sosialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. Nilaza ny sefo fokontany Belalanda, Randria Norbert Antoine, fa maro ny orinasa hitako nikatona taty Toliara. Irinay ny hahitan’ ny zanakay sy ny taranakay mifandimby asa ao amin’ny Base.
Nisongadina ny « Asa tanamaro » ho an’ny mponina manodidina ny 6 000 any Toliara I sy II (Tsianisiha sy Ankilimalinike), nanomboka ny niverenan’ny orinasa nisokatra indray, ny novambra 2024 hatramin’ny avrily 2025 teo. Anisan’izany ny fanarenana ny vahilava any Nosy Magnitsy, akaikin’ny morontsiraka Andaboy, ny fambolena taretra hiarovana ny fikisaky ny rivo-pasika, sns. Fitakiana nataon’ ny mponina daholo ny nanaovana an’ireo.
« Tanàna madio »
Teo koa ny fanadiovana ny lakandranom-pambolena any Besakoa, Ambohitsabo ary Anketraka, toy ny any Andoharano, Mamovoke ary Tsianisiha. Notsipihin’i Clément Jean Baptiste, sefo fokontany Anketraka, fa tena nilainay ity zava-bita ity, sady nanomezana tambin-karama anay no nampandroso ny tanàna rahateo. Nohatsaraina ny lakandrano sy ny lalana ary ny tsena any Tsinjoariky sy Bekoaky. Manohana amin’ny fikarakarana ny fifaninanana « Tanàna madio » any Toliara, karakarain’ny fanjakana, ny orinasa Base. « Manampy amin’ny fanarenana ny lalan-dratsy ao an-tampon-tanàna izahay », hoy i Herimanana Jonathan, tomponandraikitry ny Fampandrosoana ny faritra sy ny sehatra tsy miankina ao amin’ ny Base.
Nambaran’i Normasy, mponina any Besakoa, fa niaraka tamin’ireo nanohitra ny tetikasa izy tany aloha, saingy tsapany, ankehitriny, fa tena nitondra tombontsoa maro ho azy ireo izy izao.
Njaka Andriantefiarinesy
Anatin’ny fanarenana sy ny fanavaozana hatrany ny kaompania Madagascar Airlines amin’izao. Nohavaozina ny fifanarahana fanofana fiaramanidina ATR-72 miisa roa amin’ny orinasa Abelo ho an’ireo mitondra ny laharana 5R-MJF sy 5R-EJB. Hampiasaina hatramin’ny volana janoary 2028 ny voalohany, raha hihitatra hatrany amin’ny volana novambra 2029 kosa ny faharoa, izay samy hanao sidina anatiny avokoa.
Tafiditra ao anatin’ny Drafi-panarenana Phénix 2030 sy ny taondrozotra ny kaompania ity fanapahan-kevitra stratejika ity. « Manamafy orina ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka izao fanitaram-pifanaraha-miasa izao », hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul. Notsindriny fa zava-dehibe ny fomba fiasa napetraka ary dingana iray hafa mampirindra ny sidina eto an-toerana sy manatsara ny sehatry ny fizahantany izany.
Mivoatra
Mitohy ny ezaka. Ankehitriny, mihatsara toerana ny kaompania eo amin’ny indostrian’ny fitaterana ana habakabaka sady nahazo mpiara-miombon’antoka azo itokisana ny orinasa. « Faly izahay manohana ny Madagascar Airlines amin’ny fanovana ataony. Porofo ny fahavononana hanitatra ny fifandraisan-davitra amin’ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta no natao», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly Abelo Steve Gorman. Marihina fa vokatry ny fifampitokisana sy ny finiavan’ny roa tonta hanarina ny kaompania ny tanjona anatin’izao fiaraha-miasa izao.
Henintsoa
Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka.
Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny tahirin-tsolika. Mitotaly 104 tapitrisa litatra ny gazoala, raha 23 tapitrisa litatra ny lasantsy SP 95. Hanamarinana fa ampy tsara sady mitohy tsy ankiato ny famatsiana, vao ny 12 jona teo ny sambo nitondra solika tonga eto amintsika », hoy ny minisitra.
Tsy maintsy natao izao fanazavana izao, hanomezana antoka ny mpanjifa fa tsy misy atahorana ny famatsiana. Nomarihiny fa tranga mpiseho ny tsy fisian’ny solika eny amin’ny toby mpaninjara vitsy eto an-dRenivohitra farany teo. Antony, mikoropaka ny olona sasany, satria mitombo ny fanjifana, rehefa vaninandro fety toy izao. Hiditra amin’ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe isika, vao mainka hiakatra ny fanjifana satria mitombo ny fivezivezena. Nitombo 25% tamin’ity taona ity, raha oharina ny taona 2024 ny fandaniana solika. Manoloana ireo, tsy maintsy hampiana ihany koa ny fitaterana solika anatiny, ny miakatra aty afovoan-tany (Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, …).
Mamatsy mivantana ny mpaninjara
Maherin’ny 300 ny fiarabe mpitatitra solika mankeny amin’ny toby fitahirizana an’ny Logistique pétrolier (LP) eny Alarobia sy Soanierana, fa eo koa ireo toby mpaninjara an’ny kaompania isanisany. Noho izany, nomena alalana hitsinjara mivantana eny amin’ny toby mpaninjara ny kaompania fa tsy voatery mandalo tahirin-tsolika LP. Hamafisina koa ny fitaterana an-dalamby.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny minisitra Jean Baptiste Olivier fa tsy misy fiantraikany aty amintsika, hatreto, ny ady any amin’ny tany arabo. Tsy misy fiovana fa mitohy ny fanitsiana ny vidin-tsolika isam-bolana.
Njaka Andriantefiarinesy
Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka Tokana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny tenany nizara fanomezana izay tsy miankina amin’ny resaka politika na fikambanana. Hetsika natao tamin’ity herinandro ity. Nambarany fa omena ny anjarany ny ankizy satria fantatra ny zavatra iainan’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina. Mifanalavitra ny elanelana eo amin’ny olona mandalo fahasahiranana sy ireo manankatao. Mandalo fahasahiranana izy ireo ankehitriny ka mahatsiaro manana adidy ny mpikirakira ny sorabe. Tsy misaraka amin’ny fanaovana asa soa, araka ny teny masina ao amin’ny bokin’ny sorabe milaza hoe mahaiza mizara rehefa nahazo fahasoavana avy amin’ny mpahary. Nizara akanjo mafana, kilalao, biscuit, vatomamy ary arendrina izy ireo nahafahan’ny ankizy miatrika fety satria manan-jo hitafy, hilalao ary hisakafo sy hifaly ny ankizy rehetra.
Efa miara-miasa matetika amin’ny fokontany Ambohimamory izy ka ny mpiandraikitra ny kartie ao amin’ny fokontany no mahalala ny ankizy mandalo fahasahiranana. Nizara tapakila ahazoana misitraka ny fanomezana ireto farany. An-jatony no nahazo izany satria izay no tratran’ny eo am-pelatanana, hoy izy.
Ireo tena sahirana tokony hisitraka no notsongaina manokana, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny fokontany, Razafindrafara Adeline Nirina. Faritra dimy no mamaritra ny fokontany ka ny lehiben’ny faritra no mizara ho an’izay tokony hahazo fanampiana,
Vonjy
Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny mpiadina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Efa vonona ny foibe sy ny olona hiasa hisahana ny fanadinana, hoy ny tomponandraikitra.
Nitombo kely ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha nihena ireo nisafidy ny sokajy B raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hanomboka ny alatsinainy 30 jona ka hatramin’ny alakamisy 3 jolay ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Mahatratra 299 312 ny mpiadina miparitaka amin’ny foibem-panadinana 1 072, manana efitrano 9 000. Nitombo 0,06% ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 154 926 ny mpiadina ho an’ny sokajy A izay niakatra 1,20% raha mitaha ny tamin’ny BEPC 2024. Nihena 0,06% kosa ny tahan’ny mpiadina nisafidy ny sokajy B satria mahatratra 144 386.
Ho an’ny sokajy A, 152 878 ireo hanao ny teny vahiny anglais, 874 hiatrika ny espaniola ary 1 174 hanao alemà mandritra ny BEPC. 46 ny mpiadina manana filana manokana hiatrehana ny fanadinana ary 19 ny mpiadina teratany vahiny ho an’ity fotoam-panadinana ity.
Efa nozaraina avokoa ny taratasy fiantsoana ary afaka hijery mialoha ny foibem-panadinana sy ny efitrano hiadinana ny mpiadina manomboka ny faran’ny herinandro izao.
Misy ireo sekoly mbola namerina ny kilasy 3ème any an-dakilasy tamin’ity herinandro ity hanomezana toromarika samihafa mialoha ny fiatrehana ny fanadinana amin’ny alatsinainy ho avy izao. Ny taranja Malagasy no hisantarana ny adina ny maraina. Ny taranja “Sciences de la Vie et de la Terre” ny hariva ho an’ny andro voalohany.
Nanamarika ny tomponandraikitra fa tsy tokony hatao takalonaina (tsy omena taratasy fiantsoana) amin’ny tsy fanefan’ny ray aman-dreny ny saram-pianarana ny mpianatra hanala fanadinana, ho an’ny sekoly tsy miankina.
Ho an’ ny Cisco Antananarivo Renivohitra, 64,39% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ny taona 2024.
Vonjy
Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka any amin’ny Malagasy ny fitiavana sy ny fampiasana ny teniny.
Mety misy ny ambadika. Kanefa, tsy tokony hanakana ny ray aman-dreny hiteny sy hampiasa ny tenin-drazana na ny teny malagasy izy ireny. Mila paika mazava sy maharitra ny fampitiavana ny teny malagasy. Tsy ampy intsony ny fampirantiana, ny antsa tononkalo, ny famoahana boky, ireo velakevitra maro samihafa.
Amin’ny lafiny iray, mitavozavoza ny Malagasy? Kanosa ny Malagasy? Voafahan-dalitra ny Malagasy… Tsy manam-piniavana ny hitia ny momba azy ny Malagasy?… Nandaitra ny tetika nampiasain’ny vahiny? Taona 2025, mbola ao anatin’ny vanim-potoana mitady ny very hatrany ny Malagasy? Amin’ny lafiny hafa, efa zatra tarihin-dava ny Malagasy? Miandry tetikasa sy fiofanana vao ho tia ny tenin-drazany? Ireo heverina ho raiamandreny rahateo tsy mahafantatra ny tokony hataony? Matoa maro be tahaka ireo ny fanontaniana. Mbola tsy mahita mangirana ny teny malagasy.
HaRy Razafindrakoto
Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana.
Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, eny fa na ny fanariana zaza menavava aza sy ny maro hafa. “Manoloana izany, mila mandray andraikitra ny tsirairay, indrindra ny ray aman-dreny, izay antony nanaovanay ny hetsika fanairana”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. Mifandray amin’ny lohahevitra navoakan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nandritra ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izany. «Ray aman-dreny mandray andraikitra: zaza voaaro ny zony», io ny lohahevitra naroson’ny minisitera. Amin’ny ankapobeny, fianakaviana ihany no tena ambadiky ny fanaovana herisetra amin’ny ankizy. Ray aman-dreny ihany koa no maniraka ny ankizy handeha hitady asa ivelan’ny tokantrano. Fomba mamoehatra sy tsy fampiseho masoandro no ampiharina amin’ireny ankizy ireny. Toy ny mahazo azy ireo eny amin’ny sehatry ny asa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Misy ihany koa ny ray aman-dreny mahavita mampaniraka ny zanany handeha hivaro-tena rehefa lehibe vatana. “Eo koa ny maniraka ny zaza handeha hamelona ny tenany sy ny ray aman-dreny mihitsy aza. Fomba iray hahafahan’ny ankizy mandeha mivaro-tena izany”, hoy hatrany izy. Nolazainy fa anjaran’ny ray aman-dreny no mamelona ny ankizy fa tsy izy ireo no hitady vola hamelomana ny ray aman-dreny. Manana anjara andraikitra ny fanjakana manoloana izany. Amin’ny fanerena ny ray aman-dreny hampiditra an-tsekoly ny zanany. Izay tena zon’izy ireo.
Very ny soatoavina
Maro ny antony mahatonga ny ray aman-dreny manao ireny karazana herisetra samihafa ireny, raha ny fanazavana voaray. Voalohany, ny fahasimban’ny soatoavina. Eo koa ny fahaverezan’ny kolontsaina maha malagasy. Tsy fomban’ny Malagasy ny fampirisihana ny ankizy hitady vola sy hamelona ny ray aman-dreny niteraka. “Andrianina sy mpanjaka kely ny zanaka teo amin’ny Malagasy taloha”, hoy hatrany izy nanazava. Ankoatra izay, misy amin’ireo ray aman-dreny niteraka ireo ihany koa ny mahavita manao sorona ny zanany naterany, mba hahafahany mitady harena ho an’ny fianakaviana. Etsy ankilany, kolontsaina sy fomba ratsy avy any ivelan’ny firenena ihany koa ny fakana voamason’olona. Izay lasa tonga sy fomba amam-panaon’ny olon-dratsy eto amin’ny Nosy.
Endriky ny fotoana maoderina amin’izao fotoana izao ny teknolojia vaovao. “Mitondra zava-dratsy eo amin’ny tanora sy ny zaza malagasy izany. Na eo amin’ny fomba fiteny na fitondran-tena na fihetsika rehetra”, hoy hatrany Raharinarivonirina Maria. Mila haverina hahafantatra ny andraikiny ny ray aman-dreny. Mila manaja ny zon’ny ankizy ihany koa izy ireo. Mila averina ny fanabeazana ara-piarahamonina any amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Mila miverina amin’ny soatoavina mihitsy ny ray aman-dreny mba hahafahana miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy.
Nankalaza ny iray volan’ny ankizy ny vovonana PFSCE
Volana jona, natokan’ny fitondram-panjakana ho Iray volan’ny ankizy. Mbola ao anatiny tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Nisy ny hetsika karakarain’ny vovonana isan-tsokajiny nanamarihina izany. Nahitana izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Anisany nanao hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny 18 jona lasa teo, ny sehatry ny fiarahamonimpirenena ho an’ny ankizy (PFSCE). Ankizy manodidina ny 600 isa ireo tonga nandray anjara tamin’io hetsika io. Nisy ny “carnaval”, filanjana sorabaventy, fanaovana tononkalo, hira, dihy sy ny maro hafa misarika amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Tsy fanairana fotsiny ihany no hita teny an-toerana tamin’io fa nahafahana nampifalifaly ireo ankizy ihany koa. «Asa tena ataon’ny vovonana ny haitaky amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka mahakasika ny zon’ny ankizy. Manatsara ny traikefan’ny mpikambana ihany koa”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. «Zaza voaaro, mandry fahalemana» io ny lohahevitra noraisin’izy ireo tamin’ity taona ity. Tanjona ny mba hampandriana fahalemana ny ankizy. Misy fikambanana 66 mivondrona ao anatin’io fikambanana io manerana ny Nosy. Mahafehy ny rehetra mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Na eo amin’ny sehatry ny fianarana, ireo ankizy manana fahasembanana, ny tsy manana ray aman-dreny mpiahy, ny ankizy mirenireny an-dalam-be, mahakasika ny fahasalamana, ny tratran’ny fanararaotana ara-nofo ary ny herisetra miafara amin’ny fahafatesana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vovovana PFSCE hatrany.
Nanantontosa: Mino
Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny herinaratra mampandeha azy, fa tsy hiankina amin’ny Jirama.
Raha hiverenana ny eny amin’ny toeram-pialamboly vaovao Lac Iarivo Ivato, hisy ny fatsitsi-drano (jet d’eau). Hatao eny, anio 25 jona, ny fandefasana afomanga. Hotaterina maimaimpoana, amin’ny fiarabe elektrika ny rehetra, manomboka amin’ny 12 atoandro hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany (18h45). Avy eo, hotaterina hiverina indray ny rehetra hatramin’ny 11 ora alina mankeny Tsarasaotra. Nolazain’ny filoham-pirenena, fa « hahafinaritra ahy ny hahita ny vahoaka malagasy mba hitaingina fiarabe vaovao, hijery an’izany fialamboly sy ny fankalazana ny fahaleovantena ao anatin’ny hoe reharehan’ny Malagasy sy Madagasikara. Mendrika fitaterana madio manaraka ny fenitra isika, ankehitriny. Samy hafa ny mipetraka amin’ny seza volamena (ilay anaty taksibe) sy ny seza diamondra amin’ny alalan’ny tsiky sy hafaliana asehonareo ».
Njaka A.
Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germaine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara fa nampahantraina” ary tonga ny fotoana tsy maintsy hilazany ny hafatra dia ny “indro havaoziko ny zavatra rehetra ». Nohamafisin’ity hafatra ity hoe “te hamonjy ny firenenareo aho ka ampitao amin’ny rehetra fa tsy mahantra i Madagasikara ». Ny taona 1998 no nilazana izay hafatra izay. Ny taona 2002, nisy olana teto amin’ny firenena ary nisy sakana tao Brickaville ka nilaza indray ny hafatra manaraka fa “ravao ny barazy fa tsy an-dRatsiraka ny fitondrana fa an-dRavalomanana” dia rava tokoa izany barazy izany afaka telo andro. Taorian’ izay, nandeha ny fotoana sy taona, tonga ny taona 2006 ary nampita hafatra manaraka Andriamanitra : « mihavàna sy miraisa saina ianareo Malagasy, indrindra ny mpanao politika fa ataoko ho filamatra i Madagasikara”, hoy ny fanambarana nataon-dRazanamaria Germaine, filoha nasionalin’ ny ONG Fiadanana eto Madagasikara. Mety mbola tsy fotoana angamba, hoy izy, ka tsy tanteraka izany firaisankina sy firaisan-tsainan’ny Malagasy izany. Nohamafisiny fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fihavanana sy firaisankina. Vokatr’ ireo dia nilaza ny hafatra manaraka fa hanendry tovolahy madinika ho anareo aho ary hifanipaka ny samy mpiray firenena ary izy no hanao ny fampihavanana sy hikaondoha hanarina ny firenenareo ». Izay tokoa no nitranga ny taona 2009.
Sajo
Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta.
Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny alatsinainy teo. Manana traikefa sy fahaiza-manao ary vonona hampiasa vola hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika ireo mpandraharaha ireo. « Hojerena avokoa ireo sehatra azo hiara-miasa sy ny soa fanararaotra ao anatin’ny fandraharahana ho an’ny tombontsoa iraisana », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Kihon-dalana stratejika amin’ny fifanakalozana samihafa i Madagasikara, antony indrindra hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika. Voakasika ao anatin’izany ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fitaterana an-dalamby, ana habakabaka, ny fanatsarana ny tambajotram-pifamoivoizana an-tanety ary ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Mpiara-miombon’antoka
« Andraikitry ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny manohana ny fampiasam-bola eto amintsika » hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanany, Joël. Notsindriany manokana fa anisan’ireo misehatra amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ireo mpandraharaha Egyptianina. Ary firenena faharoa hampiasany vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, aorian’ny Nosy Kaomoro. Marihina fa miisa 23 ireo mpandraharaha Egyptianina vonona hitondra ny fahaiza-manaony eto amintsika.
Henintsoa
Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo ary modely ho an’ny tanora », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte, tamin’ny lahateniny. Nampahatsiahivin’ny filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fabrice André, kosa fa « tanjaky ny orinasa ny ekipa ary andry stratejika ho an’ny fampandrosoana ny orinasa ny finiavan’ireo mpiara-miasa rehetra ». Vonona hifanolo tanana hampiroborobo ny niomerika eto Madagasikara sy hitondra soa fanararaotra ho an’ny rehetra ny Orange Madagascar. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’asany ataony ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka.
Henintsoa
« Si tout va bien, l’extension du port de Toamasina, le principal port commercial de Madagascar devrait être achevé d’ici 2028 », a annoncé Christian Avellin, Directeur général de la Société du Port à gestion Autonome de Toamasina (SPAT) en charge de l’extension du port de Toamasina, lors du prélude du Business forum, avant-hier dans les locaux du ministère des Transports et de la météorologie à Anosy.
Depuis 2018, la majorité des infrastructures à Madagascar sont remises à neuf, incluant les ports de Madagascar. L’extension du port de Toamasina en fait partie.
« Le port de Toamasina assure à peu prêt les ¾ des échanges maritimes de la Grande île avec les restes du monde qu’il est normal qu’on ait pensé à son extension, d’autant plus qu’il joue un rôle primordial dans le développement du pays », a spécifié Christian Avellin.
Ce projet a été réalisé avec l’appui financier du gouvernement japonais, d’un montant de 639 millions de dollars. Le Japon a octroyé un prêt de 411 millions de dollars, soit 65% du budget total, remboursable sur 40 ans. Et 228 millions de dollars, soit 35% des frais alloués à cette extension, sont au frais de l’Etat malgache.
« Une digue de protection y a été mise en place pour raison que la partie Est de Madagascar est souvent en proie aux cataclysmes naturels », a-t-il ajouté.
Jean Riana