TSELATRA

Les Nouvelles - ven, 02/07/2025 - 07:33

Tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ilay mpanao gazety nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Marihina fa sary nalain’io mpanao gazety io no antony niteraka ny fisamborana azy, araka ny loharanom-baovao.

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy namono nahafaty zaza vao enim-bolana tao Andranofasika, kaominin’i Matanga, distrikan’i Vangain­drano, ny alatsinainy tolakandro teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io zaza io sy ny reniny ilay lehilahy. Nofirainy antsy avy hatrany ilay zaza ka namoy ny ainy.

Fiara mpitatitra entana nivarina an-tanimbary tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, tao Ambalabe Andrefana, tsy lavitry ny biraon’ny fitaleavam-paritra Sofia, ny 6 febroary teo. Nisedra lalan-dratsy, niharan-doza io fiara be io. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara.

Lehilahy telo nandositra vao nahita ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tetsy Ankazotoho, Ano­simahavelona, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Natsipin’ izy ireo , nandritra izany, ny kitapo teny aminy. Nahitana basy vita gasy iray sy bala 4, calibre 12, ny tao anatiny rehefa nosavaina. Efa nogiazana ireo fitaovam-piadiana ireo. Eo am-pikarohana ireo telo lahy tompon’io kitapo io ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.

Catégories: National

Sekolin’ny rugby : Hatao anaty rafitra ara-dalàna

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:45

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava.
Atao ny fanisana azy ireo, manerana ny Nosy. Tsikaritra mantsy fa betsaka ireo mitonona ho sekolin’ny rugby saingy tsy manaraka ny lalàna akory ny ankamaroan’izy ireny ary tsy mijoro ara-panjakana. Tsy manana mpanazatra na mpampianatra matihanina sy niofana tamin’izany fa mpilalao tranainy na raiamandreny nanao rugby, no hany manabe azy ireo. Tsy ampy izany araka ny nambaran’ireo teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby fa mila miditra ao anaty rafitra ara-dalàna. Takina amin’izy ireo ny anaran’ny fikambanana na sekoly, ny taona niforonany, ny mpanangana, ny anaran’ny mpanazatra, ny isan’ny ankizy beazina, ny kianja filalaovana ary ny adiresy. Tsy maintsy tonga mialoha ny 28 febroary izany.

Tompondaka

Catégories: National

Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:45

Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana.

Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny an­toko politika Fivoi, nandritra ny fam­pahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy re­hetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “To­kony halefa telo volana fara fa­­­ha­tarany aorian’ny fisoloan’ ny ben’ny Tanàna izany fifidianana izany, araka ny voalazan’ny fehezan­­-dalàna, 2009-890”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo sady filoha mpanorina ny antoko Fivoi, Rajerison Antoine. Fifidianana samy hafa kosa ny an’ny sefo fokontany sy ny lefiny. An­gatahin’izy ireo ny hanaovana io fifidianana io satria mijaly ny olona eny ifotony. Anisan­’ izany, ny hamaroan’ny tanin’ olona lafo, ny fanapahana ny hazon’olona maniry. Tsy manana taratasy avokoa ny ankamaroan’ny tanin’olona any ambanivohitra ka mahatonga ny sasany manararao-pahefana. Nambarany fa tsy miaro ny fokonolona ilay solontena napetraka hitantana ny tanàna fa miaro ny tombontsoany manokana. ­“Ton­droin­’ny sefo fokontany ho ani­san’ny dahalo ihany koa ireo olona tsy mifankahazo sy tsy dia tiany eny ifotony”, hoy hatrany izy. Lasa any am-ponja ny ankamaroan’ny olona, noho izany.
“Mba hanamafisana ny fifampitokisan’ny olona eny ifotony, sy hampazotoana azy ireo hifidy, ny antony handefasana ny fifidianana io sefo fokontany io”, hoy hatrany izy nanamafy. Tokony hanatanteraka izany ny mpitondra raha tena manaja ny fenitra demokratika sy tany repoblikanina. Handefa taratasy any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny iraisam-pirenena rehetra mahakasika izany.

Mino

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tom­pondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona.

Mitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ary mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksion’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy U11, U14, U16, lahy sy vavy, no mifaninana etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Mifanindry an-dalana amin’izany ny N1B ka anisan’ny hifanandrina ny COSPN sy ny JCBA.

Efa akaiky tokoa ny lalao hihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Ghana. Raha tsiahivina, hatao ny volana marsa ho avy io izany. Hatramin’izao anefa, tsy mbola fantatra raha hilalao eo Mahamasina indray ny ekipa nasionaly malagasy na tsia. Hatramin’izao, tsy mbola misy siosion-dresaka mahakasika ny fiantsoana ireo « inspecteur Caf » hijery ilay kianja.

Miteraka resabe ao anaty tambajotran-tserasera ny fifanakalozana mpilalao nisy teo amin’ny fifaninanana NBA. Nifindra ao amin’ny Dallas, i A. Davis, ary lasa solony ao amin’ny Lakers, i Doncic, mpilalaon’ny Dallas teo aloha. Samy tsy nanampo ity fifindran-toerana ity izy mirahalahy ireto, saingy samy nanaiky ny fanapahan-kevitra misy.

Catégories: National

Corentin Martins : Lasa nitily ireo Malagasy mpilalao any ivelany

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Mala­gasy mpilalao, any Eoropa sy ny manodidina, hanatevin-daharana ny Barea de Mada­gascar. Mbola manana herinandro vitsy ny tenany hitiliana azy ireo, mialoha ny hiverenany eto Madagasikara, hiatrehana ny fanomanana sy fampivondronana.
Efa maro ireo anarana mivezivezy “shortlist” any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ireo teknisianina sasany, mety hisalotra ny akanjoban’ny Barea. Telo mirahalahy avy amin’ny klioba Stade Brestois 29, ligue 1 Frantsa. Anisan’ireny, i Gré­goire Coudert, mpiandry tsatoby sy i Jonas Serge Martin, irakiraka mpiaro ary i Romain Del Castillo, afaka mitana ny toeran’ny helatra havia sy havanana. Ankoatra azy ireo, i Adrien Hunou, lohalaharana ao amin’ny SCO Angers, ligue 1 France ihany koa. Mety ho anisan’ireo ny Stade Brestois 29, Ligue 1 ao Frantsa. Mety hitohy any Allemagne ity fijerena Malagasy mpilalao ity, ka anisan’ny hojeren’i Corentin i Kanto Fitiavana Voahariniaina (Bolo), milalao ao amin’ny Hertha 03 Zehlendorf.

Tompondaka

Catégories: National

RNS 2025: Efa nisokatra ny fisoratana anarana

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Efa nanomboka ny 3 febroary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena tanterahina mandritra ny « Rencontre nationale sportive » (RNS), taona 2025. Fifaninanana any Vichy, ny 19 hatramin’ny 21 avrily ho avy izao. Tsiahivina fa handray ny faha-50 taonany amin’ity taona ity ny RNS ka hiavaka sy hihatsara ny fifaninanana. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninanana, ahitana ny baolina kitra lalaovin’olona 11 sy lalaovin’olona 7, ny basikety lalaovin’olona 5 sy lalaovin’olona 3, ny volley-ball, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy, ny tsipy kanetibe. Hanampy ireo ny haiady maro samihafa, ny golf, ny lomano, ny fifaninanana dia an-tongotra, sy ny maro hafa. Manentana ny Malagasy sy izay mbola tsy manana ekipa ny mpikarakara hanangana izany ary hisoratra anarana. Hampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ireo Malagasy mpanakanto maro hanafana sy hanolotra seho mandritra io telo andro io. Anisan’izany ry Viavy Chila, Elidiot, Smaven, Rijade sy ny maro hafa.
Hetsika efa fanao isan-taona ny RNS ary miezaka manatsara sy mitady izay hampiavaka izany hatrany ny mpikarakara.

Mi.Raz

Catégories: National

06 febroary 2025

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:33

Catégories: National

Tir en l’air du 06 février 2025

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:32

 

Catégories: National

Pro Football League: World Cola devient le sponsor officiel

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:31

Dans un coup de sifflet retentissant qui marque le début d’une nouvelle ère pour le football malgache, World Cola a officialisé son engagement en tant que sponsor officiel de la Pro Football League, organisée par l’Association des Clubs de Football Elites de Madagascar (CFEM).
La compétition à 12 équipes se nomme désormais la « World Cola Pro Football League ». Ce changement de sponsor marque un tournant majeur dans le paysage footballistique malgache, World Cola succédant ainsi à Coca-Cola, qui avait tenu le rôle de sponsor officiel lors de la saison précédente.
Dans un communiqué, World Cola a exprimé son enthousiasme pour ce partenariat : « A travers ce sponsoring, World Cola réaffirme son engagement continu pour le développement du Football à Madagascar, un sport dont les valeurs rejoignent celles de notre marque : passion, compétitivité, partage et convivialité ».
Cette alliance est décisive pour le football malgache, promettant de redynamiser la compétition. Il s’agit d’une passe décisive pour le football à Madagascar, unissant les forces de World Cola et de la CFEM pour offrir aux amateurs de football une ligue pleine de promesses.

Naisa

Catégories: National

Ski alpin: Mialitiana Clerc connaît une saison délicate

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:31

La neige commence à fondre, les dernières traces de la saison de ski alpin se dissipent, mais pour Mialitiana Clerc, la lutte, la frustration et un espoir qui vacille marquent chaque descente. Cette année, la skieuse malgache a affronté non pas la montagne, mais ses propres démons sur 10 compétitions européennes sans jamais réussir à entrer dans le Top 20, une quête qui semble s’éloigner à chaque virage.

Aux championnats d’Italie et à la Coupe du monde de Pozza di Fassa et de Kronplatz, du 9 au 24 janvier, le cœur de Mialitiana battait au rythme de l’espoir d’une percée, mais la réalité est cruelle. Son meilleur classement, une 19e place en slalom géant le 20 janvier à Pozza di Fassa, a été une petite lueur dans une saison sombre. En effet, à Kronplatz le 10 janvier, le géant l’a engloutie au 33e rang, et le 9 janvier, son cœur s’est serré en voyant son nom rayé après un abandon.

La Coupe du monde l’a vue échouer à se qualifier pour la finale à Kronplatz le 21 janvier, un coup dur qui a résonné comme un écho dans les Alpes. Retour aux championnats italiens, où elle a affronté le slalom avec courage, mais sans succès, ne parvenant pas à atteindre l’arrivée.
En France, à Courchevel et au Grand Bornand le 30 janvier, chaque tentative a été un nouveau coup au moral, chaque chute rappelle la cruauté du sport. La Clusaz le 1er février, une course FIS en géant a vu Mialitiana finir à une lointaine 64e place, laissant un goût amer. Et hier, en Autriche, la disqualification en slalom a été le coup de grâce, la dernière note d’une symphonie de défis.

Rappel

Entre le 28 novembre et le 29 décembre 2024, Miali­tiana Clerc a participé à une série de courses de ski alpin. A Mayrhofen/Hippach en Autriche, le 28 novembre, elle termine au 45e rang au slalom géant avec 161.97 points FIS, suivi le lendemain par une 43e place avec 138.00 points FIS. A Pass Thurn, toujours en Au­triche, le 7 décembre, elle ne termine pas sa course de slalom, mais le 8 décembre, elle se classe 29e avec 131.77 points FIS. Elle poursuit avec deux courses de Super G les 18 et 19 décembre, terminant res­pec­tivement 32e et 29e avec 129.07 et 115.10 points FIS.

À Kaltenbach, le 21 dé­cembre, elle participe à deux autres épreuves de Super G, finissant 28e avec 107.44 points FIS et 33e avec 101.50 points FIS. Enfin, aux Menuires en France, le 28 décembre, elle se classe 41e en slalom avec 121.25 points FIS, mais le 29 décembre, elle ne termine pas sa seconde manche et donc n’a pas de classement. Ces résultats reflètent une période difficile pour Clerc, avec des performances variables et des défis à surmonter dans plusieurs disciplines du ski alpin.

 Naisa

Catégories: National

Rugby à VII – WCS 2025: les Makis avec le Canada et Hong Kong

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:30

L’équipe nationale malgache de rugby à VII masculine sait désormais ce qui l’attend pour sa première participation à la World Challenger Series (WCS) qui se déroulera en deux étapes: 1er et 2 mars ainsi que 7 et 8 mars en Afrique du Sud.
Les Makis, novices de la compétition, évolueront dans le même groupe que le Canada et Hong Kong Chine. Les protégés de Mboazafy Noé Rakotoarivelo alias Razily devront ainsi cravacher dur afin de relever le défi qui les attend.
En Afrique du Sud, l’objectif des Makis est de finir dans le Top 8 des douze pays participants, seule condition pour poursuivre l’aventure à Cracovie (Pologne) les 11 et 12 avril. Il s’agit de l’Afrique du Sud, hôte de la compétition, le Kenya, l’Ougan¬da, l’Allemagne, le Brésil, le Cana¬da, le Chili, la Géorgie, le Japon, Hong-Kong Chine et le Portugal.
Les quatre meilleures nations disputeront par la suite le «Play off» à Los Angeles les 3 et 4 avril et seront qualifiées pour le «Sevens Challenger series 2025 ».
En attendant, les 25 joueurs présélectionnés poursuivent un regroupement intensif au stade Makis Andohatapenaka depuis le début du mois de février.

SoafaraPharlin

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2025-02-05

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:37

Catégories: National

Fandrindram-piterahana: Mahasarika mpivady maro ny fanisana andro

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:36

Efa maro ny mpivady misafidy ny hanao fanabeazana aizana sy tonga manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao. Antony mandrisika azy ireo hanao iza­ny ny fialana amin’ny fiterahana misesy eo anivon’ny tokantrano.

Maro ny fomba azon’ny mpivady atao amin’ny tontolon’ny fanabeazana aizana. Misy ny fihinanana fanafody sy fanaovana tsindrona eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Fomba fanabeazana aizana iray tsy lefy laza ihany koa anefa ny fahaizana manisa andro. Ilaina fitandremana be eo amin’ny mpivady ny fanaovana io fomba natoraly io. Fana­beazana aizana manintona ny vehivavy maro ny fanisana andro, noho izy natoraly. «Tsy mila mampiasa fanafody na fitaovana hafa entina handrindrana ny fiterahana ka mety tsy hiteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ny antony hisafidianako azy io», hoy ny renim-pianakaviana iray nanontaniana. Mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka ny vehivavy ny fanisana andro, raha ny fanazavan’ ny mpitsabo. “Tsy manao firaisana ara-nofo mandritra ny vanim-potoana mahalonaka fotsiny dia izay”, hoy izy. Voakasik’izany ny dimy andro mialoha sy dimy andro aorian’ny famokarana atodinaina na « ovulation ».
Anisan’ny lafy ratsin’ny fanaovana azy io ny fikorontanan’ny tsingerina eo amin’ilay vehivavy. Maro ny tsy tomombana rehefa mitranga eo amin’ny vehivavy izany. Anisan’ny miteraka olana hafa eo amin’ny mpivady ny mety hampipetraka tampoka ilay zaza nefa mba efa nanisa andro ihany. Antony mahatonga ny fikorontanana ny harerahana, ny tebiteby, sy ny maro hafa ma­hazo ilay vehivavy. An­ko­atra izay, tsy mety ihany koa ny fanaovana azy io raha toa ka tsy manaja ny fotoana maha lonaka ny mpivady.

Mazoto manao fanabeazana aizana ny vehivavy an-drenivohitra
Manodidina ny 57% ireo vehivavy tonga manatona toeram-pitsaboana hanao fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara, ny taona 2023, raha ny antontanisa voaray. Raha toa ka 43% ny taha ho an’ny taona 2021. Monina an-drenivohitra avokoa ny 52% manao fanabeazana aizana, raha ny fanadihadiana natao. Monina any amin’ny tontolo ambanivohitra kosa ny 44% amin’izy ireo. Voakasik’izany ireo tokantrano marefo sy mahantra. Misafidy ny hanao fanabeazana aizana moderina ny ankamaroan’izy ireo. Ny faritra Vakinankaratra sy Itasy ny faritra betsaka vehivavy manao fanabeazana aizana indrindra. Tafiditra ao anatin’ny taha ambany indrindra kosa ny faritra Anosy sy Androy. Tanjona ny hampitomboana izany ho lasa 60% amin’ny taona 2030. Anisan’ ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hafa misitraka azy io ny tsy fitoviana amin’ny sehatry ny fidiram-bola sy ny fanabeazana ary ny fihaviana. Maro amin’ny lehilahy ihany koa ny tsy mankasitraka ny vadiny hanao io fomba fandrindram-piterahana io. Mata­hotra, araka izany, ny vehivavy ka tsy sahy manao izany sy tsy sahy manatona toeram-pitsaboana. Antony mampihena ny taha sasany, indrindra ho an’ny mponina any ambanivohitra izany.

Fanabeazana aizana mampiaty

Maro karazana ny fomba fandrindram-piterahana azo ampiasaina. Misy ny natokana ho an’ny vehivavy, fa eo koa ny ho an’ny lehilahy. Misy ny fomba maharitra antsoina hoe “implant”, maharitra telo taona eo ny faharetan’ny fanaovana azy. Eo koa ny DIU, maharitra 10-12 taona. Atao isaky ny telo volana ny tsindrona, hohanina isan’andro kosa ny pilina. Manakana ny famokarana atodinaina na «ovulation» ireo karazam-panafody ireo ary misoroka ny fitoeran-jaza.
Misy koa ireo natokana ho an’ireo olona tapa-kevitra ny tsy hiteraka intsony. Ho an’ny lehilahy, misy ny fanabeazana aizana antsoina hoe: «vasectomie». Amin’ny alalan’ny fanapahana na famatorana ny lalan’ny tsirin’aina. “Ligature” kosa ho an’ny vehivavy. Famatorana ny fantsona mitondra ny tsirinaina mankany amin’ny atodinaina. Marihina fa tsy afaka miteraka intsony ny vehivavy sy lehilahy atao ireo fomba fanabeazana aizana ireo.
Mety hampikorontana ny toe-batana ny fanafody, indrindra ho an’ireo vehivavy tsy mahazaka izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, mety hitarika aretina hafa any amin’ny tranon-jaza ihany koa izany. Nambaran’ny mpitsabo fa tsy mandaitra 100% ny fanafody na ny fitaovana fandridram-piterahana.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:35

Tsy tapaka fa misokatra ny fifamoivoizana amin’ny RN 2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, na teo aza ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Mitohy, toraka izany koa, ny any amin’ny RN6, avy eto Antananarivo mankany Antsiranana. Hatreto, misy fifindrana fiara fitaterana eo amin’ny tetezana Efasy sy Mahavavy.

Fantarina ireo kaominina hotohanana amin’ny sehatry ny famokarana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Hojerena ny tohodrano sy ny fotodrafitrasa mila fikojakojana sy fanarenana. Hofanina ihany koa ireo ben’ny Tanàna amin’ny lafiny fambolena. Natao ireo taorian’ny toromariky ny filoha Rajoelina Andry tany Alaotra ho an’ny minisiteran’ny Fambolena.

Manararaotra manetsa avokoa ny mpamboly vary amin’izao fiavian’ny orana izao na eo aza ny fahataran’ny orana. Ho tara ny famokarana sy ny fiakaram-bokatra ka ahina sahady ny hampiakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena.

Voafaritra ny tondrozotra sy ireo dingana hampihodinana ny saha indostrialy eto Madagasikara. Nizara traikefa sy nandroso soso-kevitra iraisam-pirenena momba izany teto amintsika ny Onudi. Ilaina, araka izany, ny fomba iray hanodinana ny faritra fampiasam-bola na faritra ara-toekarena manokana na faritra malalaka na faritra fampiasam-bola indostrialy.

Catégories: National

Smmec-Madauto : Tolotra hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:35

Fanampiana ny mpanjifa! Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa, sampandra­haraha ara-bola madinika, Smmec sy ny Madauto. Tan­jona ny hanomezana tolotra sahaza arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay manerana ny Nosy. Nohamoraina ny fampindramam-bola ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa isan-tsokajiny. Natao ho an’ny rehetra ny tolotra, olon-tsotra, mpandraharaha na orinasa madinika sy salantsalany, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.
Anisan’ny voakasik’izany ny fividianana gropy mpanome herinaratra, mamaha ny olana manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo koa ny kodiarandroa, moto Honda, manamora ny fivezivezena, indrindra any amin’ny toerana saro-dalana. Notsinjovina ny mpanjono, mampiasa ny motera (Hors-bord) mampandeha ny sambokely haingam-pandeha. Manampy ireo ny kojakoja fanolo samihafa amin’ireo entana voalaza ireo. Satria misy ny tetibidiny no mety tsy zakan’ny mpanjifa, ka ahahafana mandoa azy tsikelikely.
Afaka misitraka ny tolotra ny mpanjifa any amin’ireo masoivoho Smmec miisa 130 manerana ny faritra sy ahitana ny Madauto any amin’ny renivohi-paritany, toa an’Antana­narivo, Antsiranana, Toama­sina, Mahajanga, Fianaran­tsoa, miampy ny any Nosy Be sy Taolagnaro.

Njaka A.

Catégories: National

Fandraharahana : Tohana 12,5 tapitrisa dolara ho an’ny vehivavy

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:35

Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo tolotra ara-bola sy fitaovana niomerika ilaina amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany. Ankoatra izay, ampiasaina amin’ny fanabeazana ara-bola sy famatsiam-bola an’ireo orinasa miisa 34 000 amin’ireo firenena telo voalaza etsy ambony kosa ny vola 2,5 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanohana ny vehivavy sy hampiditra ny fandraharahany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. «Hampi­henana ny elanelana amin’ny fisitrahana famatsiam-bola sy amin’ny fampiasana ny niomerika, indrindra ho an’ny vehivavy, ity famatsiam-bola ity», hoy ny filoha lefitry ny Bad, i Solomon Quaynor. «Hitondra vahaolana vaovao ihany koa ity fanohanana ity hanosehana ny fampiatiana ara-bola eto amin’ny kaontinanta afrikanina», hoy kosa ny Tale jeneralin’ny Axian Telecom, i Hassan Jaber.

Henintsoa H.

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:31

Voafidy ho Judokas mendrika indrindra maneran-tany, taona 2024, ilay teratany japoney, i Chirsta Deguchi, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, vehivavy. Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famaranana ny fifaninanana «Grand Slam de Paris», ny faran’ny herinandro lasa teo, izany.

Hankalazaina ny 6 febroary izao ny Andro maneran-tany ho an’ny taranja Muay Thai. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny hetsika karakarain’ny Federasiona malagasin’ ny taranja Muay Thai, amin’io fotoana io, ho fanandratana ny taranja. Hetsika maro no hameno ny fandaharam-potoana ka anisan’izany ny fifaninanana.

Nahatratra 25 ny isan’ireo mpikatroka Taekwondo tonga nanala fanadinana hiakarana ambaratonga ny sabotsy sy ny alahady teo, teny Nanisana. Nilaza ny mpitantana eo anivon’ny taranja Taekwondo WT fa hisy ny hetsika iray hanofanana ireo Malagasy mpitsara eto Madagasikara.

Hotontosaina ao amin’ny Petit Palais Mahamasina, manomboka ny alahady sy ny alatsinainy ho avy izao, ny lalao fitsapana ho an’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, amin’ny taranja Tenisy ambony latabatra “ping pong”. Tsiahivina fa natao ity hetsika ity hananan’ny Malagasy mpilalao hanao ny fifaninanana Afrika Atsinanana hatao eto Madagasikara.

Catégories: National

Rasoanaivo R. Laura : “Tsy azoko ny naharesy ahy tamin’ny Grand Slam”

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:31

Nalahelo tamin’ny vokatra azony nandritra ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. “Resy noho ny fitsipika vaovaon’ny fitsarana aho ary tsy mbola azoko hatramin’izao ny antony naharesy ahy”. Io no voalohan-teniny vao vita ny ady natrehiny nanoloana ilay mpifanandrina taminy ary tena nandratra ny fony io vokatra io. Raha hiverenana ny zava-bitan’i Laura, tena nanantombo izy nanoloana an’i Myers Melissa (USA), izay laharana faha-65 maneran-tany. Efa nitarika isa 1 no ho 0 mihitsy aza i Laura, kanefa, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, resy tamin’ny minitra farany izy ary nivadika ho Ippon. Tsy nataony hahakivy azy anefa ny vokatra izay notsoriny fa tena nanao ny ezaka rehetra izy nanatsarany ny zava-bitany nihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa. “Mia­trika fiofanana sy fanazarantena iraisam-pirenena aho na­nomboka omaly, ary hanarina izay lesoka rehetra”, hoy ny nohamafisin-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy judokas, laharana faha-40 maneran-tany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg.
Tsiahivina, mbola manana fifaninanana iraisam-pirenena dimy eo i Laura, amin’ity taona 2025 ity, ary efa tafiditra sahady amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny Lalao Olympika izany. Tsy hataony ambanin-javatra ary tena hilofosany, araka izany, ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra mbola ho avy.

Mi.Raz

Catégories: National

Ankoay : Hoavy ireo mpilaravinahitra

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:31

Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka amin’ny namany eny Vontovorona. Mpilalao 5 mirahalahy, ahitana an’i Lahotan Rija, Rabibisoa Jerry Pépin, Mathias M’Madi, Randriamananjara Johan Andy ary Raharimanan­toanina Sitraka. Tsiahivina, mpilalao 18 no nantsoina hiatrika ny fampivondronana hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, ary efa mivondrona eny Vontovorona avokoa ny 13 mirahalahy ary izao andrasana izao ny fahatongavan’ireo mpilalao 5 ambiny ireo.
Mifantoka amin’ny fiarahana eny an-kianja sy fanamafisana taktika ny Ankoay amin’ity tapany faharoa amin’ny fanomanantena ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Badminton – Afrique 2025 : Misy mpilalao avy any Frantsa hanatevina ny ekipa malagasy

Les Nouvelles - mer, 02/05/2025 - 07:31

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly.

Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja badminton, i Madagasikara. Fihaonana ho­tanterahina any Douala Ca­meroun, ny 10 ka hatramin’ny 17 febroary ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana izany ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena.
Hisy mpilalao mpilaravinahitra mipetraka any Frantsa iray hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny alalan-dRamanana Rahary Lalaina. Izy no laharana voalohany.
Tsy olom-baovao amin’ny tontolon’ny badminton malagasy i Lalaina fa efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ary efa niatrika ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny taona 2023. Nandrombaka medaly alimo teo amin’ny isan-tarika sy ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy izy ta­min’izany.
Raha ny traikefany sy ny lalao hatrehiny isan-kerinandro any ivelany, inoana fa hi­tondra fanantenana handrombahana medaly ho an’ny Malagasy. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ravalison Jean Aimé, fa hitondra mpilalao 3 vavy sy 3 lahy ny Malagasy amin’ity.
Anton’izany, hifaninana eo amin’ny isan-tarika sy ho an’olon-tokana ny Malagasy
amin’ity. Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika. Misy mantsy ny antsoina hoe : “Ranking list” hakana isa sy filaharana ho an’ireo rehetra handray anjara amin’izany.

Tompondaka

Catégories: National

Pages