Ny taona 1954 no nisy ny tale jeneraly voalohany, dia i Bhon, teratany frantsay. Ny taona 1927 ka hatramin’ny 1954 kosa dia mbola teo amin’ny fitantanan’ny fanjanahantany ka tsy nisy rafitra manokana fa ny governamanta frantsay no nitantana azy mivantana. Ny taona 2009 teo, voatendry ho tale jeneraly faha-13 i Avelin Christian Eddy, tale amin’izao, raha nisolo an’ i Botozaza Pierrot izay nilatsaka ho solombavambahoaka sy naha minisitra azy. Raha hiverenana ny fiandohany, ny didim-panjakana laharana faha-2003-025 sy laharana faha-2004-702 no nanome ny fahaleovantena ny fitantanana ny seranan-tsambo ka nahatonga azy ho Spat (Société de gestion du port autonome de Toamasina).
Niantomboka teo amin’ny fitantanan’i Botozaza Pierrot, nodimbiasan’ny tale jeneraly ankehitriny, Avelin Christian Eddy, no nahafahana nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hanaovana asa fanitarana goavana, izay tombanana fa ho afaka hifaninana amin’ny seranan-tsambo lehibe rehetra any amin’ny firenena matanjaka. Mitetina 639 tapitrisa dolara ny tetibola natokana ka ny 411 tapitrisa dolara no avy amin’ny Agence japonaise de coopération internationale (Jica), izay avy amin’ny tambin’ny vola trosaina (Fonds de contre valeur), raha 227 tapitrisa dolara no fanohananana avy amin’ny governemanta malagasy. Ny tanjon’izany tetikasa lehibe izany dia ny mba hisian’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy hahazaka sambo faran’izay lehibe indrindra, ka eto amintsika no ho lasa fiantefana ary ho eto indray ireo sambo avy amin’ny firenena hafa no maka ny entany. Tafiditra amin’izao fanitarana sy fanarenana izao avokoa ny fanamboarana ny fitahirizana entana amin’ny velaran-tany 15 hekitara. Fanitarana ny toerana fandraisana entana (quai), mirefy 756 metatra miaraka amin’ny halalin’ny rano 16 metatra ary ny fametrahana fitaovana maoderina toy ny “Ship-to-Shore gantry cranes”.
Aorian’ny taona 2026
Tombanana ho vita aorian’ny taona 2026 ny fanitarana ity seranan-tsambo lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity. Vokatr’ izay, hitobaka ny asa sy ny karazana fihariana atao ho an’ny daholobe. Ankilan’izay anefa, raha ny vokatry ny fanadihadiana hatrany, ahina hiteraka olana amin’ny tany noho ny fitodihan’ny olom-pirenena sy ny vahiny hanorina orinasa eto Toamasina. Tsy mandeha irery izay fanitarana na ny fahavitan’ny seranan-tsambon’ i Toamasina izay, fa tombanana hiitatra amin’ny fanarenana sy fanitarana ihany koa ny zanaka seranan-tsambo manamorona ny ranomasin’ i Madagasikara, toy ny ao Mananara, Maroantsetra, Nosy Ste Marie, Antsiranana, ary maro hafa. Etsy andaniny kosa anefa, ny mety ho fahavitan’ny tetikasa Volobe faharoa dia hanatsara ny lafiny herinaratra. Araka izany, hitondra vokatsoa ho an’ny daholobe ireo rehetra ireo.
Mitsinjo ny sosialim-bahoaka
Amin’ny akapobeny, mitodika amin’ny rafi-piarahamonina sy ny ara-toekarena io seranan-tsambo io. Mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny fitantanan’ny tale jeneraly ankehitriny. Voalohany, miavaka ny sendikan’ny mpiasa anivon’ny Spat, tsy ho toy ny sendikan’ny mpiasa hitokona sy hilahatra ary hilanja sorabaventy tahaka ny hafa fa sendikan’ny mpiasa mitodika ho an’ny hoavy maharitry ny daholobe. Anisan’ny hetsiky ny sendika isaky ny voalohan’ny volana mey ny mamboly hazo manome voa fihinana biby anaty ala. Tamin’ ity taona ity, zana-kazo 3000 fototra tamin’ny velaran-tany 1 500 ha no voavoly, tetsy amin’ny valanjavaboahary Ivoloina. Nohamafisin’i Jaonasy Jean Berhoman, fa « arahi-maso isaky ny 6 volana ny zana-kazo volena ary soloina avy hatrany izay maty, amin’ny maha tombontsoa ho an’ny daholobe azy».
Amin’ ny ara-toekarena, saika mpanohana ireny hetsika foara na Tsenabe ara-toekarena ireny ny Spat, noho izy mandray anjara amin’ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa tantanin’ny kaominina sy ny faritra. Amin’izay fanohanana izay hatrany, mifanome tanana amin’ny rafi-piarahamonina ny Spat. Mandray anjara amin’ ireny tranga haintrano ireny ihany koa, izy rahateo manana fiara mpamono afo raitra sy goavana, Isaky ny voalohan’ny volana marsa, tsy hadinon’ny Spat ny fikambanam-behivavy. Eo ihany koa ny mampisakafo ireo ankizy tra-pahasembanana taizan’dry masera etsy Tanamakoa, raha tsy hilaza ny fanohananana ny mpanao gazety. Izany indrindra no nilazan’ny Tale jeneraly hoe « andao hifanome tanana mba ho tsara ho an’ny taranaka ».
Nanatontosa : Sajo / Ninah (mpianatra asa)
Misy ny vahaolana manoloana ny fandaniana solika sady mitandro ny tontolo iainana. Voalohany maneran-tany amin’ny fanamboarana moto elektrika ny marika VMoto. Mitsinjara azy eto amintsika, ny orinasa VMoto Madagasikara eny Ankorondrano. Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque entina hampiroboroboana ny fampiasana moto elektrika. Nambaran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) misahana ny fampandrosoana, Sipem Banque, Randriatsimialona Lanja, fa hamoraina ny fahafahan’ny mpanjifa mahazo azy, ka azo aloa tsikelikely mandritra ny 3 taona. Natao ho an’ny mpiasa tena, ny mpikarama, ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), sns, amin’ny tahan’ny zanabola ambany. Haingana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sady nohamaivanina. Azo hatonina ny masoivohon’ny banky 29 manerana ny Nosy.
Ho an’ny talen’ny fanatanterahana ny asa, VMoto Madagasikara, Pierre Vallin, anisan’ny tombontsoa amin’ny moto elektrika ny fitsitsiana miohatra amin’ny fampiasana solika. Satria, 1 850 Ar ny saran’ny herinaratra lany ho an’ny lalana 100 km, raha fahanana mandritra ny adiny 3, ahavitana 100 km, raha toa ka 18 500 Ar ny vidin’ny solika laniana amin’ny 100 km. Mahazo fiantohana (garantie) mandritra ny telo taona ny moto vidiana. Handray anjara amin’ny fifaninanana moto IMT (Imerikasinina Motul Trophy) hatao amin’ny 31 mey ho avy izao, eny Imerinkasinina, ny moto elektrika marika VMoto.
Njaka A.
Actuellement, une délégation chinoise de haut niveau conduite par le vice-ministre de l’Administration générale des douanes de Chine, Wang Lingjun, est dans nos murs. Cette visite marque une nouvelle étape dans les relations bilatérales et le renforcement de coopération douanière entre les deux pays.
Reçu par son homologue malgache, le directeur général des Douanes, le Dr Lainkana Zafivanona Ernest, hier, Wang Lingjun a manifesté sa volonté de «convenir d’un accord et mettre en œuvre une véritable coopération douanière».
Les discussions ont notamment porté sur la simplification des procédures douanières, la réduction des obstacles administratifs et l’amélioration de l’interconnexion entre les deux administrations de douanes. Cela permet de fluidifier les échanges et poser les bases d’un commerce bilatéral plus dynamique et plus équitable.
Cette initiative s’inscrit dans le cadre du Plan stratégique 2025–2029 de la Douane malgache, axé sur la performance, l’innovation et l’intégration internationale. Pour Madagascar, ce partenariat offre une opportunité de moderniser ses pratiques douanières et de mieux s’intégrer aux circuits commerciaux mondiaux.
Dans un contexte international marqué par des tensions tarifaires et des ajustements de taille, cette coopération revêt une dimension non négligeable. Elle repose sur des valeurs partagées de confiance, de transparence et de développement mutuel. La Chine, principal acteur économique, affirme ainsi sa volonté d’ouvrir de nouveaux canaux de collaboration avec ses partenaires africains. De son côté, Madagascar mise sur cette alliance pour stimuler son économie et améliorer la compétitivité de ses échanges.
A noter que le volume du commerce sino-malgache a atteint 2,08 milliards d’ariary en 2022, soit une hausse de 30% par rapport à l’année précédente. Et les importations de Madagascar en provenance de Chine ont atteint 1,46 milliard de dollars, soit une hausse de 14%, tandis que les exportations de Madagascar vers la Chine se sont élevées à 625 millions de dollars, soit une augmentation de 88%.
Arh.
A travers une délégation issue du ministère de la Décentralisation et de l’aménagement du territoire (MDAT), Madagascar vient de participer la semaine dernière à la Conférence mondiale sur les terres. Un événement annuel organisé par la Banque mondiale afin de faire des échanges sur les enjeux fonciers mondiaux ainsi que de partager les bonnes pratiques en matière de gouvernance et de sécurisation foncière. Il réunit chaque année un millier d’acteurs issus des gouvernements du monde entier, des partenaires techniques et financiers, des chercheurs ainsi que la société civile et le secteur privé.
Selon le MDAT, l’édition 2025 a mis l’accent sur le passage de la sensibilisation à l’action, en mettant en avant des solutions concrètes visant à améliorer l’accès à la terre, sécuriser les droits fonciers et encourager des investissements responsables, notamment dans le secteur minier. Une attention particulière a été également accordée aux systèmes d’information foncière (SIF).
A cette conférence, Madagascar est intervenu pour présenter ses avancées, sa vision et ses objectifs en matière de la Solidarité des intervenants sur le foncier (SIF), valorisant ainsi les efforts engagés pour moderniser l’administration foncière et renforcer la sécurité foncière au service du développement durable.
Sera R.
L’Ecole supérieure de développement économique et social a donné un atelier de réforme, hier au complexe Cnaps Votovorona, avec la participation des enseignants, des associations d’étudiants et des responsables au niveau de l’école. « Nous avons profité de cette rencontre pour présenter le bilan et surtout pour préparer une stratégie pour les dix prochaines années », annonce le docteur Elia Hanitriniaina, fondatrice et présidente de l’ES.DES.
L’ES.DES dispose actuellement de 20 réseaux dans tout Madagascar. « Afin d’uniformiser nos formations, nous organisons régulièrement des ateliers », ajoute-t-elle. Comme l’affirme Saholinirina, directeur académique de l’ES.DES de la zone Sud, cette pratique permet de mettre à niveau tous les réseaux, et d’éviter les grands déplacements des enseignants. « Notre objectif est d’aider chaque étudiant à trouver ou créer une entreprise, une fois le diplôme en poche, qu’il soit issu de la région du nord ou du sud », conclut-elle.
Holy Danielle
Le Projet de développement urbain intégré et de résilience (Produir) est actuellement à sa deuxième phase. De source auprès d’un responsable, plus de 90% des travaux dans les agglomérations Grand Tana sont déjà réalisés.
Ce projet concerne, entre autres, 41,5 km de ruelles, 16,7 km de voies carrossables et 6,2 km de passerelles. Concernant le curage du canal Andriantany, 1,6 km est déjà achevé.
La deuxième phase du projet Produir a été lancée le mois de décembre 2023 dont les infrastructures prévues comprennent 146 ruelles, 26 voies carrossables, 28 passerelles et 3 escaliers totalisant près de 203 ouvrages s’étendant sur 21.975 mètres linéaires.
Lancement de la première phase en 2020
Financés à hauteur de 125 millions de dollars par la Banque mondiale, les travaux du projet Produir ont commencé en 2020 avec comme objectif d’améliorer les conditions de vie en milieu urbain ainsi que la résilience de la population urbaine face aux inondations dans les zones basses.
Cette première phase concerne 206 nouvelles infrastructures. Le premier arrondissement a bénéficié de 75 infrastructures de mobilité, 7 voies carrossables (1,13 km), 60 ruelles (8,871 km) et 8 passerelles (1,736 km). 79 infrastructures de mobilité, 8 voies carrossables (813 m), 58 ruelles (8, 567 km) et 11 passerelles (1,007 km) pour le quatrième arrondissement. Quant à la commune rurale de Bemasoandro (Atsimondrano), elle a bénéficié de 20 infrastructures de mobilité, deux voies carrossables (243 m), 16 ruelles (1, 589 km) et une passerelle (42 m) ainsi qu’un escalier de 11 m.
A cette première phase, les travaux ont également donné des emplois à des populations vulnérables à travers le système Himo où près de 126.000 d’emplois temporaires ont été créés.
Sera R.
Une dizaine de députés préparent une motion de censure ?
Aucune information officielle n’a encore été communiquée. Mais d’après les bruits qui courent dans les coulisses de l’Assemblée nationale, une motion de censure contre le gouvernement, se trame depuis hier, à l’initiative d’une dizaine de députés indépendants et de la plateforme Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Un élu dans la capitale a précisé que les discussions se poursuivent afin d’atteindre le quorum nécessaire pour déposer officiellement la motion. Aucune signature n’a encore été apposée.
Niditra tamin’ny andro fahadimy omaly, tany Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A. Fihaonana anisan’ny nandrasan’ny maro ny lalao teo amin’ny GNBC Analamanga sy ny ekipa tompondaka, ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Nifandanja ny lalao hatrany am-piandohana ary mbola natoky tena ry Muriel sy
ny namany. Tetsy ankilany, nanindry mafy ry Chine sy ny namany ka isa 81 no ho 71 no nandresen’ny GNBC ny MB2All. Vokatra hafa kosa, teo amin’ny sokajy lehilahy, nolavoin’ny GNBC Analamanga tamin’ny isa 82 no ho 50, ny ekipan’ny BC Somava Sava. Nampiseho ny tanjany ihany koa ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena tamin’ity lalao iray ity ka tsy afa-bela ny mpifanandrina taminy. Ho an’ny sokajy vehivavy, ekipa nivoatra tao anatin’ny fotoana fohy ny ekipan’ny ASSM Analamanga ary manomboka mametraka ny anarany. Niavaka ny lalao nasehony nanoloana ny ekipan’ny Dunamis Analamanga, omaly, ka nahazoan’ny ASSM ny fandresena tamin’ny isa 76 no ho 64.
Mi.Raz
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny orinasa Yas Andraharo, ny antsapaka nahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe de Madagascar ». Araka ny tazana, omaly, hifandona amin’io ny klioba samy mifanintsana
amin’ny « World Cola PFL », ny Mama FC sy ny AS Avenir Ste Anne. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, izy ireo. Ankoatra izay, miverina mifanandrina amin’ny Requin Bleu indray ny FC Rouge PFL. Nilaza ny filohan’ ny klioba FC Rouge Vakinankaratra, Rakotondramiara Hasina, fa efa nanomana foana izy ireo ary tanjony ny hisondrotra amin’ny ambony kokoa. Ampahatsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa avy atsy Vakinankaratra no nahintsan’ny klioba Elgeco Plus, tompondaka farany. Mangaraharaha tanteraka ny antsapaka natao teny an-toerana. Tamin’ity taom-pilalaovana ity, natao teo amin’ ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny antsapakin’ny fifaninanana. Tamin’ny taona lasa, teo amin’ny ampahefa-dalana vao nanao antsapaka ny mpikarakara. Tsara ny mampahafantatra fa hotontosaina ny
7 jolay ho avy izao ny famaranan’ny « Yas Coupe de Madagascar”, raha ny 24 mey ny fihaonana ampahavalon-dalana.
Fitia Randria
Nirotsaka an-tsehatra nanara-maso ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena mba hahafahana mitondra fanatsarana sy fanamafisana ny ezaka efa vita. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Rakotozanany Dany Marius, tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony tamin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana, ny 12 mey lasa teo. Tao amin’ny fari-piadidian’ny kaomisarian’ Isotry no nanombohana ny fidinana ifotony ka anisan’izany ny teny Antohomadinika IVO sy Ambodinisotry. Nitohy tao amin’ ny fari-piadidian’ny kaomisarian’i 67 Ha sy tao amin’ny Kaomisarian’i Mahamasina izany. Nisy, araka izany, ny fihaonan’ izy ireo tamin’ireo sefo fokontany sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fifandraisana amin’ny polisim-pirenena, toy ny fampilazana avy hatrany raha misy olona mampiahiahy eo anivon’ny fiarahamonina. Nisy koa ny toromarika amin’ny hanamafisana ny paikady mba hisian’ny fandriampahalemana amin’ireo faritra mena amin’ny asan-jiolahy.
Jean Claude
Nanatanteraka fitsidihana tany Egypta, ny 10 ka hatramin’ny 13 mey 2025 lasa teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Monja Delphin. Nandray azy tamin’ny fomba manetriketrika tao Le Caire, ny minisitry ny Fiarovana egyptianina, ny Jly Zaki Mohamed.
Niompana tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Egypte ny dinika nisy teo amin’ireto manamboninahitra jeneraly ireto. Naneho ny fahavononany ny minisitra egyptianina hanohana ny Foloalindahy Malagasy. Ao anatin’ ny fifanohanan’ny tany samy eo anivon’ny kaontinanta afrikanina ka miara-miatrika ny ambana misy maneran-tany. Nisy ny fangatahana manokana nataon’ny MFA amin’ny fiofanan’ny sampana fitsikilovana mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-potoana sy hiarovana ny harena ary ny trafika rehetra. Namaly ny minisitra egyptianina fa hampitomboina manokana ny fiofanana momba izany amin’ ny fiaraha-miasa misy eo amin’ ny Tafika Malagasy sy ny Tafika egyptianina. Nankatoavin’ny minisitry ny Fiarovana egyptianina ny fampitomboana ny isan’ireo miaramila malagasy hanaraka fiofanana any Egypta. Handefa mpampiofana aty Madagasikara ihany koa izy ireo ho fanampin’izany. Taorian’ny fihaonana, nisy ny fitsidihana ireo orinasa miaramila mpanamboatra fitaovam-piadiana, toy ny basy sy bala, nataon’ny MFA niaraka tamin’ireo delegasionina notarihiny. Nisy koa ny fitsidihany ny « Arab Organisation for Industry » izay vondrona mamokatra fitaovana ho amin’ ny fiarovana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta. Nitsidika ny orinasa miaramila « TemSah », mpamokatra fiara mifono vy koa izy ireo ary namarana ny fitsidihana ny ivontoerana mpamokatra sy mpivarotra fanamiana miaramila. « Tanjona amin’izao fitsidihana izao, ny hanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta mba hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy ka hahafahany miatrika ireo iraka sahaniny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany », hoy ny MFA.
Jean Claude
Anisan’ny asa tanana maro mpanao ny sary amin’ny rindrina na ny
« graphiti » amin’ny fiteny frantsay, eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, mitovy amin’ny fanaovana sary hosodoko amin’ny taratasy ihany izy io. Ahitana mpanao izany avokoa ny ankamaroan’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Toy ny etsy Mahamasina, Analakely, Anosy, sy ny faritra maro hafa. Ny tanora no tena misehatra amin’ny fanaovana ity asa ity. Tsy mifidy fa manao izany avokoa na vavy na lahy. Anisan’ny misehatra amin’io asa tanana io Ramanandraitsiory Victor.
Niainga tamin’ny fanaovana sary alok’olona iray ny fanaovana sy fianarana io sary io tamin’izany, raha ny fanazavana voaray. “Mifandimby mijoro izahay ary manaraka ny sarin’ aloka hivoaka sary tena izy eo amin’ny rindrina”, hoy ihany izy nitantara. Natao kilalao sy fialamboly ny fanoritana ny alok’ankizy iray amin’ny tany na rindrina rehefa fotoam-pialantsasatra. Mahafinaritra ihany koa ny fotoana niarahan’ny mpampianatra hanao ny sary eny amin’ ny solaitrabe tany am-pianarana. Lasa toy ny fialamboly mihitsy aza izany satria tiana ihany koa ny manao azy. Ankoatra izay, misy mihitsy ireo ankizy zanak’olona manan-katao manakarama mba hanao sary rehefa tonga tany amin’ ny ambaratonga faharoa sy tany amin’ny lycée. Nambarany fa mila faharetana ny fanaovana izany. Satria, tsy mihetsika mihitsy ilay olona raha tsy vita ny sary izay natomboka.
Nanomboka nanao sary tamin’ny taratasy fotsy rehefa nitombo ny taona. « Naverina tamin’ny taratasy fotsy ny sary teny amin’ny rindrina natao tamin’ny pensilihazo satria naloto tamin’ny saribao ny rindrina”, hoy ihany izy. Lasa zatra nanao sary tamin’ny taratasy fotsy tao anatin’ny fotoana fohy, teo amin’ny fahavalo taonany izy. Mbola enina taona mantsy vao nahazo niditra an-tsekoly ny ankizy tamin’izany fotoana izany. “Tsy sahirana mihitsy aho ny nanoratra, indrindra izany sorakaliana izany satria efa zatra tamin’ny nanao sary », hoy hatrany izy. Natao avokoa ny karazana sary hosodoko rehetra na sarin’olona na tanàna. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana manao « logo» tamin’ ny fankalazana ny faha roapolo taonan’ny sekoly nianarana tamin’izany fotoana izany. Niteny ny mpiara-mianatra fa hahazo ny loka voalohany izaho ka tanteraka tokoa nony natao ny fizarana. Nanomboka teo, “nampirisika avokoa na ny mpampianatra na ny mpiara-mianatra fa tokony hifantoka amin’ny fanaovana sary aho. Tsy hijanona ao an-tsekoly intsony fa nivoaka nandray anjara amin’ireny fifaninanana hafa ireny mihitsy taty aoriana », araka ny nambaran’i Victor.
Asa nolovaina ny ankamaroany
Nolazainy fa asa nolovaina tamin’ny ray aman-dreny teo aloha izy io. Tsy misy toeram-pianarana na sekoly manokana momba ny fanaovana sary ihany koa eto an-toerana. « Efa mpanao sary hosodoko ny ray aman-drenibe teo aloha ka niampita tsikelikely taty aminay zafikeliny ny fahaizana izany”, hoy Ramanandraitsiory Victor, mpisehatra eo amin’ny fanaovana ity asa tanana iray ity. Efatra mianadahy izahay ny iray tampo, roa lahy sy roa vavy ary samy mahay manao sary avokoa saingy samy manana ny manavanana azy avy. “Mpanao sary hosodoko amin’ny lamba zandiana ireny ny dadabeanay fony fahavelony”, raha ny nambaran’ity mpanantalenta ity.
Nitetezana faritra maro
Asa mahavelona tsara ny fanaovana ny sary amin’ny rindrina ankehitriny na tsy miasa amin’ny orinasa mihitsy aza, hoy i Victor. Ho azy manokana, asa nahafahana nitety faritra sy toerana maro teto amin’ny Nosy izy io. Fantatry ny olona ianao rehefa tsara sy be mpankafy ny asa ataonao. Efa misy laharana finday ihany koa mipetraka eny ka miantso avy hatrany ny olona rehefa te hampanao zavatra aminao. Nahitana traikefa ny fitetezam-paritra, indrindra ny any amoron-dranomasina. « Mila mahay mikajy ny taharon’ny zavatra ampiasaina rehefa manao sary hosodoko amin’ny toerana misy ranomasina. Henjanabe mantsy ny fihinanan’ny rivo-dranomasina io loko io ka raha tsy mahay, manjavona ny sary tsy ampy herintaona monja. Maty ny sary kanefa tsy tafita akory ny hafatra tian’ny mpampiasa hampitaina tamin’ny hosodoko teny amin’ny rindrina. Tsy hatoky anao intsony ny olona satria noheveriny fa natao alasafay ny zavatra nampanaoviny kanefa olana ny toe-javatra nanodidina ny tamboho nanaovana ilay sary », hoy hatrany Ramanandraitsiory Victor. Ankoatra ny olon-tsotra, manao kaomandy ihany koa ireo orinasa vaventy, anisan’ny efa mpiara-miasa an-taonany maro.
Ho anay efatra mianadahy, samy manana ny orinasany kely avy izahay. Hifandrombonana ny asa iray rehefa tsy manana asa ny hafa sady maika ny hifindra any amin’ny toeran-kafa indray. Azo lazaina fa mety aloha hatreto ny tsenan’ ny hosodoko amin’ny rindrina, raha ny nambarany hatrany.
Nanatontosa: Mino
« Ne pas s’isoler, s’ouvrir au monde, penser international en hissant la souveraineté de la population malagasy et de Madagascar ». L’Ambarao de Lova Ranoromaro Porte Parole et Directeur des Affaires Internationales auprès de la Présidence de Madagascar.
Maro ny olona mivelona amin’ny biby tongo-droa sy tongotr’efatra. Raha ho an’ny Malagasy manokana, ny akoho sy ny alika no tena be mpiompy. Ao ireo mivarotra akoho fa ao koa ny mivarotra alika “chien de race”. Ilaina fahaizana nefa ny mikolokolo azy ireny.
Efa betsaka ny Malagasy miompy biby. Nisy ny fanadihadiana natao tamin-dRandrianjafimanana David, teknisianina amin’ny resaka fiompiana eto Madagasikara, hiresahana manokana ny mahakasika izany. Nilaza ny tenany, ny herinandro lasa teo, fa ilaina fahaizana ny fikolokoloana sy fiompiana ireny biby ireny. Antony, samihafa tanteraka ny aretina mahazo azy, ny sakafony, sy ny fepetra tokony hiainany ahafahany miaina tsara.
Eo amin’ny resaka aretina, tsy mitovy ny aretina mahazo ireo sokajim-biby ireo. “Raha eo amin’ny tongotr’efatra, raisina ohatra ny alika, matetika mahazo azy ireny ny aretina “parvovirose”, ary fotoana iray tena hietsehan’izany ny andro mangatsiaka saingy misy foana izy io mandavantaona. Fomba iray azo hisorohana azy ny fanaovana vaksiny”, hoy ity teknisianina eo amin’ny resaka fiompiana ity.
Araka ny fanazavana nomeny, ny alika iray hatramin’ny telo volana eo no tena tratran’io aretina io. “Ankoatra ny alika, misy ihany koa ny aretina mahazo ny saka, ary tena mamparary azy dia ireo biby kely mihinana ny nofony ka mety hampalemy azy. Anisan’ ny fisorohana ny aretina mpahazo azy ny famonoana ny bibikely toy ny parasy eny amin’ ny vatany, sy ny fanomezana azy ody kankana”, araka ny fanazavany.
Eo amin’ny sakafo, nilaza Randrianjafimanana David fa tokony hatao mifanaraka amin’ny vatan’ilay biby ny sakafo. Toy ny zavamananaina rehetra ihany mantsy izy ireny ka tokony hatao ara-dalàna tsara ihany koa ny sakafony.
Tongo-droa
Raha ho an’ny tongo-droa indray, ny akoho no tena hita fa be mpiompy indrindra. Ary amin’izao vanim-potoanan’ny hatsiaka izao, matetika iharan’ny aretina izy ireny, hoy hatrany Randrianjafimanana David. “Aretina iray tena mpahazo ny akoho matetika ny barika, ny pesta ary ny aretin’ ny taovam-pisefoana. Misy vaksiny daholo izy ireo”.
Nomarihiny fa ny fomba tsotra sady tsara dia ny fanatonana ireny toeram-pitsaboana biby fiompy ireny, ilaina hatrany ny maka torohevitra mahakasika izany.
Samy manana ny fomba fanomezana sakafo ho an’ireny akoho amam-borona ireny moa ny olona tsirairay, ao ireo mikendry ny hampatavy azy vetivety, saingy tsara hatrany ny mijery ny fatrany izay mifanaraka tsara aminy.
Nanantontosa: Fitia Randria
Nihena 45,3% ny vola niditra tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Nidina 44,3% ny vokatra, nihena 1,8% ihany koa ny vidiny. Antony mahatonga izany ny hamaroan’ny tahiry, milanja hatrany amin’ny 1 000 taonina, any ivelany ka nampihena ny fanafarana.
Tafakatra 212,9% ny vary nafaran’i Madagasikara nanomboka ny janoary ka hatramin’ny volana marsa na nihena 13,1% aza ny vidiny. Nahatonga izany ny fiovaovan’ny toetr’andro izay niantraika teo amin’ny tsena sy ny vokatra eto an-toerana. Vokany, nampitomboina ny fanafarana hamaliana ny filana sy ny tsena.
Karazan’omby tsara hena sy manome ronono ny Manjan’i Boina. Manao fikarohana ny hamerenana ity karazan’omby ity ny Tobim-paritra fikarohana any Miadana, Ambovondramanesy, Mahajanga II. Misy ny tetikasa FSRP iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hisahana izany.
Nahazo toby herinaratra avy amin’ny masoandro ny kaominina Ankililaoka, distrika Toliara II. Mamokatra herinaratra 573 KW ity toby ity, miteraka tanjaka 440 KVA. Miisa 20 000 ny mponina misitraka azy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampidirana herinaratra any ambanivohitra (Ader), fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina izy ity.
Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandeha voakasiky ny sidina nofoanana, nilaza ny Madagascar Airlines fa efa fa nivoaka ny tetiandro hanonerana ireo vidina takapika. Nampahafantatra ny kaompania fa manana ny mari-bola ahafahana mamerina ireo vidina tapakila izy ankehitriny. Misy, araka izany, ny fandaharam-potoana hiantohana ny fizotry ny fangatahana. Efa manomboka amin’izao ka hifarana ny volana novambra 2025 ny fangatahana fanonerana teo anelanelan’ny ny 1 avrily 2022 ka hatramin’ny 31 aogositra 2024. Hovitaina hatramin’ny 31 mey kosa ny fangatahana nipetraka nanomboka ny 1 septambra 2024 ka hatramin’ny 16 marsa 2025. Nohamafisiny fa hovitaina ao anatin’ny 30 andro ireo famerenana ny vidina tapakila voaray nanomboka ny 17 marsa 2025. Marihina fa ireo tapakila misy kaody MD sy voakasiky ny fifanarahana ihany no hisitraka ny fanonerana, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny orinasa. Noho izany, horaisina araka ny filaharany ireo dosie ka miantso ny mpanjifa hanaja ny tetiandro napetraka ny kaompania. Tanjona ny hamerenana ny fahatokisan’ny mpanjifa ny kaompania Madagascar Airlines.
Henintsoa
Hanomboka ny zoma ka haharitra telo andro ny Andron’ny seha-pamokarana atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fotoana hampahafantarana ny vokatry ny indostria malagasy. Ho hita eny a-toerana avokoa ireo orinasa 12 nisitraka ny fiarovana ara-barotra napetraky ny «Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales» (ANMCC). Tanjona ny hanjifan’ny Malagasy ny vokatra eto an-toerana ho fanohanana ny orinasa malagasy ary ny lohahevitry ny hetsika : «Vita malagasy, tiako ka arovako».
«Napetraka teto amintsika nanomboka ny taona 2019 ny fiarovana ny indostria hampihena ny fanafaran’entana avy any ivelany sy hampitomboina ny fahafaha-mamokatry ny orinasa eto an-toerana. Voizina ao anatin’izany ny kalitaom-bokatra mba hamaly ny filan’ny mpanijifa sy afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena», hoy ny tale jeneralin’ny ANMCC, Barthélemy, omaly. Tao anatin’ny enin-taona, nitombo ireo orinasa nisitraka fiarovana. Tanjona ny hampiroboroboana izany ho fanandratana ny vita malagsy. Manara-maso ny vokatra miditra eto amintsika ny ANMCC ka mametraka ireo fepetra fiarovana ny vokatra eto Madagasikara. Anisan’izany ny haba fanampiny amin’ny haban-tseranana (DAD), ny famerana ny vokatra miditra. «Azo atao kosa ny mametra ny vokatra miditra sy mandoa ny haba fanampiny amin’ny haban-tseranana», hoy ny tale teknika ny ANMCC, Nambohoe Venou. Izany hoe, ferana ho 15 000t ny paty miditra eto amintsika. Mandoa DAD 26% raha mihoatra. 11% izany ho an’ny lafarinina, 28% ho an’ny labozia ary 18% ho an’ny menaka.
Henintsoa
Goavana indrindra amin’ny famokarana herinaratra ny tetikasa Sahofika, hatrany amin’ny 200 MW. Manana petra-bola ao ny fanjakana malagasy iarahana amin’ny orinasa Neho.
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vovonan’orinasa Neho (Nouvelle énergie hydroélectrique de Onive) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), misolo tena ny fanjakana malagasy. Nanatrika ny fotoana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Amin’ny alalan’ny Tahirimbola mahaleo tena malagasy na Fonds souverain (FSM)* ny ahafahan’ny fanjakana manana petra-bola ao anatin’ilay vovonana.
Any amin’ny reniranon’i Onive, any atsinanan’Antanifotsy, faritra Vakinakaratra, ny toerana hananganana ny tohodrano goavana. Tetikasa lehibe indrindra eto amintsika, hamokatra herinaratra 192 hatramin’ny 200 MW. Hamidy amin’ny Jirama ny herinaratra avy eo. Nisy sonia faharoa natao koa, omaly, teo amin’ny Neho sy ny Jirama, manamafy ny hividianan’ity farany ny herinaratra vokarina.
Miara-miasa amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) ny fanjakana malagasy, nahafahan’ny FSM manana ny 49% ny petra-bola ao anatin’ny vovonana Neho. An’ny orinasa tsy miankina, ny Themis sy ny Eranove kosa ny 51%. Maro ny dingana sy fanadihadiana ara-teknika hatao, fa vinavinaina amin’ny taona 2026 ny fanombohana ny asa fananganana ny fotodrafitrasa samihafa.
Tetikasa maro amin’ny angovo
Nomarihin’ny filoha Rajoelina, fa mila fotoana maharitra ny fananganana tohodrano, saingy ahazoana tombony betsaka satria ambany ny vidin’ny herinaratra azo. Mila fampiasam-bola goavana, satria tsy maintsy misy ny fanamboaran-dalana noho ny fidirana anaty ala.
Tsiahivina fa efa mandeha koa, ankehitriny, ny fanombohana ny tetikasa Volobe II any Toamasina, famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano. Etsy ankilany, maro ny tetikasa hafa entina hampiroboroboana ny sehatry ny angovo. Misy ny fampiarahana ny fampiasana solika sy ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Njaka Andriantefiarinesy
Ny zoma alina lasa teo no tonga teto Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Tsy niandry ela fa ny ampitson’io ihany, tonga nijery ny fifaninanana teto an-toerana ny tenany ka anisan’izany ny dingana ampaha-16ndalana hiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”. Tsy izy irery no nanatrika izany fa niaraka tamin’ ireo ekipa teknikany. Tsy mbola namoaka fanambarana na namaly ny mpanao gazety ny tenany tamin’izany.
Mbola mifamahofaho be ihany ny amin’ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar satria araka ny vaovao voaray, hisy fitsapana ny fahaizan’ireto mpilalao avy eto an-toerana ireto, amin’ny faha-24 n’ity volana ity, amin’izay mety handrafitra ny Barea “Chan”. Tsy fantatra izany raha toa ka mety hisy mpilalao ho antsoin’i Corentin Martins, ho tsapaina ihany koa amin’ilay fihaonana firahalahiana hikatrohan’ny Barea “A” amin’ny RD Congo, ny 8 jona ho avy izao, any France.
Ny Barea Chan kosa hanoman-tena sy hanao lalao fitsapana atsy Afrika Atsimo, ao anatin’ny datin’ny Fifa. Ireto ekipam-pirenena ireto izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpila ravinahitra, hotanterahina any Kenya sy Tanzanie ary Kenya, ny 2 ka hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao.
Tompondaka