Amin’izao fotoana, miakatra ho 1 tapitrisa ireo mpisitraka fiahiana sosialy ao amin’ny Cnaps.
Tena ambany kosa izany raha ny taona 2023, indrindra ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nanodidina ny 7 hetsy ireo misitraka izany fiahiana sosialy izany teo aloha. 9 alina ireo mba misitraka fisotroan-dronono ary 250 000 ireo zaza sy reny mandray fanampiana mahakasika ny fianakaviana.
Nandritra ny atrikasa fakan-kevitra nataon’ny minisiteran’ ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, miaraka amin’ny Cnaps, no nahafantarana izany. Ireo mpiasa tsy manara-drafitra no tena tsy misitraka io fiahiana io, indrindra ireo mpiasa tena.
Efa lany andro ny lalàna mamaritra ny fisitrahana ny fiahiana sosialy satria efa tamin’ny taona 1960 no nandrafetana azy ka tsy manaraka ny zava-misy ankehitriny intsony.
Hivelatra kokoa amin’ireo mpanao asa tena ny tetikasa manomboka eto. Niompana amin’ny fisotroan-dronono sy ny fiahiana ara-pahasalamana ary ny fiahiana ny fianakaviana ny sosialy hatramin’izay ka izao hitarina amin’ny sehatra hafa izao.
Tatiana A
Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, lalaovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis, amin’ity fifaninanana ity. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis de Madagascar i Hong-Kong, aorian’io vao hikatroka amin’i Canada.
Tsiahivina fa mizara dingana roa ity fifaninanana ity ka ny voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny faharoa ny 8 sy 9 marsa ho avy izao. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa 8 voalohany aorian’ireo dingana roa ireo ka miatrika ny ampahefa-dalana hatao any Cracovie Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao.
Izay 4 voalohany tafita eo no manao ny “Play-off”, ny 3 sy 4 mai, any Los Angeles. Manao ny “circuits mondiaux 2025” kosa ireo roa voalohany manao famaranana.
Tompondaka
Ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar : 1-Yvon (Cosfa) ; 2-Nofy Tiana (Cosfa) ; 3- Mickael (Cosfa) ; 4-Fabrice (TFA) ; 5-Rado (TFA) ; 6-Jean-Marc (TFA) ; 7-Salotra (3FAI) ; 8-Tolotra (3FAI) ; 9-Laou (CRAI) ; 10-Mickael (SCB) ; 11-Romeo (FTM) ; 12-Jean-Yves (FTM). Razily (Mpanazatra)
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Ste Anne.
Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao ny fifaninanana “Smatchin” taranja basikety. Efa fantatra ireo mpifaninana ka sekoly 50 manerana ny Nosy no handray anjara, izay ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy ary ekipa 17 ho an’ny sokajy vehivavy.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Mpikatroka 400 no andrasana amin’io fotoana io.
Notanterahina ny zoma lasa teo ny antsapaka amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny vokatra azo, anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, amin’io, ny fihaonan’ny Liverpool FC, klioba anglisy sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fianarantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Hentitra ny federasiona ary nanamafy fa tsy afaka mampianatra karate intsony izay tsy manana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany ary tsy ho ela ny fampiharana azy io. Izany, hoy ny filohan’ny federasiona, no antony nikarakarana izao fiofanana izao izay hiarahana miasa amin’ny MJS sy ny ANS. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny FKM ihany koa fa mizara 3 ny fiofanana ho an’ny mpampianatra ny taranja karaté. Dingana voalohany ity DAf ity, hitohy amin’ny fiofanana hahazoana ny DIF (Diplôme d’instructeur féderal) izany ary mifarana amin’
ny fiofanana hahazoana ny “Brevet d’Etat”. Tokana ny tanjona dia ny hampivoarana sy hampiakarana ny lentan’ny mpikatroka eo amin’ny taranja karate malagasy.
Mi.Raz
Miezaka mitady vahaolana mahakasika ny baolina kitra eto Madagasikara ny minisitry ny Tanora sy
ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nisy ny fifampiresahany tamin’ny sekretera jeneralin’ny Caf, any Egypta.
Anisan’ireo taranja tena mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty pejin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), tonga nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypta, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nandray azy tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny Caf, Veron Mosengo Omba.
Nisy ny resadresaka nataon’ izy mirahalahy ireto ary nifantoka tanteraka tamin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina izany. Nodinihina koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny mety hampiantranoin’i Madagasikara, ireo fifaninanana afrikanina toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina atao amin’ny torapasika “Beach Soccer”.
Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Malagasy amin’ny finiavana hampivoatra ny tanora amin’ ity taranja ity, i Veron Mosengo Omba. Tsiahivina fa tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Efa niasa teo anivon’ny Caf, tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad, Malagasy filohan’ny Caf teo aloha, ny tenany.
Fitia Randria
Valin’ny kianja?
Afaka telo andro eo sisa, ho tonga ny volana marsa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny valin’ny fankatoavana, raha nahazo izany na tsia kianja ny Barea Mahamasina. Ampahatsiahivina ihany fa amin’ny volana manaraka io, hifanintsana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2026”, indray ny ekipa nasionaly malagasy. Raha mahazo fankatoavana ny kianja Barea, hatao eo Mahamasina izany ny fihaonan’i Madagasikara sy i Ghana.
Hotanterahina etsy amin’ ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, ny « SOS Sokake Cup » na « Eco-tournoi international », taranja baolina kitra. Fifaninanana ho an’olona 11 ary natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy. Io no nambaran-dRazafindrakoto Léon, talen’ny alan-javaboahary arovana any Thonye, Nouvelle-Calédonie, sady mpikarakara ny hetsika, tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ambohidahy, omaly. Araka ny anaran’ny fifaninanana, hiara-dalana ny baolina kitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Firenena efatra no hiatrika izany ka anisan’ny ho avy i Nouvelle-Calédonie. Ankoatra izay, eo koa ireo avy atsy
amin’ny Nosy rahavavy izay efa eo am-pamaranana ny fanaovan-tsonia amin’ny fihaviany. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny lehilahy, ny 67 City Football Club, mankalaza ny faha-10 taonany ary ny Yfomac kosa eo amin’ny vehivavy. Tanjona ny hiarovana ny fanondranana sy fandripahana ireo sokatra izay harem-pirenena. Hampahafantarina ireo ankizy ny maha sarobidy ny sokatra, anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ary mampiditra vola ho an’ny fiarahamonina malagasy. Tsiahivina fa feno 20 taona amin’ity ny SOS Tortues, anisan’ny manana andraikitra goavana amin’ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara.
Torcelin