Namono ben’ny Tanàna: Dahalo roa lavon’ny bala

Les Nouvelles - lun, 03/03/2025 - 07:54

Dahalo roa lahy, nandray anjara tamin’ny famonoana nahafaty ny ben’ny Tanàna Mangatamboahangy, distrikan’Ambatofi­nan­dra­hana, no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo. Tratra nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana niarahan’ny miaramila teo anivon’ny fari-piarovana Tsiafajavona sy ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena tany an-toerana izy ireo. Hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Itremo, distrikan’Ambatofinandrahana izy ireo. Nanohitra sy nandositra ary namaly tifitra an’ireo mpitandro filaminana ka niteraka ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Raikitra ny fifanjevoana, ka maty voatifitra izy roa lahy ireto. Tratra teny aminy moa ny fitaovam-piadiana mahery vaika: “Fusil d’Assaut” iray sy basim-borona iray ary « boîte chargeur” iray miaraka amin’ny bala miisa telo (03) izay nampiasain’izy ireo. Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana, iarahan’ireo mpitandro filaminana manao. Toy izay koa ny fitadiavana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ka namono nahafaty ny ben’ny Tanàna voafidy tany Mangatamboahangy. Manentana ireo tsara sitrapo hatrany ny mpitandro filaminana mba hanome loharanom-baovao marina hoentina manafoana ny asa ratsy.

Mino

Catégories: National

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Aoka mba ho tsikera mampandroso”

Les Nouvelles - lun, 03/03/2025 - 07:54

Nohitsin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), i Volamiranty Donna, ny eo anivon’ny fanoherana, ny faran’ny herinandro teo. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany. “Inona ireo fampandrosoana mba nentin’ny mpanohitra?”, hoy izy. Nomeny lesona sy fampahatsiahivana ny eo anivon’ny fanoherana. Fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko mpanohitra fa tsy fanakorontanana lava izao, araka ny nambarany. “Efa tsy voasarika amin’izany intsony ihany koa ny vahoaka”, hoy ihany ity mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ity.
Notsiahiviny tamin’izany fa miray feo amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, avokoa ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tamin’ny fankasitrahana azony, amin’ny maha mpitarika politika mendrika azy aty amin’ny kaontinantaben’i Afrika. Noarahabaina ny filohan’ny Repoblika tamin’izany noho ny fahaizany nitarika ary nitondra vinanasa ho an’ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Nahazoany amboara sy fankasitrahana izany. Tsikera mitondra fampandrosoana, araka izany, no andrasana amin’ny mpanohitra”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny teny famerimberin’ny mpitondra tenin’ny governemanta ny tsy fanekena velively ny fivoizana fanakorontanana na manao fihantsiana mihitsy. “Tsy kolon­tsaina malagasy izany”, hoy izy.

Synèse R.

Catégories: National

Oniversite sy ny MFFT : Hiaraha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Les Nouvelles - lun, 03/03/2025 - 07:53

Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.

Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona anto­ka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny ao amin’ny fiadidiana ny oniversite, ny Pr Ravaomanarivo Lalaha­rivao, fa anisan’ny misehatra amin’ny fikarohana tokony hatao hiatrehana izany fiovaovan’ny toetr’andro izany ny anjerimanontolo. “Ankasitra­ha­na ny MFFT fa tena anatin’ny fikarohana ataonay izany satria samy manana andraikitra avokoa ny rehetra hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy izy, teny Ankatso, ny herinandro teo. Natsidiny fa hampita ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ireo mpianatra ary hanentana izy ireo aorian’izao fifampizarana sy ny adihevitra izao.
Nambaran’ny lehiben’ny sampandraharaha ho an’ny fampiroboroboana ny tanàn-dehibe eo anivon’ny MFFT, Rahanitrarivony Sitraka, fa na­hafahana nanaparitaka ny to­rolalana ny fifanakalozana ta­haka izao. “Anisan’izany ny momba ny fanorenanana fotodrafitrasa hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny drafitra an-tanàn-dehibe. Tafiditra ao anatin’izany ny Oniversite amin’ny fikarohana sy ny famolavolana ireo tanora hiantsehatra any aoriana”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe ny fifampizarana ahafahana miatrika mialoha izany fiovaovan’ny toetr’andro izany.

Synèse R.

Catégories: National

Ambohibary Moramanga: Tohodrano hanondraka tanimbary 1 000 ha

Les Nouvelles - lun, 03/03/2025 - 07:53

Miara-miombon’antoka ny fanjakana malagasy sy ny orinasa sinoa, Sinomach, miaraka amin’ny teknisianin’ny Akademia sinoa misahana ny siansa ny fambolena any Hai­nan. Mifantoka amin’ny fananganan’ny Sinomach tohodrano lehibe hanondraka tany
1 000 ha any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Mo­ramanga, ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana mifehy ny ra­no, ka hitombo avo roa hatramin’ny telo heny ny voka-bary. Hampiakatra ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany, ary hihena ny fahantrana.
Nidina tany an-toerana, ny 27 febroary teo, ny Seke­reteram-panjakana miadidy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, nijery ny fizotry ny tetikasa sy ny filan’ny mponina. Notsipihiny fa tsy maintsy hafainganina ny fanodinana ara-pambolena sy ny fanohanana ny mpamokatra ao an-toerana. Homena fiofanana ara-teknika ny tantsaha sy toromarika ara-pambolena manara-penitra. Hofanina ny tantsaha amin’ny fampiasana masomboly nohatsaraina sy ny teknikam-pambolena ma­nara-penitra.
Hisy tetibola hatokana hanatsarana ny lalana ao Ambohibary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faha-44, izay vao vita farany teo, hanamora ny famoaham-bokatra. Hatsangana koa ny ozinina hanodinana ny vary sy ahafahan’ny tantsaha mahita lalam-barotra. Hiteraka asa ho an’ny mponina any an-toerana iza­ny, hampihenana ny fahantrana. Nilaza ny depioten’i Mora­manga, Rajaobelina Lova, fa feno ny fepetra hampiroboroboana ny fambolena sy hanatsarana ny andavanandron’ny tantsaha malagasy.

Njaka A.

Catégories: National

Pages