Fiainam-pikambanana : Mitaky ny hitarihana ny Fitea-M ny any Amboasary

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 08:20

Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao izany ho an’ny taona 2025-2027 nefa lasan’Ambovombe izao », hoy izy ireo. Tsiahivina fa efa valo taona izao ny nijoroan’ny fikambanana. Anisan’ny fotokevi-dehibe iorenan’ny Fitea-M ny fikatsahana ny fampandrosoana ny any amin’ny faritra Androy. Eo koa ny ady atao amin’ny kere. Tsy manao politika ny fikambanana. Manampy izany ny fandalana sy fanajana ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy. Ary ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.

Synese R.

Catégories: National

Miparitaka maneran-tany : Mahatonga aretina maro ho an’ny olona ny kaikitry ny moka

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 08:20

Anisan’ny biby ke­ly indrindra eto an-tany ny moka, nefa mitondra karazana aretina maro maneran-tany. Maha­ton­ga fahafatesana ma­ro eo amin’ny olona ihany koa izy io.

Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, ary Culex sy ny maro hafa. Tia mipetraka amin’ny toerana mando, misy rano miandrona izy ireny. Mampidi-doza, in­drindra ho an’ny fahasalaman’olombelona, izy ireny satria mitondra aretina maro. Maha­tonga fahafatesana maro indrindra maneran-tany ihany koa. Maherin’ny 700 000 isan-taona izany, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation mon­diale de la santé (OMS). Tafiditra ao anatin’ny bibikely mampidi-doza indrindra ma­ne­ran-tany izy io.

Mihinana ranon-javamaniry ny moka lahy. Mihinana ra avy amin’ny olombelona sy biby kosa ny moka vavy. Izy io no mitarika aretina ho an’ny olona sy ny biby izay kaikeriny. Maro ny aretina entin’ny moka vavy, toy ny tazomoka (Mala­ria), aretina ampitain’ny moka antsoina hoe: “Anopheles”. Mahatonga aretina aman-tapitrisany, indrindra ho an’ny olona aty Afrika izy io. 263 tapitrisa ny olona voan’ny aretina tazomoka (malaria) maneran-tany, izay azo avy amin’ny moka, raha ny tatitra tamin’ny taona 2023. Naha­tratra 597 000 ireo olona namoy ny ainy tamin’izany. Nanodidina ny 608 000 ireo olona namoy ny ainy maneran-tany tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra navoakan’ny OMS hatrany. Avy amin’ny mponina aty Afrika ny 94 % tamin’izany. Ankizy latsaky ny 5 taona avokoa ny 76 % amin’ireo. Eo koa ny aretina Dengue sy Chikungunya, izay ampitain’ny moka Aedes aegypti, any amin’ny faritra mafana sy mando. Eo koa ny aretina Fièvre jaune, izay mahazo ny ankamaroan’ny zaza vao teraka raha tratran’ny aretina ny reniny. Eo kao ny Filariose, areti-mifindra entin’ny moka Culex.

Diovina ny manodidina

Fahavalo lehibe ho an’ny olombelona ny moka na dia kely aza. Ilaina ny fanamafisana ny ady amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny fanaovana ireo fomba fisorohana rehetra. Maro ny fisorohana tokony hatao. Eo ny fihinanana fanafody omen’ny mpitsabo. Ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fihetsiky ny mponina andavanandro. Voalohany, ny fisorohana ny rano miandrona. Tokony hiezaka ny tsirairay mba hanarona ny siny sy barika misy rano ary ariana avy hatrany izay rano tsy ilaina na maloto. Faharoa, ny fampiasana lay misy fanafody, indrindra amin’ny alina. Fahatelo, ny fampiasana fanafody mamono moka. Manaraka izany, ny fanaovana akanjo misaron-tanana sy tongotra, mba hisorohana ny kaikitry ny moka. Eo koa ny tokony hanadiovana ny tatatra sy ny toerana manodidina ny trano fonenana. Toy ny fanalana ny lobolobo sy ny bozaka lava mety hitoeran’ny moka. Mamboly solila eo akaikin’ny varavarankely, izay zava-maniry mampitsoaka ny moka. Mihena ny voka-dratsy sy ireo aretina mahazo ny olona raha vita sy arahin’ny maro antsakany sy andavany ireo fepetra ireo.

Faritra tena ahitana moka betsaka indrindra

Eto Madagasikara, ahitana moka avokoa ny ankamaroan’ny toerana sy ny faritra rehetra. Ahitana ny moka:­ Ano­pheles ny any amin’ny moron­tsiraka Atsinanana, toy ny any amin’ny faritra Ikongo, Atsina­nana. Fotoana mahabetsaka izany ny vanim-potoan’ny orana, eo anelanelan’ny volana desambra sy avrily ary ny oktobra hatramin’ny volana marsa. Ho an’ny eto Anta­nanarivo, ahitana ny moka Anopheles sy Culex mandritra ny volana marsa hatramin’ny mey.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v80), quality = 82

Tian’ny moka ny olon-dehibe sy mafana hoditra

Misy olona tian’ny moka kokoa noho ny hafa. Misy ny antony mahatonga izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny manampahaizana any amin’ny Oniversite iray any Etazonia. Miankina amin’ny maripanan’ny olona iray, ny fofona ary ny loto voajanahary eo amin’ny hoditra ny antony hitiavan’ny moka ny olona iray. Mety manana maripana na hafanana avo ny olona iray ka tian’ny moka ny manaikitra azy. Voasarika amin’ny hafanan’ny vatana ny moka. Ankoatra izay, ireo olona manana tahan’ny gaz karbonika (CO2) amin’ny vatany sy be atsembohana. Anisan’izany, ny olona efa nahazo taona sy ny bevohoka. Eo ihany koa ny olona manana mamoaka bakteria miteraka fofona manintona moka. Ankoatra izay, mahasarika moka ny olona tia miakanjo miloko maizina, toy ny mainty, manga, volontany sy ny maro hafa. Ny vehivavy bevohoka sy ny olona vao avy nihinana sakafo mamy na misy alikaola dia ho tian’ny moka kokoa.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 08:19

Atao any Belo sur Mer, ny « Festival Botry Soa Fahitse », ny 21 hatramin’ny 24 aogositra. He­tsika ara-pizahantany sy ara-kolontsaina, hifantoka amin’ny sambokely botry, fampiasan’ny Vezo mpanjono. Hisy ny filaharana amin’ny lakana mampiasa voaly. Eo koa ny fifaninanana ara-kolontsaina sy hetsika ara-panatanjahantena ary fitsidihana ara-pizahantany.

Nihaona tamin’ny vondrona parlemantera japoney ny Praminisitra Ntsay Christian, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Nifantoka tamin’ny fanatevenana ny fifandraisana mametraka amin’ny politikam-pampandrosoana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta ny lahadinika. Tanjona ny hisian’ny fifamatorana sy fifanakalozana ara-politika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy.

Miisa 56 ny mponina any amin’ny kaominina Andronovondronina Antsiranana II, nentanina sy nampahafantarina amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga ateraky ny fihinanana hazandranomasina (Icam). Nanatanteraka ny fanentanana ny ekipa avy amin’ny Observatoire Icam any amin’ny faritra Diana sy ny Fitantanam-paritry ny Jono, ny oniversite Antsiranana sy Toliara, ny IHSM, sns

Catégories: National

Prix Castel 2025 : Fampiasana ny drônes amin’ny fambolena

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 08:19

Azon-dRakotozoely Andrian­tsitohaina ny voalohany amin’ny fifaninanana Prix Castel, avy amin’ny Tahirim­bola Pierre Castel, ary karakarain’ny orinasa Star. Ny orinasa Techni-drônes Madaga­sikara sy ny tetikasa natsangany, misehatra amin’ny fivarotana drônes sy ireo asa mifanaraka aminy. Nohaza­vain-dRakotonoely Andrian­tsito­haina, fa tafiditra ao anatin’ny ataony ny sehatry ny famokarana, entina hanatsarana ny fambolena, toy ny vary sy ny katsaka, ohatra. Ampiasaina ny drônes entina hanomanana sy ny fikarakarana ny tany, amin’ny alalan’ny fakana sary ana habakabaka ny velaran-tany. Eo koa ny fanofanana sy fifehezana ny teknika samihafa.
Mitentina 25 000 euros (125 tapitrisa Ar) ny lelavola nomen’ny Tahirimbola Pierre Castel. Nilaza ny tomponandraikitry ny Star, anisan’ny mpitsara ny fifaninanana, fa anisan’ny antony nisafidianana ny Techni-drones ny tetikasany manohana ny famokarana, raha toa ka mpamokatra mivantana ny loka nomena ny mpifaninana tany aloha.

Loka « super lauréat »
Ho any Abidjan Cote d’Ivoire Rakotonoely Andrian­tsitohaina amin’ny volana septambra. Hisolo tena an’i Ma­da­gasikara (Star) izy sady hifaninana amin’ireo mpandresy avy amin’ny firenena afrikanina enina hafa. Hitarika ny mpitsara ny CEO ny Von­drona Castel, Grégory Clerc, ka mitentina 35 000 Ar ny loka ho an’ny voalohany, « super lauréat ».

Njaka A.

Catégories: National

Sekoly Vatel : Nifantohana ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 08:18

Nifanakalo hevitra tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Vatel Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny 21 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny sehatry ny fandraisam-bahiny ny fifanakalozana. Nosinganin’ny minisitra, fa harena lehibe ho an’ny fizahantany eto amintsika ny tontolo iainana. Fanoitra mitondra fandrosoana ara-toekarena ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny mponina eny ifotony sy ny famokarana biolojika. Eo koa ny fampihenana ny tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary.
Notsindriany manokana, fa zava-dehibe ny fampifandraisana ny Politikan’ny Fizahantany sy ny Politikan’ny tontolo iainana. Mila hamafisina ny fandraisana andraikitry ny mponina eny ifotony, ny sehatra tsy miankina ary ny andrimpanjakana, hanatanterahana ny tanjona iombonana ho an’ny fampandrosoana maharitra.

Njaka A.

Catégories: National

Les joueurs malgaches à la hauteur des attentes: Michel Ramandimbisoa, le rempart infranchissable

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 07:57

Le portier malgache a été l’un des artisans majeurs de cette qualification. Avec 51 touches de balle sur l’ensemble du match, il a démontré une assurance remarquable dans ses cages. Ses trois arrêts sur quatre tirs cadrés, dont un penalty décisif stoppé face à Mike Kibwage, lors de la séance fatidique, ont galvanisé son équipe. Sa sérénité et sa capacité à capter les centres ont permis à Madagascar de rester dans le match, même sous la pression constante des attaquants kenyans.
Fenohasina Razafimaro,
l’étoile offensive
Au cœur du jeu offensif des Barea, Fenohasina Razafimaro a brillé par sa créativité et son sang-froid. Buteur sur penalty à la 69e minute pour égaliser à 1-1, il a également réussi un tir au but crucial dans la séance finale. Avec 53 touches, trois occasions créées et une précision de passes de 75,8 %, Razafimaro a été omniprésent, gagnant six duels et pesant constamment sur la défense kenyane. Son abnégation et sa capacité à se projeter vers l’avant ont incarné l’esprit combatif des Barea.

Bono Rabearivelo, le roc défensif
Dans l’axe de la défense, Bono Rabea­rivelo a livré une prestation titanesque. Avec 110 touches de balle, 70 passes (75,7 % de précision) et neuf duels gagnés, il a été le poumon de l’arrière-garde malgache. Ses six dégagements défensifs et sa présence dans les moments chauds, ont permis de contenir les assauts répétés du Kenya, qui a obtenu 11 corners contre seulement 2 pour Madagas­car. Malgré un carton jaune, Rabearivelo a tenu bon, incarnant la solidité d’une défense qui a réussi 85,7 % de ses tacles.

Toky Rakotondraibe, le facteur X
Entré à la mi-temps, Toky Rakotondraibe a changé la dynamique du match. Son penalty transformé dans le coin inférieur gauche lors de la séance de tirs au but, a scellé la victoire des Barea. Avec 35 touches en 75 minutes, six duels gagnés et un tir hors cadre, il a apporté de l’énergie et de l’audace. Son carton jaune à la 71e minute n’a pas freiné son élan, prouvant que les remplaçants malgaches étaient prêts à répondre présents.

Un milieu de terrain combatif
Lalaina Rafanomezantsoa et Rado Rabemananjara ont été les moteurs du milieu de terrain. Le premier, avec 56 touches et deux occasions créées, a montré une belle activité offensive, réussissant 86 % de ses passes et deux centres sur trois. Rabema­nanjara, quant à lui, a été un véritable guerrier avec 81 touches, six interceptions et sept duels gagnés, malgré un carton jaune. Leur complémentarité a permis à Madagascar de rivaliser dans l’entrejeu face à un Kenya dominateur en possession.

Toky Randrianirina, avec une précision de passes impressionnante (91,7 %), a stabilisé le jeu malgache, même si son penalty manqué dans la séance, a failli coûter cher. Rijaniaina Randriamanampisoa, avec 83 touches et une solidité défensive (deux interceptions, cinq dégagements), a également joué un rôle clé avant de céder sa place en fin de match à cause d’une blessure.

Les remplaçants à la hauteur
Les entrants ont également pesé dans la balance. Andy Rakotondrajoa, entré à la pause, a apporté de la fraîcheur avec 31 touches et deux interceptions, tandis que Rayan Rajaonarivelo, sur le terrain pour les 36 dernières minutes, a contribué à stabiliser l’équipe. Mamisoa Rakotoson, entré pour seulement deux minutes, a symbolisé l’effort collectif jusqu’au bout.

Naisa

Catégories: National

Chan 2025 : qualification héroïque des Barea en demi-finales

Les Nouvelles - sam, 08/23/2025 - 07:56

Dans une chaleur étouffante du Nyayo National Stadium de Nairobi, les Barea de Madagascar ont écrit une nouvelle page glorieuse de leur histoire footballistique. Ils ont barré la route des demi-finales aux Harambée Stars du Kenya, après une séance de tirs au but à fort suspense.

Contre toute attente, dans un duel acharné face au Kenya, alors que les Barea semblent à la dérive, les protégés du sélectionneur Romuald Rakotondrabe (Roro) ont arraché une qualification pour les demi-finales du Championnat d’Afrique des Nations (Chan) pour la deuxième fois consécutive, s’imposant 4-3 aux tirs au but, après un match nul 1-1 au terme de la prolongation. Ce triomphe dans l’antre des Harambee Stars, est bien plus qu’une victoire : c’est un exploit signé par une nation insulaire, souvent sous-estimée sur la scène continentale.

Un match sous haute tension

Dès le coup d’envoi, l’intensité était palpable. Les Kenyans, portés par leur fervent public, ont imposé leur rythme avec une possession légèrement supérieure (53,9 %) et une agressivité dans les duels. Leur but inscrit à la 48e minute par Alphonce Omija sur un coup de tête précis à la suite d’un coup franc, a fait trembler les gradins et a semblé donner l’avantage psychologique aux Harambee Stars. Mais les Barea, fidèles à leur esprit de combattants, n’ont jamais baissé les bras.
Malgré une possession de balle moindre (46,1 %), Madagascar avec une formation tactique de 4-4-2, a su se montrer dangereux, notamment grâce à la vivacité de Fenohasina Razafimaro. C’est lui, à la 69e minute, qui a transformé un penalty crucial après une main de Lewis Bandi dans la surface, ramenant les deux équipes à égalité (1-1). Ce but, comme un éclair dans le ciel kenyan, a galvanisé les Barea et leurs supporters, peu nombreux mais bruyants, présents dans les travées.
Une prolongation épique

La prolongation a été un véritable bras de fer. Les deux équipes épuisées mais déterminées, se sont rendu coup pour coup. Les Malgaches menés par un Lalaina Rafanome­zantsoa omniprésent au milieu, ont multiplié les incursions, avec des tirs bloqués et des tentatives audacieuses, comme celle de Toky Rakotondraibe, qui a frôlé le cadre à la 103e minute.
De leur côté, les Kenyans, avec leurs 11 corners contre seulement 2 pour Madagas­car, ont poussé, mais se sont heurtés à une défense malgache héroïque, emmenée par un Michel Ramandimbisoa impérial dans les cages.
Les statistiques témoignent de l’équilibre de ce duel : 17 tirs pour le Kenya, 12 pour Madagascar, avec une précision de tir légèrement supérieure pour les Barea (33,3 % contre 29,4 %). Les Malgaches, avec 85,7 % de réussite dans leurs tacles, ont affiché une solidité défensive remarquable, compensant leur léger retard en possession par une combativité sans faille.

Moment de vérité

C’est dans la séance des tirs au but que les Barea ont véritablement fait chavirer les cœurs. Face à la pression d’un stade acquis à la cause kenyane, les Malgaches ont fait preuve d’un sang-froid exceptionnel.
Tony Randriamanampisoa a ouvert le bal en trouvant le coin supérieur gauche, suivi par Lalaina Rafanomezantsoa, qui a expédié un tir imparable en pleine lucarne. Malgré un penalty manqué par Toky Randrianirina, sauvé par Byrne Omondi, Madagascar a repris l’avantage grâce à une parade décisive de Michel Ramandimbisoa sur le tir de Mike Kibwage. Fenohasina Razafimaro, encore lui, a redonné l’espoir en marquant, avant que Toky Rakotondraibe ne scelle l’exploit en transformant le penalty décisif, envoyant le Kenya dans le silence et les Barea dans l’euphorie.
Cette victoire n’est pas seulement un résultat sportif. Elle incarne l’âme d’une nation. Madagascar, souvent dans l’ombre des géants du football africain, prouve une fois de plus que la passion, la discipline et la détermination peuvent renverser des montagnes. Battre le Kenya, chez lui, dans un stade bouillant, est un message fort envoyé au reste du continent : les Barea ne sont pas là par hasard.

Le rêve continue

En se qualifiant pour les demi-finales du Chan, Madagascar s’offre une nouvelle opportunité de briller. Ce parcours, marqué par une résilience à toute épreuve, rappelle celui de 2022, lorsque les Barea avaient atteint les demi-finales du Chan pour leur première participation. Aujourd’hui, ils continuent d’écrire leur légende, portée par un peuple qui vibre à l’unisson. Alefa Barea !

Naisa

Catégories: National

Baolina kitra – “Chan 2025”: “Famarananakely ny an’ny Barea sy i Kenya”, hoy ny Coach Rôrô

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:40

Hitana ny sain’ny rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra, amin’ity anio ity, ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifampitana ny Harambee Stars Kenya sy ny Barean’i Madagasikara. Fihao­nana hotanterahina ao amin’ny Kianja Kasarani stadium, Nai­ro­bi Kenya. Namba­ran’ny mpanazatra, Rakoton­drabe Romuald (Rôrô), fa tsy mora ny lalao hifanandrinana amin’i Ke­nya, izay ekipa matanjaka ary manana lenta ambony. Ankoa­tra izay, hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy sy manoloana ny mpijeriny izy ireo. “Ho toy ny famarananakely amin’ity Chan 2025 ity ny lalaon’ny roa tonta”, hoy izy nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, oma­ly alakamisy. Nomarihiny kosa fa vonona ny Malagasy mpilalao ary mitovy ny herijika handrombahan’ny roa tonta fandresena.
Mahakasika ny toetr’andro indray, nambaran’ny mpa­na­zatra fa mety tsara amin’ny mpilalao satria mitovy amin’ny eto Madagasikara, ary efa nisy efatra andro nizarana izany ka tsy mametraka ola­na. Nilaza ny fahavononany hidona amin’i Kenya ihany koa i Tony, kapitenin’ny Barea. Ni­tsapa ny kianja tao Kasarani stadium ireo mpilalao, omaly. Tsiahivina fa anio amin’ny 5 ora folakandro ny fihaonan’ny Harambee stars sy ny Ba­rean’ i Madagasi­kara.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:40

Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Ma­hamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 ao­gositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto.

Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, ny de­legasionina malagasy, taranja fibatana fonjamby, avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana. Medaly 17 be izao no no­rombahin’ireo atleta malagasy, izay nisy filofosana mafy tao ambadiky ny fandresena.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fampiofanana ara-teknika, notarihin’ny Hanshi Ramani­tran­drasana René. Ho fanamarihana ny faha-40 taonan’ny MaKa (Malagasy Karate-do) sy ho fankalazana ny faha-80 taonan’ity Hanshi ity izany.

Catégories: National

Tsipy kanetibe: Resin’i Yves i Dylan Rocher

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:40

Notanterahina omaly, tany Nevers France, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nisongadina indray ny ekipa malagasy tamin’izany. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 13 no ho 3 ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher. Nandra­fitra ny ekipa malagasy i Yves sy i Tianakely ary i Balôty. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tokana ny Malagasy, tamin’ity. Tsy naharitra ny lalao fa “mène” 7 fo­tsiny dia tapitra. Efa nitarika 12 no ho 0 ny Malagasy vao nitoko 1 ny ekipan’i Rocher. Avy eo niakatra 12 no ho 3 saingy teo no naneho ny fahaiza-miaraka izy telo mirahalahy, ka nahay nampifameno ny taktika sy ny teknika teny ambony kianja. Anisan’ny niavaka tamin’ity dingana fahadimy ity i Balôty izay nahay nameno tamin’ny fakana isa sy ny teo amin’ny tifitra. Tsiahivina fa efa nahazo ny dingana fahatelo, natao tany Cluses, ny 25 jolay lasa teo, izy telo mirahalahy. Nidona taminy teo amin’ny famaranana ny ekipan’i Bonetto.

Tompondaka

Catégories: National

Volley Ball-“CAN U16” Y: Nanainga omaly ny delegasionina malagasy

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:40

Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball.

Hotontosaina ny 22 ha­tramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, ta­ranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana an-ta­nana ny fikarakarakana ny de­legasionina malagasy, eo amin’ny ity taranja hiaro ny vo­ninahi-pirenena ity. Naha­zo tsodrano sy vatsin-dalana ny mpilalao 12 sy ny mpanazatra 4, tarihin’ny filohan’ny fe­derasionina malagasin’ny volley-ball, Raharimalala Léa, omaly. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny ta­pakila ho azy ireo ary No­rai­sin’ny MJS an-tanana ny saran’ny fandraisana anja­ran’ ny ekipa. Nohamafisin’ny mi­nisitra tamin’izany ny fanomezan-danja ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy hisy mihitsy, hoy izy, ny federasionina na ta­ran­ja ara-panatanjahantena hohadinoina. Tetsy ankilany, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny fe­derasionina. Nanome toky ny mpilalao fa hanome ny tsara indrindra ary hanandratra avo ny sainam-pirenena.

Mi.Raz

Catégories: National

Prezidansa : Hiala sasatra ny mpikam­ban’ny governemanta

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:39

Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny mi­nisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany aza anefa, hifandimby ireo mpikamban’ny governemanta ho fitohizan’ny raharaham-panjakana sy ny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Voafaritra ao anatin’izany koa ny fandaharam-potoana ifandimbiasana. Mijanona eto an-toerana kosa ny minisitra miadidy ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ireo fotoana ireo ho fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka.

Synèse R.

Catégories: National

Suite logique

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:03

Pas besoin d’explication ni de justification, cette décision de dissoudre le cabinet du ministère des Transports et de la météorologie, tombe sous le sens. Cela ne pouvait pas en être autrement. C’est tout à fait logique d’abroger l’arrêté portant nomination des membres du cabinet, après le limogeage du ministre, figurant sur la liste des personnes auditionnées dans l’affaire des Boeing 777. A vrai dire, il n’y a pas de quoi s’interroger ni de surprendre. Le contraire aurait été étonnant et risquerait de faire couler beaucoup d’encre, surtout en ce moment où l’enquête sur ce dossier brûlant bat son plein.
En un mot, cet acte dicté par les circonstances, témoigne aussi de la volonté de l’Etat, de faire la lumière sur cette affaire délicate, qualifiée de scandaleuse qui a laissé totalement l’Exécutif, pris de court. Et comme son nom l’indique, le ministère des Transports a une grande part de responsabilité à ce titre. Il se pourrait même que d’autres anciens membres du cabinet, pourraient être convoqués et entendus dans le cadre de l’enquête approfondie. Quand le fusible saute, tous les composants doivent-être remplacés, ce qui est tout à fait normal, pour la suite.
L’honneur et l’image du pays sont en jeu. D’ailleurs, certains veulent faire porter le chapeau aux autorités, en l’occurrence au président de la République et sa famille, sur la base d’une affirmation gratuite sans fondement. Alors que depuis le début de cette affaire, l’Etat malgache a déjà montré qu’il n’est ni ne juge ni partie, en faisant appel au FBI qui a toute la latitude pour mener ses investigations. A ce sujet, selon les informations fournies, une dizaine de personnes font actuellement l’objet d’une enquête, à part deux autres individus déjà mis sous les verrous.
La question qui se pose maintenant est : des têtes vont-elles aussi tomber au sein de l’Aviation civile de Madagascar ? Suite logique.

Andry Rabeson

Catégories: National

Développement de Madagascar : Andry Rajoelina ne recule devant rien

Les Nouvelles - ven, 08/22/2025 - 08:03

Le président Andry Rajoelina, également le nouvel homme fort de la Sadc, a envoyé un message fort et clair, à qui veut l’entendre, en prélude du Conseil des ministres à Iavoloha, mercredi, « je ne reculerai devant rien pour contribuer au bien-être de la population… ».

Plus déterminé que ja­mais, le chef de l’Etat a réaffirmé son indéfectible engagement, en faveur de la population malgache et son développement, au nom de l’intérêt général, en dépit des propos dénigrants et diffamatoires, proférés par ses détracteurs, à l’égard des projets présidentiels.
Quand il s’agit de servir l’intérêt général, «je ne reculerai devant rien, ni devant les intimidations ni devant les critiques acerbes, parfois blessantes, comme c’était le cas lors de la reconstruction du Rova d’Antananarivo. Je continue à maintenir le cap car je sais que c’est bénéfique pour le pays. Et c’est encore le cas pour le projet téléphérique et celui de l’autoroute», a fait savoir Andry Rajoelina.
Et de continuer, «si l’opposition se fait entendre, cela confirme que nos efforts ont porté leurs fruits. On ne va pas baisser les bras pour améliorer la qualité de vie de la population. On se tourne vers Dieu pour obtenir la force nous permettant de relever les défis de développement».

Leadership salué

A cette occasion, les membres du gouvernement n’ont pas manqué de saluer la prise de fonction de Andry Rajoelina en tant que nouveau président de la Sadc. Selon le ministre de la Justice, Benjamin Rakoto­man­dimby, c’est un signe de reconnaissance du leadership du chef d’Etat malgache sur la scène régionale.
«Si vous êtes à ce poste, c’est parce que d’autres chefs d’Etat apprécient votre leadership et vos réalisations», a déclaré le ministre, mettant en avant les efforts du président pour le développement de Madagascar.
Sommet de la Sadc, un succès monumental

Ce conseil des ministres, arrive également à point nommé, pour faire le point sur le 45e sommet des chefs d’État et de gouvernement de la Sadc, organisé récemment dans la capitale malgache. A l’unanimité, tous les représentants des pays membres ont reconnu le dynamisme et la qualité organisationnelle, ainsi que sa portée diplomatique.
«Plusieurs invités n’ont pas hésité à faire part de leur admiration pour le professionnalisme de notre organisation, qu’ils ont spontanément partagée avec les membres de notre gouvernement», a rapporté le ministre Rakotomandimby.
La réussite du sommet, parmi les mieux organisés dans l’histoire récente de l’organisation, renforce le positionnement stratégique de Madagascar sur la scène régionale. Pour le président Andry Rajoelina, cette re­connaissance est le fruit d’un engagement constant en faveur de la coopération régionale et du développement durable.

Une reconnaissance continentale

Dans cette foulée, le chef de l’Etat a exprimé sa gratitude envers ses homologues africains, notamment le président sud-africain Cyril Ramaphosa, pour la confiance accordée à Madagascar. Il a souligné que cette nomination n’est pas seulement un honneur personnel, mais un symbole fort de la maturité institutionnelle du pays et de sa capacité à assumer un rôle moteur dans les grandes dynamiques régionales.
«C’est un moment historique pour notre nation. En 20 ans d’adhésion, jamais Madagascar n’avait été placé à la tête de la Sadc. Cela témoigne d’une reconnaissance claire de notre volonté de fédérer les pays de la ré­gion autour de projets con­crets, porteurs de progrès», a déclaré le président Rajoe­lina devant les ministres.

Madagascar, un modèle d’unité et de coopération

Les discussions menées pendant le sommet ont montré la capacité du pays à instaurer un climat de dialogue entre les différentes délégations. «Madagascar a su rassembler et unifier les positions, même sur les su­jets les plus sensibles. C’est un signal fort pour l’avenir de notre région», a précisé le président Andry Rajoelina.
Alors que Madagascar entame cette présidence tournante d’un an, les attentes sont grandes. Mais le gouvernement semble prêt à relever les défis forts d’une diplomatie active et d’une confiance récemment consolidée.

N.A

Catégories: National

Tsipy kanetibe – “Mondial 2025” : Hanoman-tena any Frantsa ny vehivavy

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:45

Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa teo ny delegasionina malagasy ary hiatrika “tournée estivale” any an-toerana, manomboka ny alahady ho avy izao. Raha tsiahivina, efatra mirahavavy izy ireo no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny “Mondial”, taorian’ny fifantenana natao tany Antsirabe. I Malalaha­ri­son Hasina Miary (CLB SBA), i Lalatiana Saholy Nirinaniaina (C2BA), Ravomanana Fanan­tenana Nomenjanahary (CPA) sy Ranaivoson Marinah (UBM) no voafidy ho solontena. Ha­nazatra azy ireo, mandritra ny “tournée estivale” sy ny “Mon­dial”, kosa Randriambahiny Francine (Cicine).

Mandra-piandry izany, hi­ditra amin’ny dingana faha­dimy ny “Masters 2025”, hatrehin’ny ekipam-pirenena mala­gasy, lehilahy. Hampiantrano izany, amin’ity alakamisy ity, ny tanànan’i Nevers. Raha tsy misy ny fiovana, i Zigle sy i Tianakely ary i Balôty no ho solontena amin’ity. Hijanona indray aloha izany i Yves. Tsiahivina fa laharana faha­telo ny Malagasy, manana isa 20.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara
amin’izany ny Akion’i Madagasikara.

Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety. Fifanina­nana hotontosaina any Arivonimamo Itasy, ny 23 hatramin’ny 31 aogositra izao.

Hifarana anio amin’ny 6 ora hariva ny fisora­tana anarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs. Fifaninanana hotanterahina ny 24 hatramin’ny 29 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.

Mbola baraingo ny fandehanan’ny ekipa mala­gasy, taranja volley-ball, sokajy U16, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Tonizia, ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao. Mbola tsy fantatra mazava ny lafiny ara-bola ka mampanahy ny fandraisan’i Madagasikara anjara.

Catégories: National

Rugby – “Top 8 Mada” : Hifandona ny TFA sy ny TFMA

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Lalao famaranana kely ny an’ny roa tonta satria adin’ny samy kartie. Samy manana ny fahaiza-manaony ireto ekipa ireto ary samy manana mpilalao tanora sy matanjaka. Ho resy, araka izany, izay ratsy fanomanana sy tsy manana taktika hoentina miatrika izany.
Ankoatra izay, hifanandrina ny samy manjakaray dia ny FTM (Dakar) sy ny Mang’Arts. Manatombo eo amin’ny trai­kefa sy ny fahazarana lalao goavana ny FTM, saingy tsy vitan’izay io fa ny eo ambony kianja ihany no hilaza azy. Ny Cosfa (Bebaoty) kosa hifanandrina amin’ny 3FB Fahasalamana. Hanala vela ny ekipan’ny minisitera amin’ity. Ny Tam Anosibe kosa hifanazava amin’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra).

Tompondaka

Catégories: National

Fonjamby-Tompondakan’i Afrika: Nandrombaka medaly 17 ny Malagasy

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:44

Fahombiazana indray ny an’ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 no azon’i Madagasikara.

Taranja mampamiratra ny Malagasy hatramin’izay ny fibatana fonjamby. Mbola noporofoin’ny Mala­gasy atltela izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 be izao no noraofin’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity. Na­hitana medaly volamena 6, volafotsy 9 ary alimo 2. Ani­san’ny nisongadina Rakoto­noely Tendry Mahay, izay na­hazo medaly 6 ka volamena ny 1 ary volafotsy ny 5. Teo ihany koa Andriamitantsoa Tiavina Fabia sy Onjatiana Herman, izay samy nahazo medaly volamena 2 sy volafotsy 1 avy. Mbola namiratra ihany koa Randriamparany Chai­nah, izay nahazo medaly volamena 1 sy volafotsy 2. Randri­amifidisoa Miranto, nahazo medaly alimo 2. Tsiahivina fa atleta vao misondrotra avokoa ireto nisolotena an’i Mada­gasikara tany Ghana ireto. Efa hita taratra sahady fa manana hoavy mamiratra izy ireo.

Nankasitrahin’ny WFA ny filoha Randriamanarivo Harinelina

Ankoatra ny vokatra tsara azon’ny Malagasy atleta, na­hazo fankasitrahana avy amin’ ny WFA na ny Kaonfederasio­nina afrikanin’ny taranja fibatana fonjamby ihany koa ny filohan’ny federasionina mala­gasy, Randriamanarivo Hari­nelina Jean Alex. Notolorana “Honorariat” izy ny 17 aogositra lasa teo ho fankasitrahana ny zava-bitany amin’ny fampiroboroboana sy fampivoarana ity taranja ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Hetsika tao Ambositra : Notsiahivina ny kolontsaina « Volambetohaka »

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:43

Tontosa ny 14 ka hatramin’ ny 17 aogositra lasa teo ny fan­kalazana ny « Volambetohaka 2025 ». Notsiahivina tao ana­tin’ny telo andro tamin’izany io kolontsainan’ny Betsileo avaratra ao anatin’ny faritr’Amo­ron’i Mania io. Anisan’ny nandray anjara ireo distrika miisa efatra, ahitana an’Ambositra, Fandriana, Ambatofinandra­hana ary Manandriana. Na­nampy izany ny avy any Imady Ala.
Maherin’ny 1 600 ireo mpizaika nankalaza ity « Volam­be­tohaka 2025 » ity. Anisan’ny natao tamin’izany ny Tsiman­drimandry, diabe, dihy, fampisehoana taozavatra, velatsihy, zarahena, tsidika ny rovan’ Am­bositra. Manampy izany ny dinidinika ho amin’ny fampandrosoana. Miisa valo ireo omby novonoina avy amin’ny ankolafy maro ka niarahan’ny mpizaika nihinana nandritra ny fotoana. “Tratra ny tanjona dia ny hampahalalana ny ko­lontsain’ny ao amin’ny faritr’ Amoron’i Mania”, hoy ireo nan­daha-teny. Fanamby lehibe ta­fita ho an’ny governora, Ra­ko­tomandimby Désiré, sy ny pré­fet ao Ambositra, Raza­zaroa­nabavy Felanirina, anisan’ny kaomity mpanomana, izany.
Nodinihina ny hampiva­diana ny kolontsaina sy ny asa tanana hizorana any amin’ny fandrosoan’Amoron’i Mania. Hikatroka hamoaka drafitra fampandrosoana ny fizahan­tany sy ny asa tanana izy ireo.

Synèse R.

Catégories: National

L’Etat tient l’autoroute

Les Nouvelles - jeu, 08/21/2025 - 07:21

Lentement et assurément, le projet autoroute Antana­narivo-Toamasina avance à son rythme, et arrivera certainement à sa destination finale. Il n’y a aucun doute à ce sujet. La voie est toute tracée, le cap est maintenu et les travaux se poursuivent jusqu’à leur achèvement total, selon l’Etat malgache. Construire une autoroute longue de plus de 350 km, ne se fait pas en quelques mois. Et l’inauguration du premier tronçon de 8 km n’est qu’un bon début, manifestant dans ce sens la volonté de l’Etat malgache d’aller jusqu’au bout de ce qu’il entreprend, parfois contre vents et marrées, à l’exemple du projet téléphérique.
Autrement dit, les autorités malgaches ne comptent pas s’arrêter en si bon chemin, au vu des enjeux économiques liés à ce projet d’envergure, pour le développement et la croissance, l’attractivité des territoires et la compétitivité des régions. Des impacts positifs prometteurs que certains refusent d’admettre, ne voyant que le mauvais côté des choses. Une telle infrastructure est un levier essentiel pour soutenir la croissance, avec des retombées économiques inclu­sives.
Ce premier tronçon n’est qu’une étape dans la trajec­toire. Certes, la route est encore longue, mais avec le soutien financier des partenaires qui commencent à se manifester, les chantiers vont atteindre leur vitesse de croisière, au grand dam des détracteurs. Pas plus tard qu’hier, la Banque arabe de développement économique en Afrique (Badea), a consacré 80 millions de dollars à ce projet d’autoroute. Dans ce registre, le Fonds de développement d’Abu Dhabi a déjà injecté 60 millions de dollars. A cette allure, ce soutien des partenaires devrait ouvrir la voie à d’autres financements complémentaires car aux yeux des partenaires, l’Etat malgache tient la route.

J.R

Catégories: National

Pages