Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo amin’ny sokajy 50 m “papillon” sy 100 m “Dos” ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Teo amin’ny sokajy 100 m “Nage libre” kosa no nifaninanany omaly, izay tsy mbola voaray ny vokatra. Ho amin’ny anio kosa, haka aina izy, ary rahampitso indray vao hifaninana eo amin’ny 50 m “Nage libre”. 100 m “Nage libre”, ho an’ny alakamisy. Marihina fa ao amin’ny klioban’ny Villejuif ao Montpellier no misy an-dRakotondramanga Eliot. Ao amin’ny klioban’ny AS Saint Michel kosa izy no mifaninana rehefa eto an-tanindrazana. Nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatrany i Eliot, tao anatin’ny taom-pikatrohana indroa nisesy ary nahazo medaly volamena 5 be izao, tamin’ny fifaninanana farany natao tany Toamasina. Manantena ny hahazo vokatra tsara izy amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Frantsa ity.
Mi.Raz
Niredareda ny afo tetsy amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse, omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo sy tsy nisy azo noraisina ny entana tao anatin’ ireo tsena lasibatra, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Manodidina ny telo: Box 371, 372, 373, ireo tsena may, nandritra izany. Mahatratra an-tapitrisany maro ny fitambaran’ny entana simba sy may tao, raha ny fanazavana voaray. Nisy tamin’ireo ny mivarotra entana lafo vidy, toy ny amplie, baffle, dvd portable, écran plat sy ny entana maro samihafa. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, 10 minitra taorian’ny tranga, araka ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Naharitra adiny iray mahery teo ny famonoana ny afo. Vaofehy sy maty tanteraka ny afo tamin’ny 7 ora hariva tany ho any.
Niainga tao amin’ny tsena iray ny afo
“Raha ny fantatra, niainga avy tao amin’ny tsena iray ny afo ary niparitaka haingana izany noho ny maha trano vy ireo tsena”, hoy ny mpiambina ny tsena, Randrianasolo Nomenjanahary Navalona. “Tsy misy prise tao anatin’io tsena nihavian’ny afo io, rehefa nojerena sy nohamarinina”, hoy ihany izy. Fanaovana soudure nataon’olo-tsy fantatra nanakaiky ny tsena ny antony nahatonga ny firehetana, raha ny tatitra voaray. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny polisy monisipaly, ny polisy nasionaly, ary ny zandarimaria.
Mino
Norasain-dramatoa tamin’ny zava-maranitra « lame » ny vadiny tao Ankirihiry, parisela 11/58, kaominina Toamasina, ny 12 jona teo. Tsy nanana sigara ho fohana, nangataka tamin’ny ramatoa vadiny hitsoriaka hividy any an-tsenakely io lehilahy io. Nifanena tamin’ny namany anefa izy ka tafaraka nisotrosotro. Nilaza ho tsy manam-bola io lehilahy io saingy tsy nanaiky ny namany raha tsy nijanona teo amin’ny toeram-pisotroana izy ireo. Tezitra noho ny zava-nisy ilay ramatoa. Nandrasan’ity farany teo am-baravarana ilay rangahy vadiny ary natsipiny nivoaka ny efitrano ny akanjony. Nahita io zava-nisy io, tsy nifamaly fa niverina tamin’ny toeram-pisotroana niaraka tamin’ny namany ilay rangahy. Narahin-dramatoa avy aoriana. Nitondra zava-maranitra izy, Noratrainy tamin’ny “lame” teny aminy ilay rangahy. Tataka ny faritry ny vatan-drahalehilahy.
Sajo
Tanora miisa 12 no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimangakely. Mbola misy 13 mianadahy anaty fahasarotana hatramin’ny fotoana nanoratanay.
Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina halina, 12 no namoy ny ainy tamin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimangakely, ny alin’ny sabotsy. Maty tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha ny sivy, iray maty teny amin’ny Hopitaly Miaramila, ny iray teny amin’ny hopitaly tsy miankina, ary ny iray teny Andohatapenaka. “Mbola misy 13 mianadahy miady aina noho ny fahasarotana. 21 kosa tsy dia misy atahorana”, hoy ny tatitra. Manamafy izay ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka, Gascar Fenosoa, “Mbola nisy ny namoy ny ainy tany anivon’ny hopitaly hafa. Toy ny CHU Andohatapenaka sy ny teny amin’ny hopitaly Soavinandriana ary ny polyclinique”, hoy ny nambaran’ity solombavambahoaka ity. “Marihina fa niisa 43 ny marary noraisin’ny HJRA”, hoy kosa ny Tale teknika lefitra eo anivon’ny hopitaly, Rakotonaivo Mamisoa Judicaël.
Fanapoizinana
Manoloana ny zava-nitranga dia manahy ho fanapoizinana fa tsy fahapoizinana tamin’ny sakafo ny fianakavian’ ny maty nanaovana fanadihadiana teny amin’ny HJRA, omaly. Tena nampiahiahy azy ireo ny fisehon’ny aretina: marary loha sy fanina, ary sempotra tsy avy miaina eny am-piadohana. Mivadika ho mibadabada tsy mahay miteny avy eo, mihajamba tsikelikely ary miafara amin’ny fahafatesana izany.
Efa nitondra sakafo
Raha ny filazan’ilay tompon’ny toerana nanaovana ny fety dia efa nitondra sakafo avy any ivelany ireto mpanofa nifanaraka taminy. Lasary sy “hors-d’oeuvre” ary masikita sisa nokarakaraina teny an-toerana. Voalaza fa mpanao sakafo hitan’ny tompom-pety tamin’ny tambajotran-tserasera no niandraikitra izany.
Efa nidina teny ifotony nanangona ny sakafo tsy lany tamin’ny fety ny tomponandraikitra, omaly. Taorian’ny voina dia nakatona avy hatrany koa ilay toerana fanaovana lanonana, satria voamarina fa tsy manana fahazoan-dalàna. Misokatra ny famotorana!
Mino
Manodidina ny 800 hatramin’ny 1 000 eo ny isan’ny olona manana toetena varira (albinisme) voaisa eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana Albinos. Nanana olana teo amin’ny lafiny ara-pototarazo ny olona iray ka antony mahatonga azy hiavaka amin’ny maro. “Fifandraisan’ny taranaka roa samihafa sy samy mitondra ilay tarazo no mamoaka azy io”, hoy ny filohan’ny fikambanana Albinos, Ramiandrisoa Fulgence Soja, raha nanontaniana. “Tsy ampy mélamine izy ireo ka mahatonga ny hodiny tsy hahazaka masoandro sy ny maso tsy mahita alavitra”, raha ny fanazavana hatrany. Nohamafisiny fa tsy aretina mifindra velively ny Albinisme.
Mbola betsaka amin’ny mpiara-belona no tsy mahafantatra izany ka mahatonga azy ireo manao karazana herisetra amin’ny olona varira. Misedra olana izy ireny eny anivon’ny fiarahamonina. Maro ny hevi-draikitra sy hevi-diso miparitaka manerana ny Nosy ka mahatonga ny olona varira iharan’ny herisetra. Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny olona manana io toetena io eto Madagasikara hatramin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Valo ny trangana fakana an-keriny varira nanomboka ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025 lasa teo, roa ny maty, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana Albinos. 24 ny tranga tamin’ny taona 2024, 12 ny maty tamin’izany. 14 ny tranga tamin’ny taona 2023 ary dimy ny namoy ny ainy. Tamin’ny taona 2022, 20 ny tranga ary fito ny maty. Anisan’ny tena lasibatra amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana ireo ny avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy ary Vatovavy Fitovinany.
Andro maneran-tany
Nomarihina ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampahafantarana ny olona manana toetena varira. Novelabelarina teny an-toerana nandritra ny tapany maraina ny mahakasika ireo olona manana toetena varira. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe: ” L’inclusion fait la force”. Ny hialana amin’ izany ny antony nahatonga ny hetsika fampahafantarana, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Olombelona tahaka ny rehetra ihany ny varira ka disoana tanteraka ny fiheverana fa manana hery miafina manokana izy ireo”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, manana zo feno tahaka ny rehetra ihany koa izy ireo ka tokony hajaina izany. Hialana, araka izany, ny fanavakavahana sy fanilikilihana ary ny fanaovana herisetra. Ankoatra ny trangana fakana an-keriny mahazo, iharan’ny fakana taova isan-karazany ihany koa izy ireo. Malaza amin’izany ny fakana voamaso, fanapahan-doha sy ny maro hafa. Ataon’ny olon-dratsy odiratsy entina mangalatra mba ho masobe tsy mahita ny antony hakana ny voamason’izy ireny, raha ny feo mandeha.
Fijoroan’ny fikambanana
Misy ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toetena varira eto Madagasikara. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny karazana fanilikilihana maro. Eo koa ny hanamorana ny fisitrahana ny tolotra ara-pahasalamana sy fiarovana ary ny fitakiana ny zo maha olombelona ho an’ ireo olona varira. Ankoatra izay, ahafahana miady amin’ ny trangana tsy fandriampahalemana misy sy mahazo azy ireo eto amin’ny Nosy koa. Manampy amin’ny fampahafantarana sy miahy ireo olona varira eto amin’ny Nosy ny antom-pijoroany. Anisan’ny ezaka ataon’ny fikambanana ny hanamorana ny “crème solaire” natao ho an’ny varira, natao hiarovana azy ireo amin’ ny masoandro. Tsy ny varira rehetra no afaka misitraka izany satria lafo ny vidin’io fiarovana iray io, raha ny fanazavana voaray. Manodidina ny 120 000 Ariary ny iray amin’ izany.
Mino
Mitondra anjara biriky ny tolo-dalàna
Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny herinandro lasa teo, ny tolo-dalàna hiarovana ireo olona manana toetena varira eto Madagasikara. Tolo-dalàna laharana 005-2024/PL natolotry ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Randrianasolo JeanNicolas. Ho mafy ny lalàna hanasazy ireo mpanilikilika, mpanao herisetra ary ireo miray tsikombakomba amin’ireo mpaka an-keriny izay atao amin’ny varira. Zara raha misy jiolahy na mpiray tsikombakomba voasazy ka mampitaraina ny fiainakavian’izy ireo ao amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Atsimo Atsinanana, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Anisan’ny mitondra fanovana goavana sy mitondra anjara biriky goavana ny fandaniana iny tolo-dalàna iny”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nambarany fa anisan’ny olona sokajiana ho marefo ny manana toetena varira. Be mpanenjika sy iharan’ny herisetra amin’ny endriny maro izy ireny. Manoloana izany, manana andraikitra lehibe ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny minisitera hafa hiaro ireny olona ireny. Toy ny fanampiana azy hisitraka ny fanafody manokana hiarovana amin’ny masoandro. “Mila arovana sy tokony horaisina toy ny ankizy rehetra ireo varira ireo”, hoy hatrany ny minisitra.
Ao anatin’ny fandraisan andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iaianana (RSE) sy ho fankalazana ny faha-10 taonany, niara-nientana namboly zana-kazo miisa 1 000 sy fihinam-boa miisa 3 000 ny mpirara-miombon’antoka amin’ny orinasa Cosmos sy ny Uditec manerana ny Nosy. Nifanolo-tanana tamin’izany ireo mpiara-miasa rehetra miisa 400 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izay, nanamafy ny fifankatiavana sy ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny “Team building” ny ekipa hanatrarana ny fanamby sy hanamafisana ireo hetsika ara-tsosialin’ny orinasa. Hatramin’ny niandohan’ny taona, nitondra ny anjara birikiny sy nanohana ireo akany mitaiza zaza kamboty miisa14, amina faritra maro eto Madagasikara, ny orinasa. Ny efatra teto Antananarivo, raha ny 10 hafa any amin’ireo faritra ahitana ny magazay Cosmos toy ny ao Antsiranana, Ambilobe, Antsohihy, Sambava, Mahajanga. Nisitraka izany tohana izany koa ireo akany ao Antsirabe, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Taolagnaro. “Tanjona ny hitondra fanampiana sy hanohanana ireo ankizy kamboty eto Madagasikara” hoy Ralimina Felana, tomponandraikitry ny seraseran’ny magazay. Nohamafisiny fa mbola hitohy ny hetsika hatao hanakaikezana sy hanampiana ireo sahirana, izay namana sy havana ary mpiara-monina amintsika.
Mpanjifa
Tao anatin’ny 10 taona, manakaiky sy manamora ny fiainan’ny mpanjifa ny magazay Cosmos amin’ny alalan’ ireo tolotra ataony. Ankehitriny, misandrahaka manerana ny Nosy ireo magazay miisa 18, ahitana ireo vokatra maro samihafa sy tsara kalitao. Tao anatin’ny 3 taona, napetraka ny tolotra “Vente à crédit mirindra” hanamorana ny fahafahan’ny mpanjifa mividy entana izay tiany sy azony aloa ao anatin’ny 30 volana, araka ny fahefany.
Henintsoa
Mitondra fanavaozana amin’ireo tolotra ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Ankehitriny, azo atao ana habaka ny famandrihana toerana. Mba hanakaikezana ny mpanjifa, natsangana ny tranokalan’ny orinasa: www.madagascarairlines.com. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amadeus, mpisehatra mavitrika sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny sidina.
Araka izany, azon’ny mpandeha atao ny mamandrika sy misafidy ny toerana tiany amin’ny solosaina na finday. Afaka misitraka ihany koa ny Carte d’embarquement en format PDF ihany koa. Hanamora ny fandalovana amin’ny Comptoir à l’aéroport koa ny fampiasana ity tolotra vaovao ity.
Ankoatra izay, efa am-perinasa, nanomboka ny volana avrily teo, ny tranokalan’ny Madagascar Airlines, izay ahafahana misitrika ireo vaovao samihafa mahakasika ny orinasa sy ny tolotra omeny. Afaka misitraka tapakila elektronika ihany koa ny mpanjifa ary mandray ny fandoavana ny tapakila amin’ny alalan’ny fampiasa Carte visa (Mastercard, American Express). “Andrasana tsy ho ela ny tolotra ahafahana mampiasa ny vola malagasy, Ariary”, hoy ny kaompania.
Henintsoa
Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany.
Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena manana fidiram-bola ambony.
Ho an’i Madagasikara, voasokajy ho mahantra ny olona iray mivelona latsaky ny 15 000Ar isan’andro, araka ny taha eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola (Mid). Niakatra izany raha oharina ny teo aloha izay 10 750 Ar (2,15 dolara). Porofo mivaingana ny zava-misy ara-toekerana eto amin’ ny firenena. Midangana avokoa ny ankamaroan’ny vidin’ entana eny an-tsena. Ambany ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano, mikorosy fahana ny fiainan’ny Malagasy sy ny fahafaha-mamokatra. Noho izany, tanjon’ity andrimpanjakana ao amin’ny Bretton Woods ity ny hampahafantarana ny zava-misy ara-toekarena amin’ izao fotoana sy hanombanana avy hatrany ny fanjifana ho an’ ny isan-tokantrano.
Mampiahiahy
Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana momba ny fahantrana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ny volana avrily, fa mbola miaina amin’ny 2,15 dolara isan’andro ny 80% ny Malagasy. Heverina, araka izany, fa mbola hiakatra ny taham-pahantrana eto amin’ ny firenena amin’ity fanitsiana vaovao ity.
Ankoatra izay, niakatra ny taham-pamaritana ny fahantrana ho an’ireo firenena manana fidiram-bola amin’ny antonony. Lasa 4,20 dolara izany raha toa ka 3,65 dolara teo aloha. Mivelona amina 8,40 dolara ireo mponina amin’ ny firenena manana fidiram-bola ambony, raha 6,85 dolara teo aloha. Mifanandrify amin’ ny trondrom-pahantrana sy ny fari-piainana ary ny fivoaran’ ny toekarena maneran-tany ireo fanitsiana ireo, raha ny voaray. Marihina fa fomba iray handrefesana ny mponina miaina anaty fahantrana lalina ny maridrefim-pahantranan iraisam-pirenena. Fomba fiasa nampiasaina nanomboka ny taona 1990.
Henintsoa
Tatitry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo solombavambahoaka, ho amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo isan-tsokajiny, ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa mitondra amin’ny fampizakan-tena, ny fandraketana ireo tokantrano marefo ao anatin’ny rejisitra sosialy tokana.
Nisitraka fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny Mesupres. Notanterahin’ny MEF tao Fiadanana ny momba ny Augure. Sehatra niomerika natao hanaraha-maso, hanavaozana ary hanatsarana ny fitantanana antontan-taratasy eo anivon’ny minisitera, amin’ny fomba malalaka sy mangarahara.
Fisokafan’ ny sambo«Tsipiranosoa». Notanterahina tao amin’ny ivontoeram-panofanana mpandrafitra an-dranomasina Mahajanga ny lanonana. Nisy ny fankasitrahana sy tsodrano avy amin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
«Festival caméléon 2025».Hotontosaina hatramin’ny rahampitso, ao Amboasary Atsimo, ny hetsika hanamafisana ny fampiroboroboana ny tombana ara-tontolo iainana sy ny fiarovana ireo biby tsy manam-paharoa eto Madagasikara sy ny toeram-ponenany. Hisy ny famelabelarana, fifaninanana ara-panatanjahantena ary hetsika ara-kolotsaina ahitana mpandray anjara maro.
Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka.
Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany ny raim-pianakaviana iray monina ao Antanetibe, ny alarobia 11 jona alina. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana fa hitsena ny vadiny no nivoahany ny trano. Mialoha izay, mbola nividy trondro sira ataony laoka hariva izy.
”Lonilony teo amin’ny mpiara-monina no nitarika ny famonoana”, hoy ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny zana-tobim-paritra Alakamisy Ambohidratrimo. ”Notrobatrobaran’ny tsy mataho-tody vy lava teo amin’ny tendany sy ny faritry ny fony ilay lehilahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana ny ainy minitra vitsy taorian’ny habibiana. Mbola niparitaka tamin’ny arabe sy ny toerana namonoana azy ny trondro saika hatao laoka”, hoy hatrany ny zandary.
Mpivady sy lehilahy voasambotra
Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Nosamborina ny lehilahy iray tratra teo amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana tamin’io fotoana io sy ny mpivady ahina ho tompon’antoka tamin’izany. Nahenoana fofona alikaola ilay lehilahy namoy ny ainy. ”Mbola nahavita nanonona ny anaran’ny olona namono azy izy tamin’io fotoana io” hoy ny nambaran’ny mponina eny an-toerana. Nentina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary, ao amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo, ireo olona telo voasaringotra. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nentin’ny fianakaviany namonjy ny tanindrazany, any Antsirabe, ny razana.
Tsiferana R.
Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice France.
Hapetraka ny “Global Task Force” momba ny lomotra hampitomboana ny famokarana hatrany amin’ny 300 000 t isan-taona ho an’i Madagasikara. Anisan’ireo firenena roa samy manao fampivoarana ny fambolena lomotra i Madagasikara sy Indonezia. Mahatratra 36,4 tapitrisa t ny vokatra maneran-tany ka ny 30 000 t dia avy eto amintsika avokoa. Tafakatra 4 tapitrisa dolara ny vola azo avy amin’izany, hoy ny minisitera. Araka izany, miara-mientana hanampy amin’ny fametrahana ny vovonana maneran-tany ireo mpiantsehatra maro samihafa sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Na izany, mila jerena ny kalitao sy ny fenitry ny vokatra, tafiditra ao anatin’izany ny fanodinam-bokatra sy ny lalam-barotra samihafa. « Fotoana izao hahafahantsika mametraka ny rafitra, vonona hitarika izany ny firenena roa tonta », hoy ny minisitra Mahatante Paubert. Vonona hanohana sy hanatevim-bola ny rafitra ireo firenena hafa ho fampandrosoana ny toekarena manga.
Marihina fa naharitra dimy andro ny fivoriana izay nifarana omaly. Hetsika nokarakarain’ny vondron’ireo Nosy madinika andalam-pandrosoana.
Henintsoa
Very hevitra ny mpandraharaha madinika manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ireo voatery nampitsahatra ny famokarany. Ao koa ireo nidi-trosa hividianana “groupe électrogène” hanohizana ny asa sahanina. Mihena ny mpanjifa na eo aza ny ezaka atao, mihena ihany koa ny fidiram-bola izay mampikoroso fahana ny toekarena. Marihina fa mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny harinkarena faobe ny orinasa madinika sy salantsalany.
Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana manerana ny faritra ny Sadc, ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria (SIW). Hifantoka amina sehatra marolafy ny hetsika fahavalo hotontosaina eto amintsika, ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra. Tanjona ny hanohizana sy hampiroboroboana ny fanavaozana ary hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana.
Mitentina 43,6 tapitrisa dolara (200 miliara Ar) ny hetra naloan’Ambatovy ny taona 2024. Na teo aza ny fihenan’ny vidin’ny nikela dia tsy nampiato ny famokarana nataon’ny orinasa ny zava-misy maneran-tany. Marihina fa anisan’ireo orinasa lehibe mitondra fampiasam-bola avy any ivelany (IDE) eto Madagasikara Ambatovy. Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Natao ny 12 jona teo, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Vovonana Fiarahamonim-pirenena ho an’ny ankizy (PFSCE) sy ireo fikambanana samihafa ao anatiny. Lohahevitra ny hoe « Fampiasana ankizy, atsaharo ». Nandray anjara tamin’ny famelabelarana sy ady hevitra ny Kaomitin’ny ankizy, mpikambana ao anatin’ny PFSCE, ny fikambanana « Terre des Hommes », ny manampahaizana avy any Frantsa, sns.
Voalaza fa tena misy ary tsy foana ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny eladrano na « mica ». Kely ny karama raisin’ny ankizy satria amidiny 100 Ar ny kilao, ary zara raha manodidina ny 3 000 Ar ny azo isan’andro.
Misy ny hafatra ho an’ny fanjakana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny mpampianatra, ny tsy miankina, nomen’ny PFSCE amin’izao volan’ny ankizy izao. Maro ny ankizy malagasy mbola miaina anaty tahotra, herisetra, fanararaotana, tsy fandriampahalemana. Tsy azo ekena intsony ireny, ka mila atsahatra. Miaro ny ankizy, midika ho manorina hoavy mamiratra. Nisy ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny ao amin’ny Mponina, ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-teknika, sns.
Njaka A.
Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole.
Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarintsoa, depiote voafidy tao Ambatolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy 13 jona teo. Ho an-dRanarivelo Lucien, voafidy tany Tsiroanomandidy, izay efa minisitry ny Fambolena teo aloha, « tokony hananganana ny tetikasa Agropole ny faritra Bongolava, satria hanome ainga vao ny tontolo ambanivohitra hampivoatra ny famokarana ». Nisaotra ny Sesa, anisan’ny nisafidy an’i Vakinankaratra ity tetikasa ity, ny depiote Antsirabe I, Razafimaro Désiré. Nankasitrahin-dRatsivahiny Andry, voafidy tao Atsimondrano, ny minisitra Razanamahefa Tahian’Ny Avo, tamin’ny andrana fambolena vary safiotra natao tany an-toerana. Nangatahiny ny hanohizana azy amin’ny taom-pambolena manaraka, satria nahomby ity tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry ity.
Maro ny distrika mangataka ny tetikasa
Notsipihin’ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, fa efa miova ny fomba fambolena any an-toerana satria maro ny tantsaha mampiasa ny masomboly vary safiotra, manamarina ny fandrosoana. Nomarihin’ny depioten’Ambatolampy, Razafimahefa Tianarivelo, fa « efa nanohana an’ Ambatolampy Razanamahefa Tahian’Ny Avo na tsy mbola minisitra aza ».
Nilaza Rafidimanana Narson, voafidy tany Antanifotsy, fa « tsy maintsy atao ara-potoana ny fambolena ny vary safiotra mba hahazoana vokatra tsara ». Nangataka fanazavana ny fizarana masomboly sy zezika ny depioten’Ambohimahasoa.
Ankoatra ireo, maro ny solombavambahoaka mangataka ny tetikasan’ny Sesa, toa an’Ankazobe, Ifanadiana, sns. Efa nisitraka azy ny any Ambatofinandrahana sy Antsirabe II, Morondava, … Nampahatsiahy ny depiote Antananarivo VI, fa manana ny lemaka Betsimitatatra izay mila harenina ny tohodrano. Toraka izany koa ny any Soalala.
Njaka Andriantefiarinesy
Araka ny fanambarana nataon’i Rinjala Elihary, omaly, tao anaty tambajotran-tseraserany, nifindra klioba tao amin’ny FC Bulle, diviziona fahatelo any Suisse, izy. Tsiahivina fa tao amin’ny CS Chênois, izy teo aloha, ary manana ny lazany any Suisse amin’izao fotoana izao. Mpilalao tahaka itony, mendrika ho antsoina andrafitra ny ekipam-pirenena Barea.
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, any Miami Etazonia, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba, taranja baolina kitra, izay karakarain’ny Fifa. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fifanandrinan’ny Inter Miami FC, mpampiantrano sy ny Al Ahly, avy atsy Egypte.
Anisan’ny handray anjara amin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanatanjahantena, hotontosaina ny 27, 28 ary 29 jona izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Federasionina malagasin’ny Jiu-jitsu brezilianina. Hetsika maro no hanamarihan’izy ireo izany.
Hotanterahina any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Soavita, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 16 taona, taranja basikety. Ny 5 hatramin’ny 13 jolay izao no hanaovana ity fifaninanana ity, araka ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina malagasin’ny basikety.
Nahatratra 100 miliara Ariary ny vola nogiazan’ny Bianco ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025. Olona 180 naiditra am-ponja vonjimaika.
“23 miliara Ar tamin’ny 2024 no nogiazina hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana. Tafakatra 100 miliara Ar ny vola na fananana nogiazina tamin’ity taona ity, hatramin’ny avrily”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny fankalazana ny Andro momba ny sehatra mandala ny fahitsiana teny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, omaly. Ahoana no tsy ahazoana milaza hoe misy ny ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly? Ny ezaka natao: misy 2 688 ny fitarainana voaray teo anivon’ny Bianco, 2 200 no voadinika, 900 mahery no nahavitana fanadihadiana, 598 no nalefa tany amin’ny Fitsarana hampiharana lalàna. Tao anatin’ireo, nisy olona 178 naiditra am-ponja vonjimaika.
Ny isa omena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny amin’ny ady amin’ny kolikoly, indraindray tsy ahazoana mitaratra ny tena ezaka atao. Izany no mampitaraina ny mpiara-mikatroka amin’ny ady amin’ny kolikoly maneran-tany. Ny isa omena ve no tena tondro tsara ahazoana mitaratra ny fivoaran’ny ady amin’ny kolikoly isam-pirenena? Mbola adihevitra izany maneran-tany. “Mila manana maso miabo isika mijery ny zava-misy eto Madagasikara, fa tsy faly mijery ny tsy mety hatrany isaky ny mihetsika”, hoy izy. Misy teboka maromaro ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. Misy ny fanabeazana, ny fisorohana, ny fampiharan-dalàna, ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny kolikoly. Izany rehetra izany no itsarana ny firenena tsirairay avy, raha ny fifanarahan’ny Firenena mikambana (ONU).
R. Nd.
Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasikara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy manerana ny Nosy. Raha ny eto Toamasina, misy fikambanan’ ny skotisma zazalahy ny paroasy rehetra hatramin’ny zana-piangonana. Ny alahady 4 mey lasa teo, nankalaza ny faha-70 taona nijoroany ny Antily ao amin’ny Ekar Fo Masin’i Jesoa Tanambao fahadimy. Ny 18 mey teo kosa no nankalaza ny faha-65 taonany ny Antily etsy amin’ny Ekar Masimbavy Thérèse Salazamay. Mbola samy anatin’ny fikarakarana sy fankalazana ny taon-jobily avokoa ny isam-piangonana.
Hanehoana izany fa ny Antilin’i Madagasikara dia mbola mijoro sy manao ny asa fitaizana ankizy sy zatovo lahy amin’ny alalan’ny fomba skotisma ary manaraka ny rafitra ara-piangonana sy iraisam-pirenena.
Ny antily zokiny
Rafitra iray vao nijoro farany teo anivon’ity fikambanana ity ny Antily zokiny. Hivondronan’ireo efa nahazo taona, lahy sy vavy, izany. Vita velirano ary efa nandray andraikitra maro isan-karazany teo aloha moa izy ireo. Feno 12 taona ny nahazoan’ity rafitra ity ny fankatoavan’ny Fivondronamben’ ny Eveka eto Madagasikara, ny taona 2013. Taorian’ny fivoriamben’ny Antily natao tao Antsirabe, ny taona 2005, efa nampijoro an’izany tao Toamasina ny filoha Sabotsy José, izay azo lazaina ho mpanorina ny Antily zokiny talohan’Antananarivo.
Tao Toamasina no niainga ny fanamiana fotsy ambony, ho mariky ny fahadiovana raha miloko manga tanora kosa ny fehitenda ho lokon’i Masina Maria. Niova izany taty aoriana ka niverina tamin’ny fanamiana kaki sy fehitenda mavo Vatican ary niova farany ny fehitenda, miloko fotsy maintso sy mavo Vatican mba hilazana ny lokon’ny firenena malagasy sy ny foibe iraisam-pirenen’ny finoana katolika. Ny mpikambana iray tao Toamasina no namorona azy.
Raha tsorina, anisan’ny mikaroka hevitra amin’ny hanatsarana ny fomba fitaizana sy fikatrohana eo anivon’ny fikambanan’ny skotisma katolika zazalahy ireo efa nahazo taona teo anivon’ity fikambanam-pinoana katolika ity. Betsaka, noho izany, ireo nahavita be teo amin’ny asa fanompoana ho an’ny rafi-piarahamonina, ny firenena sy ny tanindrazana ary ny fiangonana.
50 taona no mihoatra
Ny 25 mey lasa teo, nisy ny fotoam-pivavahana lehibe notarihin’ny pretra Tsiahoana Stephan, izay misahana sy miahy manokana ny fikambanan’ny skoto eo anivon’ny diosezin’ i Toamasina. Notronin’ ny pretra tomponandraikitry ny Ekar Notre Damme de Lourdes Anjoma, ary ireo olom-panjakana sy ekipa avy amin’ny foiben’ny Antilin’ i Madagasikara izany. Tao Antananarivo no nentina namaranana ny fankalazana ny faha-100 taona ka nanolorana ireo medaly sy mari-boninahitra ho an’ izay nahavita be teo amin’ny fiainana skotisma.
Miisa enina mirahalahy no nahazo ny Grand Croix, avy amin’ny foiben’ny Antily. Efatra kosa notolorana Officier na « Pro-Déo- Officier », avy amin’ny Ekar foibe. Teto dia samy nisitrahan’ny filoha Sabotsy José izy roa ireo. Miisa telo kosa notolorana Mérite Antily sy Ben Mérite, raha miisa 29 notolorana ny Centenaire.
Tontolo iainana
Anisan’ny mampiavaka ny filoha Sabotsy José ny fitarihany ny fikambanana izay entiny ho mpiaro ny totolo iainana amin’iny faritra Atsinanana iny. Ankoatra ny fanaovana asa soa anivon’ny fiarahamonina sy ny fiangonana, ny taona 2010, ny Antily zokiny no nitarika ny fambolen-kazom-paritra natao tao Ivoloina. Tsy izay ihany fa ny taona 2021 koa, nandray anjara tamin’ny fanadihadiana ny rafi-pifandraisan’ ny fomban-drazana Antambahoaka, ny “Sambatra”, izy.
Sehatra iray ahafahana mitory ny vaovao mahafaly ity fankalazana ity, izay efa fanao isaky ny fito taona, na ny “taonjoma”. Izany rahateo no nahatonga ny fikambanan’ny Antily zokiny eto Madagasikara nampifanindran-dalana ny fikarohana skotisma, sy ny fomban-drazana ary ny fitaizana eo anivon’ny skotisma katolika. Hatao fomba maharitra eo amin’ny rafi-piarahamonina ny fotom-pisainana entin’ny “Sambatra”.
Vokany, sambany teto Madagasikara no nisian’ny fanolorana medaly avolenta tahaka ireo voalaza etsy ambony ireo, ho an’ny fikambanana skotisma zazalahy anivon’ny Ekar. Hisarihan’ny mpitarika anivon’ny antily zokiny hatrany ireo mpikambana ny hananana faharetana sy finoana ary fitiavana rehefa manao zavatra iray. “Ny adidy tsy an’olon-dratsy ny skotisma tsy natao handramana” tenin’ny filoha Sabotsy José, rehefa miatrika vondrona zatovo lahy sy vavy izany matetika.
Raha tsorina, 52 taona teo anivon’ny Skotisma malagasy ka ny roa taona voalohany tao amin’ny kiadin’i Madagasikara, ny 50 kosa teo amin’ny Antilin’ i Madagasikara ny filoha Sabotsy José.
Nanatontosa : Sajo
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafindrabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo lalam-pihariana samihafa. Hisokatra sy hanakaiky bebe kokoa amin’ireo mpandraharaha izy. Hanohana ihany koa ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena amin’ireo famakafakana ataony ny Le Radar. Noho izany, fitaovam-panaraha-maso stratejika sy mijery ireo fanamby ara-toekarena ity gazety boky ity. Hasongadina manokana ny fivoaran’ny toekarena eto an-toerana, aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra izay, hisitraka ny endrika boky niomerika avokoa ireo firenena miisa 86 mpikamban’ny CCI. Hanampy ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana momba ny varotra izy io, amin’ny alalan’ireo fahalalana zarainy. Hita ao anatin’izany ny anjara andraikitry ny CCIFM. «Hampahafantatra ireo soa fanararaotra eto Madagasikara ny Le Radar. Noho izany, hangatahana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa», hoy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Arnaud Guillois.
Henintsoa
Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa.
Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena faha-2. Arahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy maso akaiky ny kalitao sy ny fivoaran’ny asa. Hamaha ny olan’ny fitohanan’ny fiara vaventy eny amin’ny Boulevard Ivondro ity arabe ity, hanamora ny fivezivezena ao amin’ny seranan-tsambo.
Nandray ny loka « Flagship Award » tany Nice Frantsa, ny minisitra Andonirina Max Fontaine. Fankasitrahana iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, ny faritra avaratry ny Lakandranon’i Mozambika, anatin’ny tetikasa Nocamo, famatsiam-bolan’ny Tahirimbola frantsay ho an’ny tontolo iainana (FFEM).
Miisa 5 ny asa hatao momba ny fari-panjonoana any Melaky sy Boeny. Ao anatin’izany ny fambolena honko, ny fanohanana ny mpanjono, ny fananganana Fari-dranomasina arovana AMP, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanjono eny ifotony. Hisy ny fampitaovana azy ireo avy amin’ny orinasa lehibe manjono makamba.