Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Benjamin Mkapa Stadium, Dar Es Salaam, ny fifandonan’i Tanzanie, mpampiantrano sy i Madagasikara. Lalao izay tafiditra amin’ ny andro fahatelon’ny fifanintsanana “Chan 2024”, tontosaina any Tanzanie, Kenya, Ouganda, ho an’ny vondrona “B”. Mbola baraingo ny mpilalao handimby ny toeran’i Dax, kapitenin’ny ekipa Barea A’, izay tsy hiatrika io lalao io, noho ny karatra mena azony tamin’ny lalao nifanandrinan’ny Malagasy tamin’i Mauritanie.
Raha ny fijerin’ny maro sy ny mpankafy baolina kitra, tsara toerana handimby azy i Mamisoa, mpilalaon’ny Elgeco Plus. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nifandona tany amin’ny “Cosafa Cup” natao tany Afrika Atsimo, ny volana jona lasa teo, ny Barea sy ny Tanzanianina. Resin’ny Barea, 1 no ho 0, i Tanzania, tamin’izany, ary voatendry ho mpilalao mendrika tamin’io fihaonana io i Mamisoa.
Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny mpanazatra mahakasika io resaka hanolo ny toeran’i Dax io saingy ho fantatra ny sabotsy ho avy io izany. Etsy ankilany, mitohy hatrany ny fanazarantena ataon’ny ekipam-pirenena malagasy, ary ao anatin’ny fanamafisana ny taktika sy ny famonoam-baolina izy ireo, amin’izao.
Tompondaka
Afaka roa andro sisa, hifarana tanteraka ny lalaon’ny CJSOI atsy Seychelles. Manana medaly 39 i Madagasikara hatramin’ny omaly. Hifandona amin’i La Réunion, mandritra ny famaranana, ny Ankoay zandriny.
Mitombo ihany! Omaly, nahazo medaly 39 i Madagasikara, taorian’ ny andro fahadimin’ny lalaon’ ny CJSOI, hetsika izay tanterahina atsy Seychelles. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana, manana volamena 13, volafotsy 16 ary alimo 10 i Madagasikara.
Ankoatra izay, tafita hiatrika ny famaranana amin’ny taranja basikety ny Ankoay zandriny, izay nanintsana ny ekipa nasionalin’i Seychelles, tamin’ny isa 75 no ho 45, omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Victoria Gym. Hifandona amin’ izy ireo farany ny ekipan’i La Réunion, ny zoma ho avy izao.
Tsy izany ihany fa samy hiatrika ny manasa-dalana avy, anio, ny Barea zandriny U17, sy ny vehivavy malagasy mpilalao volley. Raha ny eo amin’ny baolina kitra, ry zareo Maorisianina no hifandona amin’ny Barea, anio. Ny ekipa mpapiantrano, Seychelles, kosa, hifandona amin’ireo Malagasy mpilalao volley.
Tsy mbola misy laharana ofisialy nivoaka, saingy raha ny vokatry ny fikarohana natao, mitana ny laharana faharoa i Madagasikara, ary efa mitarika lavitra dia lavitra amin’ny resaka medaly. I La Réunion no voalohany amin’ity CJSOI ity.
Horaisin’i Madagasikara ny fivoriamben’ny CJSOI
Nigadona omaly, tetsy Ivato, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Nambarany, tamin’io fotoana io, fa horaisin’i Madagasikara ny fivoriamben’ny minisitera izay mandrafitra ny CJSOI, ny volana novambra ho avy izao. Hodinihina amin’io fivoriana io ny fampivoarana ny tanora amin’ity hetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity.
Fitia Randria
Nahitana ny didy hitsivolana voalohany, laharana faha 61-CC/C.A/ TOA/25, izay nivoaka ny 5 may 2025. Teo koa ny didy hitsivolana faharoa fanampiny, laharana faha 86-C.C/ C.A/TOA/25. Izay nahitana dosie valo mahakasika ny raharaha vono olona tany Bemasoandro sy Vatomandry. Teo koa ny taratasin’ady nahavoarohirohy zandary sy ny namany hafa. Anisan’ny raharaha nahabe resaka any an-drenivohitr’ i Betsimisaraka hatrany anivon’ny minisitera isan-tsokajiny izy io. Fahatelo, ny hitsivolana fanampiny, laharana faha 91-C.C/C.A/ TOA/25. Tsy maintsy nahemotra amin’ny fotoana hafa kosa ireo antontan-taratasin’ ady 10 amin’ireo.
Somary nasiaka ny fitsarana nandritra izany satria nahatratra 22 be izao ireo nahazo sazy. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty avokoa izy rehetra ireo. Vehivavy ny telo amin’izany. Marihina fa nisy olon-dratsy 40 mianadahy efa migadra ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy. Manodidina ny 62, noho izany, ireo voafonja voaheloka asa an-terivozona ao an-toerana, raha ny antontanisa voaray. Iray ihany ny voaheloka hiasa an-terivozona mandritra ny 20 taona. Antontan-taratasin’ady miisa 11 amin’ny 22 no nahitana ireo voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafaty ireo.
Afaka noho ny fisalasalana nefa tsy tafavoaka ny fonja
Ho an’ny antontan-taratasin’ady laharana faha-61-Toa/25, izay mahakasika ny raharaha ady lova, izay nitarika tamin’ny vono olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro-Vatomandry. Notanterahina ny volana jolay lasa teo ny fotoam-pitsarana izany. Naharitra adiny fito ny fotoam-pitsarana. Vokany, voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny raharaha. Olona telo hafa nohafahan’ny fitsarana madiodio. Anisan’izany ny mpiambina ny tanànan’ilay niharam-boina, ny anadahin’ ilay ramatoa novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana ary ny lehilahy iray mpanao trano tany Toamasina. Nandritra ny fitsarana, nanamafy ilay tovolahy 22 taona fa nirahin’ilay anadahin’ilay ramatoa maty izy mba hanatanteraka ny famonoana. Volabe no voalazan’ny naniraka azy ho karamany raha mahavita ny famonoana izy, raha ny nambarany teo alohan’ny mpitsara.
Famonoana feno habibiana
Lehilahy efatra no nanantanteraka ny asa famonoana tamin’io fotoana io. Niainga vao maraimbe, tany Toamasina hihazo an’i Vatomandry, ireo lehilahy roa hanao ny asa famonoana. Rehefa tonga tany, nivantana tao an-tokatranon’ny anadahin’ilay ramatoa ho vonoina. Rehefa tamin’ ny iray ora sy sasany, naira-nivoaka ny trano ny lehilahy miisa efatra ary niditra ny tokantranon’ ilay ramatoa ho vonoina. Niditra voalohany tao ny anadahiny, izay nampaniraka ny asa ratsy, nandray fanoto izy ka namely izany tany amin’ny fihirifan’io vehivavy io.
Fanohanana roa tao anatin’ny 24 ora
Hentitra tamin’ny famoahana didy mahakasika ireo raharaha samihafa ireo ny teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Samy nanaovan’ny tonian’ny fitsarana ambony Toamasina, Abdou Mohamed, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny fampanoavana, fanohanana avokoa ireo didy nivoaka rehetra ireo. Tao anatin’ny 24 ora monja, nahitana didim-pitsarana miendrika famotsorana voampanga tamin’ny raharaha vono olona niniana natao, tahaka ny tao Bemasoandro Vatomandry. Teo koa ny raharaha nahavoarohirohy zandary sy miaramila ary sivily telo lahy, izay notsaraina tamin’ny 02 jolay lasa teo.
Ho an’ny raharaha vono olona niniana natao io, mbola miandry ny fotoam-pitsarana manaraka ireo olona voarohirohy raha toa ka efa tokony hivoaka ny fonja. Ho an’ ireo nisy zandary kosa, nahazo fahafahana madiodio ary tsy azo henjehina intsony izy ireo, raha ny didy navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Nokarakaraina ny taratasy nivoahan’izy ireo ka tafavoaka avy hatrany. Taorian’izany, efa tafavoaka avokoa izy ireo vao nilatsaka ny fanohanana sy fampiakarana fandravana didy nataon’ny tonian’ny fampanoavana ambony.
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tonian’ny fampanoavana, manana fe-potoana hatramin’ny 72 ora ny fampanoavana eo amin’ny sampam-pitsarana isan’ambaratonga mihazona ny olona navotsotry ny mpitsara mpamoaka didy. «Endrika ahafanatarana fa manenjika ny fadikan-dalàna ny fampanoavana», hoy hatrany ny fanazavana. Nambarany fa takin’ny lehiben’ny zandary ny hamerenana ny olony raha didy fisamborana omena ny polisy kosa ireo sivily.
Nanatontosa : Sajo
A l’approche du 45e Sommet de la Sadc, les autorités mettent les bouchées doubles pour achever les derniers préparatifs et assurer un accueil digne de ce nom.
Depuis ces derniers jours, les travaux de réhabilitation de routes battent leur plein dans la Capitale, notamment sur l’axe menant à l’Université d’Antananarivo (Tsiadana-Ankatso) la route Ankadindratombo menant à Ambohimiandra jusqu’à Ambanidia, le croisement Ambohimanambola-pont Mandroseza, la route circulaire à Ankorahotra devant la Caisse d’Epargne, l’axe reliant Andavamamba jusqu’à Ankasina, la route des Hydrocarbures à Ankorondrano, le rond-point à Ambatobe, une partie du rond-point Tsimbazaza, aux abords de l’entrée de l’hôpital de Befelatanana et aussi à du CHU JRA…
Les techniciens du ministère des Travaux publics (MTP) travaillent jour et nuit. « L’objectif est d’améliorer la circulation qui renvoie l’image d’une ville propre et moderne » a indiqué le ministère.
L’assainissement bat son plein
Mis à part les travaux routiers, ceux d’assainissement opérés par les agents de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA), sont également entrepris sur les axes principaux, à l’exemple du carrefour reliant Ankorahotra à Ankatso. Les agents de la CUA en ont profité pour sensibiliser les commerçants sur le respect de l’hygiène et la propreté.
« Les trottoirs sont destinés aux piétons, la route pour les voitures et le marché pour le commerce, et notre objectif est de faire un rappel à l’ordre par rapport à cela », a fait savoir le directeur du marché d’Antananarivo, Marcellin Andrianambinina.
Jean Riana
Madagascar est pleinement mobilisé pour accueillir, dans les meilleures conditions, les chefs d’Etat et délégations dans le cadre du sommet de la Sadc. L’Etat malgache prévoit un très gros dispositif de sécurité déjà opérationnel dans la capitale, à l’heure où les réunions préparatoires de la Sadc sont en cours.
Un dispositif massif de 3.000 éléments des Forces de l’ordre, sera déployé avant, pendant et après le sommet de la Sadc à Antananarivo, selon, le commandant de groupement de la gendarmerie Analamanga, le colonel Tojo Raoilijon. Le dispositif sécuritaire est renforcé dans les sites de réunion et de rencontre, mais aussi dans les rues de la Capitale.
Dans ce sens, tous les éléments constituant les forces armées sont mobilisés, parmi lesquels les éléments de l’Emmo, les Forces d’intervention de la Gendarmerie nationale, les Unités d’intervention de la Police nationale, les éléments de la Police municipale.
Avec ces 3.000 éléments mobilisés, on peut dire sans ambages que la sécurité à l’occasion du sommet de la Sadc est consolidée, notamment par rapport à la dernière réunion de la commission de l’océan Indien (COI), durant laquelle 1.800 éléments “seulement” ont été enrôlés.
« Derrière chaque arrivée, chaque réunion et chaque séquence protocolaire, des dizaines d’équipes s’activent avec professionnalisme et discrétion », a indiqué le ministère des Affaires étrangères. Tout le monde est sur le pont, pour mener à bien l’organisation de manière coordonnée.
« Agents de liaison, équipes protocole, services de sécurité rapprochée, coordinateurs logistiques, interprètes, techniciens son et lumière, gestionnaires des flux et documents… Tous unissent leurs efforts pour garantir un accueil fluide, sécurisé et parfaitement orchestré », rapporte le communiqué du ministère des Affaires étrangères.
Finaliser les derniers préparatifs
Les réunions de coordination s’enchaînent au sein des différentes commissions. « De la signalétique à la connectivité, de la gestion des cortèges à la préparation des salles, chaque détail compte. Rien n’est laissé au hasard pour faire de ce Sommet une réussite à la hauteur des ambitions de la région », indique-t-on.
En parallèle, la commission Secrétariat joue un rôle central pour assurer la saisine rapide des structures impliquées, veiller au respect des délais, et fluidifier la circulation de l’information entre les pôles opérationnels.
N.A
Le Groupement des Entreprises de Madagascar (Gem) monte sur le devant de la scène économique régionale avec la nomination de son représentant, le Dr Gervais Atta, à la présidence de Sadc Business Council pour le mandat 2025-2026.
Membre actif de la Sadc Business Council, le Gem voit dans cette élection une reconnaissance de l’engagement du secteur privé malgache, en faveur de l’intégration régionale et du développement durable. Dr Gervais Atta, également président de la Commission « Relations avec les Partenaires Extérieurs » au sein du Gem, portera désormais la voix des entreprises de la région dans les débats stratégiques de la Sadc.
Cette présidence constitue une opportunité pour le secteur privé malgache, de renforcer sa visibilité et son rôle dans les grandes orientations économiques du continent. Elle permettra également de stimuler les synergies entre les acteurs économiques de la région et d’accélérer la mise en œuvre de chaînes de valeur régionales inclusives.
Lors de son discours inaugural, Dr Gervais Atta a souligné que : « Avec ses 16 pays et plus de 400 millions d’habitants, la Sadc possède une richesse naturelle immense. Elle doit occuper une place centrale dans les échanges économiques globaux ». Il a également avancé que Madagascar se doit de renforcer ses échanges intra-africains, encore trop faibles à ce jour qui « représentent à peine 17 % du commerce du continent. Il est urgent d’inverser cette tendance».
Le Gem se félicite de cette élection et remercie l’ensemble des membres du Sadc Business Council, pour leur confiance. Il y voit un levier supplémentaire pour accompagner ses membres dans leur développement et pour bâtir un secteur privé structuré, fort et moteur de transformation régionale.
Arh
Le Comité monétaire de la Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) a choisi, lors de sa réunion hier, de maintenir le taux directeur à 12,00 %. Une décision motivée par la volonté de laisser le temps aux effets de la dernière révision à la hausse du taux directeur, intervenue lors de la précédente réunion, de se déployer pleinement dans l’économie.
Dans un contexte international encore fragile, marqué par un ralentissement de la croissance mondiale à 3,0 % selon les dernières données de juillet, la prudence semble de mise. Si les Etats-Unis enregistrent un ralentissement de leur activité, la zone Euro connaît une reprise modérée tandis que la croissance en Chine se stabilise. A l’échelle mondiale, les banques centrales ont majoritairement opté pour le statu quo, alors que la désinflation progresse lentement.
Sur le plan national, les indicateurs sont plus encourageants, selon la BFM. “L’activité économique s’est redressée au deuxième trimestre 2025, et la croissance est attendue à 4,3 % sur l’ensemble de l’année, portée principalement par le secteur tertiaire”, note l’institution. “Le cours de l’Ariary reste stable, soutenu par les apports en devises liés aux projets de développement, ce qui a contribué à renforcer les réserves de change, couvrant désormais 6,3 mois d’importations”, indique-t-elle.
Dans le même registre, la masse monétaire (M3) a augmenté de 13,9 % en glissement annuel à fin juin. Cette dynamique est également soutenue par la croissance du crédit.
Mais, malgré cette expansion, l’inflation reste sous surveillance. En juin, elle s’élevait à 8,2 %, encore éloignée de l’objectif de 5 % à moyen terme. Toutefois, l’inflation sous-jacente continue de ralentir, atteignant 7,3 %, signe de l’effet cumulatif des précédents resserrements monétaires.
La BFM anticipe la décélération de l’inflation, avec une projection à 7,8 % d’ici fin 2025. Pour dire que la reprise de l’activité ne devrait pas générer de nouvelles tensions inflationnistes significatives, permettant de conserver des conditions monétaires jugées suffisamment restrictives.
La BFM consacre désormais une période d’observation, afin d’évaluer l’application de la dernière mesure adoptée. Toutefois, elle reste vigilante face aux incertitudes, notamment la volatilité des prix des matières premières, les tensions géopolitiques persistantes et les risques sur les échanges commerciaux mondiaux.
Arh.
La Société Sino-Malgache des Travaux Publics (SMATP) est en faillite, selon le bilan dressé par le ministère de l’Économie et des Finances, qui dénonce une mauvaise gestion depuis plusieurs années.
La SMATP, dont le capital est détenu à plus de 30 % par l’Etat malgache, se retrouve aujourd’ hui dans une impasse. De ce fait, le gouvernement malgache a décidé de reprendre le contrôle de la société, dans le cadre d’une réforme stratégique validée en Conseil des ministres. Hier, les autorités concernées se sont réunies pour discuter d’un éventuel redressement de la société.
«La SMATP doit être relancée, et il n’est plus souhaitable que la direction générale soit assurée par la CRB C», a affirmé Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, ministre de l’Economie et des Finances, soulignant que cette réforme est une décision souveraine de l’Etat malgache. L’objectif est de mettre fin à un système déséquilibré qui affaiblit la capacité de l’Etat à défendre ses intérêts dans un secteur hautement stratégique
Le plan de redressement validé repose sur plusieurs leviers : réforme de la gouvernance, amélioration des procédures internes, élimination des inefficacités et relance technique et financière de la société. Il implique une coordination étroite entre les ministères de l’Economie, des travaux publics et des Affaires étrangères, ainsi que le conseil d’administration de la SMATP, présidé par le gouverneur de la région Analamanga.
Cette entreprise, autrefois pilier des grands chantiers d’infrastructure, illustre les dérives de certaines entreprises publiques : mauvaise gouvernance, inefficacité, absence de résultats. Une situation que le ministère ne cache plus et qualifie de “perte sèche”.
Partenariat avec la Chine
Parmi les solutions envisagées également, solliciter le soutien technique de la Chine, un partenaire historique de la SMATP. D’ailleurs, Pékin aurait manifesté sa volonté d’accompagner Madagascar, notamment à travers la fourniture d’équipements.
Cette contribution chinoise pourrait donner un nouveau souffle à la SMATP, dont les activités sont à l’arrêt. Le sort de la SMATP rappelle celui de la Jirama, autre entreprise publique en grande difficulté. Ces deux cas soulignent les défis auxquels le gouvernement doit faire face pour redorer le blason du secteur public.
Créée en 1986 sous la forme d’un partenariat avec China road and bridge corporation (CRBC), la société a été jusqu’ici dirigée exclusivement par cette dernière, principal actionnaire et en même temps concurrent sur les marchés publics. Cette situation est désormais jugée inacceptable par les autorités.
Arh/ S.A
Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa na alohan’ny hiasa iny ny olona no misotro izany. Mahazo tombony eo amin’ny 10 000 Ariary isan’andro eo ny mpivarotra kafe iray, araka ny fanadihadiana natao taminy, teny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho tononina anarana noho ny antony manokana. Nambarany, tamin’izany, fa mifoha vao maraim-be izy ireo mikarakara ny kafe hamidy eny an-tsena. «Mifoha amin’ny 3 ora na 4 ora maraina eo izahay mikarakara ny kafe hamidy. Izahay ihany no manendy ny kafe amidinay, fa tsy maka amin’
ireny épicerie ireny», hoy ity mpivarotra kafe etsy Analakely ity. 300 Ar sy 400 Ar ny vidin’ny kafe eran’ny kaopy ho an’ity tovolahy iray ity. Raha ny fanazavana nomeny, hatao amin’ny sarany ambany ny kafe tsotra sy ny tapany.
30 litatra
Mahalany kafe 30 litatra isan’andro eo ity mpivarotra ity, raha ny filazany. «Manodidina ny bidon iray sy tapany eo ny lany isan’andro rehefa mivarotra ety. Azo lazaina hoe 30 litatra eo izany no lafo», hoy hatrany ity lehilahy iray misehatra amin’ny fivarotana etsy Analakely ity. «Mandany siramamy telo kilao eo ho eo izahay rehefa mivarotra, ary ny ronono moa dia boaty iray, amin’ny siny iray», raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, nampahafantariny tao anatin’ny fanadihadiana fa mahatazona hafanana mandritra ny adiny enina eo ny siny entin’izy ireo. Nisy tamin’ireo mpanjifa ity zava-pisotro ity moa nanaovana fanadihadiana mahakasika ny hitiavan’izy ireo misotro kafe. «Rehefa reraka iny aho, na makafoky ny asa andavanandro, mba misotro kafe kely, satria izy ireny indraindray no manome hery sy tanjaka ho ahy», hoy i Mirantsoa, mpianatra sady mpiasa eny Analakely. «Rehefa misotro azy itony aho toy ny hoe afaka izany ilay sorisory sy ireo tery amin’ny fiainako», hoy kosa i Nary, mpivarotra kiraro eo Analakely.
Miteraka vokany tsara sy ratsy ny kafe
Anisan’ny fahazarana fanao andavanandro ho an’ny olona maro ny fisotroana kafe, indrindra amin’ny maraina. Raha amin’ny fatra antonony ny hanaovana izany, azo lazaina ho manampy amin’ny fahasalamana sy ny asa saina izy io, saingy mety ho loza mitatao kosa rehefa tafahoatra. Amin’ny ankapobeny, misy kafeinina ny kafe, izay manampy amin’ny fampiakarana ny herin’ny vatana sy ny fifantohana. Mety hahasoa amin’ny fiatrehana asa na fianarana. Misy vokatra ara-pahasalamana tsara koa, satria manankarena «anti-oxydants”, manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina sasany, toy ny diabeta, aretin’ny aty, na ny “Alzheimer” sy ny “Parkinson”.
Tsy vitan’izay fa mampiakatra ihany koa ny “dopamine”, izay manatsara ny toe-po sy manampy amin’ny ady amin’ny fahakiviana io vokatra io.
Etsy ankilany, mety hanampy amin’ny fandoroana tavy sy ny fitazonana lanja ho an’izay mitandrina amin’ny fanjifana sakafo, ny kafe.
Na izany aza, mety hampidi-doza ny fisotroana azy ity be loatra. Miteraka tsy fahitan-tory, fientanentanana tafahoatra, fanina, ary fikorontanan’ny fitempon’ny fo. Misy koa ireo mahatsapa fivalanana na fandoavana rehefa misotro be loatra. Ankoatra izany, mety hampiakatra tosidra amin’ny olona efa marefo.
Tsy tokony hisotro mihoatra ny telo kaopy isan’andro ny olona salama, ary iray kaopy monja ho an’ny bevohoka. Tsy azo atao ny misotro kafe amin’ny hariva, fa mety hanelingelina ny torimaso.
Nanatontosa : Fitia Randria
D’après l’Indice Chandler de Bonne Gouvernance pour l’année 2025, Madagascar se positionne à la 106e place sur 120 pays, avec un score de 0,346. Madagascar a réalisé des progrès prometteurs, notamment en matière d’adaptabilité, de l’égalité des sexes et d’efficacité des dépenses publiques. Mais beaucoup reste à faire.
Toutefois, malgré des avancées, ce classement de Madagascar révèle des lacunes. Les faibles performances du pays dans des domaines tels que la justice, les institutions publiques, l’éducation, la santé et l’environnement, nécessitent des réformes profondes, d’autant que l’indice de développement humain (IDH) à Madagascar est parmi les plus faible au monde, en se référant au Rapport sur le développement humain 2025 de la Banque mondiale. La Grande île cherche néanmoins à améliorer sa gouvernance avec des stratégies comme la SNLCC 2025-2030, axée sur la lutte contre la corruption et la transparence.
Cependant, le manque de moyen est aussi évoqué. Selon l’indice de perception de la corruption, l’insuffisance de moyens financiers et matériels, freine la lutte contre la corruption et favorise l’instrumentalisation de la justice.
A noter que l’Indice de Bonne Gouvernance Chandler est un outil conçu pour mesurer la capacité des gouvernements, à gérer efficacement les ressources publiques et à répondre aux besoins de leur population.
En Afrique, la République de Maurice se distingue en tant que leader africain, suivie par le Rwanda et le Botswana. La Grande île se classe au 19e rang ex-æquo avec la Malawi.
Jean Riana
En faisant appel aux enquêteurs du FBI, les autorités malgaches jouent carte sur table dans cette affaire de falsification de certificat d’immatriculation des 5 Boeing 777 sous pavillon malgache, censés être en maintenance au Kenya, mais qui ont mis le cap discrètement sur l’Iran. L’Etat n’a rien à cacher à travers cette collaboration et ne souhaite qu’une chose, tout autant que l’opinion publique, pour faire taire les mauvaises langues : démêler cette affaire complexe en toute transparence, quoi qu’en disent les opposants. L’image du pays est en jeu, surtout dans un contexte où Madagascar s’apprête à accueillir le sommet de la Sadc.
Dans l’état actuel des choses, la question « est-ce que les enquêteurs nationaux, ne sont pas à la hauteur, nécessitant la présence significative du FBI ? », ne devrait pas se poser. Le problème n’est pas là. Les investigations ont révélé l’existence d’un réseau transnational de falsifications de documents dans le secteur du transport aérien, en utilisant des sociétés écrans et de façade comme UDAAN Potentials Ltd, pour dissimuler l’identité véritable des commanditeurs. Raison pour laquelle, l’Etat malgache a sollicité l’aide du FBI car sous cet angle, cette affaire se rapporte à des questions d’une importance internationale qui relève de la compétence du Federal Bureau of Investigation (FBI).
A vrai dire, la demande officielle de certificat provisoire, déposée auprès de l’Aviation civile de Madagascar, n’est ni plus ni moins qu’un subterfuge, pour parvenir à obtenir ce fameux document, à partir duquel un faux a été fabriqué attestant que ces avions peuvent prendre leur envol avec escales, dont la destination finale est l’Iran. Une piste à suivre et à approfondir, mais pour le moment, un ressortissant indien et un opérateur malgache, sont sous les verrous. Certes, étant les premiers principaux suspects et les personnages clés qui ont facilité le contournement des sanctions internationales en matière de vente des avions à l’Iran, ils seront soumis au feu roulant des questions des enquêteurs du FBI. Une grande enquête.
J.R
Madagascar joue un rôle central dans l’élaboration des orientations stratégiques de la Communauté de développement de l’Afrique australe (Sadc). Les hauts fonctionnaires et experts régionaux, réunis au Centre de conférences internationales (CCI) d’Ivato, ont clôturé hier les travaux techniques liés à l’examen du Plan stratégique indicatif de développement régional (RISDP), dans le cadre des préparatifs du 45e Sommet des chefs d’Etat et de gouvernement, prévu les 17 et 18 août à Antananarivo.
Cette réunion technique, qui s’est déroulée dans un climat constructif, a permis de finaliser des décisions majeures qui orienteront les politiques de développement régional au cours des prochaines années.
La révision actuelle du plan vise à intégrer les nouveaux défis, notamment ceux liés au changement climatique, à l’innovation technologique, à la stabilité politique et à l’autosuffisance alimentaire, conformément au thème de ce sommet, «Promouvoir l’industrialisation, la transformation du système agricole et la transition énergétique pour une Sadc résiliente»,
Ce plan stratégique s’inscrit dans la droite ligne de la vision 2050 de la Sadc et
s’aligne également sur les priorités fixées par l’Etat Malgache. Il trace les grandes lignes de développement économique, social et environnemental de ses Etats membres.
En marge de cette journée, la cérémonie de passation de service à la tête du Comité des hauts fonctionnaires de la Sadc, a eu lieu. Le Secrétaire général du ministère des Affaires étrangères du Zimbabwe, président sortant, a passé le flambeau à son homologue malgache, désormais chargée de la coordination des travaux.
Dans la foulée, les participants ont unanimement salué la qualité de l’organisation des travaux au CCI Ivato, ainsi que l’engagement de Madagascar en faveur d’une intégration régionale effective et durable. «L’accueil, le cadre et le sérieux des échanges témoignent du rôle croissant que joue Madagascar dans la région», a souligné un représentant diplomatique.
La capitale malgache s’apprête désormais à accueillir les délégations officielles pour le Sommet des chefs d’Etat. Celui-ci devrait entériner les grandes décisions issues des réunions préparatoires et renforcer la coopération entre les 16 Etats membres de la Sadc, dans un esprit de solidarité, de développement inclusif et de souveraineté partagée.
S.A
Naneho ny fankasitrahany sahady ny fahatanterahan’ny fivorian’ny Sadc, andro voalohany, afakomaly, ny sekretera mpanatanteraka, Elias Magosi. Nambarany tamin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, izany. “Tsy nisy nokianina hatreto ka arahabaina ianareo”, hoy izy. Tsiahivina fa hifarana ny 17 aogositra ny fivoriana.
Naneho ny heviny ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, fa miandry sy manantena ny mpitantana ny vahoaka. Eo ny vita fa misy ireo tsy maintsy efaina, araka ny nambarany. “Tazony ny teny nomena, mifanome tanana no mety noho ny mifanome tsiny. Mijoroa daholo ireo nomena sy nangataka andraikitra fa tsy vitan’olona iray ny fampandrosoana”, hoy izy.
Tsy matahotra ireo miteny etsy sy eroa raha tena tomponandraikitra mijoro sy matoky ny ataony ary tena mitondra tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Randriamasinoro Gothlieb. “Lany fotoana mamaly ny tambajotran-tserasera ireo tomponandraikitra sasany…”, hoy izy.
Nahitsy ny depiote Andriampampandry Todisoa manoloana ny fihetsiky ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard. Nambarany fa tokony hianatra ny famaritana ny “Enquête parlementaire” ny filohan’io Andrimpanjakana io. “Zon’ny depiote sy loholona ny manokatra izany raha misy fandikan-dalàna…”, hoy izy.
Drafi-pampandrosoana stratejika manoritra ny fampandrosoana amin’ny faritra (RIS DP 2020-2030). Io ny niompanan’ny andro faharoa sady faran’ny fihaonan’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy manampahaizana momba ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tena tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy tsy anavahana ary mampitambatra ny faritra eo anivon’ny Sadc ny RISDP 2020-2030, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Mandray anjara mavitrika amin’ny dinika ny delegasionina malagasy tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, miaraka amin’ireo solontenan’ny firenena mpikamban’ny Sadc hafa.
Fantatra fa fanombohana ny asa fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 ataon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc amin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony vita omaly. Aorian’izay, ny fivorian’ny komity momba ny toekarena. Izay tapaka amin’izany kosa no hoentina amin’ny filankevitry ny minisitra, izay hatao amin’ny 12 aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa “fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny fambolena ary ny fifindrana angovo ho an’ny Sadc maharitra” ny lohahevitra amin’izao fihaonana an-tampony izao. Mifanaraka tanteraka amin’ny vina Sadc 2050 ny RISDP 2020-2030 sy ny laharam-pahamehan’ny firenena eto Madagasikara rahateo ny lohahevitra, araka ny nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Hamaritra ny hoavin’ny faritra mpikamban’ny Sadc ny fanapahan-kevitra hivoaka avy amin’ireo dinika.
R. Nd.
Nifarana ny alahady 3 aogositra lasa teo, tany Fianarantsoa, ny andiany faha-4 amin’ny “Challenge du Betsileo”, taranja karate. Mpikatroka maherin’ny 300, avy amin’ny klioba maro, no tonga nandray anjara nandritra izany. Ny kata sy kumite ho an’olon-tokana sy isan-tarika, nanomboka tamin’ny sokajy ankizy madinika, Cadet, Juniors, Seniors hatramin’ny Masters, no nifaninanana. Klioba anisan’ny nisongadina indrindra teo amin’ny kata ny Tekado ary noraofin’izy ireo ny medaly teo amin’izay sokajy izay. Anisan’izany ny azon’i Miangola teo amin’ny Poussine, Miantso (pupille), Olivia (benjamine), sokajy zazavavy, sy ny teo amin’ny kata zazalahy, izay norombahin’i Mael (pupille), Allan (Benjamin), Mathieu (Minime). Ho an’ny kumite, mbola nahazo medaly volamena ny atletan’ny Tekado, tamin’ny alalan’i Miantsa (pupille -25kg), Henintsoa (Benjamine -30kg). Tsy ambakan’izay koa anefa ny klioban’ny CSKAP, izay nahazo medaly volamena teo amin’ny kata junior, vehivavy, tamin’ny alalan’i Fifie. I Michael teo amin’ny kata vétérans. Teo amin’ny kumite, nandrombaka medaly volamena ny atletany, tamin’ny alalan’i Isaia (Minime+40), Stéphanie (Cadette -54kg), Fifie (Junior -59kg), Epiphania (Senior+69kg). Medaly volafotsy kosa no azon’ity klioba ity teo amin’ny isan-tarika, raha ry zareo avy amin’ny Jirama no nibata ny medaly volamena. Nahafapo ny fahaiza-manaon’ny mpikatroka ary nanatrika izany mivantana tany an-toerana ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Émile, niaraka tamin’ireo ekipany. “Manana ny hoaviny mamiratra ny taranja karate ary mampisy fanantenana ireo taninketsa”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FKM.
Mi.Raz
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina, ny « Sokake cup ». Fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipan’ny Hienghène Sports avy any Nouvelle-Caledonie. Anio no hifarana ny fihaonana ka ho fantatra eo izay hibata ny amboara.
Notontosaina nanomboka omaly, teny Ankatso, ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny sy ny zokiny « vétérans ». Tsiahivina fa ny taranja tenisy eto Madagasikara dia efa miroborobo sy miezaka manatanteraka ny fifaninanana nasionaly samy irery. Andrasana kosa ny fifanintsanana nasionaly ho an’ireo zokiny.
Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fihaonan’i Madagasikara sy i Mauritanie, omaly, “Chan 2024”, i Toldo, Malagasy mpiandry harato Barea de Madagascar. Ny sabotsy ho avy izao moa, hiatrika ny lalao faharoa izay hifanandrinana amin’ny Burkina Faso, i Madagasikara. Tsy afaka miatrika io fifanandrinana io i Dax noho izy nahazo karatra mena tamin’ny fifanandrinana voalohany.
Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy niatrehan’i Zigle ny dingana fahatelo.
Hanova paikady, araka izany, ny mpanazatra satria efa nojeren’ireo mpifanandrina ny fomba filalaon’ny Malagasy. Efa miverina amin’ny tanjany rahateo i Zigle izay nisy tsy fetezana kely nandritra ny dingana faharoa.
Tsiahivina fa mitarika vonjimaika ny Malagasy, taorian’ireo dingana telo efa tontosa amin’ity fihaonana goavana any France ity. Norombahin’ny Malagasy ny roa. Ny voalohany, tao ST Gilles-Croix-de-Vie sy ny fahatelo tao Cluses. Manana isa 20 ny Malagasy, hatreto. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hiverina hanatevina ny ekipan’i Italie ihany koa i Diego Rizzi, rehefa tsy niatrika ny dingana fahatelo. Italie izay any amin’ny laharana fahenina, tsy manana afa-tsy isa 9. Mitovy amin’izy ireo ihany koa ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher.
Tompondaka
Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly.
Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny Lalaon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Nahazo medaly 12 vaovao indray i Madagasikara, ka volamena 2, volafotsy 4, ary 6 alimo. Nandrombaka ny medaly dimy tamin’ireo ny mpilomano. Tamin’ny sokajy lehilahy, nahazo medaly volafotsy tamin’ny 100 metatra « brasse » Rabarison Tanteliniaina. Rakotobe Tendry Toavina kosa no nitondra avo ny sainam-pirenena niaraka tamin’ny medaly volamena, tamin’ny 50 m papillon, sy medaly volafotsy indroa: tamin’ny 200 m “nage libre” sy “100 m dos”.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, i Marie-Ange Andrianaho, nahazo medaly alimo, tamin’ny 800 m “nage libre”. Tao anatin’ny fibatana fonjamby indray, nanampy isa ny medaly i Kemba Nomeny Finaritra Rakotondravony, izay atleta farany nandray anjara tamin’ity taranja ity. Nahazo medaly alimo 3 izy: rehefa nahavita, 56 kg, tamin’ny “arraché”, 62 kg tamin’ny “épaulé-jeté”, ary nahita totalin’ny lanja 118 kg.
Medaly efatra ho an’ny Judoka
Medaly efatra kosa no azon’ireo Malagasy judokas. Niravaka ny medaly volamena ho an’ny lehilahy, Rakotomalala Sandaniaina, sokajy
-66 kg. Andriamandanonarivo Tsiaro nahazo volafotsy tamin’ny -60 kg. Ny vehivavy indray, nanampy ny isan’ny medaly alimo ho an’i Madagasikara i Malalasoa Rakotondrainibe (-57 kg) sy Elerson Fanomezantsoa.
Ankoatra izay, tafita amin’ny manasa-dalan’ny basikety ny Ankoay zandriny. Nanamontsana an’i Maorisy, tamin’ny isa 107 no ho 32, izy ireo, omaly.
Ratsy ny vokatra azo tamin’ny taranja badminton. Resin’ny ekipa avy any Seychelles i Madagasikara tamin’ny lalao iraisana, ka voatery hifantoka amin’ny fifaninanana manokana amin’ny fihaonan’ny tsirairay.
Fitia Randria
Vokatry ny andro fahefatra
Nahatratra 12 ny medaly azon’ny Malagasy omaly, 2 volamena, 4 volafotsy, 6 alimo. Araka izany, miakatra ho 27 izany ny isan’ny medaly azon’ny Malagasy hatramin’izao: 11 volamena, 10 volafotsy, ary 6 alimo. Mbola mitana ny laharana voalohany i Madagasikara amin’ny filaharan’ny Lalaon’ny CJSOI 2025.
Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly.
Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny lalam-baovao Andohatapenaka, omaly atoandro tamin’ny 12 ora sy sasany. Avy amin’ny lalan’Ankasina, nihodina amin’ny « rond-point » Andohatapenaka, io fiara io. Nandeha mafy ny fiara ka nifaoka olona miisa roa teo amoron’ arabe. Voadona, nandritra izany koa, ny moto iray niampy bisikileta roa an’ny mpivarotra amoron-dalana teo amin’ny faritra nitrangan’ny loza. Nivadika ilay fiara rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra saingy tsy tana ny ain’ilay lehilahy iray voa mafy. Nifamonjena nentina eny anivon’ny HJRA ny mpamilin’ny fiara izay naratra mafy. « Niala moto tampoka nisongona tamin’ny arabe io fiara io », araka ny fanazavan’ny nanatri-maso ny loza. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny BAC. Nosintomina avy hatrany rahateo ny taratasy fahazoan-dalana hamily an’ ilay nitera-doza. Fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ihany koa ny olona iray hafa, iray tamin’ireo naratra mafy.
Ankoatra io, mpitondra taxi-bisikileta namoy ny ainy teny Anosipatrana, afakomaly. Vaodonan’ny kamiao io lehilahy io ary maty. Nikasa handositra ny mpamily saingy tratra tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza. Marihina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana, na an-tanàn-dehibe na amin’ny lalam-pirenena, noho ny tsy fitandremana ataon’ireo mpampiasa lalana tato ho ato. Fandehanana mafy, tsy fanajana lalàn’ny fifamoivoizana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny mpamily.
Tsiferana R.