Beach Soccer : resin’i Menabe ry zareo Atsimo Atsinanana

Les Nouvelles - sam, 05/18/2024 - 07:54

Notanterahina omaly, tany Antalaha, ny andro fahatelon’ ny fifaninanana Beach Soc­cer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina tanteraka ny ekipan’i Menabe. Nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1 ry zareo Atsimo Atsinanana. Araka izany, ity no fandresena fahatelo azon’i Menabe nandritra ny fifaninanana. Ny mpilalao voafantin’i Boeny ihany no nandresy azy ireo, 6 no ho 4, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana. Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny vondrona “B” no misy an’i Menabe, ary miaraka amin’izy ireo ao ry zareo Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Boeny ary Atsimo Andrefana.
Zavatra roa no kendren’ny vaomiera misahana ny Beach soccer, eo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ity. Voalo­hany, hitiliana ireo mpilalao afaka handrafitra ny Barea de Madagascar. Faharoa, ho fanomanan’ireo ligim-paritra, ny fifaninanam-pirenena ho­tanterahina any Manakara, ny volana jolay ho avy izao.
Anisan’ny tanjon’ny Fede­rasiona ny hamerina indray ny lazan’ny Beach soccer eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa efa tompondakan’i Afrika ny Barea Beach, ny taona 2015, ary niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Portugal.
Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), amin’ity baolina kitra lalaovina ambony fasika ity, indray ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy izao. Hifarana rahampitso alahady 19 avrily ity “Festival Mazavaloha” ity.

Fitia Randria

Catégories: National

Baolina kitra – «  Mondial 2026 » ; mpilalao telo vaovao handrafitra ny Barea de Madagascar

Les Nouvelles - sam, 05/18/2024 - 07:54

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny Coelacantes Comores, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ ny «Mondial 2026». 25 ireo nantsoin’ny mpanazatra hiatrika izany atsy Afrika Atsimo, ka ny telo vaovao.

Namoaka ny anaran’ny Barea, hiatrika an’i Comores amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», tetsy Isoraka, omaly, ny Me Rôro, mpanazatra. 25 ireo nantsoina ka vaovao ny telo dia i Sandro sy i Noah ary i Julien Pontgerard. Ankoatra izay, misy mpilalao fiandry 4 hasolo izay mety tsy ho afaka na maratra amin’ny fotoana farany. Tsy ao anaty lisitra i Njiva, izay mbola marary. Eo koa i Berajo, vao lasa atsy La Réunion, ny alakamisy lasa teo. I EL Hadary, tsy mbola namonjy ny kliobany. I Dorian, tsy mbola manana klioba ary i Remi Vita sy i Coquelin, tapitra fifanarahana amin’ny ekipany. Dafe, tsy afaka noho ny asa aman-draharahany. Ha­nainga ny 28 mey ny delegasiona ary hihazo an’i Afrika Atsimo. Ao amin’ny kianja FNB Stadium ao Johan­nesbourg no hanatontosana ny lalao, ny 7 jona izao, hidonana amin’i Comores ary ny 11 jona amin-dry zareo Malianina.

Tompondaka

Mpiandry tsatoby : 1-Nina (Elgeco Plus) ; 2-Laiton Sony Patrick (AJ Auxerre) ; 3-Gardies Teva Pierre (Paris FC)
Vodilaharana : 4-Demoleon Sebastien (AS Budoni) ; 5-Metanire Romain (Spokane Velocity) ; 6-Fontaine Thomas (FC Sochaux) ; 7-Boyer Fabien (JS ST Pierroise) ; 8-Tremoulet Sandro (RFC Seraing) ; 9-Fortun Safidy (FC Nantes) ; 10-Rado Niaina (AS Fanalamanga) ; 11-Nomena (FC Aubagne)

Irakiraka : 12-Ando Nampoina (JS ST Pierroise) ; 13-Raveloson Rayan (AJ Auxerre) ; 14-Couturier Clement (FC Swift Hesperange) ; 15-Amada Ibrahim (Ratchaburi FC) ; 16-Rojolalaina (ST Pauloise) ; 17-Andy Nantenaina (Disciples FC)

Lohalaharana : 18-Lapoussin Loic (ST Gilloise) ; 19-Tokinantenaina Olivier (ST Pauloise) ; 20-Arnaud (El Gouna FC) ; 21-Hakim Abdallah (Dinamo de Bucarest) ; 22- Noah Tamby Florent (AJ Auxerre) ; 23-Tendry Mataniah (Disciples FC) ; 24-Carolus (Al-Kawkab) ; 25-Julien Pontgerard (AS Brestois)

Catégories: National

Asa soratra sy hosodoko: nizara ny fahaiza-manaony Ralantoaritsimba Nirina

Les Nouvelles - sam, 05/18/2024 - 07:53

Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Anta­na­narivo (AFT) Andava­mamba, ny hetsika niarahana tamin-dRalantoaritsimba Nirina, Malagasy manana ila frantsay, mpanoratra sady mpanao hosodoko. Atrikasa mahaka­sika ny hosodoko sy ny fanoratana no nandravahana izany. Nandritra ny hetsika no nizarany ny traikefany eo amin’ny maha mpanoratra sy mpiangaly hosodoko azy. Ankoatra izay, tanjona ihany koa ny hampiroborobo ny haikanto malagasy amin’ny lafiny rehetra sy ny mpahay kanto miangaly azy.
Mpahay kanto anisan’ny manana ny maha izy azy, na dia vitsy mpahalala aza Ralan­toaritsimba Nirina. Anisan’ny misehatra amin’ny fanoratana, ny fanatontosana sarimihe­tsika, ny hosodoko, ny hatsikana ary ny hira sy mozika izy. Nandalina manokana momba ny literatiora, ary nahazo mari-pahaizana momba izany. Nampianatra literatiora sy fanoratana ary famoronana an-taonany maro teny anivon’ ny anjerimanontolo ihany koa izy. Boky nosoratany anisan’ ny nahazoany fahombiazana ny “Nous sommes les ancêtres de ceux qui ne sont pas encore nés ».
Malagasy mpahay kanto maro samihafa no niatrika ny hetsika, omaly. Araka ny nambaran’ireto farany, zava-dehibe ny fahafantarana sy fakana traikefa sy fahaiza-manao avy amin’ny matihanina sahala amin’izao, ho fampandro­soana sy fampivelarana ny haikanton’ny teny.

Lin

Catégories: National

Sivy andro aty aoriana : tratra ireo jiolahy mpamono olona

Les Nouvelles - sam, 05/18/2024 - 07:53

Voasambotry ny zandary, omaly, ireo jiolahy roa tompon’ antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, lehilahy iray notifirin’ny jiolahy ka nalevin’izy ireo antsokosoko. Sivy andro taorian’ny famonoana anefa no hita ny fatiny. Ny 8 mey 2024 lasa teo no nitranga ity vono olona feno habibiana ity tao Manidibatana, fokontany Maro­mavo, kaominina ambanivohitr’i Mahazoma, distrikan’i Mae­vatanana. Fantatra taorian’ny famotorana fa jiolahy roa no tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Nahazo fampitam-baovao ny zandary ka nanao ny fikarohana rehetra nanom­boka ny 15 mey 2024, nampian’ireo fokonolona mpiray Dina. Nandritra izany no nahasamborana azy roa lahy voarohirohy ireto. Nitsoaka kosa ny namany iray. Tao anatin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa tifitra intelo tamin’ny basim-borona no nahafaty ilay niharam-boina ka nalevin’izy ireo avy hatrany. Natoron’izy ireo kosa ny toerana nandevenany azy.

J.C

Catégories: National

Hafatra Pantekoty avy amin’ny FFKM: “Aoka tsy hampanantena poakaty sy hividy safidy”

Les Nouvelles - sam, 05/18/2024 - 07:53

Hentitra koa ny fanambaran’ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra Pantekoty navoakan’izy ireo, omaly. Anisan’izany ny momba ny fifidianana depiote sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao.

Nambaran’ny hafatra fa tokony halavirina ny korontana sy ny tabataba amin’izao fifidianana izao. “Aoka ianareo kandidà mba tsy hananararaotra ny fahasahiram-bahoaka ka hividy safidin’izy ireo amin’ny zavatra hita maso sy hampanantena poakaty”, hoy izy ireo. Nentanin’ny FFKM ny rehetra handala ny fahamarinana hiady amin’ny kolikoly sy ny fanararaotana ary ny faharatsiana rehetra, indrindra ireo mpikirakira ny fifidianana.
Notsiahivin’ny fiangonana indray fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy ady maro samihafa isika izao. Anisan’ izany ny fahasahiranana vokatry ny fahantrana sy ny sondro-bidim-piainana isan’andro. Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin’ ny kolikoly. Na izany aza, nentanin’ny FFKM tsy ho kivy na hiraviravy tanana ny rehetra, indrindra amin’izao Pantekoty sy ny efa nahazoana ny Fanahy Masina izao fa hitraka ka hijoro ho vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena.

Fanajana ny aina sy ny fitiavan-tanindrazana

Ankoatra izany, notsindrin’ ny hafatra fa tsy nirotsaka hanara-maso ny fifidianana ny fiangonana efa-tonta saingy manohy hatrany kosa ny fitaizana sy ny fampianarana amin’ny alalan’ny Andrimaso FFKM mba hahatonga ny rehetra ho olom-pirenena vanona.
Nanentana ny kristianina sy ny vahoaka koa ireo filoham-piangonana amin’izao hanamarihina ny faha-64 taonan’ny niverenan’ny Fahaleo­vantena sy ny Foloalindahy izao mba hanandratra hatrany ny fanajana ny aina sy ny fitiavan-tanindrazana.

Synèse R.

Catégories: National

Pages