Fisiana entona hafahafa : Mpiasan’ny Apipa efatra maty tao anaty lakandrano, tetsy 67Ha

Les Nouvelles - lun, 05/05/2025 - 07:41

Maty sempotry ny entona mahafaty tao anaty lakandrano ambanin’ny tany, tetsy 67Ha, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina, ny mpiasa efatra mirahalahy eo anivon’ny Apipa. Namoy ny ainy tsirairay tao anaty lavaka izy ireo rehefa tsy nahazaka ilay entona.

Nanadio lakandrano tetsy 67Ha ny dimy mi­rahalahy eo anivon’ny Apipa, ny asabotsy teo. Nahi­tana mpandroaka fako telo, sefo mpitarika iray ary teknisianina iray hafa. Tsy nahazaka ny entona tao anaty lavaka ny efatra nidina ka maty avokoa.
“Nanokatra ny saron’ny lakandrano ny iray tamin’ireo mpiasa vao tonga teny an-toerana. Nidina tao anaty lavaka izy niaraka tamin’ny fitaovana saingy tsy niverina intsony”, hoy ireo nanatri-maso. Nan­tsoina avy aty ivelany fa tsy na­maly. Nahita izany ireo namany ka nisesy nidina tao anaty lavaka nefa tsy nisy niverina ihany koa. Farany, nidina tao ilay sefo, rehefa tsy nisy niverina ireo telo lahy, nefa tsy nive­rina koa. Saika mbola hidina tao anaty lavaka ny iray farany fa tsy navelan’ny olona intsony. Niantso vonjy tamin’ny manodidina avy eo io hamonjena ireo namany tao anaty lavaka. Nosintomina tamin’ny tady ireo niharam-boina, izay naharitra ora iray teo ny fampiakarana azy ireo. Efa vatana tsy nisy aina intsony no hita, ni­tranga lela sy nivoaka farora-bava avokoa. Manodidina ny 1 metatra sy sasany hatramin’ny 2 metatra eo ny halalin’ny lavaka nidiran’ireto niharam-boina ireto.

Ilana olona ny famindrana ny fitaovana fitrohana rano

“Trohina amin’ny moto-pompe ny rano anaty lakandrano mba hahafahany mikoriana tsara. Tsy maintsy misy olona iray midina any anaty lavaka any mamindra io fitaovana io ho amin’ny lavaka iray hafa”, hoy ny tomponandrai­kitry ny Serasera eo anivon’ny Apipa, Rakotoalijaona Tolo­rantsoa Hajarizaka. Tamin’ny fotoana nanaovana izany no nitrangan’ny loza. “Nahenoana fofona karazana gaz métane tao anaty lavaka. Tsy nahazaka izany ireo mpiasa niditra tao ka namoy ny ainy avy hatrany”, hoy ihany izy. Nomarihiny fa tsy mbola nisy ambana tahaka izao hatramin’izay niasany. Hatsaraina ny fomba fiasa sy ny fitaovana fiarovana ampiasain’ireo mpandroaka fako ireo manomboka izao, mba hisorohana ny loza. Voamarin’ny Institut national des sciences et technologies nucléaires (INSTN) ny fisiana entona manempotra mahafaty tao anatin’io lavaka io. Nisy avy hatrany ny atrikasa sy fivoriana niarahan’ireo rantsa-mangaika, ahitana ny BNGRC, ny CUA, INSTN ary ny minisiteran’ny Fa­najariana ny tany izay mpiahy ny Apipa, taorian’io tranga io.

Mino

Catégories: National

05 mey 2025

Les Nouvelles - lun, 05/05/2025 - 07:40

Catégories: National

Antsahamanitra: Kiaka et Iraimbilanja, un duo du tonnerre

Les Nouvelles - lun, 05/05/2025 - 07:39

Décidément, Kiaka et Iraimbilanja ont fait une démonstration de force hier après-midi à Antsahamanitra lors de leur concert collectif « Mozik’iray ».
Attendu de pied ferme par un public majoritairement habillé de noir, bien caractéristique du rock, Nini et sa bande ont inauguré la scène avec ses tubes, allant des anciennes aux récentes compositions, à l’image de « Fitia Nindramina » et « Rock ‘n’ Roll Namako ».
Alors que l’enthousiasme du public était déjà palpable, Iraimbilanja a fait grimper la température en interprétant les classiques intemporels comme « Tao an-tsekoly » et
« Tsindrimandry ». Comme annoncé, la troisième partie du show a laissé place à un véritable dialogue artistique, durant lequel chacun des groupes a repris les morceaux emblématiques de l’autre, à sa manière propre.

Joachin Michaël

Catégories: National

Dans le cosmos

Les Nouvelles - lun, 05/05/2025 - 07:38

Décès : L’artiste belge Paul Van Hoeydonck, auteur de la première œuvre d’art sur la lune, est mort. Il s’agissait de la première et, pendant des décennies, de l’unique œuvre d’art sur la Lune. Elle a été rejointe en février 2024 par 125 mini-sculptures de l’artiste américain Jeff Koons.
Le Nicaragua va quitter l’Unesco, après un prix décerné à un journal d’opposition “La Prensa”. Le Prix mondial de la liberté de la presse de l’Unesco a été décerné le 3 mai 2025 au journal nicaraguayen “La Prensa”, quotidien historique de ce pays d’Amé­rique centrale dont la rédaction a été contrainte à l’exil par la répression du gouvernement.
Cinéma : Brad Pitt jouera dans le prochain film d’Edward Berger, le réalisateur de « Conclave ». Intitulé « The Riders », ce long-métrage sera une adaptation du roman éponyme de Tim Winton.

Catégories: National

NICOLAS ECOLO

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 18:03

Catégories: National

Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany manokana faha-27

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 08:19

Notanterahina omaly, tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Acmil) Antsi­rabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny an­diany manokana faha-27 na 27°Péloton de Formation Mi­litaire des Cadres Spécialistes (PFMCS). Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Folo­alindahy (MFA), ny Jly Sahi­velo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Nitarika ny lanonana ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Ratsarahevitra Andriamisetra. Miisa 19 mianadahy, mpianatra ho mpi­tsabo avokoa ireto naseho ambany faneva ireto, rehefa nahavita ny fiofanana ara-teknika fototra maha miaramila (Fetta). Zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana manamboninahitra mpitsabo afaka manampy ireo dokotera hikolokolo sy hiahy ny fahasalamam-bahoaka. Nitsodrano azy ireo hahatontosa ny fiofanana, araka izany, ny MFA.
« Ny Akademia Miaramila dia natao hamolavola tanora vanona, antoky ny hoavin’ny firenena ary ho maodely amin’ ny fandraisana andraikitra », hoy izy. Nohamafisiny fa tsy ekena ny fisian’ireo olona tsy manaraka sy mivaona amin’ny sata sy fitsipika amin’ny maha manamboninahitra sy ny fitsipika mifehy ny Tafika Mala­gasy, ka horaisina ny fepetra mifanaraka amin’izany raha toa ka misy izany. Manoloana ny fandraisana miaramila an-daharana hanatevina isa ny fianakaviamben’ny Tafika Malagasy, hentitra ny MFA nanambara fa hisy sivana mafy sy fanaraha-maso ma­nokana mba hananana miaramila tsara sy vonona hiaro ny Tanindrazana ny firenena.

Jean Claude

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 08:19

Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary.
Liana amin’ny sehatry ny fizahantany aty Madagasikara ny arabo mpandraharaha. Vita sonia ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA) sy ny kaompania Emirates, hisarihina ny mpizahatany any Dubai ho avy aty amintsika. Anisan’ny vokatra tsara nandritra ny fandraisan’i Madagasikara anjara voalohany tamin’ny Foara ATM, tany Dubai, izany.
Ho velomina indray ny Foibe fiompiana trondro any amin’ny toby miaramila Antanimeva, Atsimo Andrefana. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny fari-pisandratana (ZEP) Fiharea Fia, iarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny ao amin’ny Foloalindahy. Tsiahivina fa miisa 16 ny dobo fiompiana trondro efa misy ao ary izao havaozina izao.
Miisa 30 ny tanora niofana momba ny fambolem-bary tao amin’ny Kolejy momba ny fambolena Bezezika, distrika Mahabo, faritra Menabe. Andiany faha-14 tamin’ny alalan’ny fikambanana VFTM-Fifata, nisalotra ny anarana Soa Vokatra izy ireo. Notolorana fitaovana fihavam-bary sy fanondrahana fanafody izy ireo.

Catégories: National

Fampiasana ny niomerika: Hanova ny fijery sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 08:18

Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Mada­gasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empower­ment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry ny ny Fampirobo­roboana ny haitao ara-kajy mirindra, i Stéphanie Delmo­tte, ireo tamin’ny lohahevitra mahakasika ny « Catalyzing AI for Inclusive Change ».
Ankoatra izay, niombon-kevitra amin’ny rehetra ihany koa i Madagasikara amin’ny fifanakalozana mahakasika ny « intelligence artificielle » (IA). Voalaza fa tokony hanaraka fitsipi-pitondran-tena mifanaraka amin’ny zava-misy ary manampy amin’ny fampandrosoana ny fampiasana izany.
Tetikasa
Hisy ny tetikasa iombonana, hanohanana ny paikady niomerikan’ny firenena mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana, toa an’i Mada­gasikara. Voaresaka izany nandritra ny fihaonan’ireo  delegasionina
mala­gasy tamin­­’ireo mana­mpahaizana avy ao Harvard, ny alarobia teo.
Nisy koa ny fikaonandoha niarahan’ireo matihanina sy manampahaizana manokana, mpikaroka ary mpanapa-kevitra nanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Harvard sy ireo firenena andalam-pandrosoana sy vao misondrotra. Fototry ny dinika nifanaovana ny fiaraha-miasa azo tsapain-tanana amin’ny sehatry ny IA.

Henintsoa

Catégories: National

Harena voajanahary : Hikajiana ny harinkarena faobe

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 08:18

Tsy afa-misaraka amin’ny toekarena ny harena voajanahary. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « Spring meetings » tany Washington, ny tetikasan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hampidirina ho anisan’ireo singa hikajiana ny harinkarena faobe ny harena voajanahary. Ho firenena mpitari-dalana amin’izany i Madagasikara sy Niger. Hitarika ny tetikasa kosa ny filoha lefitry ny Bad, Pr Kevin Urama. Vinan’ny fitondram-panjakana ny hampakatra 5% ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2025 ary ho maherin’ny 5,6% ho an’ny taona 2028. Takina ao anatin’izay ny hanatsarana ny tontolon’ny toekarena. Ankoatra izay, mahatoky ny fitondram-panjakana ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenana momba ny fitantanam-bola. Maro ireo ezaka nataon’ny firenena, mbola misy ihany koa ireo fepetra takina heverina fa manampy amin’ny fanatsarana ny fitantanana.
Ankilany, feno 31 taona ny rafitra statistika eto Madagasikara. Misy ny tetikasa mpitari-dalana, vatsian’ny Bad, hanavaozana izany any Amoron’i Mania sy Matsiara Ambony.

Henintsoa

Catégories: National

Seranan’Ivato: Azon’ny ladoany ny amboara « Best Waiting Time »

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 08:18

Nahitam-bokany ny fanavaozana ny fitantanana ny mpandeha mahakasika ny ladoany eny amin’ny seranam-piaramanidina Antananarivo. Haingana sady tsotra ny fikarakarana.

Nahazo ny loka iraisam-pirenena « Best Waiting Time 2024 » ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy. Tanteraka izany taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpandeha eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo, Ivato. Vokatry ny ezaka maro natao, nanatsarana ny tolotra, no nahazoana ity fankasitrahana iraisam-pirenena ity. Satria, nihena be ny fotoana lany sy ny fikarakarana ny mpandeha.
Tafapetraka ny drafitrasa mandritra ny dimy taona, anatsarana ny fitantanana. Toy ny fametrahana ny fitaovana elektronika, ahitana jiro miloko mavo sy maitso, manoro lalana ny mpandeha raha hanao fanambarana ladoany na tsia. Ampiasaina ny fitaovana mamaky ny tiketra famantarana (bagdes), sy ny firaiketana an-tsary « caméras », manamafy ny fiarovana ny fandriampahalemana. Nihena ny hosoka, ny kolikoly, fantatra ny lalana izoran’ny entana miditra na mivoaka. Misy koa ny bokikely torolalana ho an’ny mpandeha. Notsorina sy nohamoraina ny famenoana ny antontan-taratasy, azo atao amin’ny internet (Douane.­MDG). Azo antoka ny fan­doavam-bola amin’ny alalan’ny finday sy ny fandoavam-bola elektronika, hampihenana ny fampiasana lelavola. Mora fantarina amin’ny alalan’ny fanamiany vaovao ny mpiasan’ny ladoany. Ampia­saina ny alika mpitsongodia sady mamantatra entana.
Mangarahara sy azo antoka
Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana (DGD), i Lainkana Zafivanona, fa « nitondra vokatra, ankehitriny, ny ezaka maro natao, amin’ireo lamina vaovao napetraka ety Ivato. Taratry ny fahavononana nasehonay, nanafainganana ny fikarakaran-draharaha maro izao amboara Fotoana haingana indrindra  na Best Waiting Time  izao ».
Nohamafisin’ny DGD fa voakasiky ny fanavaozana ihany koa ny fomba fiasa anaty mangarahara sy ny fiarovana ny tolotry ny ladoany, hisorohana ny hosoka, sady haingana no azo antoka.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Grand Tanà – Remblais illicites : le gouvernement serre la vis

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 07:56

Malgré les mesures prises par la CUA et le ministère de la Décentralisation et de l’aménagement du territoire (MDAT), les remblais illicites se poursuivent encore dans la Capitale, avec l’aide d’un réseau bien organisé. Mais le gouvernement ne fléchit pas en adoptant un nouveau décret.

Depuis le début de l’année, plusieurs ca­mions pris en flagrant délit de remblais illicites, ont été saisis et mis en fourrière. Et,il y a un mois de cela à Ankasina, dans le 1er arrondissement de la Ca­pitale, la brigade spécialisée du ministère de la Décen­tralisation et de l’aménagement du territoire (MDAT), a démantelé un réseau impliqué dans des remblais illicites. Des policiers municipaux et nationaux, ainsi qu’un ancien agent de l’Apipa, ont été épinglés.

Au niveau du MDAT, la lutte continue et les contrôles s’intensifient. Et pour renforcer l’arsenal contre les remblais illicites, le gouvernement vient d’adopter un « décret régissant l’interdiction et la suspension des travaux de remblai et les sanctions des irrégularités constatées dans l’exécution des travaux modifiant la configuration du sol dans le périmètre de Grand Antana­narivo ». Cette décision vient renforcer le décret n° 2022-241 portant « interdiction et suspension de tous les travaux de remblai dans le périmètre du Grand Antananarivo », daté du 23 février 2022.

Contactée par les Nou­velles, l’Autorité pour la protection contre les inondations de la plaine d’Anta­nanarivo (Apipa), a souligné qu’outre l’interdiction et la suspension jusqu’à nouvel ordre des travaux de remblai, ce décret inclut aussi des sanctions encourues par les contrevenants. Les tenants et aboutissants seront publiés prochainement.

D’après l’Apipa, des ressortissants étrangers, dont des chinois, seraient impliqués dans des remblais illicites.  Les quartiers les plus touchés sont Ambohijanaka, Iavoloha, Alasora, Ambohimangakely, Soavimasoandro, Ankasina et la route de la Francophonie, où des enquêtes sont en cours pour démanteler ces filières. Selon les informations communiquées par le ministère, des policiers municipaux et nationaux, ainsi qu’un ancien agent de l’Apipa sont impliqués dans ce réseau.

A rappeler que lors d’une descente à Anosizato Atsinanana et Andavamamba en mars, le président Andry Rajoelina a pointé du doigt les remblais illicites. Il a exigé que des sanctions sévères soient appliquées contre toutes les personnes impliquées.

F.M

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 07:55

Notoloran’ny orinasa tsy miankina iray fanomezana ny akany fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy, omaly. Kidoro, lamba mafana firakotra sy ondana no azon’izy ireo tamin’izany.
Tazonina atao andrimaso eny anivon’ny polisim-pirenena ilay sinoa nitondra fiara nahafaty olona efatra teny By-Pass, ny alarobia 30 avrily teo. Nandositra io sinoa io tamin’ny fotoan’ny loza saingy voasambotry ny nanatri-maso. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy.
Mpitondra moto maty tsy tra-drano, tratry ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 18 +500, Andavabiby, kaominina Ambato­mira­havavy, ny 29 avrily teo. Nivoaka ny arabe tampoka, rehefa nikasa hiditra fiolahana io moto io. Naratra ny iray raha toa ka tsy tana ny ain’ny mpitondra ny moto.
Voasambotry ny polisin’ny kaomisaria Main­tirano, omaly, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny resaka vaky trano. Nisava ny tranona lehilahy iray voalaza ho jiolahy ny mpitandro filaminana. Tratra tao ny fahitala­vitra « écran plat » anisan’ireo entana very nandritra ny vaky trano tany amin’ny fonkotany Tanambao Nord, Main­tirano, ny 1 mey teo.

Catégories: National

Lohan’olona efa simba hita tany Manampisoa : Lehilahy ahina ho nisy namono tany Antohobe

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 07:54

Lohan’olona iray no hitan’ ny mpandalo nisy nanary tany amin’ny fokontany Manam­pisoa, kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia tamin’ny 4 ora tolakandro teo. Efa tsy nisy nahafantarana azy intsony ho lohan’iza io satria efa tsy nisy nofo sy tsy nisy volo intsony. Tombanana ho efa ho iray volana mahery ny nahafaty ity razana ity, raha ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Mety misy nifandraisany tamin’ny raharaha nahafatesana lehilahy iray tamin’ny fomba feno habi­biana tany Antohobe, ny 25 marsa lasa teo, ity fahitana lohan’olona ity. Tsy mbola nahenoana fitarainana olona very ihany koa tao anatin’ny fokontany. Ahina ho an’io raim-pianakaviana hita faty tapa-doha io ity loha ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana ao Betafo. Tsiahivina, raim-pia­nakaviana 68 taona, hita faty tapa-doha tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kao­minina Antohobe, distrikan’i Betafo, ny 25 marsa 2025 lasa teo.
Hatramin’izao, mbola tsy hita ny lohan’io razana io, raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana avy ao Betafo ihany. Raha toa ka efa nanomboka nikaroka izany ireo manampahefana ny ampitson’ny nahitana io razana tsy nisy loha io. Ankoatra izay, tsy mbola tratra ihany koa ireo tena atidoha nikotrika nahavanon-doza tamin’io raharaha famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana io.

Mino

Catégories: National

Tsimbazaza Andohamandry : Lehilahy tratra nangalatra Kaontera

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 07:54

Tratra teo am-pangalarana Kaontera an’ny Jirama tao an-tokantranon’olona, tetsy Tsimbazaza Andohamandry, ny lehilahy iray, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nangina ny tanàna, niditra antsokosoko tao an-tokantranon’olona ity olon-dratsy ity. Nihevitra fa tsy hisy olona tao an-trano ka tsy nisalasala izy niditra.
Tsikaritry ny renim-pianakaviana iray tao an-trano anefa ny nidirany tao ka niantso manam-pahefana avy hatrany ity farany. Nandritra izany, niezaka nanongotra ilay Kaontera tamin’ny toerana nisy izany ity olon-dratsy ity. Nesoriny avokoa ireo tariby mampifandray ity fitaovana fandrefesana
fandanian-jiro ity tamin’ny tariby an’ny Jirama. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisim-pirenena avy amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo taorian’ny antso. Efa voahongitr’ity lehilahy ity tamin’ny toerana nisy azy ilay fitaovana, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filami­nana teny an-toerana. Noraisim-potsiny noho ny asa ratsy vitany ilay jiolahy. Nosamborina ary nentina hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria Ambohijatovo izy.

Mino

Catégories: National

Tahotra ny tsy handova: Novonoin-janany ny rainy

Les Nouvelles - sam, 05/03/2025 - 07:54

Naiditra am-ponja, omaly, ireo telo lahy namono nahafaty raim-pianakaviana teny Ambohinambo Talatamaty. Atidoha nikotrika izany ny zanany lahy. Antony, valifaty sy tahotra ny tsy handova.

Niakatra fampanoavana, omaly, ny tovolahy telo. Monina eny Ambohi­nambo Talatamaty izy ireo. Voarohirohy ho namono nahafaty ny raim-pianakaviana teny an-toerana ny faha-3 avrily 2025 lasa teo. Zanaky ny lasibatra ny iray amin’izy ireo, atidoha nikotrika ny vono olona. Valifaty an-drainy noho ny nisarahany tamin’ny reniny efa valo taona lasa, niampy tahotra ny tsy handova no antony namonoan’izy ireo azy. Manamafy izany ny fiaikeny heloka nandritra ny famoto­rana sy ny fakana am-bavany azy ireo.
Marihina fa nanambady vehivavy hafa ity raim-pianakaviana novonoina ity. Nifam­piteraka rahateo izy roa. Ni­teraka lonilony anaty sy fankahalana tamin’ilay tovolahy vao 17 taona izany. Nohararaotiny ny fiarahana tamin-drainy, hanaovana andrana fiara mba hahafahany mandatsaka ny ainy. « Nanao andrana fiara marika Kia Sportage niaraka tamin’ilay rainy io lehilahy io sy ireo roa lahy, ny harivan’ny 3 avrily tamin’ny 5 ora sy sasany », araka ny angom-baovao azon’ny mpanao fa­motorana.

Nanara-panjaitra

Teny an-dalana hody, avy nanao andrana ilay fiara teny Andakana, kaominina Ano­siala, no niseho ny vono olona. Noleran’ireo tovolahy roa, niara-dalana tamin’izy mianaka antsy ity raim-pianakaviana ity. Voalaza fa mbola afaka nanohitra izy, ary niezaka nanavo-tena ka nahavaky ny fitaratry ny fiara. Tapitra teny an-dalana anefa ny ainy ka narian-dry zalahy teny amin’ ny tany malalaka eny Ambo­hinambo ihany. Ny ampitso vao nisy nahita ny razana.
Nanaraka baiko, nilaza ho kofehy manara-panjaitra izy roa lahy. Izay efa nitsoaka tao­rian’ny vono olona. Ilay mpaniraka ihany anefa avy eo no nanondro azy ireo, nahafa­hana nisambotra. Niaiky ny helony izy telo lahy, naiditra am-ponja vonjimaika omaly.

Tsiferana R.

Catégories: National

Taranja tolona : Lany ho sekretera jeneraly mpanampy R. Mamitiana

Les Nouvelles - ven, 05/02/2025 - 07:52

Notanterahina ny 28 avrily lasa teo, tany Casablanca, ny fifidianana izay ho filohan’ny taranja tolona eto Afrika, sy izay ho mpikambana vaovao anatin’ny rafitra federaly. Lany ho anisan’ireo anaty birao miasa amin’ity taranja ity, eto Afrika, ary mitazona ny andraikitrin’ny sekretera jeneraly mpanampy Raveloson Ma­mitiana Nestor, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML).
Tsiahivina fa miisa fito izy ireo no hiara-hiasa amin’izany. Araka ny vaovao voaray omaly, i Fouad Meskout, maraokanina, hitantana ny rafitra federalin’ity taranja ity eto Afrika. Lehiben’ny federasiona 30 amin’ny 31 misy eto Afrika no nifidy azy. Ilay kameroney, Urbaine Elise Sissa Mbedy, no voafidy ho filoha mpanampy.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Maroc ny atleta malagasy. Azo antenaina fa hitondra vokatra tsara ireo Malagasy lasa any, satria efa telo volana teo izay izy ireo no nanomana ity fifanintsanana ity, teny amin’ny ANS Am­pefiloha. Raha ny fantatra omaly, nahazo medaly alimo iray ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Raphael Lawrence, lehilahy U17. Ankoatra azy ity, miatrika izany any an-toerana ihay koa, i Malala, vehivavy atleta malagasy, efa niatrika ny Lalao Frankofonia 2023 sy ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara farany teo.

Fitia Randria

Catégories: National

BEPC – EPS: Vonona handray ny kianja eny Isahafa

Les Nouvelles - ven, 05/02/2025 - 07:52

Eo am-pikarakarana ny fandraisana ireo mpia­dina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’izao fotoana izao, ny mpiandraikitra ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny adina eny amin’ny kianja ao Isahafa sy eny amin’ny kianjan’ny fikambanana Akamasoa. Manala fahasahiranana tanteraka ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpiadina ny fahazoana ny kianja vaovao eny Isahafa satria tsy voatery mandeha lavitra intsony ireo mpiadina eny Sabotsy Namehana, Ambohitrabiby, Talata Volo­nondry… rehefa hiatrika ny adina ara-panatanjahantena, hoy ny lehiben’ny Cisco Ava­radrano, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanàna ao Anosy Avaratra no nahazoana ny kianja ao Isahafa izay efa manaraka ny fenitra ka afaka mandray adina ho an’ny fanadinam-panjakana.
Tonga eo akaikin’ny kianja rahateo ny taxi-be mampitohy ny tanàna amin’ny fokontany manodidina ka tsy ho sarotra ny fivezivezena ho an’ny mpiadina.
Manomana ny pitsopitsony samihafa ny tomponandraikitra rehetra voakasiky ny ta­ranja.

Vonjy

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - ven, 05/02/2025 - 07:51

Notontosaina ny talata sy ny alarobia lasa teo, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2025». Efa tsara toerana amin’izany, ny Paris Saint Germain, frantsay, izay nandresy ny Arsenal, anglisy, tany Angleterre, ny talata lasa teo. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, kosa ny FC Barcelone, espaniola sy ny Inter Milan, ny alarobia teo.

Hotanterahina, eny Imerikasinina, ny 31 mey ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka amin’ny kodiaran-droa, Moto On Road. Fifanintsanana izay efa somary tsy nisy teto Madagasikara, nandritra ny roa taona lasa izay. Hikarakara izany ny Imerikasinina Motul Trophy sy ny Federasionina Malagasin’ny Motocyclisme.

Hotanterahina any Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana N1A “Zone Nord”, taranja basikety, ny 10 hatramin’ny 18 mey izao. Efa mamaramparana ny anjarany ihany ny “Zone Centre” any Antsirabe, amin’ity faran’ity herinandro ity.

Hotontosaina ny sabotsy 10 mey izao, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Judo. Ny sokajy katitakely “Poussins” sy “Benjamins” no hifaninana amin’io andro io, hamoahana izay mendrika eto Analamanga.

Catégories: National

Futsal vehivavy – CAN 2025: Laharana fahenina ny Barea Ladies

Les Nouvelles - ven, 05/02/2025 - 07:51

Nifarana teo amin’ny laharana fahenina ny dian’ny Barea Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano na ny Futsal. Fihaonana, notanterahina tany Maroc. Ny talata lasa teo, niondrika teo anatrehan’ny faraonan’i Ejipta, tamin’ny isa 4 no ho 2 ny tovovavin’ny Barea de Madagascar nandritra ny fiadiana ny laharana fahadimy.
Na nanao izay ho afany aza ny Barea Ladies, tsy afa-nanoatra nanoloana ny traikefa nananan’ireo ejiptianina, izay nanao totoafo ny fanafihany. Na izany aza, nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Malagasy teo am-pialan-tsasatra. Tsy nahatafiditra baolina intsony anefa ny Barea, teo amin’ny fidirana faharoa. Nahafaty 3 kosa ny ejiptianina izay nivoahan’izy ireo ho mpandresy. Nahazoan’ny de­le­gasionina malagasy traikefa na ho an’ny mpanazatra na ho an’ny mpilalao iny Can tany Maroc iny, izay sambany no niatrehana izany.
Raha tsiahivina ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Nanao ady sahala 5 sy 5 tamin’i Senegal ary 4 sy 4 tamin’i Tanizanie, tao amin’ny vondrona “A”. Tsy tafakatra hiady ny manasa-dalana sa­tria tsy ampy hiadiana ny toerana faharoa tsara indrindra, ny isa azony. Hisolo tena an’i Afrika amin’ny “Mondial”, ha­tao any Philippines, ny 21 novambra ka hatramin’ny 7 desambra izao, i Tanzanie sy i Maroc.

Tompondaka

Catégories: National

Pages