Antenimierandoholona : Hojerena ny haha marin-toerana ireo ben’ny Tanàna

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:40

Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany.

Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny asany. Nanterin’ny filohan’ity Andrim­panjakana ity koa fa mahasoa ny vahoaka sy ny kaominina tantanina no tsinjovina sy imasoana.
Voaresaka koa ireo fiaraha-miasa sy tantsoroka ho fampandrosoana ny eny ifotony. Efa nisy rahateo ny ezaka natao ho fanomezana izany sy ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny asany. Anisan’iza­ny ny fampiofanana momba ny fitantanam-bola ifotony, ny tontolon’ny fitantanana kaominina, ny haitarika sy ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana. Nihaino ny taraina sy ny hetahetan’ireo ben’ny Ta­nàna ny eo anivon’ny Ante­nimierando­ho­lona taorian’izany, raha ny voa­lazan’Andriama­toa Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Loholon’i Madagasikara Lala­tiana Rakotondrazafy.
Etsy andaniny, nifanakalozana hevitra sy nifampizarana ny momba ny vaksinin’omby sy ny “Fiche individuelle de bovin – Fib”.
Nentanina, araka izany, ireo ben’ny Tanàna mba ha­nana fitokisana amin’ny Ante­nimierandoholona. Naneho fa­havononana hatrany ny hifanome tanana sy hiara-hiasa amin’izy ireo ny loholona tamin’izao fihaonana izao.

Synèse R.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:40

Nampakatra 12% ny taham-bola fototra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana 8,4% ny Banky foiben’i Madagasikara. Fepetra noraisiny noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny toekarena maneran-tany sy ny olana ara-barotra misy amin’izao fotoana. Mampirisika ny fanitsiana ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena. Lasa fitaovana fampiasa amin’ny politikam-bola ny taham-bola fototra.

Tsy hisy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025, araka ny tapaky ny governemanta nandritra ny filankevitry ny mi­nisitra, ny alarobia teo. Manara-maso ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana ny fiarahamonim-pirenena. Mbola banga 1 tapitrisa dolara ny filana voafaritra ary manantena fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny rehetra.

Nisitraka zana-trondro miisa 200 avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ireo mpi­ompy avy ao amin’ny kaominina Alakamisy Ambo­hi­maha. Mbola velona avokoa ny 80% amin’ireo trondro ary mitombo araka ny tokony ho izy ka hahafahana mivarotra hatrany amin’ny 40 kilao. Manomboka mahaliana ny maro ny sehatry ny jono noho izy ahitam-bokatra haingana sy mahomby.

Catégories: National

30 taona ny Paositra rapida: Hanome tolotra tsara kalitao nefa mora

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:39

Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana ha­metrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany mora indrindra», hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Paositra Ma­lagasy, Andrianasolo Rija, omaly, teny Ankorondrano. Notsindriany manokana fa hanampy amin’ny fanaraha-maso amin’ny fotoana rehetra ny entana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Anisan’ ireo fanamby apetraka ny fanitarana ny tambazotra sy handrakofana izany manerana ny Nosy. Ankoatra izay, laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fifandraisana amin’ireo mpiasa ho an’ ny tombontsoa ny rehetra.
Tsy hitsanga-menatra ma­noloana ireo mpifaninana aminy ny Paositra Rapida. Fila­matra apetraka ny fanomezana tolotra tsara kalitao amin’ny sarany mora indrindra. Mampiavaka ny Paositra Rapida ny fahatongavan’ny entana any amin’ireo faritra lavi-toerana noho ny fananany masoivoho 250 manerana ny Nosy. Azo antoka sy haingana ihany koa ny fandefasana en­tana, nohamafisina ihany koa ny fifandraisany amin’ny mpan­jifa. Marihina fa manampy ireo mpifindra monina amin’ny fitaterana entana izy ary koa mpamatsy fanafody an’ireo « Pharama-gros ».

Henintsoa

Catégories: National

Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:39

Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny fako mampidi-doza amin’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Satria, matetika tsy tsikaritra eo no ho eo izany na koa tsy misy fomba hamantarana azy avy hatrany. Hamafisina ny fanaraha-maso sy ny fanomezan-danja ny vahaolana azo antoka sady ifanarahan’ny rehetra, entina miady amin’ny fandotoana tsy hita maso nefa manimba ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Misolo tena an’i Madagasikara any an-toerana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd).
Nankatoavina ny taona 1989 ny Fifanarahana Bâle, mi­kendry ny hampihenana ny fivezivezen’ny fako mampidi-doza avy any amin’ny firenena mandroso mankany amin’ny tany andalam-pandrosoana. Vita sonia ny 1998 ny Fifana­rahana Rotterdam, mamaritra ny dingana arahina amin’ny varotra iraisam-pirenena ny akora sy fanafody simika mampidi-doza. Nankatoavina ny taona 2021 ny Fifanarahana Stockholm, mahakasika ny vokatra simika mandoto ny tontolo iainana sady misy poizina.

Njaka A.

Catégories: National

Fampandrosoana : Sarotra ny fitadiavana asa eto Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:39

Mananosarotra ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa ho an’ny Malagasy, tanora sy nahavita fianarana, noho ny tsy fahalalana izany. Vahaolana ny fandraharahana saingy mitaky finiavana manokana.

Sakana ho an’ny tanora ny tsy fananana traikefa sy ny tsy fahalalana ny tontolon’ny orinasa. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana » teny amin’ny Institut Confucius. Hetsika nokarakarain’ny Oni­versiten’Antananarivo, notohanan’ny Sampandraharahan’ ny Firenena mikambana mom­ba ny fampandrosoana (Pnud), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Novelabelarina sy niadian-kevitra, tamin’izany, ny fampananan’asa sy ny fandraharahana, niarahana ta­min’ireo tanora sy mpianatra, voakasiky ny lohahevitra. « 3% ny tanora no tafiditra eny amin’ny ambaratonga ambony. Mbola mananosarotra ihany koa ny fitadiavana fizaran’asa sy fahitana asa mifanandrify amin’ny fianarana no­ratovina », hoy ny filoha mpitantana ny Akata Goava­na, Ramiandrisoa Bodge. Manja­ka, hoy izy, ny kiantranoantrano, ny tsy fahalalan’ny mpianatra ny orinasa tokony handefasany fangatahan’ asa ary ireo dingana tokony hatao mi­aloha rehetra. Mitaky fanabeazana sy fanofanana tsara kalitao ny tanora hahafahana miatrika avy hatrany ny tontolon’ny asa. « Ampirisihina ny fanaovana fizaran’asa eny anivon’ireo orinasa madinika », hoy ny mpanara-maso ny asa, avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Rakotoarison José Alain. Efa misy, hoy izy, ny politikam-pirenena momba ny fampananan’asa ary anatin’ny fa­natsarana izany ny fitondram-panjakana.

Asa tena

Vahaolana ho an’ny fampandrosoana ny fidirana amin’ ny sehatry ny fandraharahana. Mitaky finiavana sy toe-tsaina matanjaka ary sahy miatrika fanamby maro izany. « Mila resy lahatra amin’ny tenanao ianao vao afaka mandraharaha », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Takina ny fahaiza-miara-miaina sy mi­asa amin’ny ekipa hampandrosoana ny orinasa.

Henintsoa

Catégories: National

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy fito naiditra am-ponja

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:14

Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afako­maly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny po­li­sim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naha­ray fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika manokana hamongorana ireo jiolahy ny ekipan’ny polisy. Naharitra efatr’andro nisesy izany. Vokany, tra-tehaka ny fikambanan-jiolahy roa samy hafa. Natao fanadihadiana lalina, niaiky heloka ho samy nanao fanafihana sy fanendahana avokoa izy ireo. Ankoatra ireo voasambotra, karohina ny mpiara-mi­asa amin’izy fito lahy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary niafara amin’izao fihazonana am-ponja vonjimaika izao.

Tsiferana R.

Catégories: National

Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana

Les Nouvelles - sam, 05/10/2025 - 08:14

Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva.

Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antanana­rivo hihazo an’i Toa­masina izy tamin’io.
“Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i Sajo, anisan’ireo mpandeha tao anaty ny fiara. Nosorana sy nafanaina tamin’ny baume mafana ny ratsam-batan’ilay mpamily. Nasaina nentin’ny mpandeha iray ny fiara avy eo mba hitadiavana mpitsabo. Fiakaran’ny tosidra ny antony nahatonga ny aretiny, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy mbola naka aina mihitsy ity mpamily ity, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana fa tsy maintsy mandeha manenjika asa ary tsy maintsy manao dona miverina.

Mpamily hafa maty tampoka

Tsiahivina fa ny talata 6 avrily lasa teo, mpamily iray no maty tampoka tao alohan’ny fiara nentiny tany Ampa­simazava Toamasina. Naka rivotra sy nanararaotra natory ity farany, tamin’ny fotoana nampidirana entana tao anatin’io kamiao io. Rehefa vita ny fampidirana entana, nofohazina ilay mpamily, nefa efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita. Naharitra adiny roa ora sy sasany ny fampidirana ireo entana ary heverina efa maty efa ora maro ity farany. Raha ny fantatra, saika hanao dona miverina hiakatra aty Antananarivo ity fiarabe mpitatitra io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Efa nampiakarina aty Antaninarivo ny razana taorian’ny fikarakarana rehetra. Maty vokatry ny fiakaran’ny tosidra tampoka, noho ny harerahana diso tafahoatra, ity mpamily ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Mirongatra ny fiakaran’ny tosidra noho ny harerahana loatra. Tsy misy fotoana hakana aina ny ankamaroan’ny mpamily. Antony mampiakatra ny tosidra ny tsy fahampian’ny torimaso nefa tia misotro kafe na mitsako Cola be loatra.

Mino/Sajo

Catégories: National

Andrianiaina Miranto: Faniriany efa hatry ny fony kely ilay hilalao sarimihetsika

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:55

Vehivavy tanora fantatry ny maro amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy Andria­niaina Miranto. Na­naovana fanadihadiana manokana ny tenany.

Gazety Taratra (*): Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimehitsika voalohany?

Miranto (-): Andrianiaina Miranto ny anarako, 22 taona aho amin’izao fotoana izao. Ny taona 2021 aho no nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika, ary tamin’izany aho no feno 18 taona katroka sy afaka fanadinanana Bacc.

* Efa faniriana hatramin’ ny ela ve ilay hoe ho lasa mpilalao sarimihetsika?
Nanao ahoana ny niandohanao?

– Efa hatry ny mbola kely aho no naniry ny hilalao sarimihetsika. Tadidiko izaho, fahiny, tany am-pianarana rehefa mameno ny taratasy momba ahy, nataoko hoe: ho lasa mpilalao sarimihetsika matihanina ny asako any aoriana any. Fehiny, tena tiako ny manao horonantsarimihetsika.
Namako akaiky no nahatonga ahy ho lasa mpilalao sarimihetsika. Tamin’io andro io, tsaroako tsara io fotoana io, hitan-dry zareo fa nety ny zavatra nataoko, ary taorian’izay, noraisin-dry zareo aho ary nisy ny fiofanana izay nataoko ka izao efa lasa milalao sy miezaka manome ny tsara hatrany izao.

* Afaka mitanisa ve ianao ny zavatra mbola tena tsy ampy hitanao raha ny re­saka sarimihetsika no resahina eto Madagasikara?

– Ny zavatra hitako tsy ampy amin’ny sarimihetsika malagasy dia ny resaka fitaovana. Maro ihany koa ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny feo. Mbola verezin’ny any ivelany ity lafin-javatra iray ity, saingy itako fa efa miezaka ihany ireo tranom-pamokatra horonantsary eto amintsika.

* Manao ahoana ny fahitanao ny tenanao amin’izao fotoana izao, raha oharina tamin’ilay fiainanan’olon-tsotra teo aloha?

– Misy fahasamihafana be ilay izy, satria, lasa marobe ireo olona mijery sy mandinika ahy ary itako miresadresaka ny momba ahy, tonga dia hita amin’ny fihetsika izy ireo moa izany. Lasa be mpahafantatra ianao, mahafaly ahy moa izany rehetra izany. Lasa hiainako ny fiainan’ireo olo-mala­zan’ny sarimihetsika malagasy zoky teo aloha, sy fantatro laza tamin’izany fotoana izany.

Na izany aza, tohizako hatrany ny fiainana amin’ny maha olon-tsotra ahy. Misy fotoana ireo olona gaga amin’ ny toetrako hoe sariaka sy miresaka tsara aho, fa tsy mitovy amin’ilay toetrako anaty sarimihetsika ny zavatra hataoko amin’ny andavanandro.
Marihiko fa ankoatra ny fanaovako sarimihetsika, ma­nana ny asako ihany koa aho, ary hataoko fangalana traikefa hoentiko miatrika ny fiainako aoriana izany.

* Inona avy ireo fialamboly tena tianao?

-: Ny fialamboly tena tiako, maro ihany. Anisan’izany ny milomano, ny mandehandeha miaraka amin’ny namana, miara-misakafo, mba manala azy hoy ny fitenenana. Tiako ihany koa ny maka sary. Ankoatra io, tiako ny mandeha amin’ny kodiaran-droa “Moto”, ny indrokely nefa, tsy mahay mitondra izany aho. Raha hatao bango tokana, mitovy amin’ny fialambolin’ireo tanora maro ihany ny zavatra tiako.

* Maro ireo tanora tahaka anao, inona no hafatra azo ampitanao ho azy ireo?

– Betsaka mihitsy ireo tanora mitovy amiko, manana nofinofy sy faniriana. Ny hafatra ampitako azy ireny, dia hoe: manana fahatokisana amin’ny tenanao ary minoa hatrany fa tanteraka iny nofinofinao iny. Tsy ilaina ny tahotra ary mahaiza matoky an’ Andriamanitra amin’ny za­vatra rehetra hatao. Manana ihany koa hambo, ary lazao ny tenanao hoe: tsy maintsy vitako ity zavatra ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

Tsara ny mampahafantatra fa Andrianiaina Miranto, efa nilalao tamin’ ny horonantsary maro. Anisan’izany, ny “Iloaina”, ny “Sipa”, ny “Tafita”, ny “Miral”. Ny tena hahafan­taran’ny besinimaro azy moa ny ao amin’ny “Nove­gasy”. Antenaina fa nahazoan’ireo tanora malagasy maro lesona ny hafatr’i Miranto, izay nampitany nandritra ity fanadihadiana ity.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:53

Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Mada­gasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena malagasy.

Hisitraka fandaharanasa ara-tsosialy ireo vondrom-bahoaka ifotony voakasiky ny tetikasa Base Toliara. Mitentina 4 tapitrisa dolara ary hitombo 2% isan-taona ny famatsiam-bola hanatanterahana ny tamberin’andraikitra (RSE) ny tetikasa. Misy ihany koa ny famatsiam-bola 1 tapitrisa dolara hamatsiana ireo tombontsoan’ny mponina mialoha ny hanombohana ny asa atao.

Mandray anjara amin’ny petrabolan’ny orinasa Neho ny Fonds souverain malagasy (FSM). Mikasa ny hanjifa ny 49% ny petra-bolan’ny orinasa izy ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika. Marihina fa vinan’ny fitondram-panjakana ny hanafainganana ny fisitrahan’ny Malagasy angovo madio sy maharitra. Hampakarina ho 80% ihany koa ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030.

Catégories: National

Toekarena: 8,4% ny vidim-piainana eto Madagasikara

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:53

Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana mar­sa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. Tsinjony sady nohamafisiny tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena nataony fa hihalafo ny vidim-piainana eto amintsika mandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Vokany, mitotongana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano. Mitotongana ihany koa ny vola malagasy sy ny dolara. Nanomboka ny volana avrily, nanomboka nanafosafo ny 5 000Ar ny sandan’ny euro teo amin’ny tsena fifanakalozam-bola (Marché interbancaire de devise). Omaly, ni­sanda 5 021,37Ar ny euro iray
Tsy nitsaha-nidina kosa ny dolara nanomboka ny volana febroary 2025. Tamin’io vanim-potoana io, manodidina ny 4 701,81Ar ny dolara ary tafidina hatramin’ny 4 443,27Ar izany, omaly, ara­ka ny tarehimarika navoakan’ny BFM. Miadana ny fihodin’ny toekarena eto Madaga­sikara, antony mahatonga ny ankamaroan’ny Malagasy miai­na anaty fahantrana. Manampy trotraka ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny haratsian-dalana eto amintsika izay mampiahiahy sahady ireo mpitatitra sy mpandraharaha. Marihina fa mandray anjara amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto amintsika ny sandan’ny dolara. Ny volana marsa teo, vanim-potoana nanafarantsika ny solika am­piasaina ho an’ny volana mey, nidangana ny dolara ka nahatonga ny fiakaran’ny solika mandritra ity volana ity.

Henintsoa

Catégories: National

Tondrozotra Task Force Riz : Napetraka ireo paikady

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:53

Nozaraina andraikitra mazava ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Task Force Riz. Hifandray bebe kokoa amin’ny rehetra ny avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay mpikambana. Nisongadina ireo nandritra ny fivorian’ireo ankolafy samihafa voakasiky ny raharaham-bary, teny Anosy, omaly. « Fanamby ny handrindrana sy hifehezana ny sehatry ny vary, hitondrana vahaolana maharitra tsy hiverenan’ny fahasahiranana toy ny teo aloha intsony », hoy ny tale jeneralin’ny varotra eo anivon’ny minisitera, Razanakoto Isidore. Politikam-panjakana momba ny vary ny fandrafetana ny tondrozotra enti-manatanteraka ny asa atao rehetra. Voaresaka tao anatin’izany ny didim-panjakana iraisan’ny minisitera sy ireo mpisehatra samihafa mahakasika ny fandaminana ankapobeny ny fanangonana sy fivarotana ny vary akotry vokatra eto an-toerana Natao ireo manoloana ny olana sedraintsika isan-taona mahakasika ny vary.

Henintsoa

Catégories: National

Fambolena sy fiompiana : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:53

Anisan’ireo sehatra miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana sy ny fambolena. Iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy manampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ireo seha-pihariana ireo.

Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, eto Madagasikara. Soa fanararaotra ny fananantsika malagasy 80% misehatra amin’ireo rafi-pihariana ireo hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manampy tosika sy manohana ireo tantsaha ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy « Foire de l’élevage et des produits agricole » (FEPA) andiany faha-17 atao eny amin’ny Malagasy Profes­sionnels de l’Elevage (MPE) Nanisana hatramin’ny alahady. « Ilaina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny famokarana. Laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin’izy ireo ho an’ny rafi-panovana ny famokarana », hoy ny sekereteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Ho tratra, hoy izy, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo rehefa miara-mientana ny rehetra. Manana ny politikam-pampandrosoana hanatanterahana ireo vinanasa samihafa ihany koa ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny fanazavany.

Tosika

Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra manerana ny Nosy ny Fepa, manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany izy ary manamafy ny endri-piaraha-miasa samihafa. Ma­nohana tanteraka ny hetsika toy izao ny fitondram-panjakana noho izy mifandraika amin’ny vinam-pirenena. Mbola malalaka ny tsena ho an’ny seha-pamokarana ka tanjona ny hampiroborobo izany eto an-toerana sy hanondranantsika vokatra any ivelany. Ma­nana otrikarena sy akora fototra azo trandrahina tsara i Madagasikara enti-mampiroboro ny toekarena amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana.
Marihina fa lohahevitry ny andiany amin’ity taona ity ny hoe « fiompiana fanoitra amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy fampandrosoana ma­ha­ritra ho an’i Mada­gasi­kara ».

Henintsoa

Catégories: National

Fanohanana ny fanabeazana : Hisitraka fitaovana i Vakinankaratra

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:26

Anisan’ny nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny efa nanomezana fitaovana ireo sekoly eo anivon’ny Dren Vakinankaratra sy ny hanohizana izany hatrany. Notateriny koa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana, ny fandoavana ny “Subvention” sy ny kamaran’ireo mpitsara amin’ny fotoan’ny fanadinana ny “Vacation” ary ny fanatanterahana ny politikan’ny fanabeazana.
Anjaran’ny talem-paritry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro kosa avy eo ny nitatitra ny tsy fanarahan-dalàna hita matetika amin’ny fiara fitateram-bahoaka na fiara tsotra. Eo koa ny faharatsian’ny fiara, ny olana ara-taratasy, ny fampiasana solika “Pétrole” amin’ny fiara. Nampahafantarina tamin’izany koa fa efa am-perinasa ny foibe mikarakara ny “Permis”, ao amin’ny CIM Antsirabe. Natsidiny koa fa hanatsarana ny toby fiantsonana Vatofotsy.
Nohazavaina tamin’izany koa ny momba ny fisitrahana tany ”titre vert” andiany voalohany.

Synèse R.

Catégories: National

Fiangonana Katolika: Léon XIV no Papa Ray Masina vaovao

Les Nouvelles - ven, 05/09/2025 - 07:25

Nisafidy ny anarana Léon XIV i Robert Francis Prevost, Ray Masina voafidy omaly, handimby ny papa François. 69 taona izy, teratany amerikanina voalohany hitantanana ny fiangonana katolika maneran-tany.

«Habemus Papam». Tsy niandry ela fa omaly tamin’ny 6 ora hariva, tany Vatican Ro­me, nivoaka ny setroka fotsy tao amin’ny Chapelle Sixtine. Manambara fa tapitra ny fihibohan’ireo kardinaly 133 maneran-tany. Voafidy ny Papa Ray Masina vaovao: Robert Francis Prevost, kardinaly amerikanina. Mitondra ny anarana Léon XIV ny papa faha-267 . Vaovao lehibe ho an’ny Eglizy Katolika Roma­nina sy izao tontolo ny nahatafapetraka azy 24 ora taorian’ny fihibohana. Mamaritra ny lamina ara-piarahamonina sy ara-politika manerana izao tontolo izao izany.

Taorian’ny fanambarana ofisialy, niseho vahoaka voalohany teo amin’ny lavaran­gan’ny Bazilikan’i Masindahy Piera ao Vatican izy. Nanao ny kabariny voalohany. ”Ho ao aminareo anie ny Fiadanana”, hoy izy nitsodrano voalohany ny mpino rehetra, vantany vao nandray fitenenana. ”Samy mpianatr’i Kristy isika. Mila ny fahazavana izao tontolo izao. Mila azy isika hampifandray amin’Andriamanitra sy ny fitiavany. Andao hifanampy ha­namboatra izay tetezana izay”, hoy ny hafatra voalohany nomen’ny Papa vaovao.

Endriky ny fisokafana

”Endriky ny fisokafan’ny fiangonana ny fananana ny Papa Léon XIV. Niala tamin’ ilay hoe eoropeanina hatrany ny Ray Masina, na dia hoe eo aza ny fihaviana, misy koa ny fihitaran’ny Fiangonana ma­neran-tany”, hoy ny hevitry ny mpamakafaka ny tantaran’ny fiangonana Katolika iray.
Manan-danja eo amin’ny fifandanjan’ny hery politika mandrafitra ny fiainan’izao tontolo izao ny filohan’ny fiangonana Katolika. Sady evekan’i Rôma, izy no mpitarika ny fiangonana maneran-tany. Tsy vitan’izay, filoham-panjakana koa ny Papa Ray Masina. Mizaka ny sata maha firenena mahaleo tena azy i Vatican, na ao Italie aza.

Nangonin’i Zo ny Aina

Catégories: National

«Ligue des champions d’Europe»: Nosakanan’ny Inter de Milan ny lalan’ny FC Barcelone

Les Nouvelles - jeu, 05/08/2025 - 07:52

Lavo ny FC Barcelone, andrarezina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa (Ligue des champions), taranja baolina kitra. Nosakanan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny lalan-dry zalahy. Resin’ny Italianina, ta­min’ny isa 4 no ho 3, nandritra ny lalao miverina notanterahina tao San Siro Milan, ny talata lasa teo.
Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta ary efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Italianina. Ni­ta­rika tamin’ny isa 2 no ho 0 rahateo izy ireo. Baolina nampidirin’i Martinez (21 mn), sy ny “penalty” matin’i Hakan Calhanoglu, tao anatin’ny fa­nampim-potoana 45 + 1 mn. Nihevitra ny rehetra teo fa efa mazava ny lalan’ny Milanais. Fizaram-potoana faharoa, na­nindry ny Espaniola, ka nampihena ny isa ho 2 no ho 1 i Garcia (54 mn). Avy eo nosahalain’i Olmo (60 mn). Mbola nampian’i Raphinha, tany amin’ny 3 mn tsy hiravana ka nitarika tamin’ny isa 3 no ho 2. Tsy ela ny valin-kafatry ny Mi­la­nais. Nosahalain’i Acerbi, 3 no ho 3 (90 + 3 mn). 3 sy 3 toy ny tamin’ny lalao mandroso ny isa ka niditra tamin’ny fanalavam-potoana. Teo no nisongadina ny Ita­liani­na, rehefa na­hafaty ny baolina fahefatra i Frattesi (99 mn). Anisan’ny nanavotra an’i Milan, i Som­mer mpiandry tsatoby. Roa taona aty aoriana, hiatrika famaranana indray ny Inter de Milan.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 05/08/2025 - 07:51

Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba.

Notanterahina omaly, teny amin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tetsy Iso­raka, ny fiofanana mahakasika ny « Licence des Clubs ». Tsia­hivina fa ilaina amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana « inter­Clubs Caf 2025-2026 », ny hetsika toy izao. Ireo mpiantsehatra amin’ny “World Cola PFL” moa no nisitraka izany.

Hanomboka ny tapak’ity volana mey ity ny fampivondronana ny mpilalaon’ny Ankoay hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket 2025” hatao any Angola, ny 12 hatramin’ny 24 mey izao. Tsiahivina fa miray vondrona amin’i Ou­gan­da, Rwanda ary i Lybie, i Madagasikara.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny an­diany fahatelo amin’ny fifaninanana “Grand prix”, taranja Echecs, nokarakarain’ny CGM. Nahatratra 170 teo
ny mpandray anjara ary nomena vahana kokoa ny
sokajy vehivavy, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Niakatra ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity andiany fahatelo ity.

Catégories: National

Basikety N1A-Vondrona A : Ekipa 6 lahy sy 6 vavy hifaninana

Les Nouvelles - jeu, 05/08/2025 - 07:51

Anjaran’ny vondrona A indray izao no hifaninana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, taorian’ny vondrona B tany Antsi­rabe. Ekipa 6 lahy sy 6 vavy no ao anatin’ity vondrona A ity, ka ao amin’ny Complexe sportif ao Mahajanga no hanatanterahina izany, ny 10 hatramin’ny 18 mey izao. Ho an’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny GNBC Analamanga, MB2ALL Ana­lamanga, Fandrefiala Analamanga, Dunamis Analaman­ga, ASSM Analamanga ary ny Cosca Amoron’i Mania no hifaninana. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hifandona amin’izany ny ekipan’ny GNBC Analamanga, BCB Boeny, MBC Atsinanana, RBC Boeny, BC Somava Sava ary ny NGB Itasy. Tsiahivina fa tsy misy mihintsana ireto ekipa 6 isan-tsokajy ireto fa hiatrika ny dingana faharoa daholo. Izay 4 voalohany kosa no hiatrika ny lalao manasa-dalana amin’ity dingana voalohany ity ary izay 2 voalohany no hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny.
Raha hiverenana ny fifaninanana natao tany Antsirabe, ho an’ny vondrona B, nandrombaka ny amboaran’ny ligin’i Va­kinankaratra, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra teo amin’ny vehivavy ary ny COSPN kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy.

Mi.Raz

Catégories: National

Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda

Les Nouvelles - jeu, 05/08/2025 - 07:51

Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby.

Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, “Africa Women’s Cup”. Firenena vaovao nandimby ny toeran’i Ca­meroun, i Ouganda, ary ity iza­ny no mpifanandrina vaovao hifampitana amin’ny Makis Ladies. Ankoatra azy io, hifanandrina amin’izy ireo ihany koa i Kenya sy i Afrika Atsimo.
Nilaza ny tale teknika na­sionalin’ny Malagasy Rugby, Andrianorosoa Antsoniandro, omaly, fa efa telo herinandro teo izay ny vehivavy mpilalao malagasy no niomana tamin’ity fifaninanana ity. Nohama­fisiny ihany koa fa natao hiadiana ny laharana fotsiny ihany ity fifanintsanana ity fa tsy misy ny ady tapakila amin’ ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena WXV.

Eny ambony kianja

Naneho ny heviny ihany koa ity teknisianina ity amin’ireto ekipa ogandey ireto.
“Maro ny milaza fa mafy i Ouganda, ary efa betsaka ireo nolazaina fa mafy eo anatrehantsika saingy rehefa mandeha ny lalao, hita fa azontsika hatao ihany ny mandresy azy ireo. Tranga efa hita ma­tetika izany. Tsy voarefy ny fa­haizan’izy ireo, fa ny lalao eny ambony kianja ihany no hitsarana azy”, hoy ity teknisianina anivon’ny Federa­sionina ity.
Ankoatra izay, vehivavy 52 no nantsoin’ny Coach Ralay, hiatrika ny fifantenana voalohany hahafahana mamaritra ireo mpilalao handrafitra ny Makis Ladies amin’ity taona ity.
Tsiahivina fa nahazo ny laharana faharoa ny vehivavy Makis, tamin’ny taon-dasa, ary azo antenaina fa hiezaka mafy izy ireo ny hanao fanamby mba handresy an’i Afrika Atsimo.

Fitia Randria

Catégories: National

CenHoSoa – HIS Foundation: Maimaimpoana ny fandidiana ireo ankizy manana fahasembanana

Les Nouvelles - jeu, 05/08/2025 - 07:50

Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa.

Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fa­ha­sembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy fahasembanana amin’ny tongotra sy tanana na misy takaitra noho ny fahamaizana. Miara-miasa akaiky ireo mpandidy avy amin’ity fikambanana ity sy ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Mia­ramila (CenHo­Soa), tarihin’ny lehiben’ny sampana misahana ny fandidiana momba ny molotra, ny Kly Ramangason Jacques Adrien. Marihina fa miditra amin’ny andiany faha-11 ataon’ny fikambanana izay miara-miasa amin’ny hopitaly ny fanatanterahana izao iraka izao, raha ny fanazavana voaray. Ankizy miisa fito no efa niatrika fandidiana hatramin’ny fotoana nisokafan’izany omaly. An­koatra ny fandraisan’ireo sinoa anjara amin’ny alalan’ireo mpandidy, misy koa ny fitaovana natolotry ny fikambanana kristianina misy azy ireo, mba hoentina manatanteraka izao iraka atao eto Mada­gasikara izao. Mijery akaiky ny fizotran’ ny fandidiana ny tale teknika eo anivon’ny hopitaly, ny mpitsabo Jly Randriantsara Iharijaoni­aina Joe, amin’ny fahalavorarian’izao iraka izao. Nohama­fisin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny hopitaly ity fa tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny toromarika avy amin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, amin’ny fanarahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana mi­om­pana amin’ny maha olona izao hetsika izao.

Jean Claude

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE – Mercredi 7 Mai 2025

Les Nouvelles - mer, 05/07/2025 - 07:54

Catégories: National

Pages