S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 58 min

Fampandrosoana : Hamafisina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina

sam, 03/15/2025 - 09:06

Voaresaka nandritra ny fikaonandohan’ ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Mila hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.

Vaindohan-draharaha ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatry tsy miankina. Ni­fanakalo hevitra momba ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny roa tonta tetsy amin’ny Carlton, ny alatsinainy teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-mi­asa sy hampiroborobo ny fampiasam-bola eto Mada­ga­sikara. Voaresaka nandritra ny fivoriana natao fa dingana lehibe hampiroboroboana ny fandraharahana sy hanatsara ny tontolon’ny asa eto Mada­gasikara ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, izay fototry ny fandrosoana.
Ankoatra izay, nisy ny famakafakana ny tatitry ny asa tamin’ny taon-dasa, ny tombana sy ny vina ho amin’ny hoavy. Nifanakalo hevitra ma­ha­kasika ireo laharam-pahamehana ho an’ny taona ho avy ny mpandray anjara samihafa. Nofintinin’ireo komity ihany koa ireo tondro ara-toekarena sy ara-pandraharahana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Mifampiankina
Mbola ny 36% ny mponina no misitraka ny herinaratra eto Madagasikara. Ambany io taha io raha oharina amin’ireo firenena aty atsimon’i Sahara izay manodidina ny 48,4%, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. 14% ny mponina no mampiasa ny angovo madio ho an’ny fandrahoan-tsakafo. Miankindoha amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra kosa ny Malagasy an-tapitrisa maro. Tanjona ny hampakarana hatrany amin’ny 80% ny tahan’ny fisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny « mix énergétique »ny 85%. Tombanana hatrany amin’ny 7 miliara Ar ny fanatanterahana ny tetikasa. Angatahana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina enti-manatanteraka ny vina indrindra amin’ny famatsiam-bola 60% na ny 4,5 miliara dolara ny tetikasa, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Fiarovana ny tontolo iainana : Hamboly hazo ny fikambanana Manda

sam, 03/15/2025 - 09:05

Hotanterahany ny sabotsy izao, eny amin’ny renivohitry ny distrika, ao Andramasina, ny fambolen-kazo iarahana amin’ny fikambanan’ny Mpianatra andrin’ny distrikan’ Andramasina (Manda). Nambaran’ny filoha mpitarika, Ranarizafinjato Hilaire, fa hanasana ireo raiamandreny sy mpitantana amin’ireo kaominina miisa 14 eo anivon’ny distrika izao hetsika izao. Hitohy amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao izany ary koa korana samihafa. Efa fanaon’ny Manda isan-taona ny fambolen-kazo tahaka izao ka nanentanan’izy ireo ny rehetra ho tonga maro.
Tsiahivina fa nijoro ny taona 2010 ny fikambanana. “Natao hampiray ireo mpianatra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana”, hoy ihany izy. Manampy izany ny hitondrana ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny tanindrazana amin’ny maha tanora tomponandraikitra ny tsirairay avy.

Synèse R.

Catégories: National

NAMONO ZANAKA : Vehivavy niharan’ny fitsaram-bahoaka

sam, 03/15/2025 - 08:38

Zazavavy 6 taona maty novoin-dreniny tao Ambalasoa, fokontany Antanety, kaominina Antsirabe, afakomaly hariva. Manan-janaka roa io ramatoa io. 6 taona ilay zokiny raha toa ka vao 5 volana ny zandriny. Efa nodimandry ny vadiny ka mitaiza irery ireo zanany ireo io renim-pianakaviana io. “Vao dimy volana an-kibo ilay zaza no namoy ny ainy ilay rangahy”, araka ny fanazavana voarain’ny polisy misahana ny famotorana. Nentin’ilay ramatoa niala teo amin’ny tanànany ireo zaza roa ireo, ny alakamisy 13 marsa teo. Niverina nody izy, no ho ny hariva ny andro. Nahatsikaritra anefa ireo mpiray monina taminy fa tsy nentin’ilay ramatoa niverina ilay zazavavy 6 taona. Nampanontany tena ireto farany rahateo ny fihetsik’ilay renim-pianakaviana. Hitan’ny fokonolona faty tany anatin’ny lakandrano tsy lavitry ny fokontany misy azy ireo ilay zazavavy. Nakarin’ny tsara sitrapo an-tanety ity farany. Nandainga ary voalaza fa namorona tantara nandreseny lahatra ireo manodidina fa tsy namono io zanany io ilay ramatoa. Tezitra noho ny fihetsiny ny fokonolona ka saika hampihatra fitsaram-bahoaka. Voasoroky ny mpitandro filaminana izany. Nosamborina ary notanana atao famotorana ny renin’io zaza namoy ny ainy io.

Tsiferana R.

Catégories: National

Mandrimena : Trano misy rihana roa may nodoran’ny mpangalatra

sam, 03/15/2025 - 08:38

May kilan’ny afo tanteraka ny trano misy rihana roa tetsy Mandrimena Iavoloha, omaly tamin’ny 11 ora tolakandro. Jiolahy nanafika no tompon’antoka

Voalazan’ny tompon-tra­no fa nisy olona tsy fantatra niditra sy nanapitsoka ny varavarana iray tao an-trano talohan’ny nirehetan’ny afo. Nambaran’izy ireo fa mpangalatra io lehilahy io, noho ny fihetsiny hafahafa izay tsikaritry ny mponina teny amin’ny manodidina. May kila tao anaty trano avokoa ny entana rehetra, tao amin’ny efitra rehetra amin’ny rihana voalohany sy faharoa. Anisan’ izany ny vola mitentina 20 tapitrisa Ariary, solosaina roa, fanamafisam-peo miisa enina miampy ireo fanaka maro tao an-trano. Niainga tao amin’ny efitrano fatoriana ny afo, ary niampita tamin’ny efitra hafa taorian’izay.

Mpanampy an-trano irery no tao an-trano

Ny mpanampy an-trano irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Efa niomana hivoaka hanatitra sakafon’ny mpianatra izy io no naheno fipoahana. Efa nisy olona nanaraka avy eo alohany tamin’ny fotoana nivoahany ny trano. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin’io fa nampandrenesina tamin’ny finday. Niezaka namono ny afo tamin’ny rano izy ireo, mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Tsikaritra tamin’izany ny fisian’ny vola miparitaka teo an-davarangana. Izany zava-misy izany no nilazan’izy ireo fa mpangalatra niditra tao an-trano no nandoro ny trano. Efa misy ny olona ahiahin’ny tompon-trano ho nangalatra sy nanao izao fandoroana ny tranon’izy ireo izao. Efa tonga teny an-toerana namono sy namehy ny afo ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina taorian’ny nahandrenesany ny antso. Naharitra adiny roa teo ny fahafehezana ny afo. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy namoy ny ainy vokatr’izao voina izao.

Mino

Catégories: National

D’un fait à l’autre

sam, 03/15/2025 - 08:36

Les éléments du CSP7 ont démantelé, avant-hier à Ambohimanarina, une bande de trafiquants de drogue, à l’issue de la filature d’un présumé dealer depuis le marché d’Antohoma­dinika. Ils ont pris cinq hommes en flagrant délit de préparation et vente de drogue durant leur intervention. Les suspects font actuellement l’objet d’une enquête au CSP7 67 Ha, avant leur défèrement au parquet.
Les éléments du commissariat de police d’Imerintsiatosika ont arrêté pour vol de porc et transport illégal de viande volée, un habitant d’Ambohi­mandry, mercredi dans la soirée, au niveau d’un barrage routier à Antso­rokahitra Imerintsiatosika. Attirés par le comportement suspect de deux hommes, les policiers ont procédé à la fouille de leurs affaires, mais l’un du duo a immédiatement pris la fuite. L’autre capturé sur place, a avoué avoir volé la bête à Ampangabe Imerintsiatosika.
Les hommes du poste de police avancé d’Andohan’Ilakaka ont mis hors d’état de nuire, un présumé chef de gang auteur de la série d’attaques à main armée de ces derniers temps à Andohan’ Ilakaka. Forts de renseignements émanant d’une personne de bonne volonté, les policiers ont débarqué au repère de la bande, mardi. Cependant, le chef du gang a voulu opposer une résistance et utiliser son arme à feu contre les forces de l’ordre, les obligeant de lui tirer dessus.

Catégories: National

Andoharanofotsy: une maison à étage dévorée par les flammes

sam, 03/15/2025 - 08:36

Une maison à étages sise à Mandrimena Andoharanofotsy était en proie aux flammes, hier peu avant midi. Quatre chambres se trouvant au premier et deuxième étages du bâtiment ont été dévorées par les flammes. Tous les biens immobiliers se trouvant à l’intérieur, tels que des ordinateurs, des baffles et amplis, divers meubles, mais aussi un coffre-fort contenant des centaines de millions d’ariary, ont été réduits en cendre.
Selon des témoignages, une forte explosion a été entendue précédant l’embrasement dans la maison. Les voisins se sont par la suite précipités pour lutter contre le feu qui se répandait assez vite. Les soldats du feu arrivés peu de temps après, se sont démenés pour maîtriser la situation, et sont parvenus à éteindre définitivement les flammes au bout de deux heures.
Selon le propriétaire de la maison, il s’agirait d’un incendie criminel. En effet, la porte en métal de la maison a été forcée. La femme de ménage, seule sur place au moment des événements, elle aussi, avait aperçu le profil de quelqu’un au moment où elle a pris la fuite en constatant l’embrasement. En outre, les voisins ont avancé avoir aperçu un in­connu s’enfuir à toute vitesse des lieux après l’explosion.

ATs.

Catégories: National

Une vindicte populaire évitée de justesse: elle avoue le meurtre de sa fille aînée

sam, 03/15/2025 - 08:35

Suspectée d’avoir tué sa propre fille âgée de 6 ans, une veuve s’est attirée les foudres du fokonolona d’Ambalasoa Antanety à Antsirabe I, avant-hier soir. La foule, insatisfaite des réponses données par la concernée, a failli la lyncher sans l’intervention rapide des éléments du commissariat de Sécurité publique (CSP1) Ambohimena et de l’Unité d’intervention rapide (UIR). Elle a reconnu le meurtre durant son interrogatoire à la police.
La femme a quitté sa maison sise à Amba­lasoa Antanety, avant-hier matin avec son bébé âgé de 5 mois et sa fille aînée pour y revenir avec seulement son nouveau-né. Le voisinage n’a rien soupçonné sur le coup, vu qu’elle aurait probablement laissé sa fillette chez quelqu’un.
Cependant dans la soirée, des habitants d’un fokontany limitrophe ont retrouvé le corps sans vie de l’enfant dans un cours d’eau. Ayant immédiatement reconnu l’identité de la victime, ils l’ont emmenée au domicile de l’habitante d’Ambalasoa. Cette dernière a fondu en larmes en voyant le cadavre de sa fille.
Et lorsque les personnes présentes lui ont demandé ce qui s’est passé, la femme a changé constamment de réponses, laissant planer le doute sur son implication dans la mort de l’enfant. La foule a alors commencé à s’attrouper et a réclamé la tête de la suspecte, avant-hier vers 19h. Mais prise de compassion, une personne de bonne volonté a avisé la police.

Dépression et cherté de la vie
Les éléments du CSP1 Ambohimena et de l’UIR sont alors venus convaincre la foule de laisser l’affaire entre leurs mains. Ils ont par la suite conduit la suspecte à la direction régionale de Sécurité publique Vakinankaratra où la police des mœurs et de protection des mineurs a mené l’enquête. Il est alors ressorti de l’interrogatoire que l’époux de la femme est mort quand elle était enceinte de 5 mois de son dernier-né. Elle a reconnu avoir poussé sa fille aînée dans le cours d’eau et l’y avoir laissé se noyer, sans donner plus d’explications.
En tout cas, cet acte ressemble à celui perpétré par une habitante d’Antanetibe Ampanga­be, de la Commune rurale d’Imerintsiatosika, le 30 octobre 2024. La trentenaire, veuve et mère de sept enfants, a enterré vivante sa benjamine qui venait de naître. Le nourrisson a survécu et sa mère a été capturée par la gendarmerie. Durant l’interrogatoire, elle a expliqué son geste par la dépression et la cherté de la vie.

LR

Catégories: National

“Volana Ramadany”: Fotoana natokana hanampiana ny hafa sy hifadian-kanina

ven, 03/14/2025 - 09:23

Ao anatin’ny volan’ny Ramadany tanteraka ny mpino silamo amin’ izao fotoana izao. Manan-danja lehibe amin’izy ireo io fo­toana io satria ahafahana mifehy ny va­tana sy hanomezana lanja bebe kokoa ny ara-panahy. Man­dritra izany, maro ny mpino silamo no manao hetsika fa­nampiana ho an’ny mpiara-belona aminy.

Indray mandeha isan-taona ny fanaovana ny ramadany, atao mandritra ny iray vo­lana. Maharitra eo amin’ny 29 na 30 andro eo ny faharetany. Tsy azo tapahina fa raha sana­tria tapaka dia soloina amin’ny fotoana hafa. “Man­didy ny mpino silamo hanao ramadan ny boky masina Korany Coran. Tsy maintsy ataon’ny mpino silamo tsirairay avy izany, raha tsy misy ny sampona tsy ahafahan’ireo mpifehy iray manao izany”, hoy ny filohan’ny Fikam­banan’ny silamo malagasy (FSM), Abousoary Saïd Arsène. Mahazo alalana tsy manao izany kosa ireo olona sendra tsy fahasalamana na manao “voyage”. Ankoatra izay, fo­toana hitsinjovan’izy ireo ny mpiara-belona sy ny ankohonana ary ny fianakaviana ny Ramadany ka maro ireo he­tsika ara-tsosialy atao.
Fototra fahatelo iorenan’ny finoana silamo sady tsy azo lavina ny fanaovana fifadian-kanina mandritra ny volana Ramadany. Volana fahasivy ao anatin’ny tetiandro islamika io volana io. Didy tsy azo ivalo­zana avy amin’Andriamanitra izany, tahaka ny nataon’i Jesoa zanak’i Maria nanao fifadian-kanina nandritra ny 40 andro. Tsy vitan’ny hoe mifehy vava fotsiny ihany fa mifehy ny va­tana iray manontolo ihany koa. Ezahina halavirina ireo fomba amam-panao tsy mendrika, mandritra izany. “Fotoana natao handinihan-tena sy ha­natonana bebe kokoa an’An­driamanitra ary hitaizana vatana sy fanahy ary saina ny Ramadany”, hoy hatrany izy. Mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy fanao rehetra amin’ ny fiainana andavanandro. Ahafahana miatrika ny 11 volana manaraka indray mba tsy hanao zavatra fahatany, toy ny mandainga, mamitaka…

Misy tombontsoa ny fifadian-kanina

Maro ny tombontsoa azon’ ny tsirairay amin’ny fanaovana fifadian-kanina. Eo ny fahazoana ny famindram-pon’An­driamanitra sy ny fibebahan’ny mpino ary ny famafan-tsazy avy aminy azon’ny olona tsirairay avy manatanteraka izany. Eo koa ny fahazoana tombon­tsoa ara-pahasalamana. “Mi­sakafo foana ny olombelona mandritra ny taona, ilaina maka aina kely amin’ny fisakafoana ihany koa anefa ny vavony”, hoy ny mpino silamo, Razafimandimby Anicet an­tsoina hoe Moustafa. Nilaza izy fa fotoana hanaovana izany ny fifehezana mandritra ny iray volana. “Miha mitombo ny hery hananan’ny olona iray aorian’ny fifehezana sy ny fifadian-kanina ataony. Mitondra fahasalamana ho an’ny olona ihany koa izany, toy ny fahasitrananan’ny vavony, ny dia­beta…”, hoy hatrany izy.
“Tanjona lehibe amin’izany ny fanadiovana ny ara-panahy hahatonga ny olona iray ho tompon’ny tenany sy ho tomponandraikitra tsy misy manara-maso”, hoy hatrany ny filohan’ ny fikambanan’ny Silamo malagasy (FSM), Absouary Said Arséne. Fanampin’izany, ny fahatahorana an’Andriama­nitra araka ny voasoratra ao amin’ny “Coran” na Baiboly Masina. Miseho amin’ny ala­lan’ny fanatanterahana ny didy nolazainy rehetra ary ao ana­tin’izany ny fibebahana. Misy fepetra ny fibebahana, toy ny fanenenana tamin’ny ratsy natao. Eo koa ny tsy famerenena izay ratsy natao izay in­tsony ary ny fangatahana fa­melan-keloka amin’ilay Na­hary irery ihany.

Nanampy zaza marary 40 ny fondation Mohammed IV

Nanatanteraka asa sosialy tetsy anivon’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra ny Fondation Mohammed IV, ny alarobia atoandro teo. Hetsika fanaon’izy ireo rehefa vanim-potoan’ny Ramadany tahaka izao. Notolorana “paniers garnis” nandritra izany ireo zaza marary manodidina ny 40 hatramin’ny 50 isa teny an-toerana. Nahitana zavatra maro toy ny ronono, bis­cuits, fromage, sy ny maro hafa ny tolotra. Ankoatra izay, noto­lorana vola mitentina 50 000 Ariary avokoa ireo ray aman-drenin’ny zaza marary teny an-toerana. Tanjona tamin’ny hetsika ny hanohanana sy hanampiana azy ireo manoloana ny tsy fahasalamana sy ny fidirana hopitaly izay hatrehan’izy ireo. “Entinay hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpiara-monina ny hetsika tahaka izao”, hoy Hamidou Ali, filohan’ny fondation section Mohamed IV eto Madagasikara, nandritra ny hetsika fizarana teny an-toerana. Ankoatra ny tolotra, nankahery sy nitrotro am-bavaka ary nirary soa ireo zaza marary sy ny ray aman-dreniny ihany koa ny Fondation nandritra izany. Nambarany fa tena ilaina ny fitrotroana am-bavaka sy fankaherezana azy ireo manoloana ny tsy fahasalamana. Nohamafisiny fa mila jerena tsara ny tena maika ka antony nisafidianana hanampy ireo zaza marary eny anivon’ny hopitaly. Ankoatra ny teto Antananarivo, efa nisitraka fizarana sy tolotra tamin’izy ireo koa ny tany Antsi­rabe, natao ny talata lasa teo. Fianakaviana 150 isa tany an-toerana no nisitraka fanampiana. Nomena vary 25 kg, menaka, ronono ary tsaramaso avokoa izy rehetra ireo.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy : Mavitrika amin’ny fandraisana andraikitra izy ireo

ven, 03/14/2025 - 09:22

Nifampizara traikefa sy torohevitra tetsy amin’ny An­tenimieran’ny indostria sy ny varotra Antananarivo (CCIA), afakomaly, ireo vehivavy mpitarika eto amin’ny firenena. Hetsika nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Loha­hevitra tamin’ity taona ity ny hoe « vehivavy, reny, mpitarika : mpisehatra ho an’ny fanovana ». « Manan-talenta ma­nokana isika Malagasy amina sehatra maro », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte. Ankehitriny, efa mihoatra ny ¼ ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Ilaina, hoy izy, ny fananana toe-tsaina tia mametraka paikady, ny fahaizana miserasera ary mitantana tetikasa raha maniry ho lasa mpitarika. « Afaka mandray ny andraikitry ny lehilahy ny vehivavy noho izy manana fahaiza-mitantana sy maharisika eo amin’ny fandraharahana », hoy kosa ny filohan’ny Fikambanan’ny Orinasa malagasy (Fom), Tsiranana Fio­na. Notohizany fa efa maro ny vehivavy mpitarika eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina eto Madagasi­kara. Efa mivoatra, hoy izy, ny fomba fisaina fa tsy toy ny taloha intsony.
Ankoatra izay, voaresaka nandritra ny hetsika ny fampivadian’ny vehivavy ny asany, ny mahareny azy ary ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ny hanomezan-danja ny toeran’ny vehivavy ho an’ny fananganana hoavy mamiratra sy hampandroso ny firenena.

Henintsoa Hani

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 03/14/2025 - 09:22

Tsy azo atao intsony ny fanovanana ny sorabola (avenant) amin’ny tsenambaro-panjakana rehefa vita ny fandraisana tanteraka ny asa. Tsy maintsy atolotra ny filankevitry ny minisitra na ny governemanta ny fanaovana azy raha misy. Tsy azo hahitsy koa ny fifanarahana amin’ny vola aloa mialoha (avance) raha toa ka mihoatra ny 1/3 ny fanovana.

Miisa 131 ny tranoheva hampiranty sy hampahafantatra ny vokatra ataony mandritra ny Fepa (Foaran’ny fiompiana sy ny fambolena), andiany faha-17. Mpitsidika 20 000 no andrasana ho avy. Miisa enina ny lohahevitra ho voaboasana mandritra ny efatra andro raha toa ka fifanaraham-piaraha-miasa miisa dimy kosa no hosoniavina amin’ireo fotoana ireo.

Nisitraka fotodrafitrasa sy fitaovana fitahirizana hazandranomasina ny mpanjono any Anta­nambao Port, akaiky ny reniranon’i Tsiribihina, faritra Menabe. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “GEF6-AMPs” ny hetsika, entina hiantohana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina sady hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina izany.

Hamoraina ny fampirantiana ny asa tanana malagasy any Sina. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’i Sina, Ji Ping, sy ny minisitry ny Fizahantany sy ny taozavatra, Dewa Viviane, ny 11 marsa teo. Eo koa ny hetsika maro samihafa hotanterahina eto Madagasikara amin’ny lafiny taozavatra sy kolontsaina.

Catégories: National

Fahadiovan’ny rivotra : Harahi-maso ny fiara mamoaka setroka

ven, 03/14/2025 - 09:22

Midina ifotony ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nanomboka ny 10 marsa teo. Nobeazina sy nentanina ny mpampiasa fiarakodia sy ny kodiran-droa mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny setroka maloto avoakan’ny fitaovam-pitaterana, noho ny fanaovana antsirambina ny fikojakojana azy. Nitarika ny hetsika teny Andranotapahina ny minisitra Max Andonirina Fontaine, niaraka tamin’ny Polisin’ny Tontolo iainana (OPJE) ao anivon’ny minisitera Medd, ny Fitantanana foibe ny aro loza ny fifamoivoizana (DGSR) ary ny Antokondraharahan’ny fitaterana an-tanety (ATT). Nampiavaka ny fitsirihana ny fametrahana marika sy famantarana manokana ny fiara sy ny kodiaran-droa hita fa voakojakoja tsara, ka tsy nahitana setroka be loatra.
Hitohy manerana ny faritra rehetra ny hetsika fitsirihana sy fanentanana hiadiana amin’ny fandotoana ateraky ny setroka avoakan’ny fiara sy ny kodiaran-droa. Satria, miteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana izy ireny.

Njaka A.

Catégories: National

Famokarana katsaka: Tsy ampy 100 000 taonina ny vokatra eto Madagasikara

ven, 03/14/2025 - 09:21

Mifampiankina ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Fototry ny sakafom-biby sy sakafon’olombelona ny katsaka. Ambany ny famokarana eto amintsika, mahatratra 100 000 taonina (t) ny filana raha toa ka 150 000 t eo ny vokatra.

Tsy mbola niakatra io tarehimarika io hatramin’izao ka mampananosarotra ny famokaran’ireo tantsaha izay mipaka mivantana amin’ny fihariany sy ny toekarena. « Tokony ho voizin’ny fitondram-panjakana ny fambolena katsaka sy soja mba hanatsarana ny vokatra sy ahafahantsika manondrana izany any ivelany », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE), Anjara­tiana Nomenjanahary, omaly. Betsaka, hoy izy, ny akora hafarantsika amin’ny sehatry ny fiompiana nefa malalaka ny tany ka azo trandrahina sy ampiasaina. Ambany ihany koa ny fahefa-mividin’ny Ma­lagasy. Mila jerena, hoy izy, ny tantsaha mba handrisihana azy ireo hatrany amin’ny lalam-pihariana ataony.

Fepa
Ankoatra izay, tanterahina ny 8 ka hatramin’ny 11 mai, eny amin’ny MPE Nanisana, ny Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élevage et de la production animale) andiany faha-17. Hetsika mifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny MPE. Hiavaka ny hetsika, haseho mandritra izany ny fiompiana trondro an-tanety. Hisonga­dina ny maha zava-dehibe ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ny fanatsarana ny sakafon’ny Malagasy. Hihaona mandritra izany koa ireo mpisehatra samihafa hanamafisana ny fiaraha-miasany mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamafy ireo mpikarakara fa tokony hitodika amin’ny tsena ivelany ireo mpisehatra. Notohizany fa anisan’ny mampananosarotra ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika ny zava-misy eto amin’ny firenena, toy ny fahasimban’ny lalàna ka mampiakatra ny vidim-bokatra. Eo koa ny fahalafosan’ireo vidin’ny akora fototra. Marihina, lohahevitry ny hetsika ny hoe « ny fiompiana, fanoitra lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ».

Henintsoa Hani

Catégories: National

AG de l’association Ipam : Harilala Ramanantsoa élue nouvelle PCA

ven, 03/14/2025 - 08:36

Lors de l’assemblée générale ordinaire de l’association « Ivom-panajariana ny tanànan’ Antananarivo sy ny manodi­dina » (Ipam) ou Centre d’aménagement de la métropole d’Antananarivo et ses périphériques, hier à Andavamamba, la maire de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA), Hari­lala Ramanantsoa, a été élue Présidente du conseil d’administration (PCA), pour un mandat de deux ans.
« Nous devons collaborer étroitement et faire preuve d’unité face aux problèmes rencontrés par les communes membres, pour atteindre notre objectif commun », a déclaré Harilala Ramanantsoa.
Un défi de taille l’attend car l’Ipam ambitionne de trouver des solutions durables pour les 38 communes membres, notamment en matière de transport, de gestion des déchets, d’évacuation des eaux usées et de propriété foncière. De plus, l’association entend également à mobiliser des bailleurs de fonds pour soutenir ses projets.
Lors de cette assemblée, tous les maires des 38 communes ont répondu présents. A noter que les communes dans les districts d’Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo et la CUA, sont les membres principaux. Maintenant, l’expansion de l’association a permis d’y adhérer certaines communes d’Itasy et d’Ambatomirahavavy.

MRS

Catégories: National

C’est l’affaire de tous !

ven, 03/14/2025 - 08:35

Un jeune homme poignardé à mort à Toamasina, assassinat ciblé de la nouvelle maire de Mangataboahangy, cambriolage filmé par une caméra de surveillance à Ampitata­fika, des bandits armés tombés sous les balles des forces de l’ordre… L’insécurité galopante semble atteindre son paroxysme dans le pays, sans parler des dahalo qui sèment la terreur dans plusieurs régions.
Sans conteste, le sentiment d’insécurité est en forte hausse ces derniers temps, qui incite à la prudence, même en plein jour. Alors que depuis le début de l’année, l’Etat a lancé un véritable branle-bas de combat contre ce fléau, parmi les principales préoccupations, qui gangrène la société et freine le développement. D’ailleurs, le chef de l’Etat Andry Rajoe­lina, s’est fixé pour défi de renforcer les actions et interventions, pour garantir la sécurité des citoyens. « Le Gouverne­ment est à l’écoute de la population et est à pied d’œuvre pour faire régner l’ordre », a indiqué le ministre de la Sécu­rité publique, récemment.
Et force est de constater que les forces de l’ordre se mettent sur le pied de guerre sur tout le territoire. Les opérations coordonnées se multiplient qui portent leurs fruits à constater le nombre d’arrestation et de bandits neutralisés. Même les politiques apportent leur contribution, à l’exemple du député dans le 5e arrondissement, Naivo Raholdina, qui mène une opération « Ditra » dans cette localité. Il est impor­tant de venir à bout de ce fléau.
En un mot, l’insécurité est l’affaire de tous, jusqu’aux plus hauts sommets de l’Etat, en l’occurrence les responsables directs, en passant par les élus et même les citoyens dont la mobilisation et la participation à l’ordre public sont plus que sollicitées, pour faire face à ce climat d’insécurité grandissante.

Rakoto

Catégories: National

Lutte contre la corruption: le Bianco et l’Arai conjuguent leurs efforts

ven, 03/14/2025 - 08:35

Une collaboration renforcée entre le Bureau indépendant anti-corruption (Bianco) et l’Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), qui viennent de signer un mémorandum d’entente hier à Ambohibao, pour plus d’efficacité dans la mise en œuvre des lois anti-corruption et de recouvrement des avoirs illicites.

La lutte contre la corruption et le recouvrement des avoirs illicites, demeurent un véritable défi pour le Bianco et l’Arai. Pour y parvenir, ils ont décidé d’unir leurs efforts et de travailler en étroite collaboration dans le cadre de la mise en œuvre de la nouvelle Stratégie nationale de lutte contre la corruption (SNLCC). Et ce mémorandum d’entente pour une durée de deux ans renouvelables, permet aux deux parties de renforcer leur synergie dans plusieurs domaines cruciaux de la lutte contre la corruption et de recouvrement ainsi que de la confiscation des avoirs illicites.
L’objectif est d’établir un cadre de collaboration et d’échange de données, d’informations et de renseignements utiles entre les deux parties prenantes, afin de mener à bien et à terme les enquêtes relatives aux in­fractions de corruption, de blanchiment de capitaux ou encore de détournement de biens et deniers publics.

Echange de données et d’informations

Dans ce sens, le Bianco est tenu de coopérer avec l’Arai, pour faciliter la récupération des biens saisis et gels aux fins de recouvrement des avoirs illicites. Il devra également transmettre des informations et renseignements requis par l’Arai, pour pouvoir exécuter les décisions de gel, saisie ou confiscation. Le bureau anti-corruption devra aussi fournir des expertises spécifi­ques en vue de renforcement des capacités en matière de lutte contre la corruption. De son côté, l’Arai devra également fournir les informations nécessaires au Bianco et garantir la saisine des biens et leurs conservations.
Pour afficher sa détermination à aller de l’avant dans la lutte contre la corruption, le DG par intérim de l’Arai, Rado Rajhonson Andrianja­tovo, ainsi que des cadres de l’organe, ont déposé leurs déclarations de patrimoine auprès du Bianco. « L’obliga­tion de déclaration de patrimoine est instituée par la loi, afin de promouvoir la transparence dans l’exercice des fonctions publiques, garantir l’intégrité des serviteurs de l’Etat et de restaurer la confiance du public envers les Institutions », a d’ailleurs rappelé le DG du Bianco, Gaby Nestor Raza­kamanantsoa.

T.N

Catégories: National

Rivodoza Jude : Manao tampody fohy

jeu, 03/13/2025 - 09:22

Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy).
Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy distrika: Atsimo andrefana, Androy, Anosy, Morondava, Manja, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano hiomana ka hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana miloko maitso.
Tany amin’ny 1 130 km avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny, omaly maraina. 45 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 55 km isan’ora any an-dranomasina. Tsy nihetsika firy izy tato anatin’ny adiny enina farany. Entanina ny mpampiasa ranomasina ma­nomboka eo Besalampy ka hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka intsony manomboka anio maraina.

Vonjy

Catégories: National

Sandwatch sy kit Mad’ErE : Nisitraka fiofanana ny mpampianatra any Menabe

jeu, 03/13/2025 - 09:21

Nisitraka fiofanana ma­hakasika ny fandaharanasa “Sandwatch sy Kit Mad’ErE” ny mpampianatra any amin’ny faritra Me­nabe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin’ny sekoly dimy ao amin’ny Cisco Morondava. Ankoatra izay, samy notolorana fitaovana Kit Sandwatch sy Kit Mad’ErE avokoa ny sekoly dimy ahitana ny CEG Centre, CEG Ankisirasira, EPP Anosikely, EPP Betania ary EPP Mo­rondava Centre. Tanjona ny hampiroboroboana sy hana­tsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, indrindra ny tontolo amorontsiraka, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny hanamorana ny hisian’ny fanjohiana arahana tantsoroka ma­nakaiky ny mpampianatra. “Antenaina ny hisian’ny tombana ahafantarana ny vokatra entin’ny fandaharanasa eo amin’ny kalitaon’ny fanabeazana sy eo amin’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny”, hoy Rasolondrainibe Mian­drisoa Maxime, Chargé de Programme du secteur éducation -ComNat/Unesco. Irina ihany koa ny hitohizan’ny fandaharanasa any amin’ny faritra hafa mbola tsy nisitraka izany. Marihina fa nitarika ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat/Unesco) sy ny Centre de recherche en éducation environnementale (Cree). Manohana izany kosa ny tetikasa Recos sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny AFD, CIO, FFEM…

Mino

Catégories: National

INDRAY MIJERY

jeu, 03/13/2025 - 09:21

-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany.

Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny distrikan’i Vohemar, Andapa, Antalaha, Sambava. Misy ireo
toerana tena marefo ao anatin’ireo faritra ireo. Nisy ny famolavolana drafitra fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza hananana drafitra matipaika, ahafahana miatrika ireo loza mety hitranga. Paikady natsofoka tao anatin’izany ireo asa atao mialoha ny hampihenana ny fiantraikan’ny loza ho an’ny vahoaka, ireo trano fonenany ary ireo fotodrafitrasa.

Miroso amin’ny fandaminana tsy azo ihodivirana ny kaominina Ivato amin’ireo tsena amoron-dalana manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fianarana manodidina. Voafetra hatramin’ny 8 ora maraina ny tsenan’ny tantsaha. Manamorona ny Lycée, misy fivarotan-toaka sy mpampiditra hira manakorontana ny mpianatra ka tsy maintsy hoesorina.

Hitondra fanazavana amin’ireo olona voakasiky ny tetikasam-panjakana Rocade Tsarasaotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, anio. Maro ny lainga sy savorovoro iniana volena manodidina ity resaka ity ho fiarovana tombontsoan’olom-bitsy, izany indrindra no hanazavana ny sain’ny mponina.

Catégories: National

“CSW69”: Tombanana ireo ezaka vitan’i Madagasikara

jeu, 03/13/2025 - 09:21

Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay.
Dinihina ny mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fanapahan-kevitra, ny fahasalamana sy ny fa­nabeazana. Eo koa ny fampi­tsaharana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Anaovana tombana koa ny fampananana asa mahavelona, ny ady amin’ny fahantrana, ny fiahiana ara-tsosialy…
Nahavita ezaka i Madaga­sikara amin’ny fanomezan-dan­ja ny zon’ny vehivavy. Na izany aza, mbola betsaka ny asa miandry amin’ny fampizakan-tena azy ireo, mifanaraka amin’ny politika akapoben’ny fanjakana ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny maha olona.
Mifanindran-dalana ny fivoriana manokana mahakasika ny fampiharana ireo fa­namby tany Beijing, ao ana­tin’ny vondrona Sadc, izay na­taon’ireo minisitra sy ireo tomponandraikitra misahana ny vehivavy.
Nampahatsiahivina ta­min’ io fa i Madagasikara no hampiantrano ny fivoriambe faratampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra 2025 ho avy izao.

Tatiana A

Catégories: National

Hanarenana ny tsy fahampian’ireo am-perinasa : Tohanana ny vehivavy misahana ny asa fanaovan-dalana

jeu, 03/13/2025 - 09:20

Tetikasa telo: Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive (PCMCI), Projet de Dévelop­pement Durable du secteur Routier à Madagascar (PDDR) ary ny projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT) nanaovana fanadihadiana. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy misahana faritra 12, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ahafahana mamantatra ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hisitraka asa anatin’ny fanaovana lalana no nanaovana izany.

Miteraka asa maro ny fanaovan-dalana, ma­te­tika ny lehilahy nandranto fianarana manokana momba izany no voaray. Ny vehivavy izay tsy nan­dia fianarana lavitra mom­ba ny asa vaventy dia voailika, araka ny fanazavan’ny ma­nam-pahaiza­na momba ny miralenta, Razafindravao Lydia. Natao ny volana no­vambra 2024 ny fanadihadiana ahalalana ireo sakana ka hitondrana tolo-kevitra harahina drafitrasa hanarenana ny zava-misy.
12% ny vehivavy efa misehatra amin’ny tetikasa fanaovan-dalana, vitsy ny mitana andraikitra ambony. Olana lehibe ny tsy fananan’ny vehivavy fahaiza-manao. Tamin’ ny oniversite 12 nanaovana fa­­nadihadiana, tsy mihoatra ny efatra ny tovovavy mianatra amin’ny lalam-piofanana Génie civil. Ho an’ny oniversite sasany, tokana ny tovovavy mamarana fianarana ambony miompana amin’io lalam-piofanana io. Nantsoina manokana ny tovovavy mpianatra ha­natrika ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana, omaly, teny Ankorondrano, hanaporofoina fa mahavita ny vehivavy rehefa omena herijika.
Ho an’ireo vehivavy manana fahaizana kosa, misedra olana maro izy ireo noho ny andraikitra ao an-tokantrano. Mampavesatra ny zavatra za­kainy izany ka matetika miala an-daharana izy ireny. Ma­nam­py trotraka ny fiheveran’ny fiarahamonina fa natao ho an’ny lehilahy ny asa lalana ka tsy tohanan’ny fianakaviana ireo tovovavy maniry ny hianatra ho lasa injeniera.
Asa telo no faritan’ny tetikasa hatao hanarenana ny zava-misy, mandritra ny dimy volana. Hisy ny fanentanana sy fampahafatarana ny ray aman-dreny, ny vehivavy, ny mpitantana ireo sakana izay azo ihoarana ka hampivelatra ireo vehivavy manao asa lalana. Ho an’ireo vehivavy voaen­tana nandritra ny dingana voalohany, hamafisina ny fahafahany hiatrika ny asa hahazo hery. Aorian’izay, omena tantsoraka manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny fifampizarana, fihainoana ny olana sedrainy.

Vonjy

Catégories: National

Pages