S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 38 min 52 sec

TARATRY ny KANTO

lun, 03/02/2026 - 07:48

Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. Tsapa ny vesatry ny taona ho azy mirahalahy Mahaleo, saingy efa vonona amin’ny tohin’ny tantara koa ireo taranaka. Ireo hira kosa toa miaina hatrany, tsy lefin’ny vanim-potoana…

« Tena kanto » . Efa nahalaza mialoha ny tolotra ny lohatenin’ny fampisehoan’i Poopy. Niteny indray ny traikefa sy ny laza an-taoanany maro, ary namaly sy nanaraka azy hatrany ireo mpankafy. Nahazo aina vao ireo hiran’i Poopy nosafidian’i Fy Reko, Ken, D Lain ary i Tanjona Randrianarivelo nataon’izy ireo tamin’ny fanaovana azy. Tsy ireo ihany, niampy an’i Tolotra sy Mahefa Kely ary i Eric Tahina ihany koa ireo mpanakanto nanaingo ny seho, ka vetivety ny nandehanan’ireo hira 40 nalahatra. Mbola voatazon’i Poopy ny lazany.

Tsara fanomboka ny andiam-pampisehoana etsy amin’ny Vip Zone Food Courts Barea. Ny tarika Rossy mantsy no nisantatra izany ny alin’ny zoma lasa teo. Niavaka kokoa no ho ny « cabaret » mahazatra, satria tena nahafeno ny fepetran’ny fampisehoana goavana izany. Hira nandrasan’ny mpankafy avokoa no nalahatry ny tarika Rossy, ary nahazo laka ny bapampa izay mampiavaka hatrany ny seho. Efa mandahatra ireo mpanakanto fanta-daza mahazaka ny toerana manaraka eo ry zareo mpikarakara.

Catégories: National

Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao

lun, 03/02/2026 - 07:47

Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity.
Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy.
Mandray ireo olona niharan’ny dona mafy tamin’ny loha ka arahi-maso na hodidiana ny ekipa ao amin’ity sampandraharaha famelomana aina na fampatoriana ity. Mandray ireo marary avy nodidina ihany koa.
36 ny fandriana andraisana ny marary, mitsinjara amin’ny efitrano 11. Mitokana ny efitrano mandray zaza sy ankizy. Misy ny efitrano famelomana aina ho an’ireo marary efa tena reraka sy sarotra. Misy ny fitaovana manampy amin’ny fisefoana… manana oxygène isaky ny fandriana ao amin’ny sampandraharahana…
Mandray ireo zazakely vao teraka sy ireo misy fahasamponana na handalo fandidiana na avy nodidina ihany koa izy ireo.
Mamelona aina sy mampatory ny ekipa mifarimbona ao ary miara-miasa akaiky amin’ireo infermiera anestesista.
Asa saro-pady sy tena mila fahamalinana ny asan’ny mpamelona aina sy ireo mpampatory. Dokotera efa manam-pahaizana sy mahafehy ny asany no mikarakara ny marary miaraka amin’ireo paramedy sy mpiasan’ny fahasalamana efa ampy traikefa ao amin’ity sampan-draharaha ao amin’ny CHU JRA ity.

Tatiana A

Catégories: National

INDRAY MIJERY

lun, 03/02/2026 - 07:47

Nitsidika ny CTI (Centre de traitement et d’isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina ao amin’ny Cousp (Centre des opérations d’urgence de santé publique), ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra vahaolana haingana hahatomombana ny fandraisana ireo marary ny tenany. 12 ireo marary voamarina ary 4 ahina tsaboina eny an-toerana.

Mitohy ny tolona ho an’ny Union des internes de Madagascar (UIM). Tsy hita taratra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana an’i Madaga­sikara ireo notakina.Mbola manjaka ny tsy rariny, tsy mahavoavaha ireo fitakianay rehetra, hatreto, ny rafitra misy amin’izao fotoana. Noho izany, mbola tsy misy fanovana hita mivaingana hatramin’izao.

Tonga any Toamasina ny fanafody natolotry ny Farmasianina eto Madagasikara. Boaty miisa 5 252 nofonosina anaty baoritra 103 no nalefa any an-toerana. Nisy ny fiaraha-miasan’ny Holafitry ny farmasianina amin’ny kaominina Toamasina. Ireo fanafody ireo izay tolotra maimaimpoana avy amin’ny farmasianina tsy miankina ka omena maimaimpoana ihany koa ny marary isan-tsokajiny.

Catégories: National

Mesupres : Laharam-pahamehana ny digitalisation

lun, 03/02/2026 - 07:46

Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny asa atolotra ireo rehetra manan-draharaha ao anivon’ny minisitera ny fihaonan’ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo.
Mifanaraka amin’ny tanjon’ny minisitera ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa izany.
Laharam-pahamehana napetraka ny firosoana amin’ny «digitalisation». Kendrena ny hanatanterahana ny fahaleovantenan’ny sampandraharaha tsirairay ao anatin’ny roa taona. Tanjona ny hisian’ny fanatsarana sy fahombiazan’ny asa, hampihenana ny fahatarana sy hanamafisana ny mangarahara amin’ny tolotra omena.
Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny “Yellow Book”, hanamafisana sy handrindrana ny fomba fiasa sy ny fitsipika anatiny. Nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra ireo tomponandraikitra, ka nanolotra soso-kevitra hanatsarana bebe kokoa ny paikady hotanterahina. Niarahana tamin’ireo tale jeneraly, tale ary lehiben’ny sampandraharaha ny dinika.

Tatiana A

Catégories: National

Mila fantarina ny maika : Diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy

sam, 02/28/2026 - 08:30

Manana ny mampiavaka azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny teny. Niharan’ny olana lehibe rehefa tafiditra tao anaty fanjanahantany… Ezahina harenina ankehitriny…

Niara-nisy tamin’ny fisian’ity Nosy ity ny teny. Faritra maromaro eto Madagasikara no mbola nahatahiry io teny fototra io amin’ny ampahany lehibe tokoa. Ny hafa, nanafangaro izany tamin’ny fitenin’ireo mpihavy tonga teto… Tany amin’ny taona 1972 – 1975, natsidika ny « fanagasiana »… Nahatsiaro sy nahatsapa ary niaina tsy fahombiazana ny fanabeazana sy ny fampianarana.
… Taona 2000, nambara ho lesoka eo amin’ny teny malagasy ny tsy fahampian’ny voambolana. Na ireo heverina ho manampahaizana aza, ta­faroboka. Nikaroka ireo heverina ho lesoka sy ny fomba hoenti-manarina izany. Nan­dany taona maro…
… Tsy mby tao an-tsain-dry zareo ireto mihitsy ny olana fototra. Vao nahare ny tsy fahampian’ny voambolana nambaran’ny « fanagasiana », navela sy napetraka an-jorom-bala ny teny malagasy. Mila ampiasaina any amin’ny sehatra rehetra ny teny malagasy. Io ilay lesoka goavana. Io no mila voizina mafy sy mila ta­diavina izay fomba hanatanterahina azy. Fa raha tsy izany, diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy.
Tsy ilaina fanampiana avy any ivelany ny fitenenana sy fanajana ny tenindrazana. Tsy zava-baovao izany fa efa la­mina voajanahary. Ny Mala­gasy, miteny, mitafa, miresaka, mivölagna, mitarogna, sns, amin’ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

“Festival du Film Francophone” : Halefa ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy

sam, 02/28/2026 - 08:30

Hanamarihana ny iray vo­lan’ny Frankôfônia ny “Festi­val du Film Francpophone”. Ho an’ny eto Madagasikara, ho­tontosaina ny alarobia 4 marsa sy ny sabotsy 7 marsa izany, etsy amin’ny IFM Ana­la­kely. Nosafidiana manokana ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy amin’ity. Tsy miala amin’ny lalantsaina novoizina hatramin’izay anefa, dia ny sarimihetsika amin’ny teny frantsay, fa maneho ny fahasamihafana manerana ny firenena maro mandala ny Frankôfônia. Halefa maimaimpoana sy misokatra amin’ny rehetra ihany koa, izany mba hipaka ny hafatra entiny.
Sarimihetsika vokatra avy any Egypte, Maroc, Rouma­nie, Tunisie, RD Congo, sns, ireo nosafidiana manokana halefa ireo. Aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 4 marsa, hiaraha-mijery ny “Mary Anning”, sarimiaina nahazo fankasitrahana nandritra ny “Festival de Locarno”. Manaraka avy eo ny “Sarah Bernardt, la divine”, izay hamerina ny tantara any ambadiky ny taona 1896, tany Paris. Hamarana ny alarobia kosa i “Borgo”, tantara nahazo fankasitrahana tamin’ny “César” ihany koa. Hisesy ny sabotsy 7 marsa koa ny “Marie, Reine de Roumanie”, “Le sixième jour”, “Rock the Casbah” ary “Les filles d’Olfa”. Hisy ny resadresaka fifampizarana eny antsefantsefan’ny fijerena ireo sarimihetsika ireo.

Zo ny Aina

Catégories: National

INDRAY MIJERY

sam, 02/28/2026 - 08:29

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny fikambanana EauSoleil Paca, notokanana ny tambajotra famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny EauSoleil Paca amin’ny fampiofanana, andiany faharoa, mahakasika ny fametrahana tambajotran-drano mampiasa ny herin’ny masoandro. Dingana lehibe ho an’ny fampianarana teknika no tanteraka, entina hamaliana avy hatrany ny filan’ny LTP Sambava sy ny mponina manodidina amin’ny rano fisotro madio, sady manome lanja ny angovo azo havaozina, ho fampandrosoana maharitra.

Ho fanampiana tosika ny fanohanana ara-pahasalamana ao amin’ny faritra Atsinanana, nanambara ny filoha tale jeneralin’ny Institut médical de Mada­gascar (IMM), teny amin’ny ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC Toamasina, fa horaisin’ny IMM an-tanana ma­nontolo ny fanamboarana ny Bloc-Maternité eto amin’ny CHU Analakininina. Ankoatra izany, mbola hisy koa ny tohana fitaovana sy fanafody ho atolotr’izy ireo.

Tonga tamin’ity herinandro ity, teto Madagasi­kara, ny andiany voalohany amin’ny fanampiana avy amin’ny governemanta japoney ho an’ny traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany atsinanan’ny Nosy. Ny BNGRC no hikarakara ny fizarana ireo fitaovana ireo, raha ny fanazavana.

Catégories: National

Fanavaozana ny fampianarana: Haharitra efa-taona ny fandaharanasa Pitaf

sam, 02/28/2026 - 08:29

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, teny Anta­ni­narenina, ny fandaharanasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tohanan’ny Partenaire mondial pour l’éducation (GPE) sy ny mpiray ombon’antoka telo dia ny AFD, Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Efa nosantarina ny taona 2025 ny asa ary hitohy hatramin’ny taona 2029. Ho fanavaozana ny fampianarana eny ifotony (Pitaf). Mitentina 89,4 tapitrisa dolara ny sora-bola hokirakiraina mandritra ny efa-taona ho an’ny akany fibeazana ha­trany amin’ny kilasy T9. Tanjo­na ny hisitrahan’ny ankizy 4,7 tapitrisa fampianarana manana kalitao takina sy ha­hazoan’ny mpanabe 228 00 fiofanana manaraka ny fenitra, araka ny fanazavan’ny chargée de liaison GPE ao amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam- pirenena, Andriantahiana Herilalaina Eddie.
Hohatsaraina koa ny fotodrafitrasa ary hozaraina any an-tsekoly ny boky ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra, hanamorana ny fampitana ny fahalalana ao anatin’ity taom-pianarana ity. Fitohi­zan’ ny asa natomboka tao anatin’ny Paeb ny Pitaf ary voakasika avokoa ny Cisco rehetra manerana ny Nosy.
«Mpianatra iray amin’ny roa (50%) no tsy mahavita hatramin’ny farany ny ambaratonga voalohany eto Mada­ga­sikara. Ireo mahavita hatramin’ny T5 kosa indray betsaka no tsy mahafehy ny taranja kajy sy vakiteny», hoy ny so­lontenan’ny Unicef eto amin­tsika, i Christine Jaulmes. Araka izany, zava-dehibe ny fanavaozana ny fanabeazana fototra. Asa lehibe fototra ny fanofanana ny mpanabe sy ny fanatsarana ny fitantanana ny sekoly.

Vonjy

Catégories: National

Laboratoara Leader : Manomboka miara-miasa amin’ny mpikaroka

sam, 02/28/2026 - 08:29

Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra ny laboratoara Leader eo anivon’ny sekoly ambony ES DES, amin’izao fotoana izao. Miso­katra ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny avy amin’ny Oni­ver­­sitem-panjakana ihany. « Natao ity laboratoara ity hampitomboina ny tahan’ny manampahaizana eto Madagasikara », hoy i Manjaka Rakoto David, talen’io sekoly ambony io. Ani­san’ny fotodrafitrasa iray goavana entina hampitomboana ny tahan’ny olona manampahaizana ho fantatra menaran-tany io vovonana io.
Manana tombony lehibe amin’izany ny mpikaroka, ny mpampianatra mpikaroka, ireo mpianatra izay manomana ny doctorat ary ireo mpampianatra manomana ny HDR. Eo koa ireo mpianatra manomana ny mari-pahaizana licence sy Master. Afaka hisitraka ny “Publication international » avokoa ny manampahaizana eto amin’ny firenena. Tanjona ny hampisehoana amin’ny iraisam-pirenena fa manana manampahaizana maro i Madagasikara. Nohamafisiny fa azo atao tsara ny mampiditra azy ireo ao anatin’ny tahiry, angon-drakitra iraisam-pirenena, na « base de données international ».

Mino

Catégories: National

Pages