Sambany hanafana ny «Star Tour» ny tarika Rossy… Anisan’ireo nanomboka ny «THB Tour» taloha kosa anefa, ary mbola mitoetra ankehitriny ny lazan’ilay hira «THB» nataon’i Rossy hatramin’izao. Anisan’ny vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny nahafantarana fa iray amin’ireo mpanakanto hanafana ny «Star Tour 2026» eto Antananarivo, etsy amin’ny Coliseum ny tarika Rossy. Ny sabotsy 20 jona no anjaran’izy ireo, aorian’ny fandraisan’anjaran’i Mad Max. Ny zoma 19 jona anefa no hanomboka ny hetsika, ka i LJo sy Lion Hill no hisantatra ny andiam-pampisehoana. Hamarana izany kosa i Naël sy Stephanie ny alahady 21 jona, izay sady hanamarihana ny «Fetin’ny mozika» rahateo.
«Teboka telo lehibe no tena maha saro-piaro anay: ny fandriampahalemana mandritra ny hetsika, ny kalitaon’ny tolotra rehetra ary ny filaminan’ny mpanjifa. Fetim-pianakaviana mihitsy ny Star tour, ary porofon’izany ny fisian’ny toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy», hoy ny fanazavana nomen’i Miasy Andriamoria, tomponandraikitra ao amin’ny Star.
Tsy misy miova kosa ny nahafantarana ny «Star tour» hatramin’izay. Ankoatra ny andiam-pampisehoana goavana, eo ireo lalao sy fanentanana isan-karazany, ifandimbiasan-dry Fou Hehy, Bahrone ary Teg. Eo koa ireo mpikosoka kapila toa an’i 3T, DJ Looping ary i Cyemci. Hisy hatrany ny «Espace pression» izay amina toerana roa amin’ity.
Zo ny Aina
Hanatanteraka ny «Festival de musique chrétienne» andiany faharoa ny Orchestre Philharmonique.Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Paroisse internationale Andohalo, ny alahady 21 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fizarana voalohany, hitendren-dry zareo ny «chants liturgiques» voarakitra ao anatin’ny Tiona sy ny Antema FFPM. Ny tapany faharoa, hamelomana ireo «classiques sy oratorios», sanganasan’i J.S Bach, Camille Saint-Saëns, Razafindrakoto Norbert, Haendel, Mozart, sns.
Iray volan’ny teny malagasy. Iray volan’ny ankizy… Samy mangingina indray. Ny faharesen’ny tsirairay lahatra no tena zava-dehibe. Isan’andro, miresaka sy mampiasa ary miaina miaraka amin’ny teny malagasy. Tahaka izany ihany koa ny fanabeazana sy fitaizana ny ankizy. Teo amin’ny Malagasy: «ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsakazo». Tsy iandrasana ny volana jona izany vao atao.
Hira malagasy fahiny. Mitohy ny fanoratana azy ireny ho tonga solfezy. Fantatra, omaly, fa anisan’ny imasoan’ireo mpikaroka sy mpandalina ary mpampianatra ao amin’ny foibe Valiha Académie ny fanatanterahana io asa goavana io. Mba tsy hisian’ny fiovana, miainga any amin’ireo heverina ho fandraisam-peo ela indrindra ny asa fanoratana. Eo ihany koa ny fihainoana sy fandraisana ny feon’ireo raiamandreny sy zokiolona mbola mahatadidy ireny hira fahiny ireny.
Efa ho 30 taona izao no nanamarihana koa ny « Fetin’ny mozika » taty Madagasikara. Niova lamina, toerana lehibe kokoa ny eto Antananarivo amin’ity.
Lasa toerana fanaovana fampisehoana ankalamanjana ny etsy anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Mbola handray koa ny «Fetin’ny Mozika 2026», izay fikarakaran’ny AFT Andavamamba, ny toerana, ny sabotsy 20 jona izao. «Ny 21 jona no tena andro fankalazana maneran-tany, saingy haroso ny sabotsy 20 jona ny seho amin’ ity, noho ny fandaminana. Tsy mivaona amin’ny lalantsaina efa napetraka hatramin’izay kosa anefa, dia ny fanomezana sehatra ny talenta vao amin’ny mozika no hampiakarana ireo efa kalaza andrasan’ny mpankafy koa», hoy ny fanazavana nomen’Andriantsoa Andriamihanta, tomponandraikitra avy ao amin’ny AFT Andavamamba, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny an-toerana, omaly.
Gadona maroloko
Gadona maroloko, avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara, no hasongadina. Amin’ny 12 ora dia efa hanomboka ny seho, ka fampisehoana « cirque » hataon’ny Astam Circus aloha no hisantarana azy. Hanaraka avy eo ny Fanfare Bemiray, hitondra karazana feon-javamaneno. Harahin’ny fampisehoana dihy vakodrazana, iarahana amin’ny tropy Gasy Dihy, izany aorian’izay. Hotohizan’ny Flash Crew amin’ny dihy an-tanàn-dehibe. Hanomboka amin’ny 2 ora kosa ny tena fampisehoana mozika, ka ireo izay nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, nokarakarain’ny AFT, no hisantatra azy. Mpanakanto vao misondrotra, kanefa efa hanoritra ny lalany izy ireo. Aorian’izay ny fampisehoana hataon’ny tarika Mbaoe, mivoy ny gadona mifangaro afro-beko. Vao avy nisitraka ny vatsim-pikarohana ara-javakanto nomen’ny AFT rahateo ny tarika. Hamarana ny seho ary hanana anjara fotoana elaela kosa ry Skaiz sy Denise, araka ny efa andrasan’ny mpankafy. I DJ Sandix kosa no hanaingo sy hanafana ny elanelam-potoana hifandimbiasan’ny tarika eny an-tsehatra.
Tsiahivina fa seho maimaimpoana hatrany ny «Fetin’ ny Mozika», izay azo tanterahina noho ny tantsoroka ataon’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Yas Madagasikara. Fotoana fiombonana anaty mozika, hahafahan’ny rehetra mahita sy mandre sanganasa ankoatra ny mahazatra azy isan’andro izany.
Zo ny Aina
Tontosa tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo, ny fitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “tournoi estival”, any France. Omaly no namoaka ny lisitra ny Federation sport boule malagasy (FSBM). Manana ekipa roa i Madagasikara, amin’izany fifaninanana izany. Mbola voatazona ao anaty ekipam-pirenena i Baloty sy i Lova ary i Tonnerre. Hanampy azy ireo, i Bondy sy i Tafita ary i Mika. Masontsivana nojerena tamin’ireo mpilalao ny fahamarinan-toerana, izany hoe, tsy niova mihitsy ny zava-bitany tamin’ireo sedra samihafa. Anisan’izany ny tifitra sy ny fakana isa, ny tanjaka sy ny toe-tsaina ary ny fitondrantena. Andrasan’ny rehetra kosa izay ho firafitry ny ekipam-pirenena hiatrika ny “Mondial La Marseillaise”, hatao ny 5 – 8 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa tompondaka tamin’io ny Malagasy, izay norombahin’i Tonnerre sy i Yves ary i Lova. Ankoatra izay, fantatra ihany koa ireo efatra mianadahy “junior” ho any Espagne, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Andriambelonony Harison Clarito sy Raberanto Avotiana Elio eo amin’ny lehilahy, ary Ramamonjisoa Anjaratiana Nameno sy Ramamonjisoa Hanjatiana Nomena, eo amin’ny vehivavy. Ny 23 – 26 oktobra ny hanaovana ny fifaninanana.
Tompondaka
Atleta 14 sy staff teknika 4 no mandrafitra ny delegasionina malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing, hatao any Kameronina. Ao anatin’ny fanomanana farany ireo Malagasy mpikatroka amin’izao.
Hanainga ny sabotsy 20 jona izao ny delegasionina malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing, hotanterahina any Kameronina, ny 21 hatramin’ny 27 jona izao. Miisa 18 ny mandrafitra izany delegasionina izany, ka atleta ny 14 amin’izy ireo ary mpanazatra sy staff teknika ny 4, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing, Rafidison José. Nezahina nasiana solontena isan-tsokajy ny Malagasy mpikatroka tamin’ity, mba hahafahana mahazo vokatra tsara sy tsy hampitsanga-menatra an’i Madagasikara, raha ny fanazavany hatrany. Miady irery sy niezaka nitady ny hoenti-manana ny Federasionina amin’izao fandefasana atleta hiaro ny voninahi-pirenena izao. Tsy mbola misy mpanohana izy ireo, hatreto, fa miantoka tanteraka ny lany rehetra. Mbola manao antso ho an’ny malala-tanana anefa izy ireo hanohana ny atleta malagasy satria i Madagasikara no ho soloin’ireo mpikatroka ireo tena, any Kameronina.
Manomana mafy ny atleta malagasy
Etsy ankilany, mizotra tsara ny fanomanana ireo atleta izay miatrika fanazarantena eny amin’ny Dojo Mahazoarivo, tarihan’i Maître Kelly sy ireo mpanazatra nasionaly, ahitana an’i Maître Rasolonjatovo Fanoel Roger sy ireo mpanazatra mandrafitra ny kaomisiona teknika misahana izany. Nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fampivondronanana sy fanazarantena, raha ny fanazavana hatrany ary vonona ny Malagasy.
Mi.Raz