Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany anisan’ny mamokatra lavanila ao anatin’ny disitrikan’i Vavatenina, ireo fokontany nandalovana. Anisan’izany ny tao Morafeno, Antsirakoraka, Ambodimangan’i Sahavaviana, Ambatovaky, Antsirabe, Amosotrakondro ary ny tao Antsarahonenana. Saingy amin’ izao fotoana, manahy mafy izy ireo ny mety ho fatiantoka haterak’izany vokatra tokony hampidi-bola nefa lasa mikatso izany. Hatreto, mbola tsy namoaka izay tokony ho vidin’ny lavanila ny fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny tetiandron’ny fiotazana.”Efa mihoatra ny fe-potoana tokony hiotazana azy izao ny lavanila, efa matoy be eo am-pitoerana, hany ka efa mitarika any amin’ny fahasimbana, lo am-pitoerana, tsy azo atao ny misangotra azy, tsy eken’ny lalana fa mahavoasazy”, hoy ny mpamboly iray, Razandry Adolphe. «Noana ambonin’ny vokatra tokony hivadika vola izahay tantsaha. Koa mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hamoaka ny daty hiotazana ny vokatra lavanila sy ny tokony ho vidiny», hoy hatrany ireo nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety. Ankilany, ahina ny mety hisian’ny mosary amin’ireo fokontany voalaza etsy ambony ireo, raha ny fanazavan’ny tantsaha hatrany.
Ny jirofo sy ny fambolem-bary
Tsy namoa ny jirofo izay tokony hosangorina manomboka amin’ny volana oktobra. Efa masaka koa ny vary saingy vokatry ny ranonorana be loatra dia betsaka ny vary miankohoka anaty rano ka simba ny voany. «Io vary miakatra io daholo anefa no hanaovana ny filàna andavanandro raha ho an’ny aty amin’ny faritra misy anay. Havarotra ny vary hividianana izay ho atao laoka, hividianana lamba fetin’ankizy. Eo koa ny fanafody raha misy marary, ny hiatrehina ny fidiran’ny mpianatra ho avy ary ny hanofana tranona mpianatra any an-dRenivohitr’i Vavatenina », hoy ny tantsaha tafaresaka taminay
Ho tonga ny volana oktobra, tokony hisian’ny jirofo, tsy hisy izay sangorina akory satria tsy namoa ity farany. Eo no teraka ny hanoanana. Lavanila tsy nivadika vola. Any amin’ny fanaovana toaka gasy sy lohamenaka ravin-jirofo sisa no hitavandrana. Ny tena nanaitra tamin’ireo fokontany sy ireo nanaovana fidinana ifotony dia ny tsy mbola nisitrahan’izy ireo fanampiana. Na tosika fameno, jiro mora, hazavana ho anao, na vary mora, sy izay rehetra nitetezan’ny Filoham-pirenena faritra, ho fanampiana maimaimpoana ho an’ny vahoaka. Ny maha tany lavitrandriana azy tokoa ve no sakana amin’izany? Dia an-tongotra hatramin’ny adim-pamataranandro roa, telo, hatramin’ny dimy mantsy vao tonga amin’ireo fokontany ireo, miala eo amin’ny lalam-pirenena faha-22 A. Lalan-tany feno fotaka mandrevo, indrindra hakatok’izao oran-dava any an-toerana izao. Ankilany, efa tandindomin’ny hanoanana ny fokonolona. Tapaka efa ho herintaona ny rano fisotro madio amin’ ireo fokontany voalaza etsy ambony ka lasa miverina mantsaka rano eny an-drenirano, izay maloto, ny mponina, toy ny reniranon’ i Iazafo sy Sahavaviana.
Manao antso amin’ny fitondram-panjakana
Manao antso amin’ny fitondrana foibe ireo fokonolona any an-toerana mba hijerena akaiky ny vidim-bokatra, rano fisotro madio ary indrindra ny mba hisitrahana fanampiana avy amin’ny filoha Rajoelina Andry.
Karazan-javamaniry fihinana amin’ny vanim-potoana misy mosary ny hoe “VIA”. Amin’ny vanim-potoana tsara, sakafom-biby, ny omby sy lambo, no hiotazana azy andrahoina miaraka amin’ny ampombo. Nandritra ny fidinana ifotony, efa nahitana olona nitondra ity karazan-javamaniry iray ity ary raha nanontanina dia nambarany fa ho ataony sakafo. « Tsy manana tanimbary firy aho , ny vary tsy voavidy intsony, lafo 3 500 Ariary hatramin’ny 4 000 Ariary ny kilao. Ny siramamy atao amin’ny kafe 7 000 Ariary ny kilao. Ny legioma tsy sahy mividy mihitsy izahay satria 7 000 ka hatramin’ny 10 000 Ariary ny kilao, efa tsy fihinanay aty ambanivohitra ireny. Ny vokatra lavanila no heverinay hamafa an’ izao fijalianay izao kanefa mbola tsy mivoaka ny tetiandro ka ho lasa fatiantoka ny fambolena azy », hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Sajo
Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny olona.
Miisa 7 ny kaominina voakasiky ny tetikasa Lalanay, irahana amin’ny ONG Lalana. Voakasik’izany ny faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony. Entina hanatsarana sy hanamafisana ny fikojakojana maharitra ny lalana kaominaly izy ity. Manara-maso amin’ny fenitra ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Tofoka noho ny fahatapahan-jiro lavareny ny fiarahamonina. Mitokona sy mandoro kodiarana ny sasantsasany amin’ny fokontany eto an-dRenivohitra. Hatreto, tsy mbola nitondra vahaolana manoloana ny zava-misy ny orinasa Jirama. Nilaza ity farany fa miiba ny renirano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, mitarika ny delestazy amin’izao fotoana.
Voaresaka nandritra ny dinik’asa momba ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara ny fandrosoan’
ireo tetikasa vatsian’ny Bad vola. Hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa samihafa ahafaha-manatanteraka ireo tetikasa mba hahazoana vokatra ho an’ny tombontsoan’ny mponina. Tanjona ny hampiasa amin’ny fomba mahomby ny renivola ananantsika hanohanana ny fampandrosoana.
Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy».
Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho an’ny firenena, sady fanoitra iorenan’ny fampandrosoana maharitra. Maneho tantara, dia ny tantaran’ny faritra niaviany, ny fomban-drazana sy ny fahaizan’ireo manao azy…».
Nasongadin’ny minisitra Dewa Viviane, fa nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana taozavatra malagasy nankany ivelany, ny taona 2024, raha toa ka 17 tapitrisa euros izany ny taona 2019. Manodidina ny 18,10% eo ho eo ny salanisan’ny fitomboana isan-taona.
Fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka
Miisa 400 ny karatra matihanina nozaraina ho an’ny mpanao asa tanana. Nisy koa ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Atlantique Group (ATTA), ho fampindramam-bola ny mpanao asa tanana amin’ny zanabola ambany. Ny fanisana ny mpanao taozavatra sy fanohanana fiantohana iarahana amin’ny orinasa IBG. Teo koa ny fiaraha-miasa amin’ ny orinasa Lenka ho fampiofanana ao amin’ny Akany moana sy marenina (Akama).
Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’i Talel Shamim, toniziana manam-pahaizana amin’ny asa tanana. Nizara ny ho avin’ny asa tanana malagasy kosa i Kajaly Audace, tale jeneralin’ny Asa tanana ao amin’ny MTA.
Njaka Andriantefiarinesy
Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, ny fiarovana ny zavamananaina ary ny andraikitra raisina hiarovana ny tontolo iainana izany.
Nohamafisin’ny Airtel ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) azy, hametrahana fampandrosoana maharitra. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Cathérine Tchokonte, fa «tsy miova ny fahavononany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mifandraika amin’ny fisafidianana ny fitaovana teknolojia ampiasaina sy ny fiasa isan’andro izany. Mba hisian’ny tontolo maharitra, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpiara-miasa sy ny tanora malagasy, hananana fitondran-tena sy toe-tsaina manaja ny tontolo iainana. Hotohizana hatrany izany lalan-tsaina izany amin’ireo asa stratejika rehetra ataon’ny orinasa».
Njaka A.
Du 29 juin au 1er juillet, se déroulera la «Fête du cinéma» à l’Alliance française d’Antananarivo (AFT) et ce, en collaboration avec les associations T-Movie et l’ACCM (Association des critiques cinématographiques de Madagascar. Au programme, des projections de films ainsi que des ateliers.
Six films seront à l’affiche durant cet événement annuel, à savoir : «A la recherche du légume star» de Louisette Ratsivahiny, «White Builsing» de Kavich Neang, «Garibou» de Seydou Cisse, «Disco Africa» de Luck Razanajaona, «Lakana» de Lova Nantenaina et «Dhalinyaro» de Lula Ali Ismail. L’objectif est de présenter des films de divers styles, lesquels seront projetés durant la matinée.
Concernant les ateliers, ils se tiendront tous dans l’après-midi. Pour l’association T-Movie, elle dévoilera les coulisses du cinéma dont, entre autres, le cycle de production d’un film, les métiers clés dans la production d’un film et enfin une initiation à l’actorat. Quant à l’ACCM, elle se focalisera uniquement sur la critique cinématographique, un point important dans le monde du cinéma.
Holy Danielle
Après une étape à Salazie (La Réunion) en mai, «Sa.Crée», pièce pluridisciplinaire portée par Vony Ranala et Marion Huet, entamera en août la seconde partie de son périple, cette fois dans la capitale malgache.
«Chaque représentation est unique, nourrie par des ateliers menés avec des femmes autour du thème du sacré féminin, organisés sur les territoires d’accueil du spectacle. De ces ateliers naissent des éléments qui sont ensuite intégrés à la performance. Ainsi, chaque participante devient actrice du spectacle à sa manière», confie Vony Ranala, porteuse du projet Nouvelles Scènes Madagascar (NSMlabo).
En août, Madagascar accueillera «Sa.Crée» avec une série d’ateliers et de représentations prévues à la Cité des Cultures d’Antaninarenina et à La Teinturerie à Ampasanimalo. En attendant cette nouvelle étape, Vony Ranala, tout juste rentrée au pays, a offert un avant-goût de ce projet ambitieux, samedi dernier à la Cité des Cultures d’Antaninarenina.
Joachin Michaël
«Faire découvrir l’importance des archives dans la construction de la mémoire collective, la préservation
de l’identité culturelle et la garantie des droits par les générations futures», c’est l’essence même du circuit éducatif «Educ’tour» inauguré hier à Antananarivo dans le cadre de la Journée internationale des archives.
L’Educ’tour, un parcours à la fois ludique et instructif, a vu la participation des
étudiants au sein de la mention Histoire de l’université d’Antananarivo (parcours Information, Documentation, Archivistique et Muséologie), des élèves issus du Lycée Ambohijanaka, membres du Réseau des écoles associées de l’Unesco (résEAU) et de la presse. «Si un patrimoine documentaire venait à disparaître, c’est toute l’histoire de l’humanité qui s’efface avec. D’où la création du Comité national malgache Mémoire du monde en septembre 2021, dont la mission fondatrice est d’assurer l’identification, la préservation et la promotion de cet héritage du passé», souligne Manda Ravelojaona, secrétaire général de la Comnat-Unesco.
L’itinéraire comprend la visite des Archives royales à Tsaralalàna, inscrites sur le Registre international Mémoire du monde depuis 2009, de la Bibliothèque nationale de Madagascar (BNM) pour y découvrir les fonds manuscrits riche de 10.000 ouvrages, ainsi que les archives iconographiques et l’inestimable trésor constitué de milliers de photographies anciennes de Madagascar dont certaines sur des plaques de verres, des fonds sonores, des cartes géographiques ainsi que des films documentaires. L’Educ’tour a également fait halte aux archives de l’église FJKM à Faravohitra dont le fonds documentaire, amassé depuis l’arrivée des premiers missionnaires en 1823, est estimé à une dizaine de tonnes. Il en est également à Isoraka, aux archives de la mission norvégienne, établie à Madagascar depuis 1872. Enfin, il y a le jeune Musée de la Photographie d’Andohalo mais qui compte déjà plus de 100.000 photographies couvrant plus d’un siècle d’histoire.
«Nous nous mettons un point d’honneur à inventorier, restaurer, numériser et diffuser nos fonds à l’ère de tout numérique. Jusqu’ici, 69.000 photos ont été numérisées sur les 500.000 conservées à la BNM», confie Holy Raveloarison, chef de département pour la conservation, la promotion et la diffusion des documents iconographiques au sein de la BNM.
Pour Ryan Ralainirina, étudiant en 2e année en histoire, le fonds d’archives constitue «des outils incontournables qui nous accompagnent au quotidien dans nos études et notre travail de recherche, pour mieux connaître le passé, comprendre le présent et construire l’avenir».
Joachin Michaël
Depuis le 7 juin et jusqu’au 21 juin se déroule au Flow Gallery à Ivandry, le tout premier Design Fair dénommé « Malagasy Design Gaze ». Sept talentueux artistes participent à cet événement en y présentant des pièces d’exception.
Les artistes malgaches ont du talent. Cependant, la curatrice de Malagasy Design Gaze, Ihoby Rabarijohn, a choisi minutieusement les participants à travers des critères basés sur le travail et la finesse de leurs œuvres. Entre autres, la maitrise de la technique, les matières utilisées… Chaque participant a sa spécificité et propose une exposition de qualité supérieure. Pour dire que Malagasy Design Gaze possède l’esprit de cabinet de curiosité qui présente des pièces rares, fascinantes et surtout belles. Il en est ainsi des sept designers de différents styles qui exposent jusqu’au 21 juin au Flow Gallery à Ivandry. Pour cette première édition, le thème est le «Design vivant», où chaque artiste présente à sa manière ses créativités en relation avec la nature.
Les artistes participants
Habitant au Cambodge depuis deux décennies, le styliste et spécialiste en haute texture, Eric Raisina figure parmi les sept participants, en présentant sept pièces dans lesquelles il évoque les paysages qui lui rappellent Madagascar.
Pour Ando Ramanantsoa, spécialiste en céramique, elle dévoile cinq pièces, où elle réinterprète à sa manière la nature morte.
Saïda Augustine, jeune artiste visuelle, démontre que l’on peut ajouter de la broderie sur les feuilles mortes.
Pour sa part, Chloé Soafaniry travaille toujours sur le tressage traditionnel, tandis que Iandry Randriamandroso propose une série de design graphique où il met en avant la paix et l’amour à travers des signes de main.
Georges Floret et les ateliers d’Analakely quant à eux, présentent leur travail exceptionnel de paravent réalisé avec du mica, des luminaires en quartz.
De son côté, Fanja R. dévoile ses talents en design minéraux, en joaillerie et recyclage.
Enfin, Kiady Ratovoson propose six pièces, dont trois bancs et trois tabourets en varongy et sisal.
Par ailleurs, un programme hors les murs se tient aussi à la Fondation H à Analakely, où des extraits des œuvres de quelques participants à cet événement y sont exposés.
Holy Danielle
Le Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU-JRA) Ampefiloha a délivré le bilan officiel des festivités de Pentecôte, hier.
Dans les deux services d’accueil des urgences, notamment au niveau du service des urgences chirurgicales et le service de réanimation médicale, l’hôpital de référence de la ville a enregistré au total 268 consultations et neuf décès durant les deux jours de fête de Pentecôte.
Au niveau du service des urgences chirurgicales, 245 personnes y ont été prises
en charge durant les deux jours, soit 123 personnes dimanche, et 122 autres le lundi de Pentecôte.
Les accidents à responsabilité civile se trouvent cette année en haut du classement, avec 74 consultations dont 13 hospitalisations. Ensuite viennent les accidents de la circulation qui ont envoyé 58 personnes à l’hôpital, parmi lesquelles, huit ont dû être hospitalisées à cause de la gravité de leur cas. Puis viennent après les accidents domestiques, accidents sur la voie publique et autres…
Au niveau du service de réanimation médicale, les médecins de permanence ont eu à intervenir sur 23 patients au cours des deux jours. Dimanche, sur un homme en coma éthylique et deux hommes et une femme ayant tenté de se suicider, un enfant victime d’une intoxication alimentaire, une femme victime d’un accident vasculaire cérébral (AVC)…
Cas compliqués…
Sur les neuf décès enregistrés, deux ont été notés au service des urgences chirurgicales. Il s’agit d’une personne victime d’une rupture d’anévrisme. Une autre personne est décédée des suites d’un AVC hémorragique. «Les urgentistes se sont confrontés à des patients dont les cas étaient compliqués. Ce qui a conduit à leur mort malgré les interventions médicales», indique-t-on.
Trois décès ont été par contre enregistrés au niveau du Service de réanimation médicale, dont deux femmes décédées le dimanche de Pentecôte, et un homme le lundi de Pentecôte. Les quatre autres décès sont des cadavres qui ont été déposés à l’hôpital durant les deux jours dont deux victimes d’accident de la route acheminées au service des urgences médicales et deux autres au service de réanimation médicale.
ATs.
Nifarana ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Union des photographes professionnels de Madagascar, na ny UPPM. Notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu, Tana Water Front ny lanonana nanamarihana izany, izay nanomezana ny mari-boninahitry ny kanto ireo mpaka sary matihanina.
Samy naneho ny maha mendrika izao fanomezana mari-boninahitra izao ireo nandaha-teny, na ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay nanolotra, na ny mpikambana ao amin’ny UPPM izay notolorana. 4 no nomena ny « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », ka anisany i Fidisoa Ramanahadray, anisan’ireo mpaka sary zokiny. 5 kosa no nahazo ny « Officier » ary 9 tamin’ny laharam-boninahitra « Chevalier ». Ankoatra ireo, nankasitrahana ihany koa ireo mpikambana taloha, izay nitondra ny anjara birikiny tao amin’ny fikambanana.
Zava-dehibe ho an’ny UPPM ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpikambana, izay midika fa manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny asan’izy ireo. Midika ihany koa fa asa miroborobo ny sary pika, ka miavaka tsara ny matihanina sy mpankafy sary fotsiny. Manaporofo ihany koa fa velona sy miaina ny fikambanana, ary anisan’ireo mihetsika indrindra amin’ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Porofon’izany ireo hetsika marobe efa tontosa. Mbola maro koa anefa ny miandry, ary efa natsidiky ny UPPM sahady ohatra ny « Regards croisés de l’Océan Indien » sy ny « Marathon photo » manaraka.
Zo ny Aina
Hanomboka anio ny « Hadimiana Sandratra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, iarahana amin’i Rado Ramaherison, poeta mitady ny very.
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ilay boky « Lahabôlana Betsimisaraka », nosoratan’i Elisé Romuald. Hampahafantarana ny karazana literatiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka izy ity, toy ny rasavôlana, ôhabôlana, angano, korambe, ankanônôno, sns. Narahina seho nanehoana ny kolontsaina betsimisaraka ihany koa izany, tetsy amin’ny Tranombokimpirenena. Tafiditra hatrany anatin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » sy ny hetsika « Tsenan’ny boky » izay nifarana ny sabotsy teo izany.
Nampandalovina tao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina ao Mahajanga, ny nofo mangatsiakan’i Hery Signature, ny alahady teo. Ny alakamisy 5 jona no nodimandry ity mpanakanto, zanak’i Clo Mahajanga izay nandimby azy teo amin’ny mozika ity. Taorian’izay, nihazo an’Ambohimangakely Antananarivo, toerana nandevenana azy ny vatana mangatsiakan’i Hery Signature.
Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy manokana kosa taorian’izay, ary namaly ny filan’ny ireo mpankafy. “Amin’ny fo”, “Tsy avelako”, hoy i Johanne. “Manana finoana”, “Ihafiako”, Mpiarakandro”, ny an’i Njar Marcel. “Silaka fanahy” niarahan’i Nampoina sy i Nate Tex, ary niarahany tamin’ireo mpankafy rehetra. Ampahany ihany ireo, satria samy nanana ny anjara ny tarika tsirairay.
Nandrasan’ny rehetra kosa ny fampiaraham-peo. “Mionona” nataon’i Nate Tex sy Njara Marcel. “Tsy afaka”, nataon’i Njara Marcel, Ayam, Johane ary Nampoina. “Mirary soa”, niarahan’ny mpanakanto teny an-tsehatra. Voahaja ny “Loko iray”, tanjona tamin’ny hetsika, ary tratra ny tanjona, dia ny hizara kanto tsy fahita firy ho an’ny mpankafy.
Zo ny Aina
“Glady”, araka ny heviny. Tsy nitovy endrika tamin’ny taloha, saingy niavaka kokoa ny “Tapôlakaglady”, omaly. Noporofoin’i Rossy fa mbola mitoetra ny lazany, ary manjohy azy hatrany ireo mpankafy.
Niakatra sehatra i Bohery… Izay mpanaraka ny tarika Rossy dia efa mahalala fa kabary no manokatra ny seho amin’ny fomba ofisialy. Tsy kabary mahamonaina fa kabary mampitolagaga, ohatran’ny fanaon-dRamilison Besigara, ray am-panahy iray ho an’i Rossy. Nanaraka avy eo ny feon-kira “Na dia lavitra”, izay nampiditra voalohany ilay seho nomamina ela. “Tapôlaka Glady”, notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Seho izay nametrahan’i Rossy koa fa mbola manana ny toerany eo amin’ny tsenan’ ny mozika, ary manana hatrany ireo mpankafy mpanaraka azy ity andrezin’ny kanto ity. Tsy nitovy tamin’ny “Tapôlaka Glady” taloha, saingy endrika hafa, nivoatra nanaraka ny rivotry ny teknolojia, ary izay no tena naha “glady” ny seho. Sehatra goavambe, efijery misandrahaka, fanamafisam-peo tokony ho raitra, saingy nisy indro kely… Fa indro kely tsy nahasakana ny fiboiboikan’ny kanto nivoaka tao anatin’ny Rossy sy ny ekipany.
“Mbarakaly”. Izay niaina ny vanim-potoana nivoahan’io hira io sy ny “Tapôlakaglady” voalohany dia nahatsiaro ny soradihin’ny Itsingory. Mbola tazana an-tsehatra izy ireo, an-taonany maro taty aoriana. Taorian’izany, iny koa ry Luc Rehava, Up The Rap, ry Naina mpandihy mahatoky hatramin’izay, mbola nanaraka an’i Rossy teo. Teo an-tsisiny teo, tsikaritra koa ry Solo, tery an-kilany ry Josephine… Tarika Rossy taloha, nampian’ireo “zanak’i Rossy” taty afara. Tsy hadinony ny nampiakatra ny Jomak’Ampama, izay loharano nipoirana koa ho an’i Rossy. Nanakoako ny sôvan’Antananarivo, izay efa noentin’ny tarika tamin’ny sehatra avo sy iraisam-pirenena.
“Ikalasoa”, “Hafatra”, “Mbola ho avy”, “Mahatsiaro”, “Bal kabaosy”, sns. Hira nanamarika vanim-potoana avokoa ireo, nanamafisan’i Rossy fa mitoetra hatrany ny sanganasany. Na kely na lehibe, tafaraka samy mpankafy tao Antsonjombe. Samy manana izay hira niainany, satria na ireo relijiozy aza tazana nilatsi-tsandry nandritra ny nanaovan’i Rossy ireo hira katolika sy ireo mihetsika rehetra.
“Roahy fa hariva”. Nanomana an’ireo mpankafy io hira io fa efa hifarana ny seho. Vetivety ho an’ireo tafiditra, kanefa efa tsara homana ela ho an’ny tarika Rossy. Fanomezana fotoana manaraka ihany koa, satria tsy farany iny fa dingana goavana iray. Oviana?
Zo ny Aina
Rendrika tanteraka ny Makis Ladies, nandritra ny andro voalohany niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja rugby ho an’ olona 15 sokajy «performance». Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Andohatapenaka. Resin’ny Liona-n’i Kenya tamin’ ny isa mazava 28 no ho 5 izy ireo. Nofehezin’i Kenya hatramin’ny farany ny Makis ka tsy afaka nikofoka. Tsy nahita irika namakiana ny rindrimbe kenyanina ry Laurence sy Sophie ary Sariaka sy Jinah. 18 mn nilalaovana, nanokatra ny isa i Kenya rehefa nahatonga baolina nentin-tanana saingy tsy voatsara. Tsy nijanona teo fa mbola nanindry baolina indray izy ireo ary voatsara ka nitarika tamin’ny isa 12 no ho 0. Minitra faha-32 vao nahavaky atody ny Makis Ladies, rehefa nahatsindry «essai» i Olivia saingy tsy voatsaran’i Sophie izany ka isa 12 no ho 5 no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, tsy nahatonga baolina tao anaty faritry ny 22 m mihitsy ny Makis Ladies ary tsy nahazo na «hors jeu» iray aza. Vokany, nisesy ny baolina nentin-tanana azon’ny kenianina. «Sahirana ny mpilalao malagasy teo amin’ny fanaovana «dégagement» ka nanome tombony ho an’ny kenianina», hoy i Alain, mpanazatra. Hidona amin’i Ouganda ny Makis, rahampitso alarobia. Ry zareo Ogandezy izay nomontsanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 7.
Tompondaka
Tovovavy 17 taona tamin’ireo mpianatra avy etsy Sabotsy Namehana nikasa hanao voyage d’études, namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly. Nisy naratra ireo namany.
Tra-doza ny fiara nitondra mpianatra ka niteraka fahafatesan’olona iray teny amin’ny RN2, PK 89 +500, teo amin’ny fokontany Ankarefo, kaominina Anosibe Ifody, distrikan’i Moramanga, omaly. Nitondra mpianatra niala avy eto Antananarivo ny fiara Sprinter iray. “Nikasa hanao “voyage d’études” any Fenoarivo Atsinanana ireo mpianatra ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ ny vondron-tobim-paritra Moramanga. Nisongona fiara tsy mataho-dalana tampoka io fiara io kinanjo tsy nahafehy ny familiana ny mpamily. Nifatratra tany amin’ny sisin’ arabe sady nivadika av yeo ilay fiara. Nitera-doza satria voatsindry ny telo tamin’ireo mpianatra. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny iray noho ny dona mafy nahazo azy. Namoy ny ainy izy. 17 taona io maty nandritra ny loza io, araka ny angom-baovao. Naratra mafy ny namany iray hafa.
18 ireo mpianatra
Araka ny loharanom-baovao, miisa 18 ireo mpianatra tao anatin’ny fiara niharan-doza. “Naratra ny iray ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy”, hoy ny fanamafisan’ny tomponandraikitra. Ankoatra ilay tovovavy vao herotrerony nindaosin’ny fahafatesana, tsy misy nahiana ny ain’ireo mpiray sekoly aminy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fifamovoizana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny manam-pahefana. Naiditra ambalampamonjana ny fiara nitera-doza. Naverina nody eny anivon’ny ray aman-dreniny taorian’ny loza ireo mpianatra. Tsiahivina, niseholany ny loza tampoka nihatra tamin’ny mpianatra mpanao voyage d’études tamin’ity taona 2025 ity. Miaina anaty tebiteby fatratra ny ankamaroan’ny ray aman-dreny rehefa tojo io dingana lalovan-janany eo anivon’ny sekoly io.
Tsiferana R.
Nifarana afakomaly, tatsy Zimbaboe, ny atrikasa «Fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA)», ho fampivoarana ny fizotran’ny asan’ny parlemanta. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin.
Nasongadiny tamin’izany fa hojerena ny fomba mahomby sy hanatrarana ny tanjona eo anivon’ny SADC amin’ny traikefa, fanamby ary fahafahana amin’ny fampiasana ny IA ho fanatsarana ny asan’ny parlemanta. Nambarany fa andraikitry ny “Forum Parlementaire de la SADC” ny fametrahana fenitra hanamorana sy hanamafisana ny fandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin’ireo firenena mpikambana. Natsidiny fa miaina feno anatin’ny tontolon’ny IA ny olom-pirenena amin’ny lafiny maro, toy ny fanabeazana, ny asam-panjakana, ny tambajotra sosialy… Manana fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana ny olombelona ny IA ary efa manampy amin’ny sehatra samihafa toy ny amin’ny fitsaboana, ny fandidiana sy ny famokarana fanafody, ny momba ny fiaramanidina, araka ny nambarany. Nanteriny fa sehatra ahafahan’ireo depiote mandinika ny fandrindrana ny IA sy ny fomba mety hampiasana izany hanamafisana sy hanatsarana ny asa ataon’ny parlemanta ny atrikasa tahaka izao.
Nitondra famelabelarana momba an’i Madagasikara manokana tamin’izany ny depiote Ratsiraka Sophie. Notateriny ny fandrosoana sy ny fanatanterahana ny IA eo anivon’ny Antenimiera. Ny fanadihadiana ireo fomba fiasa napetraka, ny vinavina amin’ny fampidirana azy amin’ny asan’ny parlemanta, ny soso-kevitra stratejika. “Manan-danja manokana eo anivon’ny birao maharitra ity tetikasa ity”, hoy izy.
Synèse R.
Nankalaza ny Aïd al-Adha, fetin’ny sorona, ny mpino silamo rehetra omaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka izany ny tapany maraina. Nisy ny nanatanteraka izany teny anivon’ny moske 67Ha, nisy kosa ny teny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka, akaiky ny Kianja Makis. Taorian’izay, notohizana tamin’ny fanaovana sorona ho an’ireo mpino afaka nanao izany ny sehatra. Zava-dehibe io fety io satria ahatsiarovana ny nanaovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, Ismaely. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io hanao sorona ny zanany dia nosoloin’Andriamanitra ondry izany”, hoy ny Mpanolotsaina nasionaly eo anivon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy, Ahmad Najo. “Manaraka ny finoana napetrak’i Abrahama ny mpino silamo satria midika fa mahafoy zavatra tsara ho an’
ilay nahary ny anton’ny fanaovana sorona”, hoy ihany izy. Vonoana ilay biby ary zaraina ho an’ny mpiara-monina, mpiray vodirindrina ary azo atao ny mizara izany ho an’ny mahantra, raha ny fanazavany hatrany. Tokony hitovy avokoa ny olona ary tokony hifety sy hifaly avokoa ny mpino rehetra. Ankoatra izay, tsy nanadino ny fitondrana am-bavaka ny firenena malagasy ihany koa izy ireo nandritra ny fankalazana.
Tsiahivina fa nofaranana afakomaly, tany La Mecque, ny fivahinianana nataon’ireo mpino silamo rehetra maneran-tany, manampy ny maha zava-dehibe ny Aïd al-Adha. Tanjona ny hangatahana famelan-keloka sy fibebahana eo anatrehan’ilay Nahary.
Mino
Nanaporofo ny antoko TGV eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano fa ao anatin’ny tanjany tanteraka ankehitriny. Ny alakamisy teo, marobe ireo nanohina ny antso teny Mandrimena. “Mipetrapetraka ny rafitra ary manaraka ny fenitry ny antoko ny ety Atsimondrano”, hoy ny sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery. Mifanampy ny politika sy ny mpitantana ny firenena mba ho tonga amin’ilay vina Madagasikara tsy maintsy mandroso.
Ny TGV no niantombohan’ny filoha Rajoelina Andry ary manome hasina ny antoko hatrany izy amin’ny fitantanana ny firenena.
Efa nanomboka ny taona 2009 ny antoko TGV ao Atsimondrano. Efa ao anatin’ny fahamatorana ny antoko ankehitriny. Tsy natao hakana toerana fotsiny fa natao hampandrosoana ny eny ifotony, hitondra fanasoavana eny amin’ny fiarahamonina. “Betsaka ny fiovana tsara tao anatin’ny
5 taona teny Atsimondrano. Anisan’ny distrika betsaka mponina ao an-toerana ary tena misongadina ny fivoarana. Miparitaka any amin’ny fokontany sy ny kaominina 26 ny antoko TGV. Ireo ben’ny Tanàna lany tamin’ity antoko ity no betsaka indrindra ao an-toerana”, hoy ny solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry.
Tatiana A
Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal.
Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka fasimainty atsy Mozambika izy, ankehitriny. Niasa amin’ny maha géologue tao amin’ny orinasa Toliara Sands, izay novidian’ny Base Toliara taty aoriana. Nambarany fa efa nisy ny andrana teknika natao ny taona 2006 ary nahomby. Mirefy 10m x 10m ny halalin’ny lavaka natao, ka manodidina ny 70 ny mpiasa nanao ny asa tao amin’ny ozinina andrana, izay mponina any an-toerana ny ankamaroany. Mahatratra 500t ny akoram-pasika nohadihadiana araka ny voasoratra anaty bokin’andraikitra. Nanara-maso ny natao rehetra ny ONE, ny sampana rano sy ala tao amin’ny minisitera, ny WWF. Ny febroary hatramin’ny oktobra 2006 no nanaovana ny asa, ary efa naverina tamin’ny laoniny ny toerana. «Nanaraka ny fenitra rehetra ny asa sy mpiasa. Misy ny fiofanana sy ny fitaovana na fiarovana manokana mahakasika ny «radioactivité». Tanjona ny tsy hifampikasohana ela loatra amin’ireo singa mety atahorana», hoy ihany izy. Notsoriny fa tsy nisy nanana olana ara-pahasalamana na iray aza tamin’ireo mpiasa miisa 70. Nanao fizahana tamin’ny dokotera tsy miankina tany Toliara, nialoha sy taorian’ny asa. Tsy maintsy toeram-pitsaboana mahaleo tena, manana fankatoavana iraisam-pirenena, toy izany, no manao azy. Nomarihiny, fa ahitana singa «radiation» daholo ny toerana samihafa, na ahitana fitrandrahana ambanin’ny tany na tsia. Mihena ny singa «radioactif», rehefa vita ny fitrandrahana fasimainty sy monanzita.
Ny rano
Mahakasika ny rano, nilaza i Valiarimanana Jean-Pascal fa any amin’ny 120 m ambanin’ny ranomasina ny hakana azy. Ary 50 m ambonin’ny ranomasina anefa ny rano ampiasain’ny olombelona. Araka ny voalaza ery ambony, tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny endriky ny tontolo iainana aorian’ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana. Nofintininy fa mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany toy izay hita any Taolagnaro. Misy ny lalana, miroborobo ny fizahantany, ny varotra, miteraka asa, sns.
Njaka Andriantefiarinesy