Tetikasa goavana atao any Toliara ny fananganana vahilava mirefy 5 km any Kiembe. Amin’ny ankapobeny, vita hatrany amin’ny 80% ny asa. Manaraka ny vinavina sy ny fandaharam-potoana napetraka ny fandrosoan’ny asa ataon’ny orinasa China State Construction Oversas Developpement (CSCOD). Famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI).
Mizara roa ny fanatanterahana azy. Fananganana ny tohodrano eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, PK0, hatrany amin’ny PK2,4 ny ampahany voalohany. Fampifandraisana ny vahilava Kiembe amin’ny lalam-pirenena faha-7 (PK2+400 hatreny amin’ny PK4+927) kosa ny ampahany faharoa.
Fiarovana amin’ny fiakaran’ny ranomasina sy ny tondradrano any Mahavatse sy Kiembe ny antony nananganana ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eo koa, ny fanatsarana ny fifamoivoizana ao an-tampon-tanànan’i Toliara manaraka ny morontsiraka. Mampifandray mivantana ny seranan-tsambo sy ny RN7 ity vahilava sady lalana vaovao ity.
Njaka A.
Hotanterahina ny zoma ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny Askam Afa Itasy sy ny Disciples FC Vakinankaratra.
Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta ary hita fa tena nifandanja ny lalao. Samy nahita ny lesoka avokoa ireto klioba roa ireto, ary saika teo amin’ny resaka famonoam-baolina no voalazan’izy ireo fa mbola mila hatsaraina amin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa klioba tompondaka farany, tamin’ny taona 2023 lasa teo, ny Disciples Fc. Hiezaka ny mbola hitazona io anaram-boninahitra io ry zareo.
Sambany kosa ny Askam Afa vao hiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany. Tanjon’ny mpilalaon’Itasy ny haka ny anaram-boninahitra amin’ity taona ity. Ampahatsiahivina fa tokony ho natao ny 19 hatramin’ny 23 avrily lasa teo, teto Antananarivo, ity fifaninanana nasionaly ity, saingy tsy fantatra ny antony nanovana ny toerana sy ny nanemorana azy. Mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024 ity fifanintsanana nasionaly ity.
Marihina fa ny Askam Afa Itasy, ny AC Sabnam Analamanga, ny Ascuf Matsiatra Ambony, ny AS Myeco Anosy, ny Disciples FC Vakinankaratra ary ny Samba DS Diana no hiatrika ny dingana famaranana amin’ity.
Fitia Randria
Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifaninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fizaram-bondrona ho an’ny “Afrobasket 2025”, ka ao amin’ny “Pot 4” no misy ny Ankoay. Miaraka vondrona amin’i Madagasikara amin’izany i Ounganda, Lybie ary i Rwanda. Ny 8 mey izao kosa no hanaovana ny antsapaka amin’ity fifaninanana ity.
Hotontosaina anio sy rahampitso ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « ligue des champions 2025 ». Anisan’ny fifanandrinana handeha anio, any Milan Italie, ny fihaonan’ny Inter de Milan sy ny FC Barcelone, ekipa espaniola. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, ny roa tonta nandritra ny lalao voalohany, izay natao tany Espagne, ny alarobia lasa teo.
Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa voahosotra ho tompondakan’i Allemagne, ny ekipan’ny Bayern Munich. Tsara ny mampahafantatra fa ity no anaram-boninahitra voalohany azon’i Harry Kane, anglisy lohalaharana ao amin-dry zareo Bavaroa. Tsiahivina fa i Harry Kane, mpilalao mamiratra sy sangany saingy tsy mbola nahazo amboara mihitsy raha tsy ity.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany La Réunion, ny katrok’ady “Fight Night”, taranja kick-boxing. Nanana solontena telo lahy i Madagasikara, izay nalefan’ny Lion Force, nahitana an-dRandriatsiresy Tojoniaina, sokajy latsaky ny 60 kg. Izy izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny “combat ceinture” rehefa nandavo ilay teratany renioney, i Refesse Quentin. Ankoatra an’i Tojo, teo koa Andrianantenaina Fabrice, sokajy latsaky ny 67 kg sy Randrianiaina Mickael, sokajy latsaky ny 75kg, izay samy resy avokoa, kanefa nampiseho fahaiza-manao avo lenta. Nanamafy ireo Malagasy mpikatroka fa tena ambony be ny lentan’ny fifaninanana. Azo lazaina nefa fa manana haavo teknika ambony ihany i Madagasikara. Tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny Lion Force, hotanterahina ny 22 jona izao ny “Combat Avenir Chapitre 5”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Manomana sahady ny fifaninanana iraisam-pirenena manaraka ihany koa ny Lion Force.
Mi.Raz
Lasan’ny ekipan’ny UBM Analamanga ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior”, lehilahy. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely indray ny maha andrarezina azy ireo. Lasan-dry zalahy ny lelavola 2 tapitrisa Ar sy ny amboaran’ny klioba.
Tontosa soa aman-tsara tany Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Nandrombaka izany ny ekipan’ny UBM Analamanga, teo amin’ny lehilahy ary ny SBA Matsiatra Ambony, ho an’ny vehivavy. Anisan’ny nahaliana ny mpankafy ity taranja ity ny teo amin’ny “senior”, lehilahy. Adin’ny samy ekipan’ny ligin’ Analamanga mantsy ny famaranana. Nifandona tamin-dry Zigle sy Tianakely ary Luc (UBM) ny klioban’ny PCT, nahitana an-dry Tafita sy Côbra ary Micka.
Tamin’ny isa 13 no ho 5 no nandresen’ny UBM. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely tamin’ity ny maha andrarezina azy ireo. Niraradraraka ny “carreau”, nataon’izy mirahalahy izay nampihoraka ireo mpijery tonga maro na dia efa alina aza ny andro. Niezaka namaly ihany i Tafita saingy tsy nahafeno ilay fanafihana i Côbra izay hita ho tsy tafiditra tao anaty fifaninanana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo fampivondronana voalohany hifantenana izay ho anaty ekipam-pirenena izy telo mirahalahy voalohany tamin’ity.
Ho an’ny sokajy vehivavy, tompon’ny amboaran’i Madagasikara ny ekipan’ny SBA avy any Matsiatra Ambony, nisy an’i Tense sy i Felana ary i Tahiry. Lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2, ry Salima sy Vatosoa ary Sahala.
Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “junior” ny klioban’ny C2BA, nahitana an’i Paingotra sy i Clarito ary i Fanomezantsoa, nanilika an’i Tsiresy, Daddy, Naina, mpilalaon’ny UBM, tamin’ny isa 13 no ho 3. Lasan’ny C2BA, notarihin’i Ndrema, Dadou, Raniry ny teo amin’ny “vétérans” rehefa nandavo ny ekipan’ny CBAF, nisy an’i Mbolanamana, i Mamy ary i Frah, tamin’ny isa 13 no ho 10.
Tompondaka
«Tsy tokony ho olan’i Madagasikara ny mahakasika ny tsy fahampian’ny angovo sy ny delestazy. Antony, fahatelo aty afrika isika amin’ny fananana ireo loharanom-pamokarana herinaratra. Manampy an’izay, manana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny Masoandro sy ny rivotra i Madagasikara. Mbola manana isika ireo akora ilaina, mpamokatra ny angovo avy any ambanin’ny tany”, hoy ny manampahaizana, ny Dr Rakotoniaina Solofo Hery.
Ny olana ho antsika dia tsy maharaka ny tinady ny tolotra amin’ny resaka angovo. Tsy vitan’ny fanjakana ny mandrindra izay. Tsy mahazaka tena amin’ny famatsiana vola ireo mpamokatra angovo ato anatiny izy. Tsy maintsy mila mpamatsy vola avy any ivelany i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany. “Eo anefa no mahaboribory vetaveta ilay olana satria ny vahiny tonga dia tsy maintsy mikatsaka tombony aloha”, hoy izy nanohy ny fanazavana.
Manoloana ny olana sedrain’i Madagasikara, ankehitriny, dia mivoy ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola vahiny ny Malagasy manampahaizana sy ny fanjakana ity mpampianatra mpikaroka ny famatsiana herinaratra eny ambanivohitra sy ny angovo azo havaozina ity.
“Soso-kevitra avy aminay manampahaizana dia ny fitrandrahan’i Madagasikara ny harena voajanahary ananany. Isika dia manana ireo harena ambanin’ny tany maro ilaina amin’ny fiampitana amin’ny filana vaovao momba ny angovo. Ananantsika ny grafita tsara indrindra eto ambonin’ny tany izay azo hanaovana bateria. Mila mahay manararaotra ny varotra ny harena eo am-pelatanana isika. Ankoatra izay, ilaina ny fametrahana mazava ny lalàna mifehy azy ireny hanamora ny fifanarahana mba hahazoan’ny rehetra tombony”, hoy izy namarana ny resaka.
Randria
Le ministre du Tourisme et de l’artisanat, Viviane Dewa a effectué dans ses locaux à Tsimbazaza un rapport de la participation de Madagascar à l’Arabian Travel Market (ATM) qui s’est tenu à Dubaï du 28 avril au 1er mai, stipulant que Dubaï s’avère être un marché très intéressant en matière de tourisme.
« J’ai constaté durant cet événement que les visiteurs ont affiché une certaine volonté à vouloir visiter Madagascar », a-t-elle déclaré, ajoutant que Dubaï ne dispose que d’une vaste étendue de désert, ce qui fait que la Grande île a beaucoup à offrir aux visiteurs issus de ce pays. « Toutefois, Madagascar a aussi beaucoup à apprendre de lui car malgré son handicap en matière de ressources naturelles, il dispose d’une expérience de 20 millions de visiteurs à la clé, surtout que l’économie de Dubaï se base sur trois piliers dont le tourisme, l’immobilier et l’innovation », a soutenu la ministre.
En tout cas, grâce au partenariat avec la compagnie aérienne Emirates, l’exploitation de ce marché n’en sera que plus facile. « Au mois de juin, le président Andry Rajoelina va diriger une délégation malgache à destination de Dubaï pour participer à un forum économique entre les deux pays. Tout comme lors de l’ATM, le ministère du Tourisme et de l’artisanat et Emirates vont coorganiser un networking où les hommes d’affaires sont invités à y assister et profiter de l’occasion pour conquérir ce marché prometteur », a affirmé la ministre Viviane Dewa.
Jean Riana
La météo annonce une forte pluviométrie dans l’Atsinanana dans son bulletin de prévision hebdomadaire. « De fortes pluies allant de 50 jusqu’à plus de 100 mm en 24 heures sont à craindre dans cette région », a indiqué la météo. Par conséquent, l’alerte rouge est lancée dans cette région en prévision des éventuels débordements des rivières, des inondations et de glissements de terrain. Les habitants de cette région sont ainsi priés d’appliquer les prescriptions correspondantes à cette vigilance et de suivre à la lettre les recommandations émises par les autorités.
Sur un autre plan, de rares averses isolées sont également attendues sur les hautes terres centrales, la partie Nord et le centre Ouest, notamment dans l’après-midi. Ailleurs, le temps sera généralement sec.
Dans la foulée, la météo a également annoncé la présence d’une forte houle le long des littoraux du Sud, Atsimo Atsinanana et Atsimo Andrefana. « Les vagues peuvent atteindre une hauteur de 3 m entre Besalampy et Morombe et de 3,5 m à 4 m entre Morombe et Taolagnaro », a fait savoir la météo. L’alerte rouge est ainsi lancée également le long de ces côtes.
Baisse des températures.
A cause de la trace d’un front froid qui persiste près des côtes Est du pays, la météo annonce également une baisse des températures. Elle est prévue sur les parties Centre-est et Sud-est du pays, notamment en début de cette semaine. Les températures minimales varient ainsi de 12°C à 27°C contre 20°C à 27°C pour les températures maximales.
A noter que la présence de ce front influencera généralement le temps sur l’ensemble de la Grande île.
Recueillis par Sera R.
Contrairement à ce qu’on pense, l’extrême pauvreté sévit dans les petites mines à exploitation artisanale, selon le docteur Souleman Ibrahim Andriamandimby, enseignant-chercheur de la mention géologie de l’Université d’Antananarivo, Interview.
. Les Nouvelles : Lors du lancement officiel du projet « Données et preuves pour mettre fin à la pauvreté extrême (DEEP) » à Madagascar, vous avez souligné, en tant que panéliste, que l’extrême pauvreté sévit dans les petites mines dont l’exploitation se fait d’une manière artisanale. Pourquoi ?
– Docteur Souleman Ibrahim Andriamandimby : En fait, ce sont les résultats des études du projet qui soulignent cette constatation d’extrême de pauvreté à travers des paramètres. Parmi ces paramètres on peut souligner l’analphabétisme, un des indicateurs de l’extrême pauvreté. On peut aussi remarquer l’absence d’éducation des enfants où ces derniers sont plutôt utilisés, dès leurs bas âges, à aider leurs parents dans les exploitations des mines. Force est également de constater que les zones à fort potentiel minier sont également celles où l’on observe un niveau de chômage élevé. A tout cela s’ajoute un fort niveau d’insécurité des lieux. Bref, rien que des paramètres qui soulignent l’extrême pauvreté dans les exploitations minières à petite échelle. Plus de 500.000 personnes sont concernées par cette situation, selon le dernier chiffre publié par le ministère de tutelle.
. Face à cette situation, que proposez-vous comme solutions ?
– L’encadrement minier. Concrètement, cela se traduit par le rassemblement des mineurs d’une zone d’exploitation dans une association ou dans des coopératives, non seulement pour qu’ils puissent bénéficier d’une sensibilisation, mais également d’une formation administrative et technique sur leurs activités, notamment sur l’hygiène, la santé et la sécurité au travail et celle de la famille, ainsi que des appuis techniques pour une meilleure exploitation rationnelle tout en se souciant de l’environnement. La mise en place de la sécurité est également une condition sine qua non pour une exploitation en pleine quiétude. Des mesures qui vont les entraîner plus tard dans le secteur formel et leur permettra de bénéficier d’un permis d’exploitation. Et en parallèle à cela, la constitution d’une base de données en statistique du secteur pour un meilleur suivi de son évolution.
. Est-ce qu’on procède déjà à ce genre d’encadrement au pays ?
– Jusqu’ici, on a recensé 44 zones d’encadrement réalisées par le ministère des Mines et des ressources stratégiques. De notre côté, on a étudié deux autres zones d’encadrement, dans les régions Betsiboka et Vakinankaratra, à Antanifotsy. Ces études, réalisées en collaboration avec des étudiants que j’avais encadrés, ont été déjà transmises au ministère.
A noter toutefois qu’au moins 75% des communes sur tout le territoire national ont leurs propres zones d’exploitation minière. Des efforts devront être ainsi menés pour développer ces zones d’encadrement miner.
Propos recueillis par Sera R.
L’association Les Amis de l’Allemagne souffle sa première bougie à travers le festival « Made in Germany » ce 17 mai à la Villa Berlin Ambatoroka. Cet événement se veut un symbole fort de l’amitié entre Madagascar et l’Allemagne, en mettant à l’honneur les échanges culturels et artistiques entre les deux pays.
La journée sera ponctuée d’une performance artistique savamment orchestrée par Albert Einstein Schule et la compagnie de danse contemporaine Rary. Des stands d’exposition de produits germano-malagasy seront également à découvrir in situ. « Une journée unique pour célébrer l’amitié entre l’Allemagne et Madagascar à travers des rencontres, des découvertes et des animations culturelles et sportives », a déclaré Oliver Knoerich, ambassadeur de la République d’Allemagne à Madagascar, lors d’une rencontre avec la presse hier à Alarobia.
En prélude au festival, un tournoi de football amical se tiendra les 10 et 11 mai au Stade Alarobia, réunissant une dizaine d’équipes dans un esprit de convivialité et de fraternité.
Joachin Michaël
Un habitué du rendez-vous périodique « Café-histoire », l’historien de l’art Hemerson Andrianetrazafy abordera ce samedi au Musée de la photographie de Madagascar « L’Eau : imaginaire, représentation et perception dans la peinture malagasy ».
Auteur du livre « La Peinture malgache – Construction d’une identité picturale », réédité récemment à 2.500 exemplaires, Hemerson Andrianetrazafy abordera l’omniprésence de l’eau dans cette discipline artistique, à l’image des sources nichées au pied des arbres, marais impénétrables, lacs endormis, rivières paisibles ou cascades impétueuses, fleuves pressés ou mers démontées.
Il ne manquera pas d’évoquer les liens entre eau peinte et eau vécue, entre imaginaire et réalité, montrant comment ce motif devient un langage pour exprimer la nature, la mémoire ou la spiritualité. A travers quelques œuvres emblématiques, le conférencier proposera également une lecture de l’eau comme miroir culturel, révélateur d’un contexte historique, identitaire et esthétique, mais aussi des tensions entre tradition et modernité.
Cet événement s’inscrit dans le cadre de l’installation monumentale intitulée
«Eau», qui prend ses quartiers à Anjohy jusqu’au mois d’octobre. On peut y découvrir notamment une sélection de plus de 300 photographies historiques, l’exposition photographique « Baobab, source de vie » de Cyrille Cornu et une installation de 21 poteries inspirées d’archives malgaches, proposée par l’artiste céramiste Gloria Rabarison.
Joachin Michaël
Notanterahina tany Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nanatrika izany ny minisitra Volamiranty Mara Donna.
Nanafatrafatra ny mpisehatra amin’ny asa fanaovan-gazety ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, afakomaly, tany Morondava . “Aoka mba ho saropiaro amin’ny asantsika isika. Tsy hamela na iza na iza hamiravira ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara”, hoy izy, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Etsy andaniny, nitondra ny fanehoan-keviny ny minisitra, taorian’ny namoahan’ny RSF ny laharana misy an’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nametra-panontaniana maromaro ny tenany tamin’izany. “Nalaina ve ny hevitry ny fianakaviamben’ny mpanao gazety sa iza no loharano niaingana? Oviana ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana ary teknikam-panadihadiana tahaka ny ahoana no nampiasaina? Aiza ny sehatra nohadihadiana ?”, hoy izy.
Tsy mpanao gazety tokana…
Nanteriny fa ilaina ny fakana ny hevitry ny mpanao gazety maro fa tsy mpanao gazety tokana. Antonin’izany ny mba hananana maridrefy ilazana fa mihemotra na mandroso ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. “Tokony hiainga avy amin’ny mpanao gazety maro anisa ny hevitra maneho ny endriky ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara”, hoy izy.
Namaranany ny lahateniny ny filazany fa tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fampiantranoana ireo hetsika roa lehibe natao teto Antananarivo. Anisan’ny nanome tanana ny fitondram-panjakana tamin’izany ny mpanao gazety, araka ny nambarany.
Synèse R.
Hotanterahina eny amin’ny MPE Nanisana, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana (FEPA), andiany faha-17. Hetsika fampirantiana sy varotra ho fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana. Maherin’ny 130 ireo tranoheva hanehoan’ny mpandray anjara ny vokany.
Haverina ny Fihariana akondro eto Madagasikara. Apetraka ao Brickaville ny valan-tahaka nasionaly hanatanterahina ny tetikasa. Anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara ny akondro saingy nitotongana ny vokatra sy ny kalitao noho ny aretina sy ny fiovaovan’ny toetr’andro izay nahavery toerana an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mahatratra 80 000ha ny velaran-tany hamendrahana fanafody hiadiana amin’ny valala ao amin’ ny distrikan’i Betioky Atsimo, Ampanihy Andrefana ary Sakaraha. Miara-misalahy hanao ny asa ny minisitera mpanatanteraka sy ny IFVM ary ny FAO. Marihina fa mamotika ny fambolena sy ny tontolo iainana ny valala.
Manarina sy mampiroborobo ny tontolo iainana ny honko noho izy singa manan-danja eo amin’ny rohivoahary an-dranomasina. Miaro ny harena voajanahary izy sady mandray anjara amin’ny fidiram-bola sy fiharian’ny mponina. Niara-nisalahy namboly izany, tao amin’ny distrika Maintirano, ny ekipan’ny Talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF.
Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ny Arabe migodana, miainga eto Antananarivo, eny Tsarasaotra (PK0), hatrany Anjozorobe. Natao ny 8 hatramin’ny 17 avrily teo ny fanoritana ny tohin’ny lalana handalovan’ny tetikasa, eo amin’ny PK40 hatrany amin’ny PK80 (Anjozorobe). Notetezina daholo ny toerana, ny vohitra sy tanàna, miainga any Antanetibe-Anjeva, ny faritra atsinanan’Anjozorobe, Antanetibe-Tafaina, Ambohimandroso Avaratra sy Atsimo. Nitohy tany Ambohibezoma, Ambohibeloma-Morarano, Morarano-Ampamoha, hatrany Ambohimanadera misy ny Faritra arovana Angavo.
Nojerena koa ny mety ho sakana lehibe rehetra, ireo teboka na toerana ilaina fitandremana, ireo faritra manan-kasina sy saro-pady amin’ny lafiny sosialy, kolontsaina, ara-tontolo iainana sy ny ara-teknika samihafa.
Nisy ny fihaonan’ny ekipa teknika tamin’ireo solontenam-panjakana eny ifotony sy ny solontenam-pokonolona. Niara-dia, nidina teny an-toerana, ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny orinasa Samcrete manatanteraka ny asa, ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE) ary ny fikambanana miaro ny tontolo iainana (ONG Fanamby) mitantana ny Faritra arovana Angavo. Fantatra fa tsy hahakasika, tsy handalo any amin’ ity faritra ity ny soritry ny Arabe migodana. Tsiahivina fa mitotaly 260 km ny halavan’ny arabe Antananarivo-Toamasina.
Njaka A.
Natao ny 22 avrily teo ny fanazavana momba ny tetikasa Base any amin’ireo kaominina efatra (Tsianisiha, Ankilimaliniky, Maromiandra, Belalanda) voakasika mivantana ao amin’ ny distrika Toliara II, notarihin’ny governoran’Atsimo Andrefana. Tao daholo ny ben’ny Tanàna, ny tomponandraikitry ny Fananan-tany ary ny sefo fokontany. Nanazava tamin’ny antsipiriany ny tomponandraikitry ny orinasa Base Toliara.
Notsipihin’ny sefo distrika Toliara II, Rakotovao Hary Mamy, fa ilain’ny vahoaka eny ifotony ity fanazavana ity, ho an’ny sefo fokontany sy ny ben’ny Tanàna ary ny lehiben’ny boriborintany. Nilaza ny sefo fokontany Mangily, i Manantena Hubert, fa « tena ilaina tokoa ity fotoana nanomezam-baovao ity. Mazava ireo lafiny nampiahiahy sy ny tsaho niely tany aloha, izay naseho anay tamin’ny alalan’ny horonantsary. Toy ny tombontsoa ho azo amin’ny tetikasa, ohatra, mipaka any
amin’ny fokontany tsirairay ». Tsy vahaolana mampandroso intsony ny fanoherana ny tetikasa, fa efa fotoan’ny fiaraha-mientan’ny rehetra izao hanararaotana ny tombontsoa hitondra fampandrosoana.
Njaka A.
Miakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ity volana mey ity. Antony mahatonga izany ny fiakaram-bidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny volana marsa teo.
Nihena ihany koa ny vokatr’ireo mpanondrana manoloana ny zava-misy ara-toekarena maneran-tany izay mandray anjara amin’ ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika. Araka izany, “miova ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy ny vidin-tsolika eto Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny sabotsy teo, tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Na izany, tsy hihoatra ny 200 Ar ny fiakarana hihatra amin’ny vidin-tsolika na ny fidinany, araka ny fifanarahana natao amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), hoy hatrany ny fanazavany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola tsy voafaritra kosa ny fiakaran’ny vidin-tsolika ho an’ity volana ity.
Hihena
Na izany, mety hihena ny vidin-tsolika ho an’ny volana jona sy jolay eto Madagasikara noho ny fiakaran’ny taham-pamokaran’ireo firenena mpanondrana, ny volana avrily lasa teo. “Hisitraka izany ihany koa isika”, hoy hatrany ny minisitra. Nambarany fa maharitra 30 ka hatramin’ny 40 andro ny fahatongavan’ny sambo mpitatitra ka ny vidiny tamin’ny volana avrily izay nilatsaka kokoa no hahazoantsika izany.
Ankoatra izay, mandray anjara feno amin’ny vidin-tsolika ny sandan’ny dolara, ny voalohan’ny volana avrily teo, manodidina ny 4 650Ar ny dolara raha midina hatrany amin’ny 4 450Ar izany amin’ izao fotoana ka izay no hiantraika amin’ny vidin-tsolika ny volana ho avy izao. Tsiahivina fa efa tsy nihetsika ny vidin-tsolika ny volana avrily teo. Vidiana 5 320Ar/litatra ny lasantsy, 4 970Ar/l ny gazoala raha toa ka niakatra 3 030Ar/l ny solika fandrehitra.
Henintsoa
Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Manoloana ny asa fanendahana miharo fandratrana olona eny amin’ny manodidina ataon’ireo jiolahy, nanao fisafoana tanaty elanelan-trano ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR). Nifanehatra tamin’ireo mpandroba avy nanao asa ratsy izy ireo. sarona teo am-pizarana entana ireo olon-dratsy ka anisan’izany i Dinabe. Nikoropaka samy nanavotra ny ainy ireo namany nandritra ny fotoan’ny fisamborana. Nitondra sabatra ary nikasa hamaly ny polisy nisambotra azy anefa i Dinabe. Vokany, voan’ny balan’ny polisy izy ka namoy ny ainy. Nahatrarana ambin’ny entana halatra maromaro teny aminy. Nifanenjehana ny naman’io jiolahy voatifitra io saingy tafaporitsaka tany anaty elanelan-trano. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy. Naterina eny anivon’ny tranom-paty, an’ny hopitaly, ilay maty.
Tsiferana R.
Maty sempotry ny entona mahafaty tao anaty lakandrano ambanin’ny tany, tetsy 67Ha, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina, ny mpiasa efatra mirahalahy eo anivon’ny Apipa. Namoy ny ainy tsirairay tao anaty lavaka izy ireo rehefa tsy nahazaka ilay entona.
Nanadio lakandrano tetsy 67Ha ny dimy mirahalahy eo anivon’ny Apipa, ny asabotsy teo. Nahitana mpandroaka fako telo, sefo mpitarika iray ary teknisianina iray hafa. Tsy nahazaka ny entona tao anaty lavaka ny efatra nidina ka maty avokoa.
“Nanokatra ny saron’ny lakandrano ny iray tamin’ireo mpiasa vao tonga teny an-toerana. Nidina tao anaty lavaka izy niaraka tamin’ny fitaovana saingy tsy niverina intsony”, hoy ireo nanatri-maso. Nantsoina avy aty ivelany fa tsy namaly. Nahita izany ireo namany ka nisesy nidina tao anaty lavaka nefa tsy nisy niverina ihany koa. Farany, nidina tao ilay sefo, rehefa tsy nisy niverina ireo telo lahy, nefa tsy niverina koa. Saika mbola hidina tao anaty lavaka ny iray farany fa tsy navelan’ny olona intsony. Niantso vonjy tamin’ny manodidina avy eo io hamonjena ireo namany tao anaty lavaka. Nosintomina tamin’ny tady ireo niharam-boina, izay naharitra ora iray teo ny fampiakarana azy ireo. Efa vatana tsy nisy aina intsony no hita, nitranga lela sy nivoaka farora-bava avokoa. Manodidina ny 1 metatra sy sasany hatramin’ny 2 metatra eo ny halalin’ny lavaka nidiran’ireto niharam-boina ireto.
Ilana olona ny famindrana ny fitaovana fitrohana rano
“Trohina amin’ny moto-pompe ny rano anaty lakandrano mba hahafahany mikoriana tsara. Tsy maintsy misy olona iray midina any anaty lavaka any mamindra io fitaovana io ho amin’ny lavaka iray hafa”, hoy ny tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’ny Apipa, Rakotoalijaona Tolorantsoa Hajarizaka. Tamin’ny fotoana nanaovana izany no nitrangan’ny loza. “Nahenoana fofona karazana gaz métane tao anaty lavaka. Tsy nahazaka izany ireo mpiasa niditra tao ka namoy ny ainy avy hatrany”, hoy ihany izy. Nomarihiny fa tsy mbola nisy ambana tahaka izao hatramin’izay niasany. Hatsaraina ny fomba fiasa sy ny fitaovana fiarovana ampiasain’ireo mpandroaka fako ireo manomboka izao, mba hisorohana ny loza. Voamarin’ny Institut national des sciences et technologies nucléaires (INSTN) ny fisiana entona manempotra mahafaty tao anatin’io lavaka io. Nisy avy hatrany ny atrikasa sy fivoriana niarahan’ireo rantsa-mangaika, ahitana ny BNGRC, ny CUA, INSTN ary ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany izay mpiahy ny Apipa, taorian’io tranga io.
Mino
Décidément, Kiaka et Iraimbilanja ont fait une démonstration de force hier après-midi à Antsahamanitra lors de leur concert collectif « Mozik’iray ».
Attendu de pied ferme par un public majoritairement habillé de noir, bien caractéristique du rock, Nini et sa bande ont inauguré la scène avec ses tubes, allant des anciennes aux récentes compositions, à l’image de « Fitia Nindramina » et « Rock ‘n’ Roll Namako ».
Alors que l’enthousiasme du public était déjà palpable, Iraimbilanja a fait grimper la température en interprétant les classiques intemporels comme « Tao an-tsekoly » et
« Tsindrimandry ». Comme annoncé, la troisième partie du show a laissé place à un véritable dialogue artistique, durant lequel chacun des groupes a repris les morceaux emblématiques de l’autre, à sa manière propre.
Joachin Michaël