Hatao ny 16 sy 17 oktobra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « La rentrée du jeune patronat ». Hetsika natomboky ny Jeune patronat de Madagascar (JPM), vondrona tanora mpitarika sy mpandraharaha manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. « Tanjona ny hampifandraisana ny tanora mpitantana orinasa, mpampiasa vola, manampahefana ary mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra samihafa. Kendrena koa ny fampivelarana ny tetikasa sy ny fanomezana hery vaovao ho an’ny toekarena », hoy ny filohan’ny JPM, Andriamifidimanana Lilia, omaly, teny amin’ny Galaxy Village Andraharo, toerana hanaovana ny hetsika. Hisy ny “Masterclass” momba ny fahiratan-tsaina artifisialy, ny “marketing digital”, ny famatsiam-bola ary ny toekarena mihodina. “Hifantoka amin’ny lohahevitra Mahita ny anjara masoandro, ny andron’ny 16 oktobra, arahina adihevitra manodidina ny fanomezan-danja ny mpiara-miasa sy ny andraikiny », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny JPM, Andrianavalona Valerie. Hiompana amin’ ny “Misondrota amin’ny maha matihanina” kosa ny lohahevitra horesahina ny 17 oktobra. Hisy ny fifanakalozana manokana momba ny haitao ara-kajy mirindra, ny fitombon’ny varotra, ny “marketing digital”, sns. Miantso ireo tanora, mpandraharaha, mpamatsy vola, ary mpiara-miombon’antoka rehetra ny JPM mba ho tonga sy handray anjara amin’ity hetsika ity. Miantso ireo mpanohana sy mpiara-miombon’ antoka vaovao ihany koa izy ireo.
Henintsoa
Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifampizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy.
Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina tetsy amin’ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc, etsy amin’ny Novotel, io lohahevitra io. Anisan’ny sosokevitra ny fampiasana solika madio sy ny angovo maitso, ny fampiroboroboana ny fitaterana mandeha amin’ny herinaratra, sns.
Nohamafisina ny fahaiza-manao amin’ny fanjonoana « Palangrotte » sy « Palangre », any amin’ ny kaominina Beheloke, Toliara II. Fitaovana tahom-panjonoana vahiny amin’ny ranomasina ireo. Miisa
20 ny mpanjono niofana, ka avy amin’ny fikambanana vovonana LMMA Vezo mitsinjo ny ho avy ny 10 ary avy amin’ny LMMA Vonihara ny 10 ambiny.
Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. Nahatsapa ireo mpanatrika, fa « misy tokoa ny zavatra manan-danja amin’ny tolotra omen’ity banky ity mifanandrify amin’ny filan’ny mpandraharaha, ny orinasa tena madinika na ny salantsalany (TPE-PME). Tsotra sy nohamoraina ny tolotra omeny amin’ny fampindramam-bola ».
Maro ny orinasa miara-miombon’antoka amin’ny Sipem Banque, amin’ny alalan’ny fahafahana mandoa tsikelikely ny vidin-javatra, toy ny Madauto, ny Vmoto, ny Probike, ny CFAO, ny Pharmadiff Solair, ny Solarmax, sns.
Nampahatsiahivina tamin’ity fotoana ity koa ny fanalavana ny fotoana findramam-bola amin’ny tahan’ny zanabola 9 % (Miabo) sy 9,5% (Miabo Flash) isan-taona. Tsiahivina, fa natao teto an-dRenivohitra ny andiany voalohany, tany Antsirabe ny faharoa ary tany Toamasina ny fahatelo tamin’ity hetsika ity.
Njaka A.
Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Madagasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo firenena 16 ao anatin’ ny Sadc. Notsindriany fa efa nataon’ny fitondram-panjakana malagasy laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny indostria, tamin’ny alalan’ny fananganana indostria miisa 57 tamin’ny alalan’ilay tanjona « Distrika iray indostria iray » (Odof). Ho an’ny fanatsarana ny famokarana, tafakatra 12,5 t/ha ny voka-bary, raha 2 t/ha tany aloha. Eo koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina, tamin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa herinaratra avy amin’ny masoandro. Mahakasika ity farany, notsipihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean Baptiste, fa ho dinihina mandritra ity Herinandron’ny indostrian’ny Sadc ity ny fikarohana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena mpikambana. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny sehatry ny fanjakana sy ny tsy miankina. Toraka izany koa ny fifanakalozana traikefa. Nomarihiny fa « mila jerena ny lafiny lalàna, ny fepetra ary ny fenitra, satria hiditra amin’ny fanovana lalina isika. Ho an’i Madagasikara, tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana ny Jirama ny hahazoan’ny 70% ny Malagasy angovo azo havaozina, izay efa manomboka amin’izao fotoana izao ».
Fanamoran’ny fanjakana
Notsidihina ireo tranoheva mandray anjara amin’ity hetsika ity, ahitana ireo orinasa indostrialy malagasy. Nambaran’ny filohan’ny Sendikan’ ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rafalimanana Tiana, fa “tanjona ny ahafahan’ny orinasa malagasy manondrana any ivelany, mikaroka lalambarotra vaovao, ao anivon’ny tsenam-paritra Sadc. Ary izay no ilàna ny fanjakana hanamora an’izay fandraharahan’ny malagasy izay”.
Njaka Andriantefiarinesy
Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. Fikasana ho amin’ny taona ho avy ny hanangana klioba ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona sy latsaky ny 16 taona. Hisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana maro kasaina hatao. Tanjona ny hampiakatra ny lenta sy ny haavo teknika eo amin’ny taranja volley-ball, raha ny nambaran’ny mpanorina ny sekoly. Tsy ampy intsony ny fanazarantena fanao isaky ny sabotsy, ka nikarakara fiofanana naharitra herinandro ny sekoly, ny herinandro lasa teo. Teny amin’ny sekoly Notre Dame Antanimena teo aloha no nanaovana izany fiofanana sy fampianarana natokana ho an’ny tanora mpilalao volley izany. Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana sy amboara tamin’ny fiafaran’ ny fiofanana. Tonga nanotrona ny hetsika ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball.
Mi.Raz
Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki.
Nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fivoriambe ara-potoana Fiba Afrika, natao tany Côte d’Ivoire, ny 25 jolay lasa teo, ny sekretera jeneraly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ralalaharison Tsiry Colombe. Firenena 46 amin’ireo 56 manerana an’i Afrika no tonga nanatrika ity fivoriambe ity.
Hitantara mivantana ny lalaon’ny “Chan 2024”, amin’ireo fihaonan’ny Barea A’, amin’ny haino vaky jery, indray Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea A teo aloha, izay niatrika ny “Can 2019”. Tsiahivina fa efa nitantara ny lalaon’ny Barea ny tenany, nandritra ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie, ny taona 2023 lasa teo.
Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo amin’ny sokajy vehivavy. Vonjiniaina Angelin, Justin Eric, Natolojanahary Ysmael, Razafimahita Volahery, kosa ho an’ny lehilahy. Tsiahivina fa hatao ao amin’ny Kianja Linite, ao Seychelles, ny fifaninanana ho an’ny taranja atletisma, ny 5 – 8 aogositra ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana amin’izao fotoana izao izy ireo. Mpanazatra roa no hanara-dia ireo atleta ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny zoma ho avy izao ny delegasionina malagasy. Marihina fa taranja 8 no handraisantsika anjara, ahitana ny atletisma, ny badminton, ny baskety, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fojamby, ny lomano ary ny volley-ball.
Tompondaka
Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity.
Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ry zareo mialoha ny fiatrehana ity fifanintsanana afrikanina, LDC Caf, ity. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fanomanana sahady ry zareo amin’izao fotoana izao.
Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” (LDC Caf), ny Elgeco Plus de Madagascar. Nohamafisin’ity mpampita vaovao, eo anivon’ny klioba ity, fa mety haka mpilalao avy any ivelany indray ny Elgeco Plus mba ho fanamafisana ny ekipan’izy ireo amin’ny fifanintsanana afrikanina.
Marihina fa sambany vao hiatrika ny LDC Caf, ny Elgeco Plus, raha tany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba hatrany no nifanintsanan’izy ireo teo aloha. Tsara ny mampahatsiahy fa misy an’i Ismail, mpilalao kameroney, milalao ao amin’ ny Elgeco. Mety hisy vahiny tahaka azy ihany koa, araka izany, aoriana kely raha tsy misy ny fiovana farany.
Baraingo ihany ny resaka kianja
Ankoatra izay, mbola baraingo hatrany ny resaka kianja mety handraisan’ny Elgeco Plus ity fifanintsanana afrikanina ity. Ahina ho any ivelany tahaka ny tamin’ny taona lasa izany. Hampiantrano ny fihaonan’izy ireo ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny zava-misy tahaka izany, voatery any ivelany no hatao ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, izay solontenan’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.
Fitia Randria
Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo.
Niainga avy any Cambodge ny hosoka ary tonga tany Iran. Tsy nanohy ny fifampiraharahana intsony ny fanjakana malagasy. Hagagana ny an’ny mpitantana nahita fa nipoitra tamin’ny 20 jolay indray ny raharaha, nahalalana fa nisy mpandraharaha tsy miankina nanohy azy taty aoriana.
Manoloana izany, nametraka fitoriana ny fanjakana malagasy, noho ny fitaka sy hosoka. Mitohy ny famotorana, misy ny olona efa voasambotra ary ao ireo mbola karohina. Anisan’ ny namoahana didy fikarohana sy fisamborana ny teratany malagasy iray, Andriamanarivo Heriniaina Rijasoa, sy teratany indiana iray, Khushwinder Singh. Namoahana didy tsy mahazo mivoaka ny sisintany (IST) eto Madagasikara ihany koa ireo olona roa ireo ary misy koa no efa voasambotra.
Nanotrona ny minisitra Ramonjavelo Valerie ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny mpampanoa lalàna.
Raha ny vaovao fantatra, nisy mpandraharaha nikasa hiara-miasa amin’ny firenena malagasy hitrandraka ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena (Eoropoa, India ary Sina), ka hanolotra fiaramanidina miisa 5. Nijery ireo fiaramanidina ireo tany Sina ny teknisian’ny Aviation civile de Madagasikara (ACM), araka ny dingana ara-dalàna amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voalaza fa taratasy fanomezana laharana (CIP) vonjimaika no afaka omena, nifarana ny 17 avrily 2025, ka hatsaraina ara-teknika atsy Kenya. Nifarana teo ny fifanarahana ary tsy nisy vaovao intsony. Nahazo fampahafantarana anefa ny ACM fa niala tany Cambodge ny fiaramanidina. Tany Kenya no nifanarahana saingy izao voalaza fa any Iran izao. Napetraka ny fitoriana any amin’ny OACI.
Njaka A.
Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana.
Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 jolay lasa teo. Taitra ny fokonolona ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Namofona ratsy tsy lavitry ny toerana nampanahy. Fatin’olona efa simba tanteraka no hitan’izy ireo. Namantatra io olona hita faty io avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany voakasika ary niantso ny mpitandro filaminana. Tsy vaovao amin’ireo mponina, araka izany, ilay namoy ny ainy. Nalain’ny fianakaviany ny razana ka niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary.
Novelesim-badiny hazo
Nosamborina natao famotorana avy hatrany ny ramatoa vadin’io lehilahy hita faty io. Tsy nilamina hatry ny ela ny tokantranon’izy roa ary matetika norahonan-drangahy ilay vadiny, araka ny loharanom-baovao. Tapa-kevitra hisaraka, nihazo ny tanimboly hizara fananana izy roa, ny 15 jolay lasa teo. Raikitra fifamaliana anefa izany. “Nodarohako tamin’ny vato ny filahiany ka lavo izy”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa vadiny. Torana avy hatrany rangahy. Nokapohan-dramatoa hazo ny lohan’ io vadiny io ka tsy nahetsika intsony. “Nihazo ny tanàna aho taorian’izay”, araka ny fanazavan’ilay ramatoa nandritra ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy. Nolazain-dramatoa fa lasa nihazo an’i Mahanoro io vadiny io, rehefa nanontany azy ny mpiara-monina. Hita faty tampoka ilay rangahy roa herinandro taty aoriana. Nosamborina ilay vadiny.
Tsiferana R.
Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Mahatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manangareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina ka hatrany Farafangana. Mirefy 430 km kosa raha hatreo Mananjary. Ampiasan’ny mpitatitra matetika ny avy eo Toamasina mankany Mananjary na Mahanoro – Mananjary vokatry ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomamy makany Farafangana, izay noho ny loto sy ny hamarivon’ny rano.
Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ ireo mpitatitra no nahalalana fa anisan’ny sarotra ho azy ireo ny eo Ambodivotaka, kaominina ambanivohitra Masomeloka, disitrikan’ i Mahanoro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Vohipeno sy Farafangana faritra atsimo atsinanana. Amin’ ireo faritra voalaza ireo, tsy ampy iray metatra akory ny halalin’ny rano ka voatery tsy maintsy hampidinina ny mpandeha mba ho maivana kokoa ny sambo. Zava-doza anefa izany matetika ka tsy maintsy mitady vahaolana mba hivoahan’ny sambo. Tanjona ny hahafahana manohy ny dia. Amin’ny ankapobeny, anisan’ny havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka ny fitaterana amin’ iny lakandrano iny. Hitan’ny mpanjanatany frantsay izany ka nohavaoziny tamin’ny alalan’ny tetikasa lehibe ny taona 1896 -1904, izay fanavaozana ireo lakandrano rehetra mifandray amin’i Pangalana. Nisy ireo frantsay nanampy tamin’ny asa fanamboarana fa ny Malagasy kosa dia tamin’ny alalan’ny asa an-terivozona no nanaovana izany.
Manana herijika
Manana herijika ara-toekarena sy lafiny fitaterana ary fizahantany ny lakadranon’i Pangalana noho izy mifandray amin’ny ranomasina. Nampiasain’ny mpanjanaka nitanterana andevo sy vokatra an-tanety maro isan-karazany sy harena ambanin’ny tany sy an-dranomamy ary an-dranomasina izany.
Toerana manan-danja amin’ny fizahantany ny morontsiraka andalovan’ny lakandranon’i Pangalana. Tsy lavitra ranomasina izay tena mampiavaka azy, toa an’i Toamasina, Andranokoditra, ary Akanin’ny Nofy izay ahitana faritra arovana atao hoe “Palmarium reserve” misy Aye-aye sy Lemuriens. Maro ny mety mampisy fiovana ny anaran’ny Pangalana. Toy ny fahitana renirano roa lehibe samy hafa dia Rasoabe sy Rasoamasay, ireto farany izay tena be fady. Fotoam-pialantsasatra moa izao ka tsara ihany ny manamarika izany ho an’ ny mpizahatany sy ny mpitsangatsangana eny amoron-dranomamy mba tsy ho azon-doza. Mbola amin’izay fizahantany izay ihany dia tsy diso anjara amin’ izany ny ao Ambila Lemaitso, Manambato, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro izay malaza amin’ny fisian’ny trano fandraisam-bahiny amoron-dranomasina sy ranomamy misy torapasika sy “Bungalow” ary toeram-pilalaovana isan-karazany. Tsy latsa-danjan’izany ihany koa ny ao Nosy varika. Ankoatra ny fisian’ny karazam-biby arovana sy ny ala, vakoka mirakitra fahalalana ny tantaran’ny foko Antambahoaka sy fomba amam-panao io Nosy io. Nahatonga renivohitra ara-pomban-drazana an’ i Nosy Varika ao an-toerana ny fomban-drazana fanao isaky ny fito taona na koa hoe Taon-joma (Année Venus), izay hanamafisana ny fanaladiana tanteraka ny ankizy lahy na efa olon-dehibe aza amin’ny alalan’ny fora na fandrangitana mahalehilahy (Rites d’Initiation). Amin’ny ankapobeny, azo lazaina ho fifamoivoizan’ny fizahantany sy mpizahatany ny lakandranon’i Pangalana, tsy maharaka mantsy ny sambo na lakana misy maotera miisa 300 eo ho eo mitatitra olona rehefa tonga ny fotoan’ny “Sambatra”, izay atao isaky ny fito taona ao Mananjary. Ankoatra ny maha fifamoivoizan’ny fizahantany ny lakandranon’i Pangalana, haingana kokoa ny fahatogavana. Raha ho any Mananjary ohatra, tratra alina indroa an-dalana vao tonga raha miala avy ao Toamasina manaraka gondorao, fa raha mandeha lakana manaraka Pangalana dia 24 ora monja ka ao Nosy Varika no matory, raha ilain’ny mpandeha izany.
Trafikana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana
Mandrafitra ny morontsirak’i Madagasikara ary afaka mampifandray renirano maro ny lakandranon’i Pangalana. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona raiamandreny iray tao Vatomandry ary mbola nisy nanamafy koa tao Mahanoro, lasa fivezivezen’ny mpanao trafika maloto izy io amin’ izao, toy ny fitaterana taolam-paty, zava-mahadomelina ary fitaovam-piadiana mihitsy noho ny fisian’ny baranahina eo amin’ny seranana, indrindra amin’ ireny fiantsonana madinika ireny “embarcadera”. Nohamafisin’ ireto raiamandreny ireto fa lasa varavarana ifandraisana malalaka avy amin’ny sambo lehibe avy any ivelany mitondra zavatra tsy ara-dalana na koa hanondranana zavatra tsy ara-dalana avy eto amintsika ny lakandranon’i Pangalana noho izy misy fifandraisana akaiky amin’ny ranomasina sy ireo renirano maro be manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny mpitandro filaminana izany kanefa dia avy amin’ io ny lakandrano io ny fitanterana an’ ireny Cocaïne sy Héroïne hatramin’ny rongony vao tonga any an-drenivohitra, hoy hatrany ireo nanaiky noresahina. Fa amin’izay lakandranon’i Pangalana izay ihany, tsy voakarakara sy maloto ity lakandrano manana ny tantarany amin’ny lafin-javatra maro eto amintsika ity ankehitriny, raha tsy ilaza ny hita etsy amin’ny port Fluvial Manangareza, izay feno menaka sy loto avy amin’ ireo orinasa manamorona azy.
Nanatontosa : Sajo
Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafantarina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona.
Miasa andro aman’alina ny mpiasa amin’ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Voakasik’izany ny ampahany eny amin’ny fihodinana Tsimbazaza hatrany Ankadilalana, ny manodidina ny fidirana eny amin’ny hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ny arabe eny Andavamamba mankany Ampasika.
Nisokatra ny 24 jolay teo tany Mahajanga ny « Tsenan’ny asa tanana », andiany faharoa. Miisa
40 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny mpanao taozavatra any an-toerana sy ivelan’i Mahajanga. Manatontosa azy ny Gescod sy ny Vondrona eoropeana (UE). Hita mandritra ity tsenabe ity ny vokatra vitan’ireo mpiofana nametraka ny marika « Maroloko ».
Nitsidika tany Toliara, nandritra ny 4 andro, ny ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo, ny tapaky ny volana jolay teo. Anisan’ny nanatrika ireo fivoriana maro, nandritra ny Fikaonandoham-paritra ara-toekarena ho an’Atsimo Andrefana (FER) ny tenany. Maro ny tetikasa tohanan’ i Etazonia sy ny fampiasambola amerikana any an-toerana, toy ny Energy Fuels, vao nividy ny tetikasa Base Toliara, ohatra. Nohamafisin-dRtoa ambasadaoro Pierangelo, fa tsy maintsy manaraka fenitra hentitra amin’ny mangarahara sy ny fahitsiana i Etazonia sy ny firenena mpampiantrano azy ireo. Tsy maintsy manaraka ny lalàna amerikana sy ny lalàn’ny firenena mpampiantrano ihany koa izy ireo. « Mampifanakaiky an’i Madagasikara amin’i Etazonia ny fisian’ireo fampiasam-bola amerikana », hoy ihany izy.
Tsapa fa liana sy vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any Toliara, ny tanora, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena, sns any an-toerana. Nihaona tamin-dRtoa ambasadaoro koa ireo mpiara-miombon’antoka efa nisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikana. Nitafa tamin’ireo maintimolaly ny Akademia iraisam-pirenena momba ny fampiharana ny lalàna, tohanan’ny International Law Enforcement Academy (ILEA). Noresahana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ ny kolikoly ary ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary.
Njaka A.
Mivoatra ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny tontolon’ny fitaterana. Nampahafantarina ny 23 jolay teo, teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) Anosy, ny Tawi-Owayzz, rindran’asa amin’ny alalan’ny finday (application). Fitaovana vaovao ahafahan’ny mpandeha iraisam-pirenena migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misafidy sy mamandrika fitaterana taxi ara-dalàna mialoha. Fantatra avy hatrany ny saran-dalana aloa arakaraka ny toerana alehan’ny mpandeha, ka aloa amin’ny alalan’ny fomba niomerika azo antoka.
Tanteraka ity tetikasa ity, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa Taxi ara-dalàna Ivato (UCOTI), ny orinasa Ravinala Airports ary ny Fintech Vanilla Pay International. Tanjona ny hanatsarana, ny hanamorana ny fandraisana ireo mpitsidika sy hanamafisana ny fandrindrana ny sehatry ny fitaterana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo.
Dingana lehibe amin’ny fivoaran’ny tontolo niomerika ho an’ny daholobe eto Madagasikara ny Taxi-Owayzz. Mampitombo ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ihany koa sady hanehoana ny maha matihanina ny mpamily.
Njaka A.
Ankoatra ny fandoavana ny haban-tseranana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany ihany koa ny ladoany. Nahatratra 14 ny fanagiazana biby arovana teto amintsika.
Natao teto Antananarivo, ny 23 sy ny 24 jolay teo, ny atrikasa famintinana ny tatitry ny Firaisankina afrikanina mahakasika ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko, hetsika “Sama”, andiany faharoa. Tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny ady amin’ny rongony sy ny heloka bevava (Onudc), ny Vondrona eoropeana (UE), ny firenena frantsay ary ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fadintseranana (OMD). Miisa 35 ny firenena afrikanina miara-misalahy ao anatin’ny “Sama”.
Miisa 104 ny fanagiazana natao tao amin’ny firenena 19, ka biby arovana ny 69% tamin’ireo biby tratra. Toy ny elefanta, ny « pangolin », ny sokatra, sns. Ho an’i Madagasikara, miisa 14 ny fanagiazana natao, ka anisan’izany ny fahatratrarana sokatra izay tsy hita afa-tsy eto amintsika, efa tena atahorana ho lany tamingana.
Antony telo lehibe no nahazoana ireo vokatra voatanisa rehetra ireo. Voalohany, noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena afrikanina. Faharoa, ny fifanakalozam-baovao teo amin’ny sampandraharaham-pitsikilovana sy ny Fadintseranana. Fahatelo, ny fomba fanao matihanina sy mazava. Satria, noho ny fampitam-baovao ny 44%. Tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso mahazatra andavanandro ny 33%. Tamin’ny alalan’ ny famantarana mialoha sy fiahiahiana ny 14%. Ary noho ny fisavana tampoka atao amin’ ny entana samihafa ny 9%.
Hanomboka amin’ny 1 janoary 2026 ny dingana fahatelo amin’ny hesika “Sama”, ny ady atao amin’ny biby arovana aty Afrika.
Tsiahivina, fa anisan’ny biby arovana tratra tany Thailandy ny sokatra maherin’ny 900 sy varika miisa 37, sisa velona. Efa tafaverina eto Madagasikara izy ireo ny desambra 2024 teo. Tsy mbola foana ny tambajotra mpanao trafika, na efa maro aza ny olona tratra manao azy.
Njaka Andriantefiarinesy
Fahatapahan-jiro sy rano. Nitokona sy nidina an-dalambe ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité Ankatso II, afakomaly maraina. Nandoro kodiarana sy nanao ny sakan-dalàna izy ireo. Nanome 48 ora ny tomponandraikitra mba hamahana ny olana. Hahery vaika ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana.
Lehilahy iray manodidina ny 45 taona naratra mafy voadonan’ny fiara sprinter iray teny Andrangaranga Arivonimamo II, afakomaly atoandro. Tapaka ny tongotr’ilay niharan-doza. Nandositra ilay fiara.
Ramatoa 69 taona kilan’ny afo tao an-tranony nandritra ny fahamaizana niseho tao amin’ny fokontany Andrafiamivory, kaominina Anketrakabe, faritra Diana, afakomaly maraina. Niezaka nanavotra azy ireo manodidina saingy tsy tana ny ain’io lasibatra io.
Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha mahakasika ny fanindronana antsy olona teny Andoharanofotsy, ny 19 hifoha 20 jolay 2025 lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray nahavita nanindrona antsy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy lanonam-pianakaviana teny Andoharanofotsy ny alin’ny 19 hifoha 20 jolay 2025 teo. Rehefa niakatra ny tahan’ny alikaola, nifampively tamin’ny tavoahangy ny lehilahy roa mpizaodahy. Nandray antsy ny iray ary nanatsatoka izany tany amin’ilay zaodahiny. Voatsindrona teo amin’ny lamosiny sy ny sorony ilay niharam-boina. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy taorian’ny tranga. Nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria avy amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, taorian’ny antso. Nosamborina ary nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary ilay nahavon-doza.
Raha ny fantatra, tsy nifankahazo hatry ny ela ireto mpizaodahy nifamono ireto. Nifampiandry kendry tohina ary izao niafara tamin’ny tsindron’antsy teny an-toerana izao. Nanana ahiahy momba ny fihetsiky ny zoadahiny io voatsindrona antsy sady voavely tavoahangy io talohan’ny ady. Nametraka fitoriana fiandry noho ny fandrahonana ho faty teny amin’ny biraon’ny Zandary izy, ny volana marsa 2025 lasa teo. Efa-bolana taty aoriana, niharan’ny tsatok’antsy sy vono nataon’ilay zaodahiny tokoa izy.
Mino
Voasambotra ny olon-dratsy nangalatra finday sy kapan’ ireo mpivavaka tao amin’ny Mosquée Ambolokandrina, ny 22 jolay tamin’ny 09 ora alina. Nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ io olona io ny polisy nanao ny asa fiambenana tao amin’io fiangonana io ka nisambotra azy. Niezaka handositra niaraka tamin’ireo entana nangalariny io lehilahy io saingy tsy lasa alavitra. Nentina natao famotorana izy. Olon-dratsy iray hafa koa, tratran’ny polisy rehefa saika hamaky tranonon’olona teny Ambohipo, afakomaly. Ren’ny tompon-trano ny fisian’ ireo mpanao ratsy ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo. Nosamborina sy nentina teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany io olon-dratsy io. Ankoatra ireo, vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy teny Analamahitsy, ny 25 jolay teo. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorona.
Mino
Maty tsy tra-drano, voatrongin’ny kamiao ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny sabotsy alina. Teo anelanelan’i Tsinjony sy Ambalavao, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany.
Tra-doza teo amin’ny PK27+700, anatin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’ ny 8 ora sy sasany ny kamiao mpitatitra entana niainga avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Antsirabe. “Nitondra entana ilay fiarabe. Nisy olana teo amin’ny hisatra araka ny fitantaran’ny mpamily ka nifatratra tany amin’ny trano amoron’arabe”, hoy ny fanazavan’ ny kaomandin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatofotsy. Renim-pianakaviana iray mpivarotra tao anatin’ilay tsena amoron-dalana lasibatra tamin’io loza io. “Efa nihidy ny tsena saingy nijanona tao ambany rihana izy ka voatrongin’ilay kamiao”, hoy ny fanazavana. Nidina ifotony avy hatrany, nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nosokirina tao ambanin’ny kodiarana ilay ramatoa. Nifamonjena nentina teny anivon’ny HJRA Ampefiloha ity farany saingy tsy tanà ny ainy.
Atao andrimaso
Nosintomina tamin’ny mpamily ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara. Notazomina atao andrimaso izy ary atao famotorana eo anivon’ny zandary. Naiditra am-balam-pamonjana koa ny fiara. Tokana hatreto ny antony voalaza fa niteraka ny loza. Olana teo amin’ny hisatra izany. Na izany aza, miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana. Miseholany rahateo tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny tsy fitandreman’ireo mpampiasa lalam-pirenana na eo aza ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminana misehatra amin’ izy ireny.
Tsiferana R.