Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sycavi, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana tetsy Antanimena, ny herinandro lasa teo. Olona efatra amin’ny dimy no miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara nefa tsy mahafantatra izany akory, raha ny antontanisa navoakan’ny ONUSida tamin’ny 2023. 22 % ny olona mitondra ny tsimokaretina kosa no mahafantatra, raha ny tatitra hatrany. 76 000 ny olona vinavinaina ho mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. 26 703 no fantatra sy hita ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao fotoana izao, raha ny antontanisa navoakan’ny “Programme national de lutte contre les IST et VIH/Sida” (PNLS), tamin’ny desambra 2024. Mbola misy olona manodidina ny 50 000 isa eo ho eo karohina.
Olana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fitaovana hiarovana sy handraisana an-tanana ny olona ary ny tsy fahampian’ny fitaovana fanaraha-maso ireo marary, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Mbola misedra olana amin’ny lafin-javatra maro ny olona, indrindra ireo olona tena tandindomin-doza (PCPER) ary ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana. Nanontaniana tamin’izany ny vondron’olona tiliana manokana, mety hamindra ny tsimokaretina. Eo ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina izay mampiasa fitaovam-pitsindromana, mpampanofa tena, ireo miara-miaina miaraka amin’ny VIH/Sida, ary ireo olona mitovy fananahana manao firaisana ara-nofo. Nambaran’izy ireo fa maro ny olana mbola sedrain’ny vondron’olona tiliana samihafa, mahakasika ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Olana mivoitra indrindra tamin’izany, ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fahalalana ary ny fitaovana entina hamaliana ireo filan’ny mpisitraka. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny valin’ny fanadihadiana fa nisy tsy fahampiana ireo sampandraharaha mandray an-tanana nandritra ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Efa nisy kosa ny fanatsarana nataon’ireo tomponandraikitra taorian’ny antso avo nataon’ireo mpiantsehatra teo anivon’ny tetikasa.
Ilaina atao ampy ny fitaovana fiarovana
Tsy misy dikany ny fanentanana raha toa ka tsy misy ny fitaovana fiarovana. Vahaolana lehibe ny fahampian’izany. Hamoraina ihany koa ny fanaovana fitiliana, mba hahafahan’ny tsirairay mahafantatra na mitondra ny tsimokaretina izy na tsia, raha tiana ho tratra ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. “Tokony efa ho vonona ny fitaovana fanaovana fitiliana io rehefa misy olona anankiray hanatanteraka izany”, hoy ny Dr Ravelohanta Mananaharisoa, mpandrindra ankapobeny ny tetikasa Sycavi. Tokony hitohy foana ny fanentanana, aorian’ny fahafantarana ny valin’ny fitiliana. “Raha toa ka voan’ny tsimokaretina ilay olona dia tokony hisokatra sy hisitraka maimaimpoana ny fanafody ARV izy”, hoy ihany izy. Mila tohizana foana ny fanaraha-maso ilay marary sy ny fandraisana an-tanana tokony atao aminy, rehefa mihinana ilay fanafody. Tanjona amin’izany, ny mba hahafahana misoroka ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida. Manoloana ny fanilikilihana sy fanavakavahana, zava-dehibe ny mampianatra ny olona tsirairay avy. “Toy ny olon-drehetra ihany ny olona mitondra ny tsimokaretina ary manana zo hisitraka tahaka ny olon-drehetra ihany ary manana ny zo hisitraka ny zo hahazo fitsaboana ara-dalàna”, hoy Dr Rasolofihanitra Toavina Jhon, avy amin’ny firaisamonim-pirenena (organisation de la société civile). Nambarany fa hita sy tsapa fa zava-dehibe ny fampianarana ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny VIH, mahakasika ny fivoarana rehetra manodidina ny aretina.
Mitsangana ny OPP Mada
Betsaka ny mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida. Nijoro ny OPP Mada, natao hivondronan’ireo mpiantsehatra fiarahamonim-pirenena mba hanamorana ny fandrindrana, ahazahoana angon-kevitra mirindra sy milamina mahakasika ny fanadihadiana atao amin’ny ady amin’ny VIH/Sida. Fototra telo no ijoroan’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Eo ny eny anivon’ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ny fiarahamonim-pirenena. Hatramin’izao, afaka misitraka torohevitra isan-karazany tokony alehan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina.
Voasazy ny olona mikasika zava-mahadomelina raha ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka indray, mijery ny fomba rehetra ahafahana mitsabo ireo olona ireo izy ireo. “Izahay ato anatin’ny fiarahamonim-pirenena, dia mijery ny vahaolana, sy mankahery ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina ireny”, hoy ny filohan’ny OPP Mada, Firinga Johnson Victorius. Nambarany fa apetraka amin’izany ny fifampitokisana, lazaina aminy fa tsy mety ny “seringue” tokana ampiasaina ary omena “seringue” hafa izy ireo. Tarihina amin’ny fialana tsikelikely amin’ny resaka tsindrona izy ireo rehefa mifampatoky. Mba hialana amin’ny fanagadrana azy sy ny maro hafa. Ezaka ataon’ny OPP ny milaza ireo olana rehetra misy sy hitadiavam-bahaolana mahakasika izany.
Nanatontosa : Mino
Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana izany”, hoy izy.
Nambarany fa mifandray tsy tapaka amin’ny fitondram-panjakana malagasy koa ny fanjakana frantsay amin’ny firosoana izany. Mbola nohamafisin’ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, teny Ivandry koa izany. Tsiahivina fa mpanjakan’i Madagasikara ny Ampanjaka Toera. Tena martiora izy ka fotoana iray hampisehoantsika ny mampitambatra ny Malagasy ny fotoana hiverenan’ny kabesony eto Madagasikara, araka ny nambarany. “Mendrika ny hanaovana lanonana ny fahatongavany satria manana ny hajany tokoa”, hoy izy.
Synèse R.
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera.
Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno ny fepetra, araka ny tapaky ny kongresy rezionaly ny volana mey teo”, hoy izy ireo. Mbola notsiahivin’ity sendika ity ny masontsivana amin’ny fanendrena ny fitalevana ny MEETFP Atsimo Atsinanana. Anisan’izany ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritra. “Mahalala sy manana vina hampandroso ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manaja ny maha olona ary midina ifotony mamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana”, hoy izy ireo.
Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra izy ireo mba hijery izao olana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izao.
Fampidirana resaka politika
Takin’ity sendika ity koa ny hampitsaharana tsy misy hatakandro ny fampidirana resaka politika eo anivon’ny minisitera. Nohitsin’ny fanambarana fa mifanohitra amin’ny maha kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny MEETFP. “Fanapotehana anefa no misy aty Atsimo Atsinanana tao anatin’ny roa taona. Ataon’olom-bitsy fitaovana politika ny fanendrena mba ahafahana manao tantely afa-drakotra”, hoy ihany ny fanambarana nosoniavin’ny mpandrindram-paritry ny sendika MEETFP Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Celestin.
Tsiahivina fa efa vita ny herinandro teo ny famindram-pitantanana ny talem-paritra any an-toerana ka nandraisan’i Aina Perle Hortense izany toerana izany.
Synèse R.
Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana.
Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. Ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy, tao amin’ny fokotany Ankirihiry parisela 11/55, nandritra ny fahatapahan’ny herinaratra, nandihizan’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray. Renim-pianakaviana sy ny zanany vavy irery no tao an-trano. Tsy sakana tamin’ ireo jiolahy ny hamafin’ny lakoro sy ny hidin-trano fa tafiditra ihany ry zalahy. Vokany tafiditra ihany ireo jiolahy izay efa vonona tamin’ny jiro fanao am-paosy, miampy matraque napoapoaka manerana ny efitrano hany ka tsy afa nihetsika sy namaly izy mianaka. Norahonana mba hamoaka vola ka namoaka lelavola 15 tapitrisa Ar. Nolazain’ireo olon-dratsy fa mbola tsy ampy ka norahonany haolan’ izy ireo ny zanany vavy na izy reniny. Tsy sahy indray ireo jiolahy ka nandroaka izay tiana entina, finday, famantaran’ora amin’ny tanana sy mipetaka ain’ny rindrina, firavaka volamena kojakoja tao an-dakozia.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray manao ny asany andavanandro maka henan’omby tao amin’ny labatoara, vao omaly maraimbe, no norobaina andian-jiolahy. Nihevitra ireo andian-jiolahy fa mitondra vola ity raim-pianakaviana mpividy ilan’omby ity. Vokany, tsy nahitana afa-tsy vola
10 000 Ar tamin’ ilay rangahy ka nanalan’izy ireo hatezerana. Nodarohan’ireo jiolahy izy ka naratra.
Tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Analakinina hopitalibe ihany koa no nidirana mpangalatra. Tsy afaka nanokatra varavaran-trano ireto andian-jiolahy tamin’ ity hany ka siny sy koveta ary bidao, izay nanatazana ranon’ orana teo an-tokotany no tsy nisy niaingana fa lasa daholo. Notapahin’ izy ireo ihany koa ny papay maniry eo andakoro ka nalain’ izy ireo dahol
Sajo/J.C
Voasokajy ho anisan’ny sakafo ara-panahy ny mozika. “Mihira ny olombelona rehefa te hifanakaiky sy hifandray amin’ny Zanahary na amin’ny zavatra hinoany”, hoy Randrianarisoa Germain na Rajery Valiha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny mitsabo ny olana ara-tsaina ihany koa izany. “Miteraka fihetseham-po ny mozika ka anisan’ny faritra voakitika amin’ izany ny loha sy ny fanahy izay mampidoboka ny fo ary mampibitaka ny tapany ambany amin’ny vatana », hoy ihay ity mpanakanto ity. Misy koa ny mozika izay resahina ao anatin’ny fitsaboana. Haverina ao amin’ny tontolo ara-dalàna sy ny fiainana andavanandron’ny olona manana fikorontanana ara-tsaina izany.
Etsy ankilany, “fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto ny mozika satria malalaka izy amin’ny famoronana ny tonony sy ny feony”, raha ny nambaran’ity Malagasy mpihira ity. Mila arindra tsara anefa ny feo sy ny mozika mba ho lasa zavakanto, raha ny nambarany ihany. “Mpitondra sy mpampita hafatra ny mpanakanto ary mpanabe sy manodina ny lohan’ny olona hanaraka ny zavatra tiany hambara sy hampitainy”, hoy Rajery. Ankoatra izay, fomba iray ahafahana misintona lohahevitra na gadona na fomba isan-karazany amin’ny famoronana ny fahalalahan’ny mpanakanto ny mozika. « Malalaka izao ny mpanakanto iray raha mitrandraka ny hira avy any Atsimo na Avaratra kanefa izy mipetraka eto anivon-tany”, hoy ihany izy.
Azon’ny mpankafy ny tian-kambara
“Tsy voatery hazavaina amin’ny vahiny mpankafy sy mijery ny fampisehoana ny tononkira fa azony hoazy foana na dia amin’ny teny amin’ny Malagasy ranoray aza”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Midika izany fa azon’ ny mpankafy foana ny tian-kambara sy ny hafatra tian-kampitaina amin’ny alalan’ny gadona sy loko ary ny herijikan’ny hira omen’ny mpanakanto azy eny an-tsehatra. Teraka tao anatin’ny feo ny zazakely, ary miampita any aminy avy hatrany ny hafatra rehetra. Amin’ny ankapobeny, faly na mitomany izy ireny rehefa mihaino mozika. Heverina fa manana olana ara-pahasalamana ny zaza raha toa ka tsy misy fihetseham-po. Manoloana izany, azo sokajiana ao anatin’ny mozika noho izany ny feo. Ohatra, ajanona avokoa ny zava-maneno rehetra ao an-trano rehefa misy fahoriana. Voafetra ihany anefa izany raha ny nolazainy.
Efa nolovaina ny naha mpitendry
Anisan’ny tia mitendry Rajery. Sivy mianadahy mpiray tampo izy ireo ny zanaky ny ray aman-dreniny ary faralahy izy. Nambarany fa efa mpitendry valiha ny zokiny lahimatoa. Mitendry gitara sy manao teatra ny sasany amin’ ny mpiray tampo aminy, raha ny nambarany ihany. Mpanakanto avokoa ny manodidina azy. “Hitako ny fitendrin’io zokiko io valiha ary tena babon’ ny feony sy ny endriny aho ary niainga teo ny faniriako hianatra mozika”, hoy ihany izy nanazava. Nanomboka nampiana-tena sy nianatra niafina izy, raha ny fitantarany. Tsy maintsy nisy foana ny fianarana fa tsy nahay fotsiny tamin’ izao na teo aza ny fanomezam-pahasoavana tao anaty.
Namela fahatsiarovana tsara sy ratsy
Nanomboka nitendry valiha teo amin’ny faha-15 taonany i Rajery. Niakatra an-tsehatra voalohany tetsy Antanimena ny taona 1983, izay tao anatin’ny Tarika Tsilavina. Hira nalaza tamin’izany, ny hoe : « Hay ve e ! Efa tralala a ! », noforon’i Randria sy Guy Rose. Tafara-dia tamin-dRakoto Frah indray ny taona 1986. Nanomboka namorona teknika fampianarana valiha ny taona 1989. Nanangana ny Tarika Akom-baliha ny taona 1991 ary teraka teo ihany koa ny anarana Rajery fa taty amin’ny 1992 vao tena nandeha irery. Nivoaka voalohany tany ampitandranomasina ny 1992 ka hatramin’izao fotoana izao.
Nivoaka voalohany ny taona 1992 tatsy amin’ny Nosy Comores. « Nijanona ela tao amin’ny nosy Comores. Sambany teo amin’ny fiainana izany nandeha fiaramanidina. Tany France ny taona 1993. Nisian’ilay teny hoe: « Tolory tanana Rajery » ny taona 1993. Notronin’ny mpanakanto marobe izay mbola hisaorako azy ireo ny fanotronana tamin’izany fotoana izany toy ny Iraimbilanja, Ricky ary Bodo sy izay tsy tadidiko. Nony tonga tao France avy niverina avy tany Etats-Unis izay nilazana fa nahazo ny « Prix RFI Lauréat 2002 ». Tsy nino ary tsy nieritreritra ny hibata izany loka goavana be izany. Ny fiarahana tamin’ireo mpihira malaza be izay noheveriko fa nanokatra ny fijeriko tao anatin’ny mozika satria ny fianarana tsy mety tapitra mihitsy. Ny tontolon’ny mozika izany tsy tokony ho tontolon’ny mahaihay fa tontolon’ny mahafehy ny asany. “Tsindriako fa tsy tontolon’ny matihanina ny fiteny fa tontolo mahafehy ny asa. Na ny matihanina aza tsy fantatro izay dikany. Satria fivelomana kanefa maty ny hery aloha dia inona ilay hanina ?”, hoy Rajery Valiha.
Nanatontosa : Mino
Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity.
Zava-dehibe tokoa ny fifanintsanana rezionaly tahaka izao, hisolo tena an’Analamanga, mandritra ny fifanintsanana iraisam-pirenena izay mendrika amin’izany. Araka ny fanazavana azo ihany, efatra isan-tsokajy no afaka hiakatra amin’ny dingana nasionaly, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, afaka nandefa solontena valo ny ligin’Analamanga.
Tsara ny mampahafantatra fa misy sokajy zokiny “Veterants” lahy sy vavy, ary zandriny U20 sy U14 ity hetsika etsy Mahamasina ity. Hanomboka amin’ity herinandro ity, ny ampahavalon-dalan’ny U14 lahy sy vavy.
F.R
Notapahina ny herinaratra amin’ireo tariby mitondra herinaratra mankany amina tokantrano maromaro ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay nisitraka ny tetikasa « jiro mora », tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nohamafisin’ireo mpiasan’ny Jirama tonga teny an-toerana fa hoe tsy manara-dalàna ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ireo mponina ka antony nanapahana ny famatsiana herinaratra nozaraina tamin’ireo mpisitraka izany. Nilaza ireo mponina fa ezaka nataon’izy ireo no nahafahana nampiditra ny jiro. Nambaran’ ireo mponina fa nahazo alalana avy amin’ny ben’ny Tanànan’Ambohimanambola ny fametrahana ity tetikasan’ny Filoha Rajoelina Andry ity. Saingy, nindaosin’ny fahafatesana izy ka nilaza ho mahatsiaro tena kamboty ireo mponina. Miantso ny Filoham-pirenena ireo mponina mba hijery akaiky momba ity raharaha tetikasa « jiro mora » eny amin’ny kaominina Ambohinamambola ity. « Maizina am-pototry ny mazava izahay fa ety aminay no misy foiben’ny Jirama mizara herinaratra », hoy ny renim-pianakaviana iray. Efa nanamafy ny filoham-pirenena tany Sainte Marie fa handray ireo mpiasan’ny Jirama sy ny sendika ka hijery ny vahaolana hamahana ny disadisa rehetra izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.
J.C
Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany.
Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ny AS Ste Anne, tompondaka farany tamin’ny taona lasa teo. Izy ireto, araka izany, no solontenan’Analamanga, amin’ny fifaninanana Diviziona faharoa nasionaly. Raha hiverenanana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny ekipan-dry zareo polisy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny famoaham-baolina ny mpiandry haraton’ny AS Ste Anne, tany amin’ny faha-10 minitra tsy hiravan’ny lalao. Nifarana tamin’io isa 1 no ho 0, io ny fifanandrinana teny an-toerana, nandresy ny COSPN.
Nilaza ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa harenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ity taom-pilalaovana ity. Manentana ary manaitra ny tomponandraikitra kosa ny tenany manoloana ireo zavatra hataon’ny ekipa any amin’ny faritra, rehefa mandeha ny D2 Nasionaly. “Misy amin’ireo ekipa any amin’ny faritra, manao fifantenana mpilalao entiny miatrika ity fifanintsanana ity, ka sahirana hatrany ny solontenan’Analamanga mifanandrina amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga. Notsiahiviny ihany fa raha fifantenana no ilaina, manana mpilalao maro ny avy eto amin’ny ligin’Analamanga.
F.R
Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy.
Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny vary iray kapoaka eto an-toerana, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Anisan’izany ny makalioka sy ny vary gasy mena. Mahatratra 3 200 Ar sy 3 300 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafa. Fotoana fiakaran’ny vary vakiambiaty anefa izao, saingy tsy nidina ny vidim-bary. Lazain’ny mpaninjara fa mbola hiakatra ny vidim-bary atsy ho atsy.
Maharitra kokoa ny saribao ekolojika raha ampitahaina amin’ny saribao tsotra. Efa maro ny mpamokatra azy, ankehitriny, sady miparitaka manerana ny faritra maro. Anisan’ny ahitana fivarotana azy ny eto Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Itasy, Boeny, Mananjary, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, sns.
Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabibo, afakomaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Mahabibokely Mahajanga. Olon-dratsy malaza amin’ny asa fanendahana miharo herisetra izy io. Avy namaky fiara iray tany Tsaramandroso izy no nifampitadiavana ary nifanehitra tamin’ny Polisy.
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary nosamborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopitaly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, namoahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 grama. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Madagasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.
Mino
Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny roa lahy kendry tohana teo amin’ny arabe io mpanao Cash point io. Tsy nisy alaharo fa nisintona ny sakaosy nisy ny vola avy hatrany ireo jiolahy. “Nampitahoriny sy nambanany basy izahay ka tsy sahy namaly”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa voaroba. Nirifatra nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo mpanao ratsy taorin’io. Tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nanao io asa ratsy io. “Olona mbola tsy fahitanay ny endrik’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lasibatra. Efa niandry mialoha ny fotoana nandalovan’io mpanao Cash point io teo amoron-dalana ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Natodiny tamin’ny arabe ny moto ka nanao mora ho azy ireo ny fandosirana. Mampanontany tena ny lasibatra ity tranga ity satria tsy lavitra ny biraon’ny zandary sy kaomisaria ny polisy ny toerana nitrangan’ny loza.
Tsiferana R.
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo.
Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina iray teny an-toerana, fitehirizana ireo zavamaniry ny mpitandro filaminana tamin’ny 06 jolay 2025 lasa teo. Fisavana natao rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana, avy amin’ny fitsarana. Fantatra taorian’izay, fa nampiasa taratasy fahazoan-dalana hosoka amin’ny maha mpanondrana zavamaniry azy izy. Taratasy amin’ny anaran’olon-kafa saingy nisy ny fifanarahana nataon’izy ireo teny amin’ny manampahefana. Hita tamin’ny fitsirihana fa miisa 45 ireo zavamaniry arovana saika hahondrana. Nahitana fototra 10 amin’ny «Operculicarya pachypus», Ravenea sp miisa 25 fototra, Elephantopus sp roa fototra ary Cycas valo fototra. Vokany, nosazian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy (Medd) izy io noho ireo fandikan-dalàna maro ireo.
Olona telo
Ankoatra izay, teratany karana iray, 30 taona, mitantana io toerana io ihany koa voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Nitohy ny fanadihadiana, tomponandraikitra iray hafa eo anivon’ny tontolo iainana koa voahorihory. Ahina ho nandray nandray anjara mivantana tamin’ ny fanamboarana antontan-taratasy hosoka izy ireo. Mbola misy olona iray hafa eo anivon’ny minisitera ahina ho tafiditra amin’ny raharaha. Nandositra izy io ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Notanana sy nohamaranina eny anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainanana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny zavamaniry saika hahondrana antsokosoko. Niandraikitra ny raharaha sy ny famatororana rehetra ny teo anivon’ny tobim-paritra Antananarivo Renivohitra.
Mino
Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome ny endrika vaovao sy raiki-pohy ho an’ny sehatra rehetra ny Canal Plus, hahitana televiziona miisa 160 ka tafiditra ao ny onjam-peo sy ny asa isan-karazany. Tsy hadino ireo tolotra avo lenta, hahitana ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika, ny fandaharana ho an’ny fianakaviana sy ny tantara mitohy. Izany rehetra izany, dia ao anatin’ny rafitry ny Netflix, miaraka amin’ireo andian-tantara malaza, toy ny Squid Game (Saison 3), ny «Emily in Paris» sy ny Stranger Things.
Eo koa ny DSTV English Plus, misy televiziona efatra mandefa fanatanjahantena rano fotsiny. Natao amin’ny vidiny 130 000 Ar izany, mba hamaly ny filan’ny mpanjifa, amin’ny zavatra samihafa ilainy. «Mitady zavatra misy traikefa feno ao anatin’ny tontolo mahafinaritra ny mpanjifanay ka ity tolotra vaovao Canal Plus ity, no mamaly ny hetahetan’izy ireo», hoy i Aziz Diallo, tale jeneralin’ny Pay TV Afrique francophone.
Torcelin
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa.
Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy mampandry harato any atsimon’ ny seranan-tsambo no anton-dian’izy ireo. Tokony ho efa niverina ny tolak’andron’ny alarobia teo izy ireo, raha ny fandaharam-potoana. Efa lany tamin’io ihany koa ny fetran’ny vatsy nohanin’izy ireo tany an-dalana tany. Hatramin’ny nanoratana, tsy nahenoan’ny fianakaviany feo na hafatra izy telo lahy ireo. Ratsy ny toetr’andro ary somary nanao tafiotra mafimafy teny amin’ny ranomasina nandritra io fotoana nandehanan’ireo mpanjono tsy hita ireo, raha ny fanazavan’ireo mpanjono hafa. Misy ny milaza fa mety lany solika na misy fahasimbana ny maotera na lany bateria ny finday ka antony tsy ahazoana antso azy ireo. Mety ho niakatra tamin’ny nosy kely fasika atsimon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ihany ko izy ireo. Mitohy ny fikarohana manaraka ny moron-dranomasina ataon’ny tomponandraikitra sy ny fianakaviana. Mba hikarohana azy ireo.
Sajo
Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao.
Maherin’ny 14 000 ny tokantrano hisitraka herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohiatra any Toamasina. Mahatratra 2 732 Kwh ny vokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miampy rano. Miisa 77 ihany koa ny toeram-pitsaboana CSB hampidirana herinaratra avy amin’ny tetikasa LEAD ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana.
Miisa 25 ny tranoheva etsy amin’y zaridainan’Antaninarenina, mandray anjara amin’ny Tsenaben’ny Fromazy. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny Malagasy manjifa ny vokatra avy amin’ny ronono. Omen-danja ireo mpamokatra fromazy sy ny mpandraharaha madinika malagasy, eto afovoan-tany.
Miroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tonga eto Madagasikara ny orinasa Proximed LTD sy ny ERBA, manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Natolotra ny 10 sy ny 11 jolay teo, ny vina sy ny tanjona hoentin’ireto orinasa ireto. Iombonan’ireto orinasa ireto ny hampiakarana ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay zava-dehibe amin’ny toekarena ara-pahasalamana.
Anisan’ny nisongadina ny fampahafantarana ny zava-baovao, ny lafiny teknolojia hiaka farany amin’ny sehatry ny fitiliana ara-pahasalamana.
Nampahafantarina ny vokatra ERBA, ny lafiny teknika ary teo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo ekipa avy amin’ny Proximed LTD. Anisan’ny nitondra fanazavana nandritra ny fotoana ny orinasa Abbott, mahakasika ny fandrosoan’ny fitiliana marina amin’izao fotoana izao. Nifantoka tamin’ny tohitry ny VIH amin’ny fanafody, kosa, ny Thermo Fisher Scientific. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahana mamita ny fitiliana marina sy ara-potoana amin’ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Nanatrika teny an-toerana, ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr. Randriamanatany Zely Arivelo. Nambarany fa efa ampiasaina any amin’ny toeram-pitsaboana maro any amin’ny faritra ny fitaovana ERBA.
Njaka A.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao tany Sainte-Marie, ny alakamisy 10 jolay teo, ny fampiharana ny hetra TVA tataovana 20% amin’ny zana-bola amin’ireo mpindram-bola. Nanome toromarika anefa ny Filohan’ny Repoblika, fa tsy voakasiky ny fampiharana ity hetra ity ny olon-tsotra, mindram-bola ho an’ny fandaniana tsotra (crédit à la consommation) sy ny findramam-bola madinika na mikraofinansa.
Marihina fa efa nisy hatramin’izay ny tataon-ketra TVA 20%, saingy tsy nihatra. Satria nisy ny fepetra fanalefahan-ketra nanomboka ny taona 2006, ka izao naverina amin’ny laoniny izao. Misy ny fampahafantarana (circulaire) mamaritra ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, izay manan-kery avy hatrany taorian’ity fankatoavana nataon’ny filankevitry ny minisitra farany teo ity. Anisan’ny voakasik’ity hetra TVA ity ny findramam-bola ataon’ny orinasa, na ny mpampiasa vola. Angonin’ny banky ny hetra ary aloany any amin’ny fanjakana avy eo.
Njaka A.