Une victoire d’anthologie !

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:31

Ils ont sorti le grand jeu, à la fois palpitant et spectaculaire à plus d’un titre. Yves Cédrick Rakotoarisoa et Lova Satamandimby Rakotoarisoa, Tiana Laurens Razanadrakoto, connu sous le sobriquet de « Tonnerre », ont mis dans le mille au Mondial la Marseillaise à pétanque. Une victoire magistrale et une véritable démonstration de force à la hauteur de leur réputation. Dorénavant, ils sont les boulistes à battre sur le boulodrome de la Marseillaise. Non seulement ils ont remporté le titre avec panache, mais sont également les premiers boulistes étrangers à triompher sur la plus haute marche du podium de cette affiche, pour la première fois en 65 ans.
C’est un sacré retour en force de Madagascar, privé de compétitions internationales pendant des années. Il suffit de voir les boulistes malgaches à l’œuvre, pour constater qu’ils n’ont pas perdu la main. Ils sont exacts au rendez-vous. Ce n’est pas pour rien qu’on surnomme Tiana Laurens Razanadrakoto, « Tonnerre » qui ne rate jamais ses cibles. Et ce n’est pas la bande à Quintais, des vieux loups de la pétanque française, qui va dire le contraire.
Les boulistes nationaux ont bousculé la hiérarchie française. Ils ont battu les légendes qui ont joué leur va-tout et essayé de faire parler leur expérience, pour renverser la vapeur. Mais quand la machine malgache est lancée, comme un coup de « Tonnerre », on ne peut plus l’arrêter. Leurs adversaires n’ont aucune chance de gagner, même les plus coriaces et redoutés.
Sûrement, on va encore entendre parler d’eux, notamment lors de la finale de la Passion Pétanque Française Tour (PPF), prévue se disputer au début de l’année 2026, rassemblant les élites mondiales. Une belle occasion de prouver encore que Madagascar est de retour et que Tonnerre et consorts, sont nés pour gagner et remporter une victoire d’anthologie.

Andry Rabeson

Catégories: National

Redressement de la Jirama: Andry Rajoelina tend la main aux employés

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:31

Le président Andry Rajoelina tend la main aux salariés de la Jirama. En marge de l’inauguration d’un parc solaire d’un mégawatt à Sainte-Marie, hier, le chef de l’Etat a annoncé la tenue d’une rencontre prochainement avec les employés et les syndicats de la compagnie nationale d’eau et d’électricité. Objectif : écouter leurs doléances et désamorcer une crise sociale qui couve depuis plusieurs jours.

«Nous allons recevoir les employés et les syndicats de la Jirama, pour entendre leurs préoccupations », a déclaré le chef de l’Etat. Il prône le dialogue pour identifier les dysfonctionnements internes et ouvrir la voie à des solutions durables. « Si vous avez des doutes ou des inquiétudes, je suis prêt à vous écouter et à vous expliquer la voie à suivre », a-t-il ajouté.

Andry Rajoelina appelle également à l’unité pour la relance de l’entreprise. Il encourage les agents motivés par l’amélioration des services, à se joindre aux efforts de redressement. « Ceux qui veulent s’engager pour redresser la Jirama, marchons ensemble », a-t-il lancé.

Le président met toutefois en garde contre les interférences extérieures. Il déplore certaines attitudes qu’il juge contraires à l’intérêt général. « Certains se laissent berner et manipuler. Ce ne sont pas nos alliés. Nous n’accepterons pas de telles interférences, pour nuire à nos efforts actuels », a-t-il averti.
Calmer les tensions
Cette annonce intervient dans un contexte tendu. Mercredi, les employés de la Jirama ont déclenché une grève générale, pour manifester leur rejet du nouveau statut de l’entreprise. Les syndicats craignent que ce changement porte atteinte aux droits du personnel et à la qualité des services pour les usagers.
Face à ce bras de fer, le ministre de l’Energie et des hydrocarbures, Olivier Jean-Baptiste, a décrété, dans un communiqué en date du 8 juillet, la réquisition générale du personnel du secteur. Cette décision intervient en réponse à un mouvement de grève qu’il qualifie de « menace à l’ordre public et à la paix sociale ». Le ministre rappelle que la fourniture d’eau et d’électricité constitue un « service public essentiel », dont l’interruption est inadmissible.
Un premier échange avec le ministre a toutefois permis d’apaiser la situation. Les employés ont repris le travail dès jeudi, dans l’attente de la rencontre annoncée par le président de la République. En se posant en médiateur dans ce dialogue annoncé, Andry Rajoelina cherche à calmer les tensions et à repositionner la Jirama sur une trajectoire de redressement.

Arh.

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:30

Hisitraka fotodrafitrasa maromaro ny ao Toamasina amin’ny fandaharanasa Padeve II. Anisan’izany ny fanamboarana ny Bazary kely, ny eo amin’ny lakandrano avaratra sy ny lakandranon’i Tanambao. Eo koa ireo lalana maromaro eo an-tampon-tanana sy ny “Boulevard de la marine”. Nanka­toa­vin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholo­na Frantsay, Gerard Larcher ny filohan’ny Ante­nimie­randoholona, Ravalomanana Richard, omaly, tao Paris. Nivoitra tamin’izany fa misy ny mpanely tsaho any ivelany any. “Voafitak’ireo mpanome vaovao diso hikatsahana tombontsoa manokana ireo parlementera eorpeanina”, hoy ny Jly Ravalomanana.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny Ceni momba ny fifidianana loholona. Efa nanolotra tetiandro ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny amin’ny tokony hanaovana izany ny novambra izao. Andrasana koa ny filankevim-panjakana amin’ny didy famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ampolony.
Nahitsy ireo eo anivon’ny “Solidarite syndical – SSM”, fa tena tsy ampy ivelomana ny karama farany ambany. Ny taona 2018 : karama iray volana mahazo vary 100 kg. Taona 2025: karama farany ambany iray volana, vary 65 kg. “Tsy mifanaraka amin’ny sondro-bidim-piainana ny karama farany ambany : 268 000 Ar ho an’ny sehatra tsy miankina”, hoy izy ireo.

Catégories: National

FITANTANANA NY SADC: Horaisin’ny filoha Rajoelina Andry

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:30

Herinandro vitsy sisa. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tany Ste Marie, ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisan’i Madagasi­ka­ra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45. Tapa­ka tamin’izany fa hanomboka ny 3 hatramin’ny 18 aogositra izany fivoriana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo izany. Nodinihina manokana ny famindram-pitantanana sy ny fahefana amin’ny fitantanana ny Sadc ka handraisan’ny filoha Rajoelina Andry izany, manomboka izao raha ny filohan’i Zimbaboe no filoha am-perinasa.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa efa miroso avokoa ny asam-baomiera eo anivon’ny kaomity mpitantana. Mbola ho avy rahateo ny iraka manokana hotarihin’ny sekretarian’ny Sadc hijery sy hanara-maso ny fanomanana faramparany, mialoha ny 3 aogositra.
Ankoatra izany, nankatoavina koa ny hampidirana ny eo anivon’ny Antenimieram­pire­nena ho ao amin’ny kaomity mpikarakara izao fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. “Handrafitra vaomiera parlemantera izy ireo hiandraikitra ny fandrindrana momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny Sadc, hanovana ny “Forum parlemantaire” ho parlemantan’ny Sadc”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Tsiahiviana fa mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampony izany. Anisan’ny natao farany teo ny tetsy Ampahibe ka nandinihana manokana ny fiarovana ireo delegasionina sy ny fepetra momba ny filaminana ankapobeny.

Synèse R.

Catégories: National

Isika miara-mientana !

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:29

 

Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”.
Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa tahaka izany. Tsy mivangongo eto an-drenivohitra ny sosialim-bahoaka, izay andrasan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. “Tsy Antananarivo irery i Madagasikara”, hoy ny fiteny mahazatra. Marina izany! Mila ny raimandreny mamangy ny zanaka ny mponina any ifotony.
Mba mahagaga ny fisian’ireo mpimenomenona sy manome tsiny ny fidinana eny ifotony tahaka izao. Lazaina fa fandaniana volam-bahoaka sy ny mpandoa hetra, hono? Olom-panjakana, mamita iraka ofisialy anefa izy ireny. Hafa indray raha toa ka hamangy fianakaviana, na handeha hiala sasatra manokana. Mendrika ny ho vangivangiana ny Malagasy tsy ankanavaka.
Porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny zava-drehetra tarihin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Fanatanterahana ny toky nomena ho an’ny mpifidy na ny tsy nifidy ihany koa. Tsy vitan’ny mitsidika fa mitondra voan-dalana sy mametraka tantara amin’ny fotodrafitrasa izy sy ny fitondrana izay tarihiny. Tsy azo atao ambanin-javatra velively ny ezaka efa natomboka sy vita ary, tsy maintsy hovitaina.
Etsy ankilan’izany, mitaky firaisankina amin’ny olom-pirenena rehetra anefa io. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mila fifanoloran-tanana na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy maintsy miara-mirona amin’ny olom-pirenena tsivakivolo ho an’ny fampandrosoana an’ity firenena malalantsika ity.
Tsy anjaran’ny filohan’ny Repoblika samirery, fa anjaran’ny vahoaka tsy mandady harona izany adidy masina izany. Ny rehetra mifanome tanana no hanatrarana ny tanjona faran’izay aingana.

r.r

Catégories: National

Fampiofanana mpanao gazety ara-panatanjahantena: Miezaka miompana amin’ny resaka niomerika ny fifampizarana

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 09:25

Mivoatra ny asa fanaovan-gazety. Nisongadina tamin’ny fiofanana natao tetsy Antanimena ny firosohana ny vaovao niomerika. Tsa­pa sy hita izany ankehitriny, ary sa­my mahatsapa ny maha zava-dehibe an’ity fifampizarana ity ireo mpiofana.

Hifarana anio, etsy amin’ny orinasa Ultima Media, Antanimena, ny fampiofananana mpanao ga­zety ara-panatanjahantena. Miisa sivy mianadahy, roa vavy sy enin-dahy, avy amin’ ny orinasa mpikirakira vaovao samihafa no manatrika izany. Samy nilaza ny mpiofana fa zava-dehibe tokoa ity fiofanana ity satria miompana amin’ ny resaka niomerika sy fanentanana ireo mpanao gazety hiroso amin’izany sehatra izany ny fiofanana.
Araka ny fanehoan-kevitra azo avy amin’ireo mpandray anjara, efa resy lahatra avokoa izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny vaovao hampitaina amin’ny fomba niomerika ity. Eto Madagasikara, ny tam­bajotran-tsera­sera Facebook dia fomba mora sy tsotra hahafahan’ny maro mizara ny vaovao, saingy noresahina nandritra ny fiofanana fa misy amin’izy ireny, tsy manaraka ny fenitra takin’ny asa fanaovan-gazety ka tokony hitandreman’ireo mpamaky. Naharitra herinandro teo ny fiofananana, ary mikarakara ny hetsika ny Média Francophones sy ny Geppim. Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy an’ity fiofanana ho an’ny mpanao gazety mikirakira vaovao an’ ny tontolon’ny fanatanjahantena ity tamin’ny taon-dasa.

Tokony hataon’ny gazety an-tsoratra

Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny, niezaka nifampizara ireo tokony hataon’ny gazety an-tsoratra ireo mpiofana sy ny mpizara traikefa. Anisan’ny tena nahaliana tamin’izany, ny fanovana ny endriky ny vaovao aseho amin’ny gazety, ny vaovao izay zaraina ao anatin’izany. Tsy izay ihany, fa nanome torolalana amin’ny fandrakofana ireo lalao goavana toy ny fifaninanana nasionaly taranja baolina kitra sy ny fomba tsotra famoahana ny fiainan’ny mpilalao, entina hisarihana ireo mpamaky, ny mpitarika ny fiofananana.
Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao rehefa mitrandraka vaovao eny anivon’ireo sehatra ambony toy ny rafitra federaly, ny ligy, ny klioba, ny ekipam-pirenena.

Nilaza ny heviny ireo mpanatrika

Rasanda Serge, filohan’ny fikambanana mpanao gazety ara-panatanjahantena UJSM, teo aloha :
Efatra andro izay no vita, maro ny zavatra noresahina, saingy ny teboka hitako tena nampiavaka izany, ilay famelabelarana miendrika fanentanana amin’ny firosohana ny gazety an-tsoratra mankany amin’ny ana habaka « en ligne ». Marihina fa tsy azo ialana intsony ity sehatra iray ity, aoriana kely eo satria somary mila volabe kokoa ny an-tsoratra noho ny amin’ny tambajotran-tserasera. Ary efa betsaka ireo orinasa mahatsapa sy mihezaka miditra amin’ity sehatra nomerika ity.
Nohamafisiny hatrany fa ny fivoaran’ny teknolojia, mampirisika ny tsirairay hiditra amin’ity fomba fiasa vaovao sady tsotra ity.
« Efa hita amin’izao fotoana izao, fa efa mivelatra ilay izy », hoy hatrany ity mpikirakira vaovao iray eto Mada­gasikara ity.
Tsara ny mampahafantatra fa mpanao gazety iray efa voky traikefa, amin’ity asa ity, Rasanda Serge. Efa nanao ny fandrakofana ny fifaninanana iraisam-pirenena maro izy, toy ny Lalao Olympika, tany Paris 2024, ny Londres 2012 ary ny Pekin 2008. Ny taona 2003, efa nizara ny vaovao nandritra ny lalao Afrikanina, tany Nigeria, sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tanin’ny Taekwondo, natao tany Greece, ihany koa izy.

Fitia Randria na Randriamamonjy Fitia Valiniaina, mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena amin’ny gazety Taratra :
Maro ny lesona azoko notsohaina tamin’ity fiofanana ity, ary azoko entina ho anjara biriky hampandrosoana ity asa ity izany. Mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka ny tenako, ary efa mahatsapa sahady aho, fa ilaina tokoa ny fiofananana tahaka izao, indrindra mahakasika ny niomerika. Efa maro dia maro moa ireo olona misehatra amin’ny fampitam-baovao amin’ireny tambajotran-tserasera ireny, saingy misy amin’izy ireo no tia mizarazara fahatany fotsiny .
Ankoatra izay, mbola manantena ny tenany, fa samy hiroborobo avokoa na ny gazety an-tsoratra na ny nomerika, rehefa miampy hatrany ny fiofanana tahaka izao. Manentana ireo namana, mba hanatrika ny fiofanana tahaka izao, satria zava-dehibe ny manampy ny traikefa indrindra amin’ity asa fanaovan-gazety ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

 

Catégories: National

EDBM-MDE : Tohanana ny vehivavy mpandraharaha

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 09:24

Mpandraharaha tanora ma­herin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-mi­asa eo amin’ny Economic Development Board of Mada­gas­car (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha. Hisy hetsika fampahafantarana sy “hackathon” ho an’ny tanora maherin’ny 2 800 isa, hanohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha miisa 600. “Dingana lehibe eo amin’ny fa­natanterahana ny tetikasa ITovia ity fiaraha-miasa amin’ ny MDE ity, entina hananganana tontolon’ny fandraharahana mirindra sy maharitra eto an-toerana”, hoy ny tale jeneraly ny EDBM, Rafidy Josielle. Lehibe amin’ny fanohanana ny vehivavy sy ny ady amin’ny tsy fitoviana ara-pananahana ity tetikasa ITovia tohanan’ny AFD ity, izay mitentina 100 000 euros. “Manamafy ny fandraisana anjara ara-toekarena ity fiaraha-miasa amin’ny EDBM ity. Miaraka amin’ny fa­nohanan’ny AFD, afaka ma­nitatra ny asanay izahay”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny MDE, Ranoarivony Seheno. Miantefa kokoa amin’ ny tanora mpandraharaha vao manomboka misehatra ny asa ataon’ny MDE, izay naorina ta­min’ny 2022, tohanan’ny ma­soivohon’i Frantsa. Noma­ri­hiny fa, “ahafahanay manitatra bebe kokoa ny asa fiahiana ara-toekarena io fiaraha-miasa io”.

Henintsoa

Catégories: National

Orinasa Star : 1,5 miliara Ar isan-taona hanofanana ny mpiasa

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 09:24

Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa 11 ora isaky ny mpiasa. Tanjona ny hampivoarana ny fahaiza-manao sady mitondra vokatra maharitra. Ankoatra ny fampiofanana, manokana fampiasam-bola entina hanavaozana ny fitaovana indostrialy enti-mamokatra isan-karazany ihany koa ny Star. Natao izany mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra ho an’ny mpanjifa.
Ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hitazonana ny herijika ara-toekarena. Satria, mampitombo ny famoronan’asa sy manamafy ny fahaiza-manao eto an-toerana takin’ny vaninandro ankehitriny. Hitondra fivoarana ho an’ny toekaren’ny firenena sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto amintsika.

Njaka A.

Catégories: National

Unesco : Tsy tandindomin-doza intsony ny atiala Atsinanana

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 09:24

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny 9 jolay teo, tany Paris, nandritra ny fivoriambe faha-47 ny Kaomity ny vakoka iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco, fa nesorina tsy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny Ala mando Atsinanana.

Miisa enina ny Valan­ja­vaboahary mandrafitra ireo ala mando ireo, i Masoala, Marojejy, Andoha­ela, Zahamena, Ranomafana ary Andringitra. Ahitana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita raha tsy any an-toerana avy ireo faritra arovana ireo.
Nitarika ny delegasionina tany Paris, ny minisitry ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine, nitondra ny feon’ i Madagasikara nandritra ity fivoriamben’ny Unesco ity.
Anisan’ny nahazoana izao vokatra avy amin’ny Unesco izao ny fiaraha-miombon’antoka, nataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Madagascar National Parks (MNP), ny ONG na ny fikambanana mitantana ny faritra Arovana (AP) isan-karazany, ny tompon’andraikitra eny ifotony, ny Vondrona olona ifotony (VOI), ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa.

Nohamafisina ny fiarovana ny atiala

Nisy ny fanovana azo tsapain-tanana tamin’ny haitondra ara-tontolo iainana sy ny asa notanterahina teny ifotony. Nohamafisina ny fiarovana ny ala sady nampandraisina anjara ny mponina sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony.
Hanamafy sehatra maro ny fahazoana izao vokatra izao. Toy ny fizahantany ma­haritra, ny sehatra maitso, ny famatsiam-bola amin’ny tetikasa eny ifotony ary ny fahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara.

Njaka
Andriantefiarinesy

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 09:23

“Kolosary”, sekoly hianarana ny sarimihetsika sy horonantsary eto Madagasikara. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo matihanina amin’ny sarimihetsika, hanatontosana ity tetikasa ity. Handray mpianatra manodidina ny 150 any am-piandohany ny Kolosary ka haharitra 3 taona ny fiofanana isan’andiany. Anisan’ny tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity i Laza, mpanatontosa sarimihetsika.

Saripika – Misongadina any ivelany i Emmanuelle Andrianjafy. Nahazo ny « Prix pour la photographie 2025 – Musée du Quai Branly ity mpaka sary malagasy, monina any Nairobi ity. « The Maze » no nampisalorany ny tetikasany, izay maneho an-tsary ny fiverenany indray an-doharano, rehefa tsy teto an-tanindrazana nandritra ny 20 taona. Andiany faha-17 ity loka ity, izay hanomezana lanja ny sanganasan’ireo mpaka sary manana lohahevitra miavaka.

« Revy gitara », miaraka amin’i Fara Gloum. Fiarahana hatao etsy amin’ny Le Bistrot d’Ankorondra­no, anio manomboka amin’ny 8 ora alina izany. Hiara-hianoka ireo vazo an-gitara, indrindra ireo naverin’i Fara Gloum manokana izay rehetra ho avy ao. Misy amin’ireny no ao anatin’ny rakikirany manokana. Ao ireo niarahany nihira tamin’i Tselonina ary tsy ferana koa ny hira vahiny.

Catégories: National

Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy

Les Nouvelles - ven, 07/11/2025 - 08:43

Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy.

Niakatra teo anivon’ny fi­tsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 marsa 2024. Voasazy hovosirina sy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrianambinin­tsoa Johnny William na Da-Willy (24 taona) tompon’antoka tamin’izany. Izy no hisantatra ny famosirana voalohany eto Madagasikara, araka izany. Ankoatra izay, mbola mandoa onitra 6 tapitrisa Ariary ihany koa izy. Namoaka ny fampiharana ny didy famosirana ho an’ireo manolana zaza latsaky ny 10 taona, araka ny andinin-dalàna laharana 2024-001 ny teo anivon’ny HCC ny 24 febroary 2024. Nanolana io ankizivavikely io izy sivy andro taorian’ny didy. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahatiny sy vosirina izay tratra. Tonga niatrika ny fitsarana teny an-toerana ilay ankizivavy kely, lasibatry ny fanolanana (efa 7 taona izy amin’izao) sy ny reniny. «Sim­ba sy potika tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza», raha ny nambaran’ny lehiben’ny mpitsara teny an-toerana. Mbola nokendaina ary nokasaina hovonoina mihitsy ny lasibatra.

Nohidina tao an-trano
Tsiahivina fa naolan’i Da-Willy i Harena, tovovavikely vao enin-taona monja, ny 3 marsa 2024, tamin’ny 6 ora hariva. Nirahiny nividy sigara izy io rehefa hitany nilalao teo an-tokotany tany Meriman­droso Imerintsiatosika. Noba­tainy ary nohidiny tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny trano ntaolo iray sy nanamparany ny filan-dratsiny. Nampandre ny manodidina ilay zazakely nahatsikaritra ny zava-nisy. Zaza efa nihosin-dra, tsy na­hetsika ary nosaromana lam­ba no hitan’ny ray aman-dreniny tao.
Lasa nitsoaka i Da-Willy tao­rian’ny ratsy vitany. Voa­sam­botry ny mpitandro filaminana natory tao anaty fiara teny Anosibe io tsy mahataho-tody io, ny 5 marsa 2024 (roa andro taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny), tamin’ny 2 ora ma­­raina. Niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana ny raharaha tamin’ny 6 marsa 2024. Nidoboka vonjimaika teny amin’ny fonjam-ben’i Tsia­fahy avy hatrany izy taorian’izay.

Mino

Catégories: National

« Mondial La Marseillaise à Pétanque »  : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 09:34

Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Mar­seil­laise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rako­toarisoa Yves Sédrick sy Raza­nadr­a­koto Tiana Laurens ary Rako­toarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry Philippe Quintais sy i Philippe Suchaud, ary i Jean Claude Jouffre, omaly. Tsiahivina fa ireo frantsay ireo, tompondaka farany tamin’ity fifanintsanana ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana omaly, nanjakan’ny Malagasy tanteraka ny “mène” enina voalohany. Ni­ta­rika 7 no ho 0, ny Malagasy tamin’izany. Teo amin’ny fahafito vao, nanomboka nitoko iray ry zareo mpampiantrano. Taorian’io, samy niakatra ny isa teo amin’ny andaniny sy ankilany. Teo amin’ny “mène” faha-20 vao tafavoaka mpan­dresy tamin’ny isa 13 no ho 10 ny Malagasy mpilalao. Ekipa vahiny voalohany nandrombaka ity fifaninanana ity ny mala­gasy.

Mahazo lelavola 4500 euros avy
Araka ny fikarohana natao, omaly, hahazo lelavola 4500 euros na 22 500 000 Ar avy ireo Malagasy mpilalao ireo, noho ny fahombiazan’izy ireo tamin’ity fifanintsanana any France ity. Mahazo 1 800 euros avy kosa ireo izay tafiditra amin’ny manasa-dalana ary 1 000 euros avy kosa ny an’ireo, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana. Tsiahivina fa nahintsan-dry Quintais, teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ry Zigle sy ny namany.

F.R

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 09:33

Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana.

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao ny 13 jolay hatramin’ny 20 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ny 14 jolay no hanomboka ny fifaninanana, raha toa ka ny 13 jolay kosa ny fivoriana ara-teknika.

Hotanterahina ny 9 aogositra izao, ao amin’ny Arena Toamasina, ny “Gala International de Kick Boxing”. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny Federa­sionina malagasin’ny kick boxing, karakarain’ny fikambanana misahana ny “Discipline associée Kick Boxing et Muay Thai”, ity fifaninanana andiany faharoa ity.

Catégories: National

Basikety-Mada U16: Fantatra ireo hiatrika ny ampahavalon-dalana

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 09:33

Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana anio, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Efa fantatra ireo hifanandrina, eo amin’ny sokajy vehivavy. Hifandona voalohany ny Lucadro sy ny DCA, tohizan’ny JAP Mada sy ny ACMBA, ny ASSC sy ny Fandrefiala ary ny ASSM sy ny CRJS. Aorian’ izay, hifanandrina indray ny Phoenix sy ny Ascut, ny Dunamis sy ny AS Monfort, ny NAS sy VEB ary ny FFPRO BCTM sy ny Pintade. Fifaninanana anisan’ny betsaka mpandray anjara indrindra ny sokajy latsaky ny 16 taona tamin’ity taona 2025 ity. Hentitra tanteraka ny eo amin’ny kaomisiona mpanara-maso eo amin’ny hala-taona sy karazana tsy fanarahan-dalana maro isan-karazany ka nampizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana. Raha ny fandaharam-potoana, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana ho amin’ny raham­pitso. Ny sabotsy izao kosa no hanaovana ny manasa-dalana ary ny alahady 13 jolay izao no hanatanterahana ny lalao famaranana amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Baolina kitra – «Tournoi Fanilo» : Hisokatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 09:33

Manome sehatra ny kilongakely mpiangaly baolina kitra hatrany ny “Tournoi Fanilo”, karakarain’ny Akademia Akamasoa Football. Hiavaka ny andiany fahatelo, satria hivelatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray. Ny hahazoan’ ireo katitakely maneho ny talentany, no tanjona amin’izany.

Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fotoam-pialan­tsasatry ny mpianatra toy izao, mikarakara fifaninanana baolina kitra, ho an’ny kilongakely ny Akademia Aka­masoa Football. Hiditra amin’ ny andiany fahatelo ny “Tour­noi Fanilo” amin’ity. Hiavaka izany araka ny nambaran’i Harisoazanakolona Tantely, anisan’ny mpanazatra niresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andralanitra.
Hisokatra amin’ny sokajy zandriny U13 sy U15 indray ny lalao raha toa ka ny U17 foana tamin’ireo andiany roa voalohany. Antony, fototra amin’ny fananana klioba matanjaka ny katitakely ary homena tom­bony izy ireo, mba hahazoany maneho ny fahaizany sy ny zavatra norantoviny, fa tsy hijanona foana amin’ny fanazarantena.
Hanomboka ny 19 jolay ho avy izao, ny “Tournoi Fanilo” ary heverina ho tapitra ny tapaky ny volana aogositra. Isaky ny alarobia sy ny sabotsy no hanaovana ny lalao eny amin’ny kianja Akamasoa. Lalao ho an’olona 11 saingy ny fe-potoana hilalaovana no fohy. Ekipa 16 avy no andra­sana amin’ity ka mizara ao anaty vondrona 4 hahitana ekipa 4 avy. Mifandimby mi­haona ka miatrika ny ampahefa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona.
Eny amin’ny foibe toeran’ ny Akamasoa Andralanitra ny fisoratana anarana, ho an’ireo maniry handray anjara, ny alarobia sy sabotsy tontolo andro. Notsiahivin’ny mpikarakara fa efa-taona izao, ny Akademia Akamasoa Football. Misy an­kizy 70 sy mpanabe 6 mirahalahy. Tanjona amin’ity, ny hampiditra ankizivavy, liana amin’ ny baolina kitra. Misokatra ho an’ny ankizy rehetra ny seko­lin’ny baolina kitra ao Andra­lanitra. Manana vina, ho any Mahajanga, amin’ny faran’ny volana aogositra izao, hanatrika fifaninanana ny Akade­mia Akamasoa.

Tompondaka

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 09:32

Hetsika famoaham-boky nosoratan’i Gaëtan Andria. « Pao-droa » sady antsa tononkalo no hianoka ao anatin’ny teatra poetika. Seho hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanatanteraka izany i Mamisa, Fahasoa­vana, Mariah, Fy, Ando, Wany.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara ny taranja malagasy. Hatra­min’izao, anefa, mbola ahitana lesoka goavana be aminy. Ny tsy fahampian’ny ora ianarana azy. Faharoa, mila ovaina ifotony ny mandrafitra ilay taranja. Omena lanja bebe kokoa ny fianarana ny fitsipi-pitenenana, ireo fomba amam-panao malagasy, ny famolahana ny lela hahay hamoaka hevitra amina fotom-pisainana malagasy manaja ny soatoavina.

Taona 2025, tsy mbola voafaritry ny Mala­gasy ihany ny atao hoe : « tsara ». Raha ny tantara sy ny angano tany ambadik’Imanareza, anefa, efa nahafantatra ny « tsara » sy ny « ratsy » ny Ntaolo. Izany hoe, very tsy eo amin’ny Malagasy intsony ny fahalalana sy ny fahaizana manavaka azy ireo. Maro ny antony niteraka izany fa ny misongadina, nihena tsikelikely ny atao hoe « fahendrena » ananan’ny Mala­gasy. Nidina ihany koa ny fahalalany.

Harena ny fahasamihafana. Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Samy afaka atolotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa izy ireny. Dingana mila arahin’ny mpanakanto sy ny tontolon’ny kanto eto an-toerana ny fahaiza-mamolaka io sehatra ivelany io. Noho izany, vaindohan’ezak’izay vonona hiroso amin’ny fandraharahana amin’ny kolontsaina sy zavakanto ny mianatra sy manatevim-pahalalana.

Catégories: National

Fitantanam-panjakana : Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana amin’ny fitondrana

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 08:53

Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana…

Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra na toerana sasany ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana” (1). Misy, ohatra, ny hasin’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka, ny hasin’ny sojabe na olobe amin’ny tanàna na ny mponina, ny hasin’ny mpanjaka na mpitondra amin’ny vahoaka… Amin’izao vanim-potoana izao, voalazan’ny mpandinika sasany fa azo amin’ny ara-drariny ny hoe hasina, ankoatra ny maha mety ifandovana azy. Omena ho an’ny olona izay mampiseho tsy fitoviana eo amin’ny soatoaviny sy ny fiteniny ary ny fitondran-tenany ny hasina. To teny izany: ankatoavina na ekena ny teniny, tanterahina ihany koa izay lazainy.
Azo amin’ny hoe ara-
dalàna ny fahefana

Ny fahefana kosa izay adika hoe “pouvoir” dia atolotra amin’ny alalan’ny famindrana na fandraisana azy, na amin’ny alalan’ny fifidianana, na rombahina amin’ny fanonganam-panjakana, ohatra. Mifototra amin’ny hoe ara-dalàna ny fahefana. Misy koa ny fijery na famaritana hafa toy ny hoe: raisina ho azo ny fahefana, ary amin’ny fitarihana na haitarika. Manondro ny fahalalana sy ny fahaizan’ny tsirairay izany. Mifanitsy amin’ny zo ho afa-mibaiko ny fahefana ary ankatoavina. Tafiditra ao anatin’izany ny hevitry ny maha ara-dalàna ny fahefana sy ny baiko ary ny fankatoavana. Mifandray akaiky amin’ny Tafika ny teny hoe baiko, ary mampahatsiahy ny fahazazana eo anatrehan’ny ray aman-dreny ny fankatoavana. Izay, ohatra, no mahatonga ny Malagasy mihevitra fa raiamandreny ny mpitondra. Koa ny maha samy hafa ny hasina sy ny fahefana dia hoe: manondro ny zo ara-drariny hitaona ny fihetsiky ny hafa ny hasina, ary milaza ny fahazoana mifehy ny fitondran-tenan’ny hafa ny fahefana.

Mety tsy miaraka ny hasina sy ny fahefana

Eo amin’ny fitantanana na fitondrana, saika tsy miaraka mandrakariva ny hasina sy ny fahefana. Mandeha ila aza izany amin’ny sehatra sasany. Manana hasina amin’ny zanany amin’ny alalan’ny torohevitra sy anatra, ohatra, ny ray aman-dreny niteraka, fa tsy manana fahefana hanery amin’ny fandrarana sy famaizana amin’izay fianarana na asa tiany hatao. Toy izany koa ny olobe na sojabe eo amin’ny tanàna: na manana hasina amin’ny fanoroana lalana aza, tsy manana fahefana hanery ny mponina amin’ny safidy politika na safidy amin’ny fifidianana, ohatra. Hafa, ohatra, ny fahefan’ny antoko politika fehezin’ny lalàna, manan-jo sy adidy hanery ny mpikambana amin’ny safidy politika, ary afa-manasazy na mandroaka izay tsy manatanteraka na manaja izany.

Efa azo an-tsaina amin’izay antoko politika izay, ohatra, ny amin’ny fahefana: azo amin’ny ara-dalàna, fifampitondrana, fifampifehezana… Na izany aza, raha misy ny manana hasina fa tsy manana fahefana, misy koa ny manana fahefana fa mety tsy manana hasina. Manana fahefana amin’ny mpikambana, ohatra, ny antoko politika na ny mpitarika izany toy ny birao politika, fa mety tsy manana hasina noho ny fifampitondrana tsy mazava na tsy voahaja: misy, ohatra, teniko fe (fa hoe) lehibe, na tsy misy ny hoe teny midina ifampierana sy teny miakatra ifampifehezana. Toy izany koa ny mpitondra fanjakana amina Repoblika, manana fahefana fa tsy manana hasina na tsy asian’ny vahoaka hasina noho ny jadona, fanonganam-panjakana, tsy manaja na tsy manatanteraka teny omena, manao kolikoly… Tsy to teny amin’ny vahoaka izany.

Misy ny fisaraham-pahefana

Amin’ny sata repoblikanina, ny Fahefana dia: “Voalohany, fahaizana ara-dalàna hampihatra ny fahaiza-manao. Faharoa, ny fahazoana mandray fanapahan-kevitra azo ampiharina, ny fahefana dia andraikitry ny Fanjakana. Fahatelo, ny fahefana dia manondro ny rafitra mitana ny asa sosialy mifanaraka amin’izany. Amin’io lafiny io, ny fahefana mpanatanteraka dia ny governemanta, ny fahefana mpanao lalàna dia manondro ny Parlemanta, ny fahefana ara-pitsarana dia ny fitsarana sy ny tribonaly”. (2)
Raha fehezina: “Ny fahefana dia mamintina ireo andrimpanjakana sy fitaovana miantoka ny faneken’ny olom-pirenena amin’ny Fanjakana iray. Ny fahefana dia mametraka ny fiandrianampirenena, ny endriky ny lalàna, ny firaisan’ny fanjakazakana, saingy endrika farany ihany ireo”. (3)

Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana

Fampandrosoana ny firenena sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana izay mampiasa fahefana ho amin’izay: ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Amin’ny firenena repoblikanina, ny vahoaka no loharanom-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Na ny hoe ara-dalàna. Ary ny loharanon’ny hasina? Mian­kina amin’izay te haka fahefana na hitondra fanjakana: manana ny hoe ara-drariny ve, ohatra? Mendrika hitondra, akaiky sy tian’ny vahoaka, mahalala sy mihaino ny vahoaka… Mila mifameno amin’ny fitantanam-panjakana ny hasina sy fahefana hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny fahamarin-toerana azo antoka sy maharitra, ahazoana mandeha haingana sy mora kokoa amin’ny fampandrosoana…
Tsy manana na tsy misy hasina, ohatra, ny fanjakana na mpitondra fanjakana manao jadona, tsy mahatanteraka izay lazainy, manao kolikoly, manavakavaka… Ao anatin’izany ny fitondram-panjakana azo tamin’ny fanongonam-panjakana, hala-bato sy hosoka tamin’ny fifidianana, famadihana tanindrazana…

R. Nd.

Catégories: National

Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 08:52

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha sy tava izy roa lahy. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ny iray raha toa ka voa mafy koa ny nifanandrina taminy. Nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana tao Tambohobe izy roa lahy. Tsy tana ny ain’ny iray. Mitohy kosa ny fitsaboana an’ilay nifandratra taminy. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana aorian’ny fandevenana ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Catégories: National

HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 08:51

Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao izany ary tsy handefitra ny fanjakana. Satria, manapoizina ny mpianatra izany. Famerenana faramparany izao no hatao hifehezana ny fiatrehana ny fanadinana, fifehezana ny fotoana ary ny toromarika amin’ny fifehezana ny rarintsaina miatrika izany fanadinana izany. Ao anaty fitoniana no iatrehana ny fanadinana ka tsy tokony hiaina anaty korontana sy tebiteby ireo mpiadina.

Tatiana A

Catégories: National

Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana

Les Nouvelles - jeu, 07/10/2025 - 08:51

Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatra­min’ izao anefa, tsy mbola nitondra fanazavana ilay orinasa, “Iris international goods trading LLC”, mpanondrana izany.
Nidina ifotony tao Antsi­rabe ny inspekteran’ny minisitera nijery sy nanamarina ireo tavoahangin’ilay menaka. Ahitana soratra arabo izany ary tsy ahafantarana ny daty mametra ny fe-potoana ahafahana mivarotra azy, tahaka ny entana rehetra ka nametrahana ahiahy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Efa notiliana teo anivon’ny foibe manara-maso ny vokatra sakafo sy ny kalitao izany, araka ny fanambarana hatrany. Nilatsaka ny didy taorian’izany fa tsy mifanaraka amin’ny fenitra ity menaka ity ary ahina hampidi-doza ho an’ny mpanjifa ny fihinanana azy. Nambaran’ny loharanom-baovao fa tsy mazava ny nahatafidiran’io menaka io sy ilay mpandraharaha misahana ity orinasa, “Iris international goods trading LLC” ity.
Etsy andaniny, tsy mbola nanao fanambarana ampahibemaso hatramin’izao izy ireo ny amin’ny fiavian’io vokatra menaka sakafo io na koa ny fepetra noraisiny taorian’izao tsy fahazoana mivarotra azy eny amin’ny tsena izao. Manana zo hitaky ny mangaraharaha ny amin’izany ny mpanjifa, manoloana izao fihanaky ny fahapoizinana ara-tsakafo izao.
Tsiahivina fa efa nopotehina sy norodarana izany menaka “Roots”, tao Antsirabe izany.

Synèse

Catégories: National

Pages