Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France.
Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa teo.
“Voaporofo fa singa tsy fahita ao anatin’ny sakafon’olombelona sy ny vatan’olombelona mihitsy no nivoaka tamin’ny fitiliana ra sy ambin-tsakafo tao anatin’ny vavonin’ny marary sy maty vokatry ny fanapoizinana teny Ambohimalaza” , hoy ny dokotera, Andriantiaray Ramarolahy Tolotra, tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nohamafisiny hatrany fa nifandraika tanteraka tamin’ny fitiliana natao teto an-toerana izany. “Mandiso ny filazana fa fahapoizinana ara-tsakafo na “botulisme” ny valin’ny fitiliana. Tokony ho matin’ny hafanana ny botulisme. Tsy vitan’izay fa maro ny fikarohana natao fa tsy tokony hiteraka izany ny vokatra azo avy amin’ny mofomamy”, hoy hatrany ity dokotera ity.
Mitohy
Etsy ankilan’izany, hitohy ary hiverina indray ny fanadihadiana lalina mahakasika ny raharaha teny Ambohimalaza. “Efa misy ny naiditra am-ponja, efa misy ny olona nampanantsoina, misy ny telefaonina anaovana fitsirihana. Tsy maintsy ho fantatra ny marina mahakasika ity raharaha ity. Tsy mijabaka na miditra amin’ny asan’ny mpitandro filaminana izahay, ary manaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana”, hoy ny lehiben’ny fampanoavana, ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra.
Marihina fa ny sampandraharaha misahana ny fanapoizinana “Specialize” any Frantsa no voalaza fa nanaovana ny fitiliana. Naharitra telo hatramin’ny enina herinandro ny faharetan’ny fitiliana. “Mandalo dingana maro sy tsy maintsy mandalo fanamafisana ny vokatry ny fitiliana ka izay no nahaelaela azy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Dr Andriantiaray Ramarolahy Tolotra.
Tatiana A
Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Ankoay, ao anatin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, izay nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ankoatra ny fampivondronana sy fanarazan-tena iraisana, lalao ara-pirahalahiana 4 no miandry ny ekipa malagasy, manomboka ny 11 jolay izao ao Frantsa. Hifandona amin’i Madagasikara voalohany, ny 11 sy 12 jolay izao, i Mali, i Congo ary i Cap Vert. Lalao izay hotontosaina ao Paris. Aorian’izay, hisy ny lalao fitsapana hafa hatrehan’ny Ankoay, hihaonana amin’ny ekipan’i Côte d’ivoire, izay hatao ao Paris Frantsa ihany. Raha ny fandaharam-potoana, nanomboka tamin’io alatsinainy 7 jolay ary haharitra hatramin’ny 25 jolay izao, ny fanomanan-tenan’ny Ankoay ao Frantsa.
Hitohy any Espagne
Aorian’ny fanomanan-tena ao Frantsa, hihazo an’i Espagne indray ny Ankoay hanohy ny fampivondronana, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Ao amin’ny Ivontoerana Alqueria Del Basket an’ny Klioba Valencia Basket Club no hiatrika ny fanazaran-tena ara-teknika ny Malagasy mpilalao 14 mirahalahy miaraka amin’ny mpanazatra. Hisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana roa hatrehan’izy ireo izay hihaonana amin’ny ekipa voafantina ao Valence, Espagne. Ny 25 jolay hatramin’ny 7 aogositra ny faharetan’ny fanomanan-tena ataon’ny Ankoay ao Espagne. Aorian’ izay, hihazo avy hatrany an’i Angola izy ireo.
Mi.Raz
Nambaran-dRakotomalala Lanto, filohan’ny Dream Team FC Mada, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Antaninarenina fa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra “Gothia Cup 2025”, ho an’ny sokajy zandriny izy ireo. Fifaninanana, hotanterahina any Suède, ny 13 – 19 jolay ho avy izao. Roa taona taorian’ny nitsanganany sambany hiatrika lalao any ivelany izy ireo.
Fanasana manokana avy amin’ny mpikarakara no nahazoan’izy ireo mandray anjara amin’ity fihaonana andraisan’ny firenena miisa 74 maneran-tany anjara ity, izay toy ny “Mondial” kely mihitsy. Satria, ahitana ekipa afrikanina, aziatika sy amerikanina latina ary eoropeanina. Hifaninana eo amin’ny sokajin-taona, B13 sy B15 ary B17 izy ireo ka misa 55 ny ao anaty delegasionina. 40 mpilalao, mpanazatra 3 ary raiamandreny ny ambiny. Sambany izao fandraisana anjaran’ny DTFM izao. Vonona izy ireo, ny haka ny fandresena na sarotra aza ny fiomanana sy ny fikarakarana, izay nisaoran’izy ireo ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny federasionina malagasy ary ny ligin’Analamanga. Fivondronan’ireo raiamandreny mpankafy baolina kitra no nanangana ny DTFM, ny taona 2023. Manabe mpilalao 7 – 17 taona ary manao fanazarantena indroa isan-kerinandro, ny alarobia sy sabotsy, etsy amin’ny kianja Paul Minault Androhibe.
Tompondaka
Tsy ao anatin’ny lisitry ny Ankoay, miatrika ny fampivondronana hiatrehana ny Afrobasket 2025, i Jerry sy i Donovan ary i Johan. Tsy mbola fantatra mazava ny antony fa raha tsiahivina, anisan’ireo mpilalao nandritra ny fifanintsanana nahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket i Jerry sy i Johan.
Nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo ny “Stage Sportif des vacances” karakarain’ny ANS (Académie Nationale du Sport), eny Ampefiloha. Fotoana hahafahan’ny ankizy sy tanora manao fanatanjahantena mandritra ny fialantsasatra ity fandaharanasa ity ary haharitra 5 andro izany raha ny fandaharam-potoana.
Handeha mivantana amin’ny TVM, ny lalaon’ny ekipam-pirenena malagasy, mandritra ny Chan 2025, izay hatao any Tanzanie, ny 3 – 30 aogositra ho avy izao. Ny alahady 3 aogositra ho avy io, hifanandrina amin’i Mauritanie, ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa ao amin’ny vondrona B no misy ny Barea A’.
Namaky bantsilana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club des Elites de Football Madagascar (CFEM). Misy mitsabaka andraikitra ireo mpitantana eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF), hoy izy.
Nivoaka tamin’ny fahanginany, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM). Manoloana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy amin’izao fotoana izao, nambarany fa fototra sy mahatonga ny korontana ny kaomity mpitantana ao amin’ny federasionina malagasy (FMF).
“Manana klioba mifaninana ry zareo ka mibaiko sy mametraka izay tiany atao”, hoy izy nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, teny Andoharanofotsy, omaly.
Nolazainy fa tsy misy hidiran’ny CFEM velivevy ny fanendrena mpitsara fa ireo no manao izany. Ankoatra izay, ireo mpikambana ao amin’ny FMF ireo no mamaritra ny kianja hilalaovan’ny ekipa. Anjaran’ny CFEM anefa izany sy manao ny fandaharam-potoana rehetra”, araka ny lazain’i Tôta, izay tsy nitsitsitsy fitenenana mihitsy.
Ny amin’ny famindrana ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny PFL eny Vontovorona rahampitso alakamisy, fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny CFEM izany. Hatao etsy Mahamasina ny famaranana, saingy mbola miandry ny daty hahazoana io kianja io. “Tsy misy maha maika satria efa nahazo hatramin’ny 31 jolay handefasana ny anaran’ny ekipa hanao fifaninanana afrikanina any amin’ny Caf”, hoy i Tôta.
Ny amin’ny savorovoro teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus indray dia hanao tatitra ny CFEM satria lalao niandraketany iny ary alefa any amin’ny rafitra ambony nangataka izany. Farany, nomarihiny fa tsy anjaran’ny federasionina ny misahana ny “licence des clubs” fa an’ny Caf. Sosokevitra narosony, ny tsy tokony handraisan’ireo ekipa tsy manana izany, amin’ny fifaninanam-pirenena manaraka mba tsy hisian’ny olana.
Tompondaka
L’angoisse s’intensifie à Madagascar alors que le nombre de victimes liées à une série d’intoxications alimentaires ou d’empoisonnement, ne cesse de croître. Que ce soit dans la capitale ou dans la ville d’Ambositra, l’inquiétude gagne du terrain, alimentée par une augmentation alarmante du nombre de décès. Les patients hospitalisés vivent dans la peur, confrontés à un mystère persistant : les résultats des analyses envoyées à l’étranger n’ont toujours pas été communiqués. Désormais, une grande partie des citoyens redoute de consommer des aliments, avec la sombre impression que le danger est omniprésent. La transparence sur l’évolution de l’enquête et la publication des résultats d’analyse sont indispensables pour retracer la chaîne de contamination et rassurer les citoyens. La population attend avec impatience des éclaircissements.
Face à cette situation, même le président de l’Assemblée nationale, Justin Tokely, a pris la parole pour dénoncer les cas d’intoxication alimentaire qui touchent plusieurs régions de la Grande île. Il a appelé le gouvernement à mobiliser tous les moyens nécessaires pour faire toute la lumière sur cette affaire. Les autorités ont une obligation claire d’informer régulièrement sur l’avancée de l’enquête afin de rassurer la population. En l’absence de communication officielle, rumeurs et désinformation prennent le dessus et alimentent davantage la panique. Hier encore, la société civile a publié une déclaration sur son site officiel, interpellant les autorités compétentes à fournir des détails précis sur cette série d’intoxications alimentaires à travers le pays. Il invite l’exécutif à apporter des éclaircissements pour éviter que la population ne soit induite en erreur par de fausses informations ou des affirmations gratuites. Sur les réseaux sociaux, des noms d’huiles, de types de beignets et d’autres aliments sont pointés du doigt d’être à l’origine de ces intoxications mortelles, créant ainsi une panique générale, et menaçant la survie des commerçants.
F.M
Antananarivo a l’honneur d’abriter jusqu’à demain la réunion annuelle de l’Association des villes et collectivités de l’océan Indien (AVCOI). Cette rencontre de haut niveau s’affirme comme une occasion de faire entendre une voix commune des pays insulaires de la région en vue des prochaines grandes échéances internationales, dont le G20 prévu en novembre à Johannesburg et la COP 30 en novembre à Brésil.
Le ministre du Tourisme, Viviane Dewa, représentant le Premier ministre, a ouvert officiellement l’Assemblée générale de l’AVCOI et a remercié la présence des 45 délégations insulaires. Elle a expliqué l’importance de cette réunion pour renforcer l’intégration régionale mais également les retombées économiques locales grâce à l’accueil de cette rencontre. Et Harilala Ramanantsoa, maire de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA), dans son allocution, a précisé l’importance de cette union pour porter les préoccupations des collectivités insulaires sur la scène internationale. Elle a affirmé que « la raison de l’AG est de voir ensemble les problèmes rencontrés par les villes dans l’océan Indien, de trouver une solution conjointe pour le développement local qu’il fallait apporter à l’Etat central de chaque pays membres ainsi qu’au niveau régional voire international par le biais des récentes réunions mondiales du G20 et Cop 30 dans les prochains mois ». Soumaïla Ambdilivahedou, co-président de l’AVCOI et maire de Mamoudzou à Mayotte, a également rappelé la mission centrale de l’association : « Porter la voix de nos territoires insulaires et traduire en projets concrets la volonté de nos populations, dans un esprit de solidarité et de progrès ».
Cette Assemblée générale se concentre sur trois axes dont la fiscalité locale et le développement économique afin de renforcer les capacités de mobilisation des ressources et l’autonomie financière des communes. La résilience climatique et la gestion des urgences pour préparer les villes aux impacts croissants des catastrophes naturelles dans un contexte de changement climatique viennent en queue de peloton. Le dernier et non pas la moindre est la gouvernance locale et égalité de genre pour intégrer la dimension genre dans les politiques publiques locales et régionales. Le maire de la CUA a également rappelé l’importance des deux pays membres, à savoir Madagascar et les Comores, récemment élus pour piloter la plateforme de financement pays à la suite de la 4e Conférence internationale sur le financement du développement FfD4 à Séville (Espagne). Madagascar bénéficie notamment de sa Direction générale des fonds pour le développement local, un atout essentiel qui a permis d’obtenir ce titre et la Grande île pourra bénéficier de cette place pour attirer des opportunités internationales profitables à la capitale.
Un appel au soutien des bailleurs de fonds
Dans son discours, Soumaïla Ambdilivahedou a invité les bailleurs de fonds à soutenir les projets des îles de l’océan Indien: « Nous devons agir ensemble en tant que grande famille insulaire, avec un destin commun, pour élaborer et concrétiser des projets au bénéfice de nos populations ». « Et nous invitons les bailleurs à nous accompagner, à accompagner nos projets », a-t-il renchéri. Ce moment de rencontre sera aussi l’occasion de renforcer le dialogue avec les bailleurs de fonds internationaux, autour des mécanismes de soutien aux collectivités locales dans plusieurs domaines importants. D’autres programmes sont inclus, entre autres, une restitution finale du projet régional sur l’économie circulaire et la protection des océans, des ateliers, et l’AG définira les prochaines priorités du réseau.
F.M
Misanda 5 125 Ar ny 1 euro, omaly 8 jolay, araka ny fampahalalam-baovao avy amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy fihenany io lanjany io raha oharina ny 7 jolay, izay 5 147 Ar. Nitombo kosa ny lanjan’ny dolara, satria 4 409 Ar ny 1 dolara raha 4 407, ny 7 jolay. Ampiasaina hividianana solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny dolara.
Nohavaozina ny tetezana Antamponjia ao Fianarantsoa. Vola avy amin’ny Fonds Routier, mirefy 20 m ity fotodrafitrasa ity, izay nasondrotra ny 1,50 m ary novaina ho 9 m ny fanokafana, mba hahazaka tsara ny fandehan’ny rano sy ny fivezivezen’ny fiara. Hanamora ny fifamoivoizana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny Cité des Profs ny fahavitany.
Mirefy 100 m2 ny velaran’ny dobo fiompiana trondron’i Menja, any Epetraka Manakara. Nangataka toromarika ara-teknika tamin’ny Fitantanam-paritry ny jono (DRPEB) Fitovinany izy, satria zana-trondro Zili no nompiana saingy tsy nitombo. Toromarika nomena azy ny hampidirana zana-trondro Tilapia nilotica, izay mety tsara amin’ny dobony.
Vina lavitr’ezaky ny fitondram-panjakana ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Notsipihin’ ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, fa misy tokoa ny paikady raisina hanatrarana io tanjona io, misandrahaka amin’ny sehatra marolafy marindrano. Anisan’izany ny lafiny fotodrafitrasa, toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina, sy ny fanovana ireo mandray mpizahatany vahiny hanana fenitra iraisam-pirenena. Eo ny fanarenana ny lalam-pirenena toy, ny RN7, ny fanamboarana ny arabe migodana, ohatra. Toraka izany koa, ny fanatsarana ny famatsian-drano fisotro sy ny sehatry ny angovo sy ny herinaratra.
Ankoatra ny fotodrafitrasa, nohazavain’ny minisitra koa fa ilaina ny fanatsarana ny lafiny maha olona. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra. Maherin’ny 43 000 ireo nahazo fiofanana ara-pizahantany, ny fisakafoana sy ny fiantranoana, ny tamin’ity taona 2025 ity. tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa sy tetikasa tohanan’ny mpiara-miombon’antoka (Pic, OIT, …).
Ho an’ny asa tanana, hitondra fiovana lehibe ny fananganana tranoheva ho an’ ny mpanao taozavatra eny amin’ny toeram-pialamboly « Lac Iarivo » Ivato. Tsy atao ambanin-javatra koa ny lafiny serasera amin’ny tambajotra sosialy.
Njaka A.
Anisan’ny miaro sy mitantana ny Faritra arovana Menabe Antimena (APMA) ny ONG Fanamby. Nihaona tamin’ireo mponina eny ifotony izy ireo, ny 1 hatramin’ny 4 jolay teo, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Menabe. Nisy ny fifanakalozan-kevitra, nijerena ny fomba entina hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina, izany hoe, fanohanana ny asa fihariana mampidi-bola (AGR). Satria, tanjona ny hisian’ny fihariana maharitra sady mitsinjo ny tontolo iainana, mba tsy hikasihana sy handripahana ny ala voajanahary intsony ao anatin’ny APMA.
Seha-pihariana ho tohanan’ny ONG Fanamby, ny fiompiana tantely, akoho gasy ary ny fambolem-bary. Hahazo fiofanana ireo mpisitraka, mba hampahomby ny fihariana ataony. Sady homena tosika ara-pitaovana ihany koa ireo izay efa misehatra amin’ny fihariana voalaza ireo. Voakasiky ny tetikasa ireo kaoperativa, fikambanana ary vondrom-piarahamonina any amin’ny fokontany Tsimafana, Lambokely, Anketrevo, Mandroatsy ary Beroboka Avaratra.
Njaka A.
Cette publication est protégée par un mot de passe. Pour la voir, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :
Mot de passe :
Afaka iray volana, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”, any Angola. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, fantatra fa hitondra ny Ankoay, mandritra io fifanintsanana io, i John Douanglin, teknisianina frantsay sy Rakotonanahary Ndranto.
I John Douanglin izany no handimby ny toeran-dRavonimbola Jeannot, mpanazatra ny Ankoay teo aloha, izay nahatafita ny ekipa nasionaly amin’izao dingana izao.
Araka ny vaovao voaray, omaly ihany, mpilalao 14 no hiatrika ny fampivondronana izay hatao any France sy Espagne. Efa nanainga ny faran’ny herinandro teo moa ireo mpilalao voaantso avy eto an-toerana.
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona « B » no misy an’i Madagasikara, mandritra ity fifanintsanana ity, miampy an’i Tunisie, Nigeria, ary i Cameroun.
Fitia Randria
Ireo mpilalao 14 voaantso hiatrika ny fanomanana:
Rija Lahontan – Ail Rousset, France
Mathias M’madi – CB Moron, Espagne
Austin Rasolonjatovo – Saint Vallier BD, France
Elly Randriamampionona – GNBC, Madagasikara
Kiady Razanamahenina – France
Sitraka Raharimanantoanina – Elan Bearnais, France
Livio Ratianarivo – COSPN, Madagasikara
Hasina Rasolonandrianina – Fandrasa, Madagasikara
Monja Faralahy – Ascut, Madagasikara
Anthony Rasolomanana – COSPN, Madagasikara
Arnol Solondrainy – COSPN, Madagasikara
Fiary Rakotonirina – GNBC, Madagasikara
Lovasoa Andriatsarafara – Minot State, Etazonia
Kanto Arimanana – Mada Pro, Madagasikara
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-
dalana ny lalan’ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana Run Bal, taranja basikety, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Mexique tamin’ny isa 21 no ho 19 ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa fandresena 3 nisesy no azon’izy ireo talohan’ity ampahefa-dalana ity.
Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina ao amin’ny Arena any Toamasina, nanomboka ny 5 jolay teo ary hifarana ny 13 jolay izao. Ekipa 18vehivavy sy lehilahy 24 no hiady ny fandresena amin’ity fifaninanana ity.
Ankizy 145 no mivondrona etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina miatrika ny “Camp de vacances de basketball”. Ny 4 sy 5 jolay lasa teo no nanatanterahana ny tapany voalohany, raha toa ka omaly sy anio kosa ny tapany faharoa. Hivelatra sy hivoatra ao anatin’ny taranja basikety no tanjona amin’ ity karazana fiofanana ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara.
Tontosa ny sabotsy 5 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana «Tournoi inter club par équipe», sokajy tanora, taranja échecs. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja échecs. Niavaka ity fifaninanana ity noho ny hamaroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 204 be izao. Ekipa 45 avy amin’ny klioba 17, ka avy eto Analamanga ny 16 ary avy any Alaotra Mangoro ny 1 kosa no nifaninana. Klioba nandray anjara ny Ayhay Chess Club, CEA, CCT, CGM, FRR, La Vallée Chess Club, Chess Club Moramanga, IKM Chess Club, Mon Futur Chess Club, Pion Passe, Bout D’chou, QCM, MCG, OHS, Cemi ary ny Farandole. Tsiahivina fa ny sokajy 10 taona hatramin’ny latsaky ny 14 taona no nifaninana ka azo lazaina ho nifandanja ireo mpikatroka.
Raha ny vokatra kosa, tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ho an’ny sokajy U10, CEA-1, raha toa ka ny CGM no faharoa ary ny IKM-2 kosa ny laharana fahatelo. Teo amin’ ny sokajy U12 indray, voalohany ny QCM, faharoa ny MCG ary fahatelo ny Cemi. Laharana voalohany teo amin’ny sokajy U14 kosa, ny FRR, faharoa ny CCT ary fahatelo ny IKM-1. Tsy nanadino nisaotra ireo niara-nientana nahatontosa ity fifaninanana ity ny federasionina, nahitana ny MJS, ireo klioba nandray anjara, ny ray aman-dreny, ny mpanentana, ny mpitsara sy ny tsara sitrapo ary ireo mpanohana maro be. Tanjona tamin’ity fifaninanana ity ny hanome sehatra ireo ankizy sy tanora manatalenta amin’ny taranja échecs ary hahafahan’izy ireo mampitombo ny fahaiza-manaony sy ny talentany.
Mi.Raz
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Avy amin’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ity.
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe 24 mirahavavy. Hetsika nenti-nitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Navoakan’ny Federation sport boule malagasy (FSBM) notarihan’ny filohany, Andrianirina Adrien, tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’izy efa-bavy voafidy. Mpilalao roa avy amin’ny ligin’Analamanga, dia i Fana (CPA) sy i Marinah (UBM). Avy amin’ny klioba SBA Matsiatra Ambony i Tita ary i Hasina mpilalaon’ny C2BA Vakinankaratra.
Masontsivana maro no natrehin’ireo mpilalao rehetra nandritra ny herinandro. Ankoatra ny fahaiza-manao, notakina tamin’izy ireo koa ny fahafehezana ny toerana manavanana sy ny fahaizana mameno ireo toerana hafa. Teo koa ny tanjaka ara-batana, ny toe-tsaina entina miatrika ny fifaninanana, ny fahaiza-miaina anaty ekipa ary ny fiarahana amin’ireo mpiara-milalao. Ny fitondran-tena mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Notakina tamin’ireo mpilalao tsirairay avy ny fahafehezana ny fitsipi-dalao.
Nambaran’ireo teknisianina fa sarotra ny fifantenana satria sangany avokoa ireo mpilalao rehetra saingy nisy ihany ny nampiavaka ireo voafantina. Hanazatra sy hitondra ny ekipam-pirenena malagasy i Cicine, hany vehivavy tokana tompondaka maneran-tany. Tsiahivina fa hatao any Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy vehivavy.
Hitohy eto Antananarivo ny fanomanantenan’izy efatra mirahavavy, saingy tsy mbola voafaritra ny daty hanatontosana izany.
Tompondaka
Hitohy any Sainte Marie indray ny filankevitry ny minisitra, mitety faritra. Hotanterahina ny 10 jolay izao izany, araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Mitohy amin’ny fanokafana ny “Festival des baleines” izany.
Niatrika ny faha-50 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Kaomoro ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny 6 jona teo, tao Moroni. Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika ny tenany tamin’izany. Tsiahivina fa nanatrika ny fankalazana teto Antananarivo koa ny filohan’ny Antenimiera kaomorianina, ny 26 jona teo.
Namaly bontana ny mpanohitra ny depiote Raholdina Naivo. Nohitsiny fa tena mbola manantena ny hanohizan’ny filoha ny asam-pampandrosoana ny TGV sy ireo fikambanana nanohana sy nifidy azy. “Manohana azy hatramin’ny farany amin’ny fanatanterahana ireo vinany izahay. Resy lahatra fa tsy misy olona afaka misolo azy”, hoy izy.
Hentitra ny depiote Ratsiraka Roland fa lany andro mitady vola amina tetikasa tsy mitondra fampandrosoana ny mpitondra. Nanteriny fa manao serasera lainga sy mamory vahoaka manao fety rehefa tsy mahavaha olana.
Notanterahina ny herinandro teo, tany Ghana, ny atrikasa momba ny fitantanana ny trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny tetezamita. Nikarakara izany ny eo anivon’ny “Institut africain de développement” ao amin’ny “Groupe de la banque africaine de développement”.
Tafiditra amin’ny “Spotlight” ao anatin’ny Akademia afrikanina ho an’ny fitantanana ny vola ho an’i Afrika, “Public Finance Management Academy – PFMA”, izany.
Niompanan’ny dinika ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana amin’ny fitrosana sy ny fanavaozana trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny tetezamita. “Tanjona amin’ity andiany Spotlight ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fanjakana afrikanina amin’ny fitantanana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny trosany”, hoy ireo tomponandraikitra. Tafiditra amin’ ny famolavolana politika, fandalinana ara-teknika, ary atrikasa anaty vondrona ny fizarana fahaiza-manao natao tamin’ny fiteny anglisy sy frantsay izany.
Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’i Madagasikara. Nahitana ny sekretera jeneraly lefitry ny Antenimierampirenena, nisolo tena ity Andrimpanjakana ity. Eo ny talen’ny trosa, nisolo tena ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manampy izany ny talen’ny sampandraharahan’ny Fanadihadiana ny vola sy ny fanaraha-maso “Brigade d’investigation financière et de l’audit” sy ny mpitahiry vola misahana ny fampindramam-bola avy any ivelany “Trésorier principal des financements extérieurs”. Eo koa ny governora lefitra faharoa eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara, ary ny talen’ny programam-panjakana sy ny fanaraha-maso sy ny fanombanana, nisolo tena ny minisiteran’ny Fitsarana.
Synèse R.
Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa.
Raha ny zava-misy, mihalavaka hatrany ny elanelan’ ny mpanana sy ny sarambaben’ny olona. Tena miezaka mafy mikiky ny kely eo am-pelatanan’ny olona ireo mpandraharaha sy ny manana fahefana hanao izany. Tsy misy kely mba mahazo mamindro izany. Manjaka ny ampihimamba sy ny figiazana ireo heverina ho herijika hisitrahan’ny maro anisa tombony.
Ny zava-doza, tsy vitan’ny ampahantraina ara-materialy fa tena horohoroana ara-panahy ny vahoaka tsimandadiharona. Tena mampivalaketraka ny mijery ilay Malagasy mihevitra ireo zavatra tsy manjary ho fenitra sy ara-dalàna. Ny ratsy sokajiana ho tsara, ny tsara havadika ho hafahafa. Azo lazaina fa mivadika atidoha ilay Malagasy. Tena resin’ny fahalovana sy ny fahapotehana tanteraka.
Tsy misy azo homen-tsiny anefa amin’ny zava-miseho ankehitriny satria, olon-dehibe manam-panahy. Afaka ny misaina sy mamolavola ny lalana tiany hizorana ny tsirairay, kanefa toa manaiky resy tsy miady izany. Mirona any amin’ny faharesena faobe sy ny fandemen-tsaina itambarana ny rehetra. Tsy manam-piniavana ny hiala ambany ziogan’ny mpanao tsindrio fa lavo.
Mampiteny ny moana ny faneken’ny besinimaro ilay fanangolena faobe, mitarika any amin’ny fandemen-
tsaina iraisana. Tratry ny be manaiky, toa tsy afaka mamakafaka intsony mihitsy. Tena tsy afa-mikofoka eo ambany vahohon’ny mpanjanaka ara-tsaina sy ny mpambotry ny harem-panahy.
Tsy hita intsony ny voambolana ampiasaina hilazana ny fanabadoana faobe mahazo ilay mpiray tanindrazana!
r.r
Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai).
Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. “Nandritra ny 18 volana latsaka no nitondrana an’io tetikasa io manokana ho an’Antananarivo Renivohitra”, hoy izy. Eto Antananarivo no be “titre” sy sarintany indrindra. Tena asa be no nanaovana informatika ny antontan-taratasy na ny sarintany rehetra.
Asabe vao nahatonga an’io vokatra io. Efa hita any amin’ny toerana hafa, na any Sainte-Marie sy Nosy Be izany. Ny teto Antananarivo no tena mafy indrindra. Dingana iray no vita, ary hotohizana amin’ny tanàna hafa izay ezaka izay.
Tsy hisy filaharambe intsony
Mampanantena ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany fa tsy hisy filaharambe sy fiandrasana elabe intsony ny fahazoana taratasy fanamarinana fananan-tany sy sarintany, fa ao anatin’ny minitra vitsy. Io kosa ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, Razafindratsimba Vonjy.
Ny tetikasa Produir, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, no niantsoroka manontolo ny asa : fotodrafitrasa, fampitaovana, fampidirana ny antontan-kevitra ao anatin’ny ordinatera, ahazoana mamoaka izany ho azy amin’ny mpaninjara izany…
R. Nd.