Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina ny tsy fisian’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.
Tantsaha maherin’ny 447 000 no hisitraka tohana mivantana avy amin’ny tetikasa Defis+ an’ny rohim-pihariana mifantoka amin’ny fambolena andraisan’ny rehetra anjara. Famatsiam-bola mitentina 150,8 tapitrisa dolara no entina manatanteraka ny tetikasa izay haharitra 6 taona, ka ny 53,8 tapitrisa dia avy amin’ ny FVC ary ny 97 tapitrisa avy amin’ny Fida.
Hiditra amin’ny fampiharana ny Minerals Security Partnership (MSP) i Madagasikara hampiroboroboana ny rojom-pamokarana « minéraux critiques ». Tetikasa entina hanohanana ireo firenena mpamokatra mitady mpampiasa vola na koa fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy fanatsarana ny politika fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Hanamafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fidirana anatin’ity vovonana ity.
Manoloana ilay resaka fanangonan-tsonia nataon’ny olom-boafidy tao Mahajanga sy Betsiboka, hanesorana minisitra roa, namoaka ny heviny mahakasika izany ny depiote Irmar, avy any Mahajanga, Rahantanirina Lalao na depiote Nina, omaly, tetsy Mahamasina. “ Tsy resy akory ny olo-mangina, ary samy manana ny eritreriny avy. Tsy izay miteny any amin’ny facebook akory no marina”, hoy ity olom-boafidy tao Mahajanga I ity.
Nomarihin’ity solombavambahoaka ity fa tsy misy ny ady an-trano eo amin’ireo samy olom-boafidy any an-toerana fa ny hevitra no tsy mitovy. Notsindriny ihany fa tsy feon’olona roa no atao hoe feon’ny solombavambahoaka, fa maro ireo olom-boafidy any an-toerana. Araka ny fanadihadiana natao, depiote roa mahaleo tena, mikasa hanala ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Pr Chaminah Loulla.
Etsy ankilany, nilaza ny minisitra Moustapha Abdulah Marson fa tsy ekeny velively ny fanaovana antsojay, fanararaotam-pahefana, fanaovana tsinontsinona ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry. “Manana ny lehibeko aho, ary izy no afaka miteny ahy raha tsy mety ny nataoko, fa tsy olona roa mitabataba any amin’ny facebook no hanakana ahy tsy hiasa ho an’ny firenena”, hoy izy.
F.R
Tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana sy misafidy ny hilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray. “Safidy atao ny mijoro hiahy ny maha olona mba hampanjaka ny soatoavina iombonana rehetra, toy ny firaisankina, ny tsy fitanilana, ary ny fahavononana hanampy ny vahoaka sy ny marefo”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny CRM, Rivoarimalala Aly Arlin, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao tetsy Antaninarenina, ny herinandro lasa teo. “Tsy azo atao ny miahy ny marefo raha tsy tanteraka izany rehetra izany”, hoy ihany izy. Manana ny toerany manokana ny fikambanana satria ny maha olona. Ahitana azy ireo avokoa ny fiantseharana amin’ny loza voajanahary, ny haintrano sy ny maro hafa, raha ny fanazavana voaray hatrany. « Tsy natao hitadiavana tombontsoa manokana ny antony hanaovana sy hirotsahana an-tsitrapo », hoy ireo mpikambana nanontaniana. Nilaza izy ireo fa ny antony nandrisika azy hiditra amin’ity sehatra iray ity dia ny finiavana hanome tanana sy hanampy ny mpiara-belona.
Ankoatra izay, manamavaina ny fanaintainan’ny mpiara-belona ny sampana mpamonjy voina izay hiseharana amin’ny filatsahana an-tsitrapo. Etsy ankilany, misehatra ao anatin’ny hamehana sy ny trangan-javatra misy eto Madagasikara ihany koa izy ireo. Mamonjy ny aina sy miantoka ny fahaveloman’ny olona iray mandra-pahatonga azy any amin’ny mpitsabo ihany koa. Ho azy ireo, eo ny tantsoroka amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza, izay iarahany miasa amin’ny mpamonjy voina hafa eto amin’ny Nosy. Mifamatotra sy mifanampy tanteraka amin’ny fanjakana ny asan’izy ireo manoloana ny fiahiana ny maha olona.
Miasa mafy rehefa vaninandro mahabe voina
Manetsika tanora maro hilatsaka an-tsitrpo ny fitondram-panjakana rehefa vanim-potoana mahabetsaka ny voina eto amin’ny firenena. Tamin’ny volana janoary 2025 lasa teo, napetraka ny Rezimantan’ny fikambanan’ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, taorian’ny fiofanana nomena azy ireo teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Nisitraka fiofanana momba ny fahaiza-misahana ny mety ho loza voajanahary miseho eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo, izay niisa 100 mianadahy. Avy amin’ny fikambanana maro izy ireo ary avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona, tamin’izany, ny hahafahan’izy ireo mamaly ny antson’ny fitondram-panjakana sy ny mpiray tanindrazana, raha sendra misy ny loza ara-boajanahary miseho.
Mahavotra aina maro ny fahafehezana ny asa
Miantoka ny fanatanterahana ny asa rehetra mandritra ny famonjena voina ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahafehezana ny asa ataon’izy ireo. Betsaka ny aina avotra sy ny takaitra voasakana vokatry ny loza. Mety hiteraka fahafatesana na takaitra hafa ho an’ilay olona raisina an-tanana mantsy ny tsy fahafehezana izany na ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ny olona iray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjona ny hanenana ny fanaintainan’ny olona manoloana ireo loza voajanahary mitranga maneran-tany sy manerana ny Nosy. Tsy maintsy omena fiofanana izy ireo rehefa miditra amin’izay sehatra izay. Mba hahamatihanina ny asa sy mahafeno ny fepetra ilaina rehetra amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo.
Nofaranana ny Andro maneran-tany
Natao tetsy Antaninarenina, ny herinandro lasa teo, ny famaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny CRM. Efa nisy ny fankalazana isam-paritra talohan’izao. Lohahevitra ny hoe: “miahy ny maha olona”. Nisy ny hetsika samihafa natao teny an-toerana. Teo ny fampirantiana mahakasika ny asa ataon’izy ireo, ny fitiliana maimaimpoana ny diabeta, tuberculose, fitsapana tosidra… Maro ny fikambanana misehatra amin’ny fanaovana filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara, anisan’izany ny « Croix Rouge malagasy ». Fikambanana miasa ho an’ny tombontsoa iombonana izy io, araka ny didim-panjakana 63-489, tamin’ny 07 aogositra 1963, izay natsangan’i Tsiebo Calvin, filoha lefitra voalohan’ny Repoblika voalohany. Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny fikambanana hatramin’izao, raha ny fanisana farany natao tamin’ny taona 2023.
Efa ahitana mpilatsaka an-tsitrapo avokoa manerana ny faritra sy distrika rehetra eto amin’ny Nosy. « Ampy sy mahasahana ny famonjena voina, fa ilaina ny fanampiana ny traikefa eo amin’izy ireo », hoy Razanamandimbisoa Tantely, mpikambana ao amin’ny CRM, sady solombavambahoaka. Tsy maintsy omena fiofanana avokoa ny olona iray raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana. Anisan’izany ny vonjy taitra, fiofanana amin’ny fahaiza-manao manokana ilaina. Nanao tantsoroka amin’ny sehatry ny fahasalamana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 ireny, ohatra. Tafiditra ao anatin’izany ny famonjena voina sy fitantanana ny loza ary ny tandindonin-doza eto amin’ny firenena sy ivelan’i Madagasikara.
Nanatontosa : Mino
Hatao ny 7 hatramin’ny 9 jona izao ny “Judo camp DMJ3” karakarain’ny Diaspora malagasy eo amin’ny taranja judo. Any Luisant, Chartres no hanatanterahana izany ka ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io 3 andro io.
Tontosa tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach volley. Voahosotra ho tompon’amboara i Julienne sy Marinà, teo amin’ny vehivavy. Raha toa ka i Hasina sy i Antonio no mpandresy teo amin’ny sokajy lehilahy.
Mbola misongadina hatrany, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika, Rakotoarimanana Fabio, Malagasy mpilalao. Tsy niala teo an-tanany hatrany ny medaly volamena tamin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy tamin’ny taona lasa.
Hotontosaina anio, any Allemagne, ny lalao manasa-dalan’ny “ Uefa Ligue des Nations 2025”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonana eo amin’i France sy i Espagne. Tsiahivina fa hanan-danja tanteraka io lalao, ary mbola manala vela ny frantsay.
J-3 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby (Can) sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 7 ka hatramin’ny alahady 15 jona ho avy izao. Ny Springboks Afrika Atsimo no firenena voalohany tonga eto Madagasikara, anisan’ireo hiatrika izany. Amin’ity alakamisy ity kosa vao hiaraka ho avy ny Liona avy atsy Kenya sy ny The Cranes Ouganda.
Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana toy izao, rahampitso vao afaka mitsapa ny Kianja Makis ireo vahiny delegasionina. Tsiahivina fa ekipa efa diso mifankalala tsara i Afrika Atsimo sy i Kenya ary ny Makis Ladies. Vaovao vao niakatra kosa ry zareo Ogandezy, izay nisolo toerana an’i Cameroun, nivarina any amin’ny vondrona D. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana amin’ity indray mitoraka ity.
Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya. Hanala vela ry zareo kenyanina amin’ity satria efa resin’ny Malagasy, tamin’ny taon-dasa. Heverina fa ho toy ny lalao famaranana kely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Hanokatra ity andro voalohany ity kosa i Afrika Atsimo, tompondaka tamin’ny taon-dasa, sy i Ouganda. Ankoatra izay, nanao fitsirihana ny Kianja Makis, ny solontenan’ny Rugby Afrique, omaly, hahazoana ny fankatoavana.
Tompondaka
Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, taranja basikety 3×3, andiany fahatelo. Nahomby ny hetsika ary nitombo ny mpandray anjara. Tratra, araka izany, ny tanjona ho an’ny ligin’i Vakinankaratra, mpikarakara. Nahitana taninketsa maro ihany koa nandritra ity fifaninanana ity, izay nahafahana nitily ireo mpilalao hoavin’ny taranja basikety 3×3. Raha hiverenana ny vokatra, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, ny Mamba Girls, teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny ASMG kosa no laharana voalohany teo amin’ny sokajy lehilahy. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona, nandrombaka ny fandresena teo amin’ny vehivavy, ny ekipan’ny Black Phoénix, raha toa ka ny Eclipse no tompondaka teo amin’ny lehilahy. Anisan’ny nandray anjara ihany koa ny teo amin’ny sokajy Vétérans ka voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Sket4Us teo amin’ny vehivavy ary ny Manafolahy ny teo amin’ny lehilahy.
Mi.Raz
Gazety Taratra (*) : Nilaza hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Antenimierandoholona. Ny fahitanao an’izay?
Miadana Fabien Privat (-) : Nanomboka tamin’ny fifidianana nivoahana tamin’ny krizy 2013, efa nisy torohevitry ny fiarahamonina sivily manara-maso fifidianana. Vita ny 2013, nanao fakan-kevitra maromaro ny Ceni-T. Isaky ny vita fifidianana, teren’ny lalàna ny mpanara-maso fifidianana hanao tatitra. Ao anatin’ireny, misy torohevitra momba ny lalàna sy ny fanatanterahana lalàna. Azo atao tsara ny fanitsiana lalàm-pifidianana. Mifanandrify amin’
izay andrasan’ny fiarahamonina sivily ve? Tsy ny mpanara-maso nasionaly ihany no nanao torohevitra, fa ny mpanara-maso iraisam-pirenena koa. Tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, tsy nahatonga mpanara-maso ny Vondrona eoropeanina. Anisan’ny antony ny hoe ny torohevitra efa tamin’ny 2013 niverimberina ary tsy nisy tanteraka.
* Ny fahitanao izay mety ho tolo-dalàna eo?
– Raha ny an’ny Antenimierandoholona, mankany amin’ny hoe miralenta eo
amin’ny lafiny fifidianana kokoa ny fanitsiana entin-dry zareo. Ny Ceni vao hanao tombana anatiny; avy eo, hiantso ny mpisehatra amin’ny fifidianana sy hanao fakan-kevitra. Tsy mbola fantatra izay ho vokany amin’izay mialoha ny tolo-dalàna any amin’ny parlemanta na volavolan-dalàna any amin’ny governemanta. Inona ny fanovana hoentina? Misy ny fiarahamonina sivily miteny hoe ilaina ny fifandanjana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ny fifidianana. Tsy tokony hohadinoina koa ny tanora.
Misy fandrarana izay tsy azo atao ny lalàna, nefa tsy misy sazy mifanaraka amin’
izay mandika izany. Tsy fantatra koa ny rafitra manasazy, ka lasa misy fifanilihana. Misy kandidà mandika lalàna: inona ny sazy ary iza no manasazy? Ho tonga amin’izany ve ny hataon’ny Antenimierandoholona sy ny Ceni? Misy koa ny kandidà tsy manao tatitra ny fitantanam-bola nandritra ny fampielezan-kevitra, nefa tsy misy sazy. Mila hatsaraina ny amin’izany hiantohana ny tsy fitongilanana amin’ny fampiharan-dalàna. Rehefa mazava izay, tsy misy ny fifanilihana.
* Ahoana ny hamarin-toerana ny lalàm-pifidianana?
– Nisy adihevitra be io lalàm-pifidianana io tamin’ny Ceni teo aloha. Nanao atrikasa maro sy soso-kevitra be dia be ry zareo. Nambara teny Anosy ny vokatra manerana ny Faritany, nefa nisy nesorina rehefa nandalo teny amin’ny governemanta. Toy izany koa teny amin’ny parlemanta. Ny niafarany, io tsy mazava io. Lasa manao torohevitra hatrany… Ny antony mampitovy ny torohevitra nanomboka 2013 no ho mankaty, misy zavatra tsy miova ao.
Tokony hanana fehezan-dalàna momba ny fifidianana mazava isika. Ho hita amin’izany, ohatra, ny hoe: isaky ny inona ny hanaovana fifidianana? Voafaritra mialoha izay, fa tsy iandrasana ny Ceni hanolo-kevitra dia ny governemanta no manapaka. Amin’ izay, tokony hifanaraka amin’ny kalitaon’ny fifidianana ilaina ny enti-manana.
* Inona ny tena mila hahitsy amin’ny lalàm-pifidianana?
– Anisan’ny ady ataon’ny olon-drehetra ny zo hirotsa-kofidina sy hifidy. Nefa voasakan’ny rotsa-bola fahazoana mirotsa-kofidina, ohatra. Raha tiana ny fahazoan’ny rehetra mirotsa-kofidina, tsara mifanaraka amin’ny harin-karena faoben’ny firenena izay rotsa-bola izay. Eo koa ny zo amin’ny fanaraha-maso fifidianana samihafa, matetika misy fahasahiranana hatrany amin’ny fampiharan-dalàna. Mila hamafisina ny fanomanana ny olona hiasa amin’ny biraom-pifidianana sy ny SRMV. Mba ho fanta-dry zareo ny zon’ny mpanara-maso, ny zon’ny olom-pirenena, ary ny zon’ny solontenan’ny kandidà. Mba tsy hisy fitongilanana na fanilikilihana… Eo koa ny fanaraha-maso ny vola ampiasain’ny kandidà, ny fotoana ahazoana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana… Tsara raha ferana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana ary atao mitovy ny kandidà rehetra. Tokony hanana fandaharanasa izy ireo ary izay no asongadina mandritra ny fampielezan-kevitra.
*Ahoana ny amin’ny fizarana zavatra isaky ny fifidianana?
– Misy milaza hoe kolikolim-pifidianana ny fizarana zavatra takalon’ny latsa-bato amin’ny fampielezan-kevitra. Hatramin’izao, tsy misy lalàna mandrara an’izay. Tsara misy hatrany endrika sy sary famantarana: tee shrit, kasikety… Fa tsy tokony ho zavatra takalon’ny safidy no hozaraina: vary, menaka, koveta… Ny fandaharanasa mitondra ny olona hahavidy an’ireny no tokony hozaraina. Misy olom-pirenena tsy mifidy raha tsy izaran-javatra: mila tezaina… Hahazoan-dry zareo mpizara zavatra tombony ny fizarana dia ataony. Efa hita fa tsy voafidy izay tsy mizara. Entanina ny mpanao politika mba tsy hizara zavatra, ary hamaritra lalàna mametra an’izay. Tezaina koa ny olom-pirenena fa ny fandaharanasa no hampiakarana ny harinkarena ka hahazoany mahaleo tena amin’ny fivelomana mahavidy zavatra, fa tsy mila izarana no zava-dehibe.
* Fifidianana toy inona no kendrena amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana?
– Mitovy hatrany ny tanjona amin’ny fifidianana hoe andraisan’ny rehetra anjara, eken’ny rehetra ny vokatra mitondra any amin’ny fitoniana… Izay no mitarika ny fahatsaran’ny kalitaon’ny lalàna. Eo koa ny fampiharana an’
izay: tena voasazy, ohatra, izay mandika lalàna. Tsy voatery avy amin’ny mpikarakara fifidianana sy ny mpirotsa-kofidina ihany no iavian’ny fikorontanana fa olom-pirenena: tsy miandrandra hozaraina zavatra.
Nangonin’i R. Nd.
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taon’ny Fahaleovantena, nisy ny diaben’ny Fahaleoventana, omaly, teny Ambohijatovo nihazo ny Kianjan’ny Barea, Mahamasina. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny matson’ny mpilalao ny fanombohana ny hetsika ara-panatanjahantena. Nifanandrinan’ny Hery fiarovana sy filaminana tamin’ny tomponandraikitra ambony eny anivon’ny andrimpanjakana ny lalao baolina kitra fiadiana ny amboaran’ ny filohan’ny Repoblika. Fanehoana amin’ny vahoaka ny firaisankinam-pirenena sy ny fiaraha-mientan’ny eo anivon’ny fitondrana: ho fitaratra ho an’i Madagasikara manontolo hoe ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana no mitarika ny fandrosoana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Kaomitim-pirenena mpanomana ny hetsika, ny jeneraly Rakotondrabary Eric. Hetsika fanombohana ny omaly fa ireo distrika eto Antananarivo Renivohitra no hiady ny amboara. Hetsika ara-kolontsaina ny fametrahana dian-tanana tamin’ny lamba fotsy lehibe: mametraka dian-tanana amin’ ny firenena ny olom-pirenena rehetra. Ny anjara adidy aman’andraikitra izany.
R. Nd.
Nanamarika ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena slovenianina teto Madagasikara ny fitsidihany ny toby Akamasoa an’ny Père Pedro, omaly. Nifanindran-dalana tamin’izay ny fitokanana sekoly teny Bemasoandro. Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika malagasy, nandritra ireo, ny fankasitrahany ny ezaka ataon’ity pretra ity sy ny mpanabe ao aminy. Izay nolazainy fa tsy mikely soroka tokoa amin’ny fanabeazana ny zaza malagasy, ka mahatonga ny vokatra tsara hatrany isan-taona. Nasongadiny tamin’izany ny voka-panadinana CEPE izay mahatratra hatrany amin’ny 96 %, ny bakalorea izay mihoatra ny 97%.
Mba hahafahan’ny fanjakana mitondra ny anjara birikiny kosa amin’ny fanampiana ny Akamasoa dia hisy ny fandraisana ho mpiasam-panjakana isan-taona ny mpampianatra eny an-toerana. Tsiahivina fa olona efa maherin’ny 500 000 no nisitraka ny fanampian’ny Père Pedro, hatramin’ny taona 1970, nahatongavany teto Madagasikara.
Tsy mijanona hatreo ny ezaka ataony, fa efa misy ny oniversite natsangana eny an-toerana. Andalam-pamitana kosa ny ivontoerana fampiofanana arakasa. Tetikasa izay nisy fiatoanakely teo aloha fa hanampy ny famitana azy ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny filoha Rajoelina Andry.
r.r
Mihenjana ny tady eo amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoriana ilay filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina eny amin’ny brigady misahana ny heloka ana habaka no fototr’izany.
Mafampana ny toe-draharaha! Nampiaka-peo ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, notronin’
ireo mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana, omaly, tetsy Alarobia. Melohin’izy ireo ny fanenjehana nataon’ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny Antenimierandoholona, teo anivon’ny «Cybercriminalité», ny filoha lefitra voalohany ao aminy. Ity farany izay nahazo fampiantsoana eny amin’ny Toby Ratsimandrava, hanaovana fanadihadiana. Ahiahina ho tompon’antoka tamin’ny famoahana tsy nahazoana alalana tamin’ny haino aman-jery, mahakasika ilay tolo-dalàna momba ny fifidianana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona,
Nomarihin’ny fanambarana nataon’ny Ceni, fa tsy izy ireo no namoaka voalohany ny mahakasika ilay tolo-dalàna. Nanamarina sy nanao fikarohana fotsiny izy ireo. «Misy fitsipika sy lalàna mifehy ny fanenjehana ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitra eo anivon’ny Ceni, raha toa ka misy fahadisoana goavana nataony. Izany dia voalazan’ny andininy faha-28, ny lalàna laharana faha-2015-020, tamin’ny 19 volana oktobra 2015, mahakasika ny Ceni», hoy Andrianarisedo Dama Arsène, filohan’ny Ceni.
Tsy nitory
Etsy ankilan’izay, nilaza ny eo anivon’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy nitory velively ilay olona voalaza ny filohany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Fitoriana olon-tsy fantatra no nataon’ny fitaleavana miandraikitra ny lalàna sy ny raharaham-pitsarana eo anivon’ity andrimpanjakana ity. “Tao amin’io sampandraharaha io no nisy namoaka ilay tahirin-kevitra ka nahatonga ny tomponandraikitra nitory, mba hahafahana mahita izay nanaparitaka ilay tahirin-kevitra”, hoy ny tomponadraikitra azo an-telefaonina halina.
Fitia Randria
Anisan’ny fifaninanana masina ahazoana ny tanàna madio eto Madagasikara ny faritra Atsimo Andrefana. Mifanaraka amin’izay, ny famitana ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika mba hitsohan’ny rivo-pampandrosoana avy any Atsimo. Mizara ny fomba fijeriny ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally.
Gazety Taratra (*): Taorian’ny fandalovan’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, tompoko, inona no azo ambara mahakasika ny filazana fa avy aty aminareo no ho fitaratra amin’ny fandrosoan’i Madagasikara?
Governora Tovondrainy Ranoelson Edally (-): Voalohany, isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manana ity fomba fijery ity, izay tsy mbola nisy hatrizay. Nalaza ho faralahin’olona foana izahay taloha. Mitombina tanteraka, araka izany, ny filazany amiko. Afaka taona vitsy dia azo antoka fa ho fitaratra ny aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Raha tsiahivina dia misy tetikasa lehibe telo, amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany, ato aminay. Malaza ny Base Toliara izay hampiasa volabe 1 miliara dolara ka 50 tapitrisa dolara isan-taona no vola hihodina sy ho ampiasaina eto aminay. Tsy ho lany eto avokoa izany fa tsy maintsy hisitraka ny faritra hafa. Mbola misy ny NextResource Materials, izay miasa any Fotadrevo. Efa manao fitrandrahana sy manondrana izy ity. Ary ny Blackearth, izay hiasa any ampanihy, efa tsy ho ela.
* Voalaza matetika tompoko fa tsy mipaka amin’ny vahoaka anefa ireo voalazanao, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manao ahoana ny tamberin’andraikitra?
– Tsy hiresaka lavabe aho mahakasika izany fa anisan’ ny efa manao izay manandrify azy ireo tetikasa voalaza ireo. Raha tsy hilaza fotsiny ny orinasa Next Ressource aho dia am-perinasa tanteraka izy ireo amin’ny fanaovana asa sosialy sy toekarena. Anisan’ny mpanohana anay voalohany amin’ilay fifaninanana tanàna madio izy ireo. Efa mandray anjara amin’ny ampahany lehibe amin’ny fanatsarana ny tanàna ry zareo.
* Ampy hilazana fa azo antoka ve tompoko ny fampandrosoana miankina fotsiny amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany?
– Efa zava-dehibe ireo raha mahakasika ny harena an-kibon’ny tany satria manambaka ny faritra hafa ny fanananay ireo fitrandrahana telo goavam-be ireo. Tsy azo tsinontsinoavina fa tena mitazona ny anjara toerany lehibe ihany koa ny fambolena eto amin’ny faritra. Azoko lazaina fa efa sompitra izy amin’ny ankapobeny. Raha ny vary manokana dia afaka fotoana vitsy izahay dia hilahatra amin’ny sompitr’i Madagasikara. Ankoatra ny saha Mangoky izay efa nalaza dia mbola misy ny tetikasa any Morombe, izay misy 5 000 ha ka ny 3 000 ha no efa voajary tanteraka sy efa azo volena. Tombanana hamoaka vary dimy taonina isaky ny hekitara izany. Hitantsika, araka izany, ny ho vokatra eo. Amin’ny distrika sivy, ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia distrikan’i Toliara I irery ihany no tsy mamokatra vary. Marihiko fa tsy faritra maina araka ny mahazatra ny aty aminay fa misy ny faritra tena azo volena ary mahavokatra. Ankoatra ny vary, fantatsika fa Atsimo Andrefana no voalohany eto Madagasikara mamokatra hasy sy ny kabaro, manginy fotsiny ny tsaramaso sy ny katsaka, ary ny voanjo.
* Manao ahoana ny seha-pihariana hafa?
– Ny faritra misy anay dia toerana tokony ho lohalaharana mihitsy raha ny zava-misy azo trandrahina sy handraharahana no resahana. Ankoatra ny fambolena dia voalohany izahay amin’ny fananana harena an-dranomasina, miaraka amin’ny morontsiraka mirefy 530 km be izao. Manginy fotsiny ny harena voajanahary hafa ety an-tanety. Azo lazaina fa ambony ny tahan’ny fananana ireo harena tsy fahita firy eto ambonin’ny tany aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ankoatra izay, tsy azo hadinoina ny fiompiana satria saika ny antsasaky ny omby misy eto Madagasikara dia avy eto aminay, miampy ireo ondry aman’osy izay anananay maro. Hamaranako azy ny lafiny fizahantany. Ankoatra an’i Nosy Be Hell Ville, dia aty aminay ny laharana faharoa amin’ny fandraisana vahiny. Mahaliana vahiny aty aminay, azo hamarinina izany. Koa tsy mahagaga fa hamariniko ny tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe hianga avy aty aminay ny fampandrosoana.
* Izay ireo heverintsika ho tombony ho an’i Toliara fa mba misy ve ny Drafi-pampandrosoana ity faritra tantananao ity?
– Manana izay tokoa izahay ary niainga tamin’io no naha voalohan’ny fampandrosoana taty aminay hatramin’ ny nitondran’ny Filohan’ny Repoblika. Mitodika mankany amin’ireo seha-pihariana voalaza teo ireo ny politika entinay mitondra ny faritra. Mirona mankany avokoa ny zotra nentina manatratra ny tanjona tokana nokendrena. Amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny manatsara sy manavao ilay drafi-pampandrosoana ny faritra izahay. Izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny famitana izany. Tsy maintsy natao izany mba hifanaraka ny hodidina misy amin’ izao fotoana izao dia ny fahatongavan’ny mpandraharaha lehibe amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Misy ny fampirisihana ny mponina mba hiomana sahady amin’ny fiatrehana ny tinadin’ ireo tetikasa ireo.
* Olana iray nosedraina tokoa, tamin’ny tetikasa tany aloha, ny resaka tsy fahazoan’ny mponina ao an-toerana ny tombony mivantana?
– Izay indrindra no efa hiarahana sahady amin’ireo mpiantsehatra hafa, ohatra, ny arakasa mba hanofana ny tanora sy hamantatra mialoha ny filan’ireo orinasa. Izaho manokana dia niezaka nifampiraharaha tamin’ny mpitondra tetikasa ireny mba tsy ho sakana ny olana eo amin’ny resaka traikefa satria afaka mianatra sy miofana, ary manatsara ny fahaiza-manaony ny tsirairay avy. Izay indrindra no hametrahana amin’izao fotoana izao ny Tranoben’ny asa na ny tambajotra hampifandray ny mpisehatra rehetra. Tanjona ny hampifandanja ny tolotra sy ny tinady arakasa ka tsy ho latsa-daja ny zanaky ny faritra.
* Na eo aza anefa izany rehetra izany, mbola olana hitanay ny mahakasika ny lalana, ahoana ny momba izany?
– Raha ny momba ny lalana dia efa iaraha-mahita sy nandre ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Efa mandeha io ny tetikasa lalam-pirenena fahafolo sy fahafito, RN10 sy RN7. Ny ato anatiny, efa vita godirao soa aman-tsara ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Ny lalana rarivato (Pavé) ato anatiny dia efa nahazo fanampiana avy amin’ ny Filohan’ny Repoblika izahay hanitarana izay efa natomboka. Amin’ny taona ho avy dia heverina fa tsy hisy lalan-dratsy intsony eto an-tampon-tanànan’i Toliara.
Dinika nangonin’i CMS
Nahemotra ny 10 jona, ny fara-fandraisana ireo video ho an’izay handray anjara amin’ny fifaninanana “Tafan-gilita”. Natao ho an’ireo mpitendry gitara tsy mbola malaza, kanefa mahafehy izany izy ity. Aorian’io daty io, hiroso amin’ny dingana voalohany ireo mpitsara, hamoaka ny anaran’ireo 50 hiatrika ny dingana manaraka. Ambara amin’izay ihany koa ny tohin’ny fifaninananana, mandra-pahatongan’ny famaranana amin’ny volana septambra.
Hisehatra mandritra ny Indian Ocean Music Market na IOMMa atsy La Réunion, i Mashmanjaka. Anio alina ny anjarany, miaraka amin’ireo mpanakanto avy ao Maurice sy La Réunion, nosafidian’ny komity manokana. Sehatra ho an’ireo mitondra mozika vaovao avy aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina, heverina fa afaka miditra amin’ny tsenan’ny mozika any Eoropa sy manerana izao tontolo izao izy ity.
“Ndao hitendritendry”. Hetsika iray hanentanana ireo manan-talenta, hanamarihana ny “Fetin’ny mozika”, ny 21 jona io. Hasiana sehatra malalaka eo amin’ny Carrefour Ankorondrano, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hasaina amin’izany izay te hitendritendry sy hihira, mba hifandimby handray anjara eo. Efa fanao any ivelany rehefa “Fetin’ny mozika” ny sehatra malalaka toy izao.
Nifamory indray ry zareo “Pazzapa 3”. Miketrika ny fiarahana manaraka izy ireo, izay fantatra fa ny
6 jona izao, etsy amin’ny Pho Resto Ivato. Efa 20 taona sahady izay no tafaraka tanatin’ity lalao ity ry Stan, Nanah, Haja, Nampoina, Stéphane, Dinah, sns. Fanombohana ihany io, fa homarihin-dry zareo amina hetsika maromaro izay faha-20 taonan’ny “Pazzapa 3” izay.
Feno 190 taona (1835 – 2025) amin’ity taona ity ny nahavitana ny fandikana ny Baiboly. Fironana ankehitriny efa taona vitsivitsy izay ny famoronana voambolana vaovao. Ny famoronana anefa tsy tokony hitarika any amin’ny fanadinoana ireo voambolana efa nisy. Hotontosaina ny alarobia 11 jona izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoahana ny boky “Voambolan’ny Baiboly” hamohazana indrindra ireo voambolana ao anatin’ny Baiboly izay tsy fandre firy intsony ankehitriny. Asa goavana manoloana ny fampitiavana sy fampivelarana ny teny malagasy, notanterahin-dRado Ramaherison.
Novakiana manontolo ny Baiboly. Nangonina ny voambolana. Nirosoana ny fanazavana azy ireo ka nampiasaina tamin’izany ny Rakibolana malagasy (Régis Rajemisa Raolison), ny Rakibolana Raki-pahalalana (Akademia Malagasy), ny Diksionary amin’ny Baiboly (nalahatr’i Rév. James Sibree, Misionary avy amin’ny L.M.S) ary ny Firaketana dia ny Firaketana izay nandraisan’ny raiamandreny Mpitandrina Ravelojaona anjara ny nandrafitra azy.
Ny lalan-tsaina “Mitady ny very” sy ny tenin’izany raiamandreny izany nanao hoe “Ny Teny malagasy no zavatra rehetra an’ity firenena ity” no ainga sy tari-dalana tamin’ny fanoratana ny “Voambolan’ny Baiboly”.
HaRy Razafindrakoto
Alahadin’ny Pantekosta, 8 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hanatanteraka seho lehibe ao amin’ny FLM Ambohimasina Itaosy ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Fantatra fa tsy ho latsaky ny hira 30 no horenesin’ny mpijery amin’io fotoana io. Anisan’ny mampiavaka ny TMI ilay fahaizana mampifandrindra ny feo sy ny zavamaneno ary ny fampitana izany ho an’ny mpihaino. Tononkira tsotra, kanefa, mitondra hafatra mafonja. Marolafy rahateo ny lohahevitra fonosin’ny hiran-dry zareo ireto (Fiainam-pirenena, fitiavan’Andriamanitra, fankaherezana ireo izay mitady ho kivy…). Raha tsiahivina, ny Tanora Masina Itaosy no anisan’ny tarika na antoko mpihira nahavita seho maro indrindra tao anatin’iny taona 2024 iny. Mbola mitohy amin’izao taona 2025 izao ny fanaovana seho tsy tapaka sy mahasarika mpijery maro.
Fantatra fa ny sampana Fifohazana (Fifil) Ambohimasina Itaosy no mikarakara ity hetsika ity. Sampana izay mankalaza ny faha-40 taona nijoroany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
L’Université d’Antananarivo a marqué le coup d’envoi des festivités célébrant le 65e anniversaire de l’indépendance par une lever de drapeau symbolique présidée par le Professeur Chaminah Loulla, ministre de l’Enseignement supérieur et de la recherche scientifique (Mesupres), réunissant les universités à travers le pays. La cérémonie a rassemblé des membres du gouvernement, des responsables académiques, ainsi que de nombreux étudiants, enseignants et entrepreneurs, tous unis pour célébrer ce moment important de l’histoire nationale. Le thème choisi pour cette année, « Ny fitiavanan-tanindrazana miteraka fampandrosoana », souligne l’importance de la connexion entre l’identité culturelle et le développement du pays.
A cette occasion, le ministre a souligné l’importance d’un amour véritable pour la patrie en déclarant qu’ « il ne suffit pas d’aimer son pays dans son cœur ou de le proclamer à haute voix. Cet amour doit se traduire par des actions concrètes, par le respect de l’éducation, et par des décisions orientées vers le développement de notre nation ». Ses mots résonnent comme un appel à l’engagement actif des jeunes et des universitaires dans la construction du Madagascar de demain.
Outre les discours, les étudiants ont animé la journée avec divers spectacles culturels et sportifs, tout en promouvant des initiatives de « civisme ». Ces activités étaient non seulement une célébration de l’héritage national mais aussi une plateforme pour encourager la citoyenneté active parmi la jeunesse malgache. Notons que, les célébrations du 65e anniversaire de l’indépendance de Madagascar promettent d’être riches en événements et en réflexions, plaçant la jeunesse et l’éducation au cœur des festivités. Avec de telles initiatives, l’Université d’Antananarivo démontre son rôle clé dans la formation d’une génération capable de bâtir l’avenir du pays.
Fahranarison
Le coup d’envoi d’une convention de financement pour appuyer la création d’Aire marine et terrestre protégée de l’île Sainte Marie (AMTP), connue également sous le nom de Sorkay, a été signé hier, en marge de la célébration de la Journée mondiale de l’environnement (JME 2025) dans cette île. Une initiative qui entre dans le cadre du projet GEF6-AMP et consolide ainsi le réseau des aires marines de Madagascar. Cette signature s’est déroulée entre le FAPBM (représentant le GEF), le projet GEF6-AMP ainsi que l’ONG Gret qui est le promoteur de l’AMTP Sainte Marie. « C’est une grande étape si l’étape finale sera la validation en conseil du gouvernement », a indiqué le ministre de l’Environnement et du développement durable (Medd), Max Fontaine Andonirina, dans le cadre de cette signature.
Avec sa superficie de 265.000 hectares, la future AMTP Sorkay est reconnue comme une zone d’agrégation des baleines à bosse afin de s’y reproduire. Faisant de leur présence la principale attraction touristique de l’île, une des principales sources de revenus des Saint mariens. A part cela, Sainte Marie possède également 4.100 hectares de récifs coralliens et 182 hectares de mangroves. Une richesse naturelle qui fait de l’île une zone marine susceptible d’être reconnue comme zone de biodiversité par l’Union internationale pour la conservation de la nature (UICN), une des organisations mondiales qui se consacre à la conservation de la nature.
A noter que le projet GEF6-AMP est mis en œuvre par le ministère de l’Environnement et du développement durable qui vise à étendre la superficie totale des AMP à plus de 750.000 hectares d’ici 2026. Une initiative qui s’inscrit dans la contribution du pays à la cible n°3 du nouveau cadre mondial pour la biodiversité de la Convention sur la diversité biologique (CDB). Soulignant ainsi l’engagement de Madagascar en faveur de la conservation de sa richesse naturelle.
Sera R.
Dans un contexte où le taux de grossesse précoce est alarmant dans le Sud du pays, l’association International youth alliance for family planning (IYAFP) a lancé un programme d’éducation à la santé sexuelle complet. Toujours est-il que, selon une enquête nationale réalisée en 2021, une jeune fille sur trois est enceinte avant l’âge de 18 ans, soulignant ainsi l’urgente nécessité d’une éducation sexuelle appropriée.
Dans le Sud de l’île, des jeunes filles de seulement 10 à 11 ans sont déjà confrontées à des grossesses non désirées, souvent sans aucune connaissance de leur corps et de la santé reproductive.
Ce projet, soutenu par le gouvernement britannique, vise dans ce sens à sensibiliser les jeunes et leurs parents sur l’éducation sexuelle dans 15 fokontany des trois districts cibles, à savoir Mananjary, Ambovombe et Toliara. 320 jeunes et 307 parents ont bénéficié de cette initiative. Par ailleurs, 600 livres sur l’éducation sexuelle ont également été distribués pour soutenir les connaissances acquises.
Des sessions de discussion et de formation
Le programme a été conçu pour s’adapter au besoin des jeunes et des parents, avec des sessions se déroulant chaque week-end en présence de membres de l’IYAFP. « Nous avons abordé des sujets variés autour de l’éducation sexuelle, en séparant les formations pour les jeunes et pour les parents », explique Tendry Ramparaoelina, coordinateur adjoint de l’IYAFP.
Pendant six mois, des sessions de discussion ont été organisées en collaboration avec des responsables communautaires, des agents de santé et des organisations de femmes engagées dans l’éducation à la santé sexuelle. « Nous avons prévu de continuer l’éducation dans les fokontany qui n’ont pas encore été couvertes, et notre calendrier est déjà plein jusqu’à la fin de l’année », a enchanté Vola, point focal à Toliara. Selon l’IYAFP, « Cette initiative vise non seulement à éduquer mais aussi à inclure les parents dans ce processus crucial de sensibilisation, car leur rôle est essentiel pour accompagner les jeunes dans leur apprentissage ».
Recueillis par Fahranarison
Une lueur d’espoir pour le problème d’eau dans le pays. La République de Madagascar et la République Arabe d’Egypte ont signé cette semaine un Protocole d’accord pour renforcer leur coopération dans le domaine de la gestion intégrée et durable de l’eau. La Grande île a été représentée par la ministre des Affaires étrangères, Rasata Rafaravavitafika, ainsi que le ministre de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène, Lalaina Andrianamelasoa et AbdelhadiAbdou Said Rabab, ambassadrice d’Egypte à Madagascar pour l’ancien pays du Pharaon.
Ce partenariat permettra la mise en œuvre de projets conjoints dans des domaines prioritaires tels que la collecte des eaux pluviales, la gestion des inondations, le renforcement des capacités techniques et l’adoption de solutions technologiques durables. A cette occasion, Rasata Rafaravavitafika a souligné l’importance de ce nouvel élan bilatéral pour faire de la gestion de l’eau un vecteur de développement durable, de résilience climatique et de prospérité partagée.
L’Egypte est un partenaire de longue date de la Grande île. A titre d’exemple, la coopération militaire entre l’Egypte et Madagascar est au beau fixe, notamment dans le domaine de la défense, avec des militaires égyptiens dépêchés à Madagascar.
F.M
Victoria Falls (Zimbabwe) accueille le 57e Forum parlementaire de la Sadc sous le signe de l’innovation. Dans son discours à la cérémonie d’ouverture de lundi, Justin Tokely président de l’Assemblée nationale de Madagascar et non moins président du FP-Sadc, trace la voie du FP-Sadc pour l’avenir de l’Afrique australe
Dans son allocution, Justin Tokely a brièvement présenté la trajectoire actuelle du FP-Sadc avec pour objectif la croissance économique et sociale dans la région. Il n’a pas manqué de rappeler les efforts de ses prédécesseurs. « Nous ne pouvons pas manquer de rappeler les efforts déployés par le Forum au fil des ans, qui lui ont permis de se démarquer et de s’adapter à toute époque », a-t-il souligné, évoquant des thématiques importantes telles que le changement climatique, les monnaies numériques, la gestion de la dette et plus récemment, l’intelligence artificielle. Il a également adressé ses félicitations et ses encouragements aux participants de cette 57e édition. A noter qu’un symposium consacré à l’intelligence artificielle figurait au programme de la journée.
Le président Tokely a félicité la volonté de renforcer la coopération et la diplomatie parlementaires, tout en mettant en avant le rôle du Forum dans la promotion de la culture démocratique et de la responsabilité en Afrique australe. Il a insisté sur l’importance des programmes de renforcement des capacités, tant pour les parlementaires que pour le personnel des Assemblées, afin d’assurer la pérennité des institutions démocratiques de la région. Le président du FP-Sadc a également exprimé sa gratitude envers les chefs de délégation et les parlementaires présents qui illustrent bel et bien la diversité des pays membres de la Sadc. Il a évoqué également le développement économique du Zimbabwe, reconnu pour son leadership dans les secteurs de l’agriculture, de l’exploitation minière et de l’industrie moderne, tout en rappelant que le Zimbabwe fut l’un des membres fondateurs du FP-Sadc en 1997 et un soutien constant à la démocratie régionale.
La délégation malgache et ses pairs africains
La cérémonie d’ouverture a rassemblé de nombreuses personnalités de haut rang, dont le président du Zimbabwe, Emmerson Mnangagwa, les présidents de différentes Assemblées nationales, le président du Parlement panafricain, celui de l’Association parlementaire du Commonwealth, ainsi que des ministres et secrétaires généraux d’organisations parlementaires internationales et régionales. Justin Tokely était accompagné d’une délégation de députés malgaches membres du FP-Sadc, entre autres Sophie Soamiadana Ratsiraka (Vatomandry), Ain’Harimanga Gabrielle Raby Savatsarah (Farafangana), Lovanirina Célestin Fiarovana (Betafo), Lova Herizo Rajaobelina (Moramanga) et Bismark Mong-Mann (Ihosy). Le Forum se poursuivra jusqu’au samedi 7 juin à Victoria Falls.
F.M
.