Lalaon’i Madagasikara sy i Maroc: aorian’ny Barea ny vahoaka malagasy

Les Nouvelles - sam, 08/30/2025 - 07:50

Hatao, anio, any Kenya, ny famaranan’ny “Chan 2024”. Samy vonona ny haka io amboara lehibe io i Madagasikara sy i Maroc. Ho avy hanohana ny Barea any Kenya ny filoham- pirenena malagasy.

Tonga ity ny fotoana! Hia­trika ny lalao famaranan’ny “Chan 2024”, izay hatao any Nairobi Ke­nya, anio, i Madagasikara. Hi­fa­nan­drina amin’ny Barea A’ amin’izany ny Lion de l’Atlas Maroc, izay efa indroa nisesy (2018, 2020) nandrombaka ny Chan. Tsara ny mampahatsiahy fa ny ekipam-pirenena ma­lagasy, izay sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra afrikanina no hiatrika fa­maranana tahaka izao. Raha hiverenana ny lalao ma­nasa-dalana nataon’ny roa tonta, ny Barea nanilika ny ekipa nasionalin’i Soudan, tamin’ny isa 1 no ho 0, ary i Maroc, nanintsana an’i Se­ne­gal, teo amin’ny fandakana «tirs au but», 5 no ho 3, rehe­fa nisaraka ady sa­hala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Raha eo amin’ny lafiny taratasy, mipetraka ho favoris hatrany i Maroc, saingy ho gidragidra ny fifanandrinan’ny roa tonta amin’ity, samy hiezaka ny hi­bata ilay lelavola 3 tapitrisa 500 dolara na 15, 4 miliara Ariary ny eki­pa roa tonta. Ankoatra izay, nilaza ny mpanazatra ny Barea de Mada­gascar, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, fa tsy afaka hilalao amin’ity famaranana ity i Rado sy i Feno­hasina ary i Andy. Antony, nahazo karatra mena i Fe­nohasina tamin’ny fifandonana tamin’i Soudan, i Rado nahazo karatra mavo nifanesy tamin’ny lalaon’i Kenya sy i Soudan. Maratra kosa i Andy.
Nahazo fanasana ny Filoha

Ankoatra izay, ho avy hijery ny lalao famaranan’ny Chan ny filohan’ny Fifa, Gianni Infantino. Nahazo fanasana manokana avy amin’ny lehiben’ny Caf, Patrice Motsepe, kosa ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Antenaina izany fa ho avy hanohana ny Barea any an-toerana ny filoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana farany satria ny ekipam-pirenena malagasy no hiady ity amboara goavana ity.

Fitia Randria

Catégories: National

Fitrandrahana tsy ara-dalàna : Manao fanairana ny Tafo Mihaavo

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:49

“Fanairana!” Nanao fa­nam­barana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fi­trandrahana tsy ara-dalàna manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any amin’ny faritra Vohilava, distrikan’i Mananjary. Simba ny renirano Intsaka sy Mananjary ary ny Canal des Pangalanes, izay tena ilaina amin’ny fiainan’ny mponina eo amin’ny resaka fambolena sy ny fitaterana ary ny fiarovana ny tafiotra.
Ho an’ny sokatra radiata in­dray, mbola lasibatry ny resaka fanondranana antsokosoko ny ao Atsimo Andrefana. Mbola misedra olana lehibe io karazan-tsokatra io. Na dia efa voa­aro aza, mbola betsaka ny mi­haza sy mivarotra azy antsokosoko. Tarehimarika mampivarahontsana: 30 875 isa ny sokatra efa niharan’izany teo anelanelan’ny 2000 sy 2021. Tsy sokatra fotsiny anefa izy ireo fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanarenana ny ala maina, amin’ny famafazany voa sy fitandroana ny fifandan­jan’ny tontolo iainana.
Mahakasika ny ao Sakatia (Nosy-Be), efa taona maro no niainan’ny mponina ny ady amin’ny fandraisan-tany ataon’ ny orinasa vahiny iray. Hatra­min’ny taona 2016, niezaka na­nilika mponina ny orinasa, ka mikasa hanangana hotely, na dia efa nofoanan’ny fitsa­rana aza ny fifanarahana. Mitaky mangarahara sy fitantanana manaja ny zon’ny tompon-tany ny fokonolona any an-toerana. “Tsy azo atao sorona amin’ny tombontsoan’ny vahiny ny tany lovain-jafy”, hoy izy ireo.

Fitia Randria

Catégories: National

Soanierana Ivongo – Toamasina: Mitaraina amin’ny lalana ny mpamily

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:48

Ratsy dia ratsy! Izay no azo ilazana ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soanierana Ivongo. Araka ny fanadiha­diana natao tamin’ny mpamily any an-toerana, ny sabotsy lasa teo, mitaraina izy ireo amin’io lalana io, mandany adiny folo be izao ny zotra iray.
“Tsy vitan’ny hoe efa olana ilay lalana fa miteraka fatian­toka ho anay mpampiasa fiara ihany koa. Lany ny fotoana, zara raha mahavita zotra indroa ao anatin’ny andro iray, ary matetika simba ny fiara”, hoy ny mpamily iray nanontaniana. Tsy izany ihany fa misy amin’ireo olon-tsotra ihany koa maha­tsiaro ho sahirana rehefa handeha ho any an-toerana, mila mitandrina tsara amin’ny hafainganam-pandeha.
“Misy ny ampahan-dalana tokony ho vita ao anatin’ny 15 mi­nitra, mirefy 200 m, saingy noho ny faharatsian’ny lalana, voatery 25 min na 30 min eo izany vao vita”, hoy ny olon-tsotra iray handeha hanao fialantsasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie.
Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra, araka izany, ireo mpampiasa ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soa­nie­rana Ivongo, anatin’ny faritra Atsinanana ity, mba hijery akaiky ny zava-misy. Notsiahivin’izy ireo fa efa natao ihany ny fangatahana, saingy tsy mbola nisy vokatra hita maso hatramin’izao.

Fitia Randria

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:48

Nifarana omaly ny fikaonandoha nasionaly nametrahana ny hoavin’ny jono eto Madagasikara, iarahana amin’ny fifanarahan’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC). Naharitra roa andro ny hetsika nifarimbonan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.
Notontosaina tao amin’ny Kaominina Sainte Marie, distrikan’i Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny fam­piofanana momba ny teknikam-panjonoana maharitra, izay karakarain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Anisan’ny fanavaozana natao tamin’ izany, ny sehatry ny fanjonoana makamba. Mpanjono miisa 85 avy amin’ny fokontany Ambodifotatra sy Vohi­lava no nisitraka ny fiofanana.
Nifarana omaly, tao amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny « Salon de l’étudiant et de l’emploi ». Hetsika iray natokana ho an’ireo mpianatra hizaha oniversite vaovao sy ireo mpianatra nahavita fianarana ka maniry ny hitady asa. Orinasa 10 no nanao fampirantiana teny an-toerana. Betsaka ireo tanora no liana tamin’ny famelabelarana natao. Nisy koa ireo niatrika ny adina am-bava avy hatrany.

Catégories: National

Orange Money sy ny PAMF : Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fikirakirana vola

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:48

Ho fampiroboroboana ny resaka fikirakirana vola niomerika na “Mobile Money”, nanamafy ny fiaraha-miasan’izy ireo indray ny Orange Money sy ny Premiere agence de micro finance (PAMF).

Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Gara Soa­rano, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Money Madagascar sy ny Première agence de micro finance (PAMF). Tanjon’ izy ireo ny hampiroboroboana ny fidiran’ny Malagasy amin’ ny tolotra ara-bola niomerika na “Mobile money” mba hanamorana ny fiainan’ny olon-tsotra sy hanamafisana ny fahaleovantenan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika.
Ny taona 2018, efa nanom­boka ny fifamatorana ara-stratejika teo amin’ny roa tonta. Nahafahana nanamora ny famahana olana maro izany, toy ny fampindramam-bola sy ny tahiry amin’ny alalan’ny finday, izay natao hanampiana ireo fianakaviana sy ny ori­nasa tsy tafiditra amin’ny banky mahazatra.
Raha ny PAMF kosa, efa nanao ezaka lehibe amin’ny famelomana ny sehatry ny fampiasana vola madinika sy ny “PME”, amin’ny alalan’ny tolotra tsotra sy azo antoka ho an’ny mpanjifa eny ifotony.

Fanavaozana vaovao ho an’ny mpanjifa

Anisan’ny tolotra vaovao natolotr’ity fiaraha-miasa ity ny fampindram-bola, banky sy finday, na Bank to Wallet, mba hahafahan’ny mpanjifa mandatsaka ny vola avy hatrany avy amin’ny kaonty PAMF man­kany amin’ny kaonty Orange Money, ary azo antoka sy haingana ny fiasan’izany. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tolotra “M-Kajy”, izay ahafa­hana mamantatra avy hatrany ny vola afaka indramin’ny mpanjifa, tsy mila fisoratana anarana intsony. Ankoatra izay, azo atao ihany koa ny mametraka tahiry isan-kerinandro na isam-bolana, izay manampy amin’ny fanoma­nana ny hoavy.
Araka ny fanambaran’ny Orange Money, “ny tanjona lehibe indrindra dia ny hanamora ny fiainan’ny Malagasy sy ny ahafahan’izy ireo miditra amin’ny tolotra ara-bola na dia any amin’ny faritra lavitra aza.”

Fitia Randria

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:47

Nifarana omaly ny fanadinam-panjakana “Certificat d’aptitude à l’enseignement dans les écoles primaires” (CAE/EP ) an-tsoratra, taona 2025, izay naharitra roa andro. Natokana ho an’ireo mpampianatra hisehatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany ity mari-pahaizana ity. Notanterahina manerana ny Dren 23 eto Madagasikara izany, ka miisa 4 185 ireo mpiadina nisoratra anarana hiatrika io fanadinana io. Miparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 63 manerana an’i Madagasikara. Ny taranja “socio-pédagogie” no nanombohana ny adina. Tokony hanana ireo fepetra takina ny mpiadina. Manana mari-pahaizana “Brevet d’étude de premier cycle de l’enseignement secondaire” na “Certificat de fin d’études du premier cycle de l’enseignement secondaire” na ny mitovy lenta amin’ireo. Tsy maintsy nahavita nampianatra fara fahakeliny telo taona teo anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany.

Nisongadina ny fanohanana ny tanora amin’ny sehatry ny fandraharahana taorian’ny fiofanana manokana natokana ho an’ireo mpandresy efatra tamin’ny olympiades des métiers. Lohahevitra roa lehibe ny fiofanana: famoronana orinasa niarahana tamin’ny EDBM sy ny kolontsaina ara-pandraharahana. Noha­tevenina tamin’ny fitsidihana orinasa ihany koa ny fiofanana. Ny Loi confection sy ny entreprise Mazava Sportwear no nandray ireo tanora.

Catégories: National

Finale du Chan: le vol vers Kenya affiche complet

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:26

Après l’annonce faite par le président de la République d’un vol spécial affrété pour que les supporteurs malgaches puissent jouer leur rôle de 12e joueur au Moi International Stadium de Kasarani à Nairobi (Kenya) demain, l’engouement est tel qu’en une journée à peine, le vol affiche complet. Un deuxième vol est déjà prévu.

Ferveur nationale. A Madagascar, quand les Barea rugissent, le peuple vibre à l’unisson. Cette fois, l’élan populaire a franchi les frontières, au-delà même du continent, direction Nairobi, pour la grande finale du Chan 2024 entre les Barea de Madagascar et le Lions de l’Atlas du Maroc. Et si cela ne tenait qu’aux centaines de milliers de supporteurs des Barea de Mada­gascar, ils prendraient tous place dans le gradin du Moi International Stadium de Kasarani à Nairobi (Kenya), pour soutenir et encourager à fond les Barea de Mada­gascar.

Et la passion pour le football et l’amour pour l’équipe nationale, n’ont pas de prix. Hier, en milieu de matinée, des fans ont déjà fait la queue au stade Barea à Mahamasina, dans l’espoir de faire partie des supporters prêts à payer de leur poche, la moities des frais, pour être de tout cœur avec les Barea et mettre le feu dans les gradins du stade kényan.
Et en un rien de temps, le vol affiche complet avec environ 300 passagers enregistrés, alors que nombreux supporters malgaches souhaitent faire partie du voyage. A ce sujet, l’Etat prévoit un deuxième vol dont les inscriptions prendront fin ce jour. Déjà, une cinquantaine de places ont trouvé preneurs, mais attention, c’est premier payé, premier servi ! Pas question de lambiner, les places s’arrachent comme des petits pains.

Le pack, à 2 209 000 ariary, n’est pas donné, mais il a tout pour plaire : billet aller-retour, transfert de l’aéroport au stade, ticket d’entrée, et même de l’eau et de la nourriture, pour tenir le coup sous le soleil de Nai­robi. Le grand départ, c’est samedi, et les supporters malagasy comptent bien faire trembler les tribunes.
Pour donner du sens à cette ferveur nationale, l’Etat malagasy a décidé de prendre en charge le pack pour un membre de la famille de chaque joueur. Un geste qui montre que, sur la Grande Île, le football, c’est une affaire de famille, une passion qui coule dans les veines.
De l’autre côté, le Maroc n’est pas en reste. Les Lions de l’Atlas débarqueront eux aussi avec des milliers de supporters, transportés par des avions affrétés pour l’occasion. Une bataille de décibels s’annonce, et les Mala­gasy, avec leur légendaire fougue, ne comptent pas se laisser marcher sur les pieds. Cerise sur le gâteau, les présidents de la Fifa et de la Caf seront dans les gradins, prêts à assister à ce choc fraternel.

Naisa

Catégories: National

Fanohanana ny Barea: Ifandrombahana ny mankany Kenya

Les Nouvelles - ven, 08/29/2025 - 07:25

Taorian’ny andro voalohany, efa tsy omby ireo olona nisoratra anarana ny fiaramanidina nomanin’ny fanjakana hihazo an’i Kenya. Mbola ma­ro ireo nilahatra, omaly, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana. Hitohy anio ny fandraisana ireo mbola maniry handeha.

Taorian’ireny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena,   Rajoelina Andry, mahakasika ny hitondrana mpijery ho any Kenya, hanohana ny Barea A’, ny talata lasa teo, nifandrombahana ny fisoratana anarana tetsy Mahamasina, omaly. Marihina fa 2 209 000 Ariary ny saran’izany.
Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Maha­masina, fa mety hanafatra fiaramanidina iray hafa izy ireo, noho ny hamaroan’ireo mpisoratra anarana handeha ho any Nairobi, hanohana ny ekipa nasionaly, izay hiatrika ny famaranana ny “Chan 2024”.
“Misaotra ny filohan’ny Repoblika malagasy ny tenako, amin’ny fanomezany fahafahana lehibe ho an’ny vahoaka, mba hanohana ny Barea, any Nairobi Kenya. Tsara marihina fa iantohan’ny fanjakana ny antsasak’izay tokony haloa amin’ity fandehanana any Kenya ity”, hoy ny minisitry ny MJS, Moustapha Ab­dulah Marson.
Araka ny fanazavan’ity lehibe eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ity hatrany, misy orinasa lehibe maro naka tapakila manodidina ny toerana 50 isa. Mahavelombolo azy ireo ny mahita fa vonona ny hanohana fa tsy hijery lalao fotsiny ny Malagasy mpankafy baolina kitra amin’izao fahatongavan’ny olona misoratra anarana izao.

Horaisina an-tanana ny fianakavian’ny mpilalao
Miisa 40 ireo fianakavian’ny mpilalao ao amin’ny Barea no iantohan’ny fanjakana handeha any Kenya. Ho fanomezana fahafaham-po sy ho fankasitrahana ny zava-bitan’ireo mpilalao ny anton’izany. Anko­a­tra izay, tsy nohadinoin’ny fitondrana ihany koa ilay vehivavy nanome ny anaran’ny ekipam-pirenena ho Barea. Anisan’ireo handeha any Kenya koa izy izay noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fiantohana azy.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ilay saran’ny sidiny naloan’ny tsirairay avokoa ny zavatra rehetra ilainy any Kenya. Anisan’izany ny tapakila fanatrehana ny lalao, ny “Kit” hahafahana manohana ny Barea. Hisy ihany koa fiara iray manokana hitondra ny Malagasy avy eo amin’ny seranam-piaramanidina mankeny an-kianja. Tsiahivina fa ny sabotsy aorian’ny lalao ihany ireo mpijery ireo dia mody eto an-tanindrazana, raha tsy misy ny fiovana farany.

Notolorana “prime”

Araka ny fampanantenana efa nataon’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manampisoa Alfred, an’ireo mpilalao, notolorany tambin-karama “prime de victoire”, izy ireo sy ny staff, omaly, taorian’ny vokatra tsara azon’izy ireo, nanoloana an’i Soudan, tamin’ny manasa-dalan’ny “Chan 2024”.
Marihina fa andro anio sisa dia hiatrika ity fotoan-dehibe ity ny Barean’i Madagasikara sy ny Lion de l’Atlas Maroc. Fifanandrinana izay hotanterahina any Nairobi Kenya, ny sabotsy ho avy izao, amin’ny 6 ora hariva, ora eto Mada­gasikara. Hatramin’ny omaly, izay nanaovanay fanadihadiana, samy nilaza ireo mpisehatra amin’ny fanatanjahantena fa tsara ny zava-bitan’ny Barea.

 

Hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika

Araka ny fandaharam-potoana voafaritra, hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo mpilalao sy ny ekipa rehetra niaraka taminy tany Kenya, ny alahady ho avy izao. Ho fanomezam-boninahitra azy ireo amin’ny ezaka lehibe nataony tany an-toerana ny anton’izany. Nanandratra ny voninahi-pirenena izy ireo ka mila fandraisana amin-kafaliana. Nampifoha ny fitiavan-tanindrazana ao anatin’ny Malagasy ihany koa, izay mikendry ny ho lohany fa tsy farany. Hetsika goavana, araka izany, no hitsenana ireo maherifon’ny Malagasy, amin’io fotoana io.

Hiaka-dapa…
Aorian’ny fitsenan’ny vahoaka malagasy azy ireo, ho raisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo mpilalao sy ny vady aman-janany, amin’ny herinandro ambony. Azo eritreretina, araka izany, ny fanomezana azy ireo fankasitrahana avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy manao ambanin-javatra ny mpilalao mahazo vokatra tsara rahateo ny Filoham-pirenena, raha ny zava-nisy efa nataony hatramin’izay. Voninahi-pirenena rahateo no narovan’ireo mpilalaon’ny Barea A’ ireo.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

Southside BJJ: Hahazoana vokatra tsara ny fampianarana ao amin’ny klioba

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:44

Klioba anisan’ny misongadina eto Analamanga ny Southside Brazilian Jiu Jitsu Madagascar. Ankoatra ny fifaninanana, mitaiza ny mpikatroka ao aminy hanana fi­sainana sahy sy mahavita ma­maha olana ary hampihatra izany eny ambony tatami ireo mpanazatra. Mametraka ho zava-dehibe ny fifampisintonana miakatra mba ho samy ho tafita. Mahay mampiasa araka ny tokony ho izy koa ny zavatra misy eo an-tanana. Mampi­voatra tsy miato ny tena, fa kosa mahalala mitondra anjara biriky ho an’ny fiarahamonina misy azy. Ireo no ilofosana eo anivon’ny klioba. Noho ireo fampianarana ma­fonja omena ny mpikatroka ireo, rariny raha mahita vokatra tsara ny klioba. Nandritra ny « Kids Games”, ny faran’ny herinandro teo, medaly 11 no norombahin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Southside, ka volamena ny 4, volafotsy ny 3 ary alimo ny 4. “Tsy fifaninanana ihany ny Jiu-jitsu fa fianarana miaina ihany koa”, araka ny nambaran’ny mpampianatra eo anivon’ny klioba, Alexandre Herilanto.

Mi.Raz

Vokatra tamin’ny « Kids Games BJJ »:

-Volamena: Rakotoarivony Anay Manohisoa (pee wee U 27 kg ), Randriamirado Mattis (pee wee 27kg), Ravaojanahary Mpandresy Aaron (Junior U 34kg), Ravaojanahary Mikanto Anaïs (junior 34kg).
-Volafotsy: Kelley Cory (pee wee U 27 kg), Rahelison Maëlle Tafitasoa (pee wee U 34kg), Randriamirado Maeva (Teen U 47 kg).
-Alimo: Ratovondriaka Hasiniaina Lucas (Junior U 47 kg), Kelley Soa (Junior 2 U 37kg), Rasolondraibe Tohin’ny Aiko (Junior U 32 kg ), Rasolondraibe Aron’ny Aiko (pee wee 27kg).

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:44

Hotontosaina ny 13 sy 14 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja karate. Mpikatroka manodidina ny 350 no handray anjara amin’izany, ahitana ireo klioba rehetra manerana an’Analamanga.

Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fifaninanana «Xtreme Combat» karakarain’ny klioban’ny Lion Force, taranja kick boxing. Nanazava ny filohany fa noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo no nahatonga ny fihemorana. Mifanindry mantsy amin’ny fifaninanam-pirenena ny daty.

Miato tanteraka ny fifaninanana PFL eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray omaly, miezaka mampiseho ny fahaizany amin’ny taranja atletisma i Christiano, mpilalao baolina kitra CFFA. Nandrombaka medaly volamena telo izy ny farany herinandro teo, nandritra ny fifanintsanana nasionaly ho an’ny sokajy tanora.

Catégories: National

Karting – 3è Grand Prix Mada : Fifaninanana hafainganam-pandeha

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:44

Hotanterahina ny alahady 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika ny andiany fahatelo amin’ny «Grand Prix», fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hafainganam-pandeha amin’ny Rotax, karakarain’ny klioba Serana Ra­cing Kart, no hatao amin’izany. Misokatra ho an’ireo Malagasy mpanamory rehetra manana kara-pilalaovana Karting Fédération sport automobile malagasy (FSAM) sy ho an’ireo teratany vahiny manana fahazoan-dalana ho an’ny taona 2025 ary ho an’ireo avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny C.I.K ity hatrehina ity. Hisy sokajin-taona efatra ny fifaninanana. Ny élite, ho an’ireo 14 taona mihoatra, ny Junior, 12 ka hatramin’ny 14 taona ary ny Minime, 8 ka hatramin’ny 12 taona. Eo koa ny Mini, nato­kana ho an’ireo ankizikely mpanamory, 6 hatramin’ny 9 taona.
Hiavaka ny fizotry ny fifaninanana ka hisantatra izany ny andrana handraisana ny fe-potoana, haharitra 10 mn. Io no handaharana ireo mpanamory amin’ny fanatontosana ny dingana voalohany sy ny famaranana mialoha ny fotoana. Impito mihodina ny an’ny minime sy ny mini, raha in-12 kosa ny an’ny junior sy élite. Eo amin’ny famaranana, fihodinana in-9 ny an’ny mini sy ny minime, raha in-14 ny an’ny junior sy élite.

Tompondaka

Catégories: National

Tenisy ambony latabatra : Mbola lesoka ny lafiny fotodrafitrasa

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:43

Notanterahina nanomboka afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina malagasy, izay misahana ny taranja eto an-toerana, fa mbola lesoka amin’ny fifaninanana nasionaly tahaka izao ny resaka fotodrafitrasa.
Nambarany koa, omaly, fa toerana iray be mpampiasa ny Lapan’ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, ka voatery hifindra toerana ny fifanintsanana, anio. Araka ny fanazavana azo taminy, ao amin’ny Petit Palais no hitohy ity fifaninanam-pirenena ity. Tsara ny mampahafantatra fa mandray anjara amin’izany avokoa ireo atleta isaky ny ligy, izay mamaritra ny federasionina. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, mpampiantrano, ny avy any Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony.
Zava-dehibe ity lalao ity satria natao hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly, sady hijerena ihany koa ireo mpilalao izay tokony hiakatra ambaratonga. Ohatra, raha 2ème série izy teo aloha ka mahazo isa tsara, hiakatra ho 1 ère série. Tsara ny mampahatsiahy fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Rwanda, i Madagasikara, ny volana oktobra ho avy izao.

Fitia Randria

Catégories: National

“Alley Hoop Quest”: Ekipa 80 hifaninana eo amin’ny Parvis Analakely

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:43

Hotontosaina ny sabotsy 30 sy alahady 31 aogositra izao, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fifaninanana “Alley Hoop Quest”, taranja basikety 3×3. Ekipa 80 no hifaninana.

Raikitra ny fifaninanana! Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara. Nahitana ny RDJ, CUA, ny Federasionina malagasin’ny basikety ary ireo mpanohana maro be, toy ny XXL Energy sy ny Orange izany. Ekipa 80, ahitana sokajy 6 (U17 Lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy ary élites lahy sy vavy) no hifaninana mandritra ireo fotoana ireo. Kianja 3 no hatsangana eo amin’ny Parvis Analakely ka hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena toy ireny kianja filalaovana ba­siekty 3×3 any ivelany ireny mihitsy, araka ny nambaran’ny filoha Tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana. Tanjona, hoy izy, ny hahafahana manao fifaninanana manoloana ny Lapan’ny tanàna, toy ny any ivelany. Eo ihany koa ny fampivoarana ny tanora amin’ny alalan’ny basikety. Ankoatra ny lalao ho hita eny an-toerana, hisy koa ny seho maro isan-karazany handravaka ny hetsika.

Ho any Chine ny mpandresy amin’ny élites, sokajy lehilahy
Toy ny efa fanao rehefa amin’ny fifaninanana “Alley Hoop” toy izao, misy hatrany ny loka miandry ireo mpandresy, raha ny ho an’ny ekipa U17 sy U23 ary ny élites vavy. Ho an’ny sokajy élites lehilahy kosa, hahazo ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana “Fiba 3X3 World Tour” any Shenzhen, Chine, izay mivoaka ho mpandresy eo. Ny 5 sy 6 oktobra izao no hotanterahina izany fifaninanana izany ary efa fantatra avokoa ireo firenena handray anjara. Ny ekipa Antananarivo moa no anarana hoentin’izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ izany. Tsiahivina fa laharana fahefatra no nisy ny ekipa Antananarivo tamin’ny “Fiba 3×3 World Tour”, taona 2023.

Mi.Raz

Catégories: National

Finale du Chan : Rajoelina affrète un avion pour les supporters malgaches

Les Nouvelles - jeu, 08/28/2025 - 07:17

Comme c’était le cas lors de la Can 2019 en Egypte où Madagascar s’est qualifié pour les quarts de finale, l’Etat malgache a également affrété un avion spécial pour que les supporters nationaux puissent soutenir les Barea face aux Lions de l’Atlas de Maroc, au rendez-vous de la finale historique du Chan, ce samedi à Nairobi (Kenya).

Madagascar mobilise ses supporters, d’autant que le cri de la victoire continue de résonner à travers le pays. Tous derrière les Barea de Madagascar, portés par un élan héroïque et une ferveur populaire sans précédent, sur le point d’écrire une nouvelle page de l’histoire du football malgache et africain. Et dans un élan d’unité et de passion, le président Andry Rajoelina a donné le ton.
« Il est important de se soutenir mutuellement, car le football unit. » Ces mots, vibrants d’émotion, ont électrisé une nation prête à tout pour voir ses héros soulever le trophée.
Et pour que les supporters puissent rugir aux côtés des Barea dans cette bataille épique, l’Etat malgache a pris une décision encourageante et à saluer. Un avion sera affrété pour transporter les fans à Nairobi, avec la moitié des frais pris en charge par le ministère de la Jeunesse et des Sports.
« Nous devons absolument gagner, et nous devons avancer », a lancé le président, les yeux brillants de détermination, comme un écho de l’espoir de tout un peuple.
Cette initiative permet à des centaines de supporters de faire entendre leurs chants et leurs encouragements dans le stade de Nairo­bi. Cette finale n’est pas seulement un match. C’est un rêve éveillé, un moment où une nation en­tière retient son souffle, unie par la magie du football.
En offrant aux supporters malgaches la chance d’être présents à Nairobi, l’Etat en­voie un message clair : les Barea ne seront pas seuls. Ils porteront sur leurs épaules les espoirs de tout un peuple. A Nairobi, les gradins vibreront au rythme des tambours malgaches, et les Barea avec le moral boosté à bloc, seront prêts à entrer dans l’histoire.
Mardi, à l’issue de cette qualification épique, l’émotion a été à son comble. La fièvre des Barea s’est emparée des rues d’Antananarivo, de Toa­masina, de Fianaran­tsoa. Ces artisans du football local, ont conquis les cœurs par leur courage, leur talent et leur humilité. Chaque dribble, chaque but, chaque arrêt décisif a été une déclaration d’amour à leur peuple. Aujourd’ hui, Madagas­car répond à cet amour par un soutien inconditionnel.

Naisa

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 27 08 2025 )

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:48

Catégories: National

Fihodinan’ny toekarena : Manana anjara toerana lehibe ny orinasa madinika sy salantsalany

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:47

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ ny Nosy, ny orinasa madinika sy salan­tsalany. Ny PME no mampandeha ny toekarena malagasy. Matetika anefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, takon’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fifaninana, indrindra eo amin’ny famatsiam-bola.

Mihena ankehitriny ny isan’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, toy ny karazana mpivarotra, mpanondrana sy/na mpanafatra entana, mpi­asa tanana amin’ny hazo/vy, mpanao trano sy lalana, mpi­ompy, mpanao mofo, miasa amin’ny serasera … Mam­piasa olona 5 hatramin’ny 100, manana renivola 2 hatramin’ ny 60 tapitrisa Ariary, araka ny tatitra navoakan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar ). Latsaka am­bany ny fananganana PME satria sarotra ny findramam-bola.
Tsy mora ny findramam-bola eto Madagasikara. Ao anatin’izany, ambony loatra ny zanabola ary tsy sahy miditra ny tanora sady tsy ampy fiofanana sy fikarohana. Ahoana ny fomba fananganana ori­nasa? Inona ny tokony hanamorana izany raha hanangana orinasa eto Madagasikara?
Ny tanjona dia ny hampi­risika ireo tanora tsy hiandry tolotrasa mandrakariva fa mba hanangana ny ho azy manokana. Ny fivelomana eto Mada­gasikara dia miompana amin’ ny fambolena sy fiompiana. Aorian’izay, dia ny varobarotra no betsaka, izay manimba ny famoronana orinasa. Ireo tena mpanao asa tanana, tsy ampy 10 % akory. Olana hitoviana ny tsy fahampiam-bokatra sy ny akora ahodina, indrindra
ny vokatra fanondrana any ivelany. 24 % ireo mpivarotra, olona eo anelanelan’ny 36- 50 taona, manaraka izay, ireo 68 taona.
Tsy mandroso ny teknolojia eto Madagasikara ka any amin’ny ankamaroan’ny varotra ny olona. Tsy ampy fikarohana sy famoronana ny Mala­gasy, miampy ny fahasaro­tana any amin’ny banky sy ny zanabola mavesatra loatra. Tokony hahazo tohana ara-panjakana ny PME eto amin­tsika, tsy amin’ny lafiny ara-bola ihany fa amin’ny lafiny rehetra, ary atao miompana amin’ny fambolena sy fiom­piana.

Sakana ny famatsiam-bola

Betsaka ny azo trandra­hina eto Madagasikara, hampiroboroboana ny orinasa ma­dinika sy salantsalany (PME), saingy eo amin’ny famatsi­am-bola no hitan’ny maro fa sa­kana. Misy anefa fomba ahazoana famatsiam-bola, raha ny voalazan’ny banky sasany : alohan’ny hangataka fama­tsiam-bola, ilaina matotra tsara sy amin’ny antsipiriany ny antontan-taratasy.
Aseho mazava tsara ny asa atao sy ny fomba hanantanterahana azy ao anatin’ny telo na dimy taona. Asehoy ny fahaizana mifehy ny tsena sy ny sehatra tiana hotrandra­hina sy izay mety fifaninana mety ho atrehina. Ireo mia­raka porofoina amin’ny tarehi-marika.

Betsaka ny tsy ara-dalàna

Maherin’ny 400 000 ny orinasa tena madinika fantatra
eto amin’ny Nosy ka ny 260 000 amin’izy ireo hita eto an-dRenivohitra sy ny manodidina avokoa, ankoatra ireo miasa tsy ao anatin’ny ara-dalàna, izay an’arivony maro, ary saika mivarobarotra avokoa no ataony. Ireo mpivarotra ireo anefa no manome ny 60 % ny harinkarena faobe.
Anisan’ny betsaka ao anatin’ny tsy ara-dalàna ireo mpivarotra hani-masaka sy miasa amin’ny serasera (cyber …). Hiatrehana izany, tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny mpanao azy, ireo mpise­hatra amin’ny orinasa tena madinika, izay betsaka ny tsy
ara-dalana, midika izany fa misy ny vola (hetra/haba) very amin’ny fanjakana.

Asehoy ny tsenambarotra rehetra

Ny PME izay mora mirodana raha tsy mahazaka fifani­nana sy izay mety fiovana eo amin’ny mpanjifa, na ny toetr’ andro aza. Mety tsy hahazoana famatsiam-bola ny fandraharahana tsy misokatra noho ny faharatsian-dalana na ambany fahefa-mividy ny mponina misy azy. Miankina betsaka amin’ ny karazana mpanjifa ireo PME. Mety ho sarotra tokoa ny fahazoana famatsiam-bola raha fandraharahana hita fa tsy mivoatra, ohatra.

Nanatontosa : R.Mathieu

Catégories: National

« Foara Ambalasira », andiany I : Ny fampandrosoana ny faritra Amoron’i Mania

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:46

Notanterahina nandritra ny 20 hatramin’ny 24 aogositra lasa teo, tao Antamponivinany Ambositra, ny hetsika ara-toekarena « Foara Ambalasira », andiany voalohany. Tanjona amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena ara-kolontsaina sy ny asa tanana manokana. Toy ny hazo voasokitra, firavaka, asa tanana amin’ny landy. Eo koa ny fanohanana ara-toekarena ireo mpanao asa tanana sy tantsaha amin’ny alalan’ny fampirantiana isan-karazany. Anisan’izany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany ao Ambositra, izay efa malaza amin’ny maha renivohitry ny sokitra azy. Nanatrika ny hetsika tany an-toerana ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampiro­bo­roboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), izay notarihin’i Heriniaina Ramananarivo, Mpandrindra ny tetikasa fanohanana ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikana.
Hamoraina ny fifanakalozana
Nampahafantarina nandritra ity tsenabe ity koa ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra na PICM. Fitao­vana izay natolotry ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra hanamorana ny fifanakalozana sy fandraharahana ara-barotra. Hanampy betsaka amin’ny mpandraharaha ity Vavahadin-tserasera ity. Satria, manome torolalana amin’ny fanaovana raharaha ara-barotra, toy ny fanaovana fangatahana alalana hanondrana vokatra.
Etsy ankilany, fotoana na­nehoana ny vokatry ny Ori­nasa Odof ao amin’ny Faritra koa ny « Foara Ambalasira », nokarakarain’ny Antenimie­ran’ny Varotra sy Indostria Amoron’i Mania, izay nahitana tranoheva 57.

Rkt Malala

Catégories: National

Tetikasa Haratonaina: Manampy ny olona tsy hikorosy fahana

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:46

Nitondra fanazavana momba ny tetikasa Haratonaina ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid. Vaindohan-draharahan’ny tetikasa ny hanala ny olona anaty kizofaran’ny fahantrana.
Manampy ny olona hiomana amin’ny fisondrotana amin’ny fiainana. Manome fitaovana ny olona hiavotana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola, fanofanana ara-pihariana…
Ireo tokantrano tena marefo no misitraka ny tetikasa. Vatsin’ankohonana sy Asa Avotra Mirindra no fandaharanasa goavana anatin’io tetikasa io.
Tanjona ny ialana amin’ny fahasahiranan-dava. Fotoana voafetra ihany nefa no isitrahana izany. Aorian’ny fanohanana, tokony hanana traikefa ara-teknika sy hanana fomba fijery alavitra ireo ankohonana nisitraka izany. Novaina mihitsy ny fomba fisainana mba tsy hiondri-dava fa hanana fikirizana amin’ny fahaleovan-tena ara-pivelomana.
Omena tohana amin’ny fibeazana ny ankizy, fiarahan’ny mpivady mifanohana, fomba fahaizana misakafo miankina amin’ny vokatra misy eo an-toerana…

Tatiana A

Catégories: National

Fampandrosoana eny ifotony: Mametraka vina ho an’ny 15 taona ny MFFT

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:45

Efa mijery lavitra kokoa ny fampandrosoana eny ifotony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambanja, faritra Diana.

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Amban­ja, ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ho amin’ny fitohizan’ny famolavolana sy fanamboarana ny drafitra fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PUDi) ho an’ny ao amin’ity kaominina ity.
Efa natomboka tamin’ny taona 2023 izany ary novatsian’ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance – Pic 2», andiany faharoa. Anisan’ny nodinihina voalohany tamin’izao atrikasa izao ny fampisehoana mazava tsara ny toerana ara-jeografika stratejika misy ny tanànan’i Ambanja.

Olana lehibe atrehin’ny tanàna
Etsy andaniny, efa ao anatin’ny famatsiam-bola Pic, andiany fahatelo, izao ny any an-toerana ka notohizana indray ny dingana manaraka amin’ny fanadihadiana. « Manome sehatra ny mpandray anjara ao amin’ny kaomity monisipaly misahana ny fandrafetana ny tanàn-dehibe (CMU) izany ary hanamafy ny vinam-pampandrosoana ny tanàn’Ambanja ho an’ny 15 taona ho avy. Eo koa ny paikady stratejika, miaraka amin’ny lisitry ny asa hatao mifanaraka amin’izany », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT.
Nahazoana vokatra avy hatrany ny fifanakalozan-kevitra tamin’izao atrika izao. Nahafahana niresaka tamin’ny fomba mazava momba ireo olana lehibe atrehin’ny tanàna. Anisan’izany ny fitantanana ny fako, ny resaka tany, ary ireo olana laharam-pahamehana hafa.

Synèse R.

Catégories: National

Roro: l’Architecte légendaire du miracle malgache

Les Nouvelles - mer, 08/27/2025 - 07:21

Lorsque le coup de sifflet final a retenti hier au Benjamin Mkapa Stadium, l’histoire du football malgache bascule. Les Barea A’ renversent le Soudan (1-0) en demi-finale du -Chan 2024, s’offrant une première finale continentale. Au cœur de cet exploit, un homme : Romuald Rakotondrabe (Roro), 60 ans, tacticien visionnaire et pionnier inégalé. Seul Malgache à atteindre trois demi-finales africaines, en 1989 comme joueur, en 2022 et 2025 comme sélectionneur. Roro devient le premier entraîneur à propulser Madagascar en finale d’une compétition Caf. Ce soir, il n’écrit pas seulement une page d’histoire : il redéfinit l’identité d’une nation.
Romuald Rakotondrabe, né le 25 mai 1965 à Mahajanga, n’est pas un homme ordinaire. Sa légende commence en 1989, lorsqu’il porte le maillot du FC BFV lors de la Coupe des Vainqueurs de Coupe. A l’époque, ce club malgache défie les géants continentaux et atteint les demi-finales, une première pour Madagascar, avant de s’incliner face à Bendel Insurance (Nigeria).
Trente-trois ans plus tard, Roro, reconverti en entraîneur, revient sur la scène africaine. En 2022, il prend les rênes des Barea A’ pour leur première participation au Chan en Algérie. Contre toute attente, il mène l’équipe en demi-finale, décrochant le bronze. Hier soir, il récidive avec panache : une victoire contre le Soudan qui propulse Madagascar en finale.

Naisa

Catégories: National

Pages