“RNS 2025” : Feno 50 taona ny hetsika

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:56

Hotanterahina ao Vichy France, ny fihaonana ara-panatanjahantena sy kolotsaina, ho an’ireo Malagasy mipetraka any Eoropa sy ny manodidina, na Rencontre nationale sportive (RNS 2025). Hatao mandritra ny herinandron’ny paska izany, hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 21 avrily ho avy izao.
Hiavaka ny amin’ity satria feno 50 taona ny nanaovana ny hetsika. Araka izany, nambaran’ireo mpikarakara fa atao manetriketrika ny fifankahitana any an-toerana. An­koatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena efa mahazatra, hisy koa ny fampirantiana ireo vokatra malagasy, toy ny asa tanana sy ireo sakafo malagasy, ho hita amin’ireo tranoheva mandritra ny hateloana.
Mialoha ny tena fihaonana, efa nisy ny fifaninanana ho an’ny sary famantarana ny “RNS 2025” ka nandrombaka ny fandresena i Mitia Bac­hasse, mpianatra amin’ny Sam­pana tsena sy varotra ary efa mpandray anjara hatrany amin’ny RNS, toy ny fanaovana asa an-tsitrapo amin’ny taranja basikety.
Tsiahivina fa faninefany amin’izao ny tanànan’i Vichy no hampiantrano ny “RNS”. Nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny 2024, miisa 12 ny taranja hifaninanana amin’ity ka anisan’ny malaza indrindra ny basikety sy ny baolina kitra. Mahatratra hatrany amin’ny 8 000 ireo mpitsidika andrasana amin’ity faha-50 taonan’ny “RNS” 2025 ity.

Tompondaka

Catégories: National

Open Casablanca : « Maro ny tokony hohatsaraina », hoy Razafindrakalo R. Natacha

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:54

Naneho ny heviny ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Razafindrakalo Ralevazaha Natacha, taorian’ ny fififaninanana “Open d’Afri­que de Casablanca” nataony tany Maraoka, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mbola maro ny tokony hohatsaraina amin’ny fahaiza-manaony. “Na tsy nahazo medaly aza aho, nisy lesoka sy traikefa maro noraisiko”, hoy ny nambarany. Fanom­bohana ihany iny, hoy izy, fa mitohy ny lalana. Tsiahivina fa ny sabotsy lasa teo no niakatra an-tsehatra i Natacha, teo amin’ny sokajy latsaky ny 48kg. Niezaka mafy izy tamin’ny fihodinana voalohany ary naharesy ny mpifanandrina taminy. Teo amin’ny dingana faharoa kosa izy no resy ka tsy afaka niatrika ny fiadiana ny medaly alimo. Laharana voalohany, malagasy, eo amin’ity sokajy ity, Ralevazaha Natacha ary tompondakan’i Madagasikara nisesisesy.

Mi.Raz

Catégories: National

ny PASITERA Dr Andriamahazosoa : “Mpitarika sy mpanitsy ny fanjakana ny fiangonana”

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:54

Tsy nitsitsy fitenenana hatrany. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fanambarana nataony fa tsy maintsy hirodana raha manorina eo ambony fasika.

Nanteriny tamin’izany ny tokony hanohizana ny fotokevitra efa novoiziny.”Tsy azo atao fitaovana politika ny fiangonana ary tsy tompon’ny fanjakana na mpanompony. Ny fiangonana no fieritreretan’ny fanjakana ary ho mpitarika sy mpanitsy azy”, hoy izy teny Ivato, tamin’ ny fanokafana ny taom-piasan’ny FJKM. Fotoana koa io nanambarana ny handehanany hisotro ronono sy nanaovany veloma ny fitantanana ny fiangonana.
Mbola nohamafisiny ny tsy fankatoavana ny fanambadian’ny mitovy fananahana sy ny fivavahana satanika. Teo koa ny hafatrafatra amin’ny tokony hanajana sy hiarovana ny tontolo iainana.
Teo amin’ny teny fampianarana kosa no nanambaran’ny mpitandrina Andriamampi­anina Zaka Hary Masy, fa tokony hojerena ny hananana kalitao sy ny hamaroana. Eo koa ny hahefana be sy tsara ary betsaka mandrakariva eo anivon’ny FJKM ka tokony hirosoana any amin’ny asa maha vokatra izany. “Itarihana antsika izany… “, hoy izy.
Tsiahivina fa tonga maro niatrika izao fotoam-pivavahana izao ireo mpanao politika, toa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andria­nai­na­rivelo Hajo. Teo koa ireo solombavambahoaka sy ireo ben’ny Tanàna manodidina an’Antananarivo.

Synèse R.

Catégories: National

Famotsoran-keloka faobe avy amin’ny filohan’ny Repoblika : Voafonja miisa 450 misitraka izany ho an’ny fonjaben’Ambalatavoahangy

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:53

Araka ny didim-panjakana laharana faha-2024/2 147, ny 10 janoary 2025, nilazan’ny filoham-pirenena ny famotsoran-keloka faobe, izay mifanaraka amin’ny didy aman- dalàna mifandraika amin’ny sazy mahavoaheloka ny tsirairay avy, ary mbola misy andinin-dalàna miisa 25 be izao kosa izay karazan-keloka tsy ahafahana misitraka izany fampihenan-tsazy faobe izany.

Anisan’ny tsy hisitrahina an’izany famotsoran-keloka faobe izany ny fanondranana olona antsoko­soko, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy, ny famotsiam-bola, ny fa­nondranana antsokosoko ny harem-pirenena, toy ny andramena, volamena sy maro hafa. Tafiditra ao koa ny vono olona sy ny fananganana tambajotran-jiolahy entina handravana sy hanaovana fanafihana mitam-piadiana, ny fa­me­renan-keloka (récidive), ny fanafihana filoham-pirenena, ity farany izay voafaritry ny lalàna famaizana laharana faha-87. Ary ny fanafihana fiarovam-pirenena ao anatin’ny fanjakana, voafaritry ny andininy faha-90 sy 91 amin’ny lala­na famaizana, raha tsy hilaza afa-tsy ireo aloha ho an’ny tsy fisitrahana ny fanalefahan-tsazy faobe.
Amin’ny ankapobeny, mi­to­taly 1 333 ny isan’ny voafonja ao amin’ny fonjaben’ Amba­latavoahangy, raha nahatratra hatramin’ny 450 kosa ireo misitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina  Rajoelina. Amin’ izany indrindra, mahatratra hatramin’ny 59,71 isan-jato ny voafonja efa voatsara, raha 34,43 isan-jato mbola miandry fotoam-pitsarana azy ary ny 5,86 isan-jato nanao fampiakarana sy fangatahana fanohanana didy nivoaka taminy.

Nananatra ireo voafonja ny lehiben’ny fonja…
Mitsinjara dimy ny karazan-keloka hifonjan’ ireo voafonja ao Ambalatavoahangy. Voalohany  30,38 isan-jato ny halatra sy fakana zavatr’olona antsokosoko sy mitovitovy amin’ izany, faharoa 9,15 isan-jato ny vonoan’olona mifandraika tamina halatra, fahatelo, 8,33 isan-jato ny  fanolanana. Ny taona 2024, iray tamin’ ireto no tsy maintsy namoahana didy famosirana, raha 7,37 isan-jato izany ny taona 2023. Raha tsorina dia niakatra ny tahan’ny fanolanana sy olona voafonja amin’ izany ny taona 2024. Fahefatra 4, 43 isan-jato ny fikambanan-jiolahy ary ny fahadimy farany: 3,53 isan-jato ny halatra omby. Raha hiverenana ny amin’ ireo 450 nisitraka ny famotsoran-keloka, 121 aloha hatreto no nivoaka avy hatrany izay notontosaina ny zoma tolakandro teo ny fikirakirana ny antotataratasy mahakasika izany, tao ny sasany avy hatrany dia nandeha nandro sy nijibika ranomasina mba tsy hiverenana anaty fonja, hialàn’ny ratsy. Ny ambiny kosa hivoaka tsikelikely, arakaraka ny momba azy sy saziny. Teto dia tsodrano no nomen’ny lehiben’ny fonja ny mba tsy hiverenan’ireo hivoaka ny fonja. “Hiverina ami’ny fiarahamonina ianareo, mahaiza manova toetra, raha tsy nanao na inona na inona ianao fa ataonao hoe endrikendrika ny nahatafiditra anao tato amin’ny fonja dia mitandrema ihany, fitaizana tato mba hanovana izay tsy nety teny anivon’ny rafi-piarahamonona” hoy Zafilahy Stephanson Vonjy.

Miisa 60 voaheloka mandra-pahafaty, ny telo vehivavy

Mahatratra hatramin’ny 60 kosa ireo voaheloka an-terivozona mandra-pahafaty ao Ambalatavoahangy, ary vehivavy ny telo amin’ ireo. Ireto farany dia antontan-taratasin’ady tsaraina eo anivon’ny Sampam-pitsarana ady heloka be vava avokoa ( Cour criminelle ordinaire), nahatsarana antontan-taratasin’ady miisa 204 ny taona 2024, raha 29 kosa ny C.C.S (Cour criminelle spéciale) izay miisa 29. Raha ny fotoam-pitsarana na koa hoe ny ady notsaraina teo anivon’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany dia nahatratra 1 830 ny fanamelohana, ireo rehetra ireo manome fanamelohana am-ponja nitotaly 2 063 ho an’ny taona 2024. Raha hiverenana ny fivoahana amin’ny fonja tato anatin’ny telo taona nifanesy, mitotaly 1 671 ny taona 2022, 1 791 ny taona 2023 ary nahatratra 1 877 ny fivoahana ny fonja ny taona 2024.

Fonja mamokatra mahavelotegna
« Amin’ny ankapobeny manana toby famokarana, fambolena sy fiompiana, ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ao Fanadrana, Antanandava, Foulpointe ary mahavokatra toy ny vary, mangahazo, vomanga, anana izany. Saika voafonja efa voatsara ary azo antoka tsy handositra no hapetraka any an-toerana, mbola tsy nisy nandositra rahateo amin’ ireny toerana voalaza ireny” hoy ny lehiben’ny fonja. Nohamafisiny fa efa miroborobo ihany koa ny fampiofanana asa tanana fikirakirana hazo ho an’ny lehilahy, zaitra sy rary ho an’ny vehivavy, ka mitotaly  707 ny efa notolorana mari-pankasitrahana na Certificats. Raha tsorina, « fonja mahavelotegna ary manao fomba fitaizana ny mba hananan’ireo voafonja fitondrantena marina sy madio rehefa eny anivon’ny rafi-piarahamonina ny mpandraharahan’ny fonja ato Ambalatavoahangy” hoy izy nanamafy.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:51

Hampanofaina ho birao ny hotely Kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato, na koa havadika ho toeram-pivarotana azo tsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Madagasikara. Niaraka naorina tamin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato ny hotely Kintana 5, saingy tsy nampidi-bola mihitsy. Nandaniana vola 15 tapitrisa dolara ny nananganana azy tamin’ny taona 2008, ahitana rihana 32.

Mitokona ny mpanao fanaka any Ambaton­dra­zaka, mitaky ny hamoahana ireo hazo tsy ara-dalàna nogiazan’ny fanjakana. Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa misy ny lalàna mifehy ny fi­tran­drahana, ny fivarotana ny hazo eny am-potony, na voahodina (bois carré, batane, planche…). Tsiahivina fa tazonina vonjimaika any am-ponja ny olona 3, arahi-maso ara-pitsarana ny 3 ary nohafahana vonjimaika ny 10 tamin’ireo voarohirohy.

Vita ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana Amoron’Akona, By-Pass, notanterahin’ny orinasa Etec. Asa voalohany natao ny fanadiovana ny tatatra, nanesorana ny rano sy fanadiovana ny fivoahan’ny rano maloto. Niditra tamin’ny fandrakofana godirao avy eo, namerenana amin’ny laoniny ny lalana. Tsiahivina fa mitohy hatrany ny fanarenan-dalana eto an-dRenivohitra.

Catégories: National

Fahavitantena ara-tsakafo: Fikaonandoha mahakasika ny fanodinam-bokatra

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:51

Hatao ny 23 sy ny 24 ja­noary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fanodinam-bokatra ara-pambolena. Handray anjara ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, hidinika ny zavatra manan-danja, ny fanamby hapetraka ary ny vahaolana horaisina. Tanjona ny hampitomboana sy ny hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny famokarana eto amintsika. Hisy ny drafitrasam-pirenena havoaka aorian’ny fivoriana.
Mivelona amin’ny sehatry ny fambolena ny 80% ny malagasy. Avy amin’ny fambolena ny 26% ny Harin-karena faobe (PIB). Saingy kely ny tahan’ny vokatra, satria tsy ampy ny fitaovam-pamokarana mekanika, fa mbola fitaovam-pamokarana nentin-drazana no ampi­asaina. Eo koa, ny fiovan’ ny toetr’andro, tsy ahafahan’ny firenena manana vokatra ampy sy mahaleo tena ara-tsakafo. Maro, ankehitriny, ny hetsika tohanan’ny fanjakana mivantana, sy ny fiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena. Mila ha­tsaraina sy zava-baovao anefa ireny ezaka ireny, mahatonga ity fikaonandoham-pirenena voalohany hatao ity.
Hanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana (Minae) sy ny sekretariam-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo ary ny fandaharanasa Fihariana.

Njaka A.

Catégories: National

RAVINCE: mpamantatra ny toetry ny andro

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 18:00

Catégories: National

Sombim-baovao

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:17

Araka ny fampitam-baovao avy amin’i Bandy Akama, mpanao gazety sy tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny klioba Elgeco Plus, omaly, voafidy ho mpanazatra hitondra ny klioba Elgeco Plus, Rafanomezantsoa Oelison na I Careca. Tsiahivina fa efa nitantana ity ekipa ity ihany i Careca teo aloha.

Tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Mpanjakan’i Espagne, ny ekipan’ny Real Madrid FC, afakomaly. Lavon’izy ireo ta­min’ny isa 5 no ho 2, ny Celta Vigo, nandritra ny fihaonana ampahavalon-dalana. Nahatafiditra baolina roa tamin’ity moa i Endrick, brezilianina lohalaharan’ny Real Madrid.

Hotanterahina ny fiandohan’ny volana febroary izao, any Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Échecs, ho an’ny sokajy “Jeunes”. Hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo solontena malagasy amin’izany. Hatao any Maorisy kosa ny an’ny sokajy Seniors, ny volana avrily.

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 14 avrily izao, any Nizeria, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy vehivavy. Marihina fa nosarahina ny fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy tamin’ity ka any Lybie no hatao ny an’ny lehilahy, ny 17 hatramin’ny 30 avrily izao

Catégories: National

Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:15

Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy.
Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1), Rakotondramboa Sébastien. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy fa toy ny nanaovan’ilay zimbaboeanina fanazarantena fotsiny ny tovolahy. Teo amin’ny fihaonana faharoa, Razafindrazaka Ny Avo, niondrika teo anatrehan’i Badza, tamin’ny seta 2 ihany koa (6/7 ; 4/6).
Niady ny laharana fahatelo tamin’i Botswana i Madagasikara taorian’io saingy mbola resy tamin’ny isa 2 no ho 0 indray. Namotsotra ny medaly alimo izany ny tovolahy malagasy, tamin’ity. Na izany aza, nahazo traikefa ny mpilalao. Nambaran’ny tale teknika malagasy, mitondra ny ekipa any an-toerana fa mahavelombolo ny vokatra azon’ny Akomba, tamin’ity fifaninanana ity.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra-Barea U17: voaasa hiatrika fifaninanana iray volana any Maroc

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:14

Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Mada­gascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy ireo.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hifanandrina amin’i Maroc, U17, koa ny ekipa nasionaly malagasy. Mpilalao miisa 15 eo no mandrafitra ny ekipam-pirenena, ary raha ny tazana, dia mpilalao avy amin’ ny klioba Elgeco Plus ihany no lany raha ny eto Antanana­rivo. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­narisoa Yvon Nambinina no mpanazatra ireto Malagasy mpilalao ireto.
Ampahatsiahivina ihany fa ity teknisianina ity no nitondra ny Barea U15, nandritra ny “Ocean Indian Tournament 2024” izay natao teto Anta­nanarivo, ny volana desambra 2024 lasa teo. Nahazo ny laharana voalohany moa i Madagasikara tamin’izany.

F.R

Catégories: National

Fifanintsanana « Afrobasket 2025 »: mpilalao 18 hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:12

Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy.

18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao ana­tin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, Razanamahenina Kiady, Randriamananjara Johan Andy, Rabibisoa Jerry Pépin ary Raharimanantoanina Si­traka. Tsy tafiditra anaty lisitra kosa Rakotonanahary Dono­van sy Andriatsarafara Lova ary i Mika Heritiana izay tsy nahazoana fanampim-panazavana ny antony tsy nian­tsoana azy ireo.
Ho an’ireo mpilalao eto an-toerana kosa, misy mpilalao vaovao maromaro nantsoina, anisan’izany Ravelojaona Tanjona, Rasolonandrianina Hasina, Arimanana Kanto Damie ary Maminirina Julio. Anisan’ny mpilalao nisonga­dina tamin’ny fifaninanana nasionaly izy ireo raha ny fanazavana azo ka izay no antony nahatafiditra azy ireo anaty lisitra. Ankoatra izay, mpilalao efa teo foana ary mbola handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ity fifaninanana ity, Ratianarivo Livio, Ra­kotovao Marco, Randriamam­pionona Elly, Tsialefitra Jino, Faralahy Monja Romain, So­londrainy Arnol, Rasoloma­nana Anthony ary Rakoto­nirina Fiary Johnson. Ra­vonimbola Jeannot sy Rako­tonanahary Ndranto kosa ny mpanazatra hiaraka amin’izy 18 mirahalahy ireo.
Mahakasika ny fanomanantena, efa manomboka ny ho an’ireo mpilalao avy eto an-toerana mandra-piandry ireo mpilaravinahitra. Etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena izy ireo no mikotrana, araka ny angom-baovao voaray.

Mi.Raz

Catégories: National

Fiakaran’ny rano – Atsimo Andrefana: sokatra 12 000 voatery nafindra toerana

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:09

Tadindonin-doza vokatry ny fiakaran’ny rano tafahoatra, voatery nafindra toerana azo antoka ny sokatra miisa 12 000 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Ravan’ny rano tanteraka ny toeram-ponenan’izy ireo izay sahanin’ny « Turtel Survival Alliance na ny TSA”. Manoloana io ambana io, nandray fepetra ity vondrona tsy miankina misehatra amin’ny fiarovana ny sokatra tsy ho lany tamingana ity. Niara-nisalahy ny mpisehatra rehetra anatin’io vondrona io namindra ireo sokatra rehetra voakasiky ny fiakaran’ny rano. Azo antoka ny hiveloman’ireo biby ireo taorian’ny famindrana azy. Na izany aza, miantso ny malala-tanana, hifanampy amin’ny fikarakarana ireo karazam-biby ahina ho lany tamingana ireo ny tomponandraikitra any an-toerana. Haverina amin’ny laonina afaka fotoana fohy kosa, ny ivontoerana fonenan’ireo sokatra ireo rehefa miverina amin’ny laoniny ka tsy misy fiakaran’ny rano intsony. Tsiahivina, harem-boajanahary anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara raha ny sokatra.

Tsiferana R.

Catégories: National

Fahasalamana: misokatra ny fitiliana ny homamiadana

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 10:15

Nanokana fotoana ahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa mahakasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly Madagascar, ny 24 janoary izao, eny amin’ny Pavillon Ste Fleur.
Fihaonana mivantana amin’ny dokotera sy ny rasazy, hiresahana ireo aretina mateti-pitranga amin’ny vehivavy izy ity. Manampy izany koa ny tsara ho fantatra amin’ny fisorohana sy ny fiarovan-tena amin’ny aretina.
Ny 31 janoary kosa no handraisana ireo rehetra maniry ny hanao fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza eny an-toerana. Efa misokatra ny fisoratana anarana mialoha ho an’ireo maniry izany.
Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono dia azo sitranina tsara raha voatily mialoha. Ny vehivavy rehetra izay nanao firaisana ara-nofo, eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona dia tokony manao fitiliana indray mandeha.
Ny Fondation Akbaraly Madagascar sy ny Pavillon Sainte Fleur dia miezaka hatrany manao izany fitiliana izany amin’ny sarany takatry ny rehetra.

Tatiana A

Catégories: National

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka hajanona ny kajikajy politika ho amin’ny tombontsoa manokana”

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 10:14

Famerenana, fanamafisana… “Aoka hajanona ary tsy hanana toerana eto Madagasikara intsony ny kajikajy sy adilahy politika ary ny fitiavan-tena ho amin’ny tombontsoa manokana”. Io indray no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny go­ver­ne­manta, Mara Volami­ranty Donna, tao amn’ny hai­no aman-jerim-panjakana, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny Ta­nàna sy mpanolotsaina. Miz­otra mankany amin’ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara ny Malagasy. Mijoro ny governemanta iray manontolo amin’ny fametrahana sy fampanjakana ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara ary mitandro ny filaminana ahazoana miroso mankany amin’ny fampandrosoana.

Miaro sy saro-piaro amin’ny safidin’ny vahoaka malagasy koa ny governemanta iray manontolo. Malagasy tomponandraikitra sy mijoro ary vonona hampandroso an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fifidianana. Koa mijoro amin’ny fiarovana izany ny fitondram-panjakana. Tsy ha­nana toerana eto Mada­gasikara ny fanakorontanana.
Ao anatin’ny fotoana hamoahana tsy ho ela ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna isika izao. Na ny kabary amin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny serasera ary ny fantsona fampitana rehetra no anehoana izay soatoavina ho amin’ny fitoniana izay. Mba hahazoana mandroso sy mampandroso ny firenena…

R. Nd.

Catégories: National

Vaovao tambatra

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 10:11

 Miisa 48 isan-kerinandro ny zotra amin’ny fiaramanidina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 19 kosa ny any Nosy Be, ka ao anatin’ireo ny zotra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana. Niampy roa kosa ny fiaramanidina ho ampiasain’ny kaompania Madagascar Airways. Tanjona ny hanampiana ny efa eo am-pelatanana hanatsarana ny zotra anatiny, satria tsy maharaka ny fitaterana ny mpandeha eto an-toerana sy ny vahiny avy any ivelany.

 Miisa 195 000 ny tokantrano hampidirana herinaratra, ao anatin’ny tetikasa « Branchement mora ». Mahatratra 94 000 ny kaonteran-jiro efa tonga eto Madagasikara, ka efa voapetaka tamin’ny taona 2024 ny 63 000. Eo am-pamoahana any amin’ny seranan’i Toamasina ny 11 000 ambiny. Tsiahivina fa misitraka ny tetikasa « Branchement mora » ny tokantrano tena sahirana eto amintsika.

Hatao ny fampitahana ny tolobidy voaray, mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa vatsian’ny Tahirim-bola nampindramin’ny Federasionin’i Rosia. Anisan’ny hampiasaina amin’ity fampindramam-bola ity ny fividianana fitaovana fanadiovana, ny fitaovam-pamokarana sy fananganana fitahirizam-bokatra hanatsarana ny fambolena. Eo koa ny fitaovana amin’ny fitaterana an-dalamby sy ho an’ny asa vaventy, toy ny tetezamby, ohatra.

Catégories: National

Fanaraha-maso: hampiasaina ireo toby fandanjana fiarabe

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 10:08

Nahitana tsy fahatomombanana ny toby fandanjana fiarabe any Antsarakofafa Toamasina, satria mando lava ny toerana ka mila fitaovana fanampiny. Eo am-panatanterahana ny tolobidy hividianana izany fitaovana izany, ankehitriny, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR). Misy koa ny drafitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) hanarenana sy hampandehanana indray ny toby hafa. Efa nisokatra nanomboka ny avrily 2024 fa naato, ary hiverina hiasa ny any Antsarakofafa, amin’ny 23 janoary 2025, amin’ny 30 janoary ny eny Ambohimalaza, ho an’ny lalam-pirenena faha-2.
Hisokatra amin’ny 10 febroary ny any Maevatanàna, ny 15 febroary ny any Ambondromamy ho an’ny RN4. Hafindra toerana ny any Ambatolampy (RN7), noho ny antony ara-teknika. Efa am-perinasa nanomboka ny taona 2024 ny any Ambondrolava (Belalanda) ho an’ny RN9 mampitohy an’i Toliara sy Manja.

Njaka A.

Catégories: National

Fanambaram-pananana: azo atao amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 10:07

Adidy tsy maintsy ataon’ny mpiasam-panjakana ambony ny manao fanambaram-pananana eny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), efa nanomboka ny taona 2024. Tafa­petraka omaly, ny Vovonana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao, raha natao tanana ny fikirakirana azy hatramin’izay. Nahatratra 77 274 ny fanambaram-pananana voarain’ny Bianco nanomboka ny taona 2004, nataon’ny olona miisa 12 290. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Bianco, Razakamanantsoa Ga­by Nestor, fa “fitaovana niomerika hitahirizana ny fanambaram-pananana sy ny tombontsoa ara-toekarena tsy maintsy ataon’ny mpiasam-panjakana ambony ity fitaovana ity. Sazy enim-bolana hatramin’ny 5 taona, miampy lamandy 50 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar no miandry izay tsy manao fanambaram-pananana”. Ao anatin’ny tetikasa Pregodi, vatsian’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola izao dingana izao. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT).

“Tetikasa entina mikirakira sy mamantatra ny fivoaran’ny fananana izay voarain’ny Bianco ary hahamora ny fanadihadiana ity fitaovana ity”, hoy Ramanampanoharana Andry, Sekretera jeneralin’ny MEF, sady filohan’ny Komity mpitarika ny tetikasa Pregodi.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Fitsarana: “Aleo mba hiala ny fitsabahan’ny manampahefana”

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 09:18

Natao omaly ny famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Misy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsindry isan-karazany.

“Aleo mba hiala ny fi­tsabatsabahan’ny havana sy ny manam­­pahefana sasany, fa tsy ny rehetra, amin’ny raharaham-pitsarana”, hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajoelina Yves Hugues, teny Anosy, omaly, taorian’ny lanonana famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Ezaka atao amin’izao ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fanambin’ny minisitry ny Fitsa­rana. Eo koa ny ady amin’ny tsindry. Hisarihana ny mpitsara rehetra hanao ezaka amin’ny fanovana toetra sy toe-tsaina amin’ny fiadiana amin’izay kolikoly sy tsindry izay. Efa misy ny fanenjehana mpitsara sasany amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Fantatra tamin’ny tatitry ny asa taona 2024 kosa, tamin’ny lanom-pitsarana, fa 59% ny tahan’ny voafonja vita fitsa­rana raha oharina amin’ireo miandry fitsarana. Ambony izany mitaha tamin’ny taona 2023 izay 52%. Nahitana trangana halatra sy fikasana hangalatra 203 ary antontan-taratasy 821 niditra tao amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI), Antananarivo, ohatra, nandritra ny novambra sy desambra. Nefa tamin’ny taona 2024, nandritra ny volana novambra sy desambra, nahitana trangana halatra sy fikasana hangalatra 415 ary antontan-taratasy niditra 1 526. Nitombo efa ho avo roa heny ny fanaovana heloka. Nitombo, araka izany koa, ny olona naiditra am-ponja. Izay no antony fiakaran’ny tahan’ny voafonja mbola tsy voatsara tamin’ny faran’ny taona. Miisa 710 kosa ny mpi­tsara misehatra eny anivon’ny fitsarana isan-tsokajiny. 296 ho an’ny TPI rehetra. 64 187 kosa ny antontan-taratasy niasana teo amin’ireo fitsarana ireo nandritra ny taona 2024. Raha atao ny salanisa, mandray antontan-taratasy 334 avy ireo mpitsara. Tafahitsoka ihany indraindray ny asa noho izay olana izay, ohatra. Mari­hina fa natao omaly koa ny fianianan’ireo solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny Fitsarana tampony.

R. Nd.

Catégories: National

Tselatra

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 09:16

Nifamely totohondry ny mpandeha iray sy ny reseveran’ny taxi-be 172, omaly maraina teo Tanjombato. Vola 100Ar no fototry ny olana satria tsy ampy an’io 100Ar io ny saran-dalan’ilay raim-pianakaviana. Nilaza izy fa eny Ankadimbahoaka no miala ka 500Ar ihany no nomeny, saingy tsy nanaiky io saran-dalana io ilay resevera. Vokany, vaky ny vavan’ilay resevera.
Hita faty tao anaty rano ny lehilahy iray mpitsena omby tao Mananara Avaratra, omaly. Mpanjono hanao ny asany no nahatsikaritra ny fisiana vatana mangatsika tao anatin’ny rano ka nampiakatra izany.
Zazamenavava narian-dreniny avotra soa aman-tsara teny Ambatomirahavavy, ny talata 14 janoary teo. Feon-jaza nitomany tao anaty lavapiringa no ren’ny manodidina. Nalain’izy ireo ilay zaza ka velonaina. Karohina kosa ilay renim-pianakaviana nanao izao fihetsika feno habibiana izao.
Hiakatra fampanoavana, anio, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana solika hosoka tao Toamasina. Mitohy ny fikarohan’ny zandary ny naman”ireo roa lahy mpanampoka solika tao amin’ny RN5 ireo. Amidin’ireo tsy mataho-tody 3 000 Ar hatramin’ny 4 000 Ar ny litatra an’ny solika voatampoka.

Catégories: National

Latsaka anaty hantsana: lahiantitra namoy ny ainy

Les Nouvelles - ven, 01/17/2025 - 09:11

Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona namoy ny ainy latsaka tao anaty hantsana niaraka tamin’ ny bisikileta, tao Ambohimarina, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, omaly. Nivoy kodiarandroa. Nilatsaka tampoka tamin’ny toerana nisy hantsana nirefy 7 metatra teo ho eo anefa izy. Niaraka nilatsaka taminy ny bisikileta teny aminy. Vokany, nidaraboka tamin’ny tany tsy nahetsika intsony io lahiantitra io. Nikoropaka nitazana azy avy eny ambony ny manodidina saingy tsy nisy sahy nanatona noho ny tahotra. Nojeren’ny tomponandraikitra sy ny mpitsabo, voamarina fa namoy ny ainy tanteraka io olona io. Tsy nisy azo natao intsony ny momba azy. Voadona mafy teo amin’ny faritry ny lohany niampy ny voina tampoka nahazo azy io raim-pianakaviana io ka niteraka ny famoizany aina. Niezaka namantatra azy ny mponina manodidina saingy tsy fanta-pihaviana io niharan-doza io. Nandray fepetra ka nametraka fambara loza manoloana ny fisian’ilay hantsana nitera-doza ny tomponandraikitra ao an-toerana. Marihina, matetika hitrangan’ny loza tsy nahy ateraky ny tandrevaka sy tsy fitandremana ny vanin-potoana fahavaratra toy izao. Mila mailo ny tsirairay raha toa ka manakaiky toerana ahina ho mora mihotsaka na misy hantsana.

Tsiferana R.

Catégories: National

Pages