Taorian’ny fifaninanana afrikanina natao tany Maroc, hanomana hetsika maro ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML). Araka ny fampitam-baovao nataon-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasionina FML, ny sabotsy teo, tetsy Ampefiloha, hiditra amin’ny hetsika fampiofanana ny taranja eny an-tsekoly, “Wrestling School”, izy ireo, ny 6 jona ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, raha tsy misy ny fiovana.
Ireo mpampianatra fanatanjahantena (EPS) no hisitraka izany. Efa nandefasana fanasana avokoa ireo sekoly 14 eto an-dRenivohitra. Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny federasionina fa hosokafana amin’ny fomba ofisialy any Antsirabe ny hetsika, ny 20 jona ho avy izao. Hiezaka hifantoka amin’ny fampiakarana ireo taninketsa ny federasionina amin’izao fotoana izao. Azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra nandritra ny fifanintsanana Afrikanina natao tany Maroc. Nitondra medaly alimo roa ny Malagasy tamin’izany. Hita ho lesoka ny tsy fahazarana miatrika fifaninanana avo ho an’ireo atleta eto an-toerana.
Araka ny fanazavana azo tamin-dRaveloson Mamitiana hatrany, efa manomana sahady ny fifanintsanan’ny Frankofonia, izay hatao ny faran’ny volana jona, ny Federasionina. Mbola eo am-pandinihana kosa izy ireo ny amin’ny fiatrehana ny “Mondial”, hatao ny volana aogositra ho avy izao, any Grèce.
Fitia Randria
Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 15 jona ho avy izao, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo. Tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Barea de Madagascar, hatramin’ny omaly alina. Raha tsy misy ny fiovana, mety hanainga eto an-tanindrazana ny 4 jona ho avy izao ny delegasionina malagasy. Raha ny fampivondronana farany, mpilalao 28 nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Marihina fa natao hanomanana ny “Chan 2024” izay hatao ny volana aogositra, ity “Cosafa 2025” ity. Tanjon’ny Barea ny haka ny amboara amin’izany. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona « C » no misy an’i Madagasikara. Hifandona amin’izy ireo i Tanzania sy i Eswatini. I Tanzania, ekipa miray vondrona, « B », amin’ ny ekipa nasionaly malagasy, mandritra ny “Chan 2024”, izay tontosaina ny volana aogositra ho avy io. Ny mpilalaon’i Eswatini kosa, efa nifankazatra tamin’ny Malagasy mpilalao. Izy ireo efa nahintsan’ny Barea, tamin’ny ady tapakilan’ny “Chan 2024”. Tsara ny mampahafantatra fa efa manana ny toerany ao amin’ny Chan i Madagasikara. Nandrombaka ny medaly alimo izy ireo tamin’ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie.
F.R
Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany.
Nandrombaka medaly volamena ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tetsy Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Ny sokajy lehilahy, nifanintsana tamin’ny sokajin-dalao isan-tarika no nahazo izany, raha toa ka volafotsy ny an’ireo vehivavy.
Naranty tao France, nandritra ny fifaninanana tenisy, “Roland Garros”, ny amboara besofina « Ligue des Champions 2025 », izay azon’ny Paris Saint Germain FC. Ilay frantsay mpilalao, Dembele, mihitsy no nitondra izany tany an-toerana. Nilaza moa ity kintan’ny baolina kitra frantsay ity fa ny firaisankina no ilaina fa tsy ny voninahitra ho an’ny tena manokana.
Mitana ny laharana voalohany amin’ny filaharana navoakan’ny Uefa, ny Real Madrid Espagne. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny Manchester City, raha toa ka fahadimy ny Paris Saint Germain, tompondakan’ny LDC farany teo. Midika izany fa mbola manana ny lanjany sy ny hajany ny Real Madrid eo amin’ny sehatry ny baolina kitra.
Nametraka ny tantarany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ihany koa, ankehitriny, ny ligin’i Matsiatra Ambony. Nandrombaka anaram-boninahitra roa izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka.
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Nisongadina ny zava-bitan’ny ligin’i Matsiatra Ambony tamin’ity. Nitondra anaram-boninahitra roa nody izy ireo, taorian’ny lalao. Anisan’ny nandrombahiny ny fandresena ny teo amin’ny sokajy senior, vehivavy, tamin’ny alalan’i Hasina sy i Judicael, mpilalaon’ny SBA. Resin’izy mirahavavy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 7, ny UBM, nahitana an’i Fenitra sy i Marinah. Mbola lasan’io ligy io ihany koa ny junior, nisy an’i Jessia sy i Franco, avy amin’ny HMPC+. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny isa mazava, 13 no ho 3, i Nathanael sy i Elio, mpilalaon’ny Pac Ampitatafika.
Ho an’ny senior, lehilahy, norombahin’ny Pac, nisy an’i Balôty sy i Salohy, ny amboara sy ny lelavola 2 tapitrisa Ar. Niondrika teo anatrehan’izy mirahalahy nandritra ny famaranana ny ekipan’ny CPA Ambohimangakely, notarihin’i Herimamy sy i Vonjy. Nisaraka tamin’ny isa, 13 no ho 11, ny roa tonta. Ho an’ny véterans indray, ny AS Fanalamanga no voahosotra ho tompondakam-pirenena, nisy an’i Jhonny sy i Marcellin. Lavon-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 8, i Ndrema sy i Joachim avy amin’ny C2BA Vakinankaratra.
Niisa 7 ireo ligim-paritra nanatrika ity fifaninanam-pirenena ity, Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Menabe, Itasy, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary i Boeny. Nahatratra 225 ireo ekipa teo amin’ny lehilahy, raha 58 ny vehivavy. Nisy 38 ho an’ny sokajy zandriny raha 51 ny zokiny.
Tompondaka
Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa, tsy mifidy marika izany. Tanjona ny hampihena ny voka-dratsy ateraky ny fako plastika. Nahatratra 3 500 000 ny tavoahangy voaangona nanomboka ny taona 2019, nametrahana ny tetikasa Kopakelatra. Navadika ho potika plastika, hahodina ho lasa vokatra hafa indray, na ilay atao hoe « Toekarena mihodina », toy ny akanjo, « auto-bloquant », …. Hamafisin’ny Star ny toerany amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra ara-tontolo iainana azy. Mivelatra kokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao sy ny fomba fanangonana fako plastika.
Njaka A.
Comme à l’accoutumée, le début du mois de juin marque l’opportunité pour chaque foyer malgache de hisser fièrement le drapeau national, en prélude aux célébrations du retour de l’Indépendance. Le patriotisme commence par la lever de drapeau. Cette année, le thème est « le patriotisme mène vers le développement ».
Lors de l’ouverture officielle des célébrations du 65e anniversaire de l’Indépendance, hier à Analakely, le président de la République, Andry Rajoelina, a lancé un appel vibrant à tous les citoyens malgaches. Il a exhorté chacun à hisser les couleurs nationales, non seulement sur les maisons, mais aussi dans les écoles, les bureaux de l’administration, les lieux de travail publics et privés, et les hôpitaux. D’après le Chef de l’Etat, «hisser le drapeau national est un symbole de patriotisme. En signe de notre amour pour notre patrie, en l’honneur des martyrs morts pour notre patrie, levons tous notre drapeau national». Le président a appelé les citoyens à se préparer et à célébrer la fête de l’Indépendance avec fierté.
N.A
Il est clair que le sujet relatif à l’octroi des terres reste encore délicat. Et pour cause, dans la culture malgache, elle est bien plus qu’un lopin cultivable : c’est une mémoire vivante, un héritage transmis de génération en génération, un symbole d’identité et de stabilité. Pas étonnant donc que chaque projet touchant au foncier, surtout lorsqu’il implique des étrangers, suscite des réactions immédiates. La récente signature d’un protocole d’accord entre l’Etat et l’entreprise israélienne LR Group n’a pas échappé à cette règle. Un projet qui prévoit d’intervenir dans quatre régions pour y développer des cultures telles que le riz, le maïs et le soja. Et pourtant, à la clé, il y aura des emplois, de la formation, des infrastructures et, surtout, une contribution à la souveraineté alimentaire.
Et pourtant, certains haussent déjà le ton, évoquant le spectre du passé. Mais comparaison n’est pas raison. Il faut distinguer les époques, les approches, et surtout les intentions.
D’abord, selon les informations fournies, il ne s’agit ici que d’un mémorandum d’entente, c’est-à-dire un cadre de discussion, pas une vente aux enchères. Ensuite, ayant appris des erreurs passées, l’Etat avance aujourd’hui avec plus de précautions, dans un contexte de besoin urgent de modernisation agricole. Et si ce partenariat est mené avec transparence, cela pourrait justement offrir un pont entre les besoins du pays et les ressources des partenaires étrangers. Oui, les investisseurs ont besoin d’un accès à la terre pour travailler. Mais non, cela ne signifie pas que la terre sera vendue.
En tout cas, le défi est clair, il faudrait rassurer les citoyens, impliquer les communautés locales, tout en continuant à rendre Madagascar attractif pour les investissements. Car disons-le Madagascar ne peut pas rester à l’écart du monde. La lutte pour l’autosuffisance alimentaire ne se gagnera pas seule, ni avec les outils d’hier. Elle passe par le partenariat à long terme avec les investisseurs étrangers. Rien de plus.
Rakoto
Les célébrations du 65e anniversaire de l’Indépendance de Madagascar, marquant également les 65 ans de l’Armée malgache, ont officiellement débuté hier sur le parvis de l’Hôtel de Ville d’Analakely. L’événement a été présidé par le président de la République, Andry Rajoelina, qui a prononcé un discours inaugural axé sur le lien entre le patriotisme et le développement.
«Nous avons choisi le thème lié aux objectifs à atteindre pour Madagascar dans cette célébration : ‘‘Le patriotisme mène vers le développement’’, des paroles symbolisant le fondement des valeurs, le bien commun, le fondement de la souveraineté nationale et surtout le fondement de l’espoir », a clamé Andry Rajoelina à cette occasion.
D’après le locataire d’Iavoloha, le développement nécessite des sacrifices et du patriotisme, et tout le monde doit œuvrer ensemble pour atteindre le développement. Le patriotisme qui nous pousse tous à faire le bien, à respecter la loi et à se donner la main pour que nous puissions bâtir ensemble un avenir meilleur pour Madagascar. « Soyons chacun un symbole de véritable patriotisme dans nos actions, notre responsabilité et notre dévouement dans l’atteinte de l’objectif commun : le développement de Madagascar », a-t-il lancé. Le progrès ne peut être réalisé sans patriotisme, exigeant travail et dévouement.
Andry Rajoelina a déclaré que ce thème a été spécialement choisi compte tenu de la situation actuelle. Le patriotisme brûle dans le cœur et honore le courage, les efforts et les luttes de nos ancêtres. « Le patriotisme doit se refléter dans notre travail et dans toutes nos actions, que ce soit dans notre vie quotidienne ou dans le monde professionnel. Et si le pays n’est pas une priorité, il n’y a pas de développement », a-t-il conclu.
Par ailleurs, lors de l’ouverture des célébrations sur le parvis de l’hôtel de ville Analakely, un moment particulièrement marquant a été la marche menée par les descendants de Ranaivoson Andrianome, le fondateur du drapeau national en 1958. Au cours de cette cérémonie, le grand drapeau national a été déployé, flottant au rythme du thème de cette 65e célébration. La présentation des cultures de chaque région à travers la danse et les tenues traditionnelles a constitué un des moments forts de cette ouverture officielle.
N.A
Hitondra filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena ny fanajana ny demokrasia, araka ny hafatra nampitain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. “Nilanjan’ny olona vatapaty sy « ressorts » ny tenako saingy tsy namaly izany satria izay ilay demokrasia”, hoy izy. Mety tsy matory sy tsy milamin-tsaina ireo nanao izany, araka ny nambarany.
Nampitaraina ireo ben’ny Tanàn’Atsimondrano ny momba ny fitantanana ny hetra. Hetahetan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, izany ny zoma teo, tetsy Anosikely, ho fanatsarana ny fitantanana ny kaominina. Nilaza ny hitondra izany amin’ny mpanatanteraka ny filohan’ity Andrimpanjakana ity.
Mahazo vahana ny lainga amin’ny tambajotran-tserasera, araka ny hafatry ny Eveka, nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fifandraisana. Tokony hitandro ny hasin’ny maha olona sy ny soa iombonana ny fampiasana ny fitaovan-tserasera. “Tokony ho fanabeazana ny fivelaran’ny maha olona”, hoy ny Eveka tetsy Antanimena, ny alahady teo.
Hanao hetsika didim-poitra faobe maimaimpoana ny 21 jona izao ny kaominina Ivato. Mikarakara izany ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa. Niantso ireo raiamandreny manana zanaka lahikely hatao hasoavana ny fiadidiana ny Tanàna mba ho tonga hisoratra anarana mialoha ao amin’ny sekreteran’ny ben’ny Tanàna.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny FJKM Andrainarivo, ny alahady teo, ny faha-45 taona nijoroan’ny FFKM. Nitarika izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nivoitra tamin’ny teny fampianarana nentin’ny mpitandrina, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, fa tokony hifampihaino ny rehetra, tsy handrihandry manana aretina ary hifampihevitra eo anivon’ny fiarahamonina. Nanteriny ny tokony hifankatiavana marina fa tsy ho ao anaty fihatsarambelatsihy anefa izany. “Fitiavana marina eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana ary ny firenena… Aoka isika hanao asa soa ahatsapan’ny mpiara-belona amintsika fa tsy asa vonjitavanandro anomezana trondro azy fa kosa hanolorana azy ny haranjono, hiarenany eo amin’ny fiainana”, hoy ihany izy. Notsindriny koa fa miaina anaty rivotra hafahafa ny tanora ka tsy te hahalala afa-tsy ny tenany. Nohitsiny anefa fa tsy maintsy hihoarana izany ary tsy tokony hampihemotra. “Manimba firenena sy ny fiarahamonina ireny ka manana andraikitra ny FFKM ny amin’ny fanentanana ny hifikirana amin’ny finoana”, hoy izy. Notsiahivina tamin’izany fa nijoro ny FFKM ahafahana mampiombona ny fiangonana sy ho fijoroana vavolombelona mba ho fanasin’ny tany. Nitondra ny ranombavaka ny pasitora, ny Dr Rakotozafy Denis (FLM) raha nitarika ny fotoana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona ary namaky ny tenin’Andriamanitra kosa ny Mgr Raoelison Jean de Dieu.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ireo minisitra sasany eo anivon’ny governemanta sy ny avy amin’ny Ceni. Teo koa ireo depiote sy mpanao politika, avy amin’ny fanoherana…
Synèse R.
Anisan’ny hisongadina mandritra ity volana jona ity ihany koa ny fanehoana ireo kolontsaina maro misy eto Madagasikara. Fotoana ahafahana manararaotra ny hanatevenana ny fifanakalozana eo amin’ny samy Malagasy sy eo amin’ny samy mpanakanto na mpikirakira zavakanto izany. Io matetika no tsy ampy ka tsy mampivelatra ny zavakanto eto an-toerana.
Mihidy na voahidy any amin’ny toerana iray ny kolontsaina sy ny zavakanto, hany ka zara raha fantatry ny Malagasy. Ny vahiny izay liana sy manana fahefa-mividy hijery sy hanjifa azy ireny sisa no manao izany.
Vitsy amin’ny Malagasy monina eto afovoantany, ohatra, no mahalala sy mahafantatra ireo karazan-dihy na hira na lalao isam-paritra. Variana raha sendra ny dihy salegy. Tahaka izany koa ny monina any amorontsiraka, mety tsy mahalala ireo fomba atao amin’ny «mivoaka itany» eto afovoantany, sns.
Io mampidadasika an’i Madagasikara sy ny maha maro ny karazana fomba amam-panao ao aminy io no miteraka ny «harena ny fahasamihafa». Ny volana jona tahaka izao no mila hararaotina hisian’ny fifanakalozana. Hisy ny fihaonana momba ny teny. Ny lanonana na sehatra ho an’ny ankizy. Ao ihany koa ny fankalazana ny fiverenan’ ny fahaleovantenam-pirenena, sns. Fotoana ahafahana mifanakalo kolontsaina sy zavakanto ihany koa.
HaRy Razafindrakoto
Norombahin’i Suchata Chuangsri, tovovavy mpifaninana avy any Thaïlande, ny anaram-boninahitra «Miss Monde 2025». Izy izany no tsara tarehy sy tsara bika ary nahafeno ny fepetra rehetra notakin’ny fifaninanana. 22 taona izy, efa nahazo loka maro teo amin’ ny tontolon’ny hatsaram-bika sy endrika tamina fifaninanana notontosaina tao amin’ny tanindrazany.
Mitombo andro aman’alina ireo tanora mirotsaka eo amin’ny fanoratana. Matetika, tononkalo no ataon’izy ireny. Fantatra, araka ny dinika nifanaovana tamin’ireo tanora mpanoratra ireo, fa mbola olana amin-dry zareo ny ahafahany manaparitaka ny sanganasany. «Tsara ny Facebook, saingy, mbola hafa ihany ny boky…», hoy i Salohy RH, mpanoratra anisan’ny nanakorisa ny peniny raha mbola vao 12 taona monja.
Manao tsianjery ny mpikabary ankehitriny. Anisan’ireo tsikera miverimberina rehefa misy ny diniky ny mpikabary, tanora sy ireo efa manana traikefa. Dingana tsy maintsy lalovana ny tsianjery, hoy indray ny hafa. Na eo na tsia ny tsianjery, tsapa sy heno ihany fa tsy mahafehy loatra ny fonosin’ny teny malagasy ny tanora sasany, hany ka manjary misy adihevitra vaovao indray mipoitra.
Miditra ny vanim-potoan’ny ririnina. Manaraka izany ihany koa ny fanatontosana ireo karazana fomba samihafa. Didim-poitra na hasoavan-jazalahy, ny famadihana, sns, raha ho an’ny eto anivon-tany. Miasa mafy ny mpihiragasy! Na izany aza, antso avo no ataon’izy ireo ny amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana any amin’ireny lalana alehan’izy ireo ireny.
Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina-Zone P2 ilay fampisehoana «Play lisitra». Tanora maro no voasariky ny mozika rap. Malalaka rahateo ny toerana. Endrika iray maneho fa mivelatra hatrany ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Nahatazanana izany, teny an-toerana ihany koa, ny fisian’ny fiarahana teo amin’ny samy mpankafy. Samy mahay tononkira. Miara-mientana amin’ny eny an-tsehatra…
Fantatra sy tsikaritra nandritra ity fampisehoana ankalamanjana «Play lisitra» ity ihany koa ny fananan’ireo tarika nifandimby tononkira mafonja mampita hafatra ho an’ny sokajin-taona sy sehatra samy hafa. Tao ireo nifono anatra ho an’ny mpifankatia. Ny manolotra soso-kevitra sy mankahery ho an’ ireo izay mitady ho kivy eo amin’ny fiainana. Ny misava sy mitari-dalana ny tanora hizotra any amin’ny lalana marina hatrany na eo aza ny rendrarendra sy ny haitraitran’ny fiainana.
Noporofoin’ireto tarika mpanao rap ireto fa afaka manabe sy mitaiza ny rap. Tanora rahateo ny maro amin’ny mpitia rap.
HaRy Razafindrakoto
Nigadona ny volana jona. Efa zary nahazatra ny Malagasy, indrindra ireo mpandala sy mpikolo ny teny malagasy, ny manao ezaka manokana ho fampitiavana izany teny izany. Maro ireo manao hetsika mifanentana amin’izany…
Amin’ireo fikambanana na vondrona samy hafa, miaro sy manandratra ny teny malagasy. Tao ny nanomboka, omaly, avy hatrany ny hetsika na ny fandaharam-potoana izay heveriny fa hanamarihana na hankalazana ny «Volan’ny teny malagasy». Ao ihany koa ireo hanomboka amin’ity herinandro ity. Saika isan-taona, samy maneho izay fahavononana ny hanome aina indray ny teny malagasy izay izy ireo.
Mahavariana! Ezaka lehibe no vitan’ireny fikambanana na vondrona na sampandraharaha isan-tsokajiny ireny. Saingy, hatramin’izao, ambilombazana ihany ny vokatra misongadina. Raha velarina eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena, mety tsy ho tazana akory ny sasany amin’ny asa natao.
Mahavariana! Teny malagasy, ampiasain’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery, kanefa, resin’ny teny vahiny, eto amin’ny taniny. Manamafy izany ny tranga hita eny amin’ny fiarahamonina. Ifandrombahan’ ny ray aman-dreny ny mampiditra ny zanany any amin’ireny sekoly mampiasa ny teny vahiny ireny. Mbola omena lanja sy lohalohavina any
amin’ny tontolon’ny ankamaroan’ny sehatry ny asa ny fampiasana ny teny vahiny. Izay «zavatra» atao na ampiasaina ny teny vahiny, toa «tsara sy ambony» ny fandraisan’ny fiarahamonina azy, sns
Zara raha ifampiresahan’ ny samy Malagasy ny teniny. Manomboka tsy heno intsony any anivon’ny ankohonana ny teny malagasy. Menatra ny hotsarain’ny mpiara-monina ho «bado» ka aleo miteny amin’ny fiteny vahiny, sns. Ireny rehetra ireny no mitabamby ka tsy maintsy hanomezana hery sy aina vao hatrany ny teny malagasy.
Tsy mbola ampy ny fampiasan’ny Malagasy ny teniny, eo amin’ny fiainany andavanandro. Antony lehibe hanomezana aina azy isaky ny «Iray volan’ny teny malagasy» izany.
HaRy Razafindrakoto
Vaindohan-draharahan’ny fandaharanasan’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fikajiana ny tontolo iainana ao anatin’ny asa fitrandrahana ataony. Misy ny fepetra takina sy tokony harahina momba ny « Projet Environmental Management Plan (PGEP)”, talohan’ny fahazoan-dalana azony ny taona 2001. Takina amin’ny kaompania ny hampiharana ny fenitry ny tontolo iainana E16 an’ny Rio Tinto izay mifandraika amin’ny fiarovana ny karazan-javamananaina sy ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina. Nametraka faritra arovana ny tetikasa araka ny rafitra napetraky ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN). Ahitana ny Mandena mirefy 230 ha, Ambatoatsignana ka hatrany Magnafiafy Sainte Luce, manana velarana 818 ha ary ny ao Petriky, mirefy 125 ha. Ireo no faritra arovana voalohany eto Mada-gasikara tantanin’ny orinasa mpitrandraka iarahany amin’ ny mponina eny ifotony (Cogema) ho an’ny ao Mandena. Miaraka amin’ny Fikambanan’ny mpiara-mitantana ny alan’Ambatoatsignana (Fimpia) kosa ny orinasa ho an’ny faritra arovana ao Ambatoatsignana. Miara-miombon’antoka amin’ny mpiara-mitantana ny alan’i Petriky (Fimpiap) kosa izy ho an’ny ao Petriky. Voarafitry ny lalàna 2015-005 momba ny fehezan-dalàn’ny faritra arovana (Coap) ny fitantanana ireo faritra ireo.
Vina
Tanjon’ny QMM ao amin’ ny asa fitrandrahana ny mijery ny tombontsoa ho an’ny fiarahamonina, ny fikajiana ny tontolo ianana amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ny famerenana ny ala sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina ihany koa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa RSE ny tetikasa ary ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa
Les bouteilles en plastique sont devenues un fléau écologique mondial, inondant chaque année les écosystèmes de millions de tonnes de déchets. Face à cette urgence, Star, un des grands acteurs de l’agroalimentaire, déploie une réponse concrète avec son projet Kopakelatra.
Depuis 2019, Kopakelatra a collecté plus de 3,5 millions de bouteilles en plastique grâce à 131 bacs installés dans 93 points de collecte répartis sur six villes. Tous les types de bouteilles, sans distinction de marque, y sont déposés. L’idée consiste à réduire l’impact environnemental des activités de Star et valoriser les déchets générés.
Les bouteilles récupérées suivent un processus rigoureux : tri, lavage, broyage. Elles renaissent ensuite sous de nouvelles formes. Transformées en paillettes ou fibres plastiques, elles alimentent des filières variées, du rembourrage textile à la fabrication de sceaux et pavés autobloquants. Star fait ainsi entrer l’économie circulaire dans la réalité, donnant une seconde vie à ce qui était jadis un simple déchet.
Aujourd’hui, l’entreprise ne s’arrête pas là. Elle renforce son engagement environnemental en élargissant le projet. De nouveaux partenaires rejoignent l’aventure et de nouveaux schémas de collecte sont mis en place.
Arh.
La gare routière d’Amoronakona, pourtant achevée sous l’ancien régime du président Hery Rajaonarimampianina, reste étonnamment inactive. « Le régime en place tient à effectuer une étude environnementale approfondie avant l’opérationnalisation de cette gare », a déclaré le ministre des Transports et de la météorologie devant la presse à Anosy, le 27 mai.
Selon le ministre, l’ouverture de la gare routière d’Amoronakona, est actuellement suspendue en raison de sa proximité avec une usine de traitement d’eau. Ce dernier a expliqué que « Cette situation exige des précautions environnementales supplémentaires afin de prévenir toute pollution. Une commission conjointe du ministère de l’Environnement et du développement durable, en collaboration avec l’OMS, sera chargée de mener des études approfondies pour évaluer et maîtriser les risques. »
Sur le plan technique, il reste encore à voir lesquelles parmi les lignes régionales seront déplacées au niveau de cette infrastructure. Ce détail est encore loin d’être négligeable, puisque cela nécessite encore à entamer des pourparlers avec les transporteurs. « Avant l’ouverture officielle, il faut s’assurer que cette gare suive un certain standard et prendre en compte le fait qu’elle n’a pas servi depuis un certain temps déjà. A cet effet, quelques rénovations s’imposent », a-t-il indiqué.
Au passage, il y a la mise en service du train urbain reliant Ambohimanambola au PK0 Soarano qui est aussi en attente. « Au début, on prévoyait de mettre en service un seul train pour le projet Train urbain reliant PK 0 Soarano à Ambohimanambola, mais avec un peu de recul et pour plus d’efficacité, on a décidé qu’il est préférable d’attendre un deuxième train avant de passer à l’opérationnalisation de cette ligne », a avancé le ministre.
D’après lui, lorsque ce projet sera opérationnel un train partira de Soarano et l’autre d’Ambohimanambola. « Avant la mise en service du train urbain, on doit encore s’armer de patience. L’opérationnalisation de cette nouvelle ligne de chemin de fer est conditionnée par une vaste campagne de sensibilisation auprès des citoyens riverains. En effet, de nombreux habitants utilisent actuellement les rails comme étendoir à linge », a spécifié le ministre.
Jean Riana
Depuis ce dimanche 1er juin, les prix à la pompe ont été ajustés plus tôt que d’habitude. Alors que les modifications intervenaient généralement le 5 du mois, le gouvernement et l’Office malgache des hydrocarbures (OMH) ont enclenché le mécanisme automatique dès le début du mois avec des fluctuations contrastées selon les types de carburants.
Le gasoil enregistre une baisse de 70 ariary, son prix passant de 5.170 ariary à 5.100 ariary le litre. Cette diminution s’explique par une conjoncture internationale plus favorable, avec une chute des cours du pétrole brut et un taux de change plus avantageux pour l’ariary. Il s’agit d’adapter les prix locaux aux réalités du marché mondial.
En revanche, le sans plomb connaît une légère hausse. Son tarif grimpe de 10 ariary, atteignant 5.520 ariary le litre. Il s’agit de la deuxième augmentation consécutive pour ce carburant, après une baisse régulière depuis janvier.
Le pétrole lampant, quant à lui, continue de grimper. Il subit une nouvelle hausse de 200 ariary, atteignant 3.520 ariary le litre. C’est la cinquième augmentation consécutive depuis février, en cohérence avec la politique de suppression progressive des subventions sur les produits pétroliers. Cette hausse correspond au plafond autorisé par le décret régissant l’ajustement automatique des prix instauré en janvier.
Les prix appliqués sont calculés sur la base de données du mois M-2, comme l’a rappelé l’OMH. Selon les autorités, si la tendance actuelle se maintient, le prix du gasoil pourrait revenir à son niveau de janvier dès le mois prochain.
Hausse des prix pour le gaz
Depuis le 29 mai également, les prix du gaz butane en bouteille montent encore. Vitogaz, leader du marché, annonce une hausse moyenne de 3,5 %. Elle résulte du doublement de la TVA, passé de 5 % à 10 % selon la loi de finances 2025.
La bouteille de 4 kg coûte désormais 31.000 ariary, contre 30.000 auparavant. Celle de 9 kg passe de 67.000 à 69 000 ariary. La bonbonne de 12,5 kg grimpe à 98.000 ariary et la 39 kg atteint 410.000 ariary. Ces prix varient selon les régions, mais la hausse est générale.
Vitogaz précise : « L’augmentation était attendue après six mois. Nous respectons le calendrier ». L’entreprise rappelle avoir étalé les hausses : 1,5 % en janvier, 0,5 % en avril, et maintenant 1,5 %. Les consommateurs devront s’adapter à ces nouveaux tarifs.
Arh.
Taxi-be iray nirehitra teo amin’ny Jovena Anosizato Andrefana, omaly atoandro, tamin’ny 11ora sy sasany. Nifarimbona namono ny afo ny avy amin’ny zandarimaria teny an-toerana sy ny eo amin’ny tobin-tsolika. Nampiasana fasika sy extincteurs roa ny famonoana izany ary voafehy haingana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy nisy naratra, tsy nisy koa ny aina nafoy.
Hiakatra fampanoavana anio, etsy amin’ny Fitsarana Anosy, ireo olona tratra nanendaka sy nangarom-paosy, nandritra ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa, natao tany Miakadaza Imerintsiatosika, ny herinandro teo. Nitory azy ireo ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Avy eny Tanjombato, Anosibe, Antohomadinika, Andrefanambohijanahary sy Ampitatafika ireto mpanao asa ratsy ireto.
Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso Andilamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voasambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny sabotsy teo tamin’ny 5 ora maraina, raha ny antso voarain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Antonibe. Avy nanafika mpandraharahara iray tany an-toerana izy ary lasany tamin’izany ny vola mitetina 4 000 000 Ariary. Niaiky ny heloka vitany izy ary vonona hanondro ny namany, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Voatonona tamin’izany ny namany antsoina hoe: Lesivy. Nasaina nanoro ny toerana misy ireo voalaza izy. Nandritra izany, nanararaotra nandositra ity jiolahy ity, antony nahatonga ny mpitandro filaminana nitifitra azy. Tsy tana ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Fantatra fa anisan’ny jiolahy efa mpamerin-keloka sy efa ela nigadra izy io. Tafiditra ao anatin’ny fikambananan-jiolahy atao hoe: « Groupe de bandit telma » izy io, raha ny fanazavana voaray.
Mino